Taiza marina i Jesoa tamin'izy 12 taona ka hatramin'ny 30 taona

1. voromailala ( 13/06/2013 16:06)
Misy fanontaniana kely inty hoe taiza marina i Jesoa 12 taona hatramin'ny 30 taona?

sao dia tany Inde marina azany izy?

novalian'i endriny ny 18/06/2013 14:19
2. endriny ( 13/06/2013 16:10)
Any ry Voromailala misy namana izay, tena mpiteny anay an'io a,

Ary anisan'ny milaza fa iray amin'ireo Magy namangy tamin'izany ihany no Rain'i Jesosy, ka rehefa feno 12 taona izy dia nanaraka an'io Magy dadany io
3. mirananirina ( 13/06/2013 17:17)
Fa angaha tsy misy izany ao @ baiboly?
4. sitlo ( 13/06/2013 20:12)
Tsy tia hilaza zavatra tsy fantatro aho satria na ny nalehan'ilay saka omaly aza tsy haiko koa maika fa ny nalehan'ny olona iray 2000 taona lasa.

Fa ny zavatra iray inoako kosa dia ny hoe: tsy misy nahay tany an-kibon-dreniny. Ka raha niverina avy any Jesosy afaka taona maromaro, mety nanao doctorat, ka tonga niverina hampianatra. Dia ny fampianarany no jereko sy halaliniko fa tsy ny hoe taiza no nahalalanao an'io na taiza ianao.
5. hadji ( 14/06/2013 05:00)

sitlo:

sambatra izay mino nefa tsy nahita
6. Nehemiah ( 14/06/2013 05:44)
Lk. 4:16 : Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin’ ny synagoga tamin’ ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny. (Avy amiko ny soramandry)
7. voromailala ( 14/06/2013 08:25)

mirananirina:

Fa angaha tsy misy izany ao @ baiboly?

Teneno ahy hoe aiza ho aiza ao amin'ny baiboly misy mitantara ny fiainan'i Jesoa 12 taona hatramin'ny 30 taona?
8. voromailala ( 14/06/2013 08:26)

endriny:

Any ry Voromailala misy namana izay, tena mpiteny anay an'io a,

Ary anisan'ny milaza fa iray amin'ireo Magy namangy tamin'izany ihany no Rain'i Jesosy, ka rehefa feno 12 taona izy dia nanaraka an'io Magy dadany io

zany ve, ary izay indray mbola tsy henoko, andraso hoe hanaovana fikarohana.
9. voromailala ( 14/06/2013 08:28)

sitlo:

Tsy tia hilaza zavatra tsy fantatro aho satria na ny nalehan'ilay saka omaly aza tsy haiko koa maika fa ny nalehan'ny olona iray 2000 taona lasa.

Fa ny zavatra iray inoako kosa dia ny hoe: tsy misy nahay tany an-kibon-dreniny. Ka raha niverina avy any Jesosy afaka taona maromaro, mety nanao doctorat, ka tonga niverina hampianatra. Dia ny fampianarany no jereko sy halaliniko fa tsy ny hoe taiza no nahalalanao an'io na taiza ianao.

Tsara ilay fijerinao.
Fa amin'ny maha olombelona anao, raha misy mampianatra vaovao ohatra ao ampianarana hitanao fa tena mahay mampianatra be, tsy mampanitikitika anao ve hoe taiza izy nianatra, Harvad ohatra sns...?
10. voromailala ( 14/06/2013 08:32)

Nehemiah:

Lk. 4:16 : Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin’ ny synagoga tamin’ ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny. (Avy amiko ny soramandry)

Aiza ho aiza no milaza hoe inona no zavatra nataony nanomboka 12 taona ka hatramin'ny 30 taona.
Raha manontany Mopera na Pasitera ianao dia izao no havaliny, nanampy an'ny Rainy nandrafitra izy. dia zay.
Raha ny arsiva etsy sy eroa no jerena dia nisy tokoa ny tantaran'i Jesoa fa tsy natao anaty Baiboly,
ary niniana nafenana izany.

Eritrereto anie hoe i Jesoa nandeha nianatra tany amin'ny Hindouista sy Boudista e tany Inde sy Tibet?

11. voromailala ( 14/06/2013 08:34)

hadji:

sitlo:

Tsy tia hilaza zavatra tsy fantatro aho satria na ny nalehan'ilay saka omaly aza tsy haiko koa maika fa ny nalehan'ny olona iray 2000 taona lasa.

Fa ny zavatra iray inoako kosa dia ny hoe: tsy misy nahay tany an-kibon-dreniny. Ka raha niverina avy any Jesosy afaka taona maromaro, mety nanao doctorat, ka tonga niverina hampianatra. Dia ny fampianarany no jereko sy halaliniko fa tsy ny hoe taiza no nahalalanao an'io na taiza ianao.
sambatra izay mino nefa tsy nahita

Amiko izany no hatao hoe " Ignorance". Jereo Thomas, fa izy no mpianat'i Jesoa misaina indrindra, sy nahay indrindra.

12. 5laody ( 14/06/2013 11:13)

Fa ahoana kômisera?

izay angamba no namonoan'ny olona Azy.
13. voromailala ( 14/06/2013 11:35)
Dia tsy hay intsony ry 5laody fa ny sarobidy dia hoe nampita ny fampianaran'i Kristy izy.

14. Tefigasy ( 14/06/2013 12:48)
voromailala:

Misy fanontaniana kely inty hoe taiza marina i Jesoa 12 taona hatramin'ny 30 taona?

sao dia tany Inde marina azany izy?

Mba andramo valiana hoe ireto fanontaniana ireto :
1° Inona ny mission nataon'i Jesoa tety an-tany ?
2° Voarakitra ao anaty baiboly ve ny fomba nanaovany sy namitany io mission io sa misy info banga ?
Aorian'ny famalianao ireo fanontaniana ireo no hametrahako ny tsoan-kevitro mikasika ity fanontaniana momban'ny fahalehibeazan'i Jesoa ity
15. voromailala ( 14/06/2013 13:00)
Fijeriko manokana inty, tsy voasoratra anaty Baiboly:

Ny mission an'i Jesoa tety antany dia ho lasa Kirsty izy, izany hoe lasa mitambatra iray amin'Andriamanitra ka lasa Andriamanitra ary hanoro antsika ny lalana izy ahatongavatsika ihany koa ho lasa Kristy, ka ho lasa hiray amin'Andriamanitra ihany koa isika. "Fusion avec Dieu".

Fantatr'i Jesoa fa voahiraka hanao io mission io izy dia nandeha nihofana izy nanomboka 12 taona ka hatramin'ny 30 taona.

16. Nehemiah ( 14/06/2013 13:02)

voromailala:

Aiza ho aiza no milaza hoe inona no zavatra nataony nanomboka 12 taona ka hatramin'ny 30 taona.

Arahabaina ianao minia tsy mahita ny soramandry nataoko.
voromailala:
Raha manontany Mopera na Pasitera ianao dia izao no havaliny, nanampy an'ny Rainy nandrafitra izy. dia zay.
Raha ny arsiva etsy sy eroa no jerena dia nisy tokoa ny tantaran'i Jesoa fa tsy natao anaty Baiboly,
ary niniana nafenana izany.

Dia omeo référence na rohy ary e.
voromailala:
Eritrereto anie hoe i Jesoa nandeha nianatra tany amin'ny Hindouista sy Boudista e tany Inde sy Tibet?
Ireny no anisan'ny hevitra nanasoloky ahy tsy hino an'i Kristy.
17. voromailala ( 14/06/2013 13:08)
Nehemiah> ka ilay soramandry anie ny balise html no nanao azy fa tsy ianao e :-).
Hitako tsara fa misaotra anao.

Omeko reference ianao na rohy satria izaho nanao fikarohana, fa izany akory tsy midika hoe marina ireo reference ireo. Izaho izany tsy miheno feodakilosy tokana tena marina e.

aza tezitra raha sanatria ka tsy tianao ilay zavatra omeko:

Jesus en Inde. mpikaroka alemana Holger Kersten izao reference iray.

18. Tefigasy ( 14/06/2013 13:29)
voromailala:

Fijeriko manokana inty, tsy voasoratra anaty Baiboly:

Ny mission an'i Jesoa tety antany dia ho lasa Kirsty izy, izany hoe lasa mitambatra iray amin'Andriamanitra ka lasa Andriamanitra ary hanoro antsika ny lalana izy ahatongavatsika ihany koa ho lasa Kristy, ka ho lasa hiray amin'Andriamanitra ihany koa isika. "Fusion avec Dieu".

Fantatr'i Jesoa fa voahiraka hanao io mission io izy dia nandeha nihofana izy nanomboka 12 taona ka hatramin'ny 30 taona.

Fijerinao manokana izay, ary tsy hitanao na tsy tao anaty baiboly no nangalanao azy. Ny mahagaga ahy anefa dia mijery ny fiainan'i Jesoa tao anaty baiboly ihany ianao: ny fiainany avant 12 ans, ny fiainany apres 30 ans.
Tsy aleo ilay tsy tao anaty baiboly ihany no hijerena ireo koa ? Ny antony dia tsotra ihany, tsy mitovy ao amin'ilay voasoratra ao anaty baiboly no hitanao ety ivelany, ary toa tena mifanipaka ilay izy raha izao lazainao eto izao.
Ary sao dia mba Jesoa samy hafa koa aloha ilay Jesoa hifampiresahina eto e ? Sao dia Jesoa tsy mitovy ? Mety tena misy Jesoa nankany Inde , .... saingy Jesoa xxxx ! Ny ambarano izao io toa tena hafa mihitsy ilay mission an'ilay Jesoa fa tsy ilay ao anaty baiboly ?
19. voromailala ( 14/06/2013 13:36)
Manana tanteraka ny fijerinao aho.

Ny hitako olana izany dia heverin'ny Kristianina fa an'ny Kristianina ihany i Jesoa Kristy.
Satria ve tsy mitovy ny fijeritsika momba an'i Jesoa, an'Andriamanitra dia tsy mitovy izy ireo?

Amiko tsy olana na mitovy na tsia, ny sarobidy amiko dia ilay fanarahako ilay fampianarany ary ahitako ilay "Paix Du Christ", sy hizarako fitaivana hoan'izay manodidina ahy sy mifanerasera amiko. Raha raisiny moa tsara raha tsy raisiny an'azy zay.

20. voromailala ( 14/06/2013 13:37)
"Manaja tanteraka" fa tsy "Manana tanteraka" ialana tsiny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.7742