ATAOLOTRA OFISIALY IREO POROFO MAHA HEBREO NY MALAGASY

1. moustaraf ( 26/05/2013 09:56)
salama namana,
ho an'izay liana, satria efa maro ireo fifandresen-dahatra teto @ serasera izay ela izay, ka ho anareo ao Antananarivo, dia misy conférence lehibe sy exposition anehoana ireo porofo maro be entin'ny mpikaroka , fikambanana, sy ny mpanohana ny maha hebreo sy jiosy ny Malagasy.

Ary atolotra @ fomba ofisialy ny solotenan'ny fnajakana isaraeliana ny andiany faha-2 amin'ireo porofo voarakitra hatrizay ela izay:
Sora-be, soratra hafa, tantara voarakitra, fomba,...

Ampasampito, akaikin'ny Lycée technique, GAMO

MAHEREZA DAHOLO
novalian'i endriny ny 03/06/2013 17:29
2. bazylou ( 26/05/2013 15:02)

tsy jiosy ny gasy,

beurrrk
3. Miharena ( 26/05/2013 16:01)
Azo lazaina ho conservationisme ve no tiana voizina amin'io konferansy io sa afaka manazava finoana universel?
4. didi10 ( 26/05/2013 17:08)

moustaraf:

salama namana,
ho an'izay liana, satria efa maro ireo fifandresen-dahatra teto @ serasera izay ela izay, ka ho anareo ao Antananarivo, dia misy conférence lehibe sy exposition anehoana ireo porofo maro be entin'ny mpikaroka , fikambanana, sy ny mpanohana ny maha hebreo sy jiosy ny Malagasy.

Ary atolotra @ fomba ofisialy ny solotenan'ny fnajakana isaraeliana ny andiany faha-2 amin'ireo porofo voarakitra hatrizay ela izay:
Sora-be, soratra hafa, tantara voarakitra, fomba,...

Ampasampito, akaikin'ny Lycée technique, GAMO

MAHEREZA DAHOLO

Exposition maharitra angaha io ry namana, aiza ny ora sy ny daty?
5. leva2 ( 26/05/2013 20:38)
Velona Jesosy!

Tena lanian'ny devoly andro amin'ny lalam-pirazanana izay tsy hitondra famonjena na oviana na oviana ianareo namana isany raha ho liana amin'ny zavatra tahaka itony.

Jiosy 100% ny raibeko, izany hoe azo antoka fa misy ra jiosy ato amiko, nefa tsy nitondra ninoninona teo amin'ny fiainako izany namana isany, fa ny tsapako dia teo ambany ozona, sy ny ziogan'i satana ny fiainako talohan'ny nahalalako sy tena nandraisako an'i Jesosy. Ankehitriny olona afaka aho noho ny anaran'i Jesosy, eo ambany fitahiana noho ny aminy.

Hoy Jesosy : “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin'ny Ray afa-tsy amin' ny alalako” Jao 14/6 koa asakasakao izay hino fa noho ny maha-zanak'i dadabe sy bebe no handovanao ny fiainana mandrakizay.

Miambena namako isany fa ny devoly mierona mitady izay harapany fa efa antomotra ny androny.
6. didi10 ( 27/05/2013 05:58)

leva2:

Adinonao nga namana ilay hoe: "Fantaro ny zavatra rehetra, hazomy mafy izay tsara".
Izaho dia mitovy hevitra aminao tanteraka fa tsy mahavonjy ny tantaram-pirazanana satria mampiverina eo ambany fandevozan'ny lalàna indray aza, kanefa ataonao ahoana ny manohitra ny fampianarana diso raha tsy fantatrao ilay diso ambarany?
Tsy tsara ny manohitra be fahatany fa mahatonga ady hevitra tsy mahasoa, ny fahafantaran'ny lesoka amin'ny fampianarana iray ihany no ahazoanao mandresy lahatra ny olona hiala tao.
7. Nehemiah ( 27/05/2013 08:01)
Raha heverin'i Moustaraf ho mahasoa ny gasy izany dia avelabelaro aty @serasera ity ilay izy, tahaky ny ataoko @ fandalàna ny fahariana.
8. RBNIR ( 27/05/2013 09:15)

moustaraf:

salama namana,
ho an'izay liana, satria efa maro ireo fifandresen-dahatra teto @ serasera izay ela izay, ka ho anareo ao Antananarivo, dia misy conférence lehibe sy exposition anehoana ireo porofo maro be entin'ny mpikaroka , fikambanana, sy ny mpanohana ny maha hebreo sy jiosy ny Malagasy.

Ary atolotra @ fomba ofisialy ny solotenan'ny fnajakana isaraeliana ny andiany faha-2 amin'ireo porofo voarakitra hatrizay ela izay:
Sora-be, soratra hafa, tantara voarakitra, fomba,...

Ampasampito, akaikin'ny Lycée technique, GAMO

MAHEREZA DAHOLO

Faly miarahaba namana isany,

Ny baiboly indray kosa dia MILAZA MARINA fa :

« Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. » (Gal.3:28)

28 Il n'y a plus ni Juif ni Grec, il n'y a plus ni esclave ni libre, il n'y a plus ni homme ni femme; car tous vous êtes un en Jésus Christ.

Koa dia samia ho tahin'ny Tompo daholo ary,

9. sitlo ( 27/05/2013 09:46)
Izaho manokanaaloha tsy dia raharahiako firy na mifangaro jiosy ny gasy na tsia. Fa mahafinaritra ahy fotsiny rehefa ny malagasy tsotra no mikaroka ny tantarany.
10. endriny ( 27/05/2013 10:15)
Ary efa ela ihany ity Madagasikarantsika ity kay no be makorelina a... Nandalo ny espaniola sy ny arabo dia nipeka malagasy... Afrikanina sy ny etsetra ary izao ny frantsay sy ny italianina... Hay koa ve mba nipeka teto koa ny jiosy eh...

Hay efa tarazo izy ity, izay ilay manahirana amin'ny nosy fa ataony fiantsonana sy fanariana mavesatra fotsiny dia lasa ihany ny sambo avy eo. Tonga amin'ilay hoe: "sady lasany omby no laniny ny hena"

Dia zaza kamboty no tena namorona ny firenena malagasy ka dia miafy foana hatramin'izay ka hatramin'izao.
11. sitlo ( 27/05/2013 10:19)
Mba asio fifanajana ilay resaka
12. endriny ( 27/05/2013 10:29)
Aza fady ry sitlo, raha tafitohina ianao a... Zavamisy izany...

Manahirana ny Gasy ilay atao hoe Afrikanina
13. endriny ( 27/05/2013 10:40)
Tsetsatsetsa tsy aritra: "tokony natao tany amin'ny tantara ity lohhevitra ity"
14. sitlo ( 27/05/2013 10:43)
Aza mody atsipy aty amiko ny rihitra fa tsy ny atao hoe afrikanina mihitsy no ataoko hoe asio fifanajana fa ny fotokevitra asehonao.
15. endriny ( 27/05/2013 11:02)
Sitlo, teneno aza fady ilay mpandrindra hanala ilay hevitro raha tsy tianao ilay izy tompoko
16. Nehemiah ( 27/05/2013 12:22)
Tsy hitako mihitsy ny tokony ivazizirana @'ity resaka Jiosy aho Jiosy ny gasy, raha tena manaraka ny Baiboly ny mpanoratra dia tokony tsaroany fa fianakaviana 1 monja isika, izany hoe samy taranak'i Adama sy Eva !

Fa araky ny tenin'i Endriny dia kizitina ery ny gasy @ tarazony nefa karazana "melting pot" ihany ny Nosintsika, ary harena izay.
17. sitlo ( 27/05/2013 12:41)
Maninona no rehefa misy vazaha manao fanadihadiana momba ny fihavian'ny malagasy dia ifaliana ery, nefa rehefa malagasy no manao dia atao hoe tsy hita izay ilana azy?
18. Nehemiah ( 27/05/2013 12:51)
Raha toa ka izaho no iantefan'izay dia tsy niteny mihitsy aho hoe tsy misy ilàna azy ny fandinihan'ny Malagasy momba an'i Madagasikara, fa tsy tokony ivazizirana. Samihafa ireo.
19. sitlo ( 27/05/2013 12:57)
Nahoana no tsy tokony ivazizirana? Tsy misy ilana azy?
20. Nehemiah ( 27/05/2013 13:03)
Tsy hoe "tsy misy ilàna azy" fa "tsy izay no zava-dehibe"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 1.5898