Fananana fanahy mazava mahay manavaka ny fahadisoam-piheverana

81. Nehemiah ( 08/04/2013 12:48)
Nehemiah:

2) manquer la marque

Rehefa manota ny olona dia very ny fiainany ara-panahy, satria tapaka ny fifandraisana @'Andriamanitra, fa ny fiainana ara-batana sisa no eo. Raha hanaraka ny sitrapony antsika dia tsy maintsy Izy no miasa ao anatintsika fa tsy vitantsika irery io, izay no ambaran'ny Fanambaran'ny Baiboly.
82. Miharena ( 08/04/2013 18:55)
Marina.
Fa mila avahana tsara ilay hoe isika : ilay isolé mihitsy, inona no rindrina ahafahanao mandrefy hoe isika? Izaho sy ianao ohatra, tsy misy afa-tsy ny tsy fitoviana ara-kevitra sy ara-kolontsaina no mapiavaka antsika, fa ny toetry ny nanamboarana antsika dia iray ihany. Nefa rehefa miresaka isika dia mifankahazo izay lazain'ny tsirairay avy satria mitovy rafitra.

Toy izany koa Andriamanitra, rehefa nanao mitovy rafitra Taminy ny olombelona dia afaka miresaka aminy soa aman-tsara ary ny olona mahazo AZY ary IZY mahazo ny olona. Dia izay no atao hoe miara-miasa AMINY. Izay no dikan'ny hoe miasa ao anaty IZY. Ary na iza na iza (tsy hanavahana na dia Satana aza) dia mazava fa tsy manana na dia intelligence kely akory aza raha tsy IZY RAY no miasa.
83. Nehemiah ( 09/04/2013 05:50)

Miharena:
Ary na iza na iza (tsy hanavahana na dia Satana aza) dia mazava fa tsy manana na dia intelligence kely akory aza raha tsy IZY RAY no miasa.
Mila fanazavĂ na misimisy kokoa kosa aho @'ity : sao dia ny tianao tenenina dia manome saina an'i Satana hiasa ho an'ny fahaverezantsika Andriamanitra ???

Ny fanomezam-pahasoavana ananantsika dia t@ nahaterahantsika no nahazoantsika azy ireo, fa anjaran'ny tsirairay ny mampiasa azy hanao ny sitrapon'Andriamanitra na ny sitrapon'ny tena. Manaja ny fahafahantsika hisafidy foana Izy.
84. Miharena ( 09/04/2013 11:08)
Ny tiana ambara dia hoe ny avy amin'Andriamanitra ihany no ampiasain'i Satana fa tsy manana na inona na inona izy. Izay manaiky hofitahiny hiara-miasa aminy dia midona amin'ny rindrina satria tsy manan-kianteherana. Izany no mahatogna ireny satanista ireny ho lasa mpitory teny malaza hombam-pahagagana rehefa mifoha.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1075