Ny Malagasy sy Afrikanina no voalohany amin'ny fanaratsiana ny finoan'ny razany
![](https://avatar.serasera.org/da61d9dcdbf92178b4db6810f4e89c0e.jpg)
41. voromailala
(
14/06/2013 13:03)
Izaho manokana aloha tsy manaraka Dogma intsony ary tsy voafehan'ny Dogma intsony. Tsy manana dogma izany aho. Ary raha nanana Dogma aho tsy hilaza velively hoe ny ahy no marina.
Mitantara fotsiny ny zavatra hitako taoarinan'ny fikarohana nataoko aho, mety ho marina amiko fa tsy voatery ho marina aminao.
Izay mahatonga any manoratra foana hoe "Amiko" sy hoe "Raha ny fijeriko".

![](https://avatar.serasera.org/444de53f1663df135622ce6d00d92994.jpg)
42. pisoonja
(
14/06/2013 13:09)
Ka izay @ tsy maha-kristianina azy izay indrindra no olana ho an'ireo mipetraka ivelany ireo , betsaka raha tsy hilaza fa 1% n'ny gasy mipetraka any ivelany sisa no kristianina, toa anareo sy sitlo , endriny , mirana sns... ,tsy haiko hoe ilay iainanareo any mihitsy ve no mahatonga an'izany sa ahoana ? raha izany tsy aleo eto ihany lol!
![](https://avatar.serasera.org/222194e9c4a4f9f42b44c72d7cc0c680.jpg)
43. Nehemiah
(
14/06/2013 13:09)
voromailala:
Izaho manokana aloha tsy manaraka Dogma intsony ary tsy voafehan'ny Dogma intsony. Tsy manana dogma izany aho.[quote=voromailala]
Tsy misy olona tsy manana dôgma izany. Manana ny hevitrao izay tsy ileferanao mihitsy ny hamarinany, na hoe ankina (axiome), satria tsy maintsy misy ankina, izay foto-kevitry ny sisteman-kevitra 1 tsy hay porofoina ao anatin'ilay sisteman-kevitra nefa heverina ho marina hatrany, avokoa ny sisteman-kevitra rehetra.
[quote=voromailala]Ary raha nanana Dogma aho tsy hilaza velively hoe ny ahy no marina
:-)
![](https://avatar.serasera.org/da61d9dcdbf92178b4db6810f4e89c0e.jpg)
44. voromailala
(
14/06/2013 13:21)
Fa maninona azany aho no terenao hanana Dogma. Ny maha Religion ny Religion dia manaraka Dogma. Izaho manokana tsy manaraka Religion na iray azany ary tsisy Dogma arahiko.
Taloha aho no nanaraka Dogma , Religion.
Fampianaran'i Kirsty no arahako amin'ny famakiana ny Evanjilin'i Thomas, Maria, Matio,Paoly, sns.....
i Jesoa anie ka tsy nanaraka Dogma e, tsy nanaraka ny fivavahana Jiosy akory azany izy, nefa izy Jiosy.
Taloha aho no nanaraka Dogma , Religion.
Fampianaran'i Kirsty no arahako amin'ny famakiana ny Evanjilin'i Thomas, Maria, Matio,Paoly, sns.....
i Jesoa anie ka tsy nanaraka Dogma e, tsy nanaraka ny fivavahana Jiosy akory azany izy, nefa izy Jiosy.
![](https://avatar.serasera.org/222194e9c4a4f9f42b44c72d7cc0c680.jpg)
45. Nehemiah
(
14/06/2013 13:55)
voromailala:
i Jesoa anie ka tsy nanaraka Dogma e, tsy nanaraka ny fivavahana Jiosy akory azany izy, nefa izy Jiosy.
Ahoana indray ny teniny hoe : ny Soratra Masina tsy azo foanana (Jn. 10:35b) rehefa fantatra fa ny Testamenta Taloha no tiany tenenina @ hoe "Soratra Masina" ?
Sady tsy azonao tanteraka ny tiako tenenina. Inona moa no atao hoe religion ? Avy @ voambolana latinina "religare, izay midika hoe "mampifandray" ary nanome ny teny frantsay "relier". Fomba fifandraisana @'Andriamanitra ilay izy. Samy manana fomba fifandraisana @'Andriamanitra avokoa ny olombelona rehetra, na dia @ alalan'ny fandavana Azy aza.
Ka ny dôgma izany dia ankina ara-pivavahana. Ary tsy maintsy misy foana ny ankina @ sisteman-kevitra 1, na ekenao na tsia.
![](https://avatar.serasera.org/da61d9dcdbf92178b4db6810f4e89c0e.jpg)
46. voromailala
(
14/06/2013 14:18)
Tsy mitovy angambany ny definition ny hatao hoe Dogme amintsika. amiko ny Testamenta Taloha dia tsy Dogma.
Raha fivavahana Katolika zao dia manana ny Dogmeny fa tsy ny Testamenta Vaovao akory no dogmeny. Torak'izany koa ny dikan'ny hoe Religion.
Eritrereto anie e, teny roa azany tsy mitovy ny dikany amintsika, koa eritreretko hoe ahoana izany ny Soratra Masina?
Raha fivavahana Katolika zao dia manana ny Dogmeny fa tsy ny Testamenta Vaovao akory no dogmeny. Torak'izany koa ny dikan'ny hoe Religion.
Eritrereto anie e, teny roa azany tsy mitovy ny dikany amintsika, koa eritreretko hoe ahoana izany ny Soratra Masina?
![](https://avatar.serasera.org/222194e9c4a4f9f42b44c72d7cc0c680.jpg)
47. Nehemiah
(
14/06/2013 14:34)
Ianao ihany anie no te-hanome dikany hafahafa ny voambolana "dôgma". Ary izay koa no anaovanao ny Soratra Masina. Kanefa tsy azo atao rehefa mamaky lahatsoratra 1 ny mamoaka hevitra izay tsy mifanaraka @ tian'ny mpanoratra lazaina. Izay no atao hoe hermeneotika. Ny Soratra Masina ihany no azo anaovana famoahan-kevitra ny Soratra Masina (2 Pet. 1:20-21).
![](https://avatar.serasera.org/da61d9dcdbf92178b4db6810f4e89c0e.jpg)
48. voromailala
(
14/06/2013 14:45)
Matoa anie lasa nizarazara ny fivavahana dia noho tsy fankazahoana amin'ny dikan'ny lazain'ny Soratra Masina e.
Fa izany aloha eo ihany fa mahaliana ahy mihintsy hoe ahoana no fomba ahitanao reference anaty Soratra Masina isaky ny miresaka? sa mamaky matetika Baiboly, sa misy fanoroampejy araka ny resaka ao aminao ao :-)?

![](https://avatar.serasera.org/69c30f5ee78ac950e355c5b5dbb3cbee.jpg)
51. endriny
(
14/06/2013 16:49)
Ny tsy tao anatin'ny heritreritry ny Malagasy ny ny Afrikaninadia izao, tetik'ady politika no tena nakan'ny eraopeanina ny baiboly ho taratra teo amin'ny fiaraha-monina. Raha ny baiboly tokoa mantsy no tetik'ady politika voalohany voasoratra izay mitantara ireo fomba rehetra namerenana sy nanavotana ny zanak'Israely tao anatin'ny 2000 taona. Dia resiny tokony ny fahavalo rehetra ary tafatsangana ny fireneny.
Izany hoe raki-tantaran'ny tetik'ady politika handresena izay rehetra heverina ho fahavalo ny baiboly.
Raha mankany amin'ny Synagoga ianao, dia gaga... fa ny tena atao dia mianatra ny teny Jiosy, dia mianatra ny tantara hoe iza avy ireo razam-be, dia vakiana kely ny boky, dia rehefa avy eo miteny hoe inona izany no tetikasa tokony ataontsika mpiara-miangona mba hampandresy antsika hatrany sy aha-voalohany antsika eo amin'ny fiainana.
Fa ny an'ilay efa lasa kristianina, miala tsiny aho, ilay fampitahorana no betsaka dia ilay filaza ny olona hoe: "Ianao dia tsy tonga lafatra eo anatrehan'Atra" moa tsy FANAKIVIANA va?
Izany hoe raki-tantaran'ny tetik'ady politika handresena izay rehetra heverina ho fahavalo ny baiboly.
Raha mankany amin'ny Synagoga ianao, dia gaga... fa ny tena atao dia mianatra ny teny Jiosy, dia mianatra ny tantara hoe iza avy ireo razam-be, dia vakiana kely ny boky, dia rehefa avy eo miteny hoe inona izany no tetikasa tokony ataontsika mpiara-miangona mba hampandresy antsika hatrany sy aha-voalohany antsika eo amin'ny fiainana.
Fa ny an'ilay efa lasa kristianina, miala tsiny aho, ilay fampitahorana no betsaka dia ilay filaza ny olona hoe: "Ianao dia tsy tonga lafatra eo anatrehan'Atra" moa tsy FANAKIVIANA va?
![](https://avatar.serasera.org/222194e9c4a4f9f42b44c72d7cc0c680.jpg)
52. Nehemiah
(
15/06/2013 05:57)
Ny an'ny atsy fandement-tsina ny finoana kristiana ny an'ny aroa tetik'ady pôlitika :-)
![](https://avatar.serasera.org/69c30f5ee78ac950e355c5b5dbb3cbee.jpg)
53. endriny
(
15/06/2013 09:46)
Rehefa nanafika ny tany afrikanina ny eraopeanina ka resy tosika dia nalefa ny misionera hitondra ny didy folo. Aza...
Rehefa ny afrikanina no manohitra dia averina ny andininy amin'ny didy folo sy ny fahasambarana 8.
Fa rehefa ny eraopeanina no milako sy manao fahy rano ny afrikanina dia lazaina fa sazin'Atra no mampahantra sy mankarary ny toe-karena afrikanina.
Tsy mahagaga ilay Odon raha mivavaka amin'ny frantsay
Rehefa ny afrikanina no manohitra dia averina ny andininy amin'ny didy folo sy ny fahasambarana 8.
Fa rehefa ny eraopeanina no milako sy manao fahy rano ny afrikanina dia lazaina fa sazin'Atra no mampahantra sy mankarary ny toe-karena afrikanina.
Tsy mahagaga ilay Odon raha mivavaka amin'ny frantsay
![](https://avatar.serasera.org/69c30f5ee78ac950e355c5b5dbb3cbee.jpg)
55. endriny
(
15/06/2013 17:39)
Nehemiah:
Tia anao foana an i Jesoa.
Saingy efa lasan-ko razana izy, nefa izaho tsy mino ny fitahian'ny razana dia ahoana?
![](https://avatar.serasera.org/222194e9c4a4f9f42b44c72d7cc0c680.jpg)
56. Nehemiah
(
17/06/2013 07:53)
Minoa an'izay ambarany momba ny tenany @ Baiboly dia iny no entinao mandinika ka mitsara ny fampianarana ataon'ny sasany.
![](https://avatar.serasera.org/444de53f1663df135622ce6d00d92994.jpg)
57. pisoonja
(
17/06/2013 08:01)
Jesosy tsy lasa-ko razana ka, niakatra velona any an-danitra Izy , tsy maty Izy fa efa nitsangana ary niakatra velona any an-danitra , noho izany IZY tsy razana fa FANAHY MASINA
![](https://avatar.serasera.org/da61d9dcdbf92178b4db6810f4e89c0e.jpg)
58. voromailala
(
17/06/2013 15:06)
Amiko manokana dia tsy misy vatana miakatra velona any andanitra izany fa ny fanahy ihany no afaka makany andanitra.
Misy oxygene izany any andanitra, misy sakafo, rano sns... sa tsy misakafo sy tsy miaina intsony rehefa tonga any?
Misy oxygene izany any andanitra, misy sakafo, rano sns... sa tsy misakafo sy tsy miaina intsony rehefa tonga any?
![](https://avatar.serasera.org/69c30f5ee78ac950e355c5b5dbb3cbee.jpg)
59. endriny
(
18/06/2013 14:10)
Rehefa tonga taty Afrika ny misionera dia ireto no nofohanany voalohany: ny ombiasa sy ny fanajana ny razana...
Vokany tsy te ahalala izay tetiharana mikasika azy intsony ny Malagasy sy ny Afrikanina. Dia raha misy mitady hianatra na mandalina ny fihaviany dia ilazana hoe: efa andron'ny fahafahana izao, efa andron'ny fitoviana... tsy ilaina intsony ny mitanisa ny taloha...
Nefa isika asainy mianatra sy manao tsianjery ny tetiharan'ny israelianina