Afaka aho Pasitera; mojoro vavolombelona i Andry Ex Prince de Satan

1. mizara ( 30/03/2013 05:11)
novalian'i Miharena ny 09/04/2013 05:06
2. hery ( 30/03/2013 06:17)
Miverimberina foana ilay film :-)

Jereo eto http://forum.serasera.org/forum/message/m51388475db29d
3. hery ( 30/03/2013 06:17)
Jereo fa efa nandeha tato koa
http://forum.serasera.org/forum/message/m507be2e78d61b
4. andrywui ( 31/03/2013 00:09)
aaa ity mbola tsy nisy nahita fa ilay fijoroana nataon'i andry mbola tsy sitrana tsara le hitatsika tary alou e !! ity toa hafa mihitsy kou !!! mety taty aoriana be ity ka ....
5. mizara ( 31/03/2013 13:52)
Hafa mihitsy io Hery a!

Efa sitrana hono izy de nalazany daholo en détail ny akamany taloha, tonga de déballage be e!!!!!!!!!!!!!!!!!!

mila fotoana ny mihaino azy fa + de 2h30 be zao
6. karandoha ( 31/03/2013 20:16)
hiihihi pastera daholo zao rehetra zao tokony mopera lery nikozy teo dia henoina ihany le kozy
7. baregenaina ( 01/04/2013 21:45)
FANAMBARANA ; Voatazona vonjy maika ao am - ponja , any Antanimora ilay olona hatao hoe " ANDRY ' , mpisoloka efa fanta - daza , ary PASITERA roa lahy ( 2 ) avy ao @ sekta " voahay ny oloko " noho ny fitoriana nataony fianakaviany Dama - nay . Manohana tanteraka ary Dama Mahaleo izahay ary mangataka ny fitsarana hahita ny MARINA any io fanelezana TSAHO io .( Tantara mitohy ) COMMUNIQUE : Suite à la plainte de la Famille de notre frère Dama , un homme du nom de ANDRY et deux ( 2 ) pasteurs de la secte " Voahay ny oloko " ont été mise en détention provisoire dans la prison d ' Antanimora le Jeudi 28 Mars à 19 h 30 . Le groupe demande que JUSTICE SOIT FAITE sur cette affaire de RUMEUR
8. sitlo ( 01/04/2013 22:26)
Izaho nge gaga hoe olona mitono-tena mangala-jaza, mamono sy mihinana ve dia jerena fotsiny amin'izao?

Nefa na ny fanjakana aza moa nangalarina ka tsy notaritiko lavitra ny eritreritro.
9. andrywui ( 01/04/2013 23:12)
Alefaso kely ry beringerina le lien naitanao anzay fanambarana oe nigadra zay ry zalah pastera s'y le andry azafzdy ...!! Taiza naitanao anzay mba alefaso kely oe .....ok !! Miandry anao frère !! tic tac tic tac tic tac
10. andrywui ( 01/04/2013 23:13)
Artagnan azafady fa i barengenaina kay le izy ,,otran oe bodongerona zany
11. baregenaina ( 02/04/2013 06:07)
Ao amin ny page facebook Mahaleo Kaonty Feno
12. Miharena ( 03/04/2013 02:09)
Efa sangy mihoatra ny loha kosa raha toa ka fisolokiana no nandehandehanan'ilay olona nitady an'Andriamanitra sy hilaza ny tena fatotra nahazo azy.

Fa na izany na tsy izany dia mety ho lalana ihany koa raha ataontsika hoe gadra ireo pasitera sy Andry. Satria mety hiainga any am-pigadrana angamba no hisian'ny fifohazan-dehibe. Ny Pape aza manasa tongotry ny gadra. Ka sao dia misy ifandraisany ilay fifohazan'i Andry sy ny zava-mitranga eran'izao tontolo izao?

Nafenina ny hendry sy ny manan-tsaina tokoa ny fahasoavan'Andriamanitra an!
13. ialahy ( 03/04/2013 14:32)
Asa goavana be io a! isika mantsy mbola vitsy ny afaka manana na mahita "internet" dia tena manahirana io, raha le any ambanivohitra be reny hitondrana groupe de asina video mandeha de roboka daholo ary hino.
14. sitlo ( 03/04/2013 14:38)
Tahaka ireo malagasy fahiny nitondrana ny finoana kristianina dia nankana andevo.
15. Nehemiah ( 03/04/2013 14:51)
Sitlo >> Talohan'izany dia efa nandeha be ny fanandevozana ety Madagasikara. Ny sakalava aza dia nalaza ratsy tany Mozambique sy Comores t@ famaboana olona ho andevo (tsy hoe manavakavaka foko aho eto fa izay no zava-misy ara-tantara an, sao dia endrikendren'ny sasany eo).
16. sitlo ( 03/04/2013 15:00)
Mora aminao ny mitoraka bilao.
17. Nehemiah ( 03/04/2013 15:06)
Na izany na tsy izany marina ny zavatra lazaiko, sa ,
18. sitlo ( 03/04/2013 15:14)
Ny ahy no marina kokoa.

Araka ny voalazan'i ialahy io, mora ny mampiesona ny olona tsy mahalala. Tahaka ny ataonao izao. Ary efa hita fahizay izany. Ary mbola hitohy any aoriana.

Ny lasibatra voaloha dia ireo zaza izay tsy nahay tany ankibon-dreniny ka azo itantarana valamaty, sy inoy fotsiny ihany, tsy mila fanazavana.
19. Nehemiah ( 03/04/2013 15:22)
Resaka hafa mihitsy izany. Ary azo itaritana resaka lava be ny vokatry ny fiorenan'ny fiaraha-monina anankiray @ finoana kristiana eo andaniny, miaraka @ fandromboana ny demôkrasia sy ny siansa, ary ny vokatry ny fandavàna an'Andriamanitra eo ankilany, ohatra 1 ny 140 tapitrisa maty eo ambany ny fandidiana jadon'ireny Hitler sy Staline ary Mao, fa saingy manjary mivaona 1 km miala avy @ lohahevitra ny resaka.

Izao fotsiny no lazaiko : tsy hoe milaza ny tenany ho kristiana ny olona 1 dia manaraka ny fampianaran'i Kristy, ary tsy kristiana ny zavatra ataon'io bandy io satria mandika ny didy faha-9.
20. sitlo ( 03/04/2013 15:26)
Raha nanao ny tsy rariny izany Hitler sns dia tsy maninona koa raha nanao izany ny kristianina?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0535