ATAOLOTRA OFISIALY IREO POROFO MAHA HEBREO NY MALAGASY
22. Nehemiah
(
27/05/2013 13:34)
Ay ? Dia inona izany aminao no zava-dehibe ? Ny fifandirana ara-poko lavareny ?
23. sitlo
(
27/05/2013 14:00)
Fa angaha tsy maintsy mifanditra. Raha fantatro ve hoe samy hafa ny ray aman-dreniko sy ny ray aman-drenin'ny namako dia ifandritra izahay?
Dia tahaka izany koa ny zoky ray aman-drenibe sns

24. Nehemiah
(
27/05/2013 14:12)
Jereo ary izao zavatra mitranga @ tany sy firenena izao : mifanaratsy ny atsy, mifanenjika ny aroa, satria tsy mitovy razana. Ary tsy ny gasy samy gasy ihany izay fa ny gasy sy vahiny koa. Manana fironana hankahala ny tsy mitovy @ ny olombelona. Marina fa tsy ara-pisainana izany, kanefa izay no izy.
Tsy hoe ratsy akroy ny mahafantatra ny fototra niaviana, fa raha antitranterina be manadala ilay izy dia tsy maintsy hiteraka fifankahalàna foana satria ho hitan'ny sasany ho endrika fanandratan-tena izany.
Eo fotsiny izao dia te-hitarika ny gasy hihevitra fa "ambony" nohon'ny vahoaka hafa ilay mpanoratra ny lohahevitra satria taranak'i Abrahama, Isaka sy Jakoba, kanefa raha ny Baiboly no arahina dia tsy izay mihitsy no zava-dehibe fa ny zava-dehibe dia ny maha-taranak'i Adama mpanota antsika ka ahafahantsika mahazo famonjena avy @ Jesoa Kristy, na Jiosy na Jentilisa.

25. sitlo
(
27/05/2013 14:23)
Raha azoko tsara, amin'ny firenen-kafa dia mifanaratsy ny olona tsy mitovy firazanana ka noho izany dia tsy tokony ahalala ny firazanantsika isika?
Dia ahoana anefa raha zavatra tsara no jerena? Amin'ny firenena hafa fantany ny firazanany ka hainy ny fototry ny teniny.

26. Nehemiah
(
27/05/2013 14:57)
Izaho kosa anie tsy nanao hoe tokony tsy fantatra ny firazanana (ary tsara mahaliana ilay izy ny tena marina) fa nanao hoe tsy tokony ho obsédé @'izany e.
27. Miharena
(
27/05/2013 15:52)
Sao lasa zary resaka tsy fitovian-kevitra ilay fizaràna fahalalàna tian'ny namana Moustaraf ampitaina amintsika e! Fifaliana ho azy ny mizara izany fahalalàna izany dia izay angamba no izy fa tsy tokony hisy adihevitra lava ny amin'izany! sa ahoana?
28. moustaraf
(
27/05/2013 16:45)
Salama namana,
Ezahina havoaka eto ireo porofo azo nalaina sary ho fahafaham-po ho an'izay liana amin'izany!
1. tsy mi-insiste aho ary tsy manery fa mizara vaovao sy fahalalana hafa akoatra ny efa fantatra, ary tsy mitaona olona akory!
2. raha zohiana dia izao no tantara voasoratra anatyboky ary amianarina eny an-tsekoly:
Malagasy avy ao:
-Indoziana
-Arabia
-Afrika
Ekena ary tsy misy kianina ireo rehetra ireo, fa ny fikarohana dia tsy nijanona teo fa nijery hoe, talohan'ireo dia taiza koa ny nihaviana;
Ny fikarohana izay misy efa an-taonany maro izao dia samy manaporofo sy manondro fa i Israely no teno fototra nihaviana ary maro ireo porofo ireo:
-Isan'izany, ny porofo ara-baiboly (ary izany no maha eto an'ity lohahevitra ity):
Miverina @ tantaran'ny fahababoan'ny Israely tany Asyria ny fikarohana ary avy eo no nahitana fa nizara roa ny lalan'ireo israely babo ireo,"tsy mbola nody mandraka androana";
-Ny lalana iray nihazo an'i Azia mineure, niafara tao JAVANA, ary any @ Nosin-dranomasina
ISAIA 66:18-19 (version hébreu)
-Ny lalana iray dia nihazo an'i Arabia, sy afrika ary niafara any @ nosin-dranomasina
ISAIA 11:11-12/ 21
Mbola maro ireo toko manazava an'ireo @ antsipirihany, raha mahaliana anao!
DIKANY: Na ny gasy manana endrika arabo, na Afrikana, na Indoseziana dia tsy MISY HAFA FA OLONA IRAY IHANY
Io no ilazany foana hoa "MADAGASIKARA NOSY MIAVAKA"
-Tsy tongatonga ho azy anefa izany rehetra izany; ary tsy tongatonga ho azy eto Madagasikara ianao, fa misy teny faminaniana miavaka ho anao.
TSY ILAINA INTSONY HONO VE IZANY?? EFA LANY ANDRO??
-Matoa voarakitra an-tsoratra ao @ baiboly ny tantaranao dia TENA MISY ANTONY MANOKANA,
-Maninona no navahina @ firenena maro hafa i Madagsikara?
-Nahoana no hita mazava ireo "traces", fa tsy navela ho very sy maty tarangana?
-Kisendrasendra koa ve ireto:
EZEK 36: 24-27 Alaiko avy @ jentilisa ianareo,ka hodiaoviko…
EZEK 43:7
Ry zanak’olona, eto no hitoeran’ny seza fiandrianako sy hitoeran’ny faladiako, izay honenako mandrakizay eto @ zanak’Israely; ary tsy holotoin’ny taranak’Israely , na izy na ny mpanjakany, amin’ny fijangajangany sy amin’ny fatin’ny mpanjakany…….intsony ny ANARAKO masina.
"Madagsikara irery= faladia anakavia"
"Fatin'ny mpanjaka = Andriana manitra, nasolon'ny Malagasy an'ilay anarana ambony indrindra"
(HITOHY)

29. moustaraf
(
27/05/2013 17:07)
(tohiny)
1.Ho an'izay tena mpandinika ny baiboly dia tokony hahita mazava fa:
-samy hafa ny hafatra na teny voasoratra ho an'ny:
-Israely (foko 9)
-JOda (foko 3)
-Israely sy Joda (foko 12)
-Hafa firenena
2. Ny mahadiso ny dikan-teny maro momba an'ireo hafatra ireo dia ny nidiran'ity teny "Jenitilisa "ity izay tokony midika hoe "Hafa firenena";
tsy izany anefa ny zavatra hita, ohatra:
ISAIA 66: 18
..."ho avy ny andro hamoriana ny JENTILISA sy ny samy hafa fiteny; dia ho avy ireo ka hahita ny voninahitro, 19 ary hasiako famatantarana eo aminy, ary izay afaka mandositra dia hirahiko ho any @ JENTILISA;

30. sitlo
(
28/05/2013 04:16)
Ny fikarohana izay misy efa an-taonany maro izao dia samy manaporofo sy manondro fa i Israely no teno fototra nihaviana ary maro ireo porofo ireo
Izahay tsy hino an'izany raha tsy avoaka izany porofo izany fa tsy hoe "an-taonany maro" dia hoe vita hatreo dia andininy ao amin'ny Baiboly no averimberina eto. Asehoy daholo izany hoe maro izany.
Tsetsatsetsa: Misy ifandraisany amin'i Kzy moustaraf sa tsy tsia? Efa hitako noteneniny tamin'ny tele mantsy ireo.

31. Nehemiah
(
28/05/2013 05:39)
Marina kosa ny an'i Sitlo. Rehefa manao filazàna mifanohitra @ hevitra eken'ny daholobe dia na mila asiana références avy @ manam-pahaizana mahay ny raharaha, na mila asiana porofo mitombina, na ara-tsiansa na ara-Baiboly.
Satria raha jerena ny contexte misy ny Is. 66:18-19 sy Is. 11:11-12 dia tsy mitombina mihitsy ny tsoa-kevitrao, satria miresaka momba ny foko sy vahoaka niparitaka avy tany Babela izay ho angonin'ny Tompo @ tranon'ondriny. Izay no fampanantenana tanteraka t@ andron'ny Pentekôsta.
Ny Soratra Masina mantsy dia tsy maintsy raisina 1 manontolo rehefa mandinika azy, fa tsy hoe andininy vitsivitsy fotsiny no antitranterina entina anohanana ny teôrianao.
Tsy mba izaho no handà fa raha ny Baiboly no jerena dia taranak'i Noa ny gasy, tahaky ny olombelona rehetra, fa kosa tsy ampy anaporofoana fa Jiosy ny gasy izany. Marina fa taranaka Hebreo ny olona any Ste-Marie, fa tsy manaporofo inona na inona aloha afa-tsy ny hoe metisy Hebreo ny gasy sasany.

32. endriny
(
28/05/2013 07:18)
Ny mahavariana ahy dia mbola tsy nisy mihintsy Mpikaroka Malagasy nitady hoe avy aiza marina ireto Vazimba sy Mikea ireto?
Nahoana no tsy misy mamoy ohatra ny fitantaran'ny mpahay tantara sasany fa avy eto Madagasikara ny ampanjakan'ny Jiosy iray atao hoe Isalo Mena?

34. Tefigasy
(
28/05/2013 10:55)
Ny olona tsy nandray an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjiny ihany matetika no mivohy ny hevitra toa itony, mba entiny hanamarinan-tena fa lova tsy mifindra avy amin'ireo razambeany efa aman'arivo taonany ny famonjena fa tsy avy amin'i Kristy Jeso !
35. andrywui
(
29/05/2013 22:19)
hoy i endriny Ary efa ela ihany ity Madagasikarantsika ity kay no be makorelina a... Nandalo ny espaniola sy ny arabo dia nipeka malagasy... Afrikanina sy ny etsetra ary izao ny frantsay sy ny italianina... Hay koa ve mba nipeka teto koa ny jiosy eh...
Hay efa tarazo izy ity, izay ilay manahirana amin'ny nosy fa ataony fiantsonana sy fanariana mavesatra fotsiny dia lasa ihany ny sambo avy eo. Tonga amin'ilay hoe: "sady lasany omby no laniny ny hena"
Dia zaza kamboty no tena namorona ny firenena malagasy ka dia miafy foana hatramin'izay ka hatramin'izao.
huhuhihihuhhihiiiaaaa

36. booboo
(
30/05/2013 11:14)
Endriny > mba zarao eto fa mahaliana izany Isalo Mena izany. Izay aho vao naheno hoe nisy an'izany.
Moustaraf > zarao eto fa tsy ho afaka ny ho eny @ Gamo (sa aiza izy teo) ny ankamaroan'ny be sy ny bobaka e. Na ho atao fizarana 10 ohatra fataon'i Nehemiah aza misy mamaky foana hihihihihi. (aza tezitra Nehemiah a ;-))

37. Nehemiah
(
30/05/2013 12:14)
Fizaràna sivy fa tsy fizaràna folo azafady ^_^. Marina mihitsy ny anao ka ;) !
38. Miharena
(
31/05/2013 01:44)
Nisy Pasitera nandalina io resaka Jiosy io ary efa nalefa teto ihany ny lohahevitra. Izy dia nanambara mihitsy hoe ndehana manao fitsapana ny ADN isika fa mitovy ny Jiosy sy ny Malagasy.
Tsy araka ny tantara izany no tiany hiaviana fa ara-tsiansa mihitsy hoe ahoana avy ny fifandraisan'ny olombelona samy taranany avy eto ambonin'ny tany.

39. andrywui
(
31/05/2013 06:51)
FA MANINN RA JIOSY NY GASY E? HAIKO ANIE E
satria n'y jiosy de voavonjy daholo izy ,taranaka voafidy ,israelin'À/tra de ra jiosy zany n'y gasy de miakatra daholo koa !!hihihihihi zany oe mety ireo be be faotana zany reo miady varotra be reo huhuhh!! Eny e jiosy n'y gasy ka !!!! Re-hihuhihu