Taiza marina i Jesoa tamin'izy 12 taona ka hatramin'ny 30 taona
21. Nehemiah
(
14/06/2013 14:03)
Eny ary, novakiako ilay rohy, ary ity fehezanteny ity no tena nanitikitika ahy :
Ary nojereko ny lahatsoaratra momba an'ity Holger Kersten ity @ Wikipedia, ary izao no lazaina eo ambanin'ny lohateny "Critical Responses" :
Izaho no nanampy ny emphases rehetra
"Il est non seulement possible mais hautement probable que le corps de Jésus soit enterré ici", écrit l'auteur, une hypothèse rejetée par les experts de l'histoire de la chrétienté.
Ary nojereko ny lahatsoaratra momba an'ity Holger Kersten ity @ Wikipedia, ary izao no lazaina eo ambanin'ny lohateny "Critical Responses" :
None of Kersten's works have found any support in mainstream scholarship — either Biblical or Indologist. The noted German scholar of New Testament Apocrypha Wilhelm Schneemelcher, in a revision of his standard work prior to his death in 2003, and in unusually strong language for the scholarly community states that Kersten's work is based on "fantasy, untruth and ignorance (above all in the linguistic area)" and "has nothing to do with historical research." Gerald O'Collins and Daniel Kendall view that "Kersten's discredited book" is simply the repackaging of Notovich and Ahmad's material for consumption by the general public
Izaho no nanampy ny emphases rehetra
22. Nehemiah
(
14/06/2013 14:05)
Averiko indray mandeha fa ny havendranana tahakan'ireny no nahatonga ahy hanary ny finoako kristiana.
23. Tefigasy
(
14/06/2013 14:10)
voromailala:
Ny hitako olana izany dia heverin'ny Kristianina fa an'ny Kristianina ihany i Jesoa Kristy.
Satria ve tsy mitovy ny fijeritsika momba an'i Jesoa, an'Andriamanitra dia tsy mitovy izy ireo?
Mba lazao eto ary hoe raha nisy tsy fitoviana ny fijerin'ireo mpianatra tamin'ny andron'ny apostoly (Petera, Paoly, ...) an'izay Jesoa Kristy izay na tsy nisy ?
Diniho hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany io filazantsara io fa tsy misy filazana mifanohitra ny amin'i Jesoa mihitsy ao. Eto anefa ianao dia tena tsy izay no ambaranao; koa ahoana moa no tsy hilazana fa toa Jesoa hafa io lazainao io ?
voromailala:
Amiko tsy olana na mitovy na tsia, ny sarobidy amiko dia ilay fanarahako ilay fampianarany ary ahitako ilay "Paix Du Christ", sy hizarako fitaivana hoan'izay manodidina ahy sy mifanerasera amiko. Raha raisiny moa tsara raha tsy raisiny an'azy zay.
Tadidio fa efa vanipotoan'ny andro farany izao, ary maro ny ho avy, hiseho amin'ny anarany hanao hoe aty Kristy, toy izao ny nataony, tany ananona izy, .... dia hoy ny voasoratra hoe: "Aza mino ianareo" (Mat.24:23).
Maniry otran'ny anana ankehitriny ny mamboly fampianarana hafahafa mikasika io Jesoa io, maka reference kely ao anaty baiboly ary manampy izany amin'izay tiany hahatongavana mba hanjonoana sy hamitahana ny vahoakan'Andriamanitra ka mampiely an'izany etsy sy eroa. Misy an'izany 3eme testament, tsy mino ny fisian'ny helo satria fitiavana Andriamanitra, ....ary rehefa tena jerena hifotony ilay fampianarana ataony dia tsy misy hifandraisany amin'ilay tena Jesoa voalaza ao anaty baiboly izay mody niangany. Ny an'ny hafa indray ny Jesoany dia Jesoa nanambady sy niteraka, ... Ka tsy mazava be ve izany fa tena Jesoa samy hafa mihitsy ny torian'izy ireo sy ilay ao anaty baiboly ?
Ka tsy hilaza aho hoe an'ny kristianina irery i Jesoa Kristy, raha ny tena tiany dia ny ho an'ny olombelona rehetra, saingy .....
24. voromailala
(
14/06/2013 14:12)
Hoy aho hoe tsy voatery ho marina hoy ahy ny reference omeko, torak'izany koa ny soratan'i Wikipedia.Toy izany koa ny fampianarana tantara any ampianarana.
Fa anjaranao no mikaroka sy manadihady na koa hoe tonga dia hino izay lazain'ny olona, fanjakana, ny media.
Raha ohatra zao misy olona roa miady dia ny iray mitantara anao hoe za nataon'i anona an zao, tonga dia hino izay lazainy ve ianao fa tsy hieno izay lazain'ilay olona faharoa aloha vao manadihady.
Raha amiko manokana tsy mampiova na inona na inona amiko sy amin'ny fampianaran'i Jesoa, na maty teo amin'ny hazo fijaliana i Jesoa, na hoe nalain'ny mpianany dia nentina nandositra tany Inde.

26. voromailala
(
14/06/2013 14:22)
:-) marina izany.
Amiko izany ny fanadihadiana tsara indrindra dia hoe malalaka ianao manadihady fa tsy ao anatin'ny "Formatage".
Ohatra hoe manao baolina ny gasy sy ny komoriana dia tsy gasy no arbitra na komoriana na naman'ireo firenena ireo fa ohatra hoe sinoa :-).

27. Nehemiah
(
14/06/2013 14:37)
voromailala:
Amiko izany ny fanadihadiana tsara indrindra dia hoe malalaka ianao manadihady fa tsy ao anatin'ny "Formatage".
Tiako marihina fa tsy mi-existe izao fa rehefa manao fanadihadiana ny olona 1 dia tsy maintsy miainga avy @ fomba fijery 1 raha mbola olombelona manan-tsaina izy.
28. voromailala
(
14/06/2013 14:41)
Tsy manda an izay za, fa tsy nazava tsara ny tiako lazaina.
Raha ohatra zao misy silamo miresaka aminao milaza zavatra anaty koran dia tsy tokony tonga dia tsy henoina izay lazaina satria tsy mifanaraka amin'ny zavatra nampianarina anao Kristianina.
Fa henoina hatramin'ny farany ary miezaka mahazo izay lazainy amin'ny saina malalaka.

29. endriny
(
14/06/2013 16:23)
Toa izao no mahatonga ny ankizy Malagasy tsy mahazo diplaoma mihintsy fa betsaka ny latsaka an-dalana satria omena famakafakana lohahevitra toa itony, kay ilay mpampianatra nanome ny laza Adina efa manana hevitra raikitra, dia rehefa tsy mifanaraka amin'iny dia aorta, tsy afaka bac ianao ry namana.
Dia toa izany koa ny mpino sasany efa manana lasitra nandikany ny baiboly izay tsy nosoratany akory, ka rehefa tsy ireo no avoakanao eo dia any amin'ny afobe ianao izay.
Dia toa izany koa ny mpino sasany efa manana lasitra nandikany ny baiboly izay tsy nosoratany akory, ka rehefa tsy ireo no avoakanao eo dia any amin'ny afobe ianao izay.
30. Miharena
(
14/06/2013 16:48)
Nehemiah:
Tiako marihina fa tsy mi-existe izao fa rehefa manao fanadihadiana ny olona 1 dia tsy maintsy miainga avy @ fomba fijery 1 raha mbola olombelona manan-tsaina izy.
Singany iray ihany ity izay manamafy ihany koa ny fanamarihan'ny namana Endriny. Izany hoe miainga avy amin'ny fomba fijery 1 ny olona izany raha azoko tsara ny fomba fiheveran'ny namana Nehemiah azy. Ka na io fomba fijery diso, na io fomba fijery marina, dia tsy maintsy izay ny olombelona fa tsy misy miavaka afaka manana fomba fijery tsy misy fironana.
31. Nehemiah
(
15/06/2013 05:36)
endriny:
Dia toa izany koa ny mpino sasany efa manana lasitra nandikany ny baiboly izay tsy nosoratany akory, ka rehefa tsy ireo no avoakanao eo dia any amin'ny afobe ianao izay.
Caricature izao. Tsy haiko aloha ny an'ny fireham-pinoana hafa fa ny an'ny Prôtestanta dia miezaka mandray ka mampihatra an'izay voalaza @ Baiboly ara-bakiteny (ara-bakiteny hoy aho fa tsy an-tendrony, samihafa izay).
32. endriny
(
15/06/2013 09:35)
Nehemiah:
Tsy haiko aloha ny an'ny fireham-pinoana hafa fa ny an'ny Prôtestanta dia miezaka mandray ka mampihatra an'izay voalaza @ Baiboly ara-bakiteny (ara-bakiteny hoy aho fa tsy an-tendrony, samihafa izay).
Tsy misy finoana kristianina maraka ara-bakiteny izany baiboly izany na iray aza, fa ny mandalina ny baiboly no misy. Raha ny baiboly no arahina ara- bakiteny dia korontana no misy, ka izay angamba no mampikorontana ny tany tokoa. Satria ny baiboly dia mirakitra sy mitantara zavatra mifanohitra.
Ohatra: Aza mamono olona... Nefa iza no nampamono olona be indrindra tsy ilay Atr'Israely niteny an'io ve
Ohatra : Aza mangala-badin'olona na mijangajanga.... Nefa Atr'Israely naka ny fofombadin'i Josefa
Aza mangalatra... Nefa izy nampaniraka ny zanak'Israely haka ny tany misy ronono izay efa an'ny Persianina
33. Nehemiah
(
15/06/2013 12:34)
Marcionisme hoy izany :) ! Nefa ahoana indray raha manaraka ny fitsipikao ianao ka mandinika voa mamaly, indrindrindrindra ny hoe :
Hony ?
ara-bakiteny hoy aho fa tsy an-tendrony, samihafa izay
Hony ?
34. endriny
(
15/06/2013 17:38)
Nehemiah:
Marcionisme hoy izany :) ! Nefa ahoana indray raha manaraka ny fitsipikao ianao ka mandinika voa mamaly, indrindrindrindra ny hoe :
ara-bakiteny hoy aho fa tsy an-tendrony, samihafa izay
Hony ?
Ianao ve ry namana no mpanaraka ny baiboly ara-bakiteny? ahahahahhahha dia miaiky anao aho. Toetran'olona an-jatony, an'arivony tao anatin'ny 1000 taona mahery no nakana ny anatra rehetra ao amin'ny baiboly, dia ianao no milaza fa manaraka ara-bakiteny ny baiboly...
Sao dia fieboeboana lahy?
Narahina ara-bakiteny ilay baiboly nefa asiana sosony ihany amin'ny hoe :"ny sora-mandry dia ahy"
Menatra ny tenako aho
35. endriny
(
15/06/2013 17:54)
Fa hiverina kely amin'ilay fanontaniana aho hoe: "Taiza i Kristy tamin'ny 12-30 taona"?
Dia toa mitovitovy amin'ilay hoe: "inona no nataon'i Kristy rehefa nirahiny hitori-teny tamin'ny vohitra manodidina ny mpianatra?"
Dia toa mitovitovy amin'ilay hoe: "inona no nataon'i Kristy rehefa nirahiny hitori-teny tamin'ny vohitra manodidina ny mpianatra?"
37. Nehemiah
(
17/06/2013 07:57)
endriny:
Ianao ve ry namana no mpanaraka ny baiboly ara-bakiteny? ahahahahhahha dia miaiky anao aho. Toetran'olona an-jatony, an'arivony tao anatin'ny 1000 taona mahery no nakana ny anatra rehetra ao amin'ny baiboly, dia ianao no milaza fa manaraka ara-bakiteny ny baiboly...
Sao dia fieboeboana lahy?
Eboebo ve ny manaraka fampianarana O_O ? Tsy azoko mihitsy ianao. Ny tiako tenenina fotsiny dia ezahako raisina araky ny hevitra tian'ilay mpanoratra ampitaina ny Baiboly fa tsy mampiditra hevitra hafa ao anatiny.
endriny:Ny dikan'izao dia izaho no manao an'ilay fanamafisana ambaran'ny sora-mandry fa mazava loatra, mba hanamafy ny tian'ilay andininy tenenina, fa tsy ao anatin'ny ôrijinaly ny sora-mandry mazava ho azy.
Narahina ara-bakiteny ilay baiboly nefa asiana sosony ihany amin'ny hoe :"ny sora-mandry dia ahy"
Menatra ny tenako aho
38. endriny
(
17/06/2013 14:50)

Dia ataoko hoe izaho angamba no tsy ampy fahalalana ny tenigasy, fa toa ianao ihany no manohitra ny lazainao...