Tosi-dra ambony sy fokom-pirenena

41. Nehemiah ( 26/07/2013 12:47)

voromailala:
Aza terena hoy aho hanaraka ny eritreritrao sy ny lôjikanao ny olona.

Izaho anie dia gaga mihitsy : aiza kay aho no manery anao na iza na iza hanaraka inona na inona ? Raha ohatra ka manaporofo anao ho diso aho dia tsy mba fanerena izany.
voromailala:
Amiko tsisy resaka saina izany, resaka traikefa. Anio ohatra nahita vaovao izaho, nandramako ka nahasambatra ahy kokoa, dia iny no arahiko. Raha rahampitso mahita vaovao hafa na kandramako ka mbola sambatra kokoa noho ny teo aloha dia iny indray no arahiko

Tsy voagadra anaty dôgma aho, fa arakaraka ny traikefa hataoko amin'ny fiainana no hitantanako ny fianako.

Io izao dia efa azo lazaina fa dôgma.
42. voromailala ( 26/07/2013 13:00)
Samy manana ny hataony hoe dôgma sika izany.

43. 5laody ( 28/07/2013 20:51)
Mety mampisy hypertension io resakareo mitsamy lavabe io an!

Mety nisy correlation amin'ny fomba fisakafo amin'ny toerana iray angamba no nahatonga ilay fikarohana ho diso? tadidio ny resaka huiles de palmes, matsiro sns.
44. Nehemiah ( 29/07/2013 05:49)
Koa tsy hitovy fomba fisakafo ve ny Amerikana @ tanàna 1 ohatra, na mainty hoditra na fotsy hoditra ? Ny zava-dehibe dia ny maha-diso an'ilay fiheverana nohon'ny nifotorany @ hevitra hoe mivoatra kokoa ny caucasien.
45. voromailala ( 29/07/2013 07:26)
Ilay tsy mamoaka ny ao anaty no tena mampisy hypertension.
Avy eo miankina amin'ny hoe inona no tadiavinao eto amin'ny forum? mitady hodokafan'ny olona hoe mahay, manana ny fahamarinana, sns... ve (tsy zay aloha ny ahy), sa hoe te hizara sy tehamantatra zavatra vaovao.
46. Nehemiah ( 29/07/2013 07:47)
Miharihary ny insinuation-nao hoe "mitady hodokafan'ny olona hoe mahay, manana ny fahamarinana, sns" i Nehemiah fa kosa Voromailala dia "te hizara sy tehamantatra zavatra vaovao". Raha ny momba ny tapany voalohany, diso be ianao raha mihevitra fa mila manamarina ny tenako. Fa raha ny momba ny tapany faha2 kosa, izao no fanontaniana mipetraka : nahoana ianao no nametraka fanontaniana momba ny finoana kristiana eto kanefa efa nisy nahavaly anao eto sy eto ?
47. voromailala ( 29/07/2013 09:03)
Nehemiah> Nadio ny eritreritro nanoratra an'io ary tsy nieritreritra ho anao mihintsy fa ny sainao no efa mandehadeha sy mahana.

Momba ny fanontiana resaka Kristianina dia jereo tsara daholo ny valiteny fa miankina amin'ny konsily nikia daholo.

Jereo tsara hoe naninona no norohan'ny eveka mpanolotsainan'i Constatin i Arius.

Satria izy dia nilaza fa Jesoa dia tsy Andriamanitra, satria Andriamanitra tsisy fiamtobohany no tsisy fiafarany, nefa i Jesoa dia "Verbe", nisy fiandohany. sns........







48. Nehemiah ( 29/07/2013 14:09)
I Arius marina dia nitarika olona marobe t@ heresiany. Fa ny fanontaniana eto dia tsy hoe nalaza ve ny filazan'i Arius fa mifanaraka @ Baiboly ve ny zavatra nolazainy ? Ny Jn. 1:1-3 dia milaza fa "ny Teny dia Andriamanitra" (theos) ary Izy no nahariana ny zava-drehetra. Eo andaniny koa milaza ny Eks. 20:11 fa Andriamanitra no nahary an'izao tontolo izao. Ka lôjika sy rariny loatra izany raha nanipaka ny fampianaran'i Arius ny ankabetsahan'ny olona t@ kônsily tany Nikaia.

Raha mbola kristiana ny kristiana dia tsy maintsy mino fa Andriamanitra i Jesoa Kristy
49. voromailala ( 30/07/2013 07:53)
Mila haveriko kely angambany ny tantara. Raha ny fikarohana nataoko dia toy izao ny tantaran'ny fivavahana krisitianina Romanina.

Tamin'ny androan'ny amperora Constantin dia mitady hikorontana ny ampira romanina, dia hitany anefa fa ny fivavahana kristianina mitory fitiavana, firahalahiana, ary koa misy "Hierarchie", ka teo no nanapahany hevitra naka Eveka vitsivitsy nataony mpanolotsaina.

Ary taorinan'izay no nametrahany ny fivavahana kristianina ho fivavahan'ny ampira romanina.
Ny olana anefa dia misy eveka hafa tsy mitovy hevitra tamin'ireo eveka mpanolotsainany, ka nanapakevitra izy hampivory ireo eveka rehetra hanao fifanarahana, teo no teraka ny konsily nikia.

Ny anefa ireo eveka tsy nanaiky ny hevitr'io eveka mpanolotsainan'i Constatin, dia novonoin'ny miaramila izany, ary ireo izay eveka nalaza kosa tamin'izany toan'i Arius dia noekisikominiena. Teo no nisaraka ny kristianina tany Etiopia sy Azia.

Teo ihany koa no nanomboka ny dogma kristianina izay nosoratan'ireo eveka mpanolotsaina an'i Constatin ary teo koa no nanovana ny Baiboly hifanaraka amin'ny hevitrireo eveka ireo.





50. voromailala ( 30/07/2013 08:03)
Raha ny hevitro manokana dia i Jesoa avy teo amin'ny hazo fijaliana no lasa niray tamin'Andriamanitra lasa Kristy izy, lasa Andriamanitra.

Isika rehetra koa dia afaka ho lasa Kristy daholo rehefa miray amin'Andriamanitra, ary mety ho lasa Andriamanitra ihany koa. Milay mitony ny saintsika mba hivoahan'ny fanahintsy, ary rehefa mivoaka ny fanahintsika dia lasa miray amin'ilay iray tsy toha isika, ka lasa iray tsy toha ihany koa.

Tsy ny fanaovan'i Jesoa fahagagana (izay zavatra noforonina) no maha andriamanitra azy, fa ny nanaovany "friction" teo amin'ny hazo fijaliana.
51. Nehemiah ( 30/07/2013 14:04)

voromailala:

Mila haveriko kely angambany ny tantara. Raha ny fikarohana nataoko dia toy izao ny tantaran'ny fivavahana krisitianina Romanina.

Tamin'ny androan'ny amperora Constantin dia mitady hikorontana ny ampira romanina, dia hitany anefa fa ny fivavahana kristianina mitory fitiavana, firahalahiana, ary koa misy "Hierarchie", ka teo no nanapahany hevitra naka Eveka vitsivitsy nataony mpanolotsaina.

Raha ny tena marina dia tokana ny hiérarchie @ finoana kristiana ara-Baiboly : Jesoa no hany Mpiandry ary ny mpino Azy no ondriny. Ny hiérarchie misy @ ÊKAR dia nolovaina avy t@ firafitra ara-pivavahan'i Babylôna.
voromailala:
Ary taorinan'izay no nametrahany ny fivavahana kristianina ho fivavahan'ny ampira romanina.
Ny olana anefa dia misy eveka hafa tsy mitovy hevitra tamin'ireo eveka mpanolotsainany, ka nanapakevitra izy hampivory ireo eveka rehetra hanao fifanarahana, teo no teraka ny konsily nikia.

Ny anefa ireo eveka tsy nanaiky ny hevitr'io eveka mpanolotsainan'i Constatin, dia novonoin'ny miaramila izany, ary ireo izay eveka nalaza kosa tamin'izany toan'i Arius dia noekisikominiena. Teo no nisaraka ny kristianina tany Etiopia sy Azia.

Izaho indray dia nahita zavatra hafa mihitsy : t@ taon-100 fah-IV no nanao fampielezan-kevitra hiaro ny mah-1 an'Andriamanitra i Arius, ary nampianatra izy (tahaky ny Vavolombelon'i Jehovah ankehitriny) fa noforonina manokana tahaky ny anjely i Jesoa Kristy fa tsy Andriamanitra.

Tsy nanaiky mihitsy i Athanase sy ny ankamaroan'ny mpitondra fiangonana, mazava loatra (ary mba manontany tena ihany aho : taiza ianao no nahita fa mpanolotsain'i Constantin izy ireo kanefa i Athanase ohatra dia tsy mba nalaza talohan'ny kônsily tany Nikaia...), ka nanjary nitarika adilahy mihoapampana. Araky ny nolazaiko tetsy ambony, nanjary betsaka be ny mpomba an'i Arius ka nikasa ny hampitony ny fifandirana i Constantin ka izay no nahatonga azy hampanao ny kônsily tany Nikaia t@ 325.

voromailala:
Teo ihany koa no nanomboka ny dogma kristianina izay nosoratan'ireo eveka mpanolotsaina an'i Constatin ary teo koa no nanovana ny Baiboly hifanaraka amin'ny hevitrireo eveka ireo.


Ny manuscrit taloha indrindran'ny Jn. 1:1-14 (izay manambara ny mah'Andriamanitra an'i Jesoa Kristy) dia nodatiana t@ C14 (izay tetika azo atokisana ihany raha voa tsy mihoatra ny 4 500 taona ny taonan'ilay zavatra ho datiana) ho t@ 175-225.

Ary hitako ho ataonao tsinontsinona mihitsy ny filazako hoe taloha lavitry ny kônsily tany Nikaia no efa tapaka ny dôgman'ny finoana kristiana ka hita taratra @ antontan-taratasy t@'izany andro izany. Raha tsy manana an'izay fahalalam-pomba ifotony izay ianao dia @ fomba ahoana ianao no mieritreritra ny hanana crédibilité ?
52. Nehemiah ( 30/07/2013 14:14)

voromailala:
Raha ny hevitro manokana dia i Jesoa avy teo amin'ny hazo fijaliana no lasa niray tamin'Andriamanitra lasa Kristy izy, lasa Andriamanitra.

Ie, hevitrao manokana izay , fa averiko hatrany fa tsy izay no ampianarin'ny Baiboly.
voromailala:
Isika rehetra koa dia afaka ho lasa Kristy daholo rehefa miray amin'Andriamanitra, ary mety ho lasa Andriamanitra ihany koa.

Taiza marina no efa nahenoako an'izay ? Ay marina : "Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory hianareo;[...] ho tahaka an’ Andriamanitra hianareo" (Gen. 3:4-5)
voromailala:
Tsy ny fanaovan'i Jesoa fahagagana (izay zavatra noforonina)

Fa nahoana ianao no mitompo teny fantatra hoe noforonina ny fahagagan'i Jesoa ?
53. Ratoa ( 08/09/2013 19:35)
o ry ireto an!

tosidra no resaka fa tsy baiboly.

Manana zo hiantso ny baiboly izy raha tiany: Ny sasany hiantso ny mana-pahaizana , ny sasany hiantso ny devoly, azy ny azy; Zony izany.
Fa ahoana ny tohin'ilay resaka?
54. Nehemiah ( 09/09/2013 07:25)
Tiako marihina fotsiny fa "Tosi-dra ambony sy fokom-pirenena" no resaka. Ny tanjon'ilay izy dia ny mampiseho fa tsy marim-pototra mihitsy ny fanavakavahana volon-koditra nampiharin'ny mpitsabo @ fanomezana fanafody ho an'ny olona manana tosi-dra ambony (araky ny fampianaran'ny Baiboly hoe fianakaviana 1 monja isika olombelona satria samy taranak'i Adama sy Eva ;) )
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5213