Inona marina tokoa moa no atao hoe mino?

21. Maranatha ( 10/04/2013 10:44)

moustaraf:

2.ny dikany:
a.Mino= misotro/ Mino rano/ Minon-drano/ Fampinomana....
Ary io dikany voalohany io no hadinon'ny rehetra rehefa mamaky ny baiboly;
oh: Izay MINO sy atao batisa no vonjena= misotro aloha vao atao batisa, fa tsy araka ny ataon'ny maro hoe" batisa aloha vao afaka mandray"; eo dia mifamadika tanteraka ny rafitra rehetra !
Raha hivoaka an'i Egypta ny Israely dia, nihinana sy nisotro ny Paska =nandray ny mofo sy ny divay, vao namaky ny ranomasina mena = batisan'ny rano; sy ny andry afo sy rahona= batisan'ny fanahy!
Izay mandray ny Mpamonjy (mihinana sy misotro ny rany) no miara-maty aminy, miara-alevina aminy (ao @ batisan'ny rano), ary miara atsangana aminy!
Raha ny fandevenana no mandeha aloha (batisa), izay vao miara-maty aminy ????
ARA-baiboly ve izany???
MAHEREZA DAHOLO

Ohatry ny HS kely isika sy hianao eto fa tsy maninona.
Ity anao ity ohatry ny averimberin-tsika matetika. Batisa aloha vao mandray ny fanasan'ny Tompo sa mandray aloha vao atao batisa??

Eksed. 12:44 Ary ny andevolahin'ny olona rehetra izay novidim-bola dia hoforana aloha vao mba hihinana.
Eksed.12:48 Ary raha misy mivahiny eo aminao ka mba te-hitandrina ny Paskan'i Jehovah, dia aoka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany, ka ho tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo mihinana izany.
Raha io teny io aloha dia tsy maintsy foraina vao afaka mihinana.

Ny famorana amin'izao anefa tsy toy ny taloha fa hoy ity andininy ity hoe:
Kol 2:11 ary tao aminy koa no namorana anareo tamin'ny famorana tsy nataon-tanana, tamin'ny fanesorana ny tenan'ny nofo, dia tamin'ny famoran'i Kristy;12 fa niara-nilevina taminy ianareo tamin'ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny finoana ny asan'Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin'ny maty.

Ny batisa no famorana eto.

Raisiko amin'izay ilay lohahevitra hoe inona no atao hoe MINO:
Rom 10:17 Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy.
Ny atao hoe Mino (na Mpino) dia olona iray izay nahaheno torin-teny avy @ tenin'ny Kristy ka hiainany izay voalaza na dia tsy hitany aza ilay zavatra nolazaina azy sady hantenainy fa misy izany sady marina . Hebreo 11:1 Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.
Mahereza!
22. Nehemiah ( 10/04/2013 12:52)

smileyah:

Toriteny>> Ny teny toriana ve tenin'iza? Tenin'Andriamanitra.
Ny mampihatra ny tenin'Andriamanitra @ fiainana dia miaina izay voalazany.
Ny ahafahanao miaina izany dia nohon'ny fanananao ny FanahiNy.Fa tsy afaka hanatanteraka izany izay rehetra tsy eo ambany fahasoavany dia ny Fanahy izay irahiNy hampiaina ny olona hifanaraka @ sitrapoNy.
Ny fitiavanao hiaina izay inoanao no ahazoanao ny Fanahy mpankahery mba hanananao azy mandrakariva.
Noho izany ny fahasoavana dia omena maimaimpoana fa anjaran'ny olona tsirairay ny handray azy na tsia.
Ka ny olona mino dia hita taratra eo @ fiainany izany satria tsy mikatsaka afa tsy ny fanaovana ny sitrapon'andriamanitra izy.
Ary izay mihitsy ny anton'ity loha-hevitra ity. Satria ireo milaza fa manana fanomezam-pahasoavana hanasitrana dia milaza fa tsy ampy ny finoan'ilay olona matoa izy tsy sitrana.
Ianao koa eto milaza fa tsy azo atao hoe mpino ny olona miaina araka ny siyrapon'Andriamanitra.
Koa mba azavao misimisy kokoa ny hevitrao raha tsy mahadiso. Misaotra.

Ry Smileyah,

hitako ianao liana sy fatra-pitady ny valim-panontaniana tokoa ka omeko anao ity rohy ity, fa ao daholo ny valiny rehetra tadiavinao :
http://www.tektonics.org/whatis/whatfaith.html
23. sitlo ( 10/04/2013 17:57)
Teny gasy tsotra ny hoe mino nefa ny valiteny tonga dia manasisika resaka kristianisma avokoa.
24. Miharena ( 11/04/2013 03:54)
Marina ny fanamarihan'i Sitlo ary hamafisiko ilay izy eo amin'ny fanamarihana momba ilay olona nihazakazaka 15 taona nefa very voalazan'ny namana Toriteny.

Diso piste ilay ranamana matoa tsy nahatana finoana. Noheveriny fa ny manao sy miasa no atao hoe mino. Hany ka mora be tamin'ny demonia ny nanafoaka azy.

Ary mahita koa aho fa na isika mitanisa teny ao anaty Baiboly io aza dia mbola marivo ihany eo amin'y tena atao hoe finoana.

Izany aloha dia lazaina saria efa nihatra tamin'ny tena. Ny hanongotsongoana ny maty hono mba tsy handevenam-belona. NIhazakazaka namaky sy nanao adidy fa tsy afaka nampitombo finoana dia tsy mahazo aina fa poakaty ihany ny tena raha tsy efa nahazo anatra avy amin'ny Fanahy Masina hoe ny IRAY ao amin'ny Tompo ihany no izy. Ny sisa dia resaka avokoa sy concept tsy mahavonjy.

Ary tsy atao tantara izany hoe mandray famonjena izany fa dieny izao dia efa fantatra hoe miaina isika.

Ahoana no hamantarana hoe mitory teny tsara ny olona? Tsy mandrakitra tantara na mivalampatra amin'izany loatra fa manome izay toe-panahy enti-miaina azo tsoahina. Tsy avy amin'ny teny ihany fa indrindra avy amin'ny fahatsapana.

SInga roa ihany no jerena rehefa mitaiza olona na mitaiza tena : ny EGO izay sarotra fehezina ka ilaina anarina hampanginina sy ny Fanahy izay tena AINA ilaina ampiroboroboana. Rehefa mahay manavaka tsara ireo ny tsirairay dia tsy ho verin'ny anatra tsy misy varany. Mila manavaka tsara hoe inona marina io fanahy hovonjena io? Misy fahalalàna tsotra momba azy io ary rehefa mihasarotra ilay izy dia mazava fa fiolakolahana no iainan'ny olona fa tsy fahitsiana.
25. Nehemiah ( 11/04/2013 06:12)
I Smileyah no nametraka ny lohahevitra ary tsy nitaraina mihitsy koa inona indray ?

Izy anie kristiana e, raha mbola tsy nahatsikaritra ianareo.
26. smileyah ( 11/04/2013 07:13)
Mazava ho azy fa resaka finoana kristianina no resahiko eto. Satria manodidina an'io foana ny resaka ato @ serasera. Ary efa nisy valinteniko tany aloha nanome ny famaritako azy.
27. smileyah ( 11/04/2013 07:25)
Toriteny>> Ny olona manao ny sitrapon'Andriamanitra ve tsy mino? Na ataoko @ endriny hafa indray, ny olona manao ny sitrapon'Andriamanitra vokatry ny finoany ve tsy manana ny Tompo ao aminy?
28. sitlo ( 11/04/2013 09:38)
Sarotra be ve ny nanao azy hoe: "amin'ny kristianina, inona no atao hoe mino?"
Sa izay manketo amin'ny serasera dia tsy maintsy kristianina?
29. Nehemiah ( 11/04/2013 12:22)
Rehefa halanao i Kristy dia aza terena hankahala azy koa ny sasany, fa tsy ho an'i Mahomet na Vishnu na Confucius no namoizan'i Rasalama sy Rafaralahy Andriamazoto ary Rafaravavy Marie (ary tsy adino koa i Jacques Berthieu izay vazaha) ny ainy
30. sitlo ( 11/04/2013 17:26)
Nisy niteny moa angaha teo hoe mankahala an'i Kristy? Fa hoe kristianisma ihany angaha no finoana? Sa izay manketo dia tsy maintsy kristianina?
31. toriteny ( 12/04/2013 02:06)
Miharena> Tsy ny niasany na sanatria ny tsy fananany finoana no nampiverindalana azy tao amin'ny fanarahana ny Tompo fa ny tsy fiambenany.

Olona anisan'ny manam-pinoana be izany olona izany ary tena nanana ny Tompo teo amin'ny fiainany. Saingy ianao na vao androany no nanara dia ny Tompo na efa am-polo taona maro, na miasa na tsy miasa dia lasibatry ny devoly foana ary tadidio fa plus ianao mifikitra amin'ny Tompo, plus ianao mitondra olona ao amin'ny Tompo, plus ianao menace ho an'ny devoly ka ataony izay haminganana anao.

Fa ny devoly tsy hampahory ny olona matory tsy manana an'Andriamanitra izany fa vao maika aza tampatambaziny sy rotsirotsiany amin'ny vola be sy ny rendrarendran'izao tontolo izao ary ny filàn'ny nofo tsara mihitsy ireny mba hatory foana, tsy hifoha mihitsy. Fomba fitenin'ny pasitera iray izay ny hoe raha tsisy olana mihitsy ny fiainanao fa mizotra milamina foana dia miheritrereta ihany. Fa plus ianao mandroso ao amin'ny Tompo, plus ianao sedrainy, plus koa ianao anefa be mpanenjika

Ity misy fijoroana vavolombelona kely (tsy conte hampandrotsirotsiana akory ireny teneniko ireny fa fijoroana vavolombelona mba ho fananarana ho an'ny mino sy ho fanehoana ny halehibeazana sy ny voninahitr'Andriamanitra ho an'ny tsy mino).

Rehefa mivavaka Aminy aho dia tsy adinoko foana ny mangataka ny mba tsy hitondran'ny Tompo ahy any amin'ny fankam-panahy satria ny fankam-panahy dia avy amin'ny devoly ary ny handringana anao no tanjony. Dia amin'izay sur aho fa izay zavatra mitranga (olana ) rehetra eo amin'ny fiainako dia avy amin'Andriamanitra avokoa, ho fizahantoetra ahafahako mitombo sy mampitoetra finoana.

Ny fizahantoetra mantsy arakaraky ny finoanao ary tsy mampitondra ny tsy zakanao mihitsy io Andriamanitra io fa matoa nataony teo aminao io olana io dia tokony ho zakanao. Dia rehefa tonga ny olana eo amin'ny fiainako dia faly be foana aho. Nisy ihany olana 4 na 5 tena hoe goavana be tsy nahafaly ahy fa tena nampitomany mihitsy aza ary tena mahalavo raha tsy niaraka tamiko Izy, tena hoe nitolomako am-bavaka Taminy nefa nampandreseny ahy rehefa tsy nisaraka TAminy hatramin'ny farany aho.

Fa raha resaka olana andavan'andro: vola tsy misy na 0Ar aza tsy hananana, ankizy marary,... dia faly be foana aho rehefa miseho ireny olana ireny. Eo ihany ilay hoe mandroso sy voasedra ny finoanao rehefa tafavoaka an'ireny ianao fa ny mahafaly ahy indrindra indrindra dia amin'ireny no hitenenany ahy hoe misy Izy ary tsy miala amiko ihany koa rehefa mifikitra Aminy aho. FA misy tsy ampoizinao izany ny solution alefany sy ny olona ampiasainy hamonjeny anao ary misy aza dernière minute mihitsy Izy vao manome ny vahaolana dia mitsiky ho azy ianao hoe mahita hevitra sy solution tsy takatry ny saina mihitsy ilay Andriamanitra mba hampisehoany ny haleibeazany sy ny fisiany ary ny fitantanany ny fiainanao.

Ny tiako tenenina dia na iza na iza mpanaradia ny Tompo (eny na izaho aza, na ianao io aza) mety solafaka ohatran'io rahavaviko am-panahy io rehefa tsy miambina na 1 taona, na 10 taona, na 50 taona ianao no nanara-dia ny Tompo rehefa tsy miambina sy tsy mifikitra Aminy dia lavo foana. TAdidio mandrakariva ny teny ao amin'ny 1Pet5:8 manao hoe:"Mahonona tena , miambena : fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany ;" Tena mihaza ny devoly fa tsy hoe rehefa azony aho dia mody kakikakeriny fa rotridrotihany mihitsy ianao rehefa azony ary tsy hamelany raha tsy maty.

NY resaka miasa. MArina mihitsy ny anao hoe raha asa no hitadiavana famonjena fa tsisy finoana dia mora tafitohina, tsy tonga lavitra araka ny voalaza ao amin'ny Rom9:32: "Nahoana moa? Satria tsy tamin'ny finoana , fa toa tamin'ny asa , ka tafintohina tamin'ny vato mahatafintohina izy ;"
fa io rahavavy io tena nino, efa nampandroso ny Tompo teo amin'ny fiainany izy vao niasa. Ary ny asa no anisan'ny mampitombo finoana aingana indrindra. Hiasa no nanirahina antsika efa olony eo amin'izao tontolo izao fa tsy hipetrapetrapoana na sanatria hitazana fotsiny mandra-pihaviny.

Ahoana hoy ny Efe2:10:"Fa asany isika , voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara , izay namboarin'Andriamanitra rahateo , mba handehanantsika eo aminy."

Tsinotsinona sy maty ary tsy mahavonjy ny finoana fotsiny tsy arahin'asa:
JAk2:14: "Inona moa no soa azo , ry rahalahiko , raha misy milaza fa manam-pinoana izy , nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy?"
JAk2:17:"Ary mba toy izany koa ny finoana , raha tsy misy a[i]sa , dia maty mihitsy"
jak2:24:"Koa dia hitanareo fa hamarinina amin'ny asa ny olona , fa tsy amin'ny finoana ihany ."
32. Miharena ( 12/04/2013 03:56)
Marina ireo voalazanao ireo Toriteny.

Fa ny momba ilay namanao indray kosa dia tsy mino aho hoe very izy raha tena mino. Fa ny fandraiketany ny finoana no ataoko hoe nivily lalana satria tsy ao anaty niorimpaka fa nitady famantarana angamba izy.

Dia mananatra anao koa aho dieny izao satria famantarana no tadiavinao matoa mijery ireo sedra ianao. Raha vao ivelany ny finoanao dia izay no tadiavinao fa raha anaty kosa dia tsy famantarana no tadiavinao fa efa hitanao ilay Harena MIafina izay tsy azo tsoahina aminao intsony. Tsy misy maha-hiditra ao anatinao ao intsony nahanozongozona anao izany.

Averina indray, tsy miady amin'ny eny ivelany isika fa izay angonintsika ihany no mandavo antsika sy mandoto antsika. Ka aza heverina ivelany ny Devoly fa isika no mitaiza azy io dia rehefa tsy tohitra dia heverintsika fa nisy namely isika. Io no hoe miambina : Madio anaty hatrany.

Sendra nahatsiaro ilay tononkalon'i JJ Rabearivelo aho hoe ny fasako fasako ihany, fa ny foko dia fasana koa, io no fasako ivelan'ny tany, io no fasako iray faharoa.

Raha lalininao io teny io dia marina. Mila mandinitena izany.
33. Nehemiah ( 12/04/2013 05:45)

sitlo:

Nisy niteny moa angaha teo hoe mankahala an'i Kristy?

Aza mody fanina eo.

Asa. 9:4 : "Saoly, Saoly, nahoana hianao no manenjika Ahy?" fa tsy hoe nahoana ianao no manenjika ny mpanaraka Ahy. Rehefa mankahala ny kristiana ianao dia i Kristy no halanao. Rehefa maniratsira ny kristiana ianao dia i Kristy no tsiratsirainao.
34. bor2lais ( 12/04/2013 11:09)
Tandremo fa misy koa ny hoe "ny devoly koa mino ..." a ! :-)
35. Nehemiah ( 12/04/2013 12:31)
Lol. Ary izay koa no antony ampiasako ny fiteny hoe "mpandà an'Andriamanitra" toy izay "tsy mpino", satria, araky ny Rom. 1:20-22 :
"Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’ Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra [Na: Mba tsy hanan-kalahatra] ireo; fa na dia nahalala an’ Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an’ Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin’ ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto. Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala."

Tsy misy an'izany olona tena tsy mino an'Andriamanitra marina izany.
Na dia ny ankizy zapôney mbola tsy mahafantatra inona na inona momba ny resaka fivavahana aza, rehefa atoro azy ireo ny hatsaran'ny zavaboary ka anontaniana izy ireo hoe ahoana no nipoiran'ireo, inona no valiny omena ? Kamisama.

Ka ny tena olan'ny mpandà an'Andriamanitra tsy dia hoe tsy mety mino izy ireo, fa tsy mety miforitra ny lohaliny ny tena marina.
36. sitlo ( 12/04/2013 16:26)
Nehemiah:
sitlo:

Nisy niteny moa angaha teo hoe mankahala an'i Kristy?

Aza mody fanina eo.

Asa. 9:4 : "Saoly, Saoly, nahoana hianao no manenjika Ahy?" fa tsy hoe nahoana ianao no manenjika ny mpanaraka Ahy. Rehefa mankahala ny kristiana ianao dia i Kristy no halanao. Rehefa maniratsira ny kristiana ianao dia i Kristy no tsiratsirainao.

Mbola tsy teraka ato anatiko izany fankahalana izany. Izaho matsy tsy baikona hitia an'itsy sy hanalavitra an'izaroa. Ny tsara sy ny mendrika ihany no tanjona. Ka asakasakao amin'ity fitsaranao hoe mody fanina, mpankahala sy mpaniratsira. Soa fa tsy ianao irery no kristianina.

Fa na izany na tsy izany, tsy maintsy kristianina ve no manketo? Ary ny mino ve tsy maintsy ny finoana kristianina ihany?
37. Nehemiah ( 13/04/2013 05:29)

sitlo:

Mbola tsy teraka ato anatiko izany fankahalana izany. Izaho matsy tsy baikona hitia an'itsy sy hanalavitra an'izaroa. Ny tsara sy ny mendrika ihany no tanjona. Ka asakasakao amin'ity fitsaranao hoe mody fanina, mpankahala sy mpaniratsira. Soa fa tsy ianao irery no kristianina.

Mazoto ery ianao maniratsira ny sasany dia mbola sahinao ihany ny milaza fa "ny tsara sy ny mendrika ihany no tanjona ??? Asa ny fiantsoanao an'izany fa ny fiantsoako an'izany aloha dia fihatsarambelatsihy. Ary izany dia efa mampirodana an'izay rehetra lazainao momba "ny tsara sy ny mendrika", satria ny tsara sy ny mendrika araky ny fiheveranao ihany no ampiharinao, ary malefaka dia malefaka ho an'ny olona izay tsy manana fototra ho an'ny tsara sy ny mendrika ny fandraisany ny tsara sy ny mendrika, mazava loatra.
sitlo:
Fa na izany na tsy izany, tsy maintsy kristianina ve no manketo? Ary ny mino ve tsy maintsy ny finoana kristianina ihany?

F'angaha nisy nandrara olona tsy kristiana hanketo e ? Tena mihoampampana mihitsy izany fihatsarambelatsihy izany !!! Rehefa resaka manohitra ny finoana kristiana dia tsy maninona fa raha voa resaka finoana kristiana dia raikitra @'izay ny fifanjevoana !

Manao ny ataony dia avy eo gaga rehefa anaran'i Nilex !
38. sitlo ( 13/04/2013 08:26)
Ataoko angamba fa mazava eto hoe izaho no tanjona ifandirana fa tsy ny dinika loatra.
39. Nehemiah ( 13/04/2013 08:40)
Ary mbola tsy tonga tao an-tsainao ve fa raha mba tsy mialanalana ao anatin'ny eboebonao ianao ka maneho fanetren-tena sy fahamoram-po kely ianao dia tsy mba anaovan'olona an'izay ?
40. sitlo ( 13/04/2013 08:44)
Misy fanontaniana kely ery ambony: Nehemiah, Nehemiah, nahoana hianao no manenjika Ahy?

Ny fitsarana rehetra ataonao ahy dia asakasakao. Fa angamba tsy izay no dinika eto.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0079