Fananana fanahy mazava mahay manavaka ny fahadisoam-piheverana

61. Nehemiah ( 23/03/2013 12:51)
Fa i Andriamanitra kosa tsy afaka mifanipaka. Ka rehefa mahita hevitra tsy mifanaraka @ voalaza @ Fanambaràna Manokana ianao dia ny aiza no raisinao ho marina ?
62. Miharena ( 23/03/2013 15:20)
Ny singa manokana no iantefan'ny Fanambarana Manokana ho an'ny tsirairay avy. Raha mahita zavatra mifanipaka isika dia tsy ny vontoatiny no mifanipaka fa misy endrika samihafa nanehoana azy fotsiny ihany.

Ohatra, raha miresaka momba ny maha-Kristy ny Korana ka milaza fa tsy Andriamanitra i Kristy fa ilay olon-tsambatra eo anilan'i Allah dia manamarina ny tenin'i Jesoa izany raha niteny ny mpianatra hoe " 'ry mpampianatra tsara "!ka novaliany hoe "tsy misy tsara afa-tsy iray ihany dia ny RAY".

Rehefa mandinika ny rehetra isika vao afaka manatsoaka izay hafatra fototra isaky ny fampianarana azo ivelan'ny kolontsain'ny olomblelona (azo avy amin'ny Anjely, Jesoa, Andriamanitra, ary ny Fanahy Masina).
63. Nehemiah ( 25/03/2013 05:40)
Mbola miseho eto ny tsy mampitovy ny fomba fijerintsika. Hita hatraiza hatraiza @ Baiboly ny fampianaran'ny Trinite. Ka raha miteny i Jesoa hoe : "Nahoana no antsoinao hoe tsara Aho ?" dia nisarika ny sainy Izy mba hihevitra Azy @ maha-Andriamanitra Azy. Fa ny anao dia any @ Korana indray no angalanao tsoa-kavitra, ary mifanohitra tanteraka @ fitsipiky ny hermeneotika izany.
64. Miharena ( 25/03/2013 14:55)
Tsy hoe mifanipaka ilay hevitra Trinité sy io fanambarana voalaza eo amin'ny roa tonta io satria fiarahamiasa ny Trinité ary miavaka ny telo tonta saingy iray feo.

Ny hany mba tsikaritro fotsiny dia misy fahamarinana ekentsika miombona (Krsitianina sy Silamo) fa tsy entintsika ho soa toavina ilay izy. Ohatra : ny fahalemem-panahy, ny famindram-po, ny fitiavana. Zavatra iombonana avokoa izay ary tsotra dia tsotra. Ary raha mandinika isika dia izay tsotra indrindra izay lasa amphatsiahivina no hahatarafana fa tsy manana fahamasahana mijoro mihitsy ny olombelona fa samy manao izay saim-pantany.

Eo no mila fandinihan-tena lalina ka mampijery ireo fahehdrena rehetra ampahatsiahivin'ny fitondram-pivavahana tsirairay izay nahazo avy amin'ny ezaky ny Anjelin'Andriamanitra sy ny IRAKA mivantana avy AMINY.

Ny tena raharaha mano izao dia tsipahinao ohatra ny Korana, nefa ny Anjely Gabriela izay niseho tamin'i Maria sy Zakaria ihany no nisehoa tamin'i Mahometa. Dia lazainao fa mifanipaka ny fomba fijerintsika , nefa ny ahy aleoko feno tsoy izay tapany ka mahatonga ahy hangetaheta lalandava na hanontany lalandava miteraka adihevitra tsy hita lany ary valiny tsy mazava fa miovaova isaky ny olona mamorona valiny tsy mahafa-po.
65. Nehemiah ( 25/03/2013 15:05)
Iza no niteny anao hoe i Gabriela tokoa no niseho t@ Mahometa, raha niseho t@ tokoa izy ? Ahoana no ahafahanao matoky ny hamarinan'izay, raha averina aminao ny lôjikanao ?
66. Miharena ( 25/03/2013 15:24)
Tsy lasa lavitra ilay fanadihadiana ary tsy mitozo amin'ny lohahevitra raha toa ka tsy ianao mihitsy no mamaky ary mamantatra amim-pahatsorana izay voambara ao amin'ny Korana. raha tsy Krsitianina masaka tsy hahatakatra hoe iray tarika ihany ireo nanome ny hafatra.

Ny fananana fanahy mazava moa no resaka natao tami'ny lohahevitr'ity dinika ity. Ary ny fahasahiana misedra ny finoana sy ny foto-pinoana no hahafahana manana izany. Ary hahafahana ihany koa manamarina na mandiso ny zava-misy iray ara-panahy izay mitranga isaky ny vanim-potoana. Na io tamin'ny fahagola, na io tamin'ny Testamenta taloha, na i otami'ny Testamenta vaovao, na io tamin'ny Korana, na io tamin'ny Hafatra maro miseho ankehitriny. Fa tsy maika fotsiny hitsara ny namana hoe rehefa tsy iray vala dia tsy voavonjy...
67. Nehemiah ( 25/03/2013 15:29)
Efa niteny anao aho fa tsy mba finoana kristiana araky ny fampianaran'i Kristy ity universalisme-nao ity.

Mba firifiry moa ny faminaniana tanteraka an-tsakany sy an-davany t@ Korana na ny Gita na ny Veda sns... ? Nefa feno an'izay ny Baiboly
68. Miharena ( 25/03/2013 15:43)
Tsy manao anao aho hoe finoako ny Universalisme, fa ny Krsitianisma no hahatarafako ny Universalisma arakaraka ny zavatra aseho ahy eo amin'ny fitaizam-panahy izay maneho ny hafa ihany koa mba hohamarinina itozoan'ny rehetra amin'ny fiainana mandrakizay. Raha tsy natao izay fanehoana izay dia tsy misy mihitsy fahaiza-manana fanahy mazava miara-miasa amin'i Kristy sy ny Ray iombonana.

Mety nisy amin'ny lohahevitra sasany any aho nilaza mihitsy hoe : efa eo am-panadiovana an'i Satana izao no asa misy. Io no ezaka farany ho an'ny herin'y Mazava dia ny herin'i Krsity matoa tsy misy fanamarinana izay manamarintena ao anaty Baiboly ao fa izay mpanota ihany (taizan'i Satana).

Izany ohatra dia anisan'ny santionan'ny zava-miafina aseho ankehitriny.

Tsy ady teny na expression entina maneho ny faharesen-dahatry ny tsirairay no entina eto fa ny fahaizana mitazona izay Fanahy afaka manana fahamarinana amin'ny lafiny rehetra izay asehon'i Kristy. Tsy finoana boky fa fampiharana ny fitarihan'ny Fanahy Masina.

Izany hoe raha ny marina dia voa kely toy ny voantsinampy ihany no azo dia nentina nampiroboroboina vao afaka manana izany fanahy mahay manavaka fahadisoam-piheverna izany.

Raha tianao dia atoro anao ny fomba tsotra hahazoana izany fanjakan'ny Fanahy Masina izany. Avela daholo aloha ny fiheverana rehetra dia ny Fanahy no omena lanja hitaiza hatrami'ny farany, dia eo sika dia hahita fahombiazana kokoa eo am-pandihihana izay fahendrena rehetra efa naposaka eran'izao tontolo izao araka ny isam-pokony avy.

69. Nehemiah ( 26/03/2013 13:56)
Alohan'izay dia valio mazava ny fanontaniako teo.
70. Miharena ( 27/03/2013 04:57)
Nehemiah:

Efa niteny anao aho fa tsy mba finoana kristiana araky ny fampianaran'i Kristy ity universalisme-nao ity.

Mba firifiry moa ny faminaniana tanteraka an-tsakany sy an-davany t@ Korana na ny Gita na ny Veda sns... ? Nefa feno an'izay ny Baiboly


Valiny mazava moa ny tianao hamaliana ity fanontaniana ity.

Ny olana dia rehefa tsy mamaky ireo rehetra voambara ao anaty fitaizam-panahy isan-karazany ireo isika dia tsy hahita ny fahamarinana efa tanteraka avy amin'izany. Ary ny fahatsoram-po no entina mamaky izany fa tsy manao fefy avy hatrany hoe : tsy fampianaran'i Kristy io.

Ohatra mazava be iray: Manana porofo ve ianao ny momba ny fampianarani'i Kristy teo anelanelan'ny faha12 taonany izay nampianarany ny JIosy tao amin'ny Synagoga sy ny nandaozany izany ka niverenany tami'ny faha-30 taonany nanaovany ny fampianarana telo taona fotsiny dia nandao fa nomena ny Apostoly ny sisa? Ara-Baiboly dia izay telo taona izay ihany no voambara ary ny asan'ny Apostoly.

Hoy Jesoa moa hoe ; Mbola manana ondry izay ivelan'ity vala ity Aho...

Dia izay no hanamarinako ny fahendena hafa satria hitako taratra avy ao amin'izy tsirairay avy fa rafitra iray izay tian'i Kristy hitozo amin'ny fahalalàna marina koa no ao. Misy ireo fanadihadiana maro izay manamarina ny finoana tsirairay arakaraka ny fitaizana azony avy isa-pirenena ary ahitana fa IRAY ihany no Mpiandry sy Mpitarika dia i Kristy. Raha tsy izay no izy dia tsy afaka hihavana ny olombelona rehetra. Izany hoe raha tsy universalisma no ateraky ny kristianisma dia tsy misy fihavanana vanona. Raha mahita taratra universalisma ianao ao amin'ny boudhisme sy ny islamisme ary ny Veda sy ny Gita... dia izay vao tena krisitianina feno.

Ary sao aloha dia heverintsika hoe io fitaizana Kristianina io dia fanarahan-dia an'i Kristy? Tsyny diany no arahantsika fa ny toetra ampanjakaiNY hananantsika tsirairay avy. Dia tarafina ao anatin'ny fahendrena tsirairay ny toetra tiaNY aseho marina ary io ihany no mampiray ny miaina.

Io toetra io dia ny fanetren-tena, na fanafoanana ny tena

Andramo anie io eo amin'ny fiainanao fa hahita zava-miafina be dia be ianao ary hahazo izay rehetra voambara na aiza na aiza ary hahatarafanao an'i Kristy daholo izay vakianao amin'izay.
71. Nehemiah ( 02/04/2013 06:40)
Mety izay no arahinao fa odianao fanina ny Jn. 14:6, ka tsy fampianarana kristiana izany.
72. Miharena ( 03/04/2013 17:09)

Jn 14: 5 Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana?
6 Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.
7 Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin'izao dia mahafantatra Azy ianareo sady efa nahita Azy.
8 Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay.
9 Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray?


Rehefa maka andininy ao anaty Baiboly dia tsara raha jerena araka ny tantara nipoirany ny teny iray.

Tsy hoe hodiana fanina io teny Jn 14:6 io fa manamafy izay voambara aza izany ary manambara rahateo ny maha -universel an'i Jesoa. Raha misy izay manao ny universalisma dia i Jesoa no voalohany. Satria IZY no mivoy ny maha-IRAY ao amin'ny RAY. Ary arahan'ny finoana isankarazany erantany izany maha-IRAY izany.

Tsy misy afa-tsy io no tanjon'ny finoana rehetra misy eran-tany.
73. Nehemiah ( 04/04/2013 06:25)
Ahoana indray ny hoe "ny Soratra Masina tsy azo foanana" (Jn. 10:35b) ? Ny tanjon'ny bouddhisme dia ny hahatakatra ny nirvana. Ny tanjon'ny hindouisme dia ny miala @ tsingerin'ny samsara. Mbola sahinao ihany ve ny milaza fa mifanaraka @ filazan'ny Baiboly izany ?

Marina fa samy mila an'Andriamanitra antsika rehetra ary mitady Azy ny sasany na dia tsy kristiana aza, fa ny tsy ekenao dia ny Baiboly no hany Fanambaràna Manokan'Andriamanitra ary ny sisan'izay dia fandinihan'olombelona mpanota mety diso.

Ary ny Jn. 10:34 dia famerenan'i Jesoa ny Sal. 82:6 izay milaza fa nomen'Andriamanitra ny mpitsara ety ambony tany ny fahefany hitsara ny olombelona (izahao [url=http://www.smartbaiboly.org/online#Salamo%2082:6Rom. 13:1-3[/url]) sao dia mbola hiseho milay eto ianao
74. Miharena ( 05/04/2013 12:34)
Sao ambaranao fa miseho milay ny tenako?
Raha vakianao ireo tanjon'ny Bodda sy ny Hindoue ireo dia misy ifandraisany betsaka amin'ny fianan'i Kristy. Hoy Izy : Izaho no fahazavan'izao tontolo izao. Io ilay Nirvana ary ny fanambarany ny fianan'ny olona mandrakizay any am-paradisa ilay fialana ami'ny tsingerin'ny Samsara lazainao.

Misy famakiana fomba fitazam-panahy mitranga eto amin'izao tontolo izao izay voamarin'i Jesoa y asehony eo ami'ny fiainany hatrany.

MIala tsiny koa raha toa ka lasa mampiteraka valy hafahafa avy aminao ilay adihevitra fa ny tena tiana voizina amin'ny lohahevitra dia ny fananana fanahy mazava mahay manavaka ny fahadisoam-piheverana. Ary ireo ambarako isaky ny mivoatra ireo ny adihevitra no mamaha olana ny Kristianina amin'y fanontaniana maro sy ny fanavakavahana izay mety hiseho eo amin'ny fifandraisan'ny samy olombelona.
75. Nehemiah ( 05/04/2013 14:50)
Fombanao ny miezaka hampiditra ny fivavahana hafa miaraka @ hevitra mifanohitra @ Baiboly raketiny ao anatin'ny Baiboly, fa efa miharihary fa tsy mahomby izany, satria ampiteneninao foana ny zavatra tsy teneniny i Andriamanitra. Tsy haharesy lahatra an'iza na iza izay tsy marivo salosana @'izany ianao.
76. Miharena ( 06/04/2013 03:40)
Tsy hoe mandresy lahatra fa maneho fahatsapana fotsiny ihany no ataoko eo anatrehan'ny zava-misy rehetra izay mitranga ary manaraka izay fototry ny mampiroborobo ny fivavahana isantokony. Tsapako fa matoa misy hery nanintona olona maro isaky ny antokony avy dia misy endrika mitovy iraisana na mampiray ao amin'izy rehetra ary eken'ny rehetra ho fahamarinana azo ampiharina amin'ny fiainana izay mampirindra ny fahombiazana ara-panahy. Hahazoana fanahy voavolavola hanam-pitiavana sy hahay haneho izany eo amin'ny fiaraha-monina isan-tokony avy. Manana fanahy maranitra afaka manavaka tsara ary miteny amin'ny olona hoe toy izao no fanavahana ny fiheverana sy ny asan'ny fanahy ary ny tanjon'ny fanahy izay nindramintsika tamin'ny RAY Mpahary ka hiverina ao AMINY tsy misy tomika.

Tsotsotra toy izay ihany ilay izy ary tsy tokony hisy adihevitra lavabe saingy ny hisavasavàna ny raviny hono, hahitana ny fotony. Azo lazaina ho raviny avokoa ny fomba fiheverana rehetra fa ny Fotony dia iray ihany : IRAY ao amin'ny RAY.
77. Nehemiah ( 06/04/2013 07:18)
Ka adinonao indray ny maha-olombelona mpanota mety diso ny tsirairay. Ary izay no maha-zava-dehibe ny fanambaràna manokan'Ilay Andriamanitra tsy mety diso.
78. Miharena ( 06/04/2013 18:41)
Tsy manadino mihitsy ny maha-mpanota ny olombelona izany fa ny fahazoana azy angamba no tsy itovizantsika. Satria izany ota izany amiko dia ny fitambaran'ny fiheveran-diso rehetra izay manototra ny fanahin'ny olona, dia ilay fanahy izay hany manana fahafahana hiray amin'ny RAY. Ary izy io dia tsy tokony hisy fepotoana fa vantany vao mifoha ny olona dia efa mahatsapa fa IRAY ao AMINY. Mahay manavaka tsara ny ota (safotom-piheverana) sy ny vokatry ny fanahy izay azony koloina tsara hampadio azy, ka ny Voninahitr"ANdriamanitra hatrany no momba azy amin'ny fihevitra sy fiteny ary fanapariahana ny fahamarinana.
79. Nehemiah ( 08/04/2013 05:50)
Io ny famaritana ny ota @ tapany grika @ konkôrdansan'i Strong

266 hamartia (ham-ar-tee’-ah)

???????

vient de 264; TDNT - 1:267, 44; n f

Voir définition 264

LSG - péché 172, celui qui pèche 1; 173

1) équivalent à 264
2) ce qui est mal, péché une offense, violation de la loi divine en pensée ou en actes
3) collectivement, les péchés commis par une ou plusieurs personnes

Ary io indray ny famaritana ny manota :

264 hamartano (ham-ar-tan’-o)

????????

vient peut-être de 1 (négatif) et la base de 3313; TDNT - 1:267, 44; v

Voir définition 1

Voir définition 3313

LSG - péché 23, pécher, ne pèche … , coupable, fautes ; 43

péché = «  erreur, faux état d’esprit »

1) ne pas participer
2) manquer la marque
3) errer d’ou se tromper, commettre une faute, faillir, être fautif,
4) manquer le chemin de la droiture et de l’honneur, faire le mal
5) s’éloigner de la loi de Dieu, violer cette loi, pécher

Ny azo tsoahina @'izany dia ny tsy manao ny sitrapon'Andriamanitra no manota.
80. Miharena ( 08/04/2013 10:06)

péché = « erreur, faux état d’esprit »


Mitovy ihany ny famaritana saingy ny fanontaniana hoy aho dia hoe raha manana faux état d'esprit (=fiheveran-diso) ve ny olona dia very ny fanahiny? na hoe very mhitsy ny maha-fanahy azy?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0548