Ny Malagasy sy Afrikanina no voalohany amin'ny fanaratsiana ny finoan'ny razany
21. Nehemiah
(
13/06/2013 12:43)
Mety mahaliana an'i Voromailala ity lohahevitra ity, indrindra ny tapany momba ny Apôkrifa sy ny Canon :
http://forum.serasera.org/forum/message/m51a5a2b77c4ef

22. voromailala
(
13/06/2013 12:50)
Misaotra an'i Nehemiah, mahaliana ilay izy, rehefa malalaka tsara vakiako daholo.
Misy fahamarinana mihintsy, lasa ohatra hoe vao misy miteny hoe hoy ny Baiboly hoe zao, tonga dia manaiky daholo ny ankamaroan'ny olona.
Manandrama anie ianao miresaka amin'ny olona dia hataovy hoe hoy Pasitera, na hoy Mopera fa tsisy sahy manakiana iny na dia zavatra foroninao azany.

23. Tefigasy
(
13/06/2013 12:53)
voromailala:
Tsara ilay resadresaka somary lasa lava fa fitimpitiniko.
Amiko manokana izany tokony ho malalaka ny ankizy hifidy izay tiany hatao amin'ny fiainana, finoana arahana, sns.....
Safidinao izay, ary rehefa manana taranaka ianao dia iriako raha tena ampiharinao amin'ny zanakao tokoa ary aza asiana fanenenana na kely akory aza.
Ho ahy: aleoko tsy miteraka toa izay hiteraka ihany nefa ho viravirain'i satana ny zanako, aleoko tsy misy toa izay tsy ho tia Azy ny zanako. Ary izay ny ahy ny tonom-bavako hatrany tamin'ny zanako vao tonga teto an-tany hoe : raha tsy ho anao, raha tsy raisinao ity zazakely ity Jesoa dia aza atao hary akory !
Nefa moa Andriamanitra tsy mba manery, jereo ny ataonao : rehefa lehibe ianao dia afaka tsara sady malalaka amin'ny safidinao, azonao dakana sy ariana izay efa nomen'ny ray aman-dreninao. Mampahatsiaro ahy ilay tantaran'ilay ZANAKA ADALA ianao eto !
voromailala:
Amiko taloha dia mbola tena marina ny fivavahana, tamin'ny andron'ny Christianisme primitif, andron'ny Soufisma (raha Silamo resahana), tamin'ny andron'i Bouddah (raha Boudiste) no resahana, Hindouisma, sns.... fa niova izany taty aoriana, lasa fitaovana higejana ny olona.
Dia anana mifangaro ianao izany raha azoko tsara ? Tena mampalahelo be ianao raha izany satria mifamono ireo fivavahana ireo, indrindra ny fivavahana kristianina raha afangaronao zavatra hafa !
24. Miharena
(
13/06/2013 13:11)
Mizara:
Toa lasa manara-drenirano ireo athé ireo koa i Miharena izany?
Nankaiza ny 3e Testament sy ireo hevitra maro momba ny finoana nifikiranao hatrizay?
Tsy hoe manara-driandrano satria tsy manana riana arahana loatra aho fa maneho fotsiny hoe misy banga be izay mirona amin'ny zavatra izay nasisika taminy tsy misy vontoatiny mazava hoe nahoana no ariana ny teo aloha?
Ny momba ny Malagasy ohatra dia nisy hatrany ny mpitaiza, ny Mpitan-kazomanga, izay noheverina fa manana fifandraisana bebe kokoa amin'ny Zanahary. Toy ny taranaka Levita ao amin'ny Baiboly. Nefa nisy fotoana izay tsy maintsy nanesorana ireny fomba ireny noho ny fisian'ny fifohazana teto Madagasikara.
Ankehitriny rehefa mandinika ireo fomban'ny fifohazana dia tsy manana toetoetra fanompoam-pivavahana toy ny an'ny vahiny isika fa hafa mihitsy.
Hoy moa ny namana Nehemiah hoe manana namana vaovao aho amin'ny resak'i Voromailala. Misy toetra izay tsy hitan'ny Kristianina anarana na olon'ny boky izay azo tovozina amin'ireny karazana boky izay misy Teny Fototra maro ireny. Ary rehefa mamaky ireny dia mahita hoe hafa mihitsy no famakiana io Baiboly io fa ts yaraka ny tantara voalaza ao no tokony hijerena azy fa izay fototra izay ambarany momba ny fanahy fahamarinana.
25. voromailala
(
13/06/2013 13:19)
Tefigasy:
voromailala:
Tsara ilay resadresaka somary lasa lava fa fitimpitiniko.
Amiko manokana izany tokony ho malalaka ny ankizy hifidy izay tiany hatao amin'ny fiainana, finoana arahana, sns.....
Safidinao izay, ary rehefa manana taranaka ianao dia iriako raha tena ampiharinao amin'ny zanakao tokoa ary aza asiana fanenenana na kely akory aza.
Ho ahy: aleoko tsy miteraka toa izay hiteraka ihany nefa ho viravirain'i satana ny zanako, aleoko tsy misy toa izay tsy ho tia Azy ny zanako. Ary izay ny ahy ny tonom-bavako hatrany tamin'ny zanako vao tonga teto an-tany hoe : raha tsy ho anao, raha tsy raisinao ity zazakely ity Jesoa dia aza atao hary akory !
Nefa moa Andriamanitra tsy mba manery, jereo ny ataonao : rehefa lehibe ianao dia afaka tsara sady malalaka amin'ny safidinao, azonao dakana sy ariana izay efa nomen'ny ray aman-dreninao. Mampahatsiaro ahy ilay tantaran'ilay ZANAKA ADALA ianao eto !
voromailala:
Amiko taloha dia mbola tena marina ny fivavahana, tamin'ny andron'ny Christianisme primitif, andron'ny Soufisma (raha Silamo resahana), tamin'ny andron'i Bouddah (raha Boudiste) no resahana, Hindouisma, sns.... fa niova izany taty aoriana, lasa fitaovana higejana ny olona.
Dia anana mifangaro ianao izany raha azoko tsara ? Tena mampalahelo be ianao raha izany satria mifamono ireo fivavahana ireo, indrindra ny fivavahana kristianina raha afangaronao zavatra hafa !
Izao azany no resahako amin'i Tefigasy.
Malagasy ianao, ary mino aho fa Kristianina ianao.
Eritrereto fotsiny anie hoe tsy tonga teto Madagasikara ny Anglisy sy Frantsay nitory ny Kristianisma fa ny silamo no tonga teto. dia lasa Silamo ianao?
Noho izany rehefa silamo ianao dia hiteny hoe tsy izy ny Kristianisma.
Eritrereto hoe misy fivavahana 10 ohatra, samy milaza azy ho marina daholo, ary izay tsy manaraka azy dia diso, manana chance 1/10 izany ianao hanaraka ny finoana tena marina?
raha manaraka finoana tena marina azany ianao mbola tsy sura 100% koa fa holasa any amin'ny Paradisa.
asa raha azon'i Tefigasy no tiako ahatongavana.
lalan'ny fiangonana taloha niteny hoe izay tsy vita Batemy dia tsy voavonjy hiditra ny fanjakan'Andriamanitra, dia noho io resaka noteneniko eo ambony io dia niova ny droit canonique, lasa hoe miankina amin'ilay olona indrindra no ahafany miditra fanjakan Andriamanitra na tsy vita batemy azany.
26. Tefigasy
(
13/06/2013 13:53)

Raha tsy kristianina aho dia tsy afaka ny hiteny mihitsy hoe tsy izy ny Kristianisma nefa aho tsy manana fahalalana na kely akory momba izany aza.
Izaho izao tsy mahalala na kely akory aza mikasika ny fivavahana misy any Inde. Tsy haiko hoe toa ny ahoana ny hivavahan'izy ireo. Noho izany tsy afaka ny hiteny mihitsy aho hoe tsy izy ny fivavahan'izy ireo satria tsy hananako fahalalana na kely aza. Ary izay no tsy mba hanenjehako ny fivavahan'ny hafa ; fa ny ahy ihany no ezahiko habaribary satria ny ahy no tena fantatro sy nampahafantarina ahy ary assureko ny tena fahamarinany sady resy lahatra tanteraka ny amin'izany aho.
voromailala:
Eritrereto hoe misy fivavahana 10 ohatra, samy milaza azy ho marina daholo, ary izay tsy manaraka azy dia diso, manana chance 1/10 izany ianao hanaraka ny finoana tena marina?
Tsy mba hiziriziry amin'ny finoako aho raha mbola manana fisalasalana ny amin'izany ! Tsy folo fotsiny ny finoana misy eto ambonin'ny tany fa maro be. Tsy ho fantatrao daholo izy rehetra ireo ary tsy mila fantarina daholo ihany koa.
Ho an'ny fivavahana kristianina manokana, tsy afaka ny hitsara ny olona iray Andriamanitra raha tsy efa nampahafantarina tamin'io olona io ny momba Azy. Anjaran'ilay olona no misafidy na hankatoa izy na tsia. Ary izay ny iraka azonay mpianatra, dia ny hitory an'i Jesoa manerana izao tontolo izao. Izany ny hoe ny tanjona tiana hahatongavana dia ny mba hahalalan'ny olona manontolo ilay Mpamonjy. Tsy mipetraka intsony ny resaka chance sy ny hoe nahalala na tsy nahalala ny tena izy ny olona iray fa ny nanaiky sy ny nandà no mety hitranga ary izay ihany koa no hanadinana.
voromailala:
raha manaraka finoana tena marina azany ianao mbola tsy sura 100% koa fa holasa any amin'ny Paradisa.
asa raha azon'i Tefigasy no tiako ahatongavana.
Mifampitohy amin'ilay teniko teo ambony ihany. Raha tsy manaiky an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjinao ianao dia sur 100% fa tsy ho resy lahatra amin'izany fivavahana kristianina izany mihitsy satria ny ao aminy ihany no mahita Azy ary rehefa mahita sy miaraka aminy dia sur 100% fa ho lasa any amin'ny Paradisa raha izay fotsiny no tianao hahatongavana.
Tsy haiko ny fivavahana hafa fa ny ahy aloha izay no hitako , izay no tsapako ary tsy manana eritreritra ny hiverina na hiala amin'izay intsony aho.
voromailala:
lalan'ny fiangonana taloha niteny hoe izay tsy vita Batemy dia tsy voavonjy hiditra ny fanjakan'Andriamanitra, dia noho io resaka noteneniko eo ambony io dia niova ny droit canonique, lasa hoe miankina amin'ilay olona indrindra no ahafany miditra fanjakan Andriamanitra na tsy vita batemy azany.
Vakio ny baiboly , ao ny valiny fa aleoko ity tsy asiana komantera
27. voromailala
(
13/06/2013 14:58)
1°/Mety ary manaiky ilay hoe tsy manaratsy ny hafa fa ny hanao no lalininao
2°/Ohatra fotsiny hoy aho ilay hoe finoana 10.
3°/ No comment
4°/ Ny intérpretation ny Baiboly anie no nanaovana ny Dogma sy ny droit canonique ny fiangonana e. Noho izany raha manaraka ny fivavahana Kristianina ianao dia mila manaiky ny Dogma ilay fivavahana arahanao ohatra hoe Jesoa Andriamanitra,Trinité, sns....
Noho izany rehefa mivory ny mpitarika fivavahana manapaka hoe izao indray no Dogma vaovao dia mila manaraka ianao satria izay no lalan'ny fiangonana.

29. Tefigasy
(
14/06/2013 04:42)
voromailala:
4°/ Ny intérpretation ny Baiboly anie no nanaovana ny Dogma sy ny droit canonique ny fiangonana e. Noho izany raha manaraka ny fivavahana Kristianina ianao dia mila manaiky ny Dogma ilay fivavahana arahanao ohatra hoe Jesoa Andriamanitra,Trinité, sns....
Aleo ary aloha hazavaina tsara ity : mba hampidirina anaty canon ny boky iray dia tsy maintsy mahafeno an'ireto fepetra ireto izy farafahakeliny:
1 - Tsy maintsy nosoratan'ny Apôstôly na olona akaiky (oh. Paoly, Marka,...)
2 - Tsy maintsy miteny ny marina momba an'Andriamanitra
3 - Tsy maintsy asehon'ny zavatra lazainy fa avy t@ aingam-panahin'Andriamanitra.
4 - Tsy maintsy eken'ny vahoakan'Andriamanitra.
voromailala:
Noho izany rehefa mivory ny mpitarika fivavahana manapaka hoe izao indray no Dogma vaovao dia mila manaraka ianao satria izay no lalan'ny fiangonana.
Hoy ny réformateur hoe : Sola Scriptura (Ny Soratra Masina ihany) Sola Gracia (Ny fahasoavana ihany) Sola fides (ny finoana ihany)
Soli Deo Gloria (Ho an'Andriamanitra ihany ny voninahitra)
30. voromailala
(
14/06/2013 08:40)

Fanontaniana tsotra:
1°/Iza no afaka hanamarina fa nosoratan'ny Apostoly ilay izy na olona akaiky azy?
2°/Iza milaza fa milaza marina momba an'Andriamanitra, ny marina dia miovaova arakaraka ny olona.
Aminao mety hoe marina ny filoha iray, amin'ny hafa nefa mety hoe diso. Ny fahamarina dia miankina amin'ilay olona ihany.
3°/iza no milaza fa avy amin'ny aingam-panahin'Andriamanitra?
4°/Iza ilay vahoakan'Andriamanitra manaiky, misy fifidianana ve?
Amiko dia ny Concile no manapakevitra an'ireo, izany hoe ireo eveka notsongaina hanapakevitra
miaraka amin'ny Papa.
Izany hoe olombitsy no manapakevitra ny hatao hoe Fahamarinana.
31. Tefigasy
(
14/06/2013 09:16)
voromailala:
Fanontaniana tsotra:
1°/Iza no afaka hanamarina fa nosoratan'ny Apostoly ilay izy na olona akaiky azy?
2°/Iza milaza fa milaza marina momba an'Andriamanitra, ny marina dia miovaova arakaraka ny olona.
Aminao mety hoe marina ny filoha iray, amin'ny hafa nefa mety hoe diso. Ny fahamarina dia miankina amin'ilay olona ihany.
3°/iza no milaza fa avy amin'ny aingam-panahin'Andriamanitra?
4°/Iza ilay vahoakan'Andriamanitra manaiky, misy fifidianana ve?
Aleoko tonga dia omeko valiny mitambatra ireo fanontaniana rehetra ireo:
1° / Jereo daholo ny boky rehetra ao amin'ny filazantsara fa fantatra daholo ny mpanoratra azy ary azo hamarinina amin'ny fomba maro (ara-tantara, jeografia, kolon-tsaina, ....) Betsaka ny document afaka manampy anao amin'izany !
2° / + 3°/
Izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra dia manao ny sitrapon'Andriamanitra ary manao ny fahamarinanana. Hoy ny Baiboly hoe "Ny Teninao no fahamarinana" ary ny Baiboly dia Tenin'Andriamanitra.
Raha mijery ny Apokrifa ianao dia lazaina mazava tsara ao fa na dia ny Apôkrifa ary dia milaza ny tenany ho tsy avy @ tsindrimandrin'Andriamanitra :
- miaiky ny 1 Mak. 9:27 fa tsy nisy faminaniana tany Isiraely t@'izany andro izany.
- miaiky ny 2 Mak. 15:37-39 fa asa soratra nosoratan'olombelona ka mety isian'ny diso ilay boky.
4°/
Hiresaka tantara kely isika : tamin'ny taonjato voalohany sy faharoa dia efa mazava tamin'ny kristiana ny boky canonique na dia teo aza ny soratra maro nisy tamin'izany. Ny porofo mazava dia ny canon de Muratori (170 AD) izay saika ahitana ny boky rehetra ao amin'ny testamenta vaovao. Eo koa ny Canon de Marcion, izay isan'ny nampiasaina be ihany koa na dia teo aza ny maha-hérétique tanteraka ny fampianarany. (150 AD) . Eo koa ny diatessaron an'i Tatien izay mamaritra ireo Filazantsara 4 (172 AD). Eo koa Irénée de Lyon (maty 202 AD) izay nanamafy ny Filazantsara 4. Tamin'ny taona 367 dia fanamafisana ihany ny nataon'ny eveka catholique Athanase raha nametraka ny boky 27 ao amin'ny testamenta vaovao izy.
Efa tamin'ny andron'i Jesoa : mitovy @ Testamenta Talohan'ny Prôtestanta ny Baibolin'ny Fariseo, fa ny filaharan'ny boky no tsy mitovy. Ny boky voalohany dia ny Genesisy ihany. Nanaiky ny canon'ny Fariseo i Jesoa (Jao. 5:39).
Tsy neken'ny manam-pahaizana Jiosy tany Jamnia (taona 90) ho kanônika ny Apôkrifa, ary milaza ny Talmud fa nandao an'Isiraely ny Fanahy Masina taorian'ny fotoan'andron'i Malakia. Maro ny fiangonana, Origène, Cyril , Jérôme, Athanase,... izay niombon-kevitra tamin'izany. Nitanisa canon mitovy @ an'ny Prôtestanta ankehitriny (afa-tsy ny bokin'i Estera) i Athanase t@ Lettre Festale faha-39 t@ taona 367. Nilaza koa izy fa tsara vakiana ny Fahendren'i Sôlômôna, ny fahendren'i Bena Siraka, ny fanampin'i Estera, Jodita ary Tôbita, izay Apôkrifa daholo, fa saingy tsy kanônika izy ireo.
Feno hadisoana @ lafiny tantara sy jeôgrafia ny boky apôkrifa, ohatra :
- tsy mifanaraka @ 1 Mak. 2:41 ny 2 Mak. 15:1mm.
- milaza koa ny Jodita 1:1 fa tany Ninive indray i Nebokadnezara no nanjaka fa tsy Babylôna.
Tsy mifandraika @ mari-pitsaràn'ny Baiboly koa ny ny fampianarana sy ny fitondra-tena ao @ apôkrifa :
- mampianatra fitondra-tena mifototra @ fitapitaka ny Fahendrena sy ny Mpitoriteny Apôkrifa.
- nanampy an'i Jodita @ laingany hono Andriamanitra (Jodita 9:10,13)
- famonjena avy @ asa (Tobita 12:9, 14:10-11)
- vavaka ho an'ny maty (2 Mak. 12:44-45)
- famoronana avy t@ tenan-javatra efa nisy (Fahendrena 11:17)
Mety afaka manampy anao izany rehetra izany mba hanatsoahanao valiny amin'ireo fanontaniana napetrakao ireo !
32. voromailala
(
14/06/2013 09:47)
Amiko manokana raha manaraka fivavahana iray ianao dia tokon'izay voalazan'ny Dogma no arahanao izany hoe ny Interpretation ny Baiboly nataon'ireo Eveka sy Papa tamin'ny andron'ny Concile.
Noho izany tsy tokony hanao intepretation hafa ianao rahatr izany dia ekisikominoae.
Ohatra ny nahazo ny Eveka Aurius izay nilaza fa tsy Andriamanitra i Jesoa, dia nesorina tsy anatin'ny Eglizy Katolika Romanina, toa izany koa ireo Kristianina tany Etiopia sy Asia.
Resaka Trinité koa torak'izany, fa naninoa no efa 500 taona taty aoriana vao no lazaina fa Andriamanitra 3 en 1? satria ireo eveka sy Papa tamin'ny Concile no niinterpreté ny Baiboly momba izany.
Ary io samy manana interpration ny Baiboly io no nahatonga ny fivavahana misaratsaraka ka samy nanao ny Dogmany avy.
Mitovy daholo zany, Protestanta avy am katolika, dia Protestanta mbola nisaratsaraka Pentekotista, sns.... toy izany koa ny Silamo,
Hindouista, Boudhiste, Corbeil no hiresany azy fa tsy concile, sns.....

33. voromailala
(
14/06/2013 10:01)
Tiako hofantatry ny Kristianina izany ny tanatran'ny Concile voalohany indrindra e, Concile de Nicée , ary nahatonga hoe Kristianina Katolika Romanina.
Hoe Ny emperora Romanina Constantin no nanao an'io Concile io, ary izy dia Paien fa rehefa alohan'ny hofaty izy vao nangataka natao Batemy.
Tombotsoan'ny Empira romanina indrindra no nanaovany an'io Concile voalohany io, nefa raha tokony hoy izy dia ny Papa no mitarika ny Concile, fa nandefa solotena fotsiny ny Papa tamin' io.

34. voromailala
(
14/06/2013 10:08)
Izany akory tsy midika hoe tokony tsy ho Kristianina intsony, na tsy hanaraka ny fivavahana Kristianina intsony. Amiko manokana dia ny fampianaran'i Kristy no tena mafonja indrindra.
Tokony tsy arahana anjambany ny fampianarana hataon'ny olona mpitarika fivavahana, tokony fantatra ny tantaran'ny Eglizy, ary tsy ny fianarana ny andiny rehetra anaty Baiboly no sarobidy fa ianao tsara. "Être Bon".
Tiavo ny Namanao ary Tiavo ihany koa ny fahavalona hoy i Jesoa.

35. Tefigasy
(
14/06/2013 10:19)
voromailala:
Amiko manokana raha manaraka fivavahana iray ianao dia tokon'izay voalazan'ny Dogma no arahanao izany hoe ny Interpretation ny Baiboly nataon'ireo Eveka sy Papa tamin'ny andron'ny Concile.
Noho izany tsy tokony hanao intepretation hafa ianao rahatr izany dia ekisikominoae.
Hevitrao manokana izay, saingy tsy izay no teny nampitondrain'i Jesoa ny mpianany raha naniraka azy ireo hitory ny filazantsara maneran-tany izy ireo.
Tsy maninona fa averiko eto ity tenin'ny reformateur ity hoe : Ny Soratra Masina ihany - Ny fahasoavana ihany - ny finoana ihany.
Tsy miampy (dogma) ireo ary tsy analana.
voromailala:
Ohatra ny nahazo ny Eveka Aurius izay nilaza fa tsy Andriamanitra i Jesoa, dia nesorina tsy anatin'ny Eglizy Katolika Romanina, toa izany koa ireo Kristianina tany Etiopia sy Asia.
Resaka Trinité koa torak'izany, fa naninoa no efa 500 taona taty aoriana vao no lazaina fa Andriamanitra 3 en 1? satria ireo eveka sy Papa tamin'ny Concile no niinterpreté ny Baiboly momba izany.
Ary io samy manana interpration ny Baiboly io no nahatonga ny fivavahana misaratsaraka ka samy nanao ny Dogmany avy.
Raha resaka interpretation mikasika ny baiboly indray, dia tsarovy fa na i satana aza mba mamaky sy mandray ireo teny avy ao amin'ny baiboly mba entiny hamitahana. Ny tiako hatongavana dia tsotra ihany : afaka soavalina foana ny baiboly mba hamitahana sy hamoahana hevitra tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra. Ohatra : hita ao anaty baiboly fa nampirafy i Abrahama, dia hoy ilay olona mitarika antokom-pivavahana malaza iray eto Tanà hoe : afaka mampirafy koa izy , afaka mijangajanga, .....
Ary ny toe-javatra toa izany no nanjary nampivilana sy nampibirioka ilay fivavahana kristianina nanomboka teo amin'ny taona 320. Betsaka ny zavatra diso sy niniana nodisoina ary nampidirina tao anatin'ilay fivavahana kristianina.
Eo amin'ny resaka "culte des saints" ohatra dia teo amin'ny taonjato fahatelo vao nanomboka natao izy io, fa taloha dia tena fahavetavetana no nandraisan'ireo kristianina azy (Irénée de Lyon, maty tamin'ny 202 ohatra dia tena nandà an'io mafy). Rehefa avy eo anefa dia nanomboka nipoitra ilay poizina niaraka tamin'dry Origène (maty tamin'ny 253). Efa taty aoriana avokoa vao nivoaka ny doctrine samihafa izay hérétique no ilazako azy satria tena nivoana tamin'ny fampianarana fototry ny apostoly : ao anatin'izany ny purgatoire, ny firesahana/fangatahana amin'ny olo-masina, ny absolution des morts izay samy teolojia taty aoriana avokoa (théologie patristique et médiévale)
Izany rehetra izany no ilana ny reformateur, mba hiverenana indray amin'ilay tena izy. Ary tsy vita vetivety na indray mipi-maso izany reformation an'ny finoana kristianina izany fa mandeha sy alefa tsikelikely: toa ny zazakely mitombo ihany io: ampisotroina ronono aloha vao afaka omena venti-kanina.
36. voromailala
(
14/06/2013 11:42)
manaiky za hoe hevitro manokana, fa eto moa Forum dia afaka mizara malalaka ny heviny, ary za dia manaja ihany koa ny hevitrao.
Amiko matoa mihena tsikelikely toa ny fean'antitra ny mpivavaka Kristianina dia misy antony ao.
Maro ireo olona aty amin'ny tany andalampandrosoana aza mangataka ho debatpiser-na mihintsy, noho ny zavatra mitranga ankehitry amin'ny hataon'ny mpitondra fivavahana.
Na any Madagasikara aza dia lasa miroana any amin'ny sekta ihany koa ny Kristianina.
Any Belzika ohatra dia mpiasampanjakana ny Mopera, fananan'ny Fanjakana ny Eglizy,sy fanjakana ny miantoka trano sy karaman'ny mopera.
Koa rehefa tsisy mpiangona intsony ilay tanana iray dia hakaton'ny fanjakana ny Fegonana dia lasa somera ilay Mopera.
Ny Antitra sika matetika miangona aty Ivelany.

37. Tefigasy
(
14/06/2013 12:35)

Izany hoe raha ampifandraisiko amin'ny lohahevitra tany amboalohany izany ny resakao eto dia mety ahoana no azo ambara : tsy misy manimbazimba intsony ve izany ny finoan'ny razana any amin'ireo firenena lazaina fa mandroso; sa vao maika manimbazimba sy tsy miraharaha izay resaka finoana izay ry zareo ?
Sady izay ihany koa no hiverenako amin'ilay lohahevitra sy hanitsiako kely ilay izy satria : raha ny fahitako ny malagasy dia mbola tena vitsy ny kristianina. Tsy ampy 50% akory fa ny mpisandoka no betsaka. Ary mbola betsaka ny malagasy no manenjika ny kristianina fa ny finoan'ny razany no mbola lolohaviny. Andron'ny famadihana isika izao , dia mandehana ianao mianatsimo amin'ny faritanin'Antananarivo fotsiny fa isaky ny tanana dia saika misy famadihana !
38. pisoonja
(
14/06/2013 12:46)
tsy mihena otran'ny fen'antitra ny kristianina fa mitombo aza no azo ilazana azy nefa tsy anjarako no mitsara na tena manompo na mody manompo fa 90% n'ny malagasy mamonjy fiangonana, toy ny hitako tany @ faritra atsimo be dahalo , fa saingy ny gasy mandeha any ivelany mahita ny fiainam-bazaha io dia lasa manadino ny fampianaran'ny RR no tena miteraka olana . Ny eto M/car efa betsaka no mitady an'Atra ary tsy mahagaga raha aty no ifandroritan'ny secta isan-karazany
39. voromailala
(
14/06/2013 12:49)
Raha miverina amin'ny lohahevitra dia tsy Kristianina velively no finonandrazan'ny tany mandroso.
Raha LaFrantsa nojerena dia Druide no anisany finoan-drazana teto. Fa tamin'ny andron'ny Kristianisma tonga dia nenjehina daholo ireny olona ireny novonoiana fa lazaina fa mpamosavy, ary ny ankamaroan'ny eglizy eto Frantsa dia eo ambon'ny toerana fanaovan'ny Druide Culte daholo.
Mitovy amin'ny fivavahana ndrazana Malagasy ihany koa zany.
Ny andiny faharoa io no hiraisako hevitra aminao, lasa mizarazara ilay Malagasy, misy lasa tena Kristianina 100% ohatra anao :-), misy Kristianina 50%, mandeha mivavaka, miangona, fa mamadika, manandro rehefa hanao trano sns.., ary mbola misy na dia vitsy azany, Malagasy 100% finoana taloha.

40. Nehemiah
(
14/06/2013 12:56)
voromailala:
Amiko manokana raha manaraka fivavahana iray ianao dia tokon'izay voalazan'ny Dogma no arahanao izany hoe ny Interpretation ny Baiboly nataon'ireo Eveka sy Papa tamin'ny andron'ny Concile.
Andraso aloha : nahoana no tokony ny dôgmanao no arahina fa tsy ny dôgmanay ? Rehefa dinihina dia mbola tsy nanome porofo fa marina ny dôgmanao ianao.