Nofantsihana tamin'ny hazo fijaliana tokoa ve i Kristy
21. Miharena
(
29/06/2013 06:18)
Misy hifandraisany amin'ny lohahevitra ve ilay fanamarihanao namana Endriny? zany hoe io lazaionao io ve izany no tsy inoan'ny Silamo fa nofantsihana i Kristy?
22. jobiely
(
01/07/2013 08:21)
endriny:
Izao aza, raha toa ka i Jesosy tokoa no nosamborina tamin'ny alin'ny zoma... Dia nahoana no nila ny fanampian'i Jodasy ny miaramila sy i Kalifa mpisorom-be? Nga tsy hainy i Kristy izay olona malaza sy fahitany isan'andro mitoriteny eny amin'ny vohitra sy ny lalana ary ny tsena, no mila an'i Jodasy ry zareo hanoro azy amin'ny oroka?
Tsarovy fa Jodasy sy Kristy dia mpianakavy. Dia andeha hamadika azy ve izy? Sa anandrasana maizina mihintsy ny andro dia tsy hita ny tarehin'ny olona dia izay sendra voaoroka no nobedaina ka nofantsihana (izany hoe lona hafa mihintsy tsy teo amin'ireo mpianatra na i Kristy akory)
2) tsy fanaon'ny Raomanina ny mamotika ny tarehin'ny olona alohan'ny hamantsihana azy, saingy tamin'ity indray mitoraka ity dia nopotehina ny tarehin'ilay nofantsihana mba hibaba ra ka tsy hitan'ny olona hoe iza marina io nofantsihana io.
3) Vao voasambotra fotsiny ilay olona nofantsihana, dia lasa notsoaka daholo ny mpianatra rehetra, tsy nisy nanaraka ilay nofantsihana na iray aza, nefa nony avy eo nanoratra ny lalan'ny hazo fijaliana... Dia inoanao ve fa marina io filazan-dry zareo io fa tsy honohono, satria ry zareo tsy nanatrika akory... Andeha atao hoe nisy loza nahafaty olona, dia ianao tsy nahita apry fa olona no nilaza taminao hoe: nirehitra ilay fiara ary kila tao ny kisoa valo.... Dia ny ampitson'io lasa ianao miresaka amin'ny mpanao gazety hoe soraty kely ange hoe nisy loza nahafatesana kisoa 8 tary eh... Dia hino anao ve ny mpanao gazety.... Raha tsy hoe olona fantany ianao... Dia nanoratra ilay mpanao gazety, fa tena izay marina ve ny zava-niseho.?
zay lé atao hoe " FINOANA", zavatra tsy hita nefa ekena ho nisy.
24. Nehemiah
(
01/07/2013 14:46)
Fanamarihana kely : ny Baiboly dia milaza fa nohombohana t@ hazofijaliana i Jesoa. Ny Kôrana kosa dia milaza fa tsy nohombohana t@ hazofijaliana i Jesoa. Araky ny lalan'ny "Tiers Exclu" @ lôjika, tsy maintsy diso ny 1 @'izy 2. Nohon'izany dia tsy tenin'Andriamanitra ny 1 @'izy 2 :-)
25. Miharena
(
01/07/2013 14:57)
Azo omena ve ny andininy ao amin'ny Korana milaza fa tsy nofantsihana i Jesoa?
26. Nehemiah
(
01/07/2013 15:19)
Surat An-Nisa 4:157 And for their saying, “indeed, we have killed the Messiah, Jesus, the son of Mary, the messenger of Allah.” And they did not kill him, nor did they crucify him; but [another] was made to resemble him to them.
27. Miharena
(
01/07/2013 16:00)
Arak'io resaka io izany dia Kristy sandoka no heverin'ny SIlamo fa nifantsihan'ny mpitonda fivavahana tamin'izany fotoana fa ilay tena IZY tsy nisy naninona?
Ilay version resahan'ny namana Endriny izany no nitranga hoy ny Korana.
Izany hoe manome lanja be dia be ani' Jesoa izany izy satria tsy maty IZY fa tonga dia niakatra.
Ary raha toa ka ny Anjely Gabriel no nireaka teto dia izay hitany no lazainy ary tsy ara-nofo ilay resany fa ara-panahy.
Fa eo ihany, toa lasa nisy zavatra hafa mihitsy nitranga taorian'ny nilazana fa niakatra ho eo an-kavanan'ny Ray i Jesoa, satria lasa nisy ireo fisehoana isam-paritra eran'izao tontolo izao nataon'i Jesoa ary tsy nijanona teo an-kavanan'ny Ray Izy izany fa niasa hatramin'izao!!?

28. Nehemiah
(
02/07/2013 06:13)
Raha azoko tsara izany, fandrebirebena saim-bahoaka ny Baiboly milaza tsara fa maty ambony hazofijaliana i Jesoa ?
29. Miharena
(
03/07/2013 09:21)
Tsy izany velively no tiana ambara eto namana fa milaza hoe misy zava-droa loha entina mijery ny zava-nitranga. Ny ara-nofo izay nisy io resaka fifantsihana io ary ny iray indray ara-panahy izay milaza fa Jesoa dia tsy mety maty izany. Izany hoe ny olona mihevitra fa rehefa fantsihana dia maty izay no dikany no tsy mitombina eto amin'ity tantara ity, na io ara-Baiboly , na io ara-Korana.
Lasa saying moa no nilazana azy teto satria ilay tantara tsy nolazaina hatramin'ny antsipiriany. Ary io dia sady ao anaty Baiboly no ao anaty Korana dia tsy milaza antsipirihany hoe inona no nataon'ny fanahin'i Jesoa raha nohombohana ny nofony.
Fa izany eo ihany fa misy mahagaga ihany tokoa aloha fa raha io resaka tenenin'ny Korana io dia efa tsy teo izany i Jesoa fa hafa no natao hoe Izy dia nino daholo ny olona hoe tena Izy no nifantsika. Tantara sy supposition daholo izany fa sao dia heverin'ny namana Nehemiah fa fanipahana ny Baiboly eo indray.
Fa ny zava-dehibe dia hoe na ara-Baiboly, na ara-Korana dia milaza hatrany fa manana ny maha-IZY AZY i Jesoa. Ariana ireo tantara rehefa mijery izany lanjan'i Jesoa izany eo amin'ny soratra roa tonta.

30. Nehemiah
(
03/07/2013 13:13)
A-a-a, ahodikodinao ny resaka. Ny tiako ambara dia manao filazàna mifanohitra ny Baiboly sy ny Kôrana. Ny 1 milaza fa maty teo ambony hazofijaliana i Jesoa, ny 1 mandà an'izay. Ka tsy maintsy misy 1 @'izy 2 no diso ka tsy tenin'Andriamanitra. CQFD.
Ka tsy idirako lalina aloha ny porofo manohana ny hamarinan'ny Baiboly fa ny tiako iaviana fotsiny dia ity : tsy azo afangaro ny finoana kristiana sy silamo

31. Miharena
(
03/07/2013 16:30)
Marina anie fa mifanohitra ireo resaka ireo ao amin'ny boky roa tonta ary tsy mifangaro fa miavaka tsara e!
Saingy rehefa zohina dia misy vovonana ihaonany ihany dia ny fanekena fa misy ny IRAY Mpamorona ary koa ireo fianakaviana niandohan'ny tantara dia iraisana ihany. Ny mahagaga aza dia voasoratra ao daholo ny olona voatanisa ao amin'ny tesramenta vaovao.

32. sitlo
(
03/07/2013 17:15)
Maazo afangaro tsara ny finoana kristianina sy ny silamo raha fahendrena ampianariny no tianareo tadiavina ka ho tehirizina ao am-po.
Fa resaka honohono no tadiavinareo dia tsy azo afangaro ilay izy.
Samy mampianatra ny fampianaran'i Jesosy ireo ary raha izany fampianarana izany no tadiavina dia tsy hisy akory ny olana na silamo na kristianina. Fa raha ilay hoe iza no Andriamanitra, maty tokoa ve... dia tsy ny fahendrena izany no tadiavinareo ka atao akory fa mifamonoa tahaka ny silamo sy kristianina taloha.

33. Miharena
(
03/07/2013 19:31)
Marina dia marina ny fanamarihan'ny namana Sitlo.
Raha io resaka arosoko io dia toy ny tafo iray vovonana ny roa tonta fa samy manana ny lelany ny tsirairay fa ireo lelany ireo anefa dia ireo hevira tsy itovizany ihany fa ny vovonana iankinany iray ihany.

34. endriny
(
04/07/2013 05:28)
Marina izany, fa tsy tokony ampiasaina hampangotsohana olona ilay hoe Jesosy nahatra, nampijaliana... Nefa zanak'Andriamanitra nateraky ny Virjiny... lahitokana... Fa tokony ilay fanavaozana nentiny amin'ny fomba fijery ny atao hoe fivavahana sy firesahana amin'Atra no atao vaindohan-draharaha.
35. Nehemiah
(
04/07/2013 06:32)
Inona ihany ary ity fialàna bala ity ? Inona fotsiny no tokony horaharahiana ny "fahendrena" izay tsy mifanaraka @ zava-misy akory ? Izany "fahendrena" izany dia tahaky ny zava-mahadomelina ihany : fandosirana ny réalité. Ary ny réalité dia misy Andriamanitra ary manana fitakiana @ fiainantsika Izy.
Raha hanao ny zavatra lazain'i Sitlo isika ka hanao tsimpon'akotry ny finoana kristiana sy silamo dia hifarana @ finoana hafahafa sady tsy kristiana no tsy silamo. Tsy mandrara anareo hanao an'izay aho raha izay no danin'ny kibonareo an. Fa hoy aho hoe tsy mitombina izay fomba fanao izay. Ary mino aho fa hiombon-kevitra amiko ny imam 1, na dia nohon'ny antony mifanohitra tanteraka aza.
Averiko ihany, satria toa inianareo odiana fanina, fa resaka lôjika ilay izy : mifanohitra ny zavatra lazain'ny finoana kristiana sy silamo momba ny fahafatesan'i Kristy mampihavana antsika @'Andriamanitra. Ka tsy maintsy diso ny 1 @'izy 2.

36. moustaraf
(
04/07/2013 06:39)
Salama namana,
Raha nytena mpamaky baiboly dia tsy hisalasala @ "Tsy maintsy hijaliany sy hahfatesan'ny Mesia"
Efa voalazan'ireo mpaminany maro teo alohany izany:
-Ny fahaterahany
-Ny foko ipoirany
-Ny asa izay ho ataony
-Ny fijaliana
_ ny fahafatesany eo @ Hazolava (mihantona)
-Ny fitsanganany @ maty
-Ny fiakarany any an-danitra
_Ny mbola hiverenany indray amin-kery lehibe
-Hoy ny Torah: Raha tsy misy rà latsaka (fanatitra alatsa-drà), dia tsy misy famelan-keloka, tsy misy famonjena= io ilay zanak'ondry tsy misy kilema
-Notanterahin'i Tsitoha izany , ka IZY MIHITSY no nanome antsika ilay fanatitra tsara indrindra; dia ny zank'ondrin'i EL, izay TSY MAINTSY NOVONOINA SY NALATSA-DRA

37. moustaraf

38. endriny
(
04/07/2013 16:43)
moustaraf:

Dia mitombina izany ilay hoe ny Atra kristianina sy Silamo sadika fa tsy maintsy mandatsa-dra...
Saingy nahoana no irao boky milaza fa novonoina ihany i Kristy no aderadera amin'ny baiboly, fa maninona raha ny Salamo faha 91 no tena adihadiana akaiky sy ny Koroany izay voarakitra farany ary ireo testamenta eo amin'ny arabo sy Romanina?
Ny rehetra tamin'ny taon-jato 1, 2, 3 dia samy nilaza fa tsy nofantsihana i Kritsy, fa ny Kristianina ihany no nitoky ny hoe nofantsihana izy mba anamarinana ilay hoe nitsangana izy afaka hateloana ary nandresy ny fahafetasana.
Raha manaraka ny demokrasia isika, dia mpianatra 4/12 no nanoratra amin'ny testamentany fa maty ary nitsangan-ko velona ilay kristy.
Ny tena mahagaga dia ilay Tomasy nolazaina fa nitsapa ny lava-pantsika sy ny vavalefona tamin'ny tenan'i Kristy aza tsy nanoratra an'io tranga io akory.
39. Miharena
(
04/07/2013 19:29)
Tsy fialana bala namana Nehemiah no atao eto fa fanehoan-kevitra araka ny zavatra voasoratra ihany ao amin'ny roa tonta izay samy mitantara izay fantany avy.
Ny momba ny hoe tsindrimandry teo amin'ireo boky roa ireo dia isika no manamarina izay azo lazaina fa mihaona ao fa saingy mila fomba fijery hafa tanteraka izany satria fomba fijery ara-panahy no tsy maintsy hatao vao ho tafavoaka amin'ny fampihaonana ny fahasamihafana izay mety mitovy ihany ny vontoatiny.

40. Nehemiah
(
05/07/2013 07:12)
endriny:
Ny rehetra tamin'ny taon-jato 1, 2, 3 dia samy nilaza fa tsy nofantsihana i Kritsy, fa ny Kristianina ihany no nitoky ny hoe nofantsihana izy mba anamarinana ilay hoe nitsangana izy afaka hateloana ary nandresy ny fahafetasana.
Raha manaraka ny demokrasia isika, dia mpianatra 4/12 no nanoratra amin'ny testamentany fa maty ary nitsangan-ko velona ilay kristy.
Ny tena mahagaga dia ilay Tomasy nolazaina fa nitsapa ny lava-pantsika sy ny vavalefona tamin'ny tenan'i Kristy aza tsy nanoratra an'io tranga io akory.
Hadisoana ara-tantara re izao. Hita fa finiavana hiteraka pôlemika be fotsiny.