Ny Malagasy sy Afrikanina no voalohany amin'ny fanaratsiana ny finoan'ny razany

1. endriny ( 12/06/2013 19:23)
Ny Malagasy efa lasa Kristianina hono dia tsy mankalaza izany finoana ny "Razana mba hitahy" izany intsony.

Fa aleony mino ny razana jiosy "petera, Matio, Jesosy... Maria"

Dia tsy mandeha na manatrika famadihana intsony, fa tao ho ao dia mankalaza izany "HALLOWING" izany.... AHAHAHHAHAHHAHHAHA esy aho e,

Menatra aho mahita ny tenako
novalian'i endriny ny 18/06/2013 14:10
2. sitlo ( 12/06/2013 19:39)
Ny azy hono ilay faty mitsangana no tiany e.
3. endriny ( 12/06/2013 19:45)

sitlo:

Ny azy hono ilay faty mitsangana no tiany e.

Marina izany, Jesosy no Horreur voalohany teto ambonin'ny tany
4. endriny ( 13/06/2013 03:36)

endriny:

sitlo:

Ny azy hono ilay faty mitsangana no tiany e.

Marina izany, Jesosy no Horreur voalohany teto ambonin'ny tany

Kay koa kay mbola nisy Lazarosy
5. Miharena ( 13/06/2013 06:28)
Io very tadim-poitra io no mazàna manahirana amin'ny olombelona. Rehefa misy manjanaka dia manaraka izay afafin'ny mpanjanaka. Ary ny tena olana dia maniry ho toy ny vazaha nefa gasy petaka.
6. Tefigasy ( 13/06/2013 07:12)
endriny:

Ny Malagasy efa lasa Kristianina hono dia tsy mankalaza izany finoana ny "Razana mba hitahy" izany intsony.

Marina 100% raha tena kristianina ilay malagasy
endriny:

Fa aleony mino ny razana jiosy "petera, Matio, Jesosy... Maria"

Diso 100% raha tena kristianina. Tsy mino ny razana jiosy ny Kristianina fa mino an'Andriamanitra velona : Ray , Zanaka, Fanahy Masina. Tsy misy razana ireo tompoko na iray aza !
endriny:

Dia tsy mandeha na manatrika famadihana intsony,

Marina 100%
endriny:

fa tao ho ao dia mankalaza izany "HALLOWING" izany.... AHAHAHHAHAHHAHHAHA esy aho e,

Diso 100%. Tsy kristianina tompoko izany mankalaza "Hallowing" izany fa mpisandoka kristianina. Tsy misy mihitsy ao anatin'ny baiboly kristianina hoe mankalaza na manaova Hallowing.
endriny:

Menatra aho mahita ny tenako

Dia saromy tsara ny fahamenaranao raha izany fa tena mampalahelo tokoa ny mijery ny fitanjahanao eto !
sitlo:

Ny azy hono ilay faty mitsangana no tiany e.

Averina foana fa tsy mino na mivavaka amin'ny faty ny kristianina na faty matory na faty mitsangana na faty mipetraka fa Andriamanitra velona no hinoany sy arahiny.
endriny:

Marina izany, Jesosy no Horreur voalohany teto ambonin'ny tany

Raha hanontaniana ny olona tsirairay ny amin'izay mety ho fahalalany an'i Jesoa dia samy manana ny fahitany Azy ny rehetra, raha izay no fahitanao Azy dia toa izay izany Izy aminao.
miharena:

Io very tadim-poitra io no mazàna manahirana amin'ny olombelona. Rehefa misy manjanaka dia manaraka izay afafin'ny mpanjanaka. Ary ny tena olana dia maniry ho toy ny vazaha nefa gasy petaka.

Aleo averina kely ny tantara fa tena anisan'ilay very tadim-poitra ianao. NY misionera Anglisy no nitondra voalohany ny fivavahana kristianina teto Madagasikara. Anefa i Madagasikara dia zana-tany Frantsay. Ny fivavahana ve izany no nitondra mpanjanatany sa ny mpanjanatany no te hiafina any ambadiky ny fivavahana ? N'iza n'iza dia afaka miafina ao ambadiky ny fivavahana kristianina avokoa, ary efa misy fomba fiteny mihitsy aza moa hoe: mivavaka alahady dia mangalatra akoho alatsinainy. Fomba entina hanenjehana ny fivavahana kristianina daholo izany, ary tsy mahagaga fa efa hatramin'ny taona 00 (aotra) no nisian'izany.
7. pisoonja ( 13/06/2013 07:21)
Ny olana hitako eto @ serasera dia tsy ilay fivavahana loatra no tena olana , fa ilay mpitondra fivavahana sy ilay fombam-pivavahana mihitsy
8. Nehemiah ( 13/06/2013 07:59)
Hitantsika @'izany fa efa hevitra raiki-tapisaka @ sain'i Endriny/Sitlo ny fankahalàna ny finoana kristiana, ary atao izay rehetra anaratsiana azy.

Toromarika : tsara mamaky "À la croisée des mondes" ianao fa ho ankafizinao, indrindra ny boky faha3.
9. sitlo ( 13/06/2013 08:14)
Ampianarina tokoa ao amin'ny baiboly ny fankahalana. Ankahalao izao, alaviro izaroa. Hany ka fantany ny atao hoe fankahalana ary mihevitra izy fa mankahala ny olona rehetra.
Ka vokatr'izay dia rehefa misy olona hitany tiany hodisoina dia izay tsy eken'iny olona iny no tadiaviny ary ankalazainy fa ankahalain'ilay olona.
Rehefa tena dinihina nefa dia fanaratsiana iny olona iny no tena tanjona.

Ka ny torohevitra omeko dia hoe esory ao anaty ny fankahalana(tsy olona ihany).
10. Nehemiah ( 13/06/2013 08:20)
Toa miaiky ihany ianao hoe tsy mampianatra mankala an'iza na iza ny Baiboly.
Kanefa misy zavatra tsy azoko : tokony ekena izany ny zavatra tsy mety ataon'ny olona hoy ianao ???
11. sitlo ( 13/06/2013 08:37)
Diniho aloha vao mamaly. Na ndana mitady fatina dinozoro any amin'ny internet dia fakafakao.
12. Nehemiah ( 13/06/2013 08:45)
Ahoana moa ny fiantsoanao an'ity teninao ity ? Teny mendrika ve ? Omeko occasion amelabelarana ny hevitrao dia izao no ataonao. Aza gaga avy eo rehefa mahazo anatra.

Ianao manko toa manao tsimpon'akotry ny zavatra voalaza @ Baiboly, kanefa tsy mitombina izany. Ny Baiboly mantsy dia milaza ny tenany ho tenin'Andriamanitra impiry impiry. Ka raha misy diso 1 na kely aza dia tsy azo atokisana ny Baiboly 1 manontolo. CQFD.
13. sitlo ( 13/06/2013 09:04)
sitlo:
Ampianarina tokoa ao amin'ny baiboly ny fankahalana...

Nehemiah:
Toa miaiky ihany ianao hoe tsy mampianatra mankala an'iza na iza ny Baiboly.

sitlo:
Diniho aloha vao mamaly.

Nehemiah:
Ahoana moa ny fiantsoanao an'ity teninao ity ? Teny mendrika ve ? Omeko occasion amelabelarana ny hevitrao dia izao no ataonao. Aza gaga avy eo rehefa mahazo anatra.

andana mihitsy aloha mitady fosily anamarina-tena
14. voromailala ( 13/06/2013 09:44)
Salama daholo
Fitiavana no hizarako anareo ireto zavatra ireto:

Ny hitako olana amin'ny fivavahana Kristianina izany dia tonga dia mandray sy mino izay zaraina eo sika, izaho koa tafiditra tao anatin'izany. Tsy manana safidy loatra isika satria Ray Amandreny no matetika mametraka an'io.

Rehefa nandeha ny fotoana, niala tamin'ny Ray Amandreniko aho, niala an'i Madagasikara aho dia lasa malalaka kokoa, afaka manana fijery hafa, mifanakalo hevitra amin'ny finoana maro. ary afaka mandalina ny finoana Kristianina.

Isika mpivavaka Malagasy dia mivavaka amin'ny Baiboly, ary izay lazain'ny Baiboly amitsika dia marina daholo ka izay tsy anaty Baiboly dia tsy izy.

Koa nandalina azany aho hoe avy aiza no nanoratra an'io Baiboly io. Zavatra 2 no tena fototrany
ny Concile ary ireo arsiva hita tetsy sy teroa.

Jereo inty : Manuscrites de la mer morte., tao no nahitana ny source ny baiboly ela indrindra, izany hoe mbola madio tsisy pentina. Olona mpahay teny tany Vatican no anisany nandray anjara tamin'ny fandikana azy io.

Hita tao ny voasoratra anaty baiboly, misy koa anefa ny tsy voasoratra tao nefa source mitovy?
Fa nahoana? Satria ireo concile nifandimby nanomboka tamin'ny Concile voalohany tamin'ny andron'ny Constantin no nisafidy hoe izy no raisika ary iza no tsy raisina. dia ireo tsy noraisina natao hoe apokrify.

Raha fintinina izany dia maro ireo fampianaran'i Kristy tsy tafiditra tao anaty Baiboly ary koa nisy niova azany ny tao anaty Baiboly satria maro ireo dikateny nisesy.

Tsy tonga dia tamin'ny teny Malagasy io baiboly io fa Armeniana, copte sns.. ohatra.

Ary mamela ahy ianareo hiteny ny ato ampoko na dia tsy hotianareo azany fa misy antony roa ny nahatongavan'ny fivavahana kristinina teto Madagasikara: Voalohany hitory ny filazantsary ary ny faharoa hanjanahana an'i Madagasikara.

15. pisoonja ( 13/06/2013 10:19)
dia hanome tsiny ny RR ninao ve ianao satria nampianatra anao ny fahamarinana izy ? , ny faharoa matoa efa ho arivo taona nisesy tsy mety maty ny fivavahana kristianina, ny baiboly , sy ny anaran'i Jesoa Kristy dia satria Masina sy marina ny teniny ary na taiza niavian'ny baiboly na taiza , tsy miova io fa ny fandikan-teny fotsiny no samy hafa fa ny hevitra avy ao anatiny iray ihany.
Ny malagasy dia tsy mivavaka amin'ny baiboly, fa amin'Andriamanitra Andriananahary, namorona izao tontolo hita maso izao, nanome an'i Jesoa Kristy zanany hamonjy ny olombelona rehetra amin'ny fahotana.
Ny mahakasika ny fahatsarana, fitiavana , finoana rehetra dia voasoratra ao anaty baiboly avokoa f'angamba ianao tsy mamaky tsara na tsy nahavaky ny baiboly h@ farany , andramo vakiana h@ ka h@ farany ny baiboly fa voalaza ao avokoa ny zvztra tianao hofantarina rht
16. Tefigasy ( 13/06/2013 10:40)
voromailala:

Ny hitako olana amin'ny fivavahana Kristianina izany dia tonga dia mandray sy mino izay zaraina eo sika, izaho koa tafiditra tao anatin'izany. Tsy manana safidy loatra isika satria Ray Amandreny no matetika mametraka an'io.

Tsy ny fivavahana ihany ary tsy ny ray aman-dreny kristianina ihany no manao toa izany fa rehefa mety ho olombelona, resy lahatra amin'ny zavatra iray dia tiany hifindra sy omeny ny zanany izany. Jereo ny finoana sy ny fomban-drazana, kolon-tsaina maro samy hafa fa saika misy foana ny fampianarana sy famindrana ireny ho an'ny taranaka. Koa raha manao izany ve ny ray aman-dreny kristianina dia omenao tsiny izy ?
voromailala:

Rehefa nandeha ny fotoana, niala tamin'ny Ray Amandreniko aho, niala an'i Madagasikara aho dia lasa malalaka kokoa, afaka manana fijery hafa, mifanakalo hevitra amin'ny finoana maro. ary afaka mandalina ny finoana Kristianina.

Mampalahelo ianao raha tsy nararaotinao ny fandalinana ny finoana kristianina fony ianao mbola teo amin'ny ray aman-dreninao. Ny misy mpanoro aza mbola sahirana ihany fa maika fa hoe andeha seul tsy misy mpitantana.
voromailala:

Isika mpivavaka Malagasy dia mivavaka amin'ny Baiboly, ary izay lazain'ny Baiboly amitsika dia marina daholo ka izay tsy anaty Baiboly dia tsy izy.

Izay ilay atao hoe finoana : mino ny zavatra tsy hita, raha zavatra efa hita, azo porofoina sy eo am-pelatanana dia tsy finoana intsony ilay izy fa hafa indray ny fomba filazana azy.

Mila tohizanao hatramin'ny farany ny fandalinanao fa mbola tsy ampy lavitra be mihitsy. Ezaho valiana hoe maninona ity boky ity no noraisina ao anaty baiboly, dia maninona ity hafa ity no tsy noraisina. Raha mety dia ezaho vakiana avokoa ireo boky eritreretinao fa voasoratra nefa tsy tafiditra ao anaty baiboly.
Ny pasiteranay koa izao mba nanoratra ho an'ny fiangonanay fony izy narary tany amin'ny hopitaly, nefa sur 100% za fa tsy ho tafiditra ao anaty baiboly mihitsy io sorany ho an'ny fiangonana teo aminay io nefa tena fampianaran'i Kristy no ao anatiny.
voromailala:

Raha fintinina izany dia maro ireo fampianaran'i Kristy tsy tafiditra tao anaty Baiboly ary koa nisy niova azany ny tao anaty Baiboly satria maro ireo dikateny nisesy.

Tsy tonga dia tamin'ny teny Malagasy io baiboly io fa Armeniana, copte sns.. ohatra.

Ny dikateny angamba tsy mahaova ny hevitra tiana hiampita. Tadidio fa firy % amin'ny malagasy no mahay teny hebreo sy grika, ary ianao manoratra eto io ve mba mahay ireo fiteny ireo koa? Koa raha tsy nisy fandikateny, ho tafita tany aminao ve ny hafatra tiany hampitaina ? Ary ny baiboly tsy vakiana isaky ny andininy fa tsy maintsy vakiana amboalohany ka hatramin'ny farany , raha tsy izany dia lasa mivadika ny heviny.
voromailala:

Ary mamela ahy ianareo hiteny ny ato ampoko na dia tsy hotianareo azany fa misy antony roa ny nahatongavan'ny fivavahana kristinina teto Madagasikara: Voalohany hitory ny filazantsary ary ny faharoa hanjanahana an'i Madagasikara.

Ny fivavahana kristianina ihany koa no anisany netin'ny sasany nanonganana fanjakana tamin'ny 2009. Midika ve izany fa ny fivavahana kristianina no fositra sa ireo mpanararaotra ny fivavahana kristianina ?
17. mizara ( 13/06/2013 11:12)

Miharena:

Io very tadim-poitra io no mazàna manahirana amin'ny olombelona. Rehefa misy manjanaka dia manaraka izay afafin'ny mpanjanaka. Ary ny tena olana dia maniry ho toy ny vazaha nefa gasy petaka.

Toa lasa manara-drenirano ireo athé ireo koa i Miharena izany?
Nankaiza ny 3e Testament sy ireo hevitra maro momba ny finoana nifikiranao hatrizay?
18. voromailala ( 13/06/2013 12:27)

pisoonja:

dia hanome tsiny ny RR ninao ve ianao satria nampianatra anao ny fahamarinana izy ? , ny faharoa matoa efa ho arivo taona nisesy tsy mety maty ny fivavahana kristianina, ny baiboly , sy ny anaran'i Jesoa Kristy dia satria Masina sy marina ny teniny ary na taiza niavian'ny baiboly na taiza , tsy miova io fa ny fandikan-teny fotsiny no samy hafa fa ny hevitra avy ao anatiny iray ihany.
Ny malagasy dia tsy mivavaka amin'ny baiboly, fa amin'Andriamanitra Andriananahary, namorona izao tontolo hita maso izao, nanome an'i Jesoa Kristy zanany hamonjy ny olombelona rehetra amin'ny fahotana.
Ny mahakasika ny fahatsarana, fitiavana , finoana rehetra dia voasoratra ao anaty baiboly avokoa f'angamba ianao tsy mamaky tsara na tsy nahavaky ny baiboly h@ farany , andramo vakiana h@ ka h@ farany ny baiboly fa voalaza ao avokoa ny zvztra tianao hofantarina rht

iza moa milaza aminao fa ireny no hatao hoe fahamarinana?
Izao tsy manome tsiny ny Rar satria ohatra ahy koa izy, ny Ray Amandreniny no nisafidy ny finoana ary ny fanabeazana narahiny.

Miangavy anao fotsiny aho hamaky tsara ilay manuscrites de la mer morte sy ilay concile de nicée
fa mety ho azonao hoe maninona no tsy ampy ny anaty Baiboly ary maninona no misy niova.

Manaraka izany izaho tsy manda fa tsara ny fampianaran'i Kristy, ary izaho manokana dia manaraka ny fampianarana ao anaty Baiboly sy Ivelan'ny Baiboly atsoina hoe Apokrify.

Hoy Jeso Kristy tao amin'ny Apokirfan'ny Paoly.

Alors Jésus s'assit au milieu d'eux et dit: «En vérité, je vous le dirai: personne ne peut être heureux, s'il ne suit la loi.»

Et les autres de répondre: «Nous suivons tous les lois de Moïse, c'est lui qui nous a donné la Loi telle qu'elle est consignée dans nos Saintes Écritures.»

Et Jésus répondit: «Ne cherchez pas la loi dans vos Écritures, car la loi est vie alors que l'Écriture est mort. Je vous le dis en vérité, Moïse n'a pas reçu de Dieu ses lois par l'Écriture, mais par la parole vivante. La Loi est une parole de vie, proférée par le Dieu de vie, transmise à des prophètes vivants pour des hommes vivants. Dans toute chose qui a vie se trouve écrite la Loi. Vous la trouverez dans l'herbe, dans l'arbre, dans la rivière, dans la montagne, dans les oiseaux du ciel, dans les poissons des lacs et des mers, mais cherchez-la surtout en vous-mêmes.

eto ny misy ilay Evanjily

Tsy anaty soratra, tsy anaty Baiboly no ahitanao ny lalan'Andriamanitra fa anatin'ny zavatra nahariany, fa indrindra ao anatinao.

19. voromailala ( 13/06/2013 12:37)

Tefigasy:

voromailala:

Ny hitako olana amin'ny fivavahana Kristianina izany dia tonga dia mandray sy mino izay zaraina eo sika, izaho koa tafiditra tao anatin'izany. Tsy manana safidy loatra isika satria Ray Amandreny no matetika mametraka an'io.

Tsy ny fivavahana ihany ary tsy ny ray aman-dreny kristianina ihany no manao toa izany fa rehefa mety ho olombelona, resy lahatra amin'ny zavatra iray dia tiany hifindra sy omeny ny zanany izany. Jereo ny finoana sy ny fomban-drazana, kolon-tsaina maro samy hafa fa saika misy foana ny fampianarana sy famindrana ireny ho an'ny taranaka. Koa raha manao izany ve ny ray aman-dreny kristianina dia omenao tsiny izy ?
voromailala:

Rehefa nandeha ny fotoana, niala tamin'ny Ray Amandreniko aho, niala an'i Madagasikara aho dia lasa malalaka kokoa, afaka manana fijery hafa, mifanakalo hevitra amin'ny finoana maro. ary afaka mandalina ny finoana Kristianina.

Mampalahelo ianao raha tsy nararaotinao ny fandalinana ny finoana kristianina fony ianao mbola teo amin'ny ray aman-dreninao. Ny misy mpanoro aza mbola sahirana ihany fa maika fa hoe andeha seul tsy misy mpitantana.
voromailala:

Isika mpivavaka Malagasy dia mivavaka amin'ny Baiboly, ary izay lazain'ny Baiboly amitsika dia marina daholo ka izay tsy anaty Baiboly dia tsy izy.

Izay ilay atao hoe finoana : mino ny zavatra tsy hita, raha zavatra efa hita, azo porofoina sy eo am-pelatanana dia tsy finoana intsony ilay izy fa hafa indray ny fomba filazana azy.
voromailala:

Koa nandalina azany aho hoe avy aiza no nanoratra an'io Baiboly io. Zavatra 2 no tena fototrany
ny Concile ary ireo arsiva hita tetsy sy teroa.

Jereo inty : Manuscrites de la mer morte., tao no nahitana ny source ny baiboly ela indrindra, izany hoe mbola madio tsisy pentina. Olona mpahay teny tany Vatican no anisany nandray anjara tamin'ny fandikana azy io.

Hita tao ny voasoratra anaty baiboly, misy koa anefa ny tsy voasoratra tao nefa source mitovy?
Fa nahoana? Satria ireo concile nifandimby nanomboka tamin'ny Concile voalohany tamin'ny andron'ny Constantin no nisafidy hoe izy no raisika ary iza no tsy raisina. dia ireo tsy noraisina natao hoe apokrify.

Mila tohizanao hatramin'ny farany ny fandalinanao fa mbola tsy ampy lavitra be mihitsy. Ezaho valiana hoe maninona ity boky ity no noraisina ao anaty baiboly, dia maninona ity hafa ity no tsy noraisina. Raha mety dia ezaho vakiana avokoa ireo boky eritreretinao fa voasoratra nefa tsy tafiditra ao anaty baiboly.
Ny pasiteranay koa izao mba nanoratra ho an'ny fiangonanay fony izy narary tany amin'ny hopitaly, nefa sur 100% za fa tsy ho tafiditra ao anaty baiboly mihitsy io sorany ho an'ny fiangonana teo aminay io nefa tena fampianaran'i Kristy no ao anatiny.
voromailala:

Raha fintinina izany dia maro ireo fampianaran'i Kristy tsy tafiditra tao anaty Baiboly ary koa nisy niova azany ny tao anaty Baiboly satria maro ireo dikateny nisesy.

Tsy tonga dia tamin'ny teny Malagasy io baiboly io fa Armeniana, copte sns.. ohatra.

Ny dikateny angamba tsy mahaova ny hevitra tiana hiampita. Tadidio fa firy % amin'ny malagasy no mahay teny hebreo sy grika, ary ianao manoratra eto io ve mba mahay ireo fiteny ireo koa? Koa raha tsy nisy fandikateny, ho tafita tany aminao ve ny hafatra tiany hampitaina ? Ary ny baiboly tsy vakiana isaky ny andininy fa tsy maintsy vakiana amboalohany ka hatramin'ny farany , raha tsy izany dia lasa mivadika ny heviny.
voromailala:

Ary mamela ahy ianareo hiteny ny ato ampoko na dia tsy hotianareo azany fa misy antony roa ny nahatongavan'ny fivavahana kristinina teto Madagasikara: Voalohany hitory ny filazantsary ary ny faharoa hanjanahana an'i Madagasikara.

Ny fivavahana kristianina ihany koa no anisany netin'ny sasany nanonganana fanjakana tamin'ny 2009. Midika ve izany fa ny fivavahana kristianina no fositra sa ireo mpanararaotra ny fivavahana kristianina ?

Tsara ilay resadresaka somary lasa lava fa fitimpitiniko.
Amiko manokana izany tokony ho malalaka ny ankizy hifidy izay tiany hatao amin'ny fiainana, finoana arahana, sns.....
Amiko taloha dia mbola tena marina ny fivavahana, tamin'ny andron'ny Christianisme primitif, andron'ny Soufisma (raha Silamo resahana), tamin'ny andron'i Bouddah (raha Boudiste) no resahana, Hindouisma, sns.... fa niova izany taty aoriana, lasa fitaovana higejana ny olona.

Tsy ilaina akory azany ny mitonotena hoe izaho Kristiana, Silamo, sns.... ny sarobidy hoe feno fitiavanan'Andriamanitra ianao, ary Andriamanitra irery ihany no mahita ny zavatra tena hataonao.

20. Nehemiah ( 13/06/2013 12:41)
Nahazo namana i Miharena izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5718