Afaka aho Pasitera; mojoro vavolombelona i Andry Ex Prince de Satan

21. Nehemiah ( 03/04/2013 15:31)
Tsy izay anie no tiako tenenina. Ny finoana kristiana no tena mitondra soa ho an'ny fiaraha-monina ary ny fanariana azy no mitondra faisana ny fiaraha-monina.
22. sitlo ( 03/04/2013 15:45)
Maro ny korotana nentin'ny finoana kristianina. Ohatra akaiky io razoky io. Ho nisy ve io raha tsy nanao revingadra ny baiboly? Ny voany no itsarana ny hazo
23. felampaiso ( 03/04/2013 15:50)
fa maninona no miova ilay resaka eto satria resaka "andry" afaka no tam voalohany de lasa hitler bla bla indray ?
24. Nehemiah ( 04/04/2013 06:07)
Sitlo >> Ay ve ianao mihevitra fa kristiana i Hitler ? Raha ny tena marina dia diso izany, natao batemy tany @ katôlika izy (ary mahagaga fa tsy mba nasian'ny EKAR excommunication izy :/ ) fa saingy neveriny ho fotopisainana tsy maintsy fongorina ny finoana kristiana, satria mitarika ny olona @ fahosàna ka manjary very ny tombontsoa azo tao anatin'ny tapitrisa taona nivoarana. Ny tena tanjon-dralehilahy dia ny hahatonga ny Alemaina hifandraika @ darwinisme. Ka eo izany dia ny evôlisionisma (omban'ny eugénisme) no nitondra faisana t@ fiaraha-monina Eorôpeana iray manontolo.

Raha ny momba an'i Andry indray dia efa hita fa fôsika io !
25. sitlo ( 04/04/2013 12:26)
Raha mba misaina kely fotsiny ianao dia ho fantatrao fa tsy mihevitra an'i Hitler ho kristianina aho.
Fa fanambaniana no mahamaika anao ka tsy misaina alohan'ny miteny.
26. Nehemiah ( 04/04/2013 13:54)
Tonga indray i Sitlo malaky misondrotra. Toa asianao fifandraisana mantsy ny finoana kristiana sy Hitler dia nahitsiko izany.
27. andrywui ( 04/04/2013 13:59)
Sytlo efa zay mitsy izy nehemia à fa finalement izy milay ...
Bandy sarotra dohifana zay lery io fa mety ihany izy refa ela !! Huhuhohuhohu
28. hery ( 04/04/2013 16:59)

Mampiray Solofoniaina:
"Natao teo @ lapan'ny Fitsarana Anosy io maraina io ny "point de presse" nataon'i Dama ao @ tarika Mahaleo, mikasika ny resaka fisolokiana nataon'ilay hoe Andry milaza fa ho zanaky Dama izay nisy idiran'ny Fiangonana zandriny Vahao ny Oloko.

Raha ho tsiahivina kely dia io hoe Andry io ilay niteny hoe nampidirana devoly tany Madirovalo izay nataon'i Dama, izay nolazainy fa hoe rainy, ary izany rehetra izany dia noraisina an-tsary sy nasiana dika amin'ny teny frantsay ary nalefa tao YouTube.

Nanao fitoriana noho izzany i Dama sy ny Tarika Mahaleo satria manala baraka ny tarika sy ny tenany ary ny fianakaviany io horonan-tsary io izay efa naparitaka eto Antananarivo. Naiditra am-ponja tao Antanimora ilay hoe Andry sy ny cameraman ary pastera iray tao @ io fiangonana Zandriny io.

Araky ny filaizan'i Dama ihany koa mantsy dia efa misy tetika avo lenta mihintsy hanimbana azy sy tarika misy azy. Ary nampiany koa hoe: "Tokony ho saro-piaro isika fa ny tarika Mahaleo tsy anay intsony fa antsika Malagasy, efa vakoka Malagasy."

Araky izany tokony samy mandray andraikitra manoloana ny zava-misy isika rehetra. Na dia tsy ho an'i tarika fotsny aza satria efa nilaza ilay navanon-doza fa mihinana zaza kely, izany hono ny sakafony.

Aiza ho aiza ny fandraisana andraikitra manoloana izany avy @ manam-pahefana tandrify an'izany?

Mila maka andraikitra koa isika manoloana ireo mpaminany sandoka maro izay manararaotra ny Malagasy, sy ireo fiangonana maniry toy ny anana.

Mbola mitohy ny fitoriana, fa na migadra aza ireo olon-dratsy hoy Dama ihany dia eo foana ny takaitra navelany satria efa nolotoina ny anarana Mahaleo sy ny tarika.

MATOA MANAO AN'ITY SORATRA ITY NY TENANAY DIA TARIKA ANKAFIZINTSIKA REHETRA TSY ANKANAVAKA NY TARIKA MAHALEO, ARY TSY NOHO NY DEVOLY NO MAMPALAZA AZY FA IZAY FY AZONTSIKA IZAY! KA ZARAO ITY FA TSY EKENTSIKA HOSIMBAIN'IRETO TSY MATAHO-TODY NY VAKOKA MALAGASY.

HO ELA VELONA ANIE NY TARIKA MAHALEO SY NY VAKON-KIRANY".

http://www.facebook.com/mampiray.solofoniaina/posts/4047484845672

novalian'i hery ny 04/04/2013 16:57
29. Maranatha ( 05/04/2013 05:25)

hery:

Ny zava-mahagaga amin'ity resaka ity dia toa tsy ny tarika mahaleo ihany no voantonotonona fa anarana maro hafa koa misy mpanao politika misy mpitondra fivavahana misy ireo mpanankanto anefa maninona ireo olona ireo no tsy sahy mitory ihany koa???
Ny zavatra iray mahalasa saina ihany koa dia efa somary elaela ihany no nandeha iny resaka iny fa nahoana vao aty aoriana be aty vao mihiditra @ fitoriana ny tarika Mahaleo.
Ry zareo ao @ apokalipsy moa dia mazava ho azy fa tsy afaka manao na inona satria efa hita tao aminy aloha iny olona iny t@ alalan'ireo sary izay hitan-tsika teto.
Fa ry zareo ao @ vahao ny oloko no toa ohatry ny tsy mba manadihady akory sao mba olona mpikaraman'adin'ny Maihol entina handotoana ilay fiangonana ao aminy iny olona iny.
Raha ny fomba fihainoko mantsy ohatry ny olona mbola tsy tena mibebaka izany ilay olona. Fantatra @ fomba fiteniny ny olona mibebaka. Teny madio tsy harahana tenim-boto na tenin-jatovo ny tenin'olona mibebaka raha tena hiasan'ny fanahy masina ilay olona.
Zahao toetra ny fanahy na avy @ A/tra ireny na tsia???
30. Maranatha ( 05/04/2013 05:45)
Ny zavatra iray ihany koa dia angamba i Dama mihevitra fa mbola tsy misy test ADN eto M/car dia sahiny ny nilaza sy nitsipaka fa tsy zanany io. raha ny endrika ivelany aloha dia lasitra iray izy mianaka fa dia ho hita eo tokoa ny tohiny.
31. Nehemiah ( 05/04/2013 06:00)
Iza amintsika no mora ambakaina ka mino an'izany 2 taona dia efa nanala CEPE izany ? Iza ? Mba tiako ho fantatra !
32. andrywui ( 05/04/2013 07:27)

Nehemiah:

Iza amintsika no mora ambakaina ka mino an'izany 2 taona dia efa nanala CEPE izany ? Iza ? Mba tiako ho fantatra !

Eo ihany kou ilay endrika baphomet sy illuminati aminle clip n'y mahaleo ao ambany ao io ,tsy afaka amnio kou i mahaleo ...io kosa angamba tsy fijoroana vavolombelll fa hita maso ....mila mandefa saina lavitra ihany koa
33. hery ( 05/04/2013 07:30)
Fa nasehony ve ny diplaomany sa noteneniny fotsiny? :-)

Tsy mila finoana akory izany fa ny CEPE sns izany anie misy taratasy ara-panjakana daholo e.

Dia tokony ho nalaza be mihitsy raha ohatra ka fantatra hoe nisy zaza 2 taona nanala CEPE. Niseho tamin'ny vaovao radio sns mihitsy raha nisy an'izany.
34. Miharena ( 05/04/2013 12:12)
Rariny raha mipongatra ireo fanontaniana maro ireo amin'ny zavamisy ankehitriny.

Ny tena azo antoka anie dia tsy hoe ny hiran'ny tarika no misy kilemany fa ankafizintsika avokoa izay avoakany ary azo antoka fa tsara ny talenta ananan'ny tarika.

Ny olana lehibe eto amintsika dia misy ireo zava-mitranga maro izay mila fanadihadiana tsara satria efa hita taratra hatrany ny fialokalofana ambadika foto-pinoana isan-karazany hanaovana izay tsy mety na koa hahafahana mamboraka izay zava-misy mangeja isan-karazany. Ity faharoa moa no isan'ny manafaka kokoa ny vesatra izay tsapa matetika ary azo tarafina isaky ny misy zava-miseho eto amin'ny firenena. Anisan'izany ireny tranga fanonganam-panjakana ireny izay hita toy ny tafika andrefan-tanàna fa maromaro ny enjeux nifamahofaho tao.
Ny illuminati sy ny sisa dia manomboka miseho tsikelikely ny kilalaony.

Mila manana masompanahy misokatra tsara isika rehefa mandray izay voalaza rehetra.

Anisan'ny nanaitra ilay valin-tenin'ny namana Dama nilaza hoe : misy fanakorontanana goavana sy avo lenta miseho ary ny fiarovany tsotsotra ny momba ilay tranga Madirovalo. Ny tena azo antoka anefa raha tena zohina dia efa niorimpaka be ny fanenjehana ny finoana sy ny fomba Malagasy tamin'ny fidiran'ny Kristianisma teto. Manamarina ny fiarovana ny maha-Malagasy i Dama ary io no mety araraotin'ity namana mijoro ho vavolombelona ity.

Fa mampieritreritra tokoa aloha ilay resaka hoe avo lenta e!!! Tena hevitra ara-panahy be no ao ambadika ao no dikan'izany angamba??
35. mika344 ( 08/04/2013 17:16)
tena voarebireby isika malagasy, efa nolazaiko t@ lohahevitra iray iny hoe tsy zanak i dama velively io, dama koa no solon anaran ilay nitaiza azy!! bandy mifokafoka izay io ary tena diso avokoa izay noteneniny @ video, mpanakarena hono izy nefa mbola mangataka 500 ar ividianana kreny @ akama ihany!! mdr be
tsy mihinana olona zany io, tsy misy an izany hoe roa taona de afaka cepe zany!! omeo porofo ze mihizingizina fa marina izany!!
ary raha tena manan pouvoir iz de ef nivadika vitsika na voalavo de tafavoaka tao antanimora!! mahavariana fa sady zanak i dama izy no zanak olona ambony any @ video hafa!! enjana lery sy le pasitera ka!! aza de sodoka a@ le hoe manafaka e!! diniho sy eritrereto zay vao mino
36. mika344 ( 08/04/2013 17:17)

mika344:

tena voarebireby isika malagasy, efa nolazaiko t@ lohahevitra iray iny hoe tsy zanak i dama velively io, dama koa no solon anaran ilay nitaiza azy!! bandy mifokafoka izay io ary tena diso avokoa izay noteneniny @ video, mpanakarena hono izy nefa mbola mangataka 500 ar ividianana kredy @ akama ihany!! mdr be
tsy mihinana olona zany io, tsy misy an izany hoe roa taona de afaka cepe zany!! omeo porofo ze mihizingizina fa marina izany!!
ary raha tena manan pouvoir iz de ef nivadika vitsika na voalavo de tafavoaka tao antanimora!! mahavariana fa sady zanak i dama izy no zanak olona ambony any @ video hafa!! enjana lery sy le pasitera ka!! aza de sodoka a@ le hoe manafaka e!! diniho sy eritrereto zay vao mino
37. Miharena ( 08/04/2013 17:46)
Amin'ny nahalava be ilay horonampeo dia izay vao nahita izay raiketiny ary mahatalanjona ny zavatra tantarain'ity ranamana ity. Fa ny hany tena azoko antoka dia niainany ilay zava-drehetra noteneniny. Raha atao hoe tsy zanak'i Dama àry izy fa olona nifoka dia lasa nanana io toe-tsaina hanambara tena fa zanany, nefa kosa manome izay tena zava-nitranga taminy, dia ahoana moa hoy isika?

Azo atao tsara ny manamarina ny zava-nitranga teny Tsiafajavona ohatra, izay nitondran'i Mailhol azy sy ilay namany iray teny. Izaho manokana ohatra dia mahalala izany tsara satria ny guide an-dry zareo mihitsy no nanambara tamiko ny zava-nitranga.

Eo koa ireo karazana fihetsiketsehana famitapitahana izay aborany ao daholo. Mitovy amin'ny fitantaran'ny Afrikana izay niova fo io resaka resahany io ary mihatra eto Madagasikara indray fa tsy any Afrika.

Fa na izany na tsy izany, raha migadra izy izao dia mety ho azo antoka fa tsy maintsy hivoaka ihany ary hanome izay asa azony hatao hanonerana izay rehetra tsy nety nataony hatrizay. Indrindra moa fa raha ny Fanahy Masina no manery azy satria fahafahana no mahatery azy io. Ary izay fitadiavana mpanohana noho ny voninahitra ka isarangotan'ny filohamp-pirenena maro erantany amin'ny asan'ny maizina izay no tena anisan'ny tokony hositranina eto amintiska eto. Fa raha mbola izao mahazo antiska izao no mbola tsy mifoha amin'izany zava-misy izany dia tena isika no atao hoe tena marivo salosana, ka fitahana'ny vazaha satria ataony izay hisarahantsika vazana hanjakazakany amin'ny fanapepoana ny Malagasy sy ny tany andalampandrosoana.

38. mika344 ( 08/04/2013 18:00)
bandy mifoka môly io oa, ze manizingizina fa marina ary io de lazao anà no tena anarany e! ny toerana misy azy,ary nahita an le puce ve enao de nahita anaz ninana olona? za aloha mahita an azy nihina m bary soa aman tsara!! voavidy vola nedala satria matim bola be loatra!! efa hitako foana io!! iz zan sady zanak i dama no zanak olona ambony hafa ihany koa???( any @ horonan tsary hafa
39. andrywui ( 08/04/2013 18:07)

Alefaso oe le horontsary hafa manao oe zanakolona ambony hafa lery !! N'a n'y lien rah mba azo atao satri tokou de mitombona iany le resany amle clip mahaleo io Jereo fa baphomet s'y illuminati no tena msongadina à sady ra oe mamorona lery de tena mahay tantara be lery
40. mika344 ( 08/04/2013 18:30)
raha nanaraka atr@ voalohany io tantara io ianao de fantatrao izany na jereo gazety zoma sabotsy, tsy ho hitanao ao @ youtu zany mazava ho azy, olona ambony no resahana eto!!
ny momba an ilay clip n dama ndray tsy haiko satria tsy fantatro dama sy ny fiainany, izaho tsy miteny zavatra tsy ahitako porofo zany, fa ny hany lazaiko aminareo dia izao, natao io ankalazana ilay fiangonana hoe manafaka ilay "pasitera", bof azy zany fa ny mampalahelo dia le badny efa somary lasalasa sy voavidy vola nigadra!
ianao mihizingizina hoe marina iny tantara iny, mety mivavaka any ngamba ianao ka tsy hay izay nolazainy tany fa ny hita ko aloha dia lainga be, cicatrice t@ nao niady ve de lazaina fa nampidirana puce?? ary puce in?? de olona iza no noanin ialahy lesy, manala baraka ny akama nedala ary mahatsiaro menatra avokoa ny bandy @ zao!! fantatray ny vola azon lery t@ io documentaire io!
bof mino ianao tsara, tsy mino ianao anao izany fa famonjem panahy ity, aza sodokan izao antokom pivavahana rehetra izao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0642