Safidio izay tianao
2. Tefigasy
(
04/03/2013 10:01)
didi10:
Iray amin'ireo ve ny Jesosinao sa iray ihany ireo aminao?
Aleo ampiana fa sao tsy mbola ampy ireo sary toa mitovitovy ireo. Dia aleo ra-didi10 koa mba hisafidy fa sao tsy misy amin'ilay napetrany eo ambony le tadiaviny !
Ny ahy manokana aloha, tsy sary no fitaovana entiko mitory sy mampahafantatra an'izay Jesosiko izay fa ny teny, ny tenin'Andriamanitra ao anaty baiboly irery ihany !
4. toriteny
(
04/03/2013 10:10)
:) nareo reto mampihomehy mihitsy. :)TApa-tsinay mihitsy aho ato.
Ary ahoana indray io Jesosy banga nalefan'i Tefygasy io?
Ary ahoana indray io Jesosy banga nalefan'i Tefygasy io?
5. Tefigasy
(
04/03/2013 10:15)
Nisy ankizikely iray izay nahita lehilahy adala, lava volombava be sady lava volo-ndoha koa saingy tsy rasta, misaringotra gony teny behoririka. Dia nihoraka izy tao anaty taxi be hoe iny jesoa. Tena faran'izay nalahelo aho, nefa tonga saina ihany nony farany.
Raha nanontany Jesoa Kristy hoe, ataonao ho iza moa Aho ? Mino aho fa fantatrao no hamalian'ny baiboly izay fanontaniana izay, saingy raha ny fiainanao no tena hivantanan'izany fanontaniana izany : asa lahy izay tena mety ho valiny! Ny ahy aloha habaribariko fa Izy no Tompo sy Mpamonjiko.
Mal.1:6 "Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony ; koa raha Ray Aho , aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho , aiza izay tahotra Ahy?"

6. didi10
(
04/03/2013 10:28)
Tefigasy:
Nisy ankizikely iray izay nahita lehilahy adala, lava volombava be sady lava volo-ndoha koa saingy tsy rasta, misaringotra gony teny behoririka. Dia nihoraka izy tao anaty taxi be hoe iny jesoa.
Io mihitsy ilay tiana ahatongavana,
Izao sary olona be volom-bava rehetra izao dia lazaina fa jesosy avokoa
7. Miharena
(
04/03/2013 11:14)
Ary raha ianao sy izaho no tian'i Jesoa ho toa AZY? Dia toa Azy ihany koa ilay olona mahantra be volombava sy misaringom-boridamba.
Isaky ny mahita olona iray ianao dia mahatsiarova an'Andriamanitra nahary anareo fa aza dia miavonavona.
Raha mipetraka manko ny fanontaniana hoe fa ataonareo ho iza moa Aho dia mety ho vilana be ny valin-teninao raha hiteny hoe : ilay novakiako tao anaty Baiboly!
Fa raha toa kosa lazainao hoe : Ilay manapaka ato am-poko sy ao am-pon'ny olon-drehetra : dia izay vao ho marina ny valin-tenintsika.

8. Tefigasy
(
04/03/2013 11:39)
Miharena:
Ary raha ianao sy izaho no tian'i Jesoa ho toa AZY? Dia toa Azy ihany koa ilay olona mahantra be volombava sy misaringom-boridamba.
Gal.4:7 "Ka dia tsy mpanompo intsony ianao , fa zanaka ; ary raha zanaka , dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra ."
Faniriana ihany ny an'i Jesoa ny mba hahatonga ny olon-drehetra ho lasa zanak'Andriamanitra, tsy ho adala na ho mpanompo intsony, saingy amin'ny maha-Fitiavana Azy dia tsy afaka ny hanery Izy fa izay olona manaiky ny handray Azy ihany no afaka ny ho zanaka tahaka Azy.
Miharena:
Isaky ny mahita olona iray ianao dia mahatsiarova an'Andriamanitra nahary anareo fa aza dia miavonavona.
Ianao izany tsy mahatsiaro ny fisian'izany Andriamanitra izany mihitsy raha tsy mahita olona iray ?
Miharena:
Raha mipetraka manko ny fanontaniana hoe fa ataonareo ho iza moa Aho dia mety ho vilana be ny valin-teninao raha hiteny hoe : ilay novakiako tao anaty Baiboly!
Tsy mahagaga raha izay hitanao hoe mivilana izay no ambaran'ny baiboly satria ny anao ilay 3 Testament no ezahina fatratra mba ho hamarinina fa tsy ny baiboly intsony
Miharena:
Fa raha toa kosa lazainao hoe : Ilay manapaka ato am-poko sy ao am-pon'ny olon-drehetra : dia izay vao ho marina ny valin-tenintsika.
Averiko ihany fa tsy ny olon-drehetra no tapahiny. Raha izany no nisy dia efa lasa paradisa ity tany ity saingy indrisy fa mitombo andro aman'alina ireo mihodina Aminy .
9. toriteny
(
04/03/2013 11:50)
Miharena:
Ary raha ianao sy izaho no tian'i Jesoa ho toa AZY? Dia toa Azy ihany koa ilay olona mahantra be volombava sy misaringom-boridamba.
Isaky ny mahita olona iray ianao dia mahatsiarova an'Andriamanitra nahary anareo fa aza dia miavonavona.
Raha mipetraka manko ny fanontaniana hoe fa ataonareo ho iza moa Aho dia mety ho vilana be ny valin-teninao raha hiteny hoe : ilay novakiako tao anaty Baiboly!
Fa raha toa kosa lazainao hoe : Ilay manapaka ato am-poko sy ao am-pon'ny olon-drehetra : dia izay vao ho marina ny valin-tenintsika.
Tsy azonao ny zavatra tiana ampitaina fa tsy azo atao ny mi-représenter an'i Jesosy na amin'ny sari-vongana, na amin'ny sari-sikotra, na amin'ny 2D, 3D fa lasa fanompoan-tsampy ilay izy.
Dia raha mipetraka aminao izany ny fanontaniana hoe fa ataonareo ho iza moa Aho dia hiteny ianao hoe ilay sary N 4 nalefan'i didi10 tamin'ny forum?
Sady angamba efa novalian'i Tefygasy ilay fanontaniana fa Izy no Tompony sy Mpamonjiny (sy Ahy koa)
10. Miharena
(
04/03/2013 12:37)
Tefigasy:
Miharena
Ary raha ianao sy izaho no tian'i Jesoa ho toa AZY? Dia toa Azy ihany koa ilay olona mahantra be volombava sy misaringom-boridamba.
Gal.4:7 "Ka dia tsy mpanompo intsony ianao , fa zanaka ; ary raha zanaka , dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra ."
Faniriana ihany ny an'i Jesoa ny mba hahatonga ny olon-drehetra ho lasa zanak'Andriamanitra, tsy ho adala na ho mpanompo intsony, saingy amin'ny maha-Fitiavana Azy dia tsy afaka ny hanery Izy fa izay olona manaiky ny handray Azy ihany no afaka ny ho zanaka tahaka Azy.
Ilay filazana mandrakariva hoe Fitiavana IZY matoa tsy manery, sao dia isika aza no mihevitra izany fa tsy IZY? Amiko IZY dia tia hatrany na hanaraka ianao na tsia izay lazaiNY aminao. Ny anjaraNY dia milaza aminao fa Zanany ianao. Ary imbetsaka ihany na tao ami'ny TT na TV ireo an! Na dia men toy ny jaky aza....sns. Hoy i Tsaratsara izay hoe : rahoviana ihany ny Kristianina no mivantam-pteny fa izahay Bara tsy tia io kiliolio io an!
Tsy mahatsiaro ho mahita GRAND MAIS foana ve isika rehefa mitory teny namana Tefigasy?
Sao dia tokony hifoha kokoa ?
Io GRAND MAIS io avokoa no mamintina ny valinteninao rehetra amin'ny singantsingany omeko anao eo ambony namana.
Ka sao dia izay aza no tsy mahatafita ny fampianaran'i Kristy?
Toriteny:
Tsy azonao ny zavatra tiana ampitaina fa tsy azo atao ny mi-représenter an'i Jesosy na amin'ny sari-vongana, na amin'ny sari-sikotra, na amin'ny 2D, 3D fa lasa fanompoan-tsampy ilay izy.
Fanompoan-tsampy hoy ianao ! Amiko dia io ataontsika eo amin'ny alitara io koa dia mbola tandindony. Tsy manao sary isika fa maka teny na andalana atao endrika, dia raisina ho fanamarinana ny tena. Ohatra : ny divay sy mofo fandraisana, mitovy tsy misy valaka amin'ny sary 2D na 3D koa io. Ka aoka tsy hisy hitsara ny namany fa mitovy daholo ihany o!
Dia rehefa tsy tia ho tafiditra ami'ny fandriky n yfitsarana ny hafa dia aleo manana ity fomba fisainana tian'i namana Tefigasy havoitra ity:
Tefigasy:
Miharena
Isaky ny mahita olona iray ianao dia mahatsiarova an'Andriamanitra nahary anareo fa aza dia miavonavona.
Ianao izany tsy mahatsiaro ny fisian'izany Andriamanitra izany mihitsy raha tsy mahita olona iray ?
Eny, tsy misy Andriamanitra raha tsy misy ny olona, ka isaky ny mahita olona iray aho dia mahita AZ, tsy izay ihany fa ny ASANY REHETRA dia ahitana AZY. Ny ankoatr"izay dia GRAND MAIS.
11. Nehemiah
(
04/03/2013 12:51)
Mampahatsiaro ny fampianarana New Age izay milaza fa ampahan'Andriamanitra daholo ny olombelona rehetra ny tenin'i Miharena...
Fa ankoatran'izay, mba te-hanampy tosika kely ny hevitr'i Didi10 aho. Jiosy i Jesoa. Ka angamba tsy mitovy @ icônes endrik'i Jesoa Izy. Nitovitovy t@ Adama Izy hoy ny Baiboly. Ka i Adama, raha ny vinavinan'ny manam-pahaizana, dia angamba nanana hoditra café-au-lait sy maso volon-tany (tahaky ny 3/4 ny mponin'ny tany). Ka tahak'izay angamba ny endrikendrika ivelan'i Jesoa.
Mety efa nilaza an'izay aho, fa ny olona nanao sary hoso-dokon'i Jesoa voalohany dia tsy nanana môdely, dia i Dionysos no nataony ho môdely. Avy eo lasa nihavazaha tsikelikely ny endriky ny Jesoa ikônika sady nampiana volom-bava be, dia lasa ilay Jesoa ikônika fahitantsika izao.

12. toriteny
(
04/03/2013 12:55)
Miharena a!!!! Mampalahelo ahy ianao (tsy heso izany fa tena marina) ary malahelo anao Jesosy
ILay sarivongana miendrika Jesosy anie tsy Jesosy é (argile iny sy hazo) ary tsy hahasolo an'i Jesosy mihitsy. FA ny Tenin'Andriamanitra dia Jesosy (JAo1:14). Ary ny divay sy ny mofo dia permis, afaka ataontsika ary encourager na mihitsy aza isiaka hanapaka ny mofo sy hisotro ny divay ho fahatsiarovana Azy (azo atao hoy ny baiboly). Fa ilay sarivongana efa miteny mihitsy ny baiboly fa tsy azo atao.
Sa ny tianao tenenina tsy atao eo ambony alitara fa atao any ambany latabatra? na avoaka any an-tokontany?

13. Tefigasy
(
04/03/2013 13:28)
Miharena:
Ilay filazana mandrakariva hoe Fitiavana IZY matoa tsy manery, sao dia isika aza no mihevitra izany fa tsy IZY?
Deo.30:19 "Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana ; koa mifidiana ny fiainana , mba ho velona ianao sy ny taranakao
Ise anie mba te hahalala nefa tsy mety mino e! Izay no olan'ise. Efa omena an'ise ny baiboly nefa ise tsy mety mino izay ambarany ao. Aiza moa ise no hahafantatra ny tena sitra-pony ?
Miharena:
Amiko IZY dia tia hatrany na hanaraka ianao na tsia izay lazaiNY aminao.
Dia izay no mahatonga anao hiteny hoe tsy misy ny helo, tsy mandefa olona any Andriamanitra ! Indrisy mantsy, dia tsy hino mihitsy ve ise raha tsy ho lasa any! sao lahy hanenenana fa irreversible anie, ze tonga any tsy misy tafavoaka tsony ! Raha ny teny helo fotsiny ao anaty baiboly dia efa mihoatra ny 20 raha kely indrindra !
Jao.3:36 "Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay ; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana , fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy " .
Miharena:
Tsy mahatsiaro ho mahita GRAND MAIS foana ve isika rehefa mitory teny namana Tefigasy?
Sao dia tokony hifoha kokoa ?
Tsy mahagaga raha izay no fahitanao azy satria tsy mitovy ny Fanahy misy ato amiko sy misy ao aminao. Izay ilay mila hizahana toetra ny fanahy izay ao amin'ny tsirairay. Izay mbola tsy manaiky an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjiny dia mbola tsy ny Fanahy Masina no mitondra azy ka mahita izao zavatra maro mivilambilana rehetra izao holazaina izy. Eny fa na dia ny baiboly mirakitra ny tenin'Andriamanitra aza toheriny tsotra izao. Samy hafa rahateo ny domaine de definition misy ny lalan-kizorana: ny ahy baiboly ny anao 3ème test !
Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity : raha misy manampy ireo , Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra ato anatin'ity boky ity ho azy
Miharena:
ny divay sy mofo fandraisana, mitovy tsy misy valaka amin'ny sary 2D na 3D koa io. Ka aoka tsy hisy hitsara ny namany fa mitovy daholo ihany o!
1.Kor.11:24 "ary rehefa nisaotra Izy , dia novakiny , ka hoy Izy : Ity no tenako izay vakina ho anareo ; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy ." ==> baiko nasaina natao io nefa fanompoan-tsampy amin'i Miharena. Mampanongo tena marina raha olona milaza azy ho kristianina no maha-teny toa izany a, sao dia izao ilay hoe amboadia mitafy ny fitafian'ny ondry !
Miharena:
Eny, tsy misy Andriamanitra raha tsy misy ny olona
Eks.3:14 "Ary hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy : IZAHO , IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY ." ==> Fa efa nisy olombelona ve tamin'izany HATRIZAY HATRIZAY izany !
Jao.1:3 "Izy no nahariana ny zavatra rehetra ; ary raha tsy izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra hary izao , na dia iray aza . " ==> Dia taiza ny olombelona tamin'io !
Ity no fanontaniana hapetrak'i Jehovah amin'ise farany :
Job.38:4 "Taiza ary ianao , fony Aho nanorina ny tany?" Ambarao , raha hainao. "
14. Miharena
(
04/03/2013 14:38)
Toriteny:
Miharena a!!!! Mampalahelo ahy ianao (tsy heso izany fa tena marina) ary malahelo anao Jesosy
ILay sarivongana miendrika Jesosy anie tsy Jesosy é (argile iny sy hazo) ary tsy hahasolo an'i Jesosy mihitsy. FA ny Tenin'Andriamanitra dia Jesosy (JAo1:14). Ary ny divay sy ny mofo dia permis, afaka ataontsika ary encourager na mihitsy aza isiaka hanapaka ny mofo sy hisotro ny divay ho fahatsiarovana Azy (azo atao hoy ny baiboly). Fa ilay sarivongana efa miteny mihitsy ny baiboly fa tsy azo atao.
Sa ny tianao tenenina tsy atao eo ambony alitara fa atao any ambany latabatra? na avoaka any an-tokontany
Mahafinaritra ny miresaka namana Toriteny a!
Fa eo indrindra isika, hoy ianao hoe permis ilay izy, eny! nefa raha tsy fantatrao izay antony hanaovana azy, aza atao. Hoy Izy hoe Izaho no fihinana sy fisotro, dia hoy ny Jiosy hoe atao ahoana no fihinana olona, hanao cannibalisma ! Marina àry ve ilay interprétation'ny Jiosy? Tsia no avalinao azy. Fa raha natao mofo sy divay ilay izy, dia heverinao ve fa mahadika izay nolazaina koa? Tsia koa no valiny amiko. Ny mahadika azy dia hoe ; miaina ara-panahy amin'ny alalaNY sy miaraka AMINY ary ao AMINY. Sao dia tsy voatsikaritrao io teny io rehefa manomana ny komonio Mompera. Ary natao hoe fandraisana AZY no nilazan'ny Protestanta io hevitra io. Fa raha misy mitsara anao amin'izany dia hazavao. Dia toy izany koa, ny manao sary AZY dia afaka manazava ny antony nahazoany io sary io. Dia tsy azonao iadian-kevitra y fanazavany amin'izay fotoana izay fa marina ihany koa ao aminy sy ao amin'ny Tompo izay.
Tefigasy:
Ise anie mba te hahalala nefa tsy mety mino e! Izay no olan'ise. Efa omena an'ise ny baiboly nefa ise tsy mety mino izay ambarany ao. Aiza moa ise no hahafantatra ny tena sitra-pony ?
Fantatro tsara ny SitrapoNY ka! Asa hoe mahay mamaky izany amin'ny alalan'ny fanehoana izay fantatro momba ny filazalazàna ny Teni'Andriamanitra ao anaty Baiboly ve ianao namana? Sa tonga dia miteny hoe diso ny fomba fandraisako AZY sy ny Teniny?
Eo koa ilay noresahanao hoe tsy mitovy ny arahako sy ny arahanao. IRAY ihany izay arahantsika fa isika no samihafa ka! Ny persona Tefigasy tsy mitovy amin'y persona Miharena fotsiny io. Fa ny Fanahy dia IRAY. Tsy miova io anio, ampitso mandrakizay f aisika ihany no mihelina sy mandalo. Ary ny teny izay mandalo rehetra ao anaty Baiboly koa dia mitovy amintsika mihelina sy mandalo fa ny voambara ho IRAY ihany no mandrakizay ao.
Tefigasy:
Miharena
Eny, tsy misy Andriamanitra raha tsy misy ny olona
Eks.3:14 "Ary hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy : IZAHO , IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY ." ==> Fa efa nisy olombelona ve tamin'izany HATRIZAY HATRIZAY izany !
Jao.1:3 "Izy no nahariana ny zavatra rehetra ; ary raha tsy izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra hary izao , na dia iray aza . " ==> Dia taiza ny olombelona tamin'io !
Ity no fanontaniana hapetrak'i Jehovah amin'ise farany :
Job.38:4
Aza dia ataonao ampahany ny teniko dia manohitra azy ianao. Hoy aho angamba eo ambony eo hoe tsy misy Andriamanitra raha tsy misy ny olona sy izay voary rehetra nataoNY.
Ilay fanontaniana ao amin'ny Job 38.4 "Taiza ary ianao , fony Aho nanorina ny tany?" Ambarao , raha hainao. "
Ianao mahalala fa zanakao aho no valin'io fanontaniana io.
Sao dia ataonao hoe blasfemia aza izany resaka izany fa mazava be ilay valin-teny satria IZY no namorona ny olona hitovy endrika AMINY araka ny Genesisy.
Olana be amin'ny olombelona mihitsy izany hoe mandray tsotra ny Tenin'Andriamanitra izany fa haingoiny na itariny araka ny maha-voafetra azy ilay teny. Dia milaza izy fa miherina an'Andriamanitra ny manana fomba fahatsapana toa ahy. Ny ahy dia asehoko tsara ny VoninahiNY fa tsy atao anaty vata, na anaty boky, na any amin'ny fieritreretana fotsiny ihany.
Aseho IZY ary Deraina amin'ny zava-drehetra atosaNY ary voalohany amin'izany ny fampahalalàny fa avy AMINY izaho sy ianao io. Tsy misy isika raha tsy nisy IZY ary koa ireo voary rehetra sy ny kintana amam-bolana ary masoandro. Mampahatsiaro ny hira fiderana ataon'ny namana Katolika hoe : Derao ny Tompo io namana a! ao koa ny resaky ny namana Protestanta amin'ny hira voalohany Andriananahary Masina indrindra.
Asa hoe atao New Age ve izany? Nefa izany indrindra no fototry ny finoana Kristianina fa tsy mivaona amin'izany mihitsy.
Mahitsia hoy aho dia ho fantatrao ny Fototrao, fa aza mikiliolio.
Hoy moa ny Mpiandry rehefa miresaka amin'ny asa fampahereana hoe : aza miherikerika, aza miova fa ny Tompo no banjino hatrany.
15. toriteny
(
04/03/2013 15:13)
Miharena:
Mahafinaritra ny miresaka namana Toriteny a!
Fa eo indrindra isika, hoy ianao hoe permis ilay izy, eny! nefa raha tsy fantatrao izay antony hanaovana azy, aza atao.
Efa Jesosy ve no miteny hoe ataovy ho fahatsiarovana Ahy dia mbola hi-douter ihany ianao hoe so de tsy mety ary ito fa so dia diso Jesosy fa aleo tsy atao? Izay no tsy mampitovy antsika sy ianao. Izaho manana confiance aveugle Aminy sy amin'ny Teniny
Miharena:
Fa raha misy mitsara anao amin'izany dia hazavao. Dia toy izany koa, ny manao sary AZY dia afaka manazava ny antony nahazoany io sary io. Dia tsy azonao iadian-kevitra y fanazavany amin'izay fotoana izay fa marina ihany koa ao aminy sy ao amin'ny Tompo izay.
Marina ao amin'ny Tompo ahoana ny fanaovana sarivongana é! Aiza ao amin'ny TT na ny TV milaza fa azo atao ny manao sarivongana? Tena latsaka mihitsy ny ranomasoko aminao tellement malahelo anao aho
16. Miharena
(
04/03/2013 15:38)
Efa nolazaiko teto ihany hoe misy ny atao hoe fampianarana avy amin'ny sary. Ary Jesosy koa dia nanao izany tami'ny fanoharana.
Raha tsy mbola nianatra tamin'ny alalan'ny sary izany ianao dia milazà. Ary ataovy ho mpanota daholo ny olombelona rehetra manao sary rehefa mampianatra.
Tellement, tena malahelo anao koa aho namana a!
Aiza ny fahazavantsainao sy ny fahazoanao ny zava-drehetra e! Asiana fitsingolohana daholo fa hoe tsy voasoratra ! nefa ahitana ohatra be dia be koa ao anaty Baiboly mifandraika amin'ny zava-misy entin'ny mpampita hafatra ankehitriny.

17. bor2lais
(
04/03/2013 15:45)
miharena:
Mahafinaritra ny miresaka namana Toriteny a!
toriteny:
Tena latsaka mihitsy ny ranomasoko aminao tellement malahelo anao aho
miharena:
Tellement, tena malahelo anao koa aho namana a!
:-) :-)
18. hery
(
04/03/2013 15:52)
:-)
Mandeha mafy mihitsy ny fandresen-dahatra ato izany an lolll.
Dia maninona daholo ireo sarin'i Jesoa ireo? Na ianao aza dia mahalala hoe iza amin'ireo no sarin'i Jesoa dia iza no tsy izy... noho izany, ianao koa, dia efa manana sary ao antsainao ao.

19. toriteny
(
04/03/2013 16:00)
Miharena:
Efa nolazaiko teto ihany hoe misy ny atao hoe fampianarana avy amin'ny sary. Ary Jesosy koa dia nanao izany tamin'ny fanoharana.
Hummm dia mitovy izany aminao ny "sarivongana" sy ny "parabole"? Dia izany ve no hamarinanao ny antony hanaovanao sarivongana? Ny iray sari-teny, ny iray sarivongana sa mitovy amin'ireo koa ny saribao? (koa samy misy sary kou)
Dia inona izany no hampianarinareo amin'ireny sarin'i Jesosy sy sarivongana ireny? Hoe nisy volombava Jesosy dia blanc Izy dia marron ny masony?
Miharena:
Raha tsy mbola nianatra tamin'ny alalan'ny sary izany ianao dia milazà. Ary ataovy ho mpanota daholo ny olombelona rehetra manao sary rehefa mampianatra.
Tsy ny amin'ny fiainana andavan'andro no ambaran'ny soratra MAsina raha mandra ny tsy hanaovana sarisikotra izy fa ny fiainam-pinoana . MAninona moa raha manao vase ianao amin'ny argile? Raha manao sary ianao hanazavana ny appareil digestif?
Miharena:
Tellement, tena malahelo anao koa aho namana a!
Aza alelovana aho ka. Ianao alelovana ary tena ataoko am-pitiavana be izany teny izany. RAha mbola tsy hitanao hoe fa maninona ianao no tokony halelovana dia tsy hamaly eto intsony aho satria ny hitarika anao any amin'i Jesosy no nidirako teto, fa tsy hiditra eto intsony aho rehefa tsy mety tarihina ianao
Miharena:
Aiza ny fahazavantsainao sy ny fahazoanao ny zava-drehetra e! Asiana fitsingolohana daholo fa hoe tsy voasoratra ! nefa ahitana ohatra be dia be koa ao anaty Baiboly mifandraika amin'ny zava-misy entin'ny mpampita hafatra ankehitriny.
Tsy misy soratra ao amin'ny baiboly hoe azo atao ny sarivongana fa betsaka ny soratra ao anaty baiboly milaza fa tsy azo atao ny manao sari-vongana. Ka aza atao re efa tenenina hoe tsy mety a! Misy conséquence amin'ny fiainam-panahinao anie io é
20. Miharena
(
04/03/2013 16:37)
Voaray daholo ny valinteninao. Misy zavatra iray izay tiako hampahatsaiahivina momba ny toetran'olombelona. Rehefa irahina izy hividy zavatra betsaka ka tsy hampitondraina lisitra, dia adinony ny sasantsasany. Rehefa ihany koa, ka omena lesona izy hoe misy izany Jesoa izany, dia tsy aseho azy hoe toy ny ahoana Izy izany, dia tsy hotsaroiny rehefa lasa mihodina fotsiny izy avy eo. Ohatra hoe : mpisotra labiera sy toaka no ampianarinao. Rehefa omenao sary iray anefa izy, ka ataonao ao ampaosiny, dia rehefa hisotro izy dia mahatsiahy ilay nomenao azy. Io tsy mifidy na sary olona na sary lakroa (misy na tsy misy olona).
Fandraiketana hafatra io ary nataon'ny olona hatrami'ny andron'ny Egyptiana ary ataon'ny olombelona hatramin'izao fotoana izao hampianarana sy hampahatsiahivana.
Aza dia miziriziry hoe izao no voasoratra ianao fa fiainana andavanadron'ny olombelona ireo nolazaiko taminao ireo ary mahomby amin'ny namana maro. Izany fomba izany rehefa ampiana fitarihana sy fampianarana matotra dia miraikitra tsara. Fiandohana fotsiny ilay sary fa ny manaraka rehetra fonosiny no izy.
Eo amin'ilay hoe hitarika ahy ho any amin'i Jesoa ianao, dia misaotra anao be ida be mihitsy aho. Fa izaho mahatsapa fa be dia be ny olona no mbola mila sary hanoroana azy raha mampianatra sy mitory aminy. Ka raha heverinao fa ota izany, dia very aho izany ve?! Dia tsy hiteny intsony ve ianao? ary tsy hanamarina ahy mihitsy ve fa mety hevreinao fa tsy mampianatra azy ny FOTOTRA tokony ho fantany?
Izay ihany aloha no azo lazaina fa ny ahy kosa dia miresaka eto indray mba tsy hiadivan'ny Kristianina hifanipaka atsimo sy avaratra.