Ny toetra Kristianina tarafin'ny fiaraha-monina hatry ny ela teto Madagasikara

1. endriny ( 20/06/2013 15:58)
Mivavaka alahady fa mangalatra akoho alatsinainy. Dia antsika no manohy azy a...
novalian'i endriny ny 15/07/2013 06:06
2. Tefigasy ( 21/06/2013 04:21)
Betsaka ny mpanompo sampy sy ny mpanao ratsy no mialokaloka ao ambany fivavahana kristianina mba hanenjehana azy. Ary ny faharatsiana rehetra izay entin'izy ireny no manjary habaribarin'ireo tsy tia ilay fivavahana kristianina. Io ambony io izao santionany
3. jobiely ( 21/06/2013 08:49)
Indraindray ko nge mahery ny fakam- panahy e, na dia tena mivavaka amin'ny fonao tanteraka aza ianao alahady an, rehefa tonga aty am- piasana ianao alatsinainy dia betsaka ny fakam- panahy tsy voatohitrao(oh: misy mitarika hisotro toaka dia tsy mahafe tena fa lasa, tokony hitory tenin' A/tra @ fb nefa lasa manao resaka adala fotsiny ... sns e! ). Amiko aloha tsy voatery ho fiatsaram- belatsihy ny fivavahana e, fa mety hoe tena te hiova ilay olona mivavaka fa ny hery hoentiny miova mihitsy no tsy ampy.
4. bor2lais ( 21/06/2013 08:52)
Efa nambarako fa gravy ity namana "endriny" ity ! :-)
Aleo atao hatsikana kely izy ity hialam-boly
endriny:

Mivavaka alahady fa mangalatra akoho alatsinainy.

Tamin'ny mbola tsy nivavaka alahady ange izy ry "endriny" ka alatsinainy hatramin'ny alahady nangalatra ihany e ! :-)
Tapitsa ny hatsikana ô :-)
5. pisoonja ( 21/06/2013 09:18)
Maro be anie ny tsy mpino tafiditra ao anatin'ny mino e, "malalaka ny lalàna mankany @ fahaverezana, ety ny lalana mankany @ fiainana maro be ny te-hiditra any fa vitsy no hotafiditra" mazava otran'ny karatr'i naivo io namana endrika a , ao anatin'ireo antsoina hoe kristianina ireo dia betsaka no tsy tafiditra any na dia mivavaka sy miantso an'i Jesoa Kristy isan'andro aza izy
6. endriny ( 21/06/2013 11:25)

pisoonja:

Fa angaha kosa moa dia nisy nino hatrany an-kibon-dreny eh? Fa samy tsy mpino daholo ihany no nampianarina hino na izaho aza... Natao batisa aho raha vao telo volana, saingy izany ve dia nidika fa lasa mpino aho nanomboka tamin'io izaho 3 volana io?

Ny tsara dinihana dia hoe inona no atao hoe fifampifehezana nateraky ny ny kristianina... Satria manomboka ety an-tany ny paradisa araka ny tenin'ilay namana teto izay... Nitondra soa ho an'iza marina ny rafitra kristianina misy eto Madagasikara?
7. Alfantomas ( 21/06/2013 16:03)
ny mahatonga ireo mpino mangalatra akoho ny alatsinany na dia mivavaka aza ny alahady dia mazana fanararaotana amin'ny hoe mpamindrafo ANDRIAMANITRA hany ka mihevitra izy fa na manota aza androany mibebaka indray rahampitso
8. Nehemiah ( 24/06/2013 13:20)
L'habit ne fait pas le moine
9. voromailala ( 24/06/2013 13:54)
Ohatra an'ilay hiran'i Jeneraly hoe ny Mopera anie aoka ho fantatrao (Marihana fa tsy ny mopera rehetra no toa izany)
10. endriny ( 24/06/2013 16:35)
Saingy ny olona dia tsaraina amin'ny ataony fa tsy amin'ny resany akory
11. endriny ( 24/06/2013 16:39)
Rehefa te hiala bala dia "NY saonjo iray lohasaha tsy ilaozan'izay amarara", saingy toa adino fa "Ny rano iray siny tsy ahaleo ny fandoto iray tandroka"
12. Nehemiah ( 25/06/2013 06:10)

Alfantomas:

ny mahatonga ireo mpino mangalatra akoho ny alatsinany na dia mivavaka aza ny alahady dia mazana fanararaotana amin'ny hoe mpamindrafo ANDRIAMANITRA hany ka mihevitra izy fa na manota aza androany mibebaka indray rahampitso

Kanefa moa mazava loatra fa ny fahasoavana tena fahasoavana dia tsy manosika ny olona manota mihitsy fa ny mifanohitra @'izay no mitranga (Rom. 6:1-2).
13. bor2lais ( 25/06/2013 09:23)
alfantomasy:

ny mahatonga ireo mpino mangalatra akoho ny alatsinany na dia mivavaka aza ny alahady dia mazana fanararaotana amin'ny hoe mpamindrafo ANDRIAMANITRA hany ka mihevitra izy fa na manota aza androany mibebaka indray rahampitso

Nefa raha mba fantany moa fa raha tena nibebaka tokoa izy dia tsy tokony hiverina amin'ny ("asa"n'ny) taloha (izay nibebahany) intsony ! :-)

De ouzy ilay ranamana be vazivazy izay nanazava an'io hoe : raha nangalatra akoho izany ianao taloha de tsy tokony hangalatra akoho intsony rehefa avy nibebaka fa mba miova gana na gisa indray ohatra (sady fety izao) ! :-)

H.S ny ahy iny a ! :-)
14. pisoonja ( 25/06/2013 11:22)
raha efa fantatra hoe fahotana dia tsy ahazoana famelan-keloka satria manombo an'i Jesoa Kristy indray eo ambony hazofijaliana fanindroany ka manao izany ho fahamenarana , tsara kokoa ny tsy miditra ho isan'ny kristianina raha mbola tsy mahafoy ny fiainan'izao tontolo izao , fa ny tena ratsy indrindra ny efa kristianina kanefa niova ho jentilisa
15. bor2lais ( 25/06/2013 13:29)
pisoonja:

fa ny tena ratsy indrindra ny efa kristianina kanefa niova ho jentilisa

Ahatsiarovako lohateny iray izay ity teninao ity !
Raha niova jentilisa izy dia mbola tsy (nahalala na niaina ny atao hoe) Kristiana ! :-)
16. endriny ( 25/06/2013 16:56)

pisoonja:

, tsara kokoa ny tsy miditra ho isan'ny kristianina raha mbola tsy mahafoy ny fiainan'izao tontolo izao , fa ny tena ratsy indrindra ny efa kristianina kanefa niova ho jentilisa

Ho tanteraka tokoa anie izany....

Saingy sarotra ny andeha hiangona tsy arahin-damaody raha eto Madagasikara
17. endriny ( 29/06/2013 04:28)
Hatramin'ny nidiran'ny Kristianina teto Madagasikara dia foana ny fifampitokisana satria mpiangona alahady fa mpangalatra akoho alatsinainy
18. jobiely ( 01/07/2013 08:31)
fa hono oa ry endriny ra tsy mahadiso, ianao ve "anti- christe" e? Miala tsiny @ fanontanina fa raha manohitohina anao dia afaka tsy valinao, misaotra .
19. endriny ( 01/07/2013 10:31)

jobiely:

fa hono oa ry endriny ra tsy mahadiso, ianao ve "anti- christe" e? Miala tsiny @ fanontanina fa raha manohitohina anao dia afaka tsy valinao, misaotra .

Izaho dia mpndala ny fotom-pisainan'i Kristy, fa tsy manaiky ny fampiasana ny anarany amin'ny fisolokiana vahoaka mahantra
20. pisoonja ( 01/07/2013 10:43)
Marina ny teninao hoe tsy manaiky ny fampiasana ny anarany @ fisolokiana vahoaka mahantra, fa misy ihany koa zavatra mampme indraindray
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2382