Safidio izay tianao

41. Tefigasy ( 06/03/2013 08:21)
hery:

Jesoa tsy nampiasa an'iny baiboly lazainao iny ary tsy niteny mihitsy izy h. oe soraty ny teniko, raha tsy izany dia izy no nanoratra azy

Misy ahintsy kely kosa eto e: Marina fa tsy mbola nisy io baiboly ampiasain'ny kristianina io tamin'ny fotoana nahatongavan'ny mpamonjy tety an-tany. Mbola tsy nitambatra iray ny boky rehetra noraketin'ny Canon ho ao anatiny, nefa na izany aza dia efa nampiasa ny boky nitsitokatokana ao amin'ny baiboly Jesoa. Jereo fa voasoratra mandrakariva ao amin'ny baiboly ny teniny manao hoe "fa vosoratra hoe" ary miisa 50 mahery ny hahitana izany.
Saingy kosa tsy mahita aho ao anaty baiboly fa nampiasa sary i Jesoa nentiny namitana ny asany. Mety ho diso aho anefa fa raha mahita ise dia mba zarao ihany!
leva2:

Raha mijery ny kara-panondro isika izao : tsy maintsy misy sary ao, fa sady misy soratra koa manambara ny anarana sy ny mombamomba ny tena.
Jesosy rehefa tonga nofo (fa tsy nijanona ho Fanahy fotsiny ihany) dia hita maso sy notsapain-tanana ary nanana endrika physique. Izay no nahafahana nanao ny sariny.

Dia mba omeo valiny ary hoe r'ise, iza amin'ireo sary ireo no tena sarin'izany Jesoa tonga nofo izany? Ireo sary ireo anie toa mitovitovy fa rehefa tena jerena akaiky dia sarin'olona samihafa daholo e !
42. Miharena ( 06/03/2013 08:39)
Hoatran'ny te-hitsaingoka kely aho amin'ilay hoe iza amin'ireo no sarin'i Jesoa!

Raha tena te-hahita AZY ianao dia jereo tsara ny fitaratra fa mitovy amin'io olona hitanao amin'ny fitaratra io IZY.

Sao dia hataonareo mananihany aho amin'izany, fa rehefa miteny i Paoly hoe tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ao anatiko, dia Kristy nofo izay i Paoly, dia ianao koa, isan'izany rehefa manara-dia an'i Kristy.

Ka hoy aho hoe, tsy ny famaliana ilay fanontaniana hoe iza amin'ireo angamba no zava-dehibe fa ny fahazoana ny hoe tonga nofo Jesoa haneho fa azo atao izany amin'ny maha-Kristy zanak'Andriamanitra rehefa te-hiseho amin'ny olombelona IZY. Tsy Virtuel fa tena nofo, azo aseho an-tsary.
43. hery ( 06/03/2013 08:46)
Mitovy amin'ny fandraisana ara-bakiteny ny baiboly ihany ilay izy. Ny olona rehefa zatra mieritreritra hoe ny baiboly dia bokin-tantara ka izay tena nisoratra ao dia nitranga sy tena ara-bakiteny, dia mieritreritra koa hoe izay sary hita dia TENA sarin'i Jesoa.

Ny olona nanao ireo sary ireo dia tsy naka sary an'i Jesoa, fa eritreretiny fotsiny hoe olombelona toa ahy sy toa anao i Jesoa ary niaina tany Jodea tamin'ny 2000 taona lasa, ka tsy ho lavitra an'ireo sary ireo ny endriny. Fa tsy niteny mihitsy izy hoe tena mitovy tanteraka amin'izao i Jesoa.

Raha mandeha any Afrika aza ianao dia hahita fa Jesoa mainty hoditra no hitanao amin'ny toerana sasany....

Dia io nolazain'i Miharena io hoe mitovy amintsika i Jesoa.
44. toriteny ( 06/03/2013 09:22)

hery:


toriteny:

fa ny ahy tsy mila sary izany ny fanompoako sy ny fahatsiarovako ny Tompo fa araky ny voalazako tetsy ambony vao mifoha aho dia efa Izy no tsaroako voalohany.


Dia izay izany ny anao.
Ny an'ny olona indray, izay mety malemy finoana ho anao (ho hita eo ihany amin'ny andro farany), dia mety mila sary izy hahatsiarovany ny Tompo. Fa tsy ny sary no Andriamaniny. Ary resy lahatra tsara izy fa tsy manompo sampy na manompo sary amin'izany satria tsy ilay sary no andriamaniny. Porofon'izany, afaka miovaova ilay sary, raha may ilay sary dia soloiny hafa, satria Andriamanitra no ao antsainy fa tsy ny sary.



Dia ahoana indray ry Hery ilay fifikirana hampiasa sary nefa Andriamanitra ao anaty Baiboly efa miteny hoe tsy azo atao? Tsy manao ilay fampiasana sary ho ambony noho ilay Tenin'Andriamanitra ve izany?
45. hery ( 06/03/2013 09:34)

Dia ahoana indray ry Hery ilay fifikirana hampiasa sary nefa Andriamanitra ao anaty Baiboly efa miteny hoe tsy azo atao? Tsy manao ilay fampiasana sary ho ambony noho ilay Tenin'Andriamanitra ve izany?


Efa nolazaiko ihany tatsy ambony hoe tsy tao anaty vinavinan'ny mpanao baiboly hoe ho tonga olombelona ilay Andriamanitra. Tamin'ny contexte nanoratany dia be dia be ireo nanao sary vongana ho Andriamanitra. Dia ireo no tena noteneniny hoe aza manao sary ho andriamanitra. Fa tsy fantany hoe haka endrika anie ilay Andriamanitra aty aoriana vokatry ny fahotan'ny olombelona, koa dia miova indray ny fandraisana an'io teny io.

Izy Andriamanitra aza efa naka endrika hita maso...
46. didi10 ( 06/03/2013 10:10)

leva2:

Velona Jesosy!

Raha mijery ny kara-panondro isika izao : tsy maintsy misy sary ao, fa sady misy soratra koa manambara ny anarana sy ny mombamomba ny tena.
Jesosy rehefa tonga nofo (fa tsy nijanona ho Fanahy fotsiny ihany) dia hita maso sy notsapain-tanana ary nanana endrika physique. Izay no nahafahana nanao ny sariny.
Namana didi10, vao nijery ilay sary ianao dia nahalala avy hatrany fa sarin'i Jesosy ilay izy. Fantatrao izany.
Ekeko mihitsy ny tsy tokony handoalehana na hiankohofana na hivavahana amin'ny sary (na endrik'Andriamanitra aza ilay izy).
Fa hono hoa namana isany : ny fahitanao ny sarin'i Jesosy mifantsika eo amin'ny hazo fijaliana ohatra, midika inona aminao? manambara inona? mampahatsiahy anao inona?
Tahaka izany koa, ny tenin'Andriamanitra na Soratra Masina : ny famakianao izany, na ny fahitanao izany any anaty fiara, eny an-dalana, eny amin'ny rindrina, sns ... tsy ilainao ve? tsy manampy anao ve? tsy mitondra soa ho anao ve?
Izany tsy midika hoe alaivo ny baiboly dia ataovy ambany ondana hiaro anao, na asio sarin'i Jesosy eo an-doham-pandriana fa heverina hoe miaro; fa boky fotsiny ihany iny ary sary fotsiny ihany ireny fa tsy tokony heverina ho misy "pouvoir" akory ka hotompoina.
Tokony hijery amin'ny fomba malalaka kokoa isika izany, saingy mitandrina ihany koa mba tsy ho lasa hanompo boky, na sary, sns...

Misaotra namana isany!


Izao ary namana Leva
Ataoko ho artista aho ka décriveo amiko ny mombamomba anao, ny tarehy, ny volon-koditra, ny halava, ny orona, ny maso sns... dia anaovako "portrait robot" ianao dia ho hitantsika ny réaction nao avy eo rehefa avoakako ilay sary hoe io.

Dia avy eo aparitako eran'ny zavan-tany ilay sarinao iny na mety na tsy mety aminao satria amiko dia iny ny sarinao.

Mba hanao ahoana re ny "réaction" nao e!

Resaka lakroa indray dia ity ny fomba fijeriko

Raha mahita lakroa misy sarin'olona mifantsika aho eo amboniny dia marina ny filazanao fa mampatsiahy ahy ny zavatra nitranga tany aloha tany izany, tsy vao i Jesosy anie no nofantsihina tamin'io e! fa raha ny sarin'i Jesosy no mifantsika eo amin'ny lakroa -nao dia tsy mety amiko satria "tsy azo atao hoy ny Baiboly ny manao ny sarin'Andriamanitra", tonga saina ihany ny protestanta dia nanala ny sary vongana sy ny jesosy eo amin'ny lakroa fa notazomina ihany ilay lakroa;

Inona moa ny lakroa tsy misy an'i Jesosy?

Mariky ny fahamenarana, mariky ny fahafatesana, mariky ny fandikan-dalàna.

Fehiny: Lakroa misy an'i Jesosy = fandikana ny didy faha2
Lakroa tsy misy an'i Jesosy = fahafatesana, henatra

47. bor2lais ( 06/03/2013 10:21)
leva2:

Tokony hijery amin'ny fomba malalaka kokoa isika izany, saingy mitandrina ihany koa mba tsy ho lasa hanompo boky, na sary, sns...

+1
48. Miharena ( 06/03/2013 10:28)
Ny didy roa milaza ny hoe : Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, ny sainao rehetra ary ny fanhinao rehetra sy ny hoe tiava ny namanao tahaka ny no didy mahafehy ny zava-drehetra.

Dia rehefa misy olona terem-pitiavana hitory fa tsy mahay afa-tsy amin'ny alalan'ny sary vongana sy sary alaina, na sary hosodoko, dia ahoana àry hoy ianao namana Didi10? Mampanota olona ve izy ireo?

Dia manaraka izany raha ny fanazavanao dia ny lakroa koa izany sampy e? Satria heverinao fa miondrika amin'io ny Katolika sy ny Protestanta ary hizingizininao fa tsy fampahatsiahivana sy fampianarana mihitsy no tian'ny olona nanam-pitiavana nanao ireny sary ireny?

49. didi10 ( 06/03/2013 12:03)

Miharena:

Dia rehefa misy olona terem-pitiavana hitory fa tsy mahay afa-tsy amin'ny alalan'ny sary vongana sy sary alaina, na sary hosodoko, dia ahoana àry hoy ianao namana Didi10? Mampanota olona ve izy ireo?

Dia manaraka izany raha ny fanazavanao dia ny lakroa koa izany sampy e? Satria heverinao fa miondrika amin'io ny Katolika sy ny Protestanta ary hizingizininao fa tsy fampahatsiahivana sy fampianarana mihitsy no tian'ny olona nanam-pitiavana nanao ireny sary ireny?


ENY
50. toriteny ( 06/03/2013 12:04)

Miharena:

Dia rehefa misy olona terem-pitiavana hitory fa tsy mahay afa-tsy amin'ny alalan'ny sary vongana sy sary alaina, na sary hosodoko, dia ahoana àry hoy ianao namana Didi10? Mampanota olona ve izy ireo?



Rom10:17 "Koa ny finoana dia avy amin'ny toriteny , ary ny toriteny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy."
51. toriteny ( 06/03/2013 12:10)

bor2lais:

leva2:

Tokony hijery amin'ny fomba malalaka kokoa isika izany, saingy mitandrina ihany koa mba tsy ho lasa hanompo boky, na sary, sns...

+1

-1 :-)

Ilay izy anie dia izao é.
IAnao bord2lais mety hahay hifehy tena tsy hanao an'ilay izy ho tonga hatrany amin'ny fanompoantsampy, Leva2 koa torak'izany fa sur ve ianao fa hahay hanao toy izany daholo ny rehetra?

Dia tranga 2 no mety hitranga:
-Mijanona ho sary ireny ho anareo dia andao atao hoe tsy nisy an'ireny fandrarana hanao sary sikotra ireny ao anaty baiboly dia afaka madiodio izany ianareo
-Misy olona mamaky eto tsy mampijanona ireny ho sary (tahaka ny taranak'Israely nihevitra fa ny nanandratana ilay menarana varahina tany an-efitra dia persmission avy amin'i Jehovah hanao sary vongana) dia hi-tantiaina foan ve ianareo hoe aza itako ka nisy olona nalefako tany amin'ny afobe tamin'iny fampianarako iny?

Fa ilay izy hoa efa rarana koa en plus, tsy aleo ve tsy mi-prendre risque dia tsy asiana é!
52. bor2lais ( 06/03/2013 13:12)
toriteny > ny olana koa ange dia ny tsy fetezana mba hihaino ny hafa e !

Ny ahy tsoriko aminao aloha ny mahafinaritra ahy amin'itony sehatra tahaka itony dia ny fifanakalozana (fa tsy ny fandresen-dahatra izay tsy ahy fa Azy ! :-) ). Amin'izany fifanakalozana izany no ahafahana manitsy izay mety hevi-diso (izay henoko na nananako teo aloha) na koa ahafantarana bebe kokoa hoe hay izay izany no mahatonga an-dry ... manao an'izao sy izao ! ;-)

Ary tsorina fa maro tokoa (izay isaorana azy ireo) no miezaka manome fanazavana eto a ! ;-)

Averiko indray fa ny sehatra tahaka itony dia tokony ampivelatra fa tsy hanidy ! :-)

Isan'ny mba mahafinaritra ahy tokoa ilay tenin'i Gamaliela hoe : "raha tsy avy amiNY izany zavatra izany dia tsy aharitra fa raha avy amiNY kosa dia sao dia miady amin'Andriamanitra e !" :-)

Mazava ho azy fa an'i bor2lais izay ka avereno aty amiko ihany raha toa ka -1 (mba hijanona 0 fa tsy négatif) ! :-)
53. Miharena ( 06/03/2013 16:09)
Marina ny an'i Bor2lais.

Fa misy ihany koa aloha zavatra tiana ampahatsiahivina ihany amin'ny olona mitompo teny fantatra toa ny namana Didi10 mamaly ENY lehibe etsy ambony e!

Lasa misy endrika isan-karazany mihitsy ny toe-tsain'ny Mpamaky Baiboly, mitovy ihany koa ami'ny olona mpamaky Korana. Raha dinihina lalina dia misy fahamarinana goavana aparitaka ao ary noho ny fandraisan'ny tsirairay azy dia misy ny maneho toetra samihafa.

Ao ny mampahery ary ao ny manabanty ny namany ary mampiasa hery mihitsy aza ny sasany rehefa ts yvoaraka ara-bakiteny ilay hevitra tiany hovoizina ary heveriny fa tena manan-danja indrindra eo anatrehan'Andriamanitra.

Fa izany eo ihany fa mba manontany ihany aho hoe ; raha tsy nisy nampiasa mihitsy ny sary sy ny hazofijaliana, mety ho azo antoka ve fa niparitaka eran'izao tontolo izao ny Tenin'Andriamanitra ary tena efa masina be daholo ny olombelona rehetra Didi10?
54. leva2 ( 06/03/2013 17:05)

toriteny:


Dia mba hazavao amin'izay fomba fijerinao izay ary hoe io lazain'ny deo4: 15 io?
Za aloha raha ny hevitro no anontanianao raha mbola misy doute izany hoe hitondra ny olona any amin'ny fanompoan-tsampy aleoko tsy atao ary tsy mampirisika ny olona hanao an'izany aho.

Tsy hoe banga be ny finoanao rehefa tsy mahita ny sarin'i Jesoa isaky ny 1 mètre ianao fa ny ahy tsy mila sary izany ny fanompoako sy ny fahatsiarovako ny Tompo fa araky ny voalazako tetsy ambony vao mifoha aho dia efa Izy no tsaroako voalohany.


Deo 04/15 : "Dia tandremo tsara ny fanahinareo; fa tsy nahita endrika akory hianareo tamin’ny andro izay nitenenan’i Jehovah taminareo tao amin’ny afo tany Horeba"
Jehovah no tsy hita endrika namana fa tsy Jesosy tonga nofo sy ra, hitan'ny maso sy azo notsapain-tanana.

Deo 04/16-19 : "fandrao manao ratsy hianareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka izay endri-javatra na inona na inona, dia sarin-dehilahy, na sarim-behivavy, na sarim-biby izay et? ambonin’ny tany, na sarim-borona manana elatra izay manidina eny amin’ny habakabaka, na sarim-biby mandady na mikisaka amin’ny tany, na sarin-kazandrano izay ao amin’ny rano ambanin’ny tany.
Ary andrao raha miandrandra ny lanitra hianao ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, dia izay rehetra eny amin’ny lanitra, dia ho voataona hianao hiankokoha eo anatrehany sy hanompo azy..."

Vakio tsara sy milamina ity andininy farany ity, fa io no vontoatiny. Ny dikan'ity fampitandremana ity namana tsy hoe : aoka tsy hisy mpanao sary eo aminareo, na hoe aoka tsy hisy mpanao asa sikotra eo aminareo; fa hoe "tandremo fa sao hivavahanareo izany sary sy sikotra izany mbamin'izay zavaboary hafa". Jereo koa fa mitovy hevitra amin'ireo ny Eks 20/04-05, Exo 34/17, Lev 19/04, Lev 26/01.

Izay no teneniko hoe mila malala-tsaina isika namana, ary mitandrina ihany koa araka izany.
Tsy laviko nefa ny teninao fa maro ireo malemy ara-pinoana sy marivo fanahy ka tafalatsaka hanompo ireny sary sy sikotra mbamin'ny zavaboahary ireny, ka izany no hilana ahy sy ianao namana : ny hanarina azy ireny hiala amin'izany fandriky ny sampy izany a.

55. leva2 ( 06/03/2013 17:47)
Velona Jesosy!

Misy fijoroana vavolombelona ity, asa raha efa henonao, fa zaraiko ihany :
Nisy lehilahy iray mpanao sary hosi-doko, tsy mpino izy io.
Efa nanakaiky ny paska tamin'izay ary tonga tao aminy ny mpitondra fivavahana iray nampanao sary azy. Tableau misy ny sarin'i Jesosy mifantsika eo amin'ny hazo fijaliana no nasainy natao tamin'izay, ary tsy tadidiko tsara ilay izy na hataony fanomezana na hataony ao an-tranony.
Nanaiky ity mpanao hosidoko, na tsy mpino aza izy, satria vola io tsinona, ary io no fivelomany.
Efa nahenoheno ny tantaran'i Jesosy ihany ity mpanan-talenta ity na dia tsy niraika tamin'izany aza.
Fa teo am-panaovana ilay sary, raha iny mandoko ny ran'i Jesosy teo amin'ny lanivohony iny indrindra izy no tsaroany tampoka tao an-tsainy ny amin'ny nampijaliana sy ny namonoana an'i Jesosy. Tohina ny fony ary tsy vita hatramin'ny farany ilay sary ka niala tsiny tamin'ilay nampanao izany sary izany izy no sady nanazava fa tahaka ny hoe izy ihany koa no nandefona ny Tompo ka nampivoa-drà azy; ka na tsy nahazo vola aza izy dia tsy nampaninona azy izany.

Nanontany tena ilay mpanao sary hoe :"naninona aza aho no nanana izany fahatsapana izany tampoka teo tao anatiko, izay mbola tsy nahazo ahy hatrizay nanaovako ny asa hosidoko?"
Nanomboka teo dia lasa mpino sy nanara-dia ny Tompo ity lehilahy ity, satria ninoany fa ny Fanahy Masin'Andriamanitra no efa nibitsika tao am-pony.

Mitomboa mandrakariva ao amin'ny Tompo namana isany!
56. Tefigasy ( 07/03/2013 06:20)
leva2:

Velona Jesosy!
...
Mitomboa mandrakariva ao amin'ny Tompo namana isany!

Mba nisy fanontaniana napetrako tamin'ise teny ambony nefa toa tsy nahita izay valiny aho rehefa namaly ise. Averiko kely ilay izy fa sao adinon'ise
06/03/2013 08:21:

leva2:

Raha mijery ny kara-panondro isika izao : tsy maintsy misy sary ao, fa sady misy soratra koa manambara ny anarana sy ny mombamomba ny tena.
Jesosy rehefa tonga nofo (fa tsy nijanona ho Fanahy fotsiny ihany) dia hita maso sy notsapain-tanana ary nanana endrika physique. Izay no nahafahana nanao ny sariny.

==> Dia mba omeo valiny ary hoe r'ise, iza amin'ireo sary ireo no tena sarin'izany Jesoa tonga nofo izany? Ireo sary ireo anie toa mitovitovy fa rehefa tena jerena akaiky dia sarin'olona samihafa daholo e !

Afaka tsy valian'ise ihany anefa io raha tena tsy manana ny fahamarinana entina hamaliana azy ise!
Fa raha raisiko ity tenin'ise ity hoe :
leva2:

Mitomboa mandrakariva ao amin'ny Tompo namana isany!

Fa inona moa no mampitombo ny olona iray? Tsy ny fihinanana sakafo mahavelona ve ? Ary inona ny sakafo omen'ny Tompo raha fitomboana ara-panahy no resahina ? Avadibadiho ny baibolin'ise fa mba efa nahavita namaky an'io baiboly io hatramin'ny farany ny tenako fa tsy mahita mpianatra nampiasa sary nitondrana sakafo ho an'ny vahoakan'Andriamanitra! Angamba, mety izaho no tsy mahay mamaky baiboly ! Misy olona mihitsy voalaza ao anaty baiboly ao fa marenina, tsy maheno, nefa toa tsy mba nampiasa sary na dia iray akory aza ny mpianatra na Jesoa netina nampitana ny tenin'Andriamanitra taminy !

Misy milaza eny ambony fa natao fotsiny ireny sary sy sarivongana ireny mba hifantohana fa tsy ivavahana akory. Tsy misy teny na dia iray aza mamporisika antsika hanao sary na sary vongana mba hifantohana rehefa mivavaka ao anaty baiboly tompoko. Ary ho ahy manokana aloha dia ny baiboly ihany no tondrozotra izay tsy hiombonako hevitra amin'ny havana katolika satria ny an'izy ireo mampiasa tondrozotra ankoatran'ny baiboly ka avy amin'izay no mibaiko azy hanao an'ireny.
Satria : "Jao.4:24 "Andriamanitra dia Fanahy ; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana ."
Raha nidina tety an-tany Andriamanitra, niseho tamin'ny endriky ny Zanaka tonga nofo. Tsy ilay Izy amin'ny maha-nofo misy endrika akory no hivavahana, fa tsy maintsy natao ho nofo Izy mba hitondra ny fahotan'ny olombelona rehetra izay nofo. Aoka mba havahana tsara ny maha-olombelona nampitondrana fahotana an'i Jesoa sy ny maha-Andriamanitra Azy tamin'Izy tonga ho mpamonjin'ny olombelona mpanota.
Ny tena mpivavaka dia mivavaka amin'ny Fanahy, endrika tsy hita maso, fa tsy amin'ny olona izay manana endrika hita maso. Ekena fa tonga olona nanana endrika hita maso Jeso, saingy tsy amin'ny maha-olombelona Azy no hivavahana Aminy fa amin'ny maha-Fanahy Azy izay zanak'Andriamanitra sady Andriamanitra rahateo !

Zava-doza sady fahadalàna ary mampirehitra ny fahatezeran'Andriamanitra ny fanaovana zavatra nohariana sy tsy izy izay maka ny toerany. (Rom. 1:22,23)

Sur !
57. smileyah ( 07/03/2013 06:40)
Mba misy fanontaniana manitikitika ahy ity ho anareo izay tsy manaiky ny sary hatao fitaovana entina mitory. Ianareo izany tsy mbola nijery ireny sary mihetsika mampiseho ny tantaran'i Jesoa tety an-tany ireny?
58. Tefigasy ( 07/03/2013 06:48)
smileyah:

Mba misy fanontaniana manitikitika ahy ity ho anareo izay tsy manaiky ny sary hatao fitaovana entina mitory. Ianareo izany tsy mbola nijery ireny sary mihetsika mampiseho ny tantaran'i Jesoa tety an-tany ireny?

Efa nijery "passion du Christ" mihitsy ny tenako, fa rehefa vita ilay film dia misy soratra mivandrandra be miakatra eo amin'i ecran manambara fa tsy i Jesoa iny tamin'ny film iny fa olombelona manana anarana ary hafa mihitsy.
Tsy haiko na azonao ny tsy mampitovy azy: ny amin'ny sary sy sarivongana dia ambara mihitsy fa io no Jesoa, io Andriamanitra fa mifantsika tsara eo ambony hazo! Amin'ny film kosa dia ambara mazava fa tsy i Jesoa io fa i smileyah ohatra raha ianao no acteur ao anatiny
59. toriteny ( 07/03/2013 07:20)
leva2:

ka izany no hilana ahy sy ianao namana : ny hanarina azy ireny hiala amin'izany fandriky ny sampy izany a.


Tena tsy manakivy aho fa tena mbola ho lavitrezaka ny asa miandry anareo. Anareo hoy aho satria misy mihaino kokoa raha mpino ao amin'ilay fiangonana no mandresy lahatra ny mpitarika sy ny mpino rehetra ao aminy fa tsy olona ivelan'ny fiangonana sao de lazain'ny sasany ho fanenjehana indray ilay izy

Ireto ny soso-kevitro:
-Raha hitondra olona ao amin'ny Tompo ianao dia Tenin'Andriamanitra handresena lahatra azy fa tsy sary araka ny voalaza ao amin'ny Rom10:17: "Koa ny finoana dia avy amin'ny toriteny , ary ny toriteny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy."

-Raha tsy ho fampianarana fa hi-rappeler na ny existance ny sao dia hadinodino Izy tsindraindray no hilaivanareo ny sariny dia supprimer o daholo ny sarivongana sy sarin'i MAsina MAria sy Saint sy SAinte rehetra ao am-piangonana fa ny Azy ihany tazomina

-Dia afindrao place ny sarivongany na ny sariny ao am-piangonana fa tant que mbola accessible ho an'ny daholobe ny sarivongana any amin'ny fiangonana katolika, tsy maintsy hisy foana olona hijoro eo anoloan'ireny. Dia supprimer o koa ireny rano voahasina ambany sarivongana ireny fa mi-inciter ny olona hanatsoboka ny tanany ao antin'iny sy hanao signe du croix ireny ka hivavaka.

-Fa raha hanisy sarivongany na sariny ihany (tena mankarary sofina be ilay izy ry ireto a!)dia ataovy toy ny protestant, ary aorinan'ny alitara amin'izay tsy misy miankohoka eny aloha eny. Nefa tsy mety satria ny katolika rehefa hiakatra eny amin'ny alitara dia ohatran'ny tsy maintsy miankohoka mankany aloha foana dia lasa miankohoka amin'ilay izy indray.

Nefa tsy mety fa tsy maintsy eny ny place ny satria ny croix ny protestant izay mariky ny fanekena vaovao izao (croix tsisy an'i Jesosy satria mi-symboliser an'i Jesosy efa nitsangana sy efa nampiakarina tany an-danitra fa tsy mijanona amin'Izy nofantsihina fotsiny ) dia misolo ny fiara hazo akasia(arche de l'alliance) izay nasain'Andriamanitra natao tao amin'ny tabernakely tamin'ny tempoly tany amin'ny TT.

-Dia tsara koa raha hivarotra sarin'i Jesoa eny an-dalana dia asiana soratra ery ambany hoe tsy haiko atao ho fahatsiarovana fotsiny ohatra fa tsy atao hivavahana na asiana verset biblique mba tsy hanaovan'ny malemy fanahy azy ireny any ambany ondana araka ny teneninao. Genre mipetraka amin'ireny sigara amin'izao fotoana izao ireny é: hoe mahafaty izay mivavaka amin'ny sary

-FA ito no tena important. Tena tokony hiray hina tsara aloha ianareo hoe iza no sarin'i Jesosy tena ho raisina na manao analyse historique mihitsy sao dia mba misy sarin'ilay Jesosy tena izy ihany voarakitra quelque part fa tena ohatran'ny tsy mety ilay hoe sarina acteur nilalao film évangélique no alaina ho Jesosy na sarin'iza koa moa ry Néhémiah? Iza ilay Romana hoe natao exemple nangalana ny sarin'i Jesosy? Fa tsy hoe ny sasany manao Azy méditérannéen, ny sasany noir.

Tena manohitra be ry reto ny Fanahy ato anatiko a!
Apetrako ihany ireo eo ambony ireo fa za tsy hitsahatra ny hitory hoe aza asiana rey olona ilay sary raha mbola azo atao fa hisy foana ny ondry hi-interpréter an'ilay izy ho vilana ka tsy hanajanona izany sary izany ho simple ... sary dia andeha ataoko hoe dans 5 à10 ans fara fahakeliny vao tena hisy réforme tanteraka ao amin'ny fiangonana katolika ka ho tanteraka soa aman-tsara ohatra ireo soso-kevitra narosoko ireo dia dans 5 à 10 ans izay efa firy ny fanahy ho very fa mbola hanohy hiankohoka sy hivavaka eo amin'ny sarivongana ihany?

Fa maninona anefa raha tsy asiana é? Lasa tsy mino sy tsy tanteraka ve ny finoanareo raha tsy misy sary hita maso hi-représenter na Azy nefa ny voalazan'ny Heb11:1 dia ny hoe: "Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina , fanehoana ny zavatra tsy hita"

Ny problème manko dia izao. Tena tonga nofo tokoa Jesoa satria tsy tanteraka ny famonjena raha tsy nateraka ho nofo Izy nefa limité Izy tamin'Izy nofo (moitié humain, moitié Dieu) fa rehefa maty Izy ka nitsangana dia nomena Azy amin'izay ny fahefana rehetra (MAt28:18) satria niverina lasa Andriamanitra feno Izy.

Dia ianareo raha hi-représenter Azy en tant que olombelona dia mi-représenter Azy ho zanak'ondry hovonoina fotsiny ho famelan-keloka (ilay Izy mbola limité) fa tsy ilay Izy efa Andriamanitra naharesy fahafatesana.

Sady ahoana hoy ny 23Kor5:16 "Koa dia tsy mahalala olona intsony araka ny nofo isika ; eny, na dia nahafantatra an'i Kristy araka ny nofo aza isika, ankehitriny dia tsy fantatsika araka izany intsony Izy "

Tokony Izy efa Andriamanitra satria efa nitsangana no hasandratsika fa tsy Izy mbola nofo. Nefa raha amin'ny maha Andriamanitra Azy no asandratra maninona no nofo mety lo no hi-représenter na Azy? Rom1:23"koa ny voninahitr'Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny olona mety lo"

Heritrereto ihany aloha é!!!! MArina é!








60. toriteny ( 07/03/2013 07:36)

bor2lais:

toriteny > ny olana koa ange dia ny tsy fetezana mba hihaino ny hafa e !


Izay aloha ry ise dia marina fa tsy hoe entêtement akory fa ilay Fanahy ato anatiko no tsy convaincu an'ilay izy dia lasa tsy resy lahatra koa aho.
Dia averimberiko ihany aleoko mihaino Azy toy izay mihaino olona
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0486