Fomba fivavaka amin'Andriamanitra : Ray , Zanaka, Fanahy Masina sy fidirana amin'ilay fanjakany

1. Tefigasy ( 18/07/2013 10:31)
1 - Misy fombafomba arahina ve ?
2 - Mila mijery olona manodidina sy izay ataony (na mpiara-mivavaka na mpitarika fivavahana) ve ?
3 - Mila mijery fotoana sy ora ve ?
4 - Mila mitandrina sakafo sy andro ve ?
5 - Mila mahay tsianjery ny bokin'ny lalàna ve ?
6 - Tsy maintsy miverina manaraka aloka indray ve ?
7 - Tsy maintsy masina be ve vao afaka mandray famonjena ?
8 - Tsy maintsy miankanjo fitafiana fotsy sy lava ve ?
9 - Tsy maintsy manao fehiloha na satro-doha ve ?
10 - Tsy maintsy miteny na mahay mamaky teny hebreo na grika ve ?
11 - Tsy maintsy miverina amin'ny fivavahana jiosy sy mankany jerosalema ve ?
12 - Tsy maintsy manao fikarohana mikasika izay nihavian'ny soratra masina ve ?
13 - Tsy maintsy mametraka fanontaniana mikasika izay voalazan'ny baiboly ve; na marina ireny na tsia ?
14 - Tsy maintsy manohitra na manenjika ny fivavahan'ny hafa ve ?
....
Mbola maro noho ireo fanontaniana ireo no napetrako tamin'ilay Mpamonjiko; fa valin-teny tokana ihany no nomeny ahy.
Ianareo no mandinika raha mbola hifidy ny iray na maromaro amin'ireo ho zioga sy ho fanandevozana vao tena handroso hiditra amin'ilay fanjakan'Andriamanitra na tsia !
Tokana ihany ny làlana fa tsy misy na dia iray amin'ireo eo ambony sy izay mbola tsy eo amin'ireo koa aza !
Ho an'Andriamanitra ihany ny voninahitra !
novalian'i Miharena ny 23/07/2013 16:19
2. Maranatha ( 18/07/2013 11:37)

Misaotra anao nanamarika ireo rehetra ireo. Misy fanoharana iray noraisin'ny Mpamonjy rehefa nisy mpahay lalàna iray nitsangana ka naka fanahy an'i Mpamonjy Matio 10:25 ahoana hoy izy no hahazoako ny fiainana mandrakizay dia novalian'ny Mpamonjy tsotra hoe ahoana no voasoratra ao amin'ny lalàna dia hoy izy hoe and 27 tiava an'i Tsitoha amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra (Deo. 6. 5); ary, Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). dia hoy ny Messiah hoe hataovy izany dia ho velona hianao.
Raha azon-tsika tsara dia nesorin'ilay mpahay lalàna avokoa ny fahaizany ny lalàna rehetra fa ireo teny ireo no namintinany azy .
Dia avy eo te hanamarina ny tenany ilay mpahay lalàna dia nilaza hoe iza ary ny namako . dia nanao fanoharana iray ny mpamonjy mikasika ilay samaritana tsara fanahy. nisy olona iray avy any jerosalema ho any jeriko dia tratrin'ny jiolahy dia navelany teo rehefa avy novonoiny sy nendahiny : Jiosy io nendahin'ny jiolahy io, rehefa nandalo ny Mpisorona sy ny levita izay mpiara-mivavaka amin'io voaendaka io dia nandalo fotsiny fa mba nitsabo na nijery ilay olona voa akory (izay tsy iza fa mpiara-mivavaka aminy ihany) .
Rehefa nandalo kosa ilay samaritana izay tsy iza fa fahavalon'ny jiosy tamin'izany (tsy mifampiraharaha ny jiosy sy ny samaritana) dia izy no nadray sy nikarakara io olona voa io. tsy nijery izy hoe fahavaloko ity, fa nohosorany ny menaka nentiny, nampitafiany ny akanjo teny akodiny, nakariny teo ambony ny apondrany, nampidiriny tamin'ny tranom-bahiny dia izy no niala vola sns....
Raha nifamadika anefa ny toerana nisy azy roalahy ireo dia azon'io samaritana io antoka fa handrora ny tavany no nataon'io jiosy voa io. tsy nijery izany anefa izy fa nokarakarainy ilay olona izay mitady famonjena.
Tanterak'io samaritana io ny lalàna rehetra izay notakian'ny lalàn'i Mosesy dia ny FITIAVANA.
Eksed 23: 4 Raha hitanao mania ny ombin'ny fahavalonao, na ny borikiny, dia avereno any aminy mihitsy izany.5 Raha hitanao ny borikin'izay mankahala anao mihonaka ao ambanin'ny entany, dia aza malaina hamonjy azy ianao, fa manampia ny namanao hamaha azy tokoa.

NY FITIAVANA no anton'ny lalàna rehetra Gal 3:19 Inona ary ny lalàna ? Nanampy noho ny fahadisoana izy ambara-pihavin'ny taranaka izay nomena ny teny fikasana; ary nalahatr'anjely teo an-tànan'ny mpanalalana izany.
Nomene ny Israely tamin'ny filaharany ny lalàna mba hahafahany manana Fitiavana. indrisy anefa fa lasa theorie be fotsiny tamin-dry zareo izany.

Tsy nanan-kavaly ilay mpahay lalàna rehefa voavelatry ny Messia taminy ny dikan'ny lalàna rehetra sy ny fampiharana azy.

I Tefigasy koa mandehana ka manaova toy izany.
3. voromailala ( 18/07/2013 11:55)
anatin'ny zavatra nosoratan'i Maranatha ihany koa ny valiteny omeko:
Fitiavana io no valiny. Na inona na inona zavatra hataonao dia hataovy ampitiavana daholo, tiavo ny namanao, tiavo ny fahavalonao, tiavo ny zavaboary rehetra. satria Andriamanitra dia fitiavana.

Tsy mila mandalina be ny Baiboly fa lasa ohatran'ilay mpahay lalana io ianao farany, lasa "Theorie". Traikefa no tena sarobidy, mizara fitiavana hatrany hatrany.
4. Tefigasy ( 18/07/2013 12:52)
Maranatha:

Misaotra anao nanamarika ireo rehetra ireo. Misy fanoharana iray noraisin'ny Mpamonjy rehefa nisy mpahay lalàna iray nitsangana ka naka fanahy an'i Mpamonjy Matio 10:25 ahoana hoy izy no hahazoako ny fiainana mandrakizay dia novalian'ny Mpamonjy tsotra hoe ahoana no voasoratra ao amin'ny lalàna dia hoy izy hoe and 27 tiava an'i Tsitoha amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra (Deo. 6. 5); ary, Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). dia hoy ny Messiah hoe hataovy izany dia ho velona hianao.

Mila manamarina tsara ianao fa tsy ao amin'ny Matio.10:25 no misy io resaka ambaranao eo ambony io fa amin'ny toko hafa na boky hafa mihitsy koa.

Maranatha:

Tanterak'io samaritana io ny lalàna rehetra izay notakian'ny lalàn'i Mosesy dia ny FITIAVANA.
(...)
NY FITIAVANA no anton'ny lalàna rehetra Gal 3:19 Inona ary ny lalàna ? Nanampy noho ny fahadisoana izy ambara-pihavin'ny taranaka izay nomena ny teny fikasana; ary nalahatr'anjely teo an-tànan'ny mpanalalana izany.
Nomene ny Israely tamin'ny filaharany ny lalàna mba hahafahany manana Fitiavana. indrisy anefa fa lasa theorie be fotsiny tamin-dry zareo izany.

Mahafinaritra aloha ilay hoe "mizara Fitiavana"; fa ny fahasahiranana hitako sady mampalahelo dia toa fitadiavana famonjena no tena tanjony fa tsy fitiavana an'Andriamanitra. Donc mbola diso ihany ary tsy tratra ny tanjona.
Fa aleo hamafisiko kely ilay Gal.3:19 "Inona ary ny lalàna? Nanampy noho ny fahadisoana izy ambara-pihavin'ny taranaka izay nomena ny teny fikasana "
Eo amin'ny and.25 " 25 Fa rehefa tonga ny finoana , dia tsy fehezin'izay mpitaiza intsony isika
Ary avy aiza moa ny famonjena ? Avy amin'ny asa (fitandremana izay nasaina natao) ve sa avy amin'ny fahasoavana ?
Maranatha:

I Tefigasy koa mandehana ka manaova toy izany.

Tsy izay aloha no tena nasaina nataon'i Tefigasy fa hitory ny famonjena ho an'ny olombelona rehetra mba ho lasa mpianatra ny firenena rehetra. Noho ilay fitiavako an'Andriamanitra irery ihany no manosika ahy hanao izany fa tsy entiko hitadiavana famonjena akory satria efa azoko izany.
5. Tefigasy ( 18/07/2013 13:04)
voromailala:

anatin'ny zavatra nosoratan'i Maranatha ihany koa ny valiteny omeko:
Fitiavana io no valiny. Na inona na inona zavatra hataonao dia hataovy ampitiavana daholo, tiavo ny namanao, tiavo ny fahavalonao, tiavo ny zavaboary rehetra. satria Andriamanitra dia fitiavana.

Dia ahoana ise amin'ito : I.Jao.5:12 "Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana ; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy manana ny fiainana ."

Sa ve amin'ise rehefa mitia ny olona manontolo dia automatique mitia sy manaiky an'Andriamanitra ?
6. moustaraf ( 18/07/2013 13:57)
Salama namana;
-Tery ny lalana fa tsy malalaka akory
-Misy fitsipika fa tsy hoe SAMY MANAO IZAY TIANA HATAO
-Raha GABORARAKA ny fivavahana dia tsy nisy rà nalatsaka akory!

i Tsitoa dia manana ny fombany "Ny fihevitro tsy fihevitrareo"
ka safidy io, na hanaraka ny fitsipika izay nomeny, na hamorona ftsipika hafa ivelan'ny lalana!!!
AZA Adino foana fa EFA NANDALO TETO ILAY MANOVA FOTOANA SY LALANA!

mahereza daholo!
7. Tefigasy ( 18/07/2013 14:11)
moustaraf:

-Raha GABORARAKA ny fivavahana dia tsy nisy rà nalatsaka akory!

Vaovao be ity. Ny rà latsaka dia ho famelan-keloka (Heb.9:22). Izay aloha no ao anaty baiboly fa ianao toa mampiasa izany amin'ny zavatra hafa !
moustaraf:

i Tsitoa dia manana ny fombany "Ny fihevitro tsy fihevitrareo"
ka safidy io, na hanaraka ny fitsipika izay nomeny, na hamorona ftsipika hafa ivelan'ny lalana!!!

Maro dia maro ireo fariseo sy ny mpanora-dalana no nisehoseho ho fatra-panaraka fitsika sy lalana fa tsy nisy nahatanteraka na iray aza; ary tsy nisy nahazo famonjena tamin'izany ihany koa na iray aza. Mosesy ary moa tsy tafiditra tany amin'ny tany kanana !
Ka asakasak'izay mbola te hiverina ho andevo fa tsy handray ny fahaterahana ho zanaka ! Asakasak'izay mbola mety ho varimbariana sy ho fitahiana amin'ny aloka fa tsy handray sy hanaiky ny tena Izy !
Eo no mipetraka ilay làlana tery, lalana tokana fa tsy be dia be, sarotra ho an'ireo miseho azy ho manana fahalalana sy fahendrena hizorana saingy mora raisin'ireo lazaina fa adala sy bado : I.Kor.1:20 "Aiza ny hendry ? Aiza ny mpanora-dalàna ? Aiza ny mpiady hevitra avy amin'izao tontolo izao ? Tsy nampodin'Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren'izao tontolo izao ? "
8. Nehemiah ( 18/07/2013 14:34)

Tefigasy:

1 - Misy fombafomba arahina ve ?
2 - Mila mijery olona manodidina sy izay ataony (na mpiara-mivavaka na mpitarika fivavahana) ve ?
3 - Mila mijery fotoana sy ora ve ?
4 - Mila mitandrina sakafo sy andro ve ?
5 - Mila mahay tsianjery ny bokin'ny lalàna ve ?
6 - Tsy maintsy miverina manaraka aloka indray ve ?
7 - Tsy maintsy masina be ve vao afaka mandray famonjena ?
8 - Tsy maintsy miankanjo fitafiana fotsy sy lava ve ?
9 - Tsy maintsy manao fehiloha na satro-doha ve ?
10 - Tsy maintsy miteny na mahay mamaky teny hebreo na grika ve ?
11 - Tsy maintsy miverina amin'ny fivavahana jiosy sy mankany jerosalema ve ?
12 - Tsy maintsy manao fikarohana mikasika izay nihavian'ny soratra masina ve ?
13 - Tsy maintsy mametraka fanontaniana mikasika izay voalazan'ny baiboly ve; na marina ireny na tsia ?
14 - Tsy maintsy manohitra na manenjika ny fivavahan'ny hafa ve ?

Raha ohatra ka "eny" ny valin'ny 1 @'ireny fanontaniana ireny dia inona fotsiny no nahatongavan'i Kristy ety ambony tany hisolo voina antsika :-p
9. voromailala ( 18/07/2013 15:29)

Tefigasy:

voromailala:

anatin'ny zavatra nosoratan'i Maranatha ihany koa ny valiteny omeko:
Fitiavana io no valiny. Na inona na inona zavatra hataonao dia hataovy ampitiavana daholo, tiavo ny namanao, tiavo ny fahavalonao, tiavo ny zavaboary rehetra. satria Andriamanitra dia fitiavana.

Dia ahoana ise amin'ito : I.Jao.5:12 "Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana ; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy manana ny fiainana ."

Sa ve amin'ise rehefa mitia ny olona manontolo dia automatique mitia sy manaiky an'Andriamanitra ?


izaho manokana dia tsy mandray ny zavatra lazain'ny Baiboly ho zavatra marina daholo, noho ny tantara fantatro momba ny nanoratana ny Baiboly.

Tsy tonga dia mino izay lazain'ny Baiboly, Boky rehetra sy lazain'ny olona aho, fa andramako aloha, dia rehefa hitako hoe mety amin'ny fiainako dia tazomiko.

Raha ohatra olona mitantara zavatra amiko nefa tsy mbola nanadrana akoriny vao maika tsy henoiko.

Rehefa misy fampianaran'i Kristy zao vakiako dia hampihariko fa hitako nahasoa ahy dia tazomiko sy hiezahako arahana foana. Toy ny hoe tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.tiavo ny fahavalona.

Rehefa nanatanteraka izany aho dia hitako fa mihamilamina ny fiainako, tsy misy olona miadiady amiko intsony, lasa mindray tsara aman'olona sy mifanampy, sns....





10. bor2lais ( 18/07/2013 16:21)
Sarotra ny manatanteraka ilay lalàna hoe "fitiava-namana tahaka ny tena" raha tsy tanteraka ilay lalàna "fitiavana an'Andriamanitra" aloha ! :-)
Izany hoe misy ny fitiavana sy ny Fitiavana.
Amiko ny tantaran' ilay samaritana tsara fanahy dia fanehoana ny fahasarotan'io fiainana amban'ny lalàna io (mpisorona sy levita) ka mety nahafaty ilay azon'ny jiolahy (mpanota) raha tsy nandalo Ilay Samaritana Tsara fanahy (nitondra fahasoavana) ! :-)
Ka amiko ilay hoe "mandehana manaova tahaka izany koa" dia azo raisina hoe "ataovy (na raiso) namanao Ilay nanavotra anao" ! :-)
Fomba fijeriko ihany anefa izay ary ialan-tsiny raha toa ka mety HS ! :-)
11. moustaraf ( 18/07/2013 16:42)
Salama,
Mahagaga ireto milaza ho mpitoriteny sy mpampianatra nefa toa tsy manaiky akory izay voasoratra anatin'io baiboly io;
"Ringana ny oloko noho ny TSY FAHALALANA!"= ilaina araka izany ny FAHALALANA,
Ny famonjena dia tsy natao ho an'ny maizin-tsaina= bado sy kamo!

-Mba nanao ahona re ny famalin'i Yeshu'a ny satana naka fanahy azy raha tsy nahay Torah izy e???
-Ireo teny rehetra nentin'Yeshu'a nampianatra, nentin'ny Aapostoly nampianatra dia Izay efa voasoratra avokoa = Torah =bokin'ny lalàna, ny Neviym =bokin'ny mpaminany!

TANDREMO FA MALALAKA NY LALANA Mankany @ fahaverezana ke betsaka no mankany:
-Tsy ilaina intsony ny Torah: ye! marina io satria ny Torah dia natao ho an'ny HEBREO ihany, ka tsy hain'ny fivavahana Romana ny momba an'io!
Raha mahatsapa ianao fa ny fivavahana ataona dia manilika ny Torah; tadidio fa Romana izay= Mbola mamono ny Mesia izay efa nitsangana!

-Ny Baiboly dia TSY NATAO ho an'ny fivavahana hafa, ka izany no mahatonga ireo adihevitra maro be tsy hita farany! tahaka ny qur'an natao ho an'ny Silamo irery ihany!

Amiko, izay tsy ekeko dia tsy arahiko na andaniako fotoana!
Na manaiky izay voasoratra na Mandà; ny ankoatra an'izay dia resabe ihany!
faa tsy hoe"ireto ihany no ekena ,fa izatsy kosa tsy ekena satria tsy mety amin'ny fisainako!

Fa inona isika no handidy sy hanova ny didy napetraky ny Mpanao antsika???
NA ENY , NA TSIA!
12. ratsirano ( 18/07/2013 17:28)
Tefigasy:

1 - Misy fombafomba arahina ve ?
2 - Mila mijery olona manodidina sy izay ataony (na mpiara-mivavaka na mpitarika fivavahana) ve ?
3 - Mila mijery fotoana sy ora ve ?
4 - Mila mitandrina sakafo sy andro ve ?
5 - Mila mahay tsianjery ny bokin'ny lalàna ve ?
6 - Tsy maintsy miverina manaraka aloka indray ve ?
7 - Tsy maintsy masina be ve vao afaka mandray famonjena ?
8 - Tsy maintsy miankanjo fitafiana fotsy sy lava ve ?
9 - Tsy maintsy manao fehiloha na satro-doha ve ?
10 - Tsy maintsy miteny na mahay mamaky teny hebreo na grika ve ?
11 - Tsy maintsy miverina amin'ny fivavahana jiosy sy mankany jerosalema ve ?
12 - Tsy maintsy manao fikarohana mikasika izay nihavian'ny soratra masina ve ?
13 - Tsy maintsy mametraka fanontaniana mikasika izay voalazan'ny baiboly ve; na marina ireny na tsia ?
14 - Tsy maintsy manohitra na manenjika ny fivavahan'ny hafa ve ?
....
Mbola maro noho ireo fanontaniana ireo no napetrako tamin'ilay Mpamonjiko; fa valin-teny tokana ihany no nomeny ahy.
Ianareo no mandinika raha mbola hifidy ny iray na maromaro amin'ireo ho zioga sy ho fanandevozana vao tena handroso hiditra amin'ilay fanjakan'Andriamanitra na tsia !
Tokana ihany ny làlana fa tsy misy na dia iray amin'ireo eo ambony sy izay mbola tsy eo amin'ireo koa aza !
Ho an'Andriamanitra ihany ny voninahitra !

Ny ahitana ny fomba fivavaka amin'Andriamanitra dia ao amin'ny Teniny ihany, ka araka ny Sitrapony no hivavahana amin'Andriamanitra fa tsy araka izay hitiavantsika azy akory (Jaona voalohany 5:14, 15). Araka io andininteny io dia azontsika antoka fa mihaino antsika Andriamanitra raha manao vavaka "araka ny sitrapony" isika.
Ary mbola manamafy izany koa ny ao amin'ny Jaona voalohany 3:22. Milaza indray io andininteny io fa ilaina ny "mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony".
Zava-dehibe mihitsy izany ny ahafantarana izay sitrapon'Andriamanitra mba ahafahantsika mitandrina izany sy manao izay zavatra ankasitrahany.
Mazava ho azy fa ao amin'ny Baiboly ihany no ahitantsika an'izany ary ilaintsika ho fantarina mihitsy izany raha tena maniry ahazo valim-bavaka isika satria milaza mihitsy ny Tenin'Andriamanitra fa misy vavaka mety harikoriko Azy (Ohabolana 28:9)
Koa raha sitrakao dia manasa anao an-dalina izany ao amin'ny site : jw.org

Mirary soa ho antsika rehetra.

13. Tefigasy ( 19/07/2013 04:41)
voromailala:

izaho manokana dia tsy mandray ny zavatra lazain'ny Baiboly ho zavatra marina daholo, noho ny tantara fantatro momba ny nanoratana ny Baiboly.

Raha valianao mivantana izany ilay fanontaniana faharoa hoe
"2 - Mila mijery olona manodidina sy izay ataony (na mpiara-mivavaka na mpitarika fivavahana) ve ?" dia "ENY" ny valiny
Dia hoy i :
Nehemiah:

Raha ohatra ka "eny" ny valin'ny 1 @'ireny fanontaniana ireny dia inona fotsiny no nahatongavan'i Kristy ety ambony tany hisolo voina antsika

Ny olombelona anie tsy tanteraka e: na iza na iza ! Raha mbola olombelona no ataonao reference, raha mbola olombelona no jerenao ny fombany sy izay ataony fa tsy i Jesoa Kristy; tsy ny olombelona anie no mpamonjy fa Jesoa Kristy e, ary eo no mipetraka ilay teny hoe : inona moa no nahatongavan'i Kristy tety raha mbola olombelona ihany no ho jerena sy dinihana izay ataony ?
voromailala:

Tsy tonga dia mino izay lazain'ny Baiboly, Boky rehetra sy lazain'ny olona aho, fa andramako aloha, dia rehefa hitako hoe mety amin'ny fiainako dia tazomiko.

Anisan'ny mitovitovy amin'ny fiangonana tany Efesosy ianao. Ny azy ireo izahany toetra daholo ny mpanompon'Andriamanitra izay mizara famonjena ho azy ireo. Ny tsy mampitovy azy aminao dia izao : ny azy ireo ny tenin'Andriamanitra no reference-ny, ary rehefa tsy mifanaraka amin'izay vao tsy raisiny. Ny anao indray ilay tenin'Andriamanitra mihitsy no hiadiana hevitra sy mampisalasala anao. Izany hoe ilay base mihitsy no tsy hinoanao ny fahamarinany ary ny tenanao no mitsara azy na mety aminao na tsy mety aminao ilay tenin'Andriamanitra. Izany hoe ianao no mametra ilay Andriamanitra amin'izay tianao hitondrana Azy fa tsy ilay Andriamanitra no mitondra anao amin'izay tiany hitondrany anao. Tsy izay ilay izy r'ise a, mety tsy ekenao ihany koa ity teny ity satria avy ao amin'ny baiboly nefa apetrako eto ihany hoe : "Mat 20 : 15 Tsy mahazo manao izay tiako amin'ny ahy va Aho? Ratsy va ny masonao , satria tsara Aho? "
14. Tefigasy ( 19/07/2013 04:49)
bor2lais:

Sarotra ny manatanteraka ilay lalàna hoe "fitiava-namana tahaka ny tena" raha tsy tanteraka ilay lalàna "fitiavana an'Andriamanitra" aloha !

Talohan'ilay hiatrehan'i Jesoa ilay fijaliany dia izao no resaka nifanaovany tamin'ny Rainy : Lio.22:42 : "Raiko ô, raha sitrakao , dia esory amiko ity kapoaka ity ; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao , fa ny Anao ."
Izany hoe ilay fitiavan'i Jesoa ny Rainy no nanekeny hisotro ilay kapoaka mangidy indrindra dia ny fanolorany ny ainy hamonjy ny sakaizany
bor2lais:

Izany hoe misy ny fitiavana sy ny Fitiavana.

Izay mihitsy hoe : ilay Fitiavana no niteraka ilay fitiavana
Misaotra anao nanamafy azy tsara
15. Maranatha ( 19/07/2013 05:52)
Tefigasy:

Mila manamarina tsara ianao fa tsy ao amin'ny Matio.10:25 no misy io resaka ambaranao eo ambony io fa amin'ny toko hafa na boky hafa mihitsy koa.

Miosaotra amin'ny fanitsiana Lioka ilay izy fa tsy matio, Lioka 10:25
Tefigasy:

Mahafinaritra aloha ilay hoe "mizara Fitiavana"; fa ny fahasahiranana hitako sady mampalahelo dia toa fitadiavana famonjena no tena tanjony fa tsy fitiavana an'Andriamanitra. Donc mbola diso ihany ary tsy tratra ny tanjona.

izay indrindra ry Tefigasy no nanomezan'i Tsitoha ireo lalàNy sy ny lalàn'i Mosesy satria tsy mahay mitia isika zanak'olom-belona dia nampianarina azy ireo ny fomba hitiavana ny Tsitoha sy hitiavana ny olona. Izay no ao ambadikin'ny lalàna rehetra. Fitandremana ny sabata izany Fitiavana an'i tsitoha anie izany e! sns...
Tefigasy:

Fa aleo hamafisiko kely ilay Gal.3:19 "Inona ary ny lalàna? Nanampy noho ny fahadisoana izy ambara-pihavin'ny taranaka izay nomena ny teny fikasana "
Eo amin'ny and.25 " 25 Fa rehefa tonga ny finoana , dia tsy fehezin'izay mpitaiza intsony isika
Ary avy aiza moa ny famonjena ? Avy amin'ny asa (fitandremana izay nasaina natao) ve sa avy amin'ny fahasoavana ?


Raha tiana ny hanamafisana io resaka io dia ny andraikitra hataon'i Messiah mihintsy no nataon'ilay samaritana, mamonjy sy manampy ny olona amin'ny izay fahafahana hanampiana azy. Raha tsy nanana Fitiavana ny Messiah dia tsy namonjy anao tety mihintsy izy ka hanala ny fitafiany hatafy anao (fahamarinany= ny fahasoavany) toy ny nataon'ilay samaritana.
Toerana mahatahotra no namonjen'ilay samaritana io olona voa io ka mety hanaraka hatramin'ny ainy raha tratran'ny jiolahy eo koa izy tsy nahoanay anefa izany fa ny hamonjy io olona io no masaka tao andohany. Toy izany koa ny Messia toerana nanjakan'ny satana ny tany fony izy tety anefa dia tonga tety ihany izy, ny azy ary moa nanaraka hatramin'ny ainy. Nihidina teo ambonin'ny borikiny ilay samaritana hamonjy ilay olona voa, toy izany koa no nataon'ny Mpamonjy niala teo amin'ny seza fiandriananay Izy hamonjy anao izay ho faty raha tsy misy mpamonjy.

Ny olana ry Tefigasy dia izao mitady hialokaloka ao amin'ilay hoe ambany fahasoavana isika mba hahafahana mandika ny lalàna. Tafiditra ao anatiny ny lalàna'i Tsitoha,
Io ihany koa dia mbola fitaky i satana hamelezana antsika
Rom 6:15 Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany! (ota=fandikan-dalana I jaon 3:4 Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna.)

Diniho tsara ry Tefigasy a!
16. Tefigasy ( 19/07/2013 05:52)
moustaraf:

Salama,
Mahagaga ireto milaza ho mpitoriteny sy mpampianatra nefa toa tsy manaiky akory izay voasoratra anatin'io baiboly io;

Mila mijery hatrany ny contexte rehetra rehefa mamaky ny baiboly fa tsy izay titiana ihany no tanterahana.
Ohatra : raha nasaina nofadiana ireo biby maloto tamin'ny fotoan'androny dia nisy antony tao. Taty aorian'ny famonjen'i Kristy dia nasaina nohanina indray izany ary nisy antony koa tao. Raha jerena tsotsotra dia toa mifanohitra ilay izy nefa raha arahina tsara dia tsy misy fifanoherana mihitsy izany fa fifamenoana aza !
Ekena 100% fa fandavana ilay tenin'Andriamanitra ny tsy fanarahana aloka sy ny mpitaiza raha tsy tanterak'i Kristy ny famonjena; saingy aty aoriana kosa dia fandavana an'Andriamanitra , tsy fanekena ilay famonjen'i Jesoa Kristy ny mbola fidirana amin'ireny zioga efa tsy antonona ireny intsony. Ary dia fanomboana fanindroany an'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana ny mbola fijanonanao amin'ny aloka. Mipetraka indray ny tenin'i Nehemia teo aloha hoe : inona marina moa izany no tena nidinan'i Kristy tety an-tany ?
moustaraf:

"Ringana ny oloko noho ny TSY FAHALALANA!"= ilaina araka izany ny FAHALALANA,
Ny famonjena dia tsy natao ho an'ny maizin-tsaina= bado sy kamo!

Ataoko angamba fa tsy nisy teolojianina ambony sy be fahaizana toa an-dry Nekodemosy sy ry Saoly tamin'ny fotoan'androny. Nefa tadidio fa talohan'ny mbola tsy nandraisany ilay fahateraham-baovao teo amin'izy ireo dia tsinotsinona, ary tsy nitondra tamin'ny famonjena izany fahalalana sy fahaizana izany fa vao maika nampiditra azy ireo tamin'ny fahotana dia ny fanenjehana ireo mpanara-dia an'i Kristy. Ho an'izay efa nateraka no mandray ny Fanahy Masina ho mpitari-dalana ary tsy fehezin'izay mpitaiza intsony !
moustaraf:

-Mba nanao ahona re ny famalin'i Yeshu'a ny satana naka fanahy azy raha tsy nahay Torah izy e???
-Ireo teny rehetra nentin'Yeshu'a nampianatra, nentin'ny Aapostoly nampianatra dia Izay efa voasoratra avokoa = Torah =bokin'ny lalàna, ny Neviym =bokin'ny mpaminany!

Tsipihana tsara fa i Jesoa Kristy dia Andriamanitra mitafy nofo sy ra fony Izy nidina tety an-tany. Ary talohan'ny hanombohany ny ministerany dia nameno Azy tanteraka ny Fanahy Masina. Iza moa i Jesoa: fariseo ve, mpanora-dalana ve ? Eo amin'ny jiosy dia ireo no olona ambara sy lazaina fa faratampony amin'ny teolojia, manampahalalana amin'ny Torah, anisan'ireo ve i Jesoa ?
moustaraf:

TANDREMO FA MALALAKA NY LALANA Mankany @ fahaverezana ke betsaka no mankany
(...)

Averina foana fa raha ny lalàna sy ny fombafomba no nahavonjy dia tsy nisy dikany ny nahatongavan'i Jesoa tety an-tany, ary ny mbola fifikirana amin'ireny rehetra ireny, ny tsy fanekena ny Fanahy Masina ho mpitari-dalana dia fandavana ankitsirano an'i Jesoa Kristy nombohana teo amin'ny hazofijaliana !
17. Tefigasy ( 19/07/2013 06:03)
Maranatha:

Fitandremana ny sabata izany Fitiavana an'i tsitoha anie izany e! sns...
(....)
Ny olana ry Tefigasy dia izao mitady hialokaloka ao amin'ilay hoe ambany fahasoavana isika mba hahafahana mandika ny lalàna.
Rom 6:15 Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany! (ota=fandikan-dalana I jaon 3:4 Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna.)
Diniho tsara ry Tefigasy a!

Fanontaniana tsotra no omeko anao dia omeo valiny tsotra ihany koa : iza no ambony ny lalàna sa ny Fanahy Masina ?
18. didi10 ( 19/07/2013 06:21)

Tefigasy:

1 - Misy fombafomba arahina ve ?
2 - Mila mijery olona manodidina sy izay ataony (na mpiara-mivavaka na mpitarika fivavahana) ve ?
3 - Mila mijery fotoana sy ora ve ?
4 - Mila mitandrina sakafo sy andro ve ?
5 - Mila mahay tsianjery ny bokin'ny lalàna ve ?
6 - Tsy maintsy miverina manaraka aloka indray ve ?
7 - Tsy maintsy masina be ve vao afaka mandray famonjena ?
8 - Tsy maintsy miankanjo fitafiana fotsy sy lava ve ?
9 - Tsy maintsy manao fehiloha na satro-doha ve ?
10 - Tsy maintsy miteny na mahay mamaky teny hebreo na grika ve ?
11 - Tsy maintsy miverina amin'ny fivavahana jiosy sy mankany jerosalema ve ?
12 - Tsy maintsy manao fikarohana mikasika izay nihavian'ny soratra masina ve ?
13 - Tsy maintsy mametraka fanontaniana mikasika izay voalazan'ny baiboly ve; na marina ireny na tsia ?
14 - Tsy maintsy manohitra na manenjika ny fivavahan'ny hafa ve ?
....
Mbola maro noho ireo fanontaniana ireo no napetrako tamin'ilay Mpamonjiko; fa valin-teny tokana ihany no nomeny ahy.
Ianareo no mandinika raha mbola hifidy ny iray na maromaro amin'ireo ho zioga sy ho fanandevozana vao tena handroso hiditra amin'ilay fanjakan'Andriamanitra na tsia !
Tokana ihany ny làlana fa tsy misy na dia iray amin'ireo eo ambony sy izay mbola tsy eo amin'ireo koa aza !
Ho an'Andriamanitra ihany ny voninahitra !


1: ENY : Mino, mibebaka, manao Batisa (rano sy Fanahy), maharitra hatramin'ny farany
2: TSIA: Entre anao sy ilay ivavahano ihany io.
3: ENY: Sabata sy ny voaloham-bolana, isanandro mila mivavaka maharitra ka tsy mitsahatra.
4: TSIA sy ENY
5: TSIA
6: TSIA: Ny aloka no manaraka fa tsy ny olona no manaraka aloka
7: ENY: Fa ny tsy Masina tsy mba hahita ny fanjakan'Andriamanitra
8: TSIA
9: TSIA: Ny Vehivavy no tokony hisatro-doha fa tsy ny lehilahy rehefa mivavaka
10: TSIA : Fivavahana haitraitra ireny
11: TSIA: Ef 2;20: Ny fivavahana Krsitiana dia naorin'ny Apostoly ary i Kristy no fehizoro indrindra
12: TSY VOATERY: Fantaro ny zavatra rehetra ary hazony mafy izay tsara
13: TSIA: Ny fandikan-teny no azo iadian-kevitra fa tsy ny votoatiny
14: TSIA: Mifananatra no tokony atao.

Tahian'ny Tompo namana!

19. Tefigasy ( 19/07/2013 06:36)
didi10:

1: ENY : Mino, mibebaka, manao Batisa (rano sy Fanahy), maharitra hatramin'ny farany

Tsy fombafomba akory ny fibebahana , ny finoana, ny batisa. Tadidio fa nisy olona natao batisa tamin'ny fombafomba fa fanozonana no azony nony farany
didi10:

3: ENY: Sabata sy ny voaloham-bolana, isanandro mila mivavaka maharitra ka tsy mitsahatra.

Averina foana fa efa aty amin'ny vanipotoan'ny fahavitan'ny fahariana faharoa izao ny kristianina fa tsy tavela tany amin'i fahariana voalohany intsony. Izay teraka sy naterak'i Kristy dia efa mitsahatra sy miaina ao anatin'izany vani-potoana fitsaharany izay ihany koa.
Efa maro be ny hevitra nalatsaka teto mikasika io fitsaharan'Andriamanitra io fa asakasak'izay mbola te ho mafy atoka na hiditra amin'izay fitsarahana izay na mbola hiaina tamin'ny andron'ny fahariana voalohany.
Tsy misy apostoly na evanjelistra nitory ny fitandremana andro zany ao amin'ny Baiboly fa Kristy ary Kristy voahombo teo amin'ny hazo fijaliana no notoriny. Ireo "sabbatistes" no mihevitra fa misy andro mihoatra ny andro hafa fa ho antsika "évangéliques" kosa dia efa mametraka ny andro rehetra ho mitovy.
didi10:

4: TSIA sy ENY

Io ilay hoe tsy rehefa metimety aminao akory dia Eny ary rehefa tsy metimety aminao dia Tsia
didi10:

7: ENY: Fa ny tsy Masina tsy mba hahita ny fanjakan'Andriamanitra

Tsipihako tsara ilay fanontaniana fa angamba mety tsy mazava : 7 - Tsy maintsy masina be ve vao afaka mandray famonjena ?
Alohan'ny handraisana famonjena io fa tsy aorian'ny fitarihan'ny Fanahy Masina. Jesoa dia nidina mba hitady sy hamonjy ny very. Raha efa masina be daholo ny olona vao hovonjena, tsy hitako izay antony nahatongavany tety an-tany !
didi10:

Tahian'ny Tompo namana!

Misaotra amin'ny valin-teny
20. moustaraf ( 19/07/2013 07:26)
Misy hantsana lehibe mampisaraka eto @ takalohevitra:
1° Izahay izay manamafy fa tsy foana akory na dia litera iray akory aza ny lalàna fa miaina anatin'ny fahatanterahan'ny Tora sy ny faminaniana isika @ izao

2° Ianareo izay mandrava sy mamono ary mitondra an'ny @ famonjena tsy misy lalàna, samy manao izay tiana atao sy mandeha @ lalana tiana aleha!

Tsy hitambatra mihitsy ireo!
MAHEREZA DAHOLO!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1427