Fananana fanahy mazava mahay manavaka ny fahadisoam-piheverana

21. Miharena ( 11/03/2013 10:50)
Raha ireo famaritana ataonao ireo dia misy zavatra mifanipaka ihany eo amin'ny finoan'ny roa tonta samy nahazo hafatra avy any ambony, ary iray ihany no mpampita hafatra teo amin'ny fanavaozana ny finoan'ny roa tonta dia ny Arkanjely Gabriela.

Ny nolazaina tamin'ny Silamo dia mihaona ihany izy sy ny Jiosy ary ny Kristianina ao antranon'i Jehovah/Allah.

Raha resaka Adama navela heloka dia marina ny azy raha izaho no mijery satria atao ahoana moa izany lehilahy noforonina voalohany izany ka hariana any amin'ny farihy mirehitra na omena an'ilay mpanohitra?

Fa eo ihany isika, araka ny Korana dia Afo no nanamboarana ani' Iblis (Satana). Anarana roa samy hafa sahady no hita eto. Ny fiavonavonany tsy niondrika teo anatrehan'i Adama no nandroahan'Andriamanitra azy ary nanaovany izao asa famitahana rehetra izao.

Tsy azo heverina ho marina ve izany ? Tsy ao anaty Baiboly io fa ao anaty Korana, ary mety azo heverina ny fifamenoan'ny boky roa tonta. Satria koa iray ihany no iraka, dia ny Arkanjely Gabriela.

Ny lohahevira eto moa dia hoe : fananana fanahy mazava mahay manavaka ny fahadisoam-piheverana. Ka aoka mba horaisina toy izay ny fomba famaly fanontaniana.

Aza heverina koa hoe misarika amin'ny atsy na ny aroa aho fa tiako ny hiravonan'ny fomba fijery rehetra. Indrindra fa efa betsaka izay bokim-pahendrena isan-tokony novinaky izay.
22. Nehemiah ( 11/03/2013 12:20)
Tsara ny mahalala ny momba ny finoana hafa, afa-tsy rehefa tsy miorim-paka @ finoana kristiana ianao.
23. Miharena ( 12/03/2013 21:51)
Namana Nehemiah,

Raha toa ka mandalina tsara isika dia tsy azo lazaina fa manana ny rariny tanteraka raha miaro ny finoantsika nefa tsy mahalala fa mahafaoka ho an'ny olombelona rehetra ny foto-pinoantsika rehefa manao fampitahana mba hampisy fifamenoana.
Ny finoana rehetra manavakavaka dia sekta izay.

Gaga aho raha nanolotra sary misy an'i Jesoa telo mianaka ny client-ny ny Karana mipetraka eto amintsika ary nilaza hoe samy mino an'i Jesoa isika fa ny mahasamihafa anay aminareo Malagasy dia ny anay dia Andriamanitra mitantana ny karazam-pinoana rehetra no arahinay. Mitovy ihany ny Andriamanitra resahanareo sy ny Andriamanitra resahan'ny Silamo, ny Boudhista ary ireo marobe misy.

Izany hoe afaka amin'y adihevitra ry zareo. Fa isika kosa lasa tafiditra lalina amin'ny firoaroan-kevitra, indrindra ireo izay milaza fa tsy izy ny "hafa", izay fantatra mazava fa zanak'Andriamanitra rehefa zohina ny fototra (zanak'i Adama hoy n y Jiosy sy ny SIlamo) ary koa efa misy maro ireo manamarina ny fampianaran'i Jesoa nipoiran'ny finoana rehetra toy ny Boudhiste sy ny Hinsouiste ka ilazan'izy ireo mazava fa ny fampianarana azony no izy fa tsy izay aelin'ny Kristianina ankehitriny miteraka savorovoro.

Ny tiana ambara izany dia ilay miteraka savorovoro no fitondran-tena diso ananantsika satria tsy miaina finoana miorim-paka kokoa sy mazava noho ny hafa.

Dia mila mandini-tena rehefa mahazo hafatra toy izany.
24. Nehemiah ( 13/03/2013 05:49)
Hono ho'aho, maro be ve ny finoana milaza fa nidina tety ambonin'ny tany mba hanao sorona ny tenany hamonjy antsika ?

Ny valinao dia efa manaporofo fa tsy finoana mandala ny Jn. 14:6 ny anao.
25. Miharena ( 13/03/2013 15:10)
Anisan'ny fomba iray tazonintsika Kristianina ho fahamarinana ny hoe nidina tety ambonin'ny tany nanao sorona i Jesoa hamonjena ny maro.

Nefa ny finoana efa niely talohan'izany dia efa nisy ny nino ny fiainana mandrakizay. Ny fitohizan'aina izay nisy teo amin'ny finoana Boudhiste sy ny Hindouiste ary nisy koa aza teo amin'ny Malagasy ny Egytiana sy ny maro hafa dia anisan'izy ireo. Ny Romana ihany angamba no nisalasala ny amin'izany fiainana mandrakizay izany nefa nisalasala ihany izireo teo am-pamatsiahana AZY ka nanasa tanana satria izay tsy fantany no nasaina notsarainy.

Ny fomba fanitrikitrihana fa foto-pinoana marina no tazonintsika amin'ny resaka sorona no tsy mendrika, satria efa fantantsila avokoa izay nambatan'i Jesoa fa tsy ho faty velively IZY.

Dia mila miova fomba fitoriana izany isika fa tsy hanitikitrika hevitra izay efa nilaozan'ny toetrandro efa elabe. Ny olana manko namana Nehemiah dia lasa jesosy maty no torianao fa tsy IZY velona nanaporofo fa raha velona IZY dia velona ianao sy izaho.
26. Nehemiah ( 14/03/2013 06:19)
Hafa ny réincarnation @ finoana bouddhiste sy hindouiste, hafa ny fitohizan'ny fiainana @ tontolo hafa @ mitôlojia grika sy ejiptiana ary scandinave (izay mifanakaiky kokoa @ zava-misy talohan'ny nitsanganan'i Kristy t@ maty) ary hafa ny fiainana ara-panahy izay azontsika @ fandraisana an'i Jesoa Kristy ho Tompo

Jn. 17:3 : "Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao."
27. Miharena ( 14/03/2013 17:45)
Raha heverinao fa hafa ireo finoana ireo eo ankilan'ny maha-Kristianina dia mety tsy nandalina tsara azy ireo ianao izany ary tsy nahavita nandalina tanteraka ny Baiboly ihany koa.

Ny fivoarana eo amin'ny fandraisana an'i Krsity ho Tompo sy Mpamonjy dia tokony hitozo amin'ny maha-Mpanjaka Lehibe Azy eo anatrehan'ny fiainan'ny olombelona rehetra tsy ankanavaka. Ary tokony hahitana taratra izany avokoa ny finoana rehetra misy eto ambonin'ny tany.

Ohatra, Izy dia afaka miseho hatraiza hatraiza, eny na any amin'ny fiainana lazaintsika fa maizina aza. Io no atao hoe toetran'i Kristy, any amin'ny toerana tsy heverina hisy Azy no misy Azy. Izany hoe tsy izay heverintsika no marina fa izay zava-misy tena izy ihany, tsy hanavahana izay finoana voatsangan'ny olomblelona noho ny fikarohany an'Andriamanitra Mpahary sy ny momba ny tenany izay ampahan'Andriamanitra manana vatana izay Tempolin'Andriamanitra noho ny Fanahy iraisana AMINY.

Tsy azo heverina mihitsy izany hoe tsy manana mpiara-miasa AMINY ny Tompo noho ireo olon-drehetra izay noforoniNY araka ny endriny.

Raha niresaka omba ny Silamo aho ohatra dia mahita fa mifameno ny Krsitianina sy ny Silamo, indrindra reo amin'ny momba ny fisian'ny mpamadika izay mpanambony ny tenany (Devoly na Iblis). Arkanjely mazava indrindra no nilazana an'i Losifera tao amin'ny Baiboly ary Arkanjely noforonina tamin'ny afo no nilazana zy teo amin'ny Silamo.

Tsy mifankaiza izany finoana izany ary hita taratra mihitsy eo amin'ny fiainan'ny olombelona. Saingy misy fetrany ny fanjakan'i Satana, fa ny an'i Jesoa ihany no maharitra mandrakizay.

Ka manampy ireny fahalalàna ireny rehefa zohina tsara amin'y fo madio fa tsy asiana adihevitra be loatra. Ny Fanay Masina koa manampy antsika hahita ny tena marina eny am-pikarohana ny fahamarinana feno.
28. Nehemiah ( 15/03/2013 06:01)
Ary tsy voatsikaritrao anie ny fanontaniako :

maro be ve ny finoana milaza fa nidina tety ambonin'ny tany mba hanao sorona ny tenany hamonjy antsika ?

Ahoana ny anazavàna ny fitovizana kelin'ny finoana sasany @ fanambaran'ny Baiboly etsy sy eroa ? Satria rehefa niparitaka avy tany Babela ny olombelona dia nanompo sampy fa saingy notazominy ihany ny sombintsombin'ny fahalalàna an'Andriamanitra nolovainy t@'ireo patriarka.

Tahak'izay izao ny finoana hindoue fahagola : t@'izany dia tsy nihevitra an'i Brahma ho tahaky ny Brahma @'izao fotoana izao (panthéisme) fa nitovitovy toetra t@ i Jehovah.
Torak'izay koa ny sinoa : tsy nanompo afa-tsy i Shang Di izy ireo t@ voalohany, ary nampahatsiaro ny sorona t@ Testamenta Taloha ny sorona nataon'ny amperora t@ Alitaran'ny Lanitra ho an'i Shang Di (ary Shang Di irery). Taty aoriana voa nihalo ny fanompoana Azy t@ nampidiran'izy ireo shen (fanahy) maromaro.
29. Miharena ( 16/03/2013 03:04)
Tsy hoe tsy voatsikaritro ny fanontanianaa namana.

Ireo valinteninao ireo dia efa manome sahady izay resahako aminao namana. Tsy misy finoana eto ambonin'ny tany mifanipaka izany fa lalana iray ihany no diavin'izy rehetra. Rehefa hay ny mandrava ny Babela (tsy fitovian-kevitra mitambatra ho tilikambo tsy mety vita) dia afaka ny olona.

Mampahatsiaro ny fanehoana ny otan'i Dadatoa Rakotozandry izy ity. Nanehoana tendrombohitra mainty be izy izay mamaritra ny otany. Ny tsirairay dia manana io avokoa ary jamba na tototra ao raha tsy mahalala hoe inona no mahatonga ireo ota ireo ao aminy ary amin'ny fomba ahoana no handresena azy.

Dia miverina amin'ny lohahevitra ihany aho hoe ny fanadiovana ataontsika tsirairay ihany mba hananana fanahy mazava lavitry ny fiheveran-diso no atao.

Ny endrika tsotra azo atao amin'izany dia ariana daholo ny korotan-kevitra rehetra aloha. Ampanginina ny saina hadio tsara. Rehefa vita izay dia hita mazava izay rehetra jerena sy heverina.

Ny olan'ny ankamaroan'ny religions tsy ankanavaka dia ny fanitrikitrihina fampianarana ary tena mahatsiaro ho voa mafy mihitsy rehefa misy manohitra ary sartra be aminy ny manary ilay fiheverany.

Hoy ny Tompo hoe : amidio daholo ny fanananao rehetra dia avia manaraka AHY.
Raha fantatrao tsara hoe inona ireo fananana nambabo ny fiainanao rehetra ireo (anisan'izany ny haren-tsainao) dia hisy izay fampianarana mazava azonao avy amin'ny Tomponao. Tsy andrasana fa raha anio ianao dia efa manao izany dia efa miara-miasa aminao ny Tompo, mampitombo izay tsy feno ao aminao ary manadio anao tanteraka.

Ka raha rafitra tiana hifikirana no ataonao hoe fananana dia ario tanteraka dia hihavao ianao.
30. Nehemiah ( 16/03/2013 07:38)
Eny marina, andao ariana ny Jn. 14:6, ny Sal. 118:8, ny 2 Tim. 3:16, ets.

Sady manambara izany fa tsy azonao mihitsy ny finoana kristiana. Misongadina @ fivavahan'izao tontolo izao. Ny fivavahan'izao tontolo izao dia ny olombelona no miezaka hanao asa soa mba ankasitrahan'Andriamanitra (na hanatsara ny karma-ny), fa ny finoana kristiana dia i Andriamanitra no nanao an'izay rehetra tokony atao mba ho sitrany antsika, ary izay no dikan'ny fahasoavana, ary tsy hahita an'izay mihitsy @ finoana hafa ianao.
31. Miharena ( 16/03/2013 14:41)

Eny marina, andao ariana ny Jn. 14:6, ny Sal. 118:8, ny 2 Tim. 3:16, ets.

Sady manambara izany fa tsy azonao mihitsy ny finoana kristiana. Misongadina @ fivavahan'izao tontolo izao. Ny fivavahan'izao tontolo izao dia ny olombelona no miezaka hanao asa soa mba ankasitrahan'Andriamanitra (na hanatsara ny karma-ny), fa ny finoana kristiana dia i Andriamanitra no nanao an'izay rehetra tokony atao mba ho sitrany antsika, ary izay no dikan'ny fahasoavana, ary tsy hahita an'izay mihitsy @ finoana hafa ianao


Raha tena jerenao tsara dia mifameno ihany ny resakao momba ilay fivavahan'izao tontolo izao sy ny fivavahana Kristianina satria ilay taonao hoe miezaka hanatsara ny karma dia midika hoe mibebaka amin'ny fivavahana Kristianina. Ilay voalohany aza no mazava be kokoa noho ilay filazàna hatrany amin'ny olona hoe mibebaha (tsy misy famaritana mazava).
32. Nehemiah ( 16/03/2013 14:48)
Azonao ihany ve ny dikan'ny fibebahana @ Baiboly ?

Ny fibebahana dia fandikàna ny teny grika "metanoia", fiovana saina, izany hoe miova tanteraka ny fisainana satria mandray an'i Jesoa, izay mahafaka ny otan'ilay mpandray.

Fa ny resaka karma kosa dia fanadiovana ny ota t@ fiainana antérieure @ alalan'ny fanaovana asa soa. Tsy misy idiran'ny fiovana toe-tsaina izany, sady voaozona hanao asa soa mandritry ny fiainana maro tsy hita lany mba afaka miala @ fitsingerenan'ny samsara. Fa ny fibebahana kosa dia mitondra @ fiainana mandrakizay eo noho eo : sady efa miaraka @'Andriamanitra ianao no mbola hiaraka @ na dia aorian'ny fahafatesana, na dia aorian'ny fiafaran'izao tontolo izao.

Lany andro ianao manandrana manaporofo fa mifameno ny fivavahana eran'izao tontolo izao. Hosoky ny finoana an'ilay Andriamanitra velona ny fivavahan'izao tontolo izao. Mety mianatra zavatra ny sinoa mahay resaka Tao ka mandinika ny finoana kristiana, fa izany akory tsy midika hoe mitovy @ finoana kristiana na mameno azy ny Tao Te King.
33. Miharena ( 16/03/2013 16:16)
Tsy lany andro aho namana satria izay hitako dia mifameno ary ny fiainan'i Jesoa dia tsy mijanona eo ankavanan'Andriamanitra fa mitohy noho ny fisian'ireo sehatra iainan'ny olombelona misy ary anisan'izany ny karma izay iasan'i Jesoa koa, na ny tena marina dia iarahaNY miasa amin'ny Mpiaramiasa AMINY dia isika olobmbelona mahatakatra izany.

Izay aloha no fomba fahitako azy ary tsy misaraka ireo na aiza na aiza iainana eto ambonin'ny tany.

NIresaka momba ny 3e Testament moa aho teto izay nilza ny momba ny réincarnation dia nolavinareo rehetra mihitsy hoe tsy izy io.

Ny olana dia misy ilay izy matoa ambara ary endrika iray eo amin'ny fivoaram-panahin'ny olombelona tsirairay avy.

Ny sehatra boudhique no misy ny fifindrana ho amin'ny fiainana mandrakizay ary io dia anisan'ny efa noresahan'ny Boudhiste fa nisy fampianarana avy amini' Jesoa tao amin-dry zareo mampahalala io.

Ny olana dia ny filazan'ny Kristianina hatrany hoe izy ihany no manana ny fahamarinana ary heveriny fa mifanipaka aminy ny hafa, na heverina mihitsy aza hoe fampianaran'ny maizina, na izao tontolo izao ny an'ny hafa. Io no mahatonga ahy hamoha ny olona mba hanaja ny heverina fa hafa satria fomba fiheverana ihany izany amiko fa ny foto-pinoan'ny tsirairay dia IRAY ihany rehefa tena mandinika tsara isika ary samy afaka mifanazava tsara izay nananany avy ny firenena tsirairay ka afaka mahita hoe ; Iray dia ihany isika rehetra kay fa nisy korontana mahatonga antsika tsy hahatsapa izany dia ny fametrahana fefy ara-piheverana fotsiny ihany izay mahatonga fiovan-toetsaina hahavita asa tsy araka ny tokony hizorany.
34. Nehemiah ( 18/03/2013 06:50)
Tena avadikao ambony ambany mihitsy ny baikon'i Kristy @ Mt. 28:19-20.
35. Miharena ( 18/03/2013 10:55)
Mandehana ataovy Mpianatro ny Firenena rehetra hoy i Kristy,

Marina dia marina io, ary rehefa manana toe-tsaina toa ahy ianao vao hahatanteraka io hatramin'ny farany. Satria ny rehetra dia hahatsapa fa IRAY DIA ka tsy tokony nifanenjika akory. Fa tsy manao bontolo ny hafa amin'ny foto-kevitra tsy mitombina, na tsy ampy fanazavana ka mampisalasala ny hafa fiheverana. Azo raisina ny croisade, namonoana olona maro rehefa tsy Kristianina, hita fa bontolo izany fomba izany fa tsy mampahatsiahy izay misy ary tokony hizoran'ny olombelona, indrindra ny fampianarana ny singa ara-panahy misy eo amin'y olombelona tsirairay avy izay mifameno amin'ny Trinité maha-fanahy ny olona. Ny marika azo apetraka momba ny hafatra manko dia izay indrindra, ny fampianarana fa Fanahy IRAY ao amin'ny RAY izy rehetra fa tsy misy hafa (tsy miavaka) fa ny hevitra no tsy mitovy arakaraka ny fampianarana ataon'olombelona.

Azo lazaina ohatra lehibe iray ny hoe : nifantsika Jesoa noho ny otantsika,
Tsy hoe izay loatra no tena tian'ny Tompo hahatongavana fa hoe Manana Fiainana ianareo ary manana be dia be rehefa manaraka ny Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, dia ny maha-Kristy izay IZY no Lohany.

Rehefa tsy tafapaka ao anatinao tateraka io ary tsy hainao ny mampita azy io tahaka ny Jiro Mazava Tsara dia aleo mangina.

Iray ihany aloha no fantatro nanao izany teto Madagsasikara, dia Dadatoa Rakotozandry, izay nandrehtra labozia ary nizara ho an'ny namana rehefa nampianatra ny momba an'i Kristy nanome ilay hafatra malaza hoe ataovy Mpianatro ny Firenena rehetra (Jiro miampita no ohatra mivaingana napetrany tamin'izany).

Mampahatsiahy ny taombaovao Malagasy isian'ny afo tsy maty izy io ary koa ny Fanahy Masina misary lelafo teo ambonin'ny lohan'ny Apostoly rehefa nihiboky ny tahotra taorian'ny Paska.

Ka raha sendra manaraka tsara ny firindran'ny hevitra araka ny fahazoako an'i Kristy izany ianao dia hahita fa tsy misy mifanipaka ny finoana rehetra eto ambonin'ny tany ary tsy misy Baiboly mikorontana izany, na ny Korana mikorontana, na ny Evajelin'ni Boudha mikorontana sns... Isika be adihevitra no mampikorontana azy ary koa rehefa be fefy iny ny saina fa tsy malalaka manadio trano (fo) tsara isika mba hahafahana mijery antsipirihany ny toe-javatra miseho iray ka tsy mitsaratsara foana fa maneho hevitra mitozo amin'ny fahiratan'ny olona, na fifohazan'ny olona tsirairay avy.
36. Nehemiah ( 18/03/2013 12:42)
Evanjelin'i Bouddha :)... Zava-baovao indray izay.

Raha azoko tsara tsy maninona raha hanaraka ny fivavahana aztèque manao sorona fon'olombelona na ny fivavahana scandinave izay mandala ny ady @ anaran'i Odin ?
37. Miharena ( 18/03/2013 13:33)
Hitanao tsara fa mahita zava-baovao hatrany ianao rehefa mandeha ilay fanontaniana sy ny valinya avy?

Mahafinaritra izany ka ! Ny Evanjelin'i Boudha anie azonao tsara vakiana namana e! Jereo tsara raha mifanipaka amin'i Jesoa izy, dia izay ihany no hevero momba azy io.

Raha miresaka ireo karazana finoana scandinave sy aztèque napetrakao ireo ohatra ianao, dia manamavo azy avy hatrany, nefa mba azonao an-tsaina ve raha nahita ny evanjelin'i Jesoa i Indira Gandhi, dia nahita fa tena mahavariana ilay izy fa saingy ny toetran'ireo mpino Kristianina no nahatonga azy tsy handray izany?

Ka sao dia tsy Kristianina tena izy no asehontsika?

Ilay sorona ohatra dia efa zava-nisy arakaraka ny fivoaran'ny finoan'ny olombelona ary ianao ihany no manitrikitrika fa mbola vao 6000 taona no nisy ny fanoavana sorona biby ho an'Andriamanitra. Heverinao ve fa ao anatin'ny 6000 taona dia ho foana izany? Ayr mihevira ve isika fa tsy mahazo valiny ireo izay manao izany raha toa ka fantany tsara hoe inona no asa ataony amin'io fotoana io? Ianao no tsy mahitra izay hitany dia manamavo azy, fa endrika fanompoana iray io ampihariny io ary fantany tsara izay ataony. I Kristy nifantsika dia noho ny asan'ny Mpisoronabe, dia Andriamanitra RAY mihitsy, ary ny sorona hafa dia asan'ny mpisorona madinika, dia ireo izay nomena izany fahefana izany arakaraka ny zava-misy ilàna izany (fanasitranana ohatra). Samy misy heviny avokoa izany rehetra izany arakaraka ny toetra ananan'ny olombelona tsirairay avy.
38. Nehemiah ( 18/03/2013 14:26)
Rehefa mitoraka hevitra fantaisiste tahak'izao dia tokony vonona ny manohana azy @ alalan'ny porofo marim-pototra, fa raha tsy izay tsy hisy hino anao.

Marina aloha fa tena saika hivadika kristianina mihitsy izao i Gandhi (Mohandas Gandhi fa tsy Indira Gandhi), fa ny antony nitazomany ny finoany hindouiste dia satria nahilik'ireo mpino any @ fiangonana Afrikana Tatsimo nohon'ny volon-kodiny. Ka izany dia mifanohitra tanteraka @ fampianaran'ny Baiboly.

Ny fanavakavahana volon-koditra moa dia nisy foana hatrizay. Fa nahazo vahana be ilay izy araky ny nielezan'ny fotopisianana darwiniana (i Stephen Jay Gould ilay paleontôlôga mpandala ny evôlisiona malaza no nanamafy an'izay), satria raha talohan'izay dia tsy maintsy mitady fomba amadibadihana ny fitantaran'ny Baiboly hoe samy taranak'i Adama sy Eva daholo antsika voa mba afaka manome vahana ny fironana @ fanavakavahana volon-koditra. Fomba anankiray nanaovana an'izay dia ny nampianatra hevi-diso hoe voaozona izao i Hama zanak'i Noa. Fa rehefa tonga ny darwinisme dia lasa nino ny olona fa olombelona "akaikin'ny rajako kokoa" ny mainty hoditra, ka nirongatra ny herisetra sy tsindrihazolena t@'izy ireo.
Izay koa no nahatonga ny fanjanahan-tany t@ taon-jato faha-XIX sy faha-XX ho lozabe tahak'izao : moa nanaovan'i Galliéni sy ry zalahy frantsay ireo tsindrihazolena tahak'izao raha mba nino ny fitantaran'ny Gen. 1-11 mampianatra fa iray fiaviana antsika, izany hoe samy taranak'ireo zanak'i Noa ?

Ka dia mipetraka ary ny fanontaniana : inona no nahatonga an'izao zava-doza izao ? Ny fanamavoana ny Baiboly sa ny fanarahana azy @ maha-tenin'Andriamanitra azy ? Raha mandinika ianao dia tsy maintsy mahita fa ny valiny voalohany no izy.

Tsy tambo isaina ny loza mitranga @ firenena iray rehefa manilika ny finoana kristiana, ary izay no hitantsika eran'izao tontolo izao, indrindrindrindra aty Madagasikara. Avy taiza hoy ianareo ny fitotongan'ny soatoavina sy ny fiainana ara-pitondrantena ary ny fiaraha-monina Malagasy ? Anisan'ny antony lehibe indrindra dia ny fitaizana ny taranaka iray manontolo hihevitra ny tenin'Andriamanitra ho angano ka hanao tsinontsinona azy (iza no mba te-hampifandraika ny fiainany @ angano). Tsy miteraka afa-tsy fahoriana sy tsy fandriam-pahalemana ary faharavan'ny fitondrantena ny finoana mandala ny maha-olombelona mandà an'Andriamanitra.

Ka efa ninia ny tenako hanao izay tratry ny aiko hiaro ny Baiboly sy ny fampianarany ary hampiely ny fahalalan'ny tena fampianaran'ny Baiboly @ olona rehetra manodidina ahy, fa tsy hiverina ety an-tanindrazana ny fahasambarana raha tsy misy olona manao an'izay.
Inona no antony heverinao ho nisafidianako an'ity solonanarana ity ?
39. Miharena ( 19/03/2013 04:25)
Nehemiah:

Ka dia mipetraka ary ny fanontaniana : inona no nahatonga an'izao zava-doza izao ? Ny fanamavoana ny Baiboly sa ny fanarahana azy @ maha-tenin'Andriamanitra azy ? Raha mandinika ianao dia tsy maintsy mahita fa ny valiny voalohany no izy.

Tsy tambo isaina ny loza mitranga @ firenena iray rehefa manilika ny finoana kristiana, ary izay no hitantsika eran'izao tontolo izao, indrindrindrindra aty Madagasikara. Avy taiza hoy ianareo ny fitotongan'ny soatoavina sy ny fiainana ara-pitondrantena ary ny fiaraha-monina Malagasy ?


Ny fanotaniana tokony hipetraka kokoa dia hoe : fa maninona no saika isaky ny fokontany ahitana fiangonana iray eto amintsika nefa mbola betsaka ny loza araka ny voalazanao?

Misy koa any an-dafy ny fiangonana fa ny mahasamihafa azy eto amintsika dia rehefa miditra any ianao dia vitsy dia vitsy ny mpivavaka ao. Nefa rehefa zohina dia tsy dia be loatra toy ny aty amintsika ny loza manjo ny tany tandrefana ohatra.

Dia mila valiana tsara ilay fanontaniana hoe sao dia ny fomba fampianarana mihitsy no tsy tafita ka tsy ananan'ny Malagasy ilay hery mitana ilay fandriam-pahalemana? Satria aoka ho fantatra fa tsy ny Malagasy velively no mandà ny mahamarina ny Kristianisma niditra teto fa vao tonga teto izany dia niroborobo fatratra ary nahatonga fisiana Maritiora maro aza.

Ny zavadoza lazainao dia aoka ho fantatra fa noho ny fitodihana amin'ny materialy ka mampanota izay mitsiriritra izany. Fa ny harena maha-Malagasy talohan'ny niavian'ny maha-Kristianina aza dia efa nisy ny firaisan-kina no hery, ny valintanana sy ny fanaovana sorona.
40. Nehemiah ( 19/03/2013 08:18)
Mahagaga marina izany.

Hos. 4:6 : "Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian’ ny fahalalana. Satria hianao efa nandà ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; Ary efa nanadino ny lalàn’ Andriamanitrao hianao, ka dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao."

Nahoana no Madagasikara no gisitra, no rambony, nefa tsy mba izy irery no firenena kristiana manary an'Andriamanitra. Jereo fotsiny ny toetoetry ny Nosy t@ voalohany : nisy karazam-biby sy zava-maniry tsy fahita raha tsy aty Madagasikara, nandrombona ny zavaboary, feno harena natoraly sy an-kibon'ny tany, nifandraika t@ soatoavina kristiana ny fahendren'ny Ntaolo... Sady mahay sy lalin-tsaina ny gasy.
Ka mazava izany fa notahian'Andriamanitra i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy, tahaky ny nitahiany an'Isiraely. Fa ny zavatra mitranga @'izao fotoana izao dia mitovy @ ozona izay soritsoritan'ny Dt. 28, ho an'ny firenena izay nofidian'Andriamanitra nefa manary Azy. Nanary an'i Jehovah antsika gasy. I Ra8 mihitsy no niaiky an'izay t@ 2009. Nefa omeny toky antsika fa raha miverina @ dia ho raisiny an-tanan-d2.

Tiako marihina koa fa mirongatra KOA ny heloka bevava sy ny firehetam-po isan-karazany ary ny fitiavan-tena sns any an-dafy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2023