Ireo fiangonana miorina sy ny fahamarinana

1. Maranatha ( 20/02/2013 10:30)
Rehefa manaraka tsara ireo serasera hifanaovana eto ny tenako dia mahatsapa fa toa samy miaro ny Dogma hampianarina azy any ampiangonan'ny tsirairay any avokoa ny rehetra.

Tombotsoa lehibe anefa no ahazoan-tsika mifampiserasera eto. Sady ihany koa tenin'i Tsitoha no hifam-piserana eto. Koa mampiditra soson-kevitra aho hoe maninona raha handao hifanaraka esorina daholo aloha ny couleurn'ny fiangonana rehetra, fotom-pampianarana rehetra izay hita fa tsy avy amin'ny baiboly.

Ny tiako ho lazaina dia hoe andao samy hatao hoe Laika avokoa isika rehetra . Sady azoko antoka fa tsy misy mahazo tombotsoa manokana ao amin'ny fiangonany avy isika, dia ndao hiaraka hijery ny marina, Tsy te hahalala afatsy izay marina ihany isika, ny marina ihany.

Raha manana tanjona ny ho any an-danitra isika dia tsy maintsy mivelona @ fahamarinana sy ny fotom-pampianaran'ny lanitra. Ary ihany koa tsy maintsy mitondra fanahy makany.

Azon-tsika hatao koa ny mampibaribary ny fahadisoan'ny hataon'ny fiangonana tsirairay mba hahafahan-tsika miala nenina amin'ireo vahoaka mpanara-drenirano ao anatiny .
Ny tanjona dia ny mba hahavetivety ny fiavian'ny Tompo. IIpetera 3:11 Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin'ny fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra,12 sady manantena no mampahafaingana* ny hihavian'ny andron'Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan'ny zavatra rehetra.


Ahoana iza no vonona???
novalian'i didi10 ny 23/02/2013 14:07
2. sitlo ( 20/02/2013 10:53)
Maranatha:
Sady azoko antoka fa tsy misy mahazo tombotsoa manokana ao amin'ny fiangonany avy isika


Fa angaha niverina natory indray ilay fanahy efa nifoha lehibe tamin'ny heritaona?
3. hery ( 20/02/2013 11:04)

maninona raha handao hifanaraka esorina daholo aloha ny couleurn'ny fiangonana rehetra


Io aloha dia tsy mampaninona ahy... fa ity:


fotom-pampianarana rehetra izay hita fa tsy avy amin'ny baiboly


Dia efa tsy mety sahady indray :-).
Efa naverimberina teto fa na ny dikanteny ao amin'ny baiboly dia efa tsy mitovy ho an'ny fiangonana tsirairay, vao maika koa moa mbola samy manana ny fandraisana ny teny voasoratra.


Sady azoko antoka fa tsy misy mahazo tombotsoa manokana ao amin'ny fiangonany avy isika,


Miala tsiny fa tombontsoa goavana be mihitsy ho anay ny fiangonanay. Io no manampy anay amin'ny fampianaram-pinoana, amin'ny fandinihana ny tenin'Andriamanitra, amin'ny fahalalàna ny sitrapon'Andriamanitra... koa raha tsy mahazo tombontsoa manokana amin'ny fiangonanareo ianareo dia anareo ihany izany.


dia ndao hiaraka hijery ny marina, Tsy te hahalala afatsy izay marina ihany isika, ny marina ihany.


Tsy efa izany ve moa no atao eto? Fa ny olana dia misy milaza fa ny azy ihany no marina, dia valianay hoe tazomy ara ny marinareo dia aleo samy miaina amin'izay finoany... Izahay ohatra tsy miady mihitsy hoe ekeo ho marina ny anay. Anjaranay sy Andriamanitra izany... ka tsy hitako hoe maninona ny sasany no manery anay hanaiky hoe marina ny azy.


Azon-tsika hatao koa ny mampibaribary ny fahadisoan'ny hataon'ny fiangonana tsirairay mba hahafahan-tsika miala nenina amin'ireo vahoaka mpanara-drenirano ao anatiny .


Io angamba no tena tanjon'ilay lohahevitra manontolo.
Izahay dia tsy mahita tombony na dia kely akory aza hampibaribary ny fahadisoan'ny fiangonana hafa. Ny finoako ao amin'ny Fiangonako no asehoko ka raha mihaino ny hafa dia mahafaly, raha tsy mihaino izy dia ahitsako ny vovoka amin'ny kapako, toy ny nataon'ny Apostoly, fa tsy izaho no hivaky loha lalina amin'izany.


Ny tanjona dia ny mba hahavetivety ny fiavian'ny Tompo.


Samy manana ny tanjony izany isika ka efa tsy mitovy sahady :-)
4. Nehemiah ( 20/02/2013 12:37)
Miady foana antsika hoe "izao no lazain'ny Baiboly" etsy "izao no lazain'ny Tenin'Andriamanitra eroa", ka ny fanafodin'izany dia ny mampiasa hermeneotika tsara fototra.
5. Miharena ( 20/02/2013 14:37)
Izaho indray mahita fa rehefa tafalatsaka ao anaty Baiboly ao lasa soratra fotsiny no hanehoana ny finoana marina dia mivoana satria izay voalaza sasantsasany ihany no tena itompoan'ny sasany teny fantatra ho fahamarinana fa tsy izy iray manontolo miaraka amin'ny asany avy ary ny vokany eo amin'ny fianam-panahin'ny olombelona tsirairay mivondrona amin'ny fiangonana samy manana ny endriny avy.

Misy ohatra olona izay milaza hoe izao no Tenin'Andriamanitra nefa tsy mifanandrify amin'ny famahana olana mitranga iray akory ilay izy fa vao mainka aza mampiteraka adihevitra, indrindra eo amin'ny fitsarana ny hafa ho diso tiana hahitsy.

Ny an'i' namana Maranatha ohatra raha hitady tanjona ny hiavian'ny Tompo aingana dia heveriny fa ny fitandremana ireo didin'Andriamanitra no hahatongavan'izany, nefa ho an'ny Mifoha dia tsy andrasana intsony IZY fa miasa mandrakariva efa hatry ny Taloha sy ny nahatongavaNY ho nofo mandrak'izao isika miteny izao ary mandrakizay. Ny Mpamonjy dia tsy andrasana fa ny asan'ny Mpino dia ny mampiditra mampandroso ny olona ao am-bala fotsiny sisa amin'ny fampahalalàna AZY.
6. leva2 ( 20/02/2013 22:04)
Velona Jesosy!

Ny mba hitako aloha dia tokony hifampitrotro am-bavaka isika rehetra ireto. Hanokana fotoana fohy ka hivavaka ho an'i Hery, didi10, Maranatha, Moustaraf, sitlo, Miharena, mpitoriteny, tefigasy, Nehemiah, Miarana, jojo3t sns ...
Fanehoam-pitiavana izany ary anisan'ny ahalalana fa mpianatry ny Tompo isika.

"... Ny fiàsan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra". Jak 5/16

Nivavaka ho anao aho namana isany! AMEN
7. Nehemiah ( 21/02/2013 06:19)
leva2 >> Misaotra betsaka.

Miharena >> 2 Tim. 2:16-18 : "Fa halaviro ny fibedibedena foana; fa mbola handroso amin’ ny haratsiam-panahy ihany izy ireny, ary ny teniny dia handany tahaka ny aretina mihady [Gr. gangrena] ; isan’ ireny Hymeneo sy Fileto, izay nania tamin’ ny marina ka milaza fa efa lasa sahady ny fitsanganan’ ny maty, dia mamadika ny finoan’ ny sasany."
8. Miharena ( 21/02/2013 07:09)
Nehemia:

Miharena >> 2 Tim. 2:16-18 : "Fa halaviro ny fibedibedena foana; fa mbola handroso amin’ ny haratsiam-panahy ihany izy ireny, ary ny teniny dia handany tahaka ny aretina mihady [Gr. gangrena] ; isan’ ireny Hymeneo sy Fileto, izay nania tamin’ ny marina ka milaza fa efa lasa sahady ny fitsanganan’ ny maty, dia mamadika ny finoan’ ny sasany."


Ho anao mamaky Baiboly ka mihevitra fa figé izy io no mandray io teny io ho velomina mandrakizay. Izany hoe, na efa ho roa arivo taona aza no nilazana io teny io dia mbola mitombina ankehitriny ary mbola hitombina afaka iray tapitrisa taona any aoriana... Asa hoe aiza no fampanantenana ao anaty Baiboly ao no tsy iainana ankehitriny!


Leva2:

Velona Jesosy!

Ny mba hitako aloha dia tokony hifampitrotro am-bavaka isika rehetra ireto. Hanokana fotoana fohy ka hivavaka ho an'i Hery, didi10, Maranatha, Moustaraf, sitlo, Miharena, mpitoriteny, tefigasy, Nehemiah, Miarana, jojo3t sns ...
Fanehoam-pitiavana izany ary anisan'ny ahalalana fa mpianatry ny Tompo isika.

"... Ny fiàsan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra". Jak 5/16

Nivavaka ho anao aho namana isany! AMEN



Misaotra anao mivavaka ho anay, ary mivavaka ho anareo sy Nehemia koa izahay mba ho afaka amin'ny gejan'ny lasa ka handroso amim-pahatokiana amin'y fiaraha-miasa amin'ny Tompo ankehitriny!
Tompo Velona sy miasa no arahinay fa tsy voafetran'ny voasoratra. Hahiratra anie ianareo eo am-pamakiana izay fahatsapana ny momba AZY arosonay! AMEN.
9. didi10 ( 21/02/2013 09:25)

Maranatha:

Rehefa manaraka tsara ireo serasera hifanaovana eto ny tenako dia mahatsapa fa toa samy miaro ny Dogma hampianarina azy any ampiangonan'ny tsirairay any avokoa ny rehetra.

Tombotsoa lehibe anefa no ahazoan-tsika mifampiserasera eto. Sady ihany koa tenin'i Tsitoha no hifam-piserana eto. Koa mampiditra soson-kevitra aho hoe maninona raha handao hifanaraka esorina daholo aloha ny couleurn'ny fiangonana rehetra, fotom-pampianarana rehetra izay hita fa tsy avy amin'ny baiboly.

Ny tiako ho lazaina dia hoe andao samy hatao hoe Laika avokoa isika rehetra . Sady azoko antoka fa tsy misy mahazo tombotsoa manokana ao amin'ny fiangonany avy isika, dia ndao hiaraka hijery ny marina, Tsy te hahalala afatsy izay marina ihany isika, ny marina ihany.

Raha manana tanjona ny ho any an-danitra isika dia tsy maintsy mivelona @ fahamarinana sy ny fotom-pampianaran'ny lanitra. Ary ihany koa tsy maintsy mitondra fanahy makany.

Azon-tsika hatao koa ny mampibaribary ny fahadisoan'ny hataon'ny fiangonana tsirairay mba hahafahan-tsika miala nenina amin'ireo vahoaka mpanara-drenirano ao anatiny .
Ny tanjona dia ny mba hahavetivety ny fiavian'ny Tompo. IIpetera 3:11 Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin'ny fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra,12 sady manantena no mampahafaingana* ny hihavian'ny andron'Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan'ny zavatra rehetra.


Ahoana iza no vonona???



Ny olana anie namana dia tahaka ny mampiady akoho isika eto e! ny tompon'akoho mitondra ny azy, ny mpiandany miandany amin'izay akoho tiany fa rehefa vita ny ady ka na efa hita aza fa mahery ny akoho iray dia samy mitondra ny akohony mody ihany mba hampiadina amin'ny manaraka sao maharesy indray.
10. didi10 ( 21/02/2013 09:29)

leva2:

Velona Jesosy!

Ny mba hitako aloha dia tokony hifampitrotro am-bavaka isika rehetra ireto. Hanokana fotoana fohy ka hivavaka ho an'i Hery, didi10, Maranatha, Moustaraf, sitlo, Miharena, mpitoriteny, tefigasy, Nehemiah, Miarana, jojo3t sns ...
Fanehoam-pitiavana izany ary anisan'ny ahalalana fa mpianatry ny Tompo isika.

"... Ny fiàsan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra". Jak 5/16

Nivavaka ho anao aho namana isany! AMEN



Izaho koa mivavaka ho anao namana fa mba miangavy anao mba soloy io sary jesosy eo amin'ny solon'anaranao io :-)
11. leva2 ( 21/02/2013 16:32)

didi10:

Izaho koa mivavaka ho anao namana fa mba miangavy anao mba soloy io sary jesosy eo amin'ny solon'anaranao io :-)

Velona Jesosy!

Momba ilay sary aloha, raha azonao ilay hoe "Velona Jesosy" dia hazava aminao koa ny antony mahatonga io sary io. Nalaina tamin'ny Gal 02/20 "Tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko".
Tiako ho fantatra nefa ny antony mahatonga anao hiteny hoe tokony hesorina io.

Misaotra namana!
12. leva2 ( 21/02/2013 16:51)

Miharena:


Misaotra anao mivavaka ho anay, ary mivavaka ho anareo sy Nehemia koa izahay mba ho afaka amin'ny gejan'ny lasa ka handroso amim-pahatokiana amin'y fiaraha-miasa amin'ny Tompo ankehitriny!
Tompo Velona sy miasa no arahinay fa tsy voafetran'ny voasoratra. Hahiratra anie ianareo eo am-pamakiana izay fahatsapana ny momba AZY arosonay! AMEN.

Velona Jesosy!

Izaho koa namana tena mahatsapa isan'ora isa-minitra fa Tompo Velona sy miasa no arahiko sy noraisiko ka velona ato anatiko sy mitoetra ato anatiko amin'ny alalan'ny Fanahiny Masina.

Ny tsy itoviantsika anefa dia ity : izaho namana dia tsy afaka hahatoky afa-tsy izay voasoratra, dia ny TENINY izany. Araka ny anambaran'i Jesosy azy hoe : toy ny lehilahy hendry manorina ny tranony eo ambony vatolampy izay olona manorina ny finoany eo amin'ny tenin'Andriamanitra (Lio 06/48).
Mamaky izay ambaranareo aho, saingy rehefa tsy mifanaraka amin'ny Tenin'Andriamanitra na ny baiboly dia mazava ho azy fa hevitr'olombelona izany, na koa hevi-diso ampidirin'i satana; koa dia miala tsiny.
Io dia araka izay voasoratra hoe : " RY malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin’Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin’izao tontolo izao" I Jao 04/01.
13. Miharena ( 22/02/2013 04:05)
Marina ny anao namana Leva2, fa arakaraka ny handrosoanao ao amin'ny finoana kosa no hahafahanao manavaka ny fanahy izy sy tsy izy.

Ny voalohany indrindra aloha dia ny fahafantaranao ny momba anao tanteraka miharihary eo anatrehan'Andriamanitra; Faharoa, ny fangatahanao tanteraka ny Fanahy Masina hanoro anao ary farany dia miaina tanteraka miaraka Amin'IZY Telo eo amin'ny fampitàna ny Mazava izay aposaNY ho an'ny tenanao aloha vao ho an'ny hafa.

Rehefa feno ireo dia afaka amin'y fanontaniana adaladala ianao ary hahiratra hatra ny hanazava izay voasoratra, na ao anaty Baiboly izany na hafa.

Izay mampiatrano AZY dia manana ny Esprit de discernement. Hoy Izy hoe : izao no ahafantarana ny mino.... na hisotra zavatra mahafaty aza izy dia tsy hampaninona azy izany (tsy poizina ara-pizika io resahana io fa na hevitra hevrein'ny olona hasisika ao aminy aza dia tsy hampihozongozona azy satria efa Kristy no velona ao anatiny).

Ary aza mihevitra mihitsy hoe tsy mitovy fijery isika, fa azo atao avokoa ny fitoviam-pijery rehefa mifanazava tsotra sy mifampizara toy izao.

Mahereza namana!
14. niryna ( 22/02/2013 06:34)

Maranatha:

Rehefa manaraka tsara ireo serasera hifanaovana eto ny tenako dia mahatsapa fa toa samy miaro ny Dogma hampianarina azy any ampiangonan'ny tsirairay any avokoa ny rehetra.
Tsy aiko aloha fa ny fantatro kosa dia miainga amin'ny baiboly ,mivoana ny ao dia lasa mihitatra be ilay resaka


Tombotsoa lehibe anefa no ahazoan-tsika mifampiserasera eto. Sady ihany koa tenin'i Tsitoha no hifam-piserana eto. Koa mampiditra soson-kevitra aho hoe maninona raha handao hifanaraka esorina daholo aloha ny couleurn'ny fiangonana rehetra, fotom-pampianarana rehetra izay hita fa tsy avy amin'ny baiboly.

Ny tiako ho lazaina dia hoe andao samy hatao hoe Laika avokoa isika rehetra . Sady azoko antoka fa tsy misy mahazo tombotsoa manokana ao amin'ny fiangonany avy isika, dia ndao hiaraka hijery ny marina, Tsy te hahalala afatsy izay marina ihany isika, ny marina ihany.
moa ve tsy izay tokoa no faniriana? ny ahavonjy ny rehetra sy ny hamerina ireo tao anaty vala hiverina ? ahoana tokoa moa anefa no amerenana azy ireo ao anatin'ny vala raha ny ao anatiny aza miady ,tsy mitovy velively?
15. didi10 ( 22/02/2013 08:14)

leva2:


didi10:

Izaho koa mivavaka ho anao namana fa mba miangavy anao mba soloy io sary jesosy eo amin'ny solon'anaranao io :-)

Velona Jesosy!

Momba ilay sary aloha, raha azonao ilay hoe "Velona Jesosy" dia hazava aminao koa ny antony mahatonga io sary io. Nalaina tamin'ny Gal 02/20 "Tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko".
Tiako ho fantatra nefa ny antony mahatonga anao hiteny hoe tokony hesorina io.

Misaotra namana!


Misaotra namana.

Voalohany
Isika Kristiana dia tokony hivavaka amin'ny fanahy satria Andriamanitra dia Fanahy ary izay mivavaka aminy dia mivavaka amin'ny fanahy sy fahamarinana, ny olana amin'ny fampiasana ireny sarirasy jesosy ireny dia "mémorizen-tsika" izy ireny, na mandohalika eo am-pototr'izy ireny mihitsy aza isika ka lasa ny saina no mandefa ilay vavaka any amin'ilay andriamanitra mitovy endrika amin'ilay sary.
Fanontaniana ary no apetrako aminao, tena endrik'i Jesosy tokoa ary ve io asehonao io sa sary nataon'olombelona ihany?

Faharoa
Voararan'Andriamanitra ao amin'ny didy faharoa ny fanaovana "répresentation"n'izay rehetra any an-danitra sy any amin'ny helo, raha mino ianao fa mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany any an-danitra Jesosy dia tsy tokony hanao na hampiasa ny sariNY ianao.

Fahatelo
Kol 1,15
15 Izy no endrik'Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra izao

Jesosy no endrik'Andriamanitra, azo atao ve ny masao sary an'Andriamanitra? TSIA
azo atao ve ny manao ny sarin'ny endrik'Andriamanitra? TSIA

Mampianatra ihany ny anjarako namana fa anao ny safidy na hijanona amin'ny fandikana ny didy ianao na tsia, sa moa rehefa ambany fahasoavana dia tsy ilaina intsony ny didy?



16. hery ( 22/02/2013 08:20)

didi10:

raha mino ianao fa mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany any an-danitra Jesosy dia tsy tokony hanao na hampiasa ny sariNY ianao.



Tsy ohatry ny contradictoire ihany ve ianao izany? Raha misy ny nanao réprésentation voalohany an'Andriamanitra dia ny Apokalipsy izay lazainao io.

Toa inona ny seza fiandrianana ipetrahany? Aiza ho aiza no misy azy? Volamena sa volafotsy sa diamondra?

Ahoana no hahafahanao miteny fa afaka mipetraka Andriamanitra? Mitovy paozy amin'olombelona (misy tongotra sy tanana) ihany ve izany izy?

Tsy ny Apokalipsa ve voalohany indrindra no nanome antsika sary antsaina an'Andriamanitra?
17. Nehemiah ( 22/02/2013 08:35)
Raha izaho indray dia tsy mampiasa ny Apôkalipsy hanohana hoe toy izay na toy izao i Andriamanitra satria fahitàna io, afa-tsy ny toko 1-3 angamba, azo antoka fa teofania ilay izy.

Andriamanitra dia Fanahy, fa tsy vatana.
18. didi10 ( 22/02/2013 08:52)

hery:


didi10:

raha mino ianao fa mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany any an-danitra Jesosy dia tsy tokony hanao na hampiasa ny sariNY ianao.



Tsy ohatry ny contradictoire ihany ve ianao izany? Raha misy ny nanao réprésentation voalohany an'Andriamanitra dia ny Apokalipsy izay lazainao io.

Toa inona ny seza fiandrianana ipetrahany? Aiza ho aiza no misy azy? Volamena sa volafotsy sa diamondra?

Ahoana no hahafahanao miteny fa afaka mipetraka Andriamanitra? Mitovy paozy amin'olombelona (misy tongotra sy tanana) ihany ve izany izy?

Tsy ny Apokalipsa ve voalohany indrindra no nanome antsika sary antsaina an'Andriamanitra?



Koa izany izy hoe sary an-tsaina namana a! dia aleo hijanona an-tsaina fa aza atao sary sikotra na sary hosodoko na sary vongana na "image de synthèse", na représentation hafa.

Soraty izay hitanao hoy Jesosy mantsy an'i Jaona dia aleo ny soratra hijanona ho soratra ary ny imagination hijanona no imagination fa aza avadika représentation. (Didy faha 2 Eks 20)
19. didi10 ( 22/02/2013 08:57)

leva2:


Velona Jesosy!
Tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko".



Misy adino kely fa miala tsiny.

Raha misy fanahy ratsy maka tahaka io sarina rangahy be volombava io dia ilay fanahy no velona ao anatinao fa tsy i Kristy velively.
20. hery ( 22/02/2013 09:06)

didi10:


Koa izany izy hoe sary an-tsaina namana a! dia aleo hijanona an-tsaina fa aza atao sary sikotra na sary hosodoko na sary vongana na "image de synthèse", na représentation hafa.

Soraty izay hitanao hoy Jesosy mantsy an'i Jaona dia aleo ny soratra hijanona ho soratra ary ny imagination hijanona no imagination fa aza avadika représentation. (Didy faha 2 Eks 20)


Fa ohatry ny ahoana ny sary ao antsainareo?

Ho anao izany dia samihafa ny soratra sy ny sary.

Tsy mitovy ihany ve ny olona manoratra hoe boribory misy masony, sy ny olona manao sary boribory misy masony?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2966