Behemota

41. Nehemiah ( 20/03/2013 06:16)
Fomba fijerinao manokana izay, fa ny finoana kristiana kosa dia mirakitra sy miorim-paka anaty tantara tsara, ary izay koa no mahatonga azy ho tsy finoanoam-poana velively. Sady tsy hitako mihitsy izay antony tokony hinoana Andriamanitra Tsitoha tsy nanao inona na inona @ tantaran'izao tontolo izao. Na dia ny déistes aza mba mino fa nahary ny lanitra sy ny tany izy.

Kanefa raha marina tokoa fa "ny fahafantarana hoe anarivony taona na antapitrisan-taona dia tsy azo heverina ho fahamarinaNY" araky ny filazanao dia nahoana ianao no mikiry @ tapitrisa taona tahak'izao ?
42. Miharena ( 20/03/2013 06:56)
Tsy azo ikirizana ilay fotoana namana fa maneho izay zavamisy fotsiny anie isika eto e!

Tsy izay anarivony na antapitrisany no maneho ny Herin'Andriamanitra miasa ankehitriny ary efa nolazaiko hatrany hoe zava-poana izany fahalalàna izany eo anatrehan'ny Herin'Andriamanitra miasa sy ampiasaintsika voariNY ankehitriny.
Tsy fomba fijery manokana ihany koa ny ambara etoana fa maro no efa manana fomba fijery izay aseho amin'izao adihevitra ataontsika izao.

Misy fotsiny fomba fijery izay hita fa tsy mahomby intsony izay mitarika tsy fahafahan'ny namana mitory sy mampahatsiahy ny olombelona ny maha-izy azy mifandray amin'Andriamanitra RAY.

Misy fomba fitory izay tsy mamoha ny olona hahatsiaro sy hahatsapa ny herin'Andriamanitra eo amin'ny fiainany. Izay no antony amelàna, na hampahatsiahivana fahadisoana amin'ireo adihevitra tsy manome vokatra tsara ho an'ny mpiara-mandallina ny momba ny Fanahy. Satria matoa misy ny hetaheta, dia te-hahalala ny momba azy ny olombelona ary mila rantsanana tsara izay tsy maha-izy azy ary aseho mazava izay nanaovan'ny Tsitoha azy tsirairay avy.

Izany hoe miompana kokoa amin'ny fandihnihan-tena izany ny resako eto fa tsy te-hiditra tantara velively aho, satria misy fitaizana maro ao anaty Baiboly milaza io fandinihan-tena io.
Adihevitra foana kosa ny famariparitana izay tranga miseho ivelany raha tsy fantatra ny fotony ao anatiny mampitranga izany.
43. Nehemiah ( 20/03/2013 07:15)
Raha manao syncrétisme manao vary @'anana finoana maro samihafa eran'izao tontolo angamba, fa ilaina ho an'ny kristiana kosa ny mahafantatra fa mirakitra anaty tantara tsara ny finoany.

Marina fa ny fo no taomin'ny Fanahy Masina voalohany izay voa manaraka ny saina, rehefa miova fo ho an'i Jesoa Kristy ny olona, kanefa @'izao fotoana izao dia tsy mila finoana an-jambany ny olona. Antsoina ho tia an'Andriamanitra @ fontsika, saintsika, fanahintsika sy herintsika antsika (Mt. 22:37, Mk. 12:30, Lk. 10:27.
44. Miharena ( 20/03/2013 08:00)

Raha manao syncrétisme manao vary @'anana finoana maro samihafa eran'izao tontolo angamba, fa ilaina ho an'ny kristiana kosa ny mahafantatra fa mirakitra anaty tantara tsara ny finoany.

Tsy misy resaka vary amin'anana ny fandalinana syncrétisma amiko. Ny mpino mijoro no afaka mamaky tsara izay nuance eo amin'ny finoana isan-karazany. Ary matoa misy karazam-pinoana dia misy hevitra tsy itovizana. Rehefa mahay ny andaniny sy ny ankilany mamantatra ilay hevitra tsy mampitovy dia miray ny finoan'ny roa tonta, na mifankahazo tsara izy.

Mila mihoatra ny Mpanora-dalàna sy ny Fariseo hoy i Jesoa. Rehefa manatanteraka io ianao dia hahay hamaky sy hanambara ny fahadisoam-piheverana amin'ny hafa. Esory ny andry eo anoloan'ny masonao,vao manala ny sombinkazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao.
Ny fitsaratsaram-poana no tsy mahatafita ny hafatra tian'ny Tompo hampitaina eto.
45. Nehemiah ( 20/03/2013 08:15)
Fitsaratsaram-poana ? Ny zava-misy no lazaiko @ fomba hentitra. Raha kristiana dia mino ny Baiboly ary manao an'io ho fahefàna faratampony. Fa raha misy tsy manao an'izay dia tsy tena azo atao hoe kristiana.

T@ oviana aho no nanery an'iza na iza hanaraka ny fampianarana ny Baiboly ? Fitaomana sy fisarihan-tsaina ary fananarana no nataoko hatrizay. Ka raha mbola tsy mety taomina ihany ianao dia ahitsako ny vovoka @ kapako ary tapitra hatreo ny resaka.
46. Miharena ( 20/03/2013 08:23)
Efa ambarako ihany namana hoe Tsy hoe tsy mety taominao anie aho namana fa ny fomba fanambarantsika ny finoana sy ny fitaomana ny hafa angamba no misy tsy itovizany kely e!

Io izao dia mazava be : hoy ianao hoe raha Krsitianina dia mino ny Baiboly ary manao an'io ho fahefana faratampony.... dia hoy aho hoe tsy ny Baiboly no fahefana fara-tampony fa Andriamanitra RAY ihany.

Dia tadiavina hatraiza hatraiza ny fahefaNY fa tsy voatery voasoratra ao anaty Baiboly fotsiny ihany.

Ka asa hoe Krsitianina ve aho sa tsia aminao?
47. Nehemiah ( 20/03/2013 13:02)
Ny tenin'Andriamanitra Ray, Zanaka sy Fanahy Masina no tokony ho fahefàna faratompon'ny kristiana. Ny Zanaka no nanamafy an'izay. Raha tsy manao an'izay dia tahaky ny mpanao karate tsy mahay kata. Ka averiko aminao ilay fanontaniana : mba mpanao karate ihany izany tsy mahay na dia ny kata n° 1 aza ?
48. Miharena ( 20/03/2013 16:08)
Averiko aminao ihany koa anefa ny Teny ao anaty Baiboly hoe : Ny Fihevitro tsy fihevitrareo.

Tsy afaka hilaza aminao aho hoe izay voalaza tazoninao ampahany ao anaty Baiboly no mahadika azy iray manontolo fa izay feno ambarany. Izany hoe mila mitady izay feno isika vao tokony hitory aloha ary rehefa mitory dia tsy maka ny anjara asan'Andriamanitra, afaka hitsara hoe Ranona tsy mpanao katà noho izany tsy karaté izy izany. Izay ilay hoe sektarisma lazaina anao sao dia tsy fantatrao.

Ny fahafahana no fahasoavana lehie indrindra ambaran'ny Baiboly ary raisina izany, dia tsy miditra amin'y fandriky ny fomba fitorianteny manavaka, satria manjary tsy mitory ny hoe HO IRAY ihany anie izy rehetra. Tsy atao amboletra koa satria izay fahalalàntsika mety tsy hahatakatra ny fahalalàn'ny hafa akory, ka mampanjary mampanota izay toetra izay.
49. Nehemiah ( 21/03/2013 06:26)
Angamba tsy navoakako tsara ny tiako tenenina fa ny tena marina dia izay mpianatra karate miseho azy ho manovaova ny kata arak'izay tiany dia tsy mba ankasitrahan'ny maître ka tsy hisondrotra ceinture mihitsy.

Ary ny mahagaga dia ny zavatra kianinao amiko mihitsy no ataonao : maka ampahany @ Baiboly fa tsy mijery azy feno. Efa nazavaiko aminao ny maha-zava-dehibe ny fitantaran'ny Baiboly hoe aman'arivo taona izao tontolo izao ka tsy iverenako. Ary zava-dehibe ho an'ny fireham-pinoana kristiana rehetra tsy an-kanavaka izany.

Satria raha nisy fijaliana sy aretina ary fahafatesana talohan'ny nanotan'i Adama sy Eva dia tsy misy io fahafahana resahanao io satria ampahan'izao tontolo izao noforonin'Andriamanitra ihany ireny zava-doza ireny. Sa fahafahana manahoana no tianao resahana ?
50. Miharena ( 21/03/2013 12:18)
Ilay fahafahana dia ny fahiratam-panahy miara-dia amin'ny Tompo. Tsy voafehin'ny soratra fa manome izay vokatry ny Fanahy. Tsy voafehin'ny tantara fa miaina araka an'Andriamanitra. Efa afaka milaza sahady fa manana ny Fiainana, dia fiainana be dia be. Mizara izany ho an'ny hafa amim-pahatsorana fa tsy asiana pitsopitsony.

Ilay resaka fijaliana no mila avahana tsara satria ny nofo sy ny saina no iantefan'izany. Fa ny fiainana ara-panahy no mahafoana azy. Izay no fototry ny fitaizan'i Kristy, ny finoana no maharesy izao rehetra izao. Tsy finoana soratra fa fiainana ny finoana. Tsy ny asa vitan'ny finoana fa ny finoana amin'ny maha-finoana azy. Izay fototra azontsika hianteherana dia ny maha-zanaka antsika arak'i Jesoa manambara izany.
51. Nehemiah ( 21/03/2013 12:55)
Misy tsy azonao kely ny teniko. Raha nisy talohan'i Adama ny fahafatesana sy aretina ary fijaliana dia nisy fahafatesana sy aretina ary fijaliana ny lohasahan'i Edena. Dia mba mifandraika @ tontolo tsara indrindra izany ?

Sady midika koa izany fa mbola hisy fahafatesana sy fijaliana ary aretina @ lanitra vaovao sy tany vaovao satria fiverenana @ toe-java-misy tany Edena (sady tsy afaka manota intsony ny olona) ny lanitra vaovao sy tany vaovao. Mety aminao ve izay perspective izay
52. Miharena ( 21/03/2013 16:32)
Tsy mty atao tantara intsony ny finoana rehefa tanteraka ka tsy afaka mamaly izay fannontanianao moba ny saha Edena aho aloha.

Faharoa, ny fahafatesana dia tsy misy.. Raha tsy izay no fahalalanao dia foana ny finoana ary tsy tokony hitory an'i Kristy akory isika.

Ny ampandotso ny namana amin'ny fiainana ara-nofo mihitsy anie ka miteny aminy hoe ho faty ianao no olana kehibe indrindra misy namana e! Izay nofo ilaozana no ampianarana antiska hoe aza mifikitra amin'io. Dia io anefa no ampianarina ny olona amin'ny hoe fahafatesana mampihorohoro.

Ny fanontaniana dia hoe ; inona no tiana hampihorohoroina? Ilay vatana tsapan'ny saina iasan'ny atidohantsika ve ? Sa ny fanahy izay iraisana amin'ny RAY iombonana? raha ity faharoa no resahana, azon'ny saina sy ny vatana atao ve ny manasaraka azy amin'ny Loharano nipoiran ka lasa izy mandeha maty ery na mijaly mandrakizay ary, na mampiaina vatana azo ampijaliana mandrakizay??

Misy zavatra kely foana izay fandoto lazain'i Jesoa eo amin'ny fampianarana ataon'ny olombelona fa mitandrema ihany ny saintsika an?
53. Miharena ( 21/03/2013 16:34)
Fanampiny kely, izay miaina ara-panahy ihany no mahavaka tsara ireo fahadisoam-piheverana ary tokony hizara ho an'ny namana.
54. Nehemiah ( 22/03/2013 05:30)
Ianao angaha mbola tsy namoy olon-tiana ? Tsy difotry ny alahelo ve ianao rehefa mamoy olon-tiana ? Raha difotry ny alahelo antsika @'ireny fotoana ireny dia midika izany fa zavatra tokony tsy hisy ny fahafatesana ! Ary lazain'ny tenin'Andriamanitra fa io no Fahavalo farany ho ringanina.
55. Miharena ( 22/03/2013 10:43)
Mahagaga namana fa ny fandraisako ny fampianarana ao anaty Baiboly hatramin'y voalohany indrindra fony kely dia nahatonga ahy tsy mba malahelo rehefa misy maty. Ary nahatonga ahy tsy nihevitra mihitsy hoe maty ny olona iray rehefa mandao ny nofony. Asa hoe inona tao no naharesy lahatra ahy ho amin"izany? Mety azonao avoitra ve?
56. Nehemiah ( 22/03/2013 12:33)
Zaranao izany, fa tsy voatery tahaka anao ny olombelona rehetra, ary izay no tiako ahatongavana.
57. Miharena ( 22/03/2013 15:20)
Nehemiah:

Zaranao izany, fa tsy voatery tahaka anao ny olombelona rehetra, ary izay no tiako ahatongavana


Eo indrindra isika namana, izay malemy noho izaho àry ve tsy azo ampaherezina omena toky?

Raha izaho manko no mampianatra dia omeko toky ny olona noho ny fikasan'Andriamanitra fa tsy manao izay hampalemy azy aho. Ny fahamarinana rehetra momba an'Andriamanitra manome fiainana be dia be no ambarako ary omeko azy tsara ny fanavahana izany hoe toetra malemy mitady hikiky ny tsirairay eto amin'ity tany fandalovan'ny nofo ity izany. Olona mahery sahy misedra na ny fahafatesan'ny nofo aza no atao hoe Kristianina Malagasy (azonao jerena amin'ny tantaran'ny Maritiora). Ataoko hoe Malagasy izy aloha eto satria tsy finoana Malagasy ny fahafatesana talohan'ny nidiran'ny Baiboly.

Ny Kristianina izany amiko dia olona mijoro, tsy manan-tahotra ary matoky ny Tompo amin'ny androm-piainany rehetra (tsy izao ihany fa mandrakizay).

Ny tsy izy indray dia izay mampiditra firehan-kevitra mandrava, mamingana ny namany, manala baraka, tsy mitady izay vontoatin"ny finoana, tsy manazava ny antony mapitrotrongy ny olombelona sy ny fomba mahitsy dia mahitsy nefa tsotra azo hanilihana izany toetra izany, ny manome hevitra manalavitra an'Andriamanitra amin'ny tenan'ny tsirairay. Raha vao mivoaka ny fiangonana avy nahazo tsodrano dia adino hoe iny anie ilay Andriamanitra miaraka amintsika mandrakariva. Ny manisy dikany hafa ny teny mazava hoe ; indro ny Tompo ao anatintsika. Ny mampiherikerika hoe aty no misy AZY fa tsy any sns...

58. Nehemiah ( 22/03/2013 15:29)
Ka izay mihitsy no ataoko, manome toky ny olona fa azony atokisana @ voalohany ka hatr@ farany ny Baiboly
59. Miharena ( 22/03/2013 16:18)
NY BAIBOLY VE SA ANDRIAMANITRA?
60. Nehemiah ( 23/03/2013 05:59)
Ianao efa niteny mazava fa tsy mino ny Baiboly ho tenin'Andriamanitra koa inona indray ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0077