Tosi-dra ambony sy fokom-pirenena

1. Nehemiah ( 19/07/2013 08:32)
Raha ambony ny tosi-dranao dia tsy mba ianao irery no tratran'izay. Ny loza mitatao ho an'ny olona manana tosi-dra ambony dia ny fahatapahan'ny lalan-dra. Rehefa hanasitrana an'izay ny dokotera dia manome fanafody isan-karazany izay mampihena ny tosi-dra @ alalan'ny fizotra maromaro.

Noeritreretina mandritry ny fotoana ela be fa hafa ny fiantraikan'ireo fanafody ireo @ vatan'ny olona fotsy hoditra ary hafa ny @ mainty hoditra, ka manome hevitra ny dokotera fa tokony zohina ny fokom-pirenen'ilay marary alohan'ny anomezana azy ny fanafody. Kanefa misy fikarohana voa nivoaka voa haingana @ gazety ara-pitsaboana "Hypertension" maneho fa tsy mitombina izao fiheverana izao. Hitan'ny mpikaroka fa kely kokoa ny fahasamihafan'ny "fokom-pirenena" samihafa noho ny fahasamihafàna ao anatin'ny fokom-pirenena 1. Ka milaza indray ny dokotera ankehitriny fa tsy ilaina ny mizohy ny fokom-pirenen'ilay tsaboana rehefa hanome fanafody azy.

Rehefa dinihina izany dia tsy dia misongadina firy ny fahasamihafan'ny fokom-pirenena samihafa, ary zavatra efa ampoizina izao raha ekena ny fitantaràna sy ny fampianaran'ny Baiboly.
répondu par Nehemiah le 09/09/2013 07:25
2. voromailala ( 19/07/2013 09:54)
Nehemiah> Tena liana aho namaky ny zavatra nosoratana. Rehefa tonga teny amin'ny farany aho dia nihomehy kely nahita ilay hoe "fampianaran'ny Baiboly" :-).
3. Nehemiah ( 19/07/2013 13:51)
Inona kay no mampihomehy @'izao ?
4. voromailala ( 19/07/2013 14:11)
Ratsy angaha ny mihomehy amin'izao?
5. Nehemiah ( 19/07/2013 14:27)
Inona fotsiny ny antony ? Satria tsy hitako izay mampihomehy @'izao. Tsy ny hampihomehy aloha no nanoratako an'ilay izy
6. voromailala ( 22/07/2013 08:12)
Ny antony: na inona na inona zavatra resahanao dia tsy maintsy maka zavatra avy amin'ny Baiboly foana.
7. Nehemiah ( 22/07/2013 08:37)
Mbola tsy azoko ihany ny mampihomehy @'izao. Kristiana izany dia mino ny Baiboly ho tenin'Andriamanitra, ka mahagaga ve raha iny no atao mari-pitsaràna faratampony ho an'ny zava-drehetra ?
8. voromailala ( 22/07/2013 09:42)
Samy manana ny hataony hoe kristianina isika. Ny kristianina amiko dia manaraka ny fampianaran'i Kristy. ary i Kristy tsy niteny hoe manaraha ary minoa ny Baiboly.

Ary ny fampianaran'i Kristy dia maro no loharano azo angalana azy ny anao baiboly fotsiny, ny ahy ny loharano nagalana ny baiboly (arsiva tany Egyppta sy Korama).

9. Nehemiah ( 22/07/2013 15:12)

voromailala:

Samy manana ny hataony hoe kristianina isika. Ny kristianina amiko dia manaraka ny fampianaran'i Kristy. ary i Kristy tsy niteny hoe manaraha ary minoa ny Baiboly.

Ahoana indray ny Jn. 10:35b, "ny Soratra Masina tsy azo foanana" :-) ?
voromailala:
Ary ny fampianaran'i Kristy dia maro no loharano azo angalana azy ny anao baiboly fotsiny, ny ahy ny loharano nagalana ny baiboly (arsiva tany Egyppta sy Korama).

24 000 mahery ny manuscrits-n'ny Testamenta Vaovao nosoratana t@ taon-100 voalohany ananantsika, ao koa ny lahatsoratra hafa t@'izany vanim-potoana izany manohana an'ilay izy.

Mba firifiry moa no manuscrits sy porofo ivelany ho an'ny loharano lazainao :) ?
10. voromailala ( 23/07/2013 07:21)
Nehemiah> Ny soratra hoy ahy maty, ny soratra masina mety ho faty, ho foana, fa i Kristy sy ny fampianarany no tsy azo foanana. Fampianarana tsy amin'ny alalan'ny soratra fa amin'ny lalan'Andriamanitra anaty zavaboary, ary indrindra ao amintsika tsirairay avy.

Asa rehefa hitanao ilay oronantsary mikasina ny Manuscrites de la Mer morte fa ao ny valin izay rehetra izany. Miova ny fijerinao ny baiboly rehefa mahafantatra ny tena tantaran'ny Qumran, Esseniens ianao.
11. Nehemiah ( 23/07/2013 07:53)

voromailala:

Nehemiah> Ny soratra hoy ahy maty, ny soratra masina mety ho faty, ho foana, fa i Kristy sy ny fampianarany no tsy azo foanana. Fampianarana tsy amin'ny alalan'ny soratra fa amin'ny lalan'Andriamanitra anaty zavaboary, ary indrindra ao amintsika tsirairay avy.

Ahoana indray ianao raha mba mitsakotsako kely ny dikan'ny hoe "fifanoherana" (contradiction) toy izay mirona @ post-modernisme mahatsikaiky ?
voromailala:
Asa rehefa hitanao ilay oronantsary mikasina ny Manuscrites de la Mer morte fa ao ny valin izay rehetra izany. Miova ny fijerinao ny baiboly rehefa mahafantatra ny tena tantaran'ny Qumran, Esseniens ianao.

Ny manuscrits de la Mer Morte dia manohana ny authenticité-n'ny Testamenta Taloha, sao dia heverinao fa tsy fantatro izy ireo. Sady mitady hiala pa ianao. Voatohin'ny antontan-taratasy t@'izany andro izany ve ireny raha resahanao ireny ?
12. voromailala ( 23/07/2013 11:35)
Nehemiah> Havadika foana ny resaka rehefa mitady hohitanao ny zavatra marina tena nitranga.

Izaho tsy niteny hoe diso daholo ny anaty Baiboly, misy nampiana, novaina ary nanasorana hoy ahy toy ny Evanjilin'i Thomas izay hita tany Egypta, sy an'i Paoly.

Mbola tsy fantatrao tsara ny tantaran'ny Manuscrites Mer Mortes ety Egyta. Jereo fa misy oronantsary ao amin'ny Imineo raha te handalina izany ianao.
13. Nehemiah ( 23/07/2013 13:08)
Azafady aminao fa ianao no te-handrava ny fiorenan'ny finoana kristiana kanefa tsy marim-pototra akory ny hevitrao.

Averiko fanin3ny : voatohin'ny antontan-taratasy t@'izany andro izany ve ireny raha resahanao ireny ?
14. voromailala ( 23/07/2013 13:22)
Samy manana ny mariny isika. Ianao moa topako ohatra siny, tsy mahalala hafatry ny baiboly.

Ary miverina kely amin'ny lohahevitra izaho, fa noho io fitokanampo amin'ny baiboly io no mahatonga ny olona mora miakatra tosidra satria tsy manana fijery mivelatra sy malalaka.

Vao misy olona manana fijery hafa dia midigindrambo :-).
15. Nehemiah ( 23/07/2013 14:06)

voromailala:

Samy manana ny mariny isika. Ianao moa topako ohatra siny, tsy mahalala hafatry ny baiboly.

Araky ny efa nolazaiko, raha marina izay filazanao izay dia arakaraky ny olona ihany koa izay "fahamarinana" izay, nohon'izay dia fisainana mitamberina, eny, tena mitifi-tena mihitsy, izay.

Ny fahamarinana dia tokana.
voromailala:
Ary miverina kely amin'ny lohahevitra izaho, fa noho io fitokanampo amin'ny baiboly io no mahatonga ny olona mora miakatra tosidra satria tsy manana fijery mivelatra sy malalaka.

Vao misy olona manana fijery hafa dia midigindrambo :-).

Iaingaviana ianao mba hitandrina ny teninao. Tsy dia mandaitra amiko loatra ny hoe "midigindrambo" satria tsy mitovy @ fiheveran'ny ankabetsahan'ny gasy ny alika ny fiheverako azy, fa raha olon-kafa dia efa nisondrotra avokoa. Rehefa any an-dafy dia zavatra mety adino izay, ka mba mampitandrina anao aho satria izaho no mpametraka ny lohahevitra.

Ankoatran'izay tsy hitako izay maharatsy ny mitokam-po @ finoana kristiana ara-Baiboly. Nodianao fanina hatrizay ilay izy fa samy mitokam-po @ fiheverana 1 isika olombelona rehetra raha mbola olombelona fa tsy robot, ary ny anao dia ny New Age. Ka mitovy ihany isika, na tianao na tsy tianao. Mitokam-po ve i Nehemiah ? Ianao koa mitokam-po, fa @ fomba hafa.

Ary raha nahatsikaritra ianao dia niezaka foana handinika ny filazanao aho ka nampitaha an'izay @ fahamarinana ara-Baiboly sy ara-tsiansa. Fa ianao dia rehefa miady hevitra dia tsy maintsy na "enga anie ianao hivoaka @ formatage-nao" na "aza manao érudit, fa tsy mety rehefa andevozin'ny sainao", na "ny fitiavana sy ny fanaovana soa no zava-dehibe fa tsy ny fahaizanao" (na dia ao aza ny 2 Tim. 2:15).

Satria, araky ny filazan'i G.K. Chesterton, ny saina dia tahaky ny vava, misokatra ilay izy mba hikombona @ zavatra mivaingana.
16. voromailala ( 23/07/2013 14:52)

ka mba mampitandrina anao aho satria izaho no mpametraka ny lohahevitra

Tsy any ampianarana anie isika e,milatsaha filoha raha te hanana fahefana amin'ny zavatra maro ianao :-).

Ianao dia tokapo amin'ny baiboly sy finoana kristianina naorin'i Constantin, izaho koa malalaka ka afaka miady hevitra sy miresaka amin'ny finoana rehetra.

Lasa mivoana moa le resaka fa raha fintinina dia izao: raha mahasambatra anao ny fanarahana ny baiboly sy finoana kristianina naron'i Constantin dia araho, fa aza terena ny olona hanaiky zay lazainao satria avy amin'ny fandikanao ny soratra anaty baiboly.

Izao mizara ny hevitro fa ny traikefa nihainako ampitiavana.


17. Nehemiah ( 23/07/2013 14:59)

voromailala:
Lasa mivoana moa le resaka fa raha fintinina dia izao: raha mahasambatra anao ny fanarahana ny baiboly sy finoana kristianina naron'i Constantin dia araho, fa aza terena ny olona hanaiky zay lazainao satria avy amin'ny fandikanao ny soratra anaty baiboly.

T@'oviana kay aho no nanery an'iza na iza hanaiky ny fomba fijeriko, azonao aseho ahy ve ?
18. voromailala ( 23/07/2013 15:18)
Rehefa miteny ianao hoe hoy ny baiboly dia fanerena ankolaka izany hoe marina ny zavatra lazainao satria avy amin'ny baiboly.

19. Nehemiah ( 23/07/2013 15:24)
Tsia tompoko, ary rehefa jerena dia izaho ihany no terenao hifandraika @ mari-pitsaràna ety noforoninao. Edrey ! Fohy saina sady mafy loha i Nehemiah. Adalan'ny Baiboly i tazia. Iny foana no averimberiny sy tohanany. Porofo fa tsy manana finoana izy. Henatra ho an'ny kristiana izy, satria tsy manan-tsaina afa-tsy ny mampiasa lôjika.

Rehefa milaza aho hoe hoy ny Baiboly dia miainga avy @ ankina ananako. Ny Baiboly no tokony ankina faratampon'ny kristiana ary izay no tiako iaviana. Tsy manery an'iza na iza hino ny Baiboly aho.

Izay moa no atao hoe tyrannie de la tolérance. Rehefa misy olona tsy milefitra @ zavatra inoany ary mizara an'izay @ hafa mba hahasoa azy ireo dia lazaina fa tery saina. Samy mety daholo ny finoana rehetra afa-tsy ny finoana kristiana.
20. voromailala ( 24/07/2013 07:28)
Sanatria ny vava, tsy manery na an'iza na an'iza aho, ary mihezaka hatrany tsy hitsara olona, na biby na zavamaniry.

Ahoana ny fanaoko? Misy zavatra hitako, na resahan'ny olona amiko (olona efa nanadrana ilay zavatra nolazainy), dia handramako, raha hitako nahasoa ahy dia zaraiko aman'olona.
Tsy voatery anefa hoe nety tamiko dia mety amin'ilay olona,ka anjaran'ilay olona no hoe hanadrana sa tsia.

Raha ianao ohatra zao milaza andiny ao amin'ny baiboly, dia resahanao ny traikefanao taminizany teo amin'ny fiainanao, manome ohatra amin'ny fiainanao ka nety, mino ahy ianao fa betsaka ny "chance" hanandramako izany.




© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4529