Fomba fivavaka amin'Andriamanitra : Ray , Zanaka, Fanahy Masina sy fidirana amin'ilay fanjakany
41. Tefigasy
(
22/07/2013 11:31)
Maranatha:
Mba mahagaga izany milaza hianareo fa tarihin'ny Fanahin'i Tsitoha anefa Izy kay izany tsy manazava izany aminareo anefa ny Messiah milaza izao ao amin'ny Jaona 14:26 fa ny Mpananatra*, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo sy ny Jaona 16:12 Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny. 13 Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.
Mba mananatra ihany aho e, tsy azo vazivazina io Fanahy Masina io : Lio.12:10 " fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka .
Inona avy moa ny zavatra tsy zakan'ny mpianatra fahiny ary mbola misy tsy mahazaka na ankehitriny aza : ny fanarahana aloka sy ny zioga tsy atonona , fadifady ara-tsakafo, fitandremana andro , fombafombam-pivavahana isan-karazany (...). Tamin'ny andro vao nilatsahan'ny Fanahy Masina tety an-tany dia efa nampahafantariny izany , saingy mbola betsaka tsy mahazaka, mbola betsaka no minia mikipy, mbola betsaka ny tsy miraharaha fa variana any amin'ilay Edena araka ny filazan'i bor2lais fa tsy ilay Jerosalema vaovao no banjinina. Efa niainan'ny apostoly voaohany izany ary efa nosoratany ao anaty baiboly. Ary nanafatra tsara izy ireo fa Mat 24 : 11 "Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro ." Io izy io ankehitriny fa mitranga fa miseho azy mitondra hafatra avy amin'ny Fanahy Masina daholo ity olona rehetra milaza atsanga tsy aman'orana rehetra itony ; tsy ny famonjeana no toriany fa zavatra hafa mihitsy, tsy misy hitoviany tamin'ny hatrizay hatrizay !
Maranatha:
Apok 12:7 Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin'ilay dragona; ary ilay dragona mbamin'ny anjeliny kosa dia niady,8 nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra.9 Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy.
Dia inona no hifandraisan'ny ady tany an-danitra sy ny didy folo ? Tsy sambotsamborina daholo akory ity teny rehetra ao anaty baiboly ity dia forcena hanazavana zavatra tsy misy hifandraisany aminy mihitsy ! Aiza moa no tsy hivilana ilay baiboly no farany fa izao no fomba hampiasan'ny milaza azy ho mpampianatra izany !
Mba hainao no hiafaran'ny mpaminany sandoka ? Apo 19 : 20 Ary nosamborina ilay bibidia mbamin'ny mpaminany sandoka , dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany , izay nentiny namitaka ny efa nandray ny sariny ; ary dia natsipy velona ho any amin'ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa.
42. Maranatha
(
22/07/2013 12:10)
Tefigasy:
Mba mananatra ihany aho e, tsy azo vazivazina io Fanahy Masina io : Lio.12:10 " fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka .
Inona avy moa ny zavatra tsy zakan'ny mpianatra fahiny ary mbola misy tsy mahazaka na ankehitriny aza : ny fanarahana aloka sy ny zioga tsy atonona , fadifady ara-tsakafo, fitandremana andro , fombafombam-pivavahana isan-karazany (...). Tamin'ny andro vao nilatsahan'ny Fanahy Masina tety an-tany dia efa nampahafantariny izany , saingy mbola betsaka tsy mahazaka, mbola betsaka no minia mikipy, mbola betsaka ny tsy miraharaha fa variana any amin'ilay Edena araka ny filazan'i bor2lais fa tsy ilay Jerosalema vaovao no banjinina. Efa niainan'ny apostoly voaohany izany ary efa nosoratany ao anaty baiboly. Ary nanafatra tsara izy ireo fa Mat 24 : 11 "Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro ." Io izy io ankehitriny fa mitranga fa miseho azy mitondra hafatra avy amin'ny Fanahy Masina daholo ity olona rehetra milaza atsanga tsy aman'orana rehetra itony ; tsy ny famonjeana no toriany fa zavatra hafa mihitsy, tsy misy hitoviany tamin'ny hatrizay hatrizay !
Raha izany tokoa angaha ny finoana takiana amin'izao dia isan'ireo izay tsy ho voavonjy mihintsy izahay.
Finoana notakiana tamin'ny andron'ny apostoly izany tanisainao izany fa mba eritrereto hoe iza izao no tsy mino an'i Messiah dia ho voavonjy daholo ve ireo rehetra mahalala azy anefa Izy mihintsy no niteny izao ao amin'ny Jaona 6:40 Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.
Ry Tefigasy a: Diso ve Izy raha nilaza izao hoe Lioka 18:8 ..... raha avy ny Zanak'olona, moa hahita finoana et? ambonin'ny tany va Izy?
Satria tsy fantatrin'ny olona intsony ny fanarahana ny finoana izay takiana mifanaraka amin'ny vanim-potoana.
Oh:-RAha misy fahoriana ka hianao mifaly dia tsy mifanaraka amin'ny fahoriana ilay fifalianao
- RAha misy fifaliana kanefa hianao mihory dia tsy mifanaraka ihany koa.
Tsy ireo voalazanao eo ambony ireo intsony ny finoana takiana amin'izao vanim-potoana izao fa efa hafa mihintsy. Tsy hita anefa izany raha tsy mahay ny bokin'ny lalàna hianao
Tefigasy:
Dia inona no hifandraisan'ny ady tany an-danitra sy ny didy folo ? Tsy sambotsamborina daholo akory ity teny rehetra ao anaty baiboly ity dia forcena hanazavana zavatra tsy misy hifandraisany aminy mihitsy ! Aiza moa no tsy hivilana ilay baiboly no farany fa izao no fomba hampiasan'ny milaza azy ho mpampianatra izany !
Mba hainao no hiafaran'ny mpaminany sandoka ? Apo 19 : 20 Ary nosamborina ilay bibidia mbamin'ny mpaminany sandoka , dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany , izay nentiny namitaka ny efa nandray ny sariny ; ary dia natsipy velona ho any amin'ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa.
Ary mba fantatrao ny manao tsinotsinona ny mpaminany Matio 23:29 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa manao ny fasan'ny mpaminany ianareo sady manisy haingony ny rarivatom-pasan'ny olona marina,30 ka hoy ianareo: Raha niara-belona tamin'ny razanay izahay, dia tsy mba nikambana taminy handatsa-drà ny mpaminany.31 Ka dia miampanga tena ianareo fa zanak'izay namono ny mpaminany.
Tsy ny mamono mivantana ny mpaminany ihany no atao hoe mamono ny mpaminany fa izay rehetra manohitra izay voalazany ihany koa.
43. Tefigasy
(
22/07/2013 12:44)
Maranatha:
Raha izany tokoa angaha ny finoana takiana amin'izao dia isan'ireo izay tsy ho voavonjy mihintsy izahay.
Tena raha ny Fanahy Masina mihitsy no hitenenanao ratsy sy ataonao tsinotsinona toa izao dia mieritrereta fa tsy mamorona aho fa Jesoa Kristy mihitsy no nilaza an'io fa tsy ny apostoly izay lazainao fa efa lany andro ! Raha tsy hoe lany andro koa ilay Jesoa nidina tety an-tany fahiny ! Mampalahelo
Maranatha:
Finoana notakiana tamin'ny andron'ny apostoly izany tanisainao izany (...)
Satria tsy fantatry ny olona intsony ny fanarahana ny finoana izay takiana mifanaraka amin'ny vanim-potoana. (...)
Mba omeo kely ahy hoe ny famaritanao izany finoana izany ?
Sur mihitsy aho fa tsy ilay famaritana ambaran'ny baiboly efa lany andro aminareo koa ity finoana manaraka toetr'andro ity !
Maranatha:
Ary mba fantatrao ny manao tsinotsinona ny mpaminany (....)
Tsy ny mamono mivantana ny mpaminany ihany no atao hoe mamono ny mpaminany fa izay rehetra manohitra izay voalazany ihany koa.
Saingy ny hodianao fanina dia hafa ny tena mpaminanin'Andriamanitra, ireo apostoly niezaka nanampita ny tenin'Andriamanitra, nanoratra ny baiboly sy ianareo mpaminany sandoka milaza izany tenin'Andriamanitra izany ho efa lany andro, hatramin'ny finona lazaina ao anatiny no tsinotsinoavinareo ho efa lany andro ary mamoroporona izay tsy nosoratana ianareo. Izany no atao hoe Mpaminany sandoka, amboadia mitafy ny fitafian'ny ondry, ary ny helo sy ny afobe no mendrika azy. Ka mba mieritrerta ihany fa mbola tsy tara, mbola misy fotoana, mbola misy famindram-po, ary lakolosy fanairana ihany izao fa tsy fankahalana akory !
44. bor2lais
(
22/07/2013 13:49)
moustaraf:
Edena sy Jerosalema vaovao, mandroso sa mihemotra?
Mandalina tsara ny baiboly dia fantaro ny momba ny Edena sy ny Jerosalema vaovao!
:-)
Eny e, mety tsy mpandalina tahaka anareo angamba izahay saingy ny fahazaranay (asa na nolovanay tamin'ny romana koa angamba izany ;-)) no mahatonga anay rehefa mamaky teny dia ankavia (Genesisy) mandeha miankavanana (hatrany amin'ny Apokalypsy) fa tsy mifanohitra amin'izay. :-)
45. moustaraf
(
22/07/2013 17:53)
Salama namana isany,
Mampalahelo ny Malagasy fa hatramin'ny fanahy dia voazanaka daholo:
Ny saina sy ny vatana voazanaky ny Frantsay sy Angilisy
Ny fanahy sy ny finoana voazanky ny Romana!
dia inona no sisa???
-Gaga aho raha mpampianatra gaigy be ato @ ity forum ity no tsy hahalala fa ny boky fototra nivavahan'ny Apostoly dia Torah, ary izany Torah sy Neviym izany dia @ teny Hebreo:
dikany: raha nivavaka Yeshu'a sy ireo Apostoly dia tsy niantso Theos sy christos izany, fa izay novakiany ao @ Torah no nivavahany! Mazava be sady lojika izany!
-Raha niteny Yeshu'a hoe" izaho sy Theos dia iray ihany" dia tsy ho novonoin'ny jiosy velively izy e! tsy raharahany izany Theos izany!
-Hatramin'ny oviana vao hisokatra ny masonareo e?? ny testamenta vaovao dia ilàna fahamailoana fatratra noho izy novolavolain'ny Romana!
ka manaitraa ny sain'ny afaka mandalina ihany izahay hoe:
ORIZINAL IHANY NO IZY E!

46. moustaraf
(
23/07/2013 04:43)
Hoy i bor2lais: Eny e, mety tsy mpandalina tahaka anareo angamba izahay saingy ny fahazaranay (asa na nolovanay tamin'ny romana koa angamba izany ) no mahatonga anay rehefa mamaky teny dia ankavia (Genesisy) mandeha miankavanana (hatrany amin'ny Apokalypsy) fa tsy mifanohitra amin'izay.
Misy fifanoherana lehibe eo @ fomba Hebreo sy Romana ka lasa manasarotra ny famakiana ny baiboly izay tsipihina foana fa nomena ny HEBREO!
-Ny famaky ny baiboly @ hebreo dia (marina tokoa) anakavanana miankavia; io dia misy dikany tokoa:
-io no antsoina hoe "Souv" na fiverenana (fibebahana hoy ny romana)!
Ny atao hoe mibebaka @ teny hebreo dia MIVERINA!
ka iza no miverina?? ny olona efa tao an-trano irery ihany no azo lazaina hoe miverina!
dikany: Ny souv dia ho an'ny Hebreo ihany, satria izy no antsoina hiverina @ Elohym Ray!
Ny taranaka hebreo "babo", "lasan-davitra", aty @ nosy lavitra no antsoina hanao ny souv (fverenana) @ EL satria efa NANADINO sy NIALA taminy: Tsy iza izany fa ianao io , izay mamaky @ izao ora izao! ianao Malagasy io!
Ny hafa firenena dia tsy afaka manao souv (fieverenana), satria tsy mbola tao an-trano , fa antsoina kosa izy ireo HIDITRA ny trano miaraka @ Hebreo!
Izany no antony nahatongavan'i Masiah teto an-tany!
MAHAEZA DAHOLO

47. Tefigasy
(
23/07/2013 05:34)

Hoy i Jesoa tamin'i Nikodemosy (mpanora-dalana, mpampianatra, olo-be teo amin'ny zanak'israely ) : Jao.3:3 "Raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy hahita ny fanjakan'Andriamanitra"
Ary koa : Gal.3:28 "Tsy misy intsony na Jiosy na Grika , na andevo na tsy andevo , na lahy sy vavy ; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy ."
Jesoa Kristy ihany no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin'ny Ray , afa-tsy amin'ny alalany . (Jao 14 : 6 )
Nikodemsoy dia israelita 100% saingy mbola nasaina nateraka indray, nanala ny zioga rehetra mbola nifikirany, nasaina niditra tao amin'i Jesoa, ilay varavarana tery, tokana, sarotra ho an'ireo mbola andevon'ny lalàna sy ny fombafomba isan-karazany !
48. Maranatha
(
23/07/2013 06:02)
Tefigasy:
Tena raha ny Fanahy Masina mihitsy no hitenenanao ratsy sy ataonao tsinotsinona toa izao dia mieritrereta fa tsy mamorona aho fa Jesoa Kristy mihitsy no nilaza an'io fa tsy ny apostoly izay lazainao fa efa lany andro ! Raha tsy hoe lany andro koa ilay Jesoa nidina tety an-tany fahiny ! Mampalahelo
I Tefigasy angaha no fanahy masina no milaza fa natao tsinotsinona ???
Mba fantatrao moa ny atao hoe miteny ratsy ny Fanahy masina: Rehefa misy miteny ny fahamarinana aminao anefa hodianao tsy fantatra sy tsy raharahiano mihintsy, io olona io anefa nampitenenin'ny Fanahy masina aminao.Dia manomboka miala aminao Izy ka lasa mody any amin'ny fitoerany, indrindra ho anao manao tsinotsinona ny lalàna'i tsitoha io.
Tefigasy:
Mba omeo kely ahy hoe ny famaritanao izany finoana izany ?
Sur mihitsy aho fa tsy ilay famaritana ambaran'ny baiboly efa lany andro aminareo koa ity finoana manaraka toetr'andro ity !
Toa hianao ihany anie no miteny izay tianao ho tenenina dia izahay no lazainao fa milaza izany e!
Tefigasy:
Saingy ny hodianao fanina dia hafa ny tena mpaminanin'Andriamanitra, ireo apostoly niezaka nanampita ny tenin'Andriamanitra, nanoratra ny baiboly sy ianareo mpaminany sandoka milaza izany tenin'Andriamanitra izany ho efa lany andro, hatramin'ny finona lazaina ao anatiny no tsinotsinoavinareo ho efa lany andro ary mamoroporona izay tsy nosoratana ianareo. Izany no atao hoe Mpaminany sandoka, amboadia mitafy ny fitafian'ny ondry, ary ny helo sy ny afobe no mendrika azy. Ka mba mieritrerta ihany fa mbola tsy tara, mbola misy fotoana, mbola misy famindram-po, ary lakolosy fanairana ihany izao fa tsy fankahalana akory !
Tsy izahay anie no nilaza izany e fa mpaminany efa nisy teo aloha fa tsy ho takatry ny sainareo mihintsy satria ny anareo aza izay mpaminany milaza azy ho mpaminany toa vonoinareo.
Sady izao no ataovy ao andoha misy criteur ny atao hoe mpaminany ka raha mahavaly ireo criteur rehetra maha mpaminany azy izy dia voalaza fa avy amin'ny Tsitoha
49. Nehemiah
(
23/07/2013 06:03)
moustaraf:
Salama namana isany,
Mampalahelo ny Malagasy fa hatramin'ny fanahy dia voazanaka daholo:
Ny saina sy ny vatana voazanaky ny Frantsay sy Angilisy
Ny fanahy sy ny finoana voazanky ny Romana!
dia inona no sisa???
-Gaga aho raha mpampianatra gaigy be ato @ ity forum ity no tsy hahalala fa ny boky fototra nivavahan'ny Apostoly dia Torah, ary izany Torah sy Neviym izany dia @ teny Hebreo:
dikany: raha nivavaka Yeshu'a sy ireo Apostoly dia tsy niantso Theos sy christos izany, fa izay novakiany ao @ Torah no nivavahany! Mazava be sady lojika izany!
Aiza izay lôjika @'izao ?
Marina fa tsy ho ekenao mihitsy ilay izy :) fa mbola averiko hatrany, ho tombontsoa ny namana sendra mandalo, fa ny El @ Jiosy dia Andriamanitra ho antsika gasy, Dieu ho an'ny frantsay, Doué ho an'ny normands, God ho an'ny anglisy, Gott ho an'ny Alemà, Dio ho an'ny italiana, Dios ho an'ny espaniola, Bog ho an'ny krôaty, Shang Di ho an'ny sinoa, Kamisama ho an'ny Zapôney, sns ary samy milaza Ilay nahary an'izao tontolo izao ary manana Fiandrianana @ fianantsika ireo teny ireo, koa inona indray :-) ?
moustaraf:
Raha niteny Yeshu'a hoe" izaho sy Theos dia iray ihany" dia tsy ho novonoin'ny jiosy velively izy e! tsy raharahany izany Theos izany!
Meteza ihany ho'aho miaiky ny hadisoanao fa mahatsikaiky...
moustaraf:
-Hatramin'ny oviana vao hisokatra ny masonareo e?? ny testamenta vaovao dia ilàna fahamailoana fatratra noho izy novolavolain'ny Romana!
ka manaitraa ny sain'ny afaka mandalina ihany izahay hoe:
ORIZINAL IHANY NO IZY E!
Ary ny ôrijinalin'ny Testamenta Vaovao ho'aho dia Grika e :-), na tianao na tsy tianao :).
Ataontsika hoe handefa mail @-dry zareo any @ kontinanta aho. Afrikana Tatsimo ny sasany, Zimbabweana ny sasany, Kenyans ny sasany, Nigerians ny sasany dia mbola hataoko teny gasy ihany ve ilay izy ? Tsy aleo ve tenim-pirenena iarahanay mahalala, izany hoe teny anglisy ? Tahak'izay koa no nataon'ireo Apôstôly : ny Grika no fiteny tena niely t@'izany sady nampiasain'ny olona @ resaka varotra rehetra, na avy taiza na avy taiza, tahaky ny teny anglisy ankehitriny
50. Tefigasy
(
23/07/2013 07:01)
Maranatha:
I Tefigasy angaha no fanahy masina no milaza fa natao tsinotsinona ???
Raha izaho no ataonao tsinotsinona dia tsy hovaliako ianao satria tsy mitondra mankaiza izany. Fa raha ny Fanahy Masina no ataonao tsinotsinona tahaka io ataonao eo ambony io dia mitondra any amin'ny fahaverezana izany!
Maranatha:
Mba fantatrao moa ny atao hoe miteny ratsy ny Fanahy masina: Rehefa misy miteny ny fahamarinana aminao anefa hodianao tsy fantatra sy tsy raharahiano mihintsy, io olona io anefa nampitenenin'ny Fanahy masina aminao.Dia manomboka miala aminao Izy ka lasa mody any amin'ny fitoerany, indrindra ho anao manao tsinotsinona ny lalàna'i tsitoha io.
Ny Fanahy Masina dia tsy manohitra mihitsy ny fahamarinana efa napetrany hatrizay. Ny anao anefa tsy izany fa ataoanareo ho fahamarinana efa lany andro no handraisanareo ny finoana sy ny soratra nataon'ireo apostoly hatrizay notarihin'ny Fanahy Masina ka entinareo hamitahana ny ondry. Tsy mamorona aho fa teninao eo ambony io ary mazava tsara !
Diso tanteraka ianao fa tsy ny lalan'Andriamanitra akory no atao tsinotsinona fa mazava ny voasoratra : Rom.10:4 : fa kristy no faran’ny lalàna, fahamarinana ho an’izay rehetra mino .
Maranatha:
Toa hianao ihany anie no miteny izay tianao ho tenenina dia izahay no lazainao fa milaza izany e
Mba omeo ahy hoe ny teny nataoko ahy manokana izay tsy navoatro na namafisiko avy tao anaty baiboly ?
Maranatha:
Tsy izahay anie no nilaza izany e fa mpaminany efa nisy teo aloha fa tsy ho takatry ny sainareo mihintsy satria ny anareo aza izay mpaminany milaza azy ho mpaminany toa vonoinareo.
Mba omeo eto ary hoe ny anaran'ny mpaminany izay efa mba novonoiko.
Maranatha:
Sady izao no ataovy ao andoha misy criteur ny atao hoe mpaminany ka raha mahavaly ireo criteur rehetra maha mpaminany azy izy dia voalaza fa avy amin'ny Tsitoha
Izaho anie efa manaiky fa betsaka ny mpaminany sandoka e ! Maniry toa ny anana izy izao ary efa nampitandremana ny amin'ireny izahay ! (I.Jao.1:4)
Fantatray tsara ny zava-nisy tamin'ny fiangonana tany Tyatira : nisy vehivavy iray izay nilaza ny tenany ho mpaminany avy amin'Andriamanitra, manolotra fampianarana izay tsy mifanaraka akory amin'ny tenin'Andriamanitra efa nisy hatrizay, mampijangajanga ny fiangonana. Toa izao ataonao izao mihitsy hoe efa lany andro ny tamin'ny andron'ny apostoly fa efa izao indray no tokony atao. Izao no lazain’ny Tompo hoe nomena andro nibebahana izy nefa tsy nety . Milaza ny tenany ho manana ny marina dia tsy mety mibebaka. Inona no niafaran'ilay milaza azy ho mpaminany sy ireo nanaraka azy : hovonoiko amin’ny fahafatesana ny zanany, ampandamahiko am-pandriana izy raha tsy mibebaka. Amin’izay dia hahafantatra ny fiangonana fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo ary omeko araka ny asanareo avy ianareo.
51. Maranatha
(
23/07/2013 12:06)
Tefigasy:
Ny Fanahy Masina dia tsy manohitra mihitsy ny fahamarinana efa napetrany hatrizay. Ny anao anefa tsy izany fa ataoanareo ho fahamarinana efa lany andro no handraisanareo ny finoana sy ny soratra nataon'ireo apostoly hatrizay notarihin'ny Fanahy Masina ka entinareo hamitahana ny ondry. Tsy mamorona aho fa teninao eo ambony io ary mazava tsara !
Diso tanteraka ianao fa tsy ny lalan'Andriamanitra akory no atao tsinotsinona fa mazava ny voasoratra : Rom.10:4 : fa kristy no faran’ny lalàna, fahamarinana ho an’izay rehetra mino
Hitanao izany i Kristy hoy hianao no faran'ny lalàna ho an'izay rehetra mino. F'angaha tsy manatanteraka ny lalàna no ataony any an-danitra any izao???? Mitana ny andraikitry ny MPISORONABE. sa tsy tsy manatanteraka ny lalàna ny asan'ny Mpisoronabe.
Mahatsikaiky ihany hianao. Sady ohatry ny mampalahelo ahy fa tsy ampy fahalalana toa tanteraka aminao ny teny ao amin'ny II Petera 3:16 tahaka ny ataony ao amin'ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin'ireo efa misy zavatra saro-pantarina, izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin'ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany.
Miala tsiny aza aho sady mifona amin'ny Tsitoha sy aminao fa toa lasa mieboebo noho ny fahalalana.
Tefigasy:
Mba omeo eto ary hoe ny anaran'ny mpaminany izay efa mba novonoiko.
Tsy ny mamono mivantana ihany no atao hoe mamono ny mpaminany fa raha misy olona mitondra teny avy amin'ITsitoha ka tsy raharahina ilay hafatra sy henjehina ho mpaminany sandoka ilay miteny, anefa tsy voaporofonao akory na avy amin'i Tsitoha io mpaminany io na tsia dia isany mamono azy hianao izay.
consaille d'ami : Ny tsara indrindra aloha izany dia mihaino izay hafatra ho entiny sy manaporofo na avy amin'i Tsitoha io mpaminany io na tsia ??
Tefigasy:
Toa izao ataonao izao mihitsy hoe efa lany andro ny tamin'ny andron'ny apostoly fa efa izao indray no tokony atao. Izao no lazain’ny Tompo hoe nomena andro nibebahana izy nefa tsy nety . Milaza ny tenany ho manana ny marina dia tsy mety mibebaka. Inona no niafaran'ilay milaza azy ho mpaminany sy ireo nanaraka azy : hovonoiko amin’ny fahafatesana ny zanany, ampandamahiko am-pandriana izy raha tsy mibebaka. Amin’izay dia hahafantatra ny fiangonana fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo ary omeko araka ny asanareo avy ianareo.
Hianaro tsara aloha ny bokin'ny Apokalipsy sy izay tondroiny amin'io teny io. Miresaka momba ny fiangonana katolika Romanina fony vao niandoha io taorian'i Constatin izay nampiditra ireo fomba fanao tany amin'ny fanompoan-tsampy.
Izay no hilazan'ny soratra masina mainao fa misy vanim-potoana ny zavatra rehetra teny nomena tamin'ireo izay olona nanaraka ka mbola manaraka ny fanom-poan-tsampy katolika izany.
Aty amin'ny vanim-potoanan'i Laodikia isika izao, Hoy ny Tompo aminao Apok 3:20 Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko
Apok 3:18 dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin'ny afo, mba hanan-karena ianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan'ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao.
Apok 3:19 Izay* rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha.
Apok 14:12 Indro ny faharetan'ny olona masina dia izay mitandrina ny didin'i Tsitoha (Didy 10) sy izay mitana ny finoana niainan'i Mpamonjy
52. Tefigasy
(
23/07/2013 12:48)
Lasa miverimberina be ilay kapila fa rehefa tsy te hiova moa ianao, manome safidy malalaka anao Andriamanitra! Efa nampahafantariko anao ny marina rehetra izay tsy avy amiko fa avy ao anaty baiboly, anjaranao no maka izay tandrify anao.
Tsy dia ho anao ihany koa no namaliako hatrizay fa ho an'izay ondry mitady sakafo amin'itony internet itony nefa sanatria tsy sakafo mahavelona no raisiny fa poizina avy amin'ilay mpaminany sandoka.
Tsy ho vitan'ity pejy ity raha andeha hohazavaiko amin'ny atsipirihany eto daholo ny baiboly iray manontolo. Alefantsika isaky ny lohahevitra ihany ny fizarana ny drafitr'Andriamanitra ho an'ny mpanompony !
Ity no hamaranako azy ho an'ity lohahevitra iray ity izay valin-teny nataon'i Jesoa ahy fony aho nametraka ire fanontaniana marobe taminy teny am-piandohana: "Hoy Jesosy tamiko : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin'ny Ray , afa-tsy amin'ny alalako ." teny ao amin'ny Jao.14:6 io nomeny ahy io fa tsy teny notsipotsiponina tamin'ny faminaniana tetsy sy teroa akory

53. bor2lais
(
23/07/2013 13:18)
moustaraf:
Hoy i bor2lais: Eny e, mety tsy mpandalina tahaka anareo angamba izahay saingy ny fahazaranay (asa na nolovanay tamin'ny romana koa angamba izany ) no mahatonga anay rehefa mamaky teny dia ankavia (Genesisy) mandeha miankavanana (hatrany amin'ny Apokalypsy) fa tsy mifanohitra amin'izay.
Misy fifanoherana lehibe eo @ fomba Hebreo sy Romana ka lasa manasarotra ny famakiana ny baiboly izay tsipihina foana fa nomena ny HEBREO!
-Ny famaky ny baiboly @ hebreo dia (marina tokoa) anakavanana miankavia; io dia misy dikany tokoa:
-io no antsoina hoe "Souv" na fiverenana (fibebahana hoy ny romana)!
Ny atao hoe mibebaka @ teny hebreo dia MIVERINA!
ka iza no miverina?? ny olona efa tao an-trano irery ihany no azo lazaina hoe miverina!
dikany: Ny souv dia ho an'ny Hebreo ihany, satria izy no antsoina hiverina @ Elohym Ray!
Ny taranaka hebreo "babo", "lasan-davitra", aty @ nosy lavitra no antsoina hanao ny souv (fverenana) @ EL satria efa NANADINO sy NIALA taminy: Tsy iza izany fa ianao io , izay mamaky @ izao ora izao! ianao Malagasy io!
Ny hafa firenena dia tsy afaka manao souv (fieverenana), satria tsy mbola tao an-trano , fa antsoina kosa izy ireo HIDITRA ny trano miaraka @ Hebreo!
Izany no antony nahatongavan'i Masiah teto an-tany!
MAHAEZA DAHOLO
Misaotra anao manamafy ny tiako tenenina : ianareo (milaza tena fa hebreo) no miverina any Edena fa izahay kosa mandroso hiditra any Jerosalema vaovao ! :-)
54. moustaraf
(
23/07/2013 13:55)
salama namana,
Fantaro ny Edena sy Jerosalema vaovao!
sa tokony hanokafana lohahevitra ny momba an'io?

55. bor2lais
(
23/07/2013 14:16)
moustaraf fa tsy mousfatar akory:
Fantaro ny Edena sy Jerosalema vaovao!
sa tokony hanokafana lohahevitra ny momba an'io?
:-)
56. Miharena
(
23/07/2013 16:19)
Raha mandinika ilay zohin-kevitra aho dia mahita fa tsotra ihany no fironana misy, na ara-panahy na ara-nofo.
Ny ara-nofo no mampisy disadisa ara-piheverana.
Ohatra, raha milaza ny Tompo hoe izay tiako no faiziko dia mazava fa raha misy izany fahoriana izany dia ny nofo sy ny saina no marary voalohany. Izany dia hahatsapana fa tokony hiaina ara-panahy ny olona fa tsy hirona amin'ny maha-nofo sy saina fotsiny eo amin'ny fiainany.
Raha mahatsapa ny fitarihan'ny Fanahy Masina anefa vao afaka mahazo izany fandriam-pahalemana izany.