Afaka aho Pasitera; mojoro vavolombelona i Andry Ex Prince de Satan

41. Miharena ( 08/04/2013 18:31)
Ny zavatra fantatro fotsiny dia misy ireo izay manao io voayage astral io na dia amin'y andavanandro be nanahary izao aza. Ohatra: raha mandeha eny andalana eny ry zalahy dia tsy fantatrao olon-tsotra mihitsy hoe efa tsy io vatany io intsony anie no mandeha eny fa efa any an-kafa izy manao ny ataony e! Ohatra iray: raha misy olona hitan'ny 3è oeil mikarapoka dia tsy hitan'ny olontsotra akory izany. Izay hitan'ny camera ohatra hoe misy olona mikivilavila hoatry ny bibilava dia hitan'ny mason-dry zalahy hoe io fa lasa bibilava fa tsy ilay olona vatany hitan'ny camera no tena hitany. Izany ohatra no notantarain'ilay namana tamin'ny fotoana nitrangan'ny filazany hoe niova voay izy. Ny masony fahatelo no maneho ny fiovany fa tsy io vatany io akory ary izay olona mpitonra fivavahana ka misokatra maso fahatelo io no manao ilay délivrance na ady an-trano (araka ny filazan'i Andry io);

Ny fisokafan'ny maso fahatelo dia efa nihatra tami'ny tena ka nahalalàna izany zavatra nafenin'ny hafa izany. Io no nataon'ny Malagasy hoe fihatsaram-belatsihy.

Ny hany ataoko hoe positif amin'ny toe-javatra mitranga amin'izao dia manomboka miseho daholo izay zava-mangeja ny Malagasy sy izao tontolo izao ary manomboka tsy azo fitahina intsony ny mino sy mifoha fa afaka miatrika tsara ny asa maizina rehetra ary mandresy izany.

Io dia ara-panahy fa tsy ara-nofo hoy aho indray mamerina.

42. mika344 ( 08/04/2013 18:47)
marina ny lazainao ary tena misy izany!!
fa ny mampihomehy dia ilay bandy tsy mpanao an'izany anie io bandy io e! nararaotina ve lery??
raha ny an i dama oa tsy fantatro fa raha le "andry" tsy manao izany!
vola avokoa no ao ambadik io zavatra io,
azon'ny rehetra atao anie ny manao temoignage otran io e! internet misy akana sopapa ze endrika illuminatis sy ny namany dia ampifandraisina @ zava-mitranga @ fiainan'olombelona dia izany io hitantsika io! asan'ny satana avokoa izany rehetra izany fa ny hafatra dia mivavaha @ ilay tena Marina fa tsy izay atao dokam-barotra rehetra izao de aleha avokoa! Ny marina no ampitaiko aminareo fa tsy tiako ny malagasy ho voafitaka sy vovidy vola toa izao!sahia mijoro @ marina ianareo izay mahalala rehetra fa masiaka ny satana @ zao!
sur à fa misy olona mahalala izao ary mety tezitra amiko! ny hany lazaiko dia izao! ny marina tsy mba maty!
mivavaha dia ho rava tsy ho ela ny asan'ny maizina
43. Miharena ( 08/04/2013 19:16)
Marina ny anao ny amin'ilay hoe mivavaha. Fa ny diso kosa dia hoe tsy io olona io no niharan'y zavatra notantarainy satria hita porofo mivaingana ny ampahany betsaka nolazainy (raha atao hoe tsy Dama ny rainy fa izy kosa mety nipetraha'ny fanahy ratsy). Tsy ilay pub no zava-dehibe fa ny fahalalantsika fa misy toe-javatra toy ny tantarainy eto ary aseho mba handresena izany toe-javatra mangeja izany.

Ny olana manko dia tsy mba henoin'ny olona ireny ataon'ny olona hoe adala ireny. Befa rehefa misy fijoroana momba ny manjo azy rehefa afaka izy dia eo no tokony hakana lesona fa tsy isika hendry intsony no manana fahamarinana rehefa miresaka izay manjo azy ary miresaka mazava be izany ny olona heverintsika fa tsy normal. Isika no mety tsy ampy fa izy mety feno kokoa amin'izay. DIa mandini-tena rehefa sendra ny toy izany.
44. mika344 ( 08/04/2013 19:27)
ny olona rehatra anie misy defaut avokoa e!! fa ity dia tena enjana be satria dia olons mipetraka tsara no kitihina, lazaiko aminao fa nomena zy iny zavatra iny ary vakiany tsara! karazana doka ho an ilay fiangonana sy ilay pasitera iny, misy devoly ve moa tsy hisy? diniho tsara fa eo @ nanomezana ilay "code" tsy avy any aminy fa avy @ ilay pasitera teo anilany, nangataka taratasy izy, nisy ramatoa tao aorina nilaza oe "ity misy" toa tsy norarahiana akory?? rehafa mijery documentaire otr ireny dia diniho tsara ny zavatra rehetra miseho! normal izy raha misy devoly satria dia miantso devoly!! iny anie bandy tsy naninona akory e! fifohana zava-mahadomelona no nahatonga an'izao rehetra izao ka araraotin'ny sasany!tsy tany madirovalo akory ela de milaza fa tany?cicatrice niady lazaina fa nampidirana puce? mandeha tongotra sy bus elà ko lazaina fa mana 4x4 bdb? manam bola elà ko mbola mitrosa 500 ar @ akama iantsoana ny ankizin la? zany rehatra izany porofo avy aty @nay! fa asakasak izay hino azy! mora ny miantso ny maizina! diniho ilay video fa nampifandraisina avokoa ny histoire, culture generale sy ny fiainan'i dama sy ny hirany!
45. Miharena ( 08/04/2013 20:14)
Ny ahy indray dia rehefa tonga mirediredy hoatr'ireny ny olona dia maneho ny zavatra mangeja ny ankabeazan'ny fanahin'ny Malagasy izany. Vakiana fotsiny anie ilay izy e! ary tsotra ilay olona miteny fa tsy mino izany hoe misy ambadika izany aho. Raha nahita ny nanaovana batisa an'ingahy io tao amin'ny Mailhol nareo dia hahita hoe misy zavatra tsy milamina nandritra iny fotoana iny.

Matoa mivoaka hoy aho dia misy zavatra tiana hifoha ao ary tsy misy aveala hangina intsony amin'izao fotoana izao. Efa vaky ambatolampy ny zava-miafina rehetra. Indrindra ny zava-panaon'ny mpitondra nifandimby teto hatramin'ny fanjanahantany.

Mitaraina ny tany e!

46. mika344 ( 08/04/2013 20:38)
mdr, efa tany amin'i mailhol mihitsy io no nanomboka!! niaraha-nahita iny, tsy idirako loatra satria ny ahy dia izao, raha tena mpivavaka marina sy manana an'A/tra i"PASITERA" Mailholtsy haka garde corps zany eo @ fiainana, (@ zao ary moa efa ôtran kôrtezy mits fa gyrophare sisa no tsy ananana) satria ny anjelin'ny Tompo dia miaro antsika mpanompony hatrany. Aty Ambohipo aho no mipetraka ary hitan'ny masoko izany mazava ho azy! aty rahateo moa ingahy pasitera no mipetraka ary taty koa no nahitako an'i "andry"nareo iny! tsy dia idirana lalina firy iny! zay oà, jerena fotsiny ny ambany maso dia mazava le resaka!bof (...) iny! ny hafatro dia izao! diniho tsara ilay film de alaivo ze anatra ary, fa na iny bandy ary dia efa niteny" ataovy eo @ lisany ny toerana raha omena ......millions lisany hanao an iny dia tsy hanaiky ve??" ampy izay fa natsipiko iny ho antsika rehatra sy andinihantsika hoe aza dia sodokan'ny endrika ivelany sy hoe: "hery, fahasoavana, harena,..." zany eo @ fiainana, vonjeo ny fanahinao, tsetsatsetra tsy aritra zao lazaiko zao fa mahavery finoana hoy ilay mpihira izay!
rehefa tafita fotsiny ny hafatra sy zavatra fantatro dia zay ny ahy, anjaranareo no mieritreritra! miorena tsara fa aza miova e! mivavaha ho azy ireo de basy!
io fihetsika io azony atao tsara!
47. mika344 ( 08/04/2013 20:43)
diniho avokoa ireny film ireny e! na izaho aza mijery hakana anatra! tany @ mailhol nedala de nampian'i mailhol indray on n devoly tao aminy, tany @ mailhol izy hafa no noteneniny!
izany dia efa ahitana fa fifanenjehana aloha
ao anatin iny film iny koa feno porofo, efa noteneniko teo aloha teo avokoa izany!
isika tsy tokony handray an tendrony fa manadihady aloha vao miroso!
mivavaha ho azy ireo e!
48. Miharena ( 09/04/2013 05:06)
Miombon-kevitra 100% amin'ny fivavahana ho azy ireo isika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0509