Nofantsihana tamin'ny hazo fijaliana tokoa ve i Kristy

41. Nehemiah ( 05/07/2013 07:25)

Miharena:

Ny momba ny hoe tsindrimandry teo amin'ireo boky roa ireo dia isika no manamarina izay azo lazaina fa mihaona ao fa saingy mila fomba fijery hafa tanteraka izany satria fomba fijery ara-panahy no tsy maintsy hatao vao ho tafavoaka amin'ny fampihaonana ny fahasamihafana izay mety mitovy ihany ny vontoatiny.

Kanefa tsy misy an'izao ireo boky 2 ireo fa samy milaza ny tenany ho tenin'Andriamanitra tsy mety diso. Nohon'izay tsy azo anaovana tsimpon'akotry izy ireo. Kanefa mifanohitra @'ity resaka ifotony ity, izany hoe ny fahafatesan'i Jesoa, ka tsy maintsy misy 1 diso.
42. endriny ( 05/07/2013 12:27)

Nehemiah:


endriny:
Ny rehetra tamin'ny taon-jato 1, 2, 3 dia samy nilaza fa tsy nofantsihana i Kritsy, fa ny Kristianina ihany no nitoky ny hoe nofantsihana izy mba anamarinana ilay hoe nitsangana izy afaka hateloana ary nandresy ny fahafetasana.

Raha manaraka ny demokrasia isika, dia mpianatra 4/12 no nanoratra amin'ny testamentany fa maty ary nitsangan-ko velona ilay kristy.

Ny tena mahagaga dia ilay Tomasy nolazaina fa nitsapa ny lava-pantsika sy ny vavalefona tamin'ny tenan'i Kristy aza tsy nanoratra an'io tranga io akory.

Hadisoana ara-tantara re izao. Hita fa finiavana hiteraka pôlemika be fotsiny.


Averiko anontaniana anao indray:
1) iza tamin'ny mpianatra aza no nanatrika an'io oran' ny lalan'ny hazo fijaliana io ? Dia nahoana ry zareo no nanoratra miaraka amin'ny antsipirihany ny fizotry ny tantara hatramin'ny tany anaty lapan' i Polato?
2) Diso ve izany ny silamo tsy mino an'io ka nefa maka an' i Kristy ho iray amin'ny mpaminany lehibe farany?
3) Naninona no nila an' Jodasy hanoro an'i Kristy raha marina fa tena fantatr'olona marina izy?
4) Dia maninona no ny epistily no natao anjaran''i petea ao amin'Ny testamenta vaovao, fa maninona raha navoaka avokoa izay nosoratany?
43. Nehemiah ( 05/07/2013 13:50)
Mazava loatra fa tsy ho resy lahatra ianao, kanefa heveriko ho tsara valiana ireny fanontaniana ireny mba hahasoa an'izay sendra mamaky.
endriny:
Averiko anontaniana anao indray:
1) iza tamin'ny mpianatra aza no nanatrika an'io oran' ny lalan'ny hazo fijaliana io ? Dia nahoana ry zareo no nanoratra miaraka amin'ny antsipirihany ny fizotry ny tantara hatramin'ny tany anaty lapan' i Polato?

Jereo tsara : iza no nanao hoe tsy maintsy ny Mpianatra no nanatrika an'izay ? Angamba olon-kafa izay nanjary kristiana taorianan'izay no nitantara.
endriny:
2) Diso ve izany ny silamo tsy mino an'io ka nefa maka an' i Kristy ho iray amin'ny mpaminany lehibe farany?

Tsy hitako izay ifandraisan'ny fiheveran'ny silamo an'i Kristy sy ny hamarinan'ny fahafatesany na ny tsy nahafatesany.
endriny:
3) Naninona no nila an' Jodasy hanoro an'i Kristy raha marina fa tena fantatr'olona marina izy?

Tsy nisy mpanao sary t@'izany (cf didy faha2) ary tsy dia nifanerasera t@ Jesoa firy ny
endriny:
4) Dia maninona no ny epistily no natao anjaran''i petea ao amin'Ny testamenta vaovao, fa maninona raha navoaka avokoa izay nosoratany?

Mba fantatrao ve fa mifototra @ fijoroana vavolombelon'i Petera ny Evanjelin'i Marka ? I Petera ve dia mbola handany fotoana @'izay nefa efa nisy olon-kafa nanoratra evanjely ho an'ny antokon-kristiana maro ?
44. Miharena ( 05/07/2013 16:55)
Nehemiah:

Kanefa tsy misy an'izao ireo boky 2 ireo fa samy milaza ny tenany ho tenin'Andriamanitra tsy mety diso. Nohon'izay tsy azo anaovana tsimpon'akotry izy ireo. Kanefa mifanohitra @'ity resaka ifotony ity, izany hoe ny fahafatesan'i Jesoa, ka tsy maintsy misy 1 diso.

Mety azo raisina ho marina ilay fanamarihana.

Fa ity indray no mila hazavaina tsara : mety manana resaka momba ny hoe maty tsy novonoina aza ve i Jesoa teo amin'ny Silamo ? Izany hoe milaza fa tsy nitsangana IZY fa nodimandry.
45. Nehemiah ( 08/07/2013 13:09)
Tsy fantatro, anontanio ny imam.
46. endriny ( 09/07/2013 04:39)

Nehemiah:

1)Jereo tsara : iza no nanao hoe tsy maintsy ny Mpianatra no nanatrika an'izay ? Angamba olon-kafa izay nanjary kristiana taorianan'izay no nitantara.
2)Tsy hitako izay ifandraisan'ny fiheveran'ny silamo an'i Kristy sy ny hamarinan'ny fahafatesany na ny tsy nahafatesany.
3) Tsy nisy mpanao sary t@'izany (cf didy faha2) ary tsy dia nifanerasera t@ Jesoa firy ny
4) Mba fantatrao ve fa mifototra @ fijoroana vavolombelon'i Petera ny Evanjelin'i Marka ? I Petera ve dia mbola handany fotoana @'izay nefa efa nisy olon-kafa nanoratra evanjely ho an'ny antokon-kristiana maro ?


1) dia izay ilay atao hoe honohono, ary marina ny an' Piera nanoratra hoe: rehefa vita ny sakafo dia lasa ny Tompo ary tsy hitanay intsony... Izay nidika fa tsy nisy nanatrika izay nisamborana azy akory aza...
2) ka midika ny fijerin'ny silamo fa nodisoin'ny atao hoe Kristianina ny tantara fa tsy maty nofantsihana tamin'ny hazo fijaliana izany i Kristy, izay voamarina ara-tantara fa tamin'ny andron'i Kristy (andron'i Heroda sy Pilato) dia tsy nampiasa hazo fijaliana amonoana olona ny Romanina fa fanapahan-doha no nataony noamonoana ireo olona voaheloka ho faty. Ilay lazaina fa lamba nifonosany ao Roma dia vao 800 taona monja.
3) Nga moa tsy nisy fariseo sy mpanora-dalana niaraka tamin'ny mpisambotra raha ny baiboly no jerena, ary izy aza nobiana tamin'ny sampan-drofia niditra ny tanana teo aloha koa ahoana no tsy ahaizan'ny mpisambotra azy...
4) Raha ilay voasoratry Marka izay, fa nahoana no i Petera mihitsy no naoratra ary dia nesorina tao amin'ny canon ilay izy satria hoe manohitra an'ireo 4 ireo, izay voasoratra 120 taona taorian'i Kristy ihany koa anefa. Sa hoe rehefa te ho lehibe dia ampiasaina ny hoe Petere lohan'ny fiangonana, fa rehefa mitady ahavery ny kapoaka dia hoe efa very tadidy i Petera nanoratra ny epistiliny ka nanoratsora-poana?
47. Miharena ( 09/07/2013 10:44)
Endrika hafa mihitsy momba ny famakiana izay manodidina ny Baiboly sy ireo karazana boky mifandray aminy moa ity adihevitra ity, ka eo no mila fantarina hoe iza no diso araka ny tenin'ny namana Nehemiah.

Asa na efa nisy tokoa recoupement ny zava-drehetra teo amin'ny Kristianina sy ny hafa finoana rehetra na koa ireo mpandalina tsotra fa raha dinhina dia sarotra ny fanalàna hevitra iray rehefa ampidirina ho finoana ilay izy eo amin'ny tsirairay. Raha tsy hoe angaha tonga dia manary ny tantara tsy ho anisan'ny finoana fa mibanjina ny ho avy sy ny fivoaran'ny voarin'Andriamanitra fotsiny ihany. Ary io foba io no toa mety kokoa mba ialàna amin'ny adihevitra tsy misy farany izay mahalavo hatrany ny mpino ankehitriny.
48. smileyah ( 09/07/2013 12:49)
Le izy angamba rehefa tiana hafafy ny hevi-diso rehetra mba hamoanana ny teny fahamarinana dia tsy maintsy manao izay ho afany ny ratsy. Satria i Jesoa mihitsy no efa niteny fa tsy maintsy ho faty izy ary hitsangana indray afaka hateloana ka izay rehetra mamafy ny mifanoitra amin'izany dia lainga avokoa.Ny evanjelin'i Md Joany dia milaza fa nanatrika hatreo ampototry ny hazo fijaliana izy. Tsy fantatrareo koa ve fa i Piera dia nandà an'i Jesoa in-telo tamin'izy nanaraka an'i Jesoa hotsaraina nohon'ny fahatahorany ny ainy?
Ary efa voalaza fa tsy maintsy ho tonga ny antikristy.
49. Nehemiah ( 09/07/2013 13:17)
Ary mba hanampiako an'izay : "maro no antikristy efa tonga sahady" (1 Jn. 2:18) :-)
50. Nehemiah ( 09/07/2013 14:07)

endriny:


Nehemiah:

4) Mba fantatrao ve fa mifototra @ fijoroana vavolombelon'i Petera ny Evanjelin'i Marka ? I Petera ve dia mbola handany fotoana @'izay nefa efa nisy olon-kafa nanoratra evanjely ho an'ny antokon-kristiana maro ?


1) dia izay ilay atao hoe honohono, ary marina ny an' Piera nanoratra hoe: rehefa vita ny sakafo dia lasa ny Tompo ary tsy hitanay intsony... Izay nidika fa tsy nisy nanatrika izay nisamborana azy akory aza...

Soa ihany fa tsy minisitry ny fitsaràna ianao, raha iny fisainanao iny no ampiharina @ tribonaly dia tonga dia tsipahina daholo ny fijoroana vavolombelona rehetra ho tsy marina ka tsy hisy famotorana vanona intsony :-).
endriny:
2) ka midika ny fijerin'ny silamo fa nodisoin'ny atao hoe Kristianina ny tantara fa tsy maty nofantsihana tamin'ny hazo fijaliana izany i Kristy, izay voamarina ara-tantara fa tamin'ny andron'i Kristy (andron'i Heroda sy Pilato) dia tsy nampiasa hazo fijaliana amonoana olona ny Romanina fa fanapahan-doha no nataony noamonoana ireo olona voaheloka ho faty.

Lol. Ahoana indray no namonoana an'i Spartacus sy ny mpombany an'arivony ? Karohy vetivety fotsiny @ Aterineto fa ho hitanao fa t@ alalan'ny fihombohana @ hazofijaliana (amoron'ny Voie Appienne no namonoana azy ireo :-).
Ka raha tsy te-hahatsikaiky tahak'izao intsony ianao dia izao no hevitra omeko anao : tanisao ny loharano angalanao antontan-kevitra rehefa milaza zavatra mifanohitra @ hevitra eken'ny daholobe.
endriny:
Ilay lazaina fa lamba nifonosany ao Roma dia vao 800 taona monja.

Ouf ! Nataoko hoe tsy hanoratra zavatra marina ara-tantara mihitsy ianao.
endriny:
3) Nga moa tsy nisy fariseo sy mpanora-dalana niaraka tamin'ny mpisambotra raha ny baiboly no jerena, ary izy aza nobiana tamin'ny sampan-drofia niditra ny tanana teo aloha koa ahoana no tsy ahaizan'ny mpisambotra azy...

Alina anie ny andro t@'izany :).
endriny:
4) Raha ilay voasoratry Marka izay, fa nahoana no i Petera mihitsy no naoratra ary dia nesorina tao amin'ny canon ilay izy satria hoe manohitra an'ireo 4 ireo, izay voasoratra 120 taona taorian'i Kristy ihany koa anefa. Sa hoe rehefa te ho lehibe dia ampiasaina ny hoe Petere lohan'ny fiangonana, fa rehefa mitady ahavery ny kapoaka dia hoe efa very tadidy i Petera nanoratra ny epistiliny ka nanoratsora-poana?

Efa nazavaiko etony momba ny Apôkrifa ka tsy iverenako intsony.
Moa rehefa milaza ny tenany ho nosoratan'i Petera ny antontan-taratasy 1 dia nosoratan'i Petera tokoa ?
51. Nehemiah ( 09/07/2013 15:03)

Miharena:
Raha tsy hoe angaha tonga dia manary ny tantara tsy ho anisan'ny finoana fa mibanjina ny ho avy sy ny fivoaran'ny voarin'Andriamanitra fotsiny ihany.

Celui qui ne connaît pas son passé n'a pas d'avenir.
52. Miharena ( 09/07/2013 16:26)

Celui qui ne connaît pas son passé n'a pas d'avenir.


Tsy hoatry ny mdika ve ity hoe ho faty izay tsy mahalala izay lasany? Mazava fa aleon'ny Hindoue milaza hoe efa niaina izy talohan'ny nahatongavany nofo tao amin'ny zaza vaovao indray noho ny reincarnation.

53. endriny ( 09/07/2013 16:34)
Asa rey olona na izaho marina angaha no kely loha fa amiko na iza na iza mamosaka hevitra dia tsy maintsy misy na rahoviana na rahoviana manohitra io hevitra naposaka io, na dia afaka iray minitra monja aza.

Noho izany ny filazana fa hisy hanohitra ny hevitry ny Kristy dia tsy faminaniana velively fa fiainana an-davan'andro.

Sady i Kristy koa tsy namoaka didy hoe mivavaha aminy, fa naniraka izy ny hanitarana ny fanjakan'ny Atr'Israely... Izay no vontoatin'ny nambarany... Fa ny Kristianina no mamita-bahoaka.
54. smileyah ( 10/07/2013 08:05)
Moa tsy ny Korany no milaza fa mpaminany lehibe i Kristy? Ary ny maha lehibe azy dia noho Izy akaiky kokoa an'Andriamanitra? Koa nahoana no toherinareo ny heviny? Iza no tena mpamafy lainga raha izany?
Tsy efa nanambara tena ve i Kristy fa hoe : "Izaho sy ny Ray dia iray ihany?"
Raha nanotanian'i Pilaty Izy dia nilaza fa " Mpanjaka Aho, ary tsy eto @ izao tontolo izao ny fanjakako",hoy Izy.
Ary mbola niteny koa Izy fa izay rehetra angatahinareo amiko dia hotanterahiko avokoa?
KOa raha tsy Andriamanitra Izy, afaka hanatanteraka ny vavaka izay atao ve?
Koa iza no mpamafy lainga raha izany?
Asakasak'izay mbola hanohitra hatramin'ny farany ny Kristy, satria I Kristy dia tsy maintsy manjaka, ary hanjaka mandrakizay.
Handohalika @ anarany avokoa ny lohalika rehetra.
55. Nehemiah ( 10/07/2013 14:02)
endriny:

Sady i Kristy koa tsy namoaka didy hoe mivavaha aminy, fa naniraka izy ny hanitarana ny fanjakan'ny Atr'Israely... Izay no vontoatin'ny nambarany... Fa ny Kristianina no mamita-bahoaka

Jn. 14:13-14 : "Ary na inona na inona no hangatahinareo amin’ ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin’ ny Zanaka.14 Raha mangataka zavatra amiko amin’ ny anarako [Na: mangataka zavatra amin’ ny anarako] hianareo, dia hataoko izany."

Miala tsiny raha nihoatra ny 1 mn ny fanoherako ny hevi-dravinao :-)
56. Miharena ( 13/07/2013 16:58)
Aoka kosa aloha tsy ataonareo hoe fanoherana izay lazain'ny namana ENdriny fa fanangonana izay hevitra mety mapisalasala ihany momba ny tantara voalaza.

Ny olana iray fotsiny dia hoe rehefa mahazo teny toy ireny ny Kristianina dia tsy mba mahita hevitra mazava hanitsiana azy avy hatrany. Ohatra hoe manao fanaporofoana mazava araka ny tena tantara niseho marina fa mamaky ilay Baiboly efa notsikeraina ihany no averiny.
57. endriny ( 15/07/2013 05:57)

Nehemiah:

endriny:

Sady i Kristy koa tsy namoaka didy hoe mivavaha aminy, fa naniraka izy ny hanitarana ny fanjakan'ny Atr'Israely... Izay no vontoatin'ny nambarany... Fa ny Kristianina no mamita-bahoaka

Jn. 14:13-14 : "Ary na inona na inona no hangatahinareo amin’ ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin’ ny Zanaka.14 Raha mangataka zavatra amiko amin’ ny anarako [Na: mangataka zavatra amin’ ny anarako] hianareo, dia hataoko izany."

Miala tsiny raha nihoatra ny 1 mn ny fanoherako ny hevi-dravinao :-)


Avereno ny vavaka nampianarin'i Kristy ... Fa tsy misy ao milaza hoe mangataha aty amiko... Fa noho ireo niara-monina taminy nisalasala tamin'ny zavatra mety ho vitany no nilazany hoe izay angatahinareo amin'ny anarako dia tanteraka avokoa: ohatra ny fangatahana fanampin-divay tamin'ny mariazy..., ny hanohanana nahazo ny olona nanaraka azy ka nampitoany ny mofo...
58. Nehemiah ( 15/07/2013 08:24)
Ahoana kay ny fahazoanao ny hoe "hataoko izany" e :) ?

Dia ahoana koa ny Jn. 10:30 hoe "Izaho sy ny Ray dia iray ihany" :) ?
59. endriny ( 17/07/2013 13:33)

Nehemiah:

Ahoana kay ny fahazoanao ny hoe "hataoko izany" e :) ?

Dia ahoana koa ny Jn. 10:30 hoe "Izaho sy ny Ray dia iray ihany" :) ?


Dia inona no mbola angatahina aminy fa tsy tonga dia any amin'ny rainy raha izany?
60. Nehemiah ( 17/07/2013 13:58)

endriny:
"Izaho sy ny Ray dia iray ihany" :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3258