Inona marina tokoa moa no atao hoe mino?

1. smileyah ( 09/04/2013 14:09)
Mipetraka ny fanontaniana eto satria dia toa maro ireo milaza hoe mino nefa ny teny hoe mino mihitsy no tsy hain'ny ankamaroan'ny olona ka mahatonga azy hiozongozona ary hivadibadika toa lela may.
Koa apetrako ny fanontaniana amintsika inona no atao hoe mino?
novalian'i toriteny ny 26/04/2013 03:24
2. Miharena ( 09/04/2013 14:37)
Misaotra anao manokatra lohahevitra entina mametraka tsaraizany finoana izany amin'ny laoniny.

Alohan'ny hamakianao ny valny apetrako dia avela aloha ny fieritreretana, na ny saina fa ny aim-panahy no ifantohana bebe kokoa.

Ny mino dia midika hoe misotro.Tsy amin'ny saina izany fa amin'ny fanahy ao anaty. Fahatsapana ny finoana fa tsy fieritreretana.
Heverina hoe indro ny zaza iray izay madio tsy misy tsiny ary manangona fahatsapàna isan-karazany. Ireo no mandraiftra ny finoany avy eo.

Ny olana rehefa samy manana ny toerana hitomboany avy ka mampitovy ary mahita fa mifanipaka izay inoany, ary samy miady ny hoe samy manana ny fahamarinana ny roa tonta, dia mikorontana ilay fiarahamonina. Ny fomba ialàna amin'izany dia avahana tsara ny eritreritra sy foto-pisainana eo anilan'ny fanahy izay malalaka sy madio. Ampanginina izany ny conscience rehefa hitaiza fanahy madio ny olona tsirairay ary mitoetra ao amin'ny fanahy. Io no iraisana amin'Andriamanitra Mpahary ka miteraka fampianarana mivantana avy AMINY amin'ny alalan'ny Fanahy Masina eo amin'ny sehata rehetra iainana. DIa miainga amin'izany avokoa ny famahana ny olana rehetra atrehan'ny mino marina.
3. smileyah ( 09/04/2013 14:48)
Miharena>> fa tsy sotroina daholo kosa aloha izay hita sy re rehetra e! Araka ny voalaza hoe fantaro ny zavatra rehetra ary hazony mafy izay tsara. Izany dia midika fanamafisana ny finoana fa tsy fivadibadihana handeha esty sy eroa. na hino an'izatsy na hino an'izaroa
4. Miharena ( 09/04/2013 14:54)
Izay indrindra, ny fifantenana ilay sotroina no tena raharaha. Ny olana manko dia tsy hitan'ny mpiady vaingan-kevitra ny marina raha tsy efa mihatra aminy.

Fa ny fampianarana ny momba ny rafitra ananany no hitako hoe tsara tokony hapetraka hatrany hahatapan'ny tsirairay fa ilay RAY tsy misy pentina no nipoirany avy.
5. moustaraf ( 09/04/2013 16:46)
SALAMA NAMANA,
Efa nitondra an'ity fanazavana ity teto ihany izahay efa ela izay ary nametraka io fanontaniana io!
1. Ny teny hoe "Mino" dia nolovain-tsika t@ ireo raybentsika Hebreo; ary mitovy ny dikany na amintsika Malagasy na @teny Hebreo, ary miverimberina imbetsaka mihitsy ao anatin'ny baiboly Hebreo tahaka ny @ teny malagasy:
Anakhnou ma'aminoun= mino izahay
2.ny dikany:
a.Mino= misotro/ Mino rano/ Minon-drano/ Fampinomana....
Ary io dikany voalohany io no hadinon'ny rehetra rehefa mamaky ny baiboly;
oh: Izay MINO sy atao batisa no vonjena= misotro aloha vao atao batisa, fa tsy araka ny ataon'ny maro hoe" batisa aloha vao afaka mandray"; eo dia mifamadika tanteraka ny rafitra rehetra !
Raha hivoaka an'i Egypta ny Israely dia, nihinana sy nisotro ny Paska =nandray ny mofo sy ny divay, vao namaky ny ranomasina mena = batisan'ny rano; sy ny andry afo sy rahona= batisan'ny fanahy!

Izay mandray ny Mpamonjy (mihinana sy misotro ny rany) no miara-maty aminy, miara-alevina aminy (ao @ batisan'ny rano), ary miara atsangana aminy!
Raha ny fandevenana no mandeha aloha (batisa), izay vao miara-maty aminy ????
ARA-baiboly ve izany???

MAHEREZA DAHOLO


6. RBNIR ( 09/04/2013 18:20)
Faly misera hatrany,
Ity no famaritana ny finoana raha araka ny baiboly,
« Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. » (Heb.11:1).
Finoana = fahatokiana ny zavatra antenaina + fanehoana ny zavatra tsy hita.

« Dia nitondra azy nivoaka teo ivelan'ny lay Izy ka nanao hoe: Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahisa azy ianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka izany ny taranakao. » (Gen.15:5)
« Ary nino an'i Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany. » (Gen.15:6)

Arak'io teny io dia i Abrahama no voalaza ho nanana ny finoana voalohany. Ary izay no nahatonga azy ho rain'ny mpino.

Finoan'i Abrahama : natoky izy fa ho maro tokoa ny taranany (ilay zavatra antenaina) na dia mbola tsy hitan'ny masony aza.

Ankehitriny, izay rehetra matoky fa hahazo fiainana mandrakizay (ilay fanantenana) na dia mbola tsy hitan'ny maso aza ka maneho izany fahatokiana izany @ fijoroana vavolombelon'i kristy mandrampialany eto an-tany (na inona na inona hanjo azy).

Samia ho tahin'ny Tompo daholo.

7. RBNIR ( 09/04/2013 18:27)
Fanampiny,
Ny olona tena manana ny finoana marina dia lazain'izao tontolo izao ho adala satria mitoky amin'ny zavatra tsy hita maso ary koa manantena zavatra tsy azo tsapain-tanana.
Mandà zavatra maro mahasoa ny ara-nofony (mandà ny tenany) ary hita ho mijaly (mitondra hazo fijaliana) eo imason'izao tontolo izao.
Izay tanteraka @ izany no afaka miarahaba tena fa efa manana ny finoana marina izy.
Samia ho tahin'ny Tompo daholo.
8. Miharena ( 09/04/2013 18:41)
Ilay famaritana notsoahina tao anaty Baiboly nomen'ny namana RBNIR no misy mivaona kely amin'y lohahevitra amiko satria tsy ilay famaritana ny teny fa fanomezana endrika hafa mihitsy ny teny hoe mino. Eto ilay izy dia lasa misy tantara fa tsy ilay teny amin'ny maha-teny azy. Mety mahalefy ny teny io fomba famaritana io satria tsy ilay vontoatiny intsony no mivoaka fa ilay tantara eo anilany. Rehefa tonga main'izany ny kristianina dia mila mandini-tena tsara satria mety hevitra indtay no heverina ho finoana fa tsy ilay mino intsony.

Asa aloha no fahitanao azy namana fa izay aloha no hitako sy ampahatsiahiviko mba tsy hivoana ny finoana isika e!
9. RBNIR ( 09/04/2013 18:51)
Mba hanampiana an-tsika izay havanana @ teny frantsay,

Or la foi est une ferme assurance des choses qu'on espère, une démonstration de celles qu'on ne voit pas (Heb.11:1).

Tsy miova mihitsy io heviny io na amin'ny teny anglisy aza.

Ny Tompo anie hanome fahazavana ho an'ny tsi11.

Samia ho tahin'ny Tompo e,
10. RBNIR ( 09/04/2013 18:59)
Namana Miharena,

Halaviriko @izay ny adihevitra tsy mitondra fandrosoana,

Hamafy sisa no handeha ataoko, ka ny hangatahiko @ Tompo dia mba ho latsaka any anaty tany lonaka ny teny.

Afaka mamoaka ny hevitrao malalaka ianao fa tsy misy bedy eto namana.

Samia ho tahin'ny Tompo e,
11. RBNIR ( 10/04/2013 04:41)
Faly miarahaba ny namana rehetra hatrany,

Araka iry famaritana ny finoana ery ambony ery,

Ny atao hoe mino dia olona matoky ny zavatra izay antenainy (fiainana mandrakizay) izany hoe matoky fa hahazo fiainana mandrakizay izy. Ary maneho @ ny olona an'Andriamanitra izay tsy hitan'izireo maso.

Samia ho tahin'ny Tompo daholo.
12. Nehemiah ( 10/04/2013 05:30)

moustaraf:

SALAMA NAMANA,
Efa nitondra an'ity fanazavana ity teto ihany izahay efa ela izay ary nametraka io fanontaniana io!
1. Ny teny hoe "Mino" dia nolovain-tsika t@ ireo raybentsika Hebreo; ary mitovy ny dikany na amintsika Malagasy na @teny Hebreo, ary miverimberina imbetsaka mihitsy ao anatin'ny baiboly Hebreo tahaka ny @ teny malagasy:
Anakhnou ma'aminoun= mino izahay
2.ny dikany:
a.Mino= misotro/ Mino rano/ Minon-drano/ Fampinomana....

Mahagaga tokoa ny lazainao satria rehefa mijery @ konkôrdansa ny dikan'ny hoe mino dia ity no fototeny :
0559 ‘amar (aw-mar’)

???

une racine primaire; TWOT - 118; v

LSG - dit 2247, parler, répondre, commander, appeler, promis ; 5307

1) dire, parler, prononcer
1a1) répondre, penser, commander, promettre, avoir l’intention de
1a2) être entendu, être appelé
1a2) se glorifier, agir fièrement
1a3) avouer
1b) (Niphal) être dit, être appelé
1c) (Hiphil) faire dire, faire promettre
1d) (Hithpaël) s’enorgueillir

Ka eto dia tsy ahitana resaka fisotroana mihitsy.
13. Nehemiah ( 10/04/2013 05:35)

moustaraf:

SALAMA NAMANA,
Efa nitondra an'ity fanazavana ity teto ihany izahay efa ela izay ary nametraka io fanontaniana io!
1. Ny teny hoe "Mino" dia nolovain-tsika t@ ireo raybentsika Hebreo; ary mitovy ny dikany na amintsika Malagasy na @teny Hebreo, ary miverimberina imbetsaka mihitsy ao anatin'ny baiboly Hebreo tahaka ny @ teny malagasy:
Anakhnou ma'aminoun= mino izahay
2.ny dikany:
a.Mino= misotro/ Mino rano/ Minon-drano/ Fampinomana....

Mahagaga tokoa ny lazainao satria rehefa mijery @ konkôrdansa ny dikan'ny hoe mino dia ity no fototeny :
0559 ‘amar (aw-mar’)

???

une racine primaire; TWOT - 118; v

LSG - dit 2247, parler, répondre, commander, appeler, promis ; 5307

1) dire, parler, prononcer
1a1) répondre, penser, commander, promettre, avoir l’intention de
1a2) être entendu, être appelé
1a2) se glorifier, agir fièrement
1a3) avouer
1b) (Niphal) être dit, être appelé
1c) (Hiphil) faire dire, faire promettre
1d) (Hithpaël) s’enorgueillir

Ka eto dia tsy ahitana resaka fisotroana mihitsy.
14. toriteny ( 10/04/2013 06:36)
Ny finoana tsy zavatra azavaina fa zavatra hiainana ary tsy ho takatrao mihitsy ny atao hoe finoana raha tsy niainanao ilay izy. Ahoana no hiainanao finoana? Tokana ihany: mandray Azy ho Tompo sy ho Mpamonjy ny fiainanao ianao.

Fa za mahita fa tena vitsy ny olona atao hoe mino marina dia ireo izay nandray an'i Jesosy Kristy ho Tompony sy ho mpamonjy eo amin'ny fiainany irery ihany, na dia feno foana aza ny fiangonana isan-kerinandro, na dia betsaka aza ny mitonona ho kristianina sy mahay tsianjery baiboly.

Averiko foana, betsaka amintsika ny mihevitra fa rehefa tsy tapaka mivavaka any am-piangonana sy ao an-trano, rehefa tsara fanahy sy amboariko ho tsara be tsisy tomika ny toetrako, rehefa vitako tsianjery ny baiboly, rehefa manao asa eo anivon'ny fiangonana sy eo amin'ny fiarahamonina dia hoy isiaka hoe mino aho, kristianina be aho. Fa tsy izany ny atao hoe kristianina, tsy izany ny atao hoe mino.

Raha tsy mbola nandray Azy ianao, misy famaritana ny atao hoe mino ato (indrindra ny parties 2 sy3)http://forum.serasera.org/forum/message/m50ec1cbc03d3a ; mamaritra ny atao hoe TENA mino, TENA kristianina

Ary ho antsika efa nandray Azy, ny finoana tsy vitan'ny hoe mandray an'i Jesosy Kristy dia efa voavonjy aho fa mila mitazona sy mampitombo finoana isiaka mandra-pihaviny.

Misy olona izay akaiky ahy tena mpanompon'Andriamanitra mahafatrampo, efa nandray ny
Tompo teo amin'ny fiainany efa ho 15 taona ary tena mafana fo be mihitsy: miasa tsy misasatra, mitory, mametra-tanana, mampahery. Tena hita mihitsy hoe ny Tompo no manjaka sy mitondra ny fiainany. Fa saingy nisy zavatra nahasolafaka azy tamin'ny 2 taona dia nisitaka tamin'ny Tompo izy. Dia tonga ny aretina izay tsy fantatra mihitsy hoe inona ny origine n'ilay aretina, natao ny analyse, ny bilan complet, scanner fa tsy hita mihitsy, izy miamarary sy reraka isan'andro. FA ny tena nampahonena ahy dia niova izy. LAsa miteny maloto, mataotra maizina tsy maintsy arehitra foana ny jiro na amin'ny alina aza. Ilay izy moa tonga dia fantatra be hoe nidiran'ny demonia izy vao nandà hisaraka tamin'Andriamanitra dia efa nanapa-kevitra ny fianakaviany hoe hoentina mody dia alefa any amin'ny toby hiasana fa saingy maty tampoka izy.

Dia sur aho fa tsy voavonjy izy satria tsy tao amin'ny Tompo izy no maty, na dia teo aza ny 15 taona naha mpanompo nahafatra-po azy, dia nihazakaza-poana izy. Ka izay no hitaritako ny saintsika efa mpanara-dia Azy, miambena foana fa tsy fantatsika ny fotoana ary tena tsy misangisangy amintsika efa olony ny devoly
15. didi10 ( 10/04/2013 06:52)

smileyah:

Mipetraka ny fanontaniana eto satria dia toa maro ireo milaza hoe mino nefa ny teny hoe mino mihitsy no tsy hain'ny ankamaroan'ny olona ka mahatonga azy hiozongozona ary hivadibadika toa lela may.
Koa apetrako ny fanontaniana amintsika inona no atao hoe mino?


Tsara ny Tompo

Faly miarahaba ny namana rehetra!

Tsy hiditra amin'ny définiton globale aho fa amin'ny maha-kristiana ahy no hamaliako ny fanontanianao.

Heb 11;1
Heb 11 : 1 - 39
Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.

Na dia sarotra ho an'ny sasany aza ny hanakatra izany "définition" voalazan'ny Baiboly izany dia mazava fa ny atao hoe mino dia mamoaka zavatra efa ao anaty, eo no maha-samihafa ny mahalala sy ny mino; satria ny fahalalana no mialoha no finoana, ny fahalalana dia zavatra ampidirina; mety amin'ny alalan'ny fampianarana, na famakiana ny Boky na ny Toriteny, ary maro ny mahalala saingy mitazona izany fahalalana izany ao anaty ary izay no heveriny fa finoana.

Ny finoana hoy aho dia zavatra avoaka, rehefa nampianarina ny olona ka nahalala dia mila avoaka ilay fahalalana mba hivadika finoana, aleo tohizintsika kely ilay Heb 11 teo:

Heb 11
- Finoana no nanateran'i Abela ho an'Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an'i Kaina
- Finoana no nanamboaran'i Noa sambo-fiara hamonjena ny ankohonany
- Finoana no naneken'i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin'izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany. 9 Finoana no nivahiniany tany amin'ny tany nolazain'ny teny fikasana.
- Finoana no nandaovany an'i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran'ny mpanjaka; fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy.
- Finoana no nitandremany ny Paska sy ny famafazana ny ra, ...

Raha tsy nanao ireo zavatra voatanisa ireo ireo olona ireo tsy azo nolazaina hoe mpino.

Koa isika Kristiana ankehitriny moa mino ve isika sa mahalala?

Ny vavaka no fanehoana ny finoana, ny ankamaroantsika dia mahalala an'Andriamanitra fa vitsy ny tena mivavaka Aminy, ny atao hoe mivavaka dia miresaka Aminy amin'ny fanahy sy fahamarinana fa tsy hoe manao amena fotsiny rehefa mivavaka ny mpitondra fiangonana. Ao anatin'ny vavaka dia tokony hisy fanandratana, fifonana, fangatahana, fisaorana, ary Jesosy efa niteny fa:

Matio 17;20
Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza hianareo ka hiteny amin'io tendrombohitra io hoe: Mifindrà ery, dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao.

Jaona 14;13

Ary na inona na inona angatahinareo amin'ny anarako dia ataoko izany.







16. smileyah ( 10/04/2013 07:59)
Voalohany indrindra aloha dia fantarina Iza no inoana? Eto dia Andriamanitra tokana Mpahary, Mpamonjy, Mpamelona.
Inona ary no inoana? Ny teniNy.
Ka rehefa mino dia mampihatra izay inoana. Manatanteraka ny voalazan'Andriamanitra.
17. Nehemiah ( 10/04/2013 08:03)
Ekena 100%, satria ny teniny no hany fanambaràna manokana ho an'ny olombelona.
18. toriteny ( 10/04/2013 08:41)

smileyah:

Voalohany indrindra aloha dia fantarina Iza no inoana? Eto dia Andriamanitra tokana Mpahary, Mpamonjy, Mpamelona.
Inona ary no inoana? Ny teniNy.
Ka rehefa mino dia mampihatra izay inoana. Manatanteraka ny voalazan'Andriamanitra.


Ny olana anie dia betsaka mba tsy ilazana hoe isiaka mianakavy angamba miteny daholo fa misy izany Andriamanitra izany ary mino fa NAhary izao tontolo izao Izy, be fitiavana sy namonjy izao tontolo izao Izy.
Betsaka ny mamaky ny baiboly sy manaiky fa marina ny voalaza ao fa tsy izany ny atao hoe mino.

MArina fa ny Teniny no mahatonga finoana araka ny voasoratra ao amin'ny Rom10:17: "Koa ny finoana dia avy amin'ny toriteny , ary ny toriteny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy."

fa saingy tsy ny famakiana ny Teniny no atao hoe mino ka izay mamaky baiboly hatramin'ny farany sy mahay tsianjery baiboly no atao hoe Mpino fa jereo fa mbola misy étape elanelany ao amin'io Rom io. Izy tsy niteny hoe Koa ny finoana dia avy amin'ny tenin'i Kristy fa avy amin'ny toriteny hoy izy.

Fa maninona no toriteny fa tsy tonga dia hoe Teny? Satria misy Fanahy miasa ao amin'ilay toriteny vao mino ianao ary ny Fanahy tsy tonga ao aminao raha tsy mino Azy ianao.

Tsy aiko raha azonao ny tiako ambara: tsy famakiana ny Tenin'Andriamanitra sy ny fahaizana tsianjery baiboly no maha Kristianina anao fa ilay Fanahy ao anatinao ary zavatra ianana ny maha kristianina
19. smileyah ( 10/04/2013 09:06)
Toriteny>> Ny teny toriana ve tenin'iza? Tenin'Andriamanitra.
Ny mampihatra ny tenin'Andriamanitra @ fiainana dia miaina izay voalazany.
Ny ahafahanao miaina izany dia nohon'ny fanananao ny FanahiNy.Fa tsy afaka hanatanteraka izany izay rehetra tsy eo ambany fahasoavany dia ny Fanahy izay irahiNy hampiaina ny olona hifanaraka @ sitrapoNy.
Ny fitiavanao hiaina izay inoanao no ahazoanao ny Fanahy mpankahery mba hanananao azy mandrakariva.
Noho izany ny fahasoavana dia omena maimaimpoana fa anjaran'ny olona tsirairay ny handray azy na tsia.
Ka ny olona mino dia hita taratra eo @ fiainany izany satria tsy mikatsaka afa tsy ny fanaovana ny sitrapon'andriamanitra izy.
Ary izay mihitsy ny anton'ity loha-hevitra ity. Satria ireo milaza fa manana fanomezam-pahasoavana hanasitrana dia milaza fa tsy ampy ny finoan'ilay olona matoa izy tsy sitrana.
Ianao koa eto milaza fa tsy azo atao hoe mpino ny olona miaina araka ny siyrapon'Andriamanitra.
Koa mba azavao misimisy kokoa ny hevitrao raha tsy mahadiso. Misaotra.
20. toriteny ( 10/04/2013 09:56)
Tsy azonao. NApetrakao ny fanontaniana. Hoy ianao: inona no atao hoe mino?
Dia namaly ianao hoe: Ny atao hoe mino dia:

voalohany indrindra aloha dia fantarina Iza no inoana? Eto dia Andriamanitra tokana Mpahary, Mpamonjy, Mpamelona.
Inona ary no inoana? Ny teniNy.

Fa tsy izany ny finoana fa Jesosy Kristy ao anatinao no atao hoe Mino sy maha kristianina anao. Raha tsy ao anatinao Izy, tsy mino ianao izay, tsy Azy ianao ka tsy tokony hitonon-tena ho kristianina

Raha misy mpivavaka 2 500 mivavaka amin'ny fiangonana iray. Mino aho fa 100 amin'ireo fotsiny no tena nampandroso an'i Jesosy eo amin'ny fiainany sy manana ny FAnahy ao aminy.

Ireo 100 ireo no tena atao hoe Kristianina. FA ny 2 400 ambiny, mamaky Tenin'Andriamanitra ihany isak'alahady na isan'andro, mivavaka ihany isak'alahady na isan'andro, mianatra sekoly alahady, ao anaty sampana ihany (miasa miantafika), midera an'Andriamanitra ihany, mety diakona sy loholona. Tsy ireo no maha kristianina anao ka hoe rehefa miditra fiangonana dia kristianina, rehefa ao anaty sampana miasa dia kristianina, rehefa mamaky ny Tenin'Andriamanitra dia kristianina fa ny fanananao Azy no maha kristianina anao.

Ary tsy hoe mivavaka aho dia manana ny FAnahy koa. FA betsaka ny mivavaka, betsaka ny mamaky baiboly isan'andro nefa tsisy Azy ny ao anatiny. Privilège ny maha kristianina fa tsy hoe manao an'izao sy izao za dia kristianina. Na hoe efa nianatra 10 taona ny baiboly aho dia kristianina. Misy pasitera izay eto akaikinay, mitandrina any ambanivohitra fa tena tsy hita taratra ao aminy sy eo amin'ny fiainany ny Tompo. Fa tsy hoe efa pasitera iny dia efa kristianina izay. Fahasoavana ny maha kristianina ary tsy ny rehetra mivavaka, mamaky baiboly no kristianina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0084