Làlana sy fahasoavana
21. RBNIR
(
08/03/2013 05:31)
bor2lais:
Ary misy olona afaka milaza ve fa tsy mandika lalàna sy/na manana ny fahamarinana ? :-)
Faly miarahaba namana,
Ny finoana sy ny fahatokiana an'Andriamanitra no tokony atao Be dia Be namana,
«......... fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto. » (Lio.3:8)
Mino v ianao fa Andriamanitra mahay managana zanak'Andriamanitra avy amin'ny alalan'ny vato tsy misy aina tsy misy fanahy, tsy misy saina????
Ka raha vato aza hainy no manova azy ho lasa zanak'Andriamanitra maika v fa izay olona efa nofidiny sady tiany?????
P.S : ny fiovana ao anaty dia sarotra porofoina fa anao sy Andriamanitra izany saingy rehefa mandroso ianao ka mihazakazaka dia tsapanao fa misy dia misy tokoa ilay fiovana ary tsapanao fa nahazo tokoa ianao ary ny afarany dia afaka hiteny toa an'i paoly ianao hoe "Efa nahavita ny hazakazako aho".
Aza mihazakazaka anjambany, fa misy tanjona hotratrarina ao dia NY FANJAKAN NY LANITRA (« Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, ety! na ery ! fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo.» (Lio.17:21)
Izay manana maso aoka hahita, izay manantsaina aoka hisaina
Samia ho tahin'ny Tompo e,
22. Miharena
(
08/03/2013 08:05)
Aza mihazakazaka anjambany, fa misy tanjona hotratrarina ao dia NY FANJAKAN NY LANITRA (« Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, ety! na ery ! fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo.» (Lio.17:21)
Ity namana no mba hany teny mazava azo arahana tsara ho an'ny mino sy mikatsaka ny Fanjakan'Andriamanitra. Rehefa afaka amin'ny fierikerehana dai mahazo be dia be satria madio be ny ao anaty, dia ilay fanjakan'Andriamanitra amin'ny maha-Tempolin'Andriamanitra ny tsirairay.
Rehefa te-hanontany ireny resaka lalàna sy fahasoavana ireny dia maka izay lalana mazava voasoritra ho an'ny olombelona ao amin'ny bokim-pinoana (Tsy ny Baiboly ihany fa ao koa ny Coran, ny Evangile de Boudha sy ny sisa).
Hahita isika fa misy fahaarinana tiana asongadina lehibe amin'ireny boky ireny.
Raha mamaky Baiboly ohatra, dia misy boky telo karazana ao : Ny TT, ny Evanjely ary ny Asa fitoriana. mifamatotra hatrany ireo: izay hita ao amin'ny TT dia hita ao amin'ny Evanjely ny fanamafisana azy ary hita taratra ao amin'ny asa fitoriana. Dia rehefa mahazo soratra hafa ny namana Silamo, dia misy fanazavana be dia be koa ao momba ny lalam-pamonjena sy ny Fahasoavana. Eo koa, rehefa mamaky ny Boky hafa rehetra.
Fa ny fahamarinana dia iray ihany rehefa tena zohina dia ny Fanjakan'Andriamanitra ao anatin'ny olombleona.
23. bor2lais
(
08/03/2013 08:37)
RBNIR > fanontaniana tsotra no napetrako izay valiana (raha te-hamaly) ENY na TSIA fa tsy ahodinkodina akory !
Ianao ve efa nahita Kristiana tsy manana finoana sy fahatokiana an'Andriamanitra ? Izany tsy misakana ny mety ahalavo azy, saingy ny tombony dia mahafantatra sy mahatoky izy fa misy afaka manarina hatrany ! :-)
Ka averiko aminao indray ny fanontaniana : misy olona sahy milaza ve fa tsy mandika lalàna ? :-)
Tandremo sao mamita-tena a ! ;-)

24. RBNIR
(
08/03/2013 09:06)
Tadidio :
« Fa èty ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy. » (Mat.7:14)
Ho antsika mihevitena fa efa tonga ao amin'ilay fanjakana, tena tamin'ilay varavarana ety ve no nidiranao? ary natsapa ny fahateren'ilay lalana nandehananao marina ve ianao??
Aza mamita-tena hoy ny naman-tsika bor2lais.
Samia ho tahin'ny Tompo e

25. bor2lais
(
08/03/2013 09:18)
Inona re no tsara e ! Manana ny fifaliaNY sy ny fiadanaNY ao am-po sa ny mitaintain-dava ("sao dia ... sao dia ...") lava e ! :-)
Amiko dia tsy mifanalavitra amin'io ilay resaka miaina eo ambany fahasoavana sy ny ambanin'ny lalàna a ! :-)
Fomba fijeriko ihany anefa io ! :-)
Amiko dia tsy mifanalavitra amin'io ilay resaka miaina eo ambany fahasoavana sy ny ambanin'ny lalàna a ! :-)
Fomba fijeriko ihany anefa io ! :-)
26. RBNIR
(
08/03/2013 09:21)
bor2lais:
Ka averiko aminao indray ny fanontaniana : misy olona sahy milaza ve fa tsy mandika lalàna ? :-)
Misy namana,
inty ohatra iray :
« Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. » (1 Jao 3:4)
Mandika lalàna = manota
« Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy. » (1 Jao.3:6)
« Izay rehetra naterak'Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naretak'Andriamanitra. » (1 Jao.3:9)
Matoa izy niteny ireo dia satria tsy tanteraka taminy ireo teny ireo.
Io ilay tanjona na fanjakan'ny lanitra (HITOETRA AO AMINY KA HO LASA TSY MAHAY MANOTA NA MANDIKA LALANA INTSONY).
FA ETY NY VAVAHADY ary TERY NY LALANA ......
MAHEREZA E, ny Tompo anie hitahy an-tsika rehetra mba ho tody soamatsara any daholo.
Samia ho tahin'ny Tompo e,
28. bor2lais
(
08/03/2013 09:48)
RBNIR > tsy mandà velively aho fa tsy tanteraka tamiNY ireo, fa ny fanontaniako mba valiana raha te-hamaly ianao : ankoatra ny Tompo Jesoa, misy olona (hafa) sahy milaza ve fa tsy mandika ny didy mihitsy ? :-)
29. RBNIR
(
08/03/2013 09:50)
bor2lais:
Inona re no tsara e ! Manana ny fifaliaNY sy ny fiadanaNY ao am-po sa ny mitaintain-dava ("sao dia ... sao dia ...") lava e ! :-)
Foana, ny sao dia... sao dia rehefa tonga any ianao: « Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, » (Gal.5:22)
Fa averiko ihany aza mamitatena, Efa niditra t@ ilay vavahady ety v ianao? ary efa nandeha t@ ilay làlana tery????
Raha tena nandeha tamin'ireo ianao dia tokony sahy hiteny otran'ny apostoly Jaona ka tsy hatahotra ny hilaza hoe izay mitoetra ao aminy tsy mahay manota (azo adika hoe izay mitoetra ao aminy tsy mahay mandika lalàna (lalàn'Andriamanitra no resahina eto namana).
Samia ho tahin'ny Tompo namana
30. bor2lais
(
08/03/2013 09:59)
RBNIR > resaka fiainana ilay finoana ange io anaovako sarin-teny io e ! :-)
Raha ny amiko aza manahy ianao, fa ahy sy Izy ihany izay ! ;-)
Mikasika ilay vavahady ety : efa nisy resaka nifanaovantsika teto amin'ity sehatra ity nilazako fa toa bahananao anie ilay fidirana mankao amin'ilay vavahady e ! :-)

31. RBNIR
(
08/03/2013 10:05)
bor2lais:
Mikasika ilay vavahady ety : efa nisy resaka nifanaovantsika teto amin'ity sehatra ity nilazako fa toa bahananao anie ilay fidirana mankao amin'ilay vavahady e ! :-)
Tadidiko tsara iny resaka iny, ary tsy mibahana aho fa mamporisika toy ny nataon'i Jesosy hoe,
« Miseseha hiditra amin'ny varavarana ety ianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka. » (Lio.13:24).
Tsy hamitaka olona mihitsy aho namana fa rehefa izay no marina dia izay no lazaiko.
Raha tena vonona hikatsaka marina ilay fanjakana ilay olona dia ho tsapany fa Mora ny Zioga ary Maivana ilay entana.
Samia ho tahin'ny Tompo
32. RBNIR
(
08/03/2013 10:07)
bor2lais:
RBNIR > tsy mandà velively aho fa tsy tanteraka tamiNY ireo, fa ny fanontaniako mba valiana raha te-hamaly ianao : ankoatra ny Tompo Jesoa, misy olona (hafa) sahy milaza ve fa tsy mandika ny didy mihitsy ? :-)
Tsy azonao no tiako ho lazaina, ny apostoly jaona no niteny an'ireo fa tsy i Jesosy Tompo,
Vakio hatramin'ny voalohany, ary matoa izy niteny ireo dia fantany tsara ny tiany ambara
33. RBNIR
(
08/03/2013 10:31)
Ry namana malala isany,
Mianara mitia ny làlana izay nosoritan'Andriamanitra ho an-tsika (Apprenez à aimer le chemin que notre Seigneur nous a tracé).
Rehefa tianao ny zavatra iray, na sarotra na mora, dia ho vita foana io ary ho lehibe ny fifalianao rehefa tonga amin'ilay tanjona ianao.
Fadio ny mihezaka manamboaboatra ny tenin'Andriamanitra fa rehefa izay no tadiaviny dia ekeo (IZY NO MPANJAKAN NY MPANJAKA ARY TOMPON NY TOMPO).
Tiavo satria ny Sitrapony no TSARA, ny mifanohitra amin'izay koa dia RATSY avokoa.
Mahereza daholo,
Samia ho tahin'ny Tompo daholo,

35. RBNIR
(
08/03/2013 19:52)
Miharena:
Mba azonao hazavaina tsara ve ilay vavahady ety namana RBNIR?
Dia mbola faly misera aminao namana,
Rehefa miasa Andriamanitra namana, dia manazava ny saintsika izy ary mampahafantatra antsika ny Sitrapony (izay ilay mandondona eo ambaravarana ny Tompo).
Apetrany manoloana fanapakevitra goavana tsy maintsy ho raisina ny tsirairay .
Sarotra ny manaiky ny sitrapon'Andriamanitra (vavahady ety) nefa ny faneken'ilay olona hanao iny sitrapony iny dia midika fa niditra tamin'ilay vavahady izy.
Tsy ampy anefa izay fa hoy ny teny hoe tery ny lalana. Rehefa tafiditra indray ilay olona dia mbola hozahana toetra raha toa ka haharitra amin'ilay sitrapon'Andriamanitra nekeny izy na tsia (izay no nahatonga ilay teny hoe izay maharitra h@ farany no hovonjena).
Na iza na iza manaiky ny sitrapon'Andriamanitra ka manolotra ny tenany hanaraka izany ary miharitra ny fahoriana rehetra mety haterak'izany fanapakevitra izany, dia izy no isan'ireo vitsy an'isa niditra tamin'ny vavahady ety sy nandeha t@ làlana tery namana.
Mahereza , hoy ny Tompo hoe tsy hamela anareo ho kamboty aho.
Efa nozaraina t@ maro teto ny fahasoavana, ka dia anjaran'ny tsi11 no mandinika sy mandray fanapahakevitra.
Ny Tompo anie homba antsika rehetra.
36. Miharena
(
09/03/2013 02:12)
RBNIR:
« Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. » (1 Jao 3:4)
Mandika lalàna = manota
« Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy. » (1 Jao.3:6)
« Izay rehetra naterak'Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naretak'Andriamanitra. » (1 Jao.3:9)
Matoa izy niteny ireo dia satria tsy tanteraka taminy ireo teny ireo.
Io ilay tanjona na fanjakan'ny lanitra (HITOETRA AO AMINY KA HO LASA TSY MAHAY MANOTA NA MANDIKA LALANA INTSONY).
FA ETY NY VAVAHADY ary TERY NY LALANA ......
Misaotra ny namana nanome fanazavana amin'ilay vavahady ety saingy ialàna tsiny raha milaza hoe tsy dia mahafa-po loatra ny fanazavanao azy raha ireto Tenin'Andriamanitra nentinao ireto no nasianao fanamarihana farany hoe : fa ety ny vavahady ary tery ny lalana.
Mila mazava aloha hoe inona no maha-tery azy raha toa ka i Jaona miresaka hoe « Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy. » (1 Jao.3:6)
Raha ny fahalalako dia manafaka IZY ary manome hery maha-zanak'Andriamanitra dia ilay voa voalazan'i Jaona io izany hery izany izay SombiNY ao anatintsika. Ka eto no mipetraka hoe isika ve no miditra sa isika no mampiditra sa isika no lasa lalana mizotra miaraka AMINY? Ary ny maha-ety ilay vavahady, ahoana marina?
Satria raha miresaka vavahady dia misy fefy izay ary tokana ny fidirana. RAha ny fanazavanao dia mbola misy tonelina koa satria hoy ianao hoe izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena. Ka inona àry no fanantenana? Raha mijery ilay fefy, tsy manantena ve fa MALALAKA ilay tokotany ao ambadika?
37. RBNIR
(
09/03/2013 20:32)
Faly miarahaba namana Miharena,
Tsy mahatsapa v namana Miharena mametra an-tsika manoloana vavahady ety sy lalàna tery ity teny nomena ny apostoly jaona ity???
« Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy. » (1 Jao.3:6)
« Izay rehetra naterak'Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naretak'Andriamanitra. » (1 Jao.3:9)
Noho ireo teny ireo no nahatonga ahy hilaza hoe midira amin'ny vavahady ety ary mandehana amin'ny lalàna tery satria na tian'ny kristianina na tsy tiany dia miala tsiny aho fa ireo no tsy maintsy ataony tanjona.

38. Miharena
(
10/03/2013 15:47)
Marina fa tanjona tokoa ireo namana RBNIR fa ny vavahady ety mihitsy no mila hazavaina.
Mety mifandraika kokoa amin'ny ohatra nolazaina momba ny mpanakarena ilay vavahady ety satria izay mitady harena (fiadanana) ivelany dia tsy hahita izay Fanjakan'Andriamanitra lazain'i Jaona io mihitsy, izay ao anaty no misy azy.

39. bor2lais
(
12/03/2013 17:56)
RBNIR:
Tsy azonao no tiako ho lazaina, ny apostoly jaona no niteny an'ireo fa tsy i Jesosy Tompo,
Vakio hatramin'ny voalohany, ary matoa izy niteny ireo dia fantany tsara ny tiany ambara
Hevitrao ange io lazainao io e ! :-)
Aleo ho tsoriko aminao fa efa fahotana amiko ny filazana tena fa tsy manota ! :-)
Mazava ho azy fa hevitro ihany io !
40. RBNIR
(
13/03/2013 05:09)
bor2lais:
[quote=RBNIR]
Aleo ho tsoriko aminao fa efa fahotana amiko ny filazana tena fa tsy manota ! :-)
Mazava ho azy fa hevitro ihany io !
Faly miarahaba namana,
« ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo. » (Jao.8:32)
Andevon'ny inona moa ? « Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon'ny ota. » (Jao.8:34).
Jesosy Tompo indray kosa eto no miteny.
Araka ireo teny ireo dia ny olona mahafantatra ny marina dia ho afaka tsy ho andevon'ny ota (ho afaka tsy ho mpanota).
Raha MINO izany teny izany isika namana : ho tanteraka amintsika izany, Raha TSY MINO kosa isika :dia mazava ho azy tsy ho tonga amintsika mihitsy izany fahafahana izany,
Izaho dia mino, ianao koa hamporisihiko hino.
FANONTANIANA LEHIBE TOKOA ATERAK IZANY Inona ary ilay marina tokony ho fantarina????
VALINY : MILA MIANATRA ISIKA (mialatsiny fa tsy hovoazara eto sady lohahevitra vaovao mihitsy e;
Samia ho tahin'ny Tompo namana