Inona marina tokoa moa no atao hoe mino?
41. Nehemiah
(
13/04/2013 08:47)
Te-hilalao an'izay ianao ?
Oh. 12:1 : "Izay tia fananarana no tia fahalalana; Fa izay mandà anatra dia biby"
My. 12:35 : "Ny rakitra tsara no amoahan’ ny olona tsara fanahy zavatra tsara; ary ny rakitra ratsy kosa no amoahan’ ny olona ratsy fanahy zavatra ratsy."

C. S. Lewis in "Mere Christianity":
If you say you're not conceited, you're very conceited indeed.
42. Miharena
(
13/04/2013 14:46)
Izao ataon'ny namana Nehemiah sy Sitlo izao angaha no tian'ny namana ho valim-panontaniana amin'ilay lohahevitra hoe inona marina tokoa moa no atao hoe mino?
43. Nehemiah
(
13/04/2013 14:57)
Raha ny fisainan'i Miharena no narahin'i Elia dia tsy mba nifanjevo t@ Jezebela izy.
44. Miharena
(
13/04/2013 15:06)
Ka tsy fisainana no resahana eto fa finoana. Inona no atao hoe mino? Dia faritana ny teny ary jerena na mety na tsia ilay famaritana.
45. Nehemiah
(
13/04/2013 15:18)
Andeha marina hifikitra @ lohahevitra isika. Inona no nitarika an'i Elia hifanjevo an'i Jezebela ?
Ny finoany ! Elia anie dia midika hoe "Andriamanitra no Andriamanitra" e !
Nitolona izy mba hiverina @ tena finoana an'Andriamanitra ny Israelita. Ary raha tsy nankasitrahan'Andriamanitra izy dia tsy mba nomeny hery anatanterahany fahagagàna tahaky ny tsy mamela ny orana hilatsaka @ Israely mandritry ny 3 taona mahery.
Raha mino tokoa isika dia hifanaraka @'izay ny fiainantsika ka hitolona ho an'izay heverintsika ho tsara. Misy foana moa ny diso fandray ny Baiboly, fa saingy misy toerana sasany izay tsy mila interprétations be dia be, tahaky ny hoe "satria matimaty ianao dia aloan'ny vavako".

46. Miharena
(
14/04/2013 03:18)
Eo izao ianao dia miresaka sahady hoe ny anaran'i Elia no finoany, ka raha entiny miady io anarany io dia handresy Andriamanitra.
Dia midika inona àry ilay mino lazainao satria eo ambany ianao dia efa milaza indray fa fifanarahan'ny fiainantsika hitolona ho an'izay heverintsika ho tsara.
Tsy misy vice de forme ve izany fanazavanao izany? Satria ianao ihany no miteny hoe ny Sitrapon'Andriamanitra=Baiboly ihany no arahana fa tsy izay heverintsika. Eto izao dia mifangaro indray ilay hoe hevitra sy ny finoana.
Farito tsara namana fa mbola mivoraka raha io fomba fitondranao hevitra miainga amin'i Elia io ilay atao hoe mino a! Famaritana tsotra anefa no tokony hipoitra eo raha mandray io ohatra io ianao.

48. Miharena
(
16/04/2013 03:24)
Aiza ilay rohy? Tsy aleo ve eto ihany no mametraka ny valiny? Satria matoa mipongatra ny fanamarihana isan-karazany toy izao dia hahafahana mikororoka tsara ny foto-kevi-dehibe tokony hivoitra isaky ny lohahevitra.
Ary ity iray ity dia isan'izay tokony hampiorina ny valinteny fa tsy sanatria ho very anjavony toy ny lohahevitra rehetra mipoitra eto satria nifamaly hevitra ny namana isanisany.
Ary ity iray ity dia isan'izay tokony hampiorina ny valinteny fa tsy sanatria ho very anjavony toy ny lohahevitra rehetra mipoitra eto satria nifamaly hevitra ny namana isanisany.
49. Nehemiah
(
16/04/2013 06:52)
Jereo tsara ny takila faha-2 @ dinika fa ao ilay izy. Ary izay koa no antony nametrahako rohy : mba tsy hotaritina lava be ny resaka.
50. toriteny
(
25/04/2013 02:59)
Miharena:
Fa ny momba ilay namanao indray kosa dia tsy mino aho hoe very izy raha tena mino.
Tena tsy nandova ny fiainana mandrakizay izy ka! Ahoana hoy ny 2tim2:11-12:"Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika , dia hiara-belona aminy koa. Raha miaritra isika , dia hiara-manjaka aminy ; raha mandà Azy isika , Izy kosa handa antsika". Sady tadidio ny tantaran'ireo virjiny adala é! NA dia efa virjiny aza izy ireo(efa voadio tamin'ny ràn'i Jesosy Kristy), na dia efa voafidy ny hiakatra ny lapa niaraka tamin'ny mpampakatra aza (efa nandray ny Tompo sy nofidiany tao anatin'ny maro hiaraka Aminy ho any amin'ny paradisa), rehefa lany ny solika fandrehitrao rehefa tonga ny mpampakatra dia ahoana hoy Jesosy ao amin'ny Mat25:11-13: "Ary rehefa afaka izany , dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe : Tompoko , tompoko , vohay izahay .Fa izy namaly hoe : Lazaiko aminareo marina tokoa : Tsy fantatro ianareo .Koa amin'izany miambena ianareo , fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora ."
Miharena:
Dia mananatra anao koa aho dieny izao satria famantarana no tadiavinao matoa mijery ireo sedra ianao. Raha vao ivelany ny finoanao dia izay no tadiavinao fa raha anaty kosa dia tsy famantarana no tadiavinao fa efa hitanao ilay Harena MIafina izay tsy azo tsoahina aminao intsony. Tsy misy maha-hiditra ao anatinao ao intsony nahanozongozona anao izany.
Fa maninona ny hoe mitady famantarana? Fa ny tokony ho izy ve izany raha ny hevitrao dia tokony tsy hiasa amin'ny fiainanao sy hiraharaha izay manjo anao Andriamanitra fa miady irery ianao? Dia ataonao ahoana ny Isa45:11?
Ny ahy indray tsy mitady vahaolana irery izany aho fa n'inon'inona mitranga amin'ny fiainako any Aminy foana aho no mitodika voalohany ary tena hampahafantariny ahy mihitsy fa Izy no hiady ho ahy fa izaho hangina
Sady inona no hijoroanao vaovlombelona raha tsy miasa eo amin'ny fiainanao mihitsy Andriamanitra? Hafa indray raha manao toy ny secte sasany hoe vola be, fahagagana, fanasitranana no hoentina hanjonoana olona hiditra ao amindry zareo sy tena katsahina fa tsy Jesosy no tadiaviny sy toriany. FA za anie efa manana an'i Jesosy Miharena é ary ny voninahitra ho Azy irery ihany fa tena tanteraka amiko mihitsy ilay hoe tsy Izaho intsony no velona fa Izy dia Izy no mi-dicter ny fiainako rehetra na ny ara-panahy na ny fiainako andavanandro. TSy irery izany mihitsy izaho eo amin'ny olako na eo amin'ny fifaliana fa eo foana Izy
Miharena:
Averina indray, tsy miady amin'ny eny ivelany isika fa izay angonintsika ihany no mandavo antsika sy mandoto antsika. Ka aza heverina ivelany ny Devoly fa isika no mitaiza azy io dia rehefa tsy tohitra dia heverintsika fa nisy namely isika. Io no hoe miambina : Madio anaty hatrany.
Efe6:12:"Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra , fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao , dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra [lanitra]."
51. toriteny
(
25/04/2013 05:02)
smileyah:
Toriteny>> Ny olona manao ny sitrapon'Andriamanitra ve tsy mino? Na ataoko @ endriny hafa indray, ny olona manao ny sitrapon'Andriamanitra vokatry ny finoany ve tsy manana ny Tompo ao aminy?
Tsy hitako ito valinteninao ito tamin'ny farany fa azafady. Tsy haiko loatra ny tena tianao hanontaniana fa angamba mikasika ilay resaka mino ihany.
Izao angamba no tena mampazava ny atao hoe mino é. Misy resaka kristianina sy Malagasy atsy ambadika atsy dia aleo izay no handraisantsika ohatra. Inona ny atao hoe MAlagasy? Tsy izay manana RAD gasy? Fa tsy ny fihinananao vary loatra, na ny fitenenanao teny gasy. Fa raha teran-tany Frantsay aza ianao ka mihinana vary na mahay miteny gasy tsisy accent, izany tsy midika hoe gasy ianao
Dia ohatran'izay ihany koa ny atao hoe olona mino, olona kristianina (ilay tena kristianina handova ny lanitra no resahiko eto). Nyfahaterahanao indray ao amin'i Kristy IRERY IHANY no tokony hitenenana anao hoe kristianina. Tsy ny famakianao sy ny fianaranao tsianjery baiboly no mahavonjy anao, tsy ny fankanesanao any am-piangonana, tsy ny fandohalihanao mivavaka, tsy ny asa soa fa IZy irery ihany no mahavonjy anao.
MArina fa amin'ny olona, raha raisina ilay ohatra teo dia na frantsay teraka teto Madagasikara na ireo vahiny nonina teto plus de 5 ans azo lazaina fa gasy avokoa fa amin'ny finoana 1 ihany ny lalana dia Jesosy Kristy
52. Miharena
(
25/04/2013 14:36)
Miharena
Averina indray, tsy miady amin'ny eny ivelany isika fa izay angonintsika ihany no mandavo antsika sy mandoto antsika. Ka aza heverina ivelany ny Devoly fa isika no mitaiza azy io dia rehefa tsy tohitra dia heverintsika fa nisy namely isika. Io no hoe miambina : Madio anaty hatrany.
Toriteny
Efe6:12:"Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra , fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao , dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra [lanitra]."
Faly miarahaba ny namana Toriteny indray,
Ity fanamarihanao ity no tiana havoitra kely, mba azontsika lazaina marina ve ilay atao hoe fanahy eny amin'ny rivotra? Ny fanahintsika moa, araka ny fahazoantsika azy aiza marina? Eny amin'y rivotra sa ao anatintsika? Ary iza no manana fahefana higorobaka ao anatin"io fanaintsika io?
53. toriteny
(
26/04/2013 03:24)
Miharena:
ilay atao hoe fanahy eny amin'ny rivotra? Ny fanahintsika moa, araka ny fahazoantsika azy aiza marina? Eny amin'y rivotra sa ao anatintsika? Ary iza no manana fahefana higorobaka ao anatin"io fanaintsika io?
Misy tsy azonao kely dia lasa mifangaro ilay izy.
Misy fanahy 3 miasa amin'ny tontolon'ny finoana:
1)Ny fanahintsika, ny maha antsika antsika dia ao anatintsika.
-Ao anatintsika io fanahy io
- Ary io no mampiavaka antsika amin'ny zavaboary hafa ka mbola hiverina amin'Andriamanitra io fanahy io rehefa maty isiaka (Mpit12:7). Izay no maha important antsika eo imason'Andriamanitra ka fifaliambe hatrany any an-danitra isaky ny misy fanahy iray voavonjy (Lio15:10) sy hitadiavan'i satana ny moyen rehetra tsy handovantsika ny lanitra
-Influençable be io fanahintsika io ary faible indrindra indrindra ka mora voatarika amin'ny zavatry ny nofo sy ny fahotan'izao fiainana izao.
-Tsy mahatohitra ny herin'i satana ny fanahintsika amin'izy faible izay satria satana fetsy sy mahery noho isiaka
-Maty daholo ny fanahintsika rehetra noho izany satria mpanota avokoa isiaka
2)Satana:
-Satana dia fanahy ary amin'ny maha fanahy azy izay dia eny amin'ny rivotra izy araka ny voasoratra ao amin'io Efe6:12 sy Efe 2:2
-Nazera tety an-trany satana rehefa nieboebo nitady haka ny toeran'Andriamanitra Eze28:12-19/Apo12:7-9
-HAninona ety an-tany? 1Pet5:8:"...fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany ;.
Ny hahafaty antsika no tanjon'i satana
3)Ny FAnahin'Andriamanitra
-angamba efa fantatsika hoe Iza Andriamanitra ary inona ny plan any.
-Fa ny tiako tsindrina eto fotsiny rehefa mandray ny Tompo ho Tompo sy ho Mpamonjy ny fiainantsika isiaka dia homeny ny FAnahiny mahery (2Tim1:7)izay tokana afaka handresy an'i Satana. Ary io Fanahy io no mi-dicter ni zavatra rehetra ataontsika fa tsy ilay fanahintsika osa sy malemy intsony ka mahatonga ny MAt10:20 hilaza hoe:"Fa tsy ianareo no miteny , fa ny Fanahin'ny Rainareo no miteny ao anatinareo ." Ka tena maty tsy manana pouvoir amin'ny fiainanao intsony ilay fanahinao fa ny an'i Kristy amin'izay no velona ao aminao ka hitenenan'ny PAoly ao amin'ny GAl2:20 hoe tsy izy intsony no velona fa Kristy no velona ao aminy
iza hoy ianao no manana fahefana higorobaka ao anatin'io fanaintsika io
Raha tsy mbola nandray ny Tompo ianao dia hanjakan'i satana tanteraka, tena an'i satana ianao ary satana no ao am-ponao
Efe2:1-2 : "Ary ianareo dia efa novelominy , fony mbola matin'ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo , izay nalehanareo fahiny , araka ny fomban'izao ontolo izao , araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin'ny rivotra , dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin'ny zanaky ny tsy fanarahana ;teo amin'ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin'ny filan'ny nofontsika , ka nanaovantsika ny danin'ny nofo sy ny saina ; ary araka ny toetratsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika"
Rehefa manana ny Tompo ianao dia tsy afaka miditra ao am-ponao intsony satana satria efa ny FAnahin'Andriamanitra no ao aminao saingy mbola mitady izay hamelezana anao ihany izy avy aty ivelany. Dia izay io Efe6:12. En fait izany ho an'ny efa Kristianina nandray ny Tompo io Efesianina io fa tsy natokana ho an'ny mbola olon'izao tontolo izao. Ary raha tohizanao ny famakiana ny Efe 6:13-19 dia misy armure omen'Andriamanitra tsy maintsy hoentina ao hiadiana amin'ny fanapahana eny amin'ny rivotra (izay tsy hain'ny olon'izao tontolo izao hoentina fa ny kristianina ihany)