Mitafy an'i Jesoa Kristy
21. Nehemiah
(
31/08/2013 08:00)
Miharena:
Raha lazaina hoe fandrebirebena saim-bahoaka ny ataon'ireo olona lazaintsika ireo, dia tsara raha mamantatra tsara aloha vao miteny izany. Raha tsy niaina toa azy ianao dia aza miteny izany mihitsy. Asa hoy aho hoe ny namana Nehemiah dia FJKM hiriniriny nefa tsy manaiky ny asan'i Jesoa. Angaha ma tsy fantatrao ireo olona maro ao amin'ny sampana fifohazana izay manamarina ny fisian'ireny mpaminany ireny?
Saingy efa lasa niditra loatra tamin'ny politika moa ny namana mpitandrina sasany ka lasa mahavariana dia mahavariana ny fivoizana resaka tsy misy idiran'ny finoana amin'ny gazety izay avoakany ho an'ny mpino.
Izaho namana dia maneho eto izay zavatra pratika fa tsy teorika avy ami'ny alalan'ny fitanisana Baiboly fotsiny ihany. Indridra moa fa tsy te-haneho fiheverana izay mifanipaka amin'ny tenin'Andriamanitra sy ny tena Sitrapony izay fandalinana avy amin'olombelona ozay fantatra fa manana filtre araka ny filazanao azy etsy ambony.
Ne. 6:12 : [color=blue}Ary hitako fa, indro, tsy Andriamanitra no naniraka azy, fa nilaza izany faminaniana izany hamitahany ahy izy, satria notambazan’ i Tobia sy Sanbala.[/color]
;)
Nanao faminaniana tsy tanteraka i Tsaratsara, ka nohon'izay mpaminany sandoka izy, tapitra hatreo ny resaka
22. Nehemiah
(
31/08/2013 08:58)
Ary hitako fa, indro, tsy Andriamanitra no naniraka azy, fa nilaza izany faminaniana izany hamitahany ahy izy, satria notambazan’ i Tobia sy Sanbala.
23. Miharena
(
31/08/2013 11:52)
Mety azo lazaina tsara ve hoe inona ilay faminaniana? Ary efa fantatrao ve hoe inona no tsy nahatanteraka izany?
Misy zavatra iray izay tsy mba azon'ny olona ihany koa manko. Ohatra : raha milaza ireny olona ireny hoe mifanerasera akaiky toy ny olona roa mifampiresaka ireny izy sy Jesoa ary Jehovah, dia inoanao sa tsia? Maro aloha no tsy mino satria heveriny fa tsy mety amin'izao fotoanandro izao izany na dia voalaza ao anaty Baiboly aza.
Somary tsy mazava ilay resaka hoe Tobia sy Sambala. Azonao hazavaina ve?

24. Nehemiah
(
31/08/2013 12:35)
Naminany i Tsaratsara fa hitsangana @ maty ny "apôstôly" Rijaharivelo nefa tsy tanteraka.
Efa milaza mazava ny Deoteronomia fa tsy nirahin'Andriamanitra ny olona manao faminaniana tsy tanteraka, ary tsy ny bons sentiments-nao mamy toy ny tantely miharo siramamy no manova an'izay.
Sa diso ny Deoteronomia hoy ianao ?
Raha ny momba ny Ne. 9:16 indray dia tsotra ny valiny : vakio ny hevitra manodidina.

25. Miharena
(
31/08/2013 12:54)
Fatra-pitady porofo toa an'i Tomasy ny olona. Raha fantatrao hoe tsy io faminaniana io no mahasoa ny olona izay vao hiaiky isika hoe nandà izay naniraka ny namana Tsaratsara.
Ny tiana ahatongavana dia hoe : na hisy hitsangana amin'ny maty aza dia hitohy tsy hino ihany ny olona. Tsy fanaporofoana hoe mpaminany sandoka amiko ny tsy fahatanterahan'ny faminaniana fitsanganan'ny maty toy ireny. Fa iza moa ny Apostoly Rijaharivelo no tsy maintsy hiverina amin'ny fiainana maha-nofo azy hanaporofoana ny fahamarinana na tsia an'ny namana Tsaratsara?

26. Nehemiah
(
31/08/2013 14:56)
Fialàna bala izao. Naminany i Tsaratsara fa hitsangana @ maty ny "apôstôly" Rijaharivelo nefa tsy tanteraka. Kanefa milaza ny Deoteronomia fa tsy nirahin'Andriamanitra ny olona manao faminaniana tsy tanteraka. Na marina izay na diso. Raha marina dia fôsika i Tsaratsara. Raha diso dia fôsika ny Baiboly.
27. Miharena
(
31/08/2013 15:27)
Eo indrindra isika. Azonao antoka ve fa tsy niverina tamin'ny fanapahan-keviny Andriamanitra raha tsy namerina ny ain'ilay Apostoly tao amin'ny nofony? Ny namana Tsaratsara ihany no afaka mamaly izany. Toy ny tao Ninive io.
Izany hoe tsy afaka ny hi-trancher mihitsy isika hoe misy diso ny zava-nitranga teo.
Izaho moa dia te-hilaza hoe tsy dia tia ilay fialàna bala lazainao io satria hafa ny fomba finoako fa mety tsy hitovy isika sy ianao amin'izay.

28. Nehemiah
(
02/09/2013 05:51)
Torak'izay koa azoko atao ny milaza hoe azonao antoka ve fa niverina tamin'ny fanapahan-keviny Andriamanitra ? Raha nanao an'izay dia nahoana no navelany ho arabiana ny mpaminaniny ? Tsy hahita mpaminany @ Baiboly nanaovan'Andriamanitra an'izay ianao fa raha nanao an'izay dia mpamitaka Izy.
Izy ity tsy resaka fomba finoana aho fomba finoana fa finoana ny zavatra nolazain'Andriamanitra, ary tsy misy famoahan-kevitra be dia be ny zavatra nolazainy t@ Deoteronomia.
Teny 100, kabary 1000, fa ny 1 ihany no marina (izany hoe ny tenin'Andriamanitra ;) )

29. Miharena
(
02/09/2013 06:40)
Marina mihitsy ka! Teny 100 kabary arivo fa iray ihany no marina.
Raha ny fanarabiana indray aloha dia mety hisy betsaka hitranga ihany na iza na iza no mitondra ny anarana maha-Kristianina na iraka.
Fa misy zavatra hafa koa izay tiana lazaina ihany, raha nisy tantara tao anaty Baiboly momba an'i Saoly izay nanenjika an'i Davida dia tsy novonoin'i Davida mihitsy izy satria olom-boahosotr"i Jehovah. Eny na dia nolazain'i Jehovah ampahibemaso aza hoe tsy homba ani' Saoly intsony IZY.
Ny tiana ambara amin'izany dia hoe : na iza na iza, eny na dia Jodasy aza, dia tsy anjarantsika no manome tsiny azy satria nofo sy rà toa antsika izy ireo. Mety hisy otrika hafa mifangaro momba ny filazany ny hafatr'Andriamanitra.
Nahita ilay ranamana Tsaratsara io aho tamin'ny fanadihadiana tamin'ny TVM ary hitako fa tsotra dia tsotra ilay rangahy. Izay omen'ny olona azy dia raisiny ary ataoko angamba fa anisan'izany ny zava-nitranga teto satria tamin'io fotoana io tokoa dia tsy Tsaratsara loatra no niteny hoe hitsangana ilay Apostoly fa ny tenan'ilay Apostoly ihany. Efa azoko tokoa ilay filazan'i Tsaratsara tamin'io fotoana io rehefa nandre izay filazan'ny olona izay fa nalaza be manko izy io tamin'ireny. Hoy izy raha tsy diso aho : raha mino ianareo dia hitsangana izy.
Fa ny olona moa Tomasy ihany ka rehefa tsy nitsangana ilay ranamana da ny iraka no hamavoiny fa tsy jereny akory hoe aiza ho aiza ny fahalalinan'ny finoan'nyy tenany??
Tsy hoe te-hanao lava resaka aho hiaro izatsy na izaroa fa te-hilaza fotsiny ihany hoe raha tsy maika hanome tsiny isika dia tsy ho voafandrika ao amin'ny fitsapàna izay aseho antsika.
Toa ani' Davida io, raha tsy notsapaina ela mihitsy tsy fantatra hoe izy no voadfidy hipoiran'i Jesoa. Ny tiana hiaviana dia hoe miara-miasa ny zava-drehetra fa mila mitandrina satria raha toa ka misy fitsapàna ny finoan'ny olona amin'izao fotoana izao, iza sisa no ho tavela?

30. Nehemiah
(
02/09/2013 07:00)
Mibaribary fa tsy mety eken'ny sainao fa fôsika i Tsaratsara. Fa raha ny lôjika aloha dia tsy mino ny Baiboly ianao.
31. Miharena
(
02/09/2013 07:11)
Izay indrindra no tsy mampitovy antsika satria ianao mitsara hoe izaho tsy mino ny Baiboly nefa araka ny lôjika no andraisanao azy. Ilay lojika no tsy mitovy eo amintsika satria hafa mhitsy ny lojikam-panahy sy ny lojikan'ny saina.
Na samt mamaky io Baiboly io aza isika, dia samihafa ny zavatra hivoaka avy eo satria raha vao lojikako na lojikanao dia tsy hitovy fijery isika na dia iray ihany aza ny boky vakiana.
Dia toy izany koa eo amin'ny famakiana ireo boky isan-karazany na fitaizam-panahy isan-karazany.
Ny hany mba hitako manko dia misy lojika izay heverina ho mafy orina izay apetraky ny mpino sasany nefa hita hoe mibirioka ka mamandrika azy tsy hahita ny lalana nosoritan'ny Tompo ho an'ny olombelona tsirairay. Eo izy no atao hoe matory na mampidi-kizo ny fanahiny ihany. Fa rehefa tena miaina ara-panahy kosa izy, dia izay vao mifoha. Ka asa aloha na anisan'ilay matory ao anaty lojikanao ianao na mifoha tsara ara-panahy izay tsy lojikan'olombelona no mametraka izany fa Andriamanitra irery ihany.

32. Nehemiah
(
02/09/2013 07:35)
Miharena:
Izay indrindra no tsy mampitovy antsika satria ianao mitsara hoe izaho tsy mino ny Baiboly nefa araka ny lôjika no andraisanao azy. Ilay lojika no tsy mitovy eo amintsika satria hafa mhitsy ny lojikam-panahy sy ny lojikan'ny saina.
Eisy, ity indray ilay fialàna bala faratampony... Angamba tapitra hatreo ity resaka ity...
33. Miharena
(
02/09/2013 08:31)
Mety hitohy ihany ilay izy raha toa ka te-hahalala izany lojikam-panahy izany ianao kah!
Ohatra : nitady fanahy miasa ny namana Tsaratsara dia tao anaty Moara no nahitany azy avy. Avy eo anefa dia nifanena tamin'ny Fanahin'i Jesoa izy.
Dia izay ilay hoe lojika ara-panahy fa tsy ara-tsaina mahay boky sy Baiboly fotsiny.
Mba manontany ihany aho hoe : miaina ara-panahy ve ny namana Nehemiah sa mpanaraka lojika azo avy amin'ny boky?

34. Miharena
(
02/09/2013 08:35)
Mety hitohy ihany ilay izy raha toa ka te-hahalala izany lojikam-panahy izany ianao kah!
Ohatra : nitady fanahy miasa ny namana Tsaratsara dia tao anaty Moara no nahitany azy avy. Avy eo anefa dia nifanena tamin'ny Fanahin'i Jesoa izy.
Dia izay ilay hoe lojika ara-panahy fa tsy ara-tsaina mahay boky sy Baiboly fotsiny.
Ohatra : nitady fanahy miasa ny namana Tsaratsara dia tao anaty Moara no nahitany azy avy. Avy eo anefa dia nifanena tamin'ny Fanahin'i Jesoa izy.
Dia izay ilay hoe lojika ara-panahy fa tsy ara-tsaina mahay boky sy Baiboly fotsiny.
35. Nehemiah
(
02/09/2013 08:51)
Eny ary, fanontaniana 3 no apetrako :
- inona izao Moara izao ?
- ahoana no ahazoana antoka fa fanahin'i Jesoa tokoa ilay izy, indrindrindrindra raha efa nampitandrina ny tenin'Andriamanitra fa misandoka ho anjelin'ny mazava i Satana (2 Kor. 11:14) ?
- tsy ara-panahy angaha ny Baiboly, sa ve misy an'izany A=non A ny lôjika ara-panahy no ahilikao tsotra izao ny Dt. 18:22 ?

36. Miharena
(
02/09/2013 09:29)
Eny àry e!
Mety ho fanontaniana ihany no valiny azonao fa miala tsiny aloha.
Nahoana no nisy io fihodinana 180 degire io teo amin'ny olona mijoro fa tsy mino taloha fa mpanao ody mahery? Raha tsy nodorana avokoa ireo ody ireo tsy nitoetra izay fahalalàna ny momba ny Fanahy Masina izay teo amin'io olona io.
Hoy aho hoe : izaho hoy aho dia tsy hoe tsy mpamaky Baiboly fa ny tena fampiorenam-pinoako dia tsy izay voalaza ihany fa izay fantatra fa manome endrika manamarina izay naniraka ny hafa nanoratra izay fantany momba ny fanjakan'Andriamanitra.
Ny olana manko namana dia toa anao io mihitsy aho niaro izay voalaza tao anaty Baiboly ka nitoky tamin'ny soratra fa rehefa novangiana dia hafa mihitsy izany Fanahy Masina mamangy izany.
Ohatra iray : nivavaka, namaky Baiboly ary avy eo nanontany tena hoe : raha izao moa no tena tonga tokoa Jesoa mamangy ny fo fa tsy tanisanisaina toa ny fanaon'ny Kristianina mpiara-mivavaka amiko toy izao ny Baiboly??
Dia novangiana taminny' fahatsapana tokoa aho. Hafa izany vangian'ny Fanahy Masina izany. Saingy mety tsy ho teo amin'ny toerako moa ianao dia mety hilaza fa angano na diso izay nahazo ahy izay ohatra.
Hafa ihany koa izany mahazo Fanahy mahay manavaka izany. Fantatra tsara hoe iza no misandoka rehefa misy ireny zavamiseho rehetra ireny.
Fa izaho ohatra sahy miteny aminao fa tsy sandoka izay miseho ankehitriny eto amintsika Malagasy.
Ny hany tsapa fotsiny dia nivily lalana ny fampianarana ka izany no tsy hahafahan'ny mpino marobe hahalala an'Andriamanitra sy Jesoa miresaka ankehitriny.

37. Nehemiah
(
02/09/2013 15:24)
Kanefa ny Fanahy Masina dia Andriamanitra ka tsy mifanipaka, ka raha manohitra ny Dt. 18:22 na fampianarana hafa avy @ tenin'Andriamanitra dia na tsy Fanahy Masina izay fanahy izay na ny Baiboly no tsy tenin'Andriamanitra, lôjika tsy azo ihodivirana hatrany hatrany izay
38. Miharena
(
02/09/2013 17:31)
Efa lazaina moa ianao namana hoe ny fahazoanao ireo lahatsoratra ireo dia tsy mitovy amin'ny tian'ny Fanahy Masina, IZY Tenany tenenina marina.
Azontsika atao ny mitondra teny iray dia hazavainao aloha dia avy eo hazavaiko dia ho hita eo hoe iza no diso fandray.
Ohatra mazava be io teny io ohatra. raha izaho no mamaky io dia mazava be fa rehefa misy olona mpaminany milaza zavatra amin'ny anaran'i Jehovah dia mety hisy teny lazainy tsy avy amin'i Jehovah. Mpaminany anefa izy na izany na tsy izany.
Ohatra : Pasitera iray izay mitory teny ary lazain'ny olona fa olon'Andriamanitra milaza izay mba fantany ao anaty Soratra Masina, nefa tena hita fa mibirioka ilay teny dia tsy azo raisina ho fahamarinana avy amin'iJehovah izany teny izany. Izay olona manana ny Fanay Masina no afaka manavaka izay lazain'ny olona iray rehefa mitory na Tenin'Andriamanitra ilay izy na tenin'izy tenany. Fa tsy midika izany hoe tsy manana izay marina izay tena ambaran'i Jehovah aminy izy.
Mora hita izany hoe misy fidélité ny olona mitory na mba mibirioka ihany koa.

Dt 18:22:
22 Raha miteny amin'ny anaran'i Jehovah ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka, dia teny izay tsy nolazain'i Jehovah izany: tamin'ny fahasahisahiana no nilazan'ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy.
Ohatra mazava be io teny io ohatra. raha izaho no mamaky io dia mazava be fa rehefa misy olona mpaminany milaza zavatra amin'ny anaran'i Jehovah dia mety hisy teny lazainy tsy avy amin'i Jehovah. Mpaminany anefa izy na izany na tsy izany.
Ohatra : Pasitera iray izay mitory teny ary lazain'ny olona fa olon'Andriamanitra milaza izay mba fantany ao anaty Soratra Masina, nefa tena hita fa mibirioka ilay teny dia tsy azo raisina ho fahamarinana avy amin'iJehovah izany teny izany. Izay olona manana ny Fanay Masina no afaka manavaka izay lazain'ny olona iray rehefa mitory na Tenin'Andriamanitra ilay izy na tenin'izy tenany. Fa tsy midika izany hoe tsy manana izay marina izay tena ambaran'i Jehovah aminy izy.
Mora hita izany hoe misy fidélité ny olona mitory na mba mibirioka ihany koa.
39. Nehemiah
(
03/09/2013 05:23)
Misy zavatra adinonao : ny mpaminany dia tsy voatery ho mpaminan'i Jehovah. Nisy mpaminanin'i Baala sy Aseraha be dia be t@ andron'i Elia, ary nofongorin'i Elia daholo izy ireo. Rehefa jerena ny Baiboly @ ankapobeny, mendriky ny ho faty ilay mpaminany sandoka. Rehefa jerena ny andininy dia tsy azo atao mihitsy ny mihaino an'ilay mpaminany, satria tsy azo atokisana.
Aleo mifanena @ mpamosavy toy izay mifanena @ mpandainga

40. Miharena
(
03/09/2013 10:16)
Marina ny filazanao fa ny zavatra tiana ambara ihany koa dia mety ho solafaka ihany koa ny olona na dia Jehovah izao aza no nanosotra azy. Dia anjaran'ny manana fanahy mahay manavaka sy matotra no manitsy azy.
Ary raha tsy manana fanahy mahay manavaka isika dia tsy mahafantatra mihitsy izay ao ambadiky ny filazan'ny olona mitory tsirairay avy.
Ny olana ankehitriny dia tsy misy izany hoe tonga dia vonoin'Andriamanitra izany ny olona na dia mpaminany sandoka aza. Nefa koa misy ireo izay fomba fanehoana ny tena MpaminaniNY izay maneho toetra na teny izay heverin'ny olona fa tsy avy Aminy nefa dia avy Aminy tokoa. Ity farany ity ilay fitsapana ny finoan'ny olona sy ny fahlalinan'izany.