Behemota
61. Miharena
(
23/03/2013 10:07)
...tsy mino ny Baiboly ho tenin'Andriamanitra ...
Tsy izay no izy fa ny hevitrao no tsy mitombina. Raha ataonao fa Tenin'Andriamanitra ny Baiboly dia tsy ny Baiboly no tokony hamarininao fa Andriamanitra miteny ao anatiny.
Raha ny marina anie dia tsy manana asa tokony hamamarinana Baiboly isika fa izay ambaran'Andriamanitra no ekena ao anatiny. Matoa misy mitsikera ny Baiboly dia satria mahita vanim-potoana tsy mifanandrify ny olona manao ilay fanadihadiana. Ary io no toherinao, nefa raha ianao no te-hanamarina ny Baiboly dia mitovy ihany amin'ny fanamarinan'olombelona no ataonao. Raha te-hanana hetaheta marina ny hanamarina izay voalaza ao dia mivavaka tsara mba hihaona amin'ny Tompo hanazava azy tsara, na irotsahan'ny Fanahy Masina.

62. Nehemiah
(
23/03/2013 12:54)
Dia rehefa ampidirina 2+2 ny masinina fikajiana ka mamoaka 4 izy dia tsy azo atokisana ve ilay masinina ?
63. Miharena
(
23/03/2013 15:05)
Ilay namorona ny machine no mahery noho ilay machine. Ary izay mampiasa ny machine dia matoky fa nahay ny namorona azy ary manontany fanazavàna tsara avy amin'ilay namorona azy raha toa ka tiany ny hahafantatra bebe kokoa momba ny namoronana ilay machine sy ny ao anatiny rehetra.
Izay koa ny Baiboly, nisy vanim-potoanany avy ny tantara ao ary mbola misy ny hafatra manamarina na mandiso ihany koa ny fomba famakian'ny mpampiasa azy.
Ilay fahazoana io dika mazava io dia izay nisehoana no afaka manambara izany amin'ny hitsiny amin'izao vanim-ptoana izao. Tsy hoe mitsipaka no dikan'izany fa mangataka fanazavàna, na ny arina kokoa, ampian'Andriamanitra ny fanazavàna ny sainr'ny olomblelona liana fahamarinana eo anatrehan'ny safoton-kevitra miha-mahazo vahana amin'ny fitanana ilay Baiboly tsy asiana fanampiny fa ampitenenina irery eo. Toy ny kimpantsona hoy i Paoly izay.

64. Nehemiah
(
25/03/2013 05:35)
Fa raha milaza mpamorona any Hewlett-Packard any fa tsy mila anampiana zavatra hafa ny masinina mba amoahany 2+2=4 dia tokony tsy maniasia antsika.
65. Miharena
(
25/03/2013 14:45)
Marina mihitsy ny anao hoe aza anampiana ilay masinina fa ny olana dia mahita hevitra tsy mifanandrify amin'ny Baiboly sy ny voasoratra ny karazana Kristianina be dia be mahatarika olona maro tsy mamaky tsara ilay Baiboly, indrindra fa ireo izay tsy nahazo fanazavàna avy amin'ny Tompon'ny Teny.
Anisan'ny mandinika lalina ny Tenin'Andriamanitra ao anaty Baiboly aho ohatra, ary rehefa mandre toriteny dia mahita mazava fa diso fitory ireo namana manao izay fitoriany satria tsy mifanaraka amin'izay fahazoako azy araka ny fahatsorany ilay izy fa lasa misy haingony be dia be. Ary tsy mahavaha olana anefa ireo haingony ireo. Izay mihitsy no atao hoe tsy manome ilay 2+2=4 fa lasa mivadika hoe i au carré = -1. Dia ekena fotsiny hoe aleo àry asiana io mba tsy hifandirana e! Ka asa hoe izay marimaritra izay ve no tiana hahatongavana ? Izany hoe manamarina ny Baiboly araka ny fiheveran'ny olombelona dia ekena daholo ny petra-kevitra rehetra mipoitra avy eo sa manaiky azy ho Tenin'Andriamanitra dia miezaka mitady AZY hanazava azy tsara vao mizara?
Ny ahy manko tsy ilay voalohany fa ilay faharoa no tena tiako ary mahafinaritra ahy ny manaraka izay mpanazava rehetra (na io iraka, na io Anjely, na io Kristy mihitsy, na io Andriamanitra mihitsy). Izay sandoka dia fantatra miharihary eny hatrany ary koa izay mpiondana fotsiny koa dia fantatra hatrany eny amin'y toriteniny eny hoe kipantsona mamerin-teny fa tsy mahadika izay lazaina.
Ny hahafantarana ny voa manko dia misy voa iraisana resy lahatra, dia izay efa voasedra toy ny volamena tafapetraka ts yazo hozongozonina intsony ao anatintsika rehetra ao. Ka izay teny mivoaka rehetra avy amin'ny tsirairay dia mandresy lahatra ny namana hafa avy eo.

66. Nehemiah
(
25/03/2013 14:58)
Dia tsy mba tonga ao an-tsainao ve fa raha misy i Andriamanitra dia misy i Satana ary tsy hihafihafy hamitaka ny olona tsy mahay mampiasa masinina izy ?
Ka raha mifanohitra @ Fanambaran'Andriamanitra Manokana ny hafatra izay azonao dia azonao antoka fa tsy avy @'ilay Andriamanitra Fahamarinana izany, ary izay no tsy mety reven'ny vavoninao hatrizao.

67. Miharena
(
25/03/2013 15:17)
Tsy ilay masinina ny olana fa ny fampianarana ny olona hahay hamantatra ny tenany ka tsy ho voafitaka rehefa mampiasa ilay masinina. Ny raharaha anie namana dia betsaka lavitra kokoa ny asa ratsin'ny olona mahafantampantatra ilay masinina ary mizara izany ho an'ny hafa noho ny tsy fahafantarany fa tsy tanteraka izy mampiasa azy io e!
Mila hay tanteraka vao zaraina no dikan'izay. Satria mitana ny toeran'ny mpampianatra izay mampita.

69. Miharena
(
25/03/2013 15:29)
Sao dia mahatsiaro voahozongozona ianao dia manao fanontaniana tsy mitombina intsony sady isika anie izao efa tsy ao anatin'ny lohadinika intsony e!
Dia miala tsiny amin'ny tenanao (EGO fa tsy ny fanahinao izay azoko antoka fa zanak'Andriamanitra noforonNy araka ny Endriny) aho fa mety nampisavorovoro io EGO tsy tonga lafatra io ihany. Aoka anie ny fanahinao ho tsapanao hoe tsy voahozongozona tamin'ny fifanjohina nataontsika teto.

70. Nehemiah
(
25/03/2013 15:30)
Izaho no nametraka ny lohahevitra ka anjaranao ny mamaly ahy fa tsy izaho no andeha hanaraka anao @ délire-nao
71. Miharena
(
26/03/2013 04:17)
Ka eo indrindra, ianao manao fa feno ny Baiboly ary efa voalaza ao ny Dinozoro entinao manaporofo fa anarivo taona no nisian'izao tontolo izao. Entina manohitra ny fiheverana ny antapitrisan-taona.
Dia azonao velabelarina hatramin'ny farany àry ve izany?