Fomba fivavaka amin'Andriamanitra : Ray , Zanaka, Fanahy Masina sy fidirana amin'ilay fanjakany
21. Maranatha
(
19/07/2013 07:27)
Tefigasy:
Fanontaniana tsotra no omeko anao dia omeo valiny tsotra ihany koa : iza no ambony ny lalàna sa ny Fanahy Masina ?
Ny Fanahy Masina no ambony fa io Fanahy masina io tsy mitarika anao handika ny lalàna indrindra hoe ny lalàn'iTsitoha (Didy folo). Izay no maha iray an'i Tsitoha , Ny mpamonjy , Ny Fanahy masina mitovy ny tanjony, mitovy ny heviny , mitovy avokoa izay kasainy hatao sns...
Tsy hitarika anao handika ny lalàn'i Tsitoha (Didy folo) ny Fanahy masina . Ny devoly sy ry satana no mampiditra hevitra amin'ny zanak'olom-belona hilaza fa misaran-kevitra Izy Telo ireo (ny Tsitoha, Ny Mpamonjy, Ny Fanahy masina )
Diniho tsara hoa!
22. Nehemiah
(
19/07/2013 07:42)
voromailala:
izaho manokana dia tsy mandray ny zavatra lazain'ny Baiboly ho zavatra marina daholo, noho ny tantara fantatro momba ny nanoratana ny Baiboly.
Tsy tonga dia mino izay lazain'ny Baiboly, Boky rehetra sy lazain'ny olona aho, fa andramako aloha, dia rehefa hitako hoe mety amin'ny fiainako dia tazomiko.
Raha ohatra olona mitantara zavatra amiko nefa tsy mbola nanadrana akoriny vao maika tsy henoiko.
Rehefa misy fampianaran'i Kristy zao vakiako dia hampihariko fa hitako nahasoa ahy dia tazomiko sy hiezahako arahana foana. Toy ny hoe tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.tiavo ny fahavalona.
Rehefa nanatanteraka izany aho dia hitako fa mihamilamina ny fiainako, tsy misy olona miadiady amiko intsony, lasa mindray tsara aman'olona sy mifanampy, sns....
Ka ny Baiboly anie milaza impiry impiry ny tenany ho tenin'Andriamanitra tsy mety diso e. Ka raha misy zavatra na dia 1 aza tsy marina @ dia tsy tenin'Andriamanitra ilay izy ka tsy azo tsongatsongaina raisina ho référence ny sasany nefa tsipahina ny sasany : na raisinao izy 1 manontolo na tsy raisinao mihitsy.
23. Tefigasy
(
19/07/2013 07:56)
moustaraf:
Misy hantsana lehibe mampisaraka eto @ takalohevitra:
1° Izahay izay manamafy fa tsy foana akory na dia litera iray akory aza ny lalàna fa miaina anatin'ny fahatanterahan'ny Tora sy ny faminaniana isika @ izao
Tsy mahagaga ary izay mihitsy no tiana habaribary sy anisan'ny namonoan'ny Jiosy an'i Kristy satria tanteraka tao aminy ilay lalàna. Heb.9:10 : fitsipika araka ny nofo ireny, voatery atao mandrapahatonga ny andro fanovana Ary rehefa tanteraka ny lalàna dia vita hatreo ny asany: Rom.10:4 : fa kristy no faran’ny lalàna, fahamarinana ho an’izay rehetra mino Tsy mifarana hatreo anefa ny tantara, fa mpananatra hafa no nomena dia ny Fanahy Masina. Izay miditra ao amin'i Kristy ihany sisa no mahazo izany fa tsy izay mbola tavela any ambanin'ny lalàna. Tsy mitondra famonjena ny lalàna, fa Kristy no nanolotra famonjena, nanolotra ny Fanahy Masina ho an'izay manaiky Azy ! Ary izay ilay vavahady ety, vavahady tokana tsy hitan'ny jiosy hatrizay, ary mbola teren'ny sasany tsy ho hitan'ny hafa fa averiny any amin'ny lalana izay efa tsy izy, tsy nahavonjy tany aloha !
Misaotra anao aho fa niavaka ihany taty afara ny vary sy ny tsiparifary !
24. moustaraf
(
19/07/2013 08:08)
-Ny tanjon'ny Rouha kodesgh (FM) dia tsy inona fa "hampianatra anareo ny zavatra rehetra":
Inona ilay "zavatra rehetra" ? izay efa voasoratra fa sarotra raisina dia ny Torah.
-Raha nilaza Yeshu'a fa "Izy ilay teny tonga nofo= Tenin'i El tonga nofo= Torah tonga nofo" dia tsy tantin'ny Maro izany, ary mandraka ankehitriny dia mbola tsy zaka'ny sain'ny maro ihany koa!
-Naniraka ny Rouha KOdesh izy:" Hosoratako ao am-pony sy aao an-tsainy ny Torah ko"; io no asa lehibe indrindra! koa raha milaza isika fa nandray ny Fanahiny nefa mitsipaka ny lalàna ny (Torah) dia heritrereto lalina fa IZAY ILAY FANAHY HAFA efa voalazany!
-Yeshu'a tenany dia nilaza "Maivana ny ziogako"= misy zioga tsy maintsy entina ao, ary mila manetry tena miditra @ izany zioga izany, fa noho ny herin'ny fanahiny izay arotsany @ izay mandray azy dia MAIVANA IZANY, fa @ izay ho very kosa dia ZIOGA MAHAFATY TOKOA!
MAHEREZA DAHOLO!

25. Nehemiah
(
19/07/2013 08:15)
Manaova izay tianao atao fa aza mitsara ny hafa nohon'ny fanarahany an'i Kristy, de toute façon samy ho tsarain'Andriamanitra isika avy koa inona indray ?
26. Tefigasy
(
19/07/2013 08:27)
Maranatha:
Ny Fanahy Masina no ambony fa io Fanahy masina io tsy mitarika anao handika ny lalàna indrindra hoe ny lalàn'iTsitoha (Didy folo). Izay no maha iray an'i Tsitoha , Ny mpamonjy , Ny Fanahy masina mitovy ny tanjony, mitovy ny heviny , mitovy avokoa izay kasainy hatao sns...
Tsy hitarika anao handika ny lalàn'i Tsitoha (Didy folo) ny Fanahy masina . Ny devoly sy ry satana no mampiditra hevitra amin'ny zanak'olom-belona hilaza fa misaran-kevitra Izy Telo ireo (ny Tsitoha, Ny Mpamonjy, Ny Fanahy masina )
Diniho tsara hoa!
Toa manaiky ianao fa ny Fanahy Masina no ambony, nefa terenao hanaraka sy hanaiky zavatra tokana Izy dia ny didy folo. Tsy miteny aho akory fa ratsy ny didy folo, tsy nilaina, saingy mba apetraho tsara amin'ny toerana tokony hisy azy izany: taiza no nomena ny didy folo, ho an'iza ny didy folo, inona no tanjon'ny didy folo, efa tanteraka ve ny lalàna (ao anatiny ny didy folo), ....
Tadidio fa tsy Andriamanitra voafetra akory io Fanahy Masina io ka gejainao hisitrika ao anatin'ny didy folo hatrany n'inon'inona zava-misy.
Didy iray ao anatin'ny didy folo ny fanajana ray aman-dreny; saingy raha ray aman-dreny mitondranao any amin'ny afobe, mendrika ho ekena sy toavina ary hajaina ve izy? Raha ny didy no abaribarinao dia hafa no hizoranao, fa raha ilay Fanahy Masina tompon'ny didy kosa no mitarika anao manoloana izany dia hafa ny làlana asainy hizoranao. Koa anjaranao no mieritreritra na hijanona ho any ambanin'ny lalàna hatrany, na hanaiky hotarihin'izay nanao izany tamin'ny fotoany, tamin'ny fombany, tamin'ny tanjony.
Averina foana fa toa ny zaza tezaina; raha mbola tsy tonga ny Rainy dia tsy maintsy ny mpitaiza no nametrahana ny zanaka, fa raha efa eo kosa izy, dia adalana ny mbola hifikirana amin'izay mpitaiza fa tsy hanatonana ilay tena Ray !
27. moustaraf
(
19/07/2013 08:48)
Nehemiah:
Manaova izay tianao atao fa aza mitsara ny hafa nohon'ny fanarahany an'i Kristy, de toute façon samy ho tsarain'Andriamanitra isika avy koa inona indray ?
Tsy hoe manao izay tiana atao fa" Manao araka izay voalaza sy voasoratra"
Ny olana @ fivavahana Romana sy ny zana-pivavahana naterany dia ny "fihizingizinana @ io Fitondran'ny Fanahy io, ka izay hevi-dravina ateraky ny saina rehetra izao dia lazaina avokoa fa fitarihan'ny fanahy!" hany ka sahy milaza sy manafoana izay naorin'NY Tsitoha Avo indrindra:
"Eny fa na dia fitenenan-dratsy ny anarany sy fanazimbazimbana ny Fanahy aza dia sahy lazaina fa fitarihan'ny fanahy!
-Elohym, Yeshu'a, Rouha Kodesh dia manana ny fombany, koa raha IREO no tompon'io baiboly eo am-pelatananao io dia araho ny fombany!
Fa raha i Atra, J.K, FM kosa dia mpangalatahaka ihany ireo ka tsy mahagaga raha tsy manana fitsipika sy fomba tokony arahina, ary migodàna, sy samy afaka manao izay tiana atao ny mpanara-dia azy!
MAHEREZA DAHOLO!
28. Maranatha
(
19/07/2013 10:22)
Tefigasy:
Toa manaiky ianao fa ny Fanahy Masina no ambony, nefa terenao hanaraka sy hanaiky zavatra tokana Izy dia ny didy folo. Tsy miteny aho akory fa ratsy ny didy folo, tsy nilaina, saingy mba apetraho tsara amin'ny toerana tokony hisy azy izany: taiza no nomena ny didy folo, ho an'iza ny didy folo, inona no tanjon'ny didy folo, efa tanteraka ve ny lalàna (ao anatiny ny didy folo), ....
Tadidio fa tsy Andriamanitra voafetra akory io Fanahy Masina io ka gejainao hisitrika ao anatin'ny didy folo hatrany n'inon'inona zava-misy.
Didy iray ao anatin'ny didy folo ny fanajana ray aman-dreny; saingy raha ray aman-dreny mitondranao any amin'ny afobe, mendrika ho ekena sy toavina ary hajaina ve izy? Raha ny didy no abaribarinao dia hafa no hizoranao, fa raha ilay Fanahy Masina tompon'ny didy kosa no mitarika anao manoloana izany dia hafa ny làlana asainy hizoranao. Koa anjaranao no mieritreritra na hijanona ho any ambanin'ny lalàna hatrany, na hanaiky hotarihin'izay nanao izany tamin'ny fotoany, tamin'ny fombany, tamin'ny tanjony.
Averina foana fa toa ny zaza tezaina; raha mbola tsy tonga ny Rainy dia tsy maintsy ny mpitaiza no nametrahana ny zanaka, fa raha efa eo kosa izy, dia adalana ny mbola hifikirana amin'izay mpitaiza fa tsy hanatonana ilay tena Ray !
Tena tsy mbola fantatrao tokoa ry Tefigasy ny zava-nisy ka terenao fa natokana hoan'i zanak'Israely ny Didy folo.
Fony mbola tany an-danitra i Losifera sy ny Messiah dia efa nisy drafitra natao fa hanao olom-belona mitovy aminy ny Tsitoha rehefa izany amin'ny maha -Tsitoha azy dia efa tsinjony ny zavatra hitranga rehetra aty aoriana. Navoakany io Didy folo io hifehy ny mponin'ny lanitra. Tsy nanaiky i Losifera satria efa masina avokoa hoy izy ny mponin'ny lanitra ka nahoana no ho fehezina amin'io indray. Teo no nanomboka ny fanoherany. nanampy izay tsy isany nanatrika ny fivoriana mikasika ny famoronana ny tany izy. Izy anefa dia isany akaiky an'i Tsitoha satria kerobima manaloka. Niampy ny fikomiany ka nitarika ny anjely izay mponin'ny lanitra amin'izay izy hikomy amin'ny Tsitoha ary io tsy tokony hitandremana ny Didy folo io no nentiny nandresena lahatra ireo anjely izay lasa namany.
Vao hanao ny tany sy izay rehetra eo aminy anefa ny Tsitoha sy ny Mpamonjy ary ny Fanahy masina dia naha tsikaritra fa raha sanatria ka mikomy manaraka ny hevi-dratsy ny Losifera ny olona izay hatao mitovy endrika aminy dia tsy maintsy I Jesosy no alefa mihidina ety an-tany vao mahafam-po ny lalàna ny rà alatsany (raha tsisy rà latsaka tsy misy famelan-keloka). Noho izany tsy maintsy havadika ho olona izany ilay Teny (i Jesosy) tao amin'nyTsitoha. Ny Mpamonjy amin'izao any an-danitra dia mitafy ny maha-olom-belona. Dia hoy isika natao ho an'ny olona ny Didy folo fa tsy natao ho an'ny mponin'ny lanitra. Aza hadino ary fa olona ny Mpamonjy no lasa niakatra any, manamafy izany i Thomas nanatehaka ny tanany teo amin'ny lanivoany.
Eo ny mahasamihafa ny fampianarana voarain-tsika ry Tefigasy. Tsy ny Fanahy masina mihintsy no hanaiky anao handika lalàna. mandika anie hianao lalàna iray fa hoy ny Fanahy masina hoa Hosea 5:15 Handeha hody any amin'ny fitoerako Aho ambara-piaikiny ny helony sy hitadiavany ny tavako. Rehefa azom-pahoriana izy, dia hitady Ahy fatratra
Miaiky heloka dia midika hoe miaiky fa nanota midika hoe miaiky fa nandika lalàna IJaona 3:4 Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna
Tsisy Fanahy masina hitarika anao hangalatra, na hamono olona na hijangajanga na handika sabata sns.... ary tena mitombina mihintsy ny voalazanao fa tsy tokony hajaina ny Ray aman-dreny raha hitarika anao handika ny didin'i Tsitoha.
Ohatry ny azon'ny Tefigasy tsara daholo ihany ny tiako ho lazaina ( izay avy amin'ny Fanahy masina) fa misy fampianarana mampisavoritaka ny sainy.
29. Tefigasy
(
19/07/2013 10:56)
Maranatha:
Tena tsy mbola fantatrao tokoa ry Tefigasy ny zava-nisy ka terenao fa natokana hoan'i zanak'Israely ny Didy folo.
Mba mahaiza re mamaky tsara izay nosoratako ! Fanontaniana no napetrako fa tsy mbola namaly mihitsy aho aloha hatreto hoe natokana ho an'ny zanak'israely ihany ny didy folo ary izay ihany no nilana azy. Mety ho marina izany nefa mety tsy ho ampy ihany koa.
Maranatha:
Fony mbola tany an-danitra i Losifera sy ny Messiah dia efa nisy drafitra natao fa hanao olom-belona mitovy aminy ny Tsitoha rehefa izany amin'ny maha -Tsitoha azy dia efa tsinjony ny zavatra hitranga rehetra aty aoriana. Navoakany io Didy folo io hifehy ny mponin'ny lanitra. Tsy nanaiky i Losifera satria efa masina avokoa hoy izy ny mponin'ny lanitra ka nahoana no ho fehezina amin'io indray. Teo no nanomboka ny fanoherany. nanampy izay tsy isany nanatrika ny fivoriana mikasika ny famoronana ny tany izy. Izy anefa dia isany akaiky an'i Tsitoha satria kerobima manaloka. Niampy ny fikomiany ka nitarika ny anjely izay mponin'ny lanitra amin'izay izy hikomy amin'ny Tsitoha ary io tsy tokony hitandremana ny Didy folo io no nentiny nandresena lahatra ireo anjely izay lasa namany.
(....)
Aoka isika tsy hamoroporona izay tiantsika ho foroporonina mba handresena lahatra. Mba omeo eto ny boky , toko, andininy nahitanao izany rehetra izany ao anaty baiboly. Raha tsy ao anaty baiboly indray dia tsy adala akory ny apostoly tsy nampiditra izany mivantana tao !
30. bor2lais
(
19/07/2013 13:25)
Tefigasy->Maranatha:
Aoka isika tsy hamoroporona izay tiantsika ho foroporonina mba handresena lahatra. Mba omeo eto ny boky , toko, andininy nahitanao izany rehetra izany ao anaty baiboly. Raha tsy ao anaty baiboly indray dia tsy adala akory ny apostoly tsy nampiditra izany mivantana tao !
:-)
Mety testamenta hafa koa angamba e ! :-)
31. Nehemiah
(
19/07/2013 13:33)
moustaraf:
Tsy hoe manao izay tiana atao fa" Manao araka izay voalaza sy voasoratra"
Ny olana @ fivavahana Romana sy ny zana-pivavahana naterany dia ny "fihizingizinana @ io Fitondran'ny Fanahy io, ka izay hevi-dravina ateraky ny saina rehetra izao dia lazaina avokoa fa fitarihan'ny fanahy!" hany ka sahy milaza sy manafoana izay naorin'NY Tsitoha Avo indrindra:
"Eny fa na dia fitenenan-dratsy ny anarany sy fanazimbazimbana ny Fanahy aza dia sahy lazaina fa fitarihan'ny fanahy!
-Elohym, Yeshu'a, Rouha Kodesh dia manana ny fombany, koa raha IREO no tompon'io baiboly eo am-pelatananao io dia araho ny fombany!
Fa raha i Atra, J.K, FM kosa dia mpangalatahaka ihany ireo ka tsy mahagaga raha tsy manana fitsipika sy fomba tokony arahina, ary migodàna, sy samy afaka manao izay tiana atao ny mpanara-dia azy!
MAHEREZA DAHOLO!
Koa ahoana no ahazoako antoka fa tsy ny tenanareo ihany no tsarainareo eto, nahoana no tsy maintsy ianareo no marina ary izahay no diso ? Satria mamoromporona teôria hafahafa tsy voatohan'ny zava-misy ny mpitondranareo ve :-) ?
32. moustaraf
(
19/07/2013 15:43)
Salama namana,
Ny fahamarinana dia HAFAHAFA foana @ olona hatramin'izay ka mandraka androany!
-Raha nitory fibebahan i Noah dia nihomehezan'ny olona;
-Raha tsy nanaraka ny fijangajagan'ny olona i Lota dia nihomehezan'ny olona;
-Raha nanaraka an'i El i Avraham , nenjehin'ny olona;
sns...
-Yeshu'a ,ilay teny tonga nofo "Iza no mahay mihaino izany teny izany?" hoy ny olona
-Raha nanangana ny fivavahana araka ny fampianaran'Yeshu'a ny Apostoly, dia nolazaina ho mpanodinkodin-tsaina sy mampisavorovoro vahoaka!
Amin'izao fotoana izao, izahay "Manangana ny efa Rava", mamerina ny fahamarinana dia HAFAHAFA amin'ny sasany ihany koa! ka tsy gaga izahay, satria SAROTRA ny miala @ mahazatra raha tsy ny Fanahy no mitarika!
"Ary Saoly nahita mazava manelatrelatra avy tany an-danitra, ary nandre t@ teny Hebreo hoe: Saoly, Saoly nahoana ianao no manenjika ahy???"
Efa tonga taminay koa izany feo izany, ka resy lahatra izahay! ary tsy Théorie faa tena iainanay mihitsy isan'and ro isan'andro!
MAHAREZA DAHOLO

33. Miharena
(
20/07/2013 04:35)
Mamerina ilay atao hoe finoana pratika isika vao afaka ho iray hevitra.
Io anefa dia tsy ny fiheverantsika na fandinihantsika no mitondra azy fa ny fitarihan'ny Fanahy Masina tanteraka.
Fa raha mazava isika mamaky ny Torah, sy ny Testamenta Vaovao dia hahita hoe nanao adihevitra nandany andro ihany fa tsy nahita ny lalana natoro tao.
Dia miverina amin'ny resaky ny namana Tefigasy ihany io : tsy ireo fanontaniana be dia be ireo no marina fa izay tsy nanontaniana na noheverina hatrizay.
Fa ahona àry y fivavaky ny marina amin'izany?
Rehefa manaiky antsaany sy andavany fa tsy isika no velona fa i Kristy (Hamashi Hara) ao anatintsika.
Tsotra ny marina fa hevitra no be dia be !!

34. Nehemiah
(
20/07/2013 07:01)
moustaraf:
Salama namana,
Ny fahamarinana dia HAFAHAFA foana @ olona hatramin'izay ka mandraka androany!
-Raha nitory fibebahan i Noah dia nihomehezan'ny olona;
-Raha tsy nanaraka ny fijangajagan'ny olona i Lota dia nihomehezan'ny olona;
-Raha nanaraka an'i El i Avraham , nenjehin'ny olona;
sns...
-Yeshu'a ,ilay teny tonga nofo "Iza no mahay mihaino izany teny izany?" hoy ny olona
-Raha nanangana ny fivavahana araka ny fampianaran'Yeshu'a ny Apostoly, dia nolazaina ho mpanodinkodin-tsaina sy mampisavorovoro vahoaka!
Io ilay lazaiko fa mitovy @ milaza hoe :
- 4-tongotra ny saka rehetra
- kanefa 4-tongatra ny alikako
- nohon'izany dia saka ny alikako
:)
35. Nehemiah
(
20/07/2013 07:05)
Ary ahoana indray no hanodikodinanareo ny Rom. 10:4 hoe "Fa Kristy no faran’ ny lalàna ho fahamarinana ho an’ izay rehetra mino." ?
36. bor2lais
(
20/07/2013 10:25)
moustaraf:
Amin'izao fotoana izao, izahay "Manangana ny efa Rava"
:-)
Ny fahazoako azy izany dia "hiverina any edena" fa tsy "handroso any Jerosalema vaovao" ! :-)
Rehefa tonga any edena dia aza kitihina intsony ilay hazo eo afovoan'ny saha tahaka ny nataon'i Adama sy Eva a ! :-)
Dia tongava soa ary ô ! :-)
37. Miharena
(
20/07/2013 16:58)
Mamery ihany ilay manohana tsagan-kevitra na iza na iza no manao izany raha io fanamarihanao io namana Bor2lais.
38. moustaraf
(
22/07/2013 07:35)
Salama namana,
1° Mahagaga ny fomba entin'ny namana sasany manohana hevitra ara-baiboly,
Soratra masine ve no tohanana dia saka sy alika no entina anohanana hevitra:
-Inona moa ny kilasin'ny ALIKA ao @ baiboly???
2° Aoka tsy ho tsongatsongaina tahaka izao foana ny toko sy andininy fa mahadiso zavatra maro, raiso hatrany amboalohany ny toko Romana 10:(Miresaka momba ny Israely izay nitoky t@ fahalalana)
ohatra:
10:3 Fa satria tsy nahalala ny fahamarinana avy amin' El izy ka nitady hanamarina ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin' Andriamanitra
10:4 Fa Hamashirha no faran' ny lalàna ho fahamarinana ho an' izay rehetra mino.
10:5 Satria nanoratra Mosesy nilaza fa izay manao ny fahamarinana avy amin' ny lalàna no ho velona amin' izany.
Fanazavana:
Ahitsy kely araka ny dikan-teny fototra:"Fa Hamashirha no fahatanterahan'ny Torah..."
ka asa nanifanohitra izany na tsia?
Edena sy Jerosalema vaovao, mandroso sa mihemotra?
Mandalina tsara ny baiboly dia fantaro ny momba ny Edena sy ny Jerosalema vaovao!

39. Nehemiah
(
22/07/2013 08:30)
moustaraf:
Salama namana,
1° Mahagaga ny fomba entin'ny namana sasany manohana hevitra ara-baiboly,
Soratra masine ve no tohanana dia saka sy alika no entina anohanana hevitra:
-Inona moa ny kilasin'ny ALIKA ao @ baiboly???
Diniho tsara ihany ny zavatra lazaiko fa manjary mahatsikaiky tahakan'ireny ankizin'ny kôlejy ireny.
moustaraf:
2° Aoka tsy ho tsongatsongaina tahaka izao foana ny toko sy andininy fa mahadiso zavatra maro, raiso hatrany amboalohany ny toko Romana 10:(Miresaka momba ny Israely izay nitoky t@ fahalalana)
ohatra:
10:3 Fa satria tsy nahalala ny fahamarinana avy amin' El izy ka nitady hanamarina ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin' Andriamanitra
Tsy El no ampiasain'ny ôrijinaly fa Theos.
moustaraf:
10:4 Fa Hamashirha no faran' ny lalàna ho fahamarinana ho an' izay rehetra mino.
Tsy Hamashirha no ampiasaina eto fa Christos
moustaraf:
10:5 Satria nanoratra Mosesy nilaza fa izay manao ny fahamarinana avy amin' ny lalàna no ho velona amin' izany.
Fanazavana:
Ahitsy kely araka ny dikan-teny fototra:"Fa Hamashirha no fahatanterahan'ny Torah..."
ka asa nanifanohitra izany na tsia?
Edena sy Jerosalema vaovao, mandroso sa mihemotra?
Mandalina tsara ny baiboly dia fantaro ny momba ny Edena sy ny Jerosalema vaovao!
MAHEREZA DAHOLO!
Ny dikan-teny fototry ny Testamenta Vaovao dia Grika fa tsy Hebreo. Iny fotsiny dia efa ampy handrondanana ny crédibilité-nao sy ny maha-fampianaran-diso ny fampianaranareo
40. Maranatha
(
22/07/2013 10:47)
Tefigasy:
Maranatha:
Fony mbola tany an-danitra i Losifera sy ny Messiah dia efa nisy drafitra natao fa hanao olom-belona mitovy aminy ny Tsitoha rehefa izany amin'ny maha -Tsitoha azy dia efa tsinjony ny zavatra hitranga rehetra aty aoriana. Navoakany io Didy folo io hifehy ny mponin'ny lanitra. Tsy nanaiky i Losifera satria efa masina avokoa hoy izy ny mponin'ny lanitra ka nahoana no ho fehezina amin'io indray. Teo no nanomboka ny fanoherany. nanampy izay tsy isany nanatrika ny fivoriana mikasika ny famoronana ny tany izy. Izy anefa dia isany akaiky an'i Tsitoha satria kerobima manaloka. Niampy ny fikomiany ka nitarika ny anjely izay mponin'ny lanitra amin'izay izy hikomy amin'ny Tsitoha ary io tsy tokony hitandremana ny Didy folo io no nentiny nandresena lahatra ireo anjely izay lasa namany.
(....)
Aoka isika tsy hamoroporona izay tiantsika ho foroporonina mba handresena lahatra. Mba omeo eto ny boky , toko, andininy nahitanao izany rehetra izany ao anaty baiboly. Raha tsy ao anaty baiboly indray dia tsy adala akory ny apostoly tsy nampiditra izany mivantana tao !
Mba mahagaga izany milaza hianareo fa tarihin'ny Fanahin'i Tsitoha anefa Izy kay izany tsy manazava izany aminareo anefa ny Messiah milaza izao ao amin'ny Jaona 14:26 fa ny Mpananatra*, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo sy ny Jaona 16:12 Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny. 13 Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.
Apok 12:7 Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin'ilay dragona; ary ilay dragona mbamin'ny anjeliny kosa dia niady,8 nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra.9 Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy.
Ezechiela 28:14 Hianao dia kerobima voahosotra izay manaloka, fa voatendriko ianao; Tao an-tendrombohitra masin'Andriamanitra ianao; Tao amin'ny vato mirehitra no nitsangantsangananao.15 Tsy nanan-tsiny ianao tamin'ny nalehanao hatramin'ny andro namoronana anao ka mandra-pahita heloka tao aminao.16 Noho ny habetsahan'ny varotra nataonao dia nofenoina loza tao aminao, ka nanota ianao; Ary dia nolotoiko ka nariako niala tamin'ny tendrombohitr'Andriamanitra ianao, Ary nosimbako ianao, ry kerobima manaloka, hiala tao amin'ny vato mirehitra.17 Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; Efa nahasimba ny fahendrenao mbamin'ny famirapiratanao ianao; Nazerako eny an-tany ianao sady natolotro ho fitalanjonan'ireo mpanjaka,
Inona no Fototry ny ady tany an-danitra ????
Hanainga ny Tsitoha eo amin'ny Seza fiandrianany satria ao ambanin'io no misy ny Didy folo (lalàna).
Angataho ny fanahy masina hanazava izany aminareo