Làlana sy fahasoavana
1. manir
(
06/03/2013 10:17)
1- Ny atao hoe "olona masina": Apok. 14:12
-mitandrina ny didin'A/tra
-mino an'i Jesosy (hitohy)
-mitandrina ny didin'A/tra
-mino an'i Jesosy (hitohy)
novalian'i Miharena ny 14/03/2013 01:22
2. RBNIR
(
06/03/2013 10:38)
Faly miarahaba,
Marina izany, dia ampiko ary hoamafisiko : « Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, ....... » (Apok.21:27)
Te ho Masina ka hotafiditra ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra ? TSOTRA : TANDREMO NY DIDY (mat.19:17) ARY MINOA AN I JESOSY (Asa.16:31).
Samia mahery dia samia ho tahin'ny Tompo

3. bor2lais
(
06/03/2013 10:45)
Dia ahoana indray anefa ity :
I Kor 1.
"1 Paoly, voantso ho Apostolin'i Jesosy Kristy noho ny sitrapon'Andriamanitra, ary Sostena rahalahy,2 mamangy ny fiangonan'Andriamanitra any Korinto, dia izay nohamasinina ao amin'i Kristy Jesosy, olona voantso sady masina, mbamin'izay rehetra miantso ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika eny amin'ny tany rehetra , dia azy sy antsika"
- nahatandrina ny didy ve ry zareo ireo ? :-)

4. RBNIR
(
06/03/2013 10:45)
Tohizako....
Hoy Jesosy Mat.5:20 « Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo. »
Ny fariseo sy ny mpanora-dalàna dia nitandrina ny didy. Tsy ampy izay hoy i Jesosy fa koa MILA MINO AZY isika (io no tsy nanan'ny fariseo sy ny mpanora-dalàna ny finoana an'i Jesosy).
Fanjakan'ny lanitra = Fianiana mandrikizay = FITANDREMANA NY DIDIN ANDRIAMANITRA + FINOANA AN I JESOSY.
Samia ho tahin'ny Tompo

5. Maranatha
(
06/03/2013 10:55)
manir:
1- Ny atao hoe "olona masina": Apok. 14:12
-mitandrina ny didin'A/tra
-mino an'i Jesosy (hitohy)
Fa eo no olana satria tsy azon'ny ankamaroan'ny mpisera ny atao hoe Didin'i Tsitoha.
Sy ny hoe atao ahoana ny tena Fino marina ny zanany. Raha ny hoe mino fotsiny dia ny fahatongavany (Ny Mpamonjy) ho nofo no raisin'ny rehetra. Finoana efa t@ 2000 taona lasa. Tsy hoe tsy tokony harahina, fa finoana afa tara be. Misy vanim-potoana ny fanarahana ny finoana. Ao @ efitra masina indrindra ny Tompo izao inona no finoana tokony hatao??. Izany no nahatonga ny Tompo nilaza ity teny ity. Matio 18:8 ... Kanefa, raha avy ny Zanak'olona, moa hahita finoana et? ambonin'ny tany va Izy?
6. RBNIR
(
06/03/2013 10:56)
bor2lais:
Dia ahoana indray anefa ity :
I Kor 1.
"1 Paoly, voantso ho Apostolin'i Jesosy Kristy noho ny sitrapon'Andriamanitra, ary Sostena rahalahy,2 mamangy ny fiangonan'Andriamanitra any Korinto, dia izay nohamasinina ao amin'i Kristy Jesosy, olona voantso sady masina, mbamin'izay rehetra miantso ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika eny amin'ny tany rehetra , dia azy sy antsika"
- nahatandrina ny didy ve ry zareo ireo ? :-)
Nisy Asan'Andriamanitra (fa tsy asan'ilay olona tsipihiko tsara) nahamasina ireo olona ireo dia ny hoe « Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana. » (Jao.17:17)
Ny tenin'Andriamanitra no fahamarinana nanamasina ireo olona ireo
Ambolen'Andriamanitra ao anaty io teniny io koa dia tanteraka tamin'izireo ireto teny fikasana tao amin'ny bokin'ny Ezekiela ireto :
« Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. » (Ezek.36:25)
« Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. » (Ezek.36:26)
« Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Ezek.36:27)
« Ary honina any amin'ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo, ka ho oloko ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo. » (Ezek.36:28)
« Ary hovonjeko ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra ianareo, ary hantsoiko sy hataoko vokatra ny vary, ary tsy hanaterako mosary intsony ianareo; » (Ezek.36:29)
Ny fahalotoana dia mifanohitra amin'ny fahamasinana ary ny tanjon'Andriamanitra dia "hahatonga antsika handeha araka ny lalàny sy hitandrina ny fitsipikany".
Samia ho tahin'ny Tompo namana
7. bor2lais
(
06/03/2013 11:14)
RBNIR > tsy azonao angamba ny tiako ambara !
Andeha hananatra azy ireo (Korintiana) i Paoly noho ny fitondran-tena tsy mendrika nataon'izy ireo (tsy manaja ny didy raha izay no tianao :-) ) ! Nefa alohan'ny fananarana ho ataony dia efa ambarany fa efa nohamasinina ao amin'ny Tompo izy ireo ary efa olona voantso sy masina !
Izay no tiako lazaina etsy ambony ! ;-)

8. RBNIR
(
06/03/2013 11:33)

Azoko tsara ka, fa ny nahatonga an'i paoly nilaza azy ireo hoe "nohamasinana" no nazavaiko tery ambony,
Nohamasinana = nohamasinina tamin'ny fahamarinana = nohamasinina tamin'ny tenin'Andriamantira.
Samia ho tahin'ny Tompo e
9. manir
(
06/03/2013 11:53)
Isaorana anieA/tra,
eo@and-faha 4dia
"ilaina ny fahasoav'A/tra"satria:
-tsymisymarina Job 25:4
-Rom.3:20
=>Rom 7:24
eo@and-faha 4dia
"ilaina ny fahasoav'A/tra"satria:
-tsymisymarina Job 25:4
-Rom.3:20
=>Rom 7:24
10. manir
(
06/03/2013 12:00)
Olo-mahantra isika ka mila ny fahasoavan'A/tra satria izany no mampianatra antsika handa ny fiainam-pahotana...
11. manir
(
06/03/2013 12:10)
...aryhivelona araka ny sitrapon'A/tra (Mika 6:8)
=>RAIS0nyfahasoavan'Atra izay natolony fatsara dia iJesosy izany,amen

12. bor2lais
(
06/03/2013 13:31)
RBNIR > toa resaky ny "moana sy marenina" ny antsika izany a ! :-)
Raha ny nolazain'i Paoly dia tsy "condition" (araka ny lazainao ery ambony ery) maha-masina ny fanarahana ny didy satria tsy naharaka izany ireto Korintiana ireto (nefa mbola nolazainy ihany fa masina izy ireo) ! :-)
Izany eo ihany fa tsy azoko ny tanjon'ilay lohateny : ialana tsiny amin'ny mpanokatra sao dia tsy natao hanaovana ady hevitra tahaka izao ilay izy ! :-)

13. RBNIR
(
06/03/2013 14:14)
bor2lais:
Raha ny nolazain'i Paoly dia tsy "condition" (araka ny lazainao ery ambony ery) maha-masina ny fanarahana ny didy satria tsy naharaka izany ireto Korintiana ireto (nefa mbola nolazainy ihany fa masina izy ireo) ! :-)
I bor2lais ngeh no milaza fa tsy naharaka izany ireo korintiana ireo e, satria izay no fihevitr'i bor2lais ary izay koa no fihevitry ny ankamaroan'ny olona amin'izao fotoana izao,
Saingy ny tena marina ho an'ireo efa olona izay voalaza fa nohamasinina ery ambony kosa dia tsy iza fa ireo izay efa mitoetra ao amin'i kristy "kristy no velona" ao aminy fa tsy ny tenany intsony dia tanteraka ao aminy ireto teny ireto :
« Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra* ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy. » (1 Jao.3:5)
« Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy. » (1 Jao.3:6)
« Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy. » (1 Jao.3:7)
Ny atao hoe manota dia mandika ny lalàn'Andriamanitra (vakio ny and faha 4 amin'io I jaona io)
Ilay andiny faha 6 dia azo adika toy izao : Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy mandika ny lalàn'Andriamanitra; izay rehetra mandika ny lalàn'Andriamanitra dia tsy nahita na nahalala Azy. »
Izay ilay izy namana, ary amin'ny fahasoavana no ahafahana manantanteraka ireo satria ilay tena vaovao (tsy mahay manao ratsy) NO FAHASOAVANA fa tsy avy amin'ny ezaka akory (io no tokony angatahina andro aman'alina fa tsy harena).
Raha azoko tsara dia izay ihany koa no tena tian'ny mpanolotra ampitaina. ILAY FAHASOAVANA DIA TSY INONA FA Ilay TENA VAOVAO IZAY TSY INONA FA NY TENAN'I KRISTY (tsy mahay manota fa mpankato ny didin'Andriamanitra sady MINO IZAY NIRAHINY).
Ary araka izany dia tsy mifanohitra ny lalàna sy ny fahasoavana fa (Mat.5:17) ilay fahasoavana dia nomena mba hahafahan'ilay olona nomena azy hahatanteraka ny lalàn'Andriamanitra.
Samia ho tahin'ny Tompo namana,
14. bor2lais
(
06/03/2013 14:51)
RBNIR:
I bor2lais ngeh no milaza fa tsy naharaka izany ireo korintiana ireo e, satria izay no fihevitr'i bor2lais ary izay koa no fihevitry ny ankamaroan'ny olona amin'izao fotoana izao
Izay tokoa angamba e ! ;-)
Nataoko ity fa nisy resaka fifampandaniana (donky tsy fifankatiavana) na resaka fijangajanga ange tao amin'izy ireo (dia nojeren'ireo fotsiny) e ! :-)
15. Miharena
(
06/03/2013 16:34)
Marina ilay hoe Fahasoavana = Tenan'i Kristy resahan'ny namana RBNIR,
Fa ny olana amin'ny sasany dia ny mampifanaraka ilay hoe Didin'Andriamanitra sy i Kristy.
Rehefa mandray ilay voalohany izy dia mahita ireo FOLO isa. Ao amin'ny faharoa izy dia mahitra ilay ROA isa. Dia mivadibadika eo daholo ny mpiady hevitra sy mpiaro izay azy avy ary misy ny manao hoe : tsy avy amin'Andriamanitra ny an'i Jesoa satria tsy ampy ary izay manaraka azy io dia holevonin'i Jehovah. Ny ady hevitra malaza indrindra dia teo amin'ny Mpanora-dalàna sy Jesoa ary mbola hitantsika eto amin'ny serasera io aza ny akon'izany aidhevitra efa nifanaovan'izy ireo izany. Mbola mahita be dia be aho eto mitana ilay fomba fijerin'ny Mpanora-dalàna ary tsy mety hitany mihitsy hoe izay anie ny fomba fijeriny rehefa mitory eto izy e!
Tsy hita ilay fomba fijerin'i Kristy avy eo.
Fa izany eo ihany fa ilay lohahevitra mihitsy no be fandrika, toy ny nanaovan'ny Fariseo ilay resaka fandoavan-ketra amin'i Kaisara mba hiampangana an'i Jesoa. Ka sao isika manolotra lohahevitra tratran'io fandrika io koa! efa misy hevitra kononkononina any dia sokafana fotsiny ilay lohahevitra mba hanamavoana izay fantatry ny namana. Ny olana be eto dia misy fakam-panahy avelatra eo amin'ny rehetra mba hanarahan'ny rehetra izay lazaina.
Fa soa ihany fa misy aloha ny dinika toy izao mba hahazoana mamahavaha ny vary sy ny tsiparifary e!
Izay aloha ny amin'iny fa raha izaho no anontaniana momba io resaka io dia tsy misy afa-tsy iray no didy dia ny " Fitiavana tsy misy fepetra". Ny mihoatra an'izay dia mampiroaroa saina.

16. RBNIR
(
07/03/2013 05:40)
Faly miarahaba ny namana rehetra,
Ho fitiniko ny anjarakao,
ILAY FAHASOAVANA (izay tsy inona fa OLONA VAOVAO nasolo ilay olona teo taloha) dia nomena mba hahafahan'ilay olona nomena azy hahatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra (lalàn'Andriamanitra).
Tsy mahay manota io olona vaovao io (tsy mahay mandika ny lalàn'Andriamanitra satria ny ota = fandikana ny lalàna I jao.3:4).
Noho izany dia tokony ho hita taratra ao amin'ilay olona voavonjy ny fahatanterahan'ny lalàn'Andriamanitra rehetra eo amin'ny fiainany.
Izay ihany koa no nahatonga an'i Jesosy niteny ilay teny ao @ Mat.5:17.
Ny fahasoavana araka izany tsy mandrava ny lalàna ary nohamafisin'ny apostoly paoly fa : « Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika. » (Rom.3:31)
Tsy ampy ahafahana miditra ny fanjakan'ny lanitra anefa ny mitandrina lalàna fotsiny (toy ny nataon'ireo mpanora-dalàna sy ny fariseo Mat.5:20)
Fa tsy maintsy ao ihany koa ny FINOANA AN I JESOSY (io no tsy nananan'ireo fariseo sy mpanoradalana ireo) Asa.16:31
Ny olona nahatanteraka azy 2 ireo (mitandrina ny didy + mitana ny finoana an'i Jesosy) no voasokajy araka ny baiboly ho OLONA MASINA (Apok.14:12)
Ireo olona ireo ihany koa no afaka hanana fanantenana fa hiditra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra noho ity teny ity : « Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, ...... » (Apok. 21:27)
Mahereza daholo ry namana isany, MIDIRA AMIN NY VAVAHADY ETY ,
AZA MATAHOTRA, MINOA FOTSINY IHANY
« Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako. » (Matio 11:30)
MARINA IO TENIN I JESOSY IO FA IZAHO VAVOLOMBELON IZANY,
MANEKE FOTSINY HANAO NY SITRAPONY NA INONA NA INONA DIA IZY NO HANANTANTERAKA IZANY AMIN-TSIKA REHETRA (IZAY ILAY HOE MANOLOTENA HO AN'I JESOSY).
Samia ho tahin'i Jesosy daholo

17. didi10
(
07/03/2013 10:36)
Ota = fandikana ny lalàna (Jao I 3;4) = ny tsy fahamarinana rehetra (Jao I 5;17)
Inona no tokony atao raha te ho afaka amin'ny ota?
1- Mankato ny lalàna
2- Miditra amin'ny fahamarinana
Inona no tanjona?
- Ny fahatanterahana tahaka ny Ray any an-danitra (Matio 5;48)
- Tsy mahay manota, tsy mpanota, tsy manota.
Inona no valisoa
Fanjakan'ny fahasoavana ho fiainana mandrakizay:
Romana 5;21
21 mba ho tahaka ny nanjakan'ny ota tao amin'ny fahafatesana no hanjakan'ny fahasoavana kosa amin'ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
Romana 6,14
14 Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin'ny lalàna hianareo, fa ambanin'ny fahasoavana.
TSY MISY OLONA AFAKA MILAZA FA AMBANY FAHASOAVANA RAHA MBOLA MANDIKA LALANA SY TSY MANANA NY FAHAMARINANA

18. bor2lais
(
07/03/2013 12:22)
Ary misy olona afaka milaza ve fa tsy mandika lalàna sy/na manana ny fahamarinana ? :-)
19. didi10
(
07/03/2013 12:41)
Araho ny lalàna dia mizora amin'ny fahamarinana dia ho hitanao eo fa Andriamanitra ihany no afaka hitsara.
20. Miharena
(
07/03/2013 16:35)
Araka ny hevitrareo ve izany Didi10 dia miverina amin'ny didy (sasantsasany) raiketin'ny Testamenta Taloha foana vao afaka mahazo antoka fa marina?