Ny toetra Kristianina tarafin'ny fiaraha-monina hatry ny ela teto Madagasikara
41. pisoonja
(
06/07/2013 05:41)
Ady hevitra no eto, ny hevitry ny maro indrindra ny milaza ho kristianina sy faka-tahaka no tsara indrindra raha havoitra hoenti-manarina ny tsy mety rehetra ao @ fiangonana, satria ny fiangonana miasa sy mihavao hatrany , tsy gaga ny tena raha mahita fa miha-mitombo ny fiangonana zandriny eto M/car noho ny fahitany fa maro ny lesoka izay tokony harenina @ fiangonan-dehibe
42. pisoonja
(
06/07/2013 06:00)
Izay no mba hitiavako ny namana katolika, tsy manery na mivantana na an-kolaka ny mpivavaka tsotra @ tsy maintsy anaovana an'izatsy na izaroa fa ny mpivavaka tsirairay dia malalaka @ adidy sy ny zavatra ataony.
Eto misy fiangonana milaza fa raha tsy mahaloa adidy tsy miditra ao am-piangonana ny razana satria nahoana ?

43. bor2lais
(
06/07/2013 08:36)
pisoonja > tsara ihany raha jerenao akaiky kokoa ny fomba fiasa na fitantanana ao amin'io Fiangonanao io (indrindra fa milaza tompon'andraikitra ao ianao).
Tsy izany mantsy fa na tianao na tsy tianao dia tompon'antoka tanteraka amin'ny fanapahan-kevitra raisina ao amin'ny Fiangonana ianao, izay ilay hoe : "manaiky ny hevitra tapaky ny be sy ny maro" (rehefa nialohavan'ny fanazavana sy fifanakalozan-kevitra raha nilaina) na dia tsy hevitrao aza izany.
Miala tsiny aminao fa "Engagement" noraisinao izany raha toa ka tena manana andraikitra tokoa ao amin'io Fiangonana io ianao. :-)
Raha tahiny ka misy hevitra tianao aroso na tsy azoazonao dia eo amin'ny sehatry ny Fiangonana (Mpitandrina, komity, diakona, sns) no tokony amoahanao izany (fa tsy ny sehatry ny internet tahaka itony akory) ! Mariky ny fitiavanao ny Fiangonanao izany raha ataonao ! Ary ataoko fa tsy ho ex-communier noho izany akory ianao ! :-)
Ao anatin'ny fihavaozan'ny Fiangonana ny fahalalan'ny tompon'andraikitra isan'isany izany fomba fiasa izany ! :-)

44. Miharena
(
07/07/2013 00:48)
Raha mijery ireo adihevitra momba ny zavamisy eto aho dia mahita hoe rehefa jerena izay aloaky ny mpino dia zary lasa any amin'ny fitsarana fombafomba fanao na toetra vakiana eo amin'ny mpino isan-tokom-piangonana nefa ireo dia fironana eo amin'ny ara-materialy sy ara-nofo avokoa fa tsy izay loharano no voateny.
Io moa dia voalaza hoe mila miverina amin'ny fitiavana voalohany fa raha tsy izany dia very.
Ny momba io fahaverezana io indrindra no tiana tsindriana satria raha fijery ara-nofo no tototry ny adidy dia tsy misy fanahy mivoitra mihitsy fa reraka ambony ihany. Ao koa ny hoe tsy mahalala izay fampiasana ny vola voangona hanitarana ny fanjakan'Andriamanitra. Zavamisy avokoa izany rehetra izany. Na izany aza dia hita hoe mandray anjara amin'ny fampandrosoana ny maha-olombelona hatrany ny fiangonana na iza izy na iza, fa maro ihany anefa no lavo rehefa diso mitodika loatra any amin'ny vesatra ara-nofo fa tsy mampihatra ny hoe katsaho aloha ny Fanjakan'Andriamanitra dia hanampy ny zava-drehetra.

45. endriny
(
09/07/2013 05:04)
Dia manome vola sy famantaran'andro ny Kristianina Katolika ho fisehoana fa Kristianina tsara hono, anefa mamono mangingina ny vahoaka an-tapitrisany sy manao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, dia mitehaka sy miankohoka ilay katolika znadry kely... Taratry ny fisainana Kristianina daholo izany.
46. moi
(
09/07/2013 06:29)
tsy manome tsiny an'i pisoonja aho, satria tsy notononiny ange ilay anaram-piangonana e !
Ny teti-bolam-piangonana dia efa misy ny hoe ireto no loharanom-bola (recettes), ireto no handaniana azy (dépenses)! izay ilay manao budget, ary hahatratrarana ny recette dia samy manana ny fampidiram-bolany : ao ny mila mikarakara déjeuner, na kerimesy, na koa repas à emporter, rindran-kira sy ny sisa e ! Ny adidin'ny mpiangona, ny rakitra isan'alahady... mety ho ampy raha fampandehanan-draharaha sy adidy anatiny, fa raha adidy hafa (fanitarana, tsangambato... indrindra raha momba ny taotrano dia tsy vita raha tsy manao hetsika fitadiavam-bola hafa). Ny fanontaniana dia fitadiavam-bola ve sisa no betsaka, fa ny fitaizam-panahy tsy ao ? Hita taratra izany raha ny filazan-draharaha no lava kokoa noho ny fampianarana sy fitondrana ny hafatr'Andriamanitra.
Raha mbola mitaona anao hiala amin'ny ratsy, sy mitory ny fibebahana ny fiangonanao dia izay no zava-dehibe, fa ny vola dia ilaina. Fa raha évangile de succès ny any aminareo dia mieritrereta !

47. Nehemiah
(
09/07/2013 07:29)
endriny:
Dia manome vola sy famantaran'andro ny Kristianina Katolika ho fisehoana fa Kristianina tsara hono, anefa mamono mangingina ny vahoaka an-tapitrisany.
Zava-baovao indray izay. Azonao omena eto ve ny loharano nangalanao an'izay antontan-kevitra izay ?
48. Miharena
(
09/07/2013 10:51)
Zava-baovao indray izay. Azonao omena eto ve ny loharano nangalanao an'izay antontan-kevitra izay ?
Vavao andavanandro nitranga tao Mahajanga io namana Nehemiah a!
49. moi
(
09/07/2013 11:33)
Dia manome vola sy famantaran'andro ny Kristianina Katolika ho fisehoana fa Kristianina tsara hono,
Tena endrika fisehoana ho tsara ny fanaovana asa soa ho an'ny fiangonana ! Tsy ahy ny mitsara hoe fisehoana ivelany izany na tsia, fa raha misy manome zavatra ho anao, dia kingà miteny hoe misaotra tompoko ô, fa an'ny vahoaka kosa no mandinika !
50. endriny
(
09/07/2013 13:02)
moi:

Dia mety amin'ny fisainantsika sy ny heritreritsika ve ny fomba itondrany ny vahoaka ankehitriny, sa atao ohatry ny alika ny vahoaka ka avela hitofezaka dia tsipazana taolana hifaliany indray andro...
Ny olona dia natao hitsara ny atao hoe tsara sy ratsy... Raha olona tsy mahita ny tsara sy ny ratsy dia olona efa very fanahy.... Amiko
51. moi
(
09/07/2013 13:17)
Ilay ampahany voalohany mahakasika fihetsika any am-piangonana ihany no nanehoako hevitra, satria hatreo koa no heveriko fa ao anaty lohahevitra eto. Averiko faranana amin'ilay efa namaranako hoe "an'ny vahoaka no mandinika"
52. bor2lais
(
10/07/2013 08:41)
lohateny : "Ny toetra Kristianina tarafin'ny fiaraha-monina ..."
******************************
Amiko aloha ny toe-po anaovana ilay fanomezana no zava-dehibe ! Fampianarana nataon'i Jesoa ho an'ny Kristiana ny mikasika ny rakitra nataon'ilay mpitondratena. :-)
Asa aloha fa heveriko tsy dia toetra Kristiana loatra ny tia deradera amin'izay "rakitra" (sy/na fanomezana) arotsany ho an'ny Fiangonana e ! Indrindra moa fa rehefa ny "sombitsombiny amin'izay tsy ilaina" intsony no omena (nefa dia Azy anie no nindramina e) ! :-)
Ialako tsiny ho an'izay mety ho tohina : avereno aty amiko raha tsy mety ! :-)

53. pisoonja
(
10/07/2013 08:48)
tsisy tsiny fa ady hevitra ihany no eto, mety misy azo raisina mety ho tsia ihany koa
54. Miharena
(
11/07/2013 03:51)
Ilay resaka fanomezana tokoa anie no tsy mitombina eto ambonin'ity tany ity e! Angaha moa ny loharanon-karena rehetra tsy avy amin'Andriamanitra? Ny antsika olombelona dia mamadibadika ireo zava-drehetra ireo fotsiny ihany dia mamindrafindra toerana azy dia lazaina fa fanomezana avy amintsika nefa tsy antsika akory zavanifidnra toerana fotsiny ihany lazaina fa fananantsika.
Dia mahatsikaiky ilay voambolana fanomezana eto!

55. endriny
(
15/07/2013 06:06)
Miharena:

Raha io izao ry Miharena no zohina lalin-dalina kokoa dia tonga amin'ilay hoe reincarnation nareo tary ambadika tary...