Ny maty sy ny velona - fanompoana razana

21. Nehemiah ( 06/05/2013 06:44)
bazylou:

o ry leva a.

DIA aza atao an'izany ny anao rehefa malemy saina ianoa. Aleo izahay hanao ny anay fa izahay gasy tsy malemy saina ary tsy azo rebirebena amin'izany.

F'angaha tsy gasy ny tsy manompo razana e ? Beurrrrrrrk !
bazylou:
Mitahy ny razana aminay . Ny anao noteho razan'alika any.


"Thomas Jefferson":

Resort is had to ridicule only when reason is against us

bazylou:
Ny fivavahna kristiana dia fandemen tsaina ary io no fitaovan avoalohany nentin'ny mena sofina entina hamonoana ny gasy sy ny fanahiny.

beuuurk

Beuuuuuurk ! Diso be izany !

Ny misiônera britanika no nitondra ny fivavahana kristiana voalohany taty fa tsy ny frantsay. Nahafahana hanabe ny vahoaka sy hanatsara ny soratra latina gasy ka nahazoan'ny sarambabembahoaka fitaizana tsara sy fahalalàna bebe kokoa ny asan'izy ireo, oh. ny sekoly tany Andohalo naorin'i David Griffiths, na ny asa fandikàna ny Baiboly @ teny gasy nataon'i David Jones, na ny asa imprimerie nataon'i James Cameron.

Fa i Ranavalona no nieritreritra fa afitsoky ny vazaha handemenana ny fanjakana ny Fivavahana, ary izay no nitarika ny fanenjehana, ny fanagorobahana lefona, ny fanapahan-doha, ny fandorana velona, ny fanatotofana @ rano mangotraka sns.
Sa misy an'izay ve ny fampianaran'i Kristy ?
Beuuuuuurrrrrrrrrrrk !

Mba manana an'izao fomba fisainantsika gasy ankehitriny tery sady mirefarefa @ tany tsy mahay afa-tsy ny manakiana fa rehefa hanorina zavatra dia 0 sady tsy mahasahy mandray andraikitra na hanorina zavatra maharitra fa milavo lefona voa misy fahasarotana kely ve raha tsy voarebirebin'ny hoe "Ny tonon'andro tsy mahalehilahy" maha-izy azy ny fivavahan-drazana ny vahoaka ?
Beuuuuuurrrrrrrrrrrk !

Raha nirona t@ fivavahan-drazana milaza fa vintantsika ny ampijalian'ny vazaha i Ralaimongo sy Ravoahangy ary Raseta dia mba nahazo fahaleovantena ihany ve Madagasikara ?
Beuuuuuurrrrrrrrrrrk !

Raha mitahy ny razana dia nahoana ho'aho no mijaly tahak'izao ny gasy ?
Beuuuuuurrrrrrrrrrrk, beuuuuuurrrrrrrrrrrk, beeeeeeeeeuuuuuuuuuurrrrrrrrrrrrrrrrrk !!!
22. Tefigasy ( 06/05/2013 08:14)
sitlo:

Nieritreritra aho hoe tokony ho valiana ve ity dinika ity. Maro mantsy no hitako fa lesoka eo amin'ny fahalalan'ny mpitarika ny dinika momba ny famadihana.

Afaka mamaly tsara ianao. Afaka mamelabelatra tsara izay eritreretinao fa mahatsara izany famadihana izany. Forum anie ito e !
Ny tiako tsindrina fotsiny: raha afaka jerenao amin'ny fomba fijery kristianina (finoana an'i Jesoa kristy) na fomba fijery malagasy fahiny ( finoana ny razana sy ny sampy hafa) izay tsy mbola nahalala an'i Jesoa kristy.
bazylou:

ny ahy ny tiko ho marihina amin'izy ity fotsiny dia ny hoe ef a talohan'ny nidiran'ny vazaha teto no efa nahay an'andriamanitra ny malagasy. Ary misy kilasy ny hoe , andriamanitra, zanahary ary ny andriananahary.

Fa ny fahitako azy aloha dia andriamanitra samy hafa ireo satria ny Andriamanitra voaraikitra ao anaty baiboly toa tsy mba nampiseho na nanindraindra razana izany mihitsy: Isa.8:19 "Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan'ny olona saina? Fa hila saina amin'ny maty ho an'ny velona va izy?" . Ny Andriamanitry ny kristianina toa Andriamanitra saro-piaro tanteraka Isa.42:8 "Izaho no Jehovah, izany no anarako , ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa"
bazylou:

hafa ny fivavahana kristiana sy ny fomba tany . Nefa afaka miaraka tsar aireosatria fanajana daholo no fototra iaingany.
Tsy hoe mpivavaka be dia ariana ny fomba tany. Tsia

Raha fivavahana kristianina sadasada dia toa manao io lazainao io. Afangaro ao daholo ny tsara sy ny ratsy: misy mihitsy aza moa mpitarika fivavahana malaza iray eto madagasikara eto miteny ankehitriny fa azo atao ny mijangajanga fa i Abrahama koa aza mba nijangajanga ! izao anefa ny voasoratra :
Kol.2:8 "Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin'ny filozofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran'izao tontolo izao , fa tsy araka an'i Kristy ."
bazylou:

Mitahy ny razana aminay . Ny anao noteho razan'alika any.

Ny fivavahna kristiana dia fandemen tsaina ary io no fitaovan avoalohany nentin'ny mena sofina entina hamonoana ny gasy sy ny fanahiny.

Dia otran'ny ahoana ny fisehoan'ilay fitahian'ny razana kay ? Mba afaka velabelarina kely ve ? Mahatonga any an-danitra ve io fitahiana io sa mivadika ho fahalovana, mandalo vetivety toa ny afo-mololo ?

Miseho ihany aty afara fa tsy kristianina kay ianao. Tokony tsy nanafina izay identité-anao izay ianao teny ambony . Aza menatra e !
moustaraf:

Fehiny: IO BAIBOLY AM-PELATANANTSIKA IO NO MAPIVAVAKA ANTSIKA @ RAZAVA VOALOHANY INDRINDRA.

Aleo alana ilay teny hoe "ISIKA" sy "ANTSIKA" fa anao irery no mahita fivavahana amin'ny razana ao anaty baiboly ! Azafady !
leva2 :

Voalohany aloha, aleo angamba tonga dia potsirina ny voamasony fa ny fangataham-pitahiana, na vavaka atao amin'ny olo-masina (fomba katolika), na mpanjaka efa maty na ray aman-dreny na havana efa maty (fomba gasy)

Niniako tsy no-precise-na ilay izy teo aloha satria mahita olona maro aho na katolika na tsy katolika manao io fomba io. Indray andro aho nandeha nitondra ankizy nitsangatsangana teny ambohimanga, dia misy olona miditra ao anatin'ilay tranokelin'Andrianapoinimerina taloha io, dia sady manao hiram-pivavahana (katolika sy ffpm) ilay olona no miantso ireo mpanjaka fahiny efa lasa razana, manatitra tantely, menaka sy vatomamy mba hanome azy fitahiana !
leva2 :

Faharoa dia tiako hisarihana ny saintsika ity tranga ity : 1 Sam 28/03-16 (...)
Fahatelo, Mar 09/04-05 (..)

Efa maro ihany ny fanehoankevitra eto ambony mikasika io tranga io. Ao ny miteny fa fitaka avy amin'ny devoly ny fisehoan'ny maty indray amin'ny velona : 2.kor.11:13-14 “Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin’i Kristy. ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava.” . Ary tena marina izany.
Raha raisiko ilay hevitra tany ambony mikasika ny teorana misy ireo maty talohan'i Kristy sy ny toerana misy ireo maty taorian'ny famonjen'i Kristy dia toa ireo maty talohan'i Kristy ihany no hita sy voalaza fa afaka nipoitra tamin'ny velona (Samoela, Mosesy) fa ny taty aorian'i Kristy kosa dia toa tsy mahita aho fa io 2.Kor.11 io no hitako mahafehy ny zava-misy aty aoriana.
Ny zavatra tena "sur" aloha eto dia tsy manana fahefana hanao na inona na inona intsony Samoela, fa izay hevitr’Andriamanitra ihany no tsy maintsy tanteraka. . Tsy mahaova ny efa hevitr’Andriamanitra ny fanaovana izany toe-javatra izany. Ary izay no apetraka foana fa tsy maintsy miverina amin’ny soratra masina ihany ary io no tsy maintsy tanteraka na hiantsoana fanelanelanana aiza na iantsoana fanelanana aiza, na iantsoanao maty avy aiza.
Raha vao manokatra ny baiboly isika, dia izao no voasoratra; iniako atao amin'ny teny vahiny mba hihavahan'ny plurielS sy ny singulier tsara : Gen.1:1 : “ Au commencement, Dieu créa leS cieuX et la terre” Misy lanitra maro izany ambara eto ary hamarinin’ny siansa izany fa misy ny galaxy maromaro amin’ny zavatra noharian’Andriamanitra ary galaxy iray fotsiny no misy ity lanitra sy tany hitatsika ity.
Raha raisina ilay 2.Kor.12:1-4 “Tsy maintsy mirehareha aho, na dia tsy mahasoa aza izany, fa handroso hilaza fahitana sy fanambaran'ny Tompo aho. Mahalala olona anankiray ao amin’i Kristy aho, tokony ho efatra ambin'ny folo taona lasa izay-na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala-ilay anankiray dia nakarina ho any amin'ny lanitra fahatelo. Ary mahalala ilay olona anankiray aho - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala- fa nakarina ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain'olona” dia mahita fa misy olona efa nandeha tany amin'ny lanitra fahatelo (galaxy hafa mihitsy) fa tafaverina sady afaka niverina teto an-tany. Toa izany koa nisy olona nandeha tany amin'ny paradisa fa tafaverina tsara teto an-tany. Tsy hita ao anaty baiboly kosa anefa ny hoe tany amin'ny fiaina-tsy hita (sheol) apres famonjen'i Kristy nanjary tafaverina teto an-tany. Ny olona miakatra any an-danitra izany dia kilasin’ny efa maty.
Fehan-kevitra azo raisina amin'izany dia azo ambara fa misy ambaratongan-danitra mety ho maromaro alehan'ny olona rehefa miala amin'ny vatany ny fanahiny: ireo izay lasa any amin'ny lanitra misy ny fiaina-tsy hita dia tsisy fika intsony ny mety hiverenany, hisehoany indray amin'ny velona, fa ireo izay tsy lasa any no afaka miverina sy miseho amin'ny velona NEFA miankina amin'ilay niveau an'ilay lanitra (voalohany, faharoa, fahatelo, fahaefatra, ... ) efa misy azy izany. Tsy hitanao ao anaty baiboly io petra-kevitro io fa noraisiko manokana noho ny fahitako ireo andini-tsoratra masina eo ambony ireo. Ary hitatsika ihany koa eo anivon'ny fiaraha-monina fa misy efa noporofoin'ny dokotera fa tsy mitempo intsony ny fony, nefa afaka roa andro dia miverina velona indray ilay olona. Afaka miverina sy azo averina ety an-tany: toa an'i Lazarosy ihany koa ohatra: efa tany an-danitra (satria efa maty) no natsangan'i Jesoa, naveriny ho ety an-tany indray ary mbola niverina maty ihany taty aoriana.
23. RBNIR ( 06/05/2013 09:44)
hery:

Voavaky :-)
(Mba hilazàna hoe mamaky hatramin'ny farany ny zavatra soratanareo eto aho na lava aza... )

Faly miarahaba namana,

Henjana ihany ianao izany ra-hery, misy lohahevitra firy eto amin'ny serasera, ankoatran'izay mbola misy vondrona maro.


Mahafainaritra ilay hoe mamaky hatramin'ny farany,

Samia ho tahin'ny Tompo
24. moustaraf ( 06/05/2013 11:39)

leva2:

Miarahaba namana isany!

Miala tsiny namana Moustaraf,
tonga indray ianao sy ny "définition péroquet"-nao. Asa aloha raha razam-be taiza Jehovah Andriamanitra Ray izay ivavahako izao, ary mpanjaka efa maty avy taiza ilay Jesosy Kristy noraisiko fa ny fantatro dia tsy araka izany iheveranao azy izany.

Misaotra namana!


Salama namana,
Fomba famalin'ny tsy manana ambara ny an'ny sasany , ka avy dia tebaka no arosoroso!
Ny olana @ KRISTIANA MARO dia ny fiheverana fa io Baiboly am-pelatanany io no HANY baiboly, ary ny fanazavana tokana izay reny hatr'izay ihany no fanazavana marina!
Mampalahelo isika fa naroboka anaty aizina mikitroka, eny fa na dia ireo milaza fa efa mazava aza.
Raha manoratra izahay hoe Andriamanitra = andriana manitra= fatina mpanjaka,
dia tsy izahay no NAMORONA an'izany, fa tantaram-pirenentsika voarakitra an-tsoratra no averina eto,
Raha mamerina ny teninan'Andrina eto izahay dia boky AZON'NY REHETRA vakiana no atao référence, fa tsy honohon!
fa IANAO Ry namana Vale no "tena Péroquet" natao hamerin-desona fotsiny dia izay!
fa tsy natao hahay hamantatra ny lainga sy ny Marina.
MIALA TSINY !
25. RBNIR ( 06/05/2013 12:54)

moustaraf:


leva2:

Miarahaba namana isany!

Miala tsiny namana Moustaraf,
tonga indray ianao sy ny "définition péroquet"-nao. Asa aloha raha razam-be taiza Jehovah Andriamanitra Ray izay ivavahako izao, ary mpanjaka efa maty avy taiza ilay Jesosy Kristy noraisiko fa ny fantatro dia tsy araka izany iheveranao azy izany.

Misaotra namana!


Salama namana,
Fomba famalin'ny tsy manana ambara ny an'ny sasany , ka avy dia tebaka no arosoroso!
Ny olana @ KRISTIANA MARO dia ny fiheverana fa io Baiboly am-pelatanany io no HANY baiboly, ary ny fanazavana tokana izay reny hatr'izay ihany no fanazavana marina!
Mampalahelo isika fa naroboka anaty aizina mikitroka, eny fa na dia ireo milaza fa efa mazava aza.
Raha manoratra izahay hoe Andriamanitra = andriana manitra= fatina mpanjaka,
dia tsy izahay no NAMORONA an'izany, fa tantaram-pirenentsika voarakitra an-tsoratra no averina eto,
Raha mamerina ny teninan'Andrina eto izahay dia boky AZON'NY REHETRA vakiana no atao référence, fa tsy honohon!
fa IANAO Ry namana Vale no "tena Péroquet" natao hamerin-desona fotsiny dia izay!
fa tsy natao hahay hamantatra ny lainga sy ny Marina.
MIALA TSINY !


Io ilay ataon'i leva2 sy moustaraf io no aditeny tsy mahasoa: ny adihevitra tokony voafetra fa tsy avela hiafara amin'ny ady sy fanopana sns.
Ohatra eto Ny maty sy ny velona - fanopoana razana:
Tsy hitako izay hiadivana amin'izany.
Raha manaiky fa tokony topoina ny razana ambarao dia porofoy, raha tsia kosa ambarao dia porofoy,
Ny ankoatran'izay tsy sitrak'Andriamanitra.
Tsy voatery hanaiky ilay olona micontre anao, saingy izao mety hisy hafa mamaky eo mihaino anao. Otran'ny tamin'ny andron'i Jesosy ihany io e, afafy any dia mivavaha mba ho tany lonaka no hiantefany.

Samia ho tahin'ny Tompo
26. Nehemiah ( 06/05/2013 13:06)
Tsy tambo isaina ny porofo arkeôlôjika manamarina ny Baiboly sy ny fitantarany.

Ka miala tsiny aminareo fa ny hevitra aroson'i Moustaraf no maivana ka tsy maintsy tohanany @ alalan'ny porofo maro dia maro fa tsy manendrikendrika tsy misy porofo.
27. Nehemiah ( 06/05/2013 13:38)
Tefigasy >> Mahaliana ny hevitrao, kanefa mba te-hanome fampitandremana hentitra aho momba ny NDE (near-death experiences, izany hoe ny filazan'ny olona saika maty fa nahita zavatra tany an-koatra).

Zavatra voalohany, tsy maintsy azontsika an-tsaina fa tsy mila ny NDE isika mba hanaporofoana ny fisian'ny Ankoatra. Efa porofo ampy ny nitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty, izay nanamarina ny filazany rehetra (Asa. 17:31), ary indrindrindrindra ny filazany fa Andriamanitra nitafy vatan'olombelona Izy (Jn. 8:58, 20:28-29).

Sady tsy ilaina ny NDE no tokony mitandrina @ isika :
1°) saika maty ny olona azon'ny NDE fa kosa tsy maty tanteraka ny ati-dohany. Mety fiotan'ny vatana sasany vokatry ny hakelin'ny ôksizena tonga @ ati-doha no mahatonga an'ireny. Mety manjary tsy takany ny ankamaroan'ny zavatra henon'ny 5 sens afa-tsy ny fahazavàna. Ny "tunnel" hitan'ny sasany izao dia mety vokatry ny tsy fandehan'ny fahitàna périphérique ka manjary mihamafy ny fahitàna afovoany.

2°) Betsaka ny olana azon'izany izay milaza fa nahatsiaro finaritra, na dia ny tsy kristiana aza. Mamitaka avokoa izany, satria mampieritreritra fa ho any @ Paradisa daholo ny olona rehetra, na ireo izay tsy mino ny mah'Andriamanitra an'i Kristy, ny fahafatesany hisolo voina ny otantsika sy ny fitsanganany amim-boninahitra @ maty (Jn.14:6, Asa. 4:10-12, 1 Kor. 15:1-4. Ka tokony mipetra-panontaniana isika : Andriamanitra tokoa ve ilay "être de lumière" hitan'ny sasany @ NDE (2 Kor. 11:14) ?
28. Miharena ( 06/05/2013 20:26)
Raha tena zohina anie ilay resaka être de lumière lazainao dia fampahafantarana fa ny fanahy no mazava. Ary ny olona tsirairay dia efa noforonina ho toy izany avokoa araka ny Genesisy hoe : andeha isika hanao olona mitovy endrika amintiska (Vondrom-Panahy mamorona olona ara-panahy toa AZY Fanahy).

Izany zavatra izany izao no ampahafantarina ny olombelona mba hahay handini-tena sy hahatsapa ny fanahiny tokoa ka hiara-hiasa amin'ny Mpamonjy hitory izany toe-javatra izany.

Azontsika alaina ohatra ny nanjo ny namana Tsaratsara.

Raha hiverina amin'ny hoe razana, dia io fanahy iombonan'ny olombelona io no atao hoe razana, izay heverin'y Malagasy fa miverina any amin'Andriamanitra Mpahary, Lharano'ny fanahy (=razana) rehetra.
29. Tefigasy ( 07/05/2013 01:49)
Nehemiah : Mahaliana ny hevitrao, kanefa mba te-hanome fampitandremana hentitra aho
>>>
Aza matahotra: ny lalana mety hizoran'ny olona rehefa misaraka @ vatany ny fanahiny no nambarako teny ambony, fa raha ny mikasika ny. Fiverenan'ny olona efa maty ho lasa velona indray ankehitriny ary lasa manangana Fiangonana etsy sy eroa, manambara ho efa nahita ny helo sy ny paradisa dia mazava ny tenin'andriamanitra : liok.16:30-31
30. Nehemiah ( 07/05/2013 06:30)
Ho fanampin'izay, Heb. 9:27.
31. sitlo ( 07/05/2013 07:08)


bazylou+moustaraf = za
32. moustaraf ( 07/05/2013 12:06)
Salama namana isany,
Ny baiboly dia tsy mampisaraka ny RAHARAHAN-DRAZANA sy ny fivavahana ary ny lanjany @ fiaraha-monina velively!
-Impiry miverina ny filazan hoe "ary rehefa nody mandry dia nentina ka nalevina am-PASAN-DRAZANY"??? inona ny lanjan'io Fasan-drazana io t@ Israely? ary amintsika Malagasy?

-Raha vao miantomboka ny Epistily vaovao milaza ny Mesia; tsy fitanisana ny firazanana ve no iantombohan'ny Evanjely? Inona ny lanjan'izany amin'ny fahatongavan'i Mesia?

-Inona ny dikan'ny vavaka fifonana voasoratra ao @ bokin'i Daniel "Efa nanota izahay sy ny razanay,...mamelà ny helokay sy ny fahadisoan' ireo razanay"

Ny tantara rehetra ao @baiboly dia mampiseho "ny fanajana sy ny fitiavana an'ireo razana nahitana masoandro, eny fa na dia ef MATY aza, izy ireo", dia mazava ny fifampitohizana!

-Inona ny maha sarobidy ny fidirana ao anatin'ny valaben'ny TARANAK'I ABRAHAMA, raha i ABRAHAMA razam-be no lazaina fa TSY MISY DIKANY!
33. Nehemiah ( 07/05/2013 12:34)
Izany angaha midika hoe ivavaho izy ireo, angataho fitahiana izy ireo, tompoy izy ireo ?
34. moustaraf ( 09/05/2013 08:26)

Nehemiah:

Izany angaha midika hoe ivavaho izy ireo, angataho fitahiana izy ireo, tompoy izy ireo ?

Tsy azo tompoina ny Razana, nefa tokony hohajaina!"IREO NAHITANA MASOANDRO"

Raha fantatraeo ny"Batisa Misolo ny maty" dia hazava aminareo izay tiako holazaina.
MAHAEREZA DOHOLO
35. Miharena ( 09/05/2013 16:57)
Mba azo hazavaina ve namana Moustaraf ilay Batisa Misolo ny maty?
36. Tefigasy ( 10/05/2013 05:29)
Misy zavatra mampihomehy nitranga tany mahajanga tamin'ity herinandro ity dia mba zaraiko eto. Efa naheno ilay tantaran'ilay rangahy atao hoe "tsaratsara" iny angamba isika (dahalo niova fo hono, nahita ny paradisa sy ny helo). Nisy olona mpitarika fiangonana sekta iray tany mahajanga izay maty dia nolazain'ity tsaratsara ity fa hiverina ho velona indray, izany hoe afaka mibaiko an'Andriamanitra ity ranamana ity dia mba jereo anie ny tohiny e :

_-_-_-_-_-_-_-_-_
Maty ny apostoly Rijaharivelo : Tsy halevina aloha fa mbola andrasana hitsangana
Soumis par admin le mer, 08/05/2013 - 11:30

Miteraka sahoan-dresaka sy savorovoro ao an-tampon-tanànan’i Mahajanga hatramin’izao ny fahafatesan’ity mpitarika ny eglizy Rhema de Madagasacar ao Mahajanga ity.

Voalaza fa nodimandry ny Pasitera Rijaharivelo. Tsy eken’ny mpino azy halevina anefa, satria manantena izy ireo fa mbola hitsangana izy. Efa nanao fizahana ny razana ny dokotera avy ao amin’ny BMh ary nanamarina tokoa fa maty ity mpitondra fivavahana ity.

Monina ao amin’ny fokontany Tsararano ao Mahajanga, ary misalotra ny anarana hoe Apostoly ity mpitarika ny eglizy Rhema ao Mahajanga ity, izay antsoina hoe Rijaharivelo. Toerana ambany tanàna ao Mahajanga no misy ny trano fivavahana izay ahitana mpino eo amin’ny 2500 eo ho.

Araka ny fitantaran’ny vadiny, Ramatoa Sitina, dia “efa nahitana soritra faharerahana ny Apostoly Rijaharivelo ny alatsinainy 06 mai teo tokony ho tamin’ny 2ora hariva fa tsy nanatona mpitsabo, satria nino fa tsy maintsy ho sitrana. Ny Talata kosa tamin’ny 1ora maraina, anefa dia tsapako fa tsy mitempo intsony ny fony ka nentinay fianakaviana avy hatrany tany amin’ny Hopitaly be Androva izy. Nambaran’ny mpitsabo nefa fa efa maty izy ka nentina nody ny vatany.”

Tamin’ny 3 ora maraina dia tonga nanamarina ny fahafatesany ny dokotera avy ao amin’ny BMH Mahajanga ary nanambara fa maty tokoa izy. Tsy navela’ny havany hasiana formol kosa anefa ny razana.

Nampandre ireo Apostoly tany amin’ny eglizy Rhema foibe aty Antananarivo ny fianakaviany ny amin’izao fahafatesan’ny Apostoly izao. Anisan’ny nampandrenesin’ ny vadin’ny maty ihany koa i Apostoly Tsaratsara, aty Antananarivo, ilay dahalo niova fo. Nanome fanantenana ny fianakaviana ary ity farany, araka ny filazan’ny vadin’ny maty hoe “ mivavaha … fa hain’i Jesosy ny manangana azy amin’ny maty ka samia manana finoana matanjaka”. Naheno io fanambarana nataon’ny Apostoly Tsaratsara io moa ireo mpino marobe efa tonga tao an-tokantran’ny Apostoly Rijaharivelo ka avy hatrany dia nifaly sy nampiely vaovao eran’ny tanàna fa hitsangana amin’ny maty ity mpitarika azy ireo ity. Niova miandalana ny feo ka tamin’ny 9 ora maraina teo dia niely ny vaovao eran’ny tanànan’ny Mahajanga fa efa nitsangana tamin’ny maty ny Apostoly Rijaharivelo ary velona indray raha voalaza tamin’ny haino aman-jery teto an-tanàna tamin’ny 7ora maraina hoe maty.

Nanao fanamarinana ny manam-pahefana ara-panjakana. Nanoloana izany tranga izany, izay tena nitondra resa-be teny an-dàlana, tany anaty birao rehetra, teny an-tsena ary tany amin’ny toeram-pianarana, dia nanapa-kevitra ny manam-pahefana ara-panjakana tao Mahajanga ny handeha hijery ny zava-misy marina tany an-tokantranon’ity Apostoly ity. Ny DAGT (Directeur de l’administration générale du territoire) Boeny, Bazezy Vanombe, ny lehibe’ny Distrika Mahajanga I ary ny PDS an’ny Mahajanga renivohitra no tonga tany an-toerana ary nitondra dokotera avy amin’ny BMH miisa 3 hanamarina indray mandeha ny fahafatesana na tsia an’Atoa Rijaharivelo.

Rehefa tonga teny an-toerana ireto delegasiona ireto dia razana mitsotra eo am-pandriana no novantanin’izy ireo. Nanao ny fanamarinana rehetra indray ireo dokotera ary nanambara ampahibemaso tamin’ny manam-pahefana ara-panjakana fa maty tokoa Atoa Rijaharivelo.

Manantena moa ireo mpino azy fa hitsangana ity pasitera ity amin’ny alakamisy ho avy izao. 47 taona Atoa Rijaharivelo izao nondaosin’ny fahafatesana tampoka izao, manambady iray, ary manan-janaka 4. Tsy manana anton’asa hafa ankoatra ny fitandremana ny eglizy Rhema de Madagascar eto Mahajanga.

Mampanahy ny olona ihany sao dia fihetsiketsehana fotsiny ity fahafatesana ity ka havadika fanararaotana avy rehefa hifoha tao. Na izany aza anefa efa nanamarina ny mpitsabo ka ho hita eo ny tohin’ny raharaha.
Source Midi Madagascar

_-_-_-_-_-_-_-_-_-_-_-_-_-_-

Izay ilay tantara mampihomehy, Zoma isika androany fa mbola tsy niverina nitsangana i Rijaharivelo. Dia hoy ny voasoratra hamaranako azy :
Deo.18:22 "Raha miteny amin'ny anaran'i Jehovah ny mpaminany , ka tsy hefa ny zavatra , na tsy tanteraka , dia teny izay tsy nolazain'i Jehovah izany : tamin'ny fahasahisahiana no nilazan'ny mpaminany izany , koa aza matahotra azy."
I.Jao.4:1 " Ry malala , aza mino ny fanahy rehetra , fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia , satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao .
37. Nehemiah ( 10/05/2013 06:58)
Efa nampoiziko ihany fa fôsika io rangahy io. Nivadika t@ fitarihana sekta satria mandry fahalemana kokoa nohon'ny manao dahalo.
38. moustaraf ( 10/05/2013 06:59)

Miharena:

Mba azo hazavaina ve namana Moustaraf ilay Batisa Misolo ny maty?


Salama namana isany!
Voasoratra tokoa anaty baiboly io "Batisa misolo ny maty "io ,fa saingy raha tsy baiboly hebreo no vakiana dia tsy hita ilay fanazavana, nefa dia tena MAZAVA BE ny fanazavany azy: ny antony anaovana azy, ny fomba fanaovana azy, ny olona atao azy, ary ny vavaka sy ny fanekem-pinoana atao!'
-Antony iray lehibe isan'ny nahatongavan'i Mesia mpamonjy io "batisa misolo ny maty"io
Tsy azoko hazavaina eto izany resaka izany, fa manorata izay te hitafatafa manokana!
zafjohs@yahoo.fr

39. Nehemiah ( 10/05/2013 07:16)
Manao scamming indray ny sekta lol
40. Tefigasy ( 10/05/2013 07:18)
Nehemiah:

Efa nampoiziko ihany fa fôsika io rangahy io. Nivadika t@ fitarihana sekta satria mandry fahalemana kokoa nohon'ny manao dahalo.

Ny tena mampalahelo dia ireto vahoaka voasarika sy voasolokiny. Aleoko lavitra mahita dahalo mamono olona toa izay mahita ity amboadia mitafy fitafin'ny ondry.
Mila miezaka mafy ny tena kristianina amin'ny fitoriana. Mahereza hatrany mampahalala ny tena marina mba hiarovana ny ondry tsy ho lasan'ny amboadia r'ise a !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8909