Ireo fiangonana miorina sy ny fahamarinana
21. didi10
(
22/02/2013 10:01)
hery:
didi10:
Koa izany izy hoe sary an-tsaina namana a! dia aleo hijanona an-tsaina fa aza atao sary sikotra na sary hosodoko na sary vongana na "image de synthèse", na représentation hafa.
Soraty izay hitanao hoy Jesosy mantsy an'i Jaona dia aleo ny soratra hijanona ho soratra ary ny imagination hijanona no imagination fa aza avadika représentation. (Didy faha 2 Eks 20)
Fa ohatry ny ahoana ny sary ao antsainareo?
Ho anao izany dia samihafa ny soratra sy ny sary.
Tsy mitovy ihany ve ny olona manoratra hoe boribory misy masony, sy ny olona manao sary boribory misy masony?
Tsy mitovy ny manoratra hoe Hery sy ny manao sarin'i Hery
22. hery
(
22/02/2013 10:04)
Fa angaha anarana fotsiny no soratan'ny Apokalipsa raha tsy tena détails mihitsy?
Seza fiandrianana, masoandro, sns...
Seza fiandrianana, masoandro, sns...
23. didi10
(
22/02/2013 10:18)
hery:
Fa angaha anarana fotsiny no soratan'ny Apokalipsa raha tsy tena détails mihitsy?
Seza fiandrianana, masoandro, sns...
Eny araka ny voalazanao, nosoratany fa tsy nataony sary na niteny izy hoe ataovy sary
24. Miharena
(
23/02/2013 02:09)
Amiko indray namana Didi10 dia manampy betsaka ny fampianaram-pinoana ny fanehoana an-tsary ny voalaza ao anaty Baiboly mba tsy haminaniana fotsiny izay zava-nitranga rehetra.
Ny olana amin'izao fotoana izao dia tsy misy support didactique mazava tsara no mampiteraka adihevitra tsy hita lany. Ary io no fandrika mahazo antsika izao. Ilay fifamaliana no tiako lazaina, satria miainga amin'ny hevitra latsaka ao anaty Baiboly ao isika hoe misy fandidiana tsy hanaovana sary hotompoina, dia heverintsika fa izany no ataon'y namana sasany. Fitsaram-poana izany amiko satria endri-pampianarana malaky ny sary fa tsy milaza izany fa tompoina ny sary. fampitan-kevitra mahomby ny sary eto.
Rehefa raisina ami'n ysaina madio izany dia madio, rehefa raisina ami'n'ny fitsarana mivilana izany dia maloto ary ny olana dia izay mandefa ilay fitsaràna ihany no voaloto fa tsy ilay mandray amin'y fo madio. Ary olana goavana be koa ny fanalàna ilya olona mandray ami'ny fo madio hiala ao amin'ny Fiangonana nanabe azy satria mbola tsy lasa lavitra akory eo ami'ny finoanay izy ohatra dia esorinao ao, nefa ilay fomba nanalànao azy tao dia hevitra voaporofo fa noho ny tsy fahatsoranao teo amin'y famakiana Baiboly, na famakiana tsotra ny fombafomba nentin'ny namanao nino.
Izay no lazaiko hoe ; raha tsy ao anatiny ianao dia tsy tokony hitsara azy mihitsy.... Ary aza mihevitra ny hahalala ny hevitr'Andriamanitra raha mbola misy notion maha-olombelona ao aminao ka handika ny Teniny entina hitsaràna ny namanao. Io no fototry ny olana amin'y adim-pinoana. Rehefa mitana io isika, dia miala ami'ny adihevitra tsy hita lany.

25. leva2
(
23/02/2013 06:53)
Velona Jesosy!
Voaray daholo ny hafatrareo namana fa dia misaotra.
Raha mijery ny kara-panondro isika izao : tsy maintsy misy sary ao, fa sady misy soratra koa manambara ny anarana sy ny mombamomba ny tena.
Jesosy rehefa tonga nofo (fa tsy nijanona ho Fanahy fotsiny ihany) dia hita maso sy notsapain-tanana ary nanana endrika physique. Izay no nahafahana nanao ny sariny.
Namana didi10, vao nijery ilay sary ianao dia nahalala avy hatrany fa sarin'i Jesosy ilay izy. Fantatrao izany.
Ekeko mihitsy ny tsy tokony handoalehana na hiankohofana na hivavahana amin'ny sary (na endrik'Andriamanitra aza ilay izy).
Fa hono hoa namana isany : ny fahitanao ny sarin'i Jesosy mifantsika eo amin'ny hazo fijaliana ohatra, midika inona aminao? manambara inona? mampahatsiahy anao inona?
Tahaka izany koa, ny tenin'Andriamanitra na Soratra Masina : ny famakianao izany, na ny fahitanao izany any anaty fiara, eny an-dalana, eny amin'ny rindrina, sns ... tsy ilainao ve? tsy manampy anao ve? tsy mitondra soa ho anao ve?
Izany tsy midika hoe alaivo ny baiboly dia ataovy ambany ondana hiaro anao, na asio sarin'i Jesosy eo an-doham-pandriana fa heverina hoe miaro; fa boky fotsiny ihany iny ary sary fotsiny ihany ireny fa tsy tokony heverina ho misy "pouvoir" akory ka hotompoina.
Tokony hijery amin'ny fomba malalaka kokoa isika izany, saingy mitandrina ihany koa mba tsy ho lasa hanompo boky, na sary, sns...
Mba ho fanajana ny hafa, sy mba tsy hitondra fahatafintoinana ho an'ny hafa nefa dia hosoloiko io sary io.
Misaotra namana isany!

26. didi10
(
23/02/2013 14:07)
leva2:
Namana didi10, vao nijery ilay sary ianao dia nahalala avy hatrany fa sarin'i Jesosy ilay izy. Fantatrao izany.
Ahitsiko kely fa tsy hoe nahalala avy ahatrany aho fa sarin'i Jesosy fa sarina jesosy hoy aho, ny olona rehetra afaka manao sarina rangahy be volombava sy fotsy hoditra sy manga maso dia samy miantso an'i hoe jesosiny fa ilay Jesosy Andriamanintsika dia tsy misy olona manana ny sariNY na iray aza.
leva2:
Mba ho fanajana ny hafa, sy mba tsy hitondra fahatafintoinana ho an'ny hafa nefa dia hosoloiko io sary io.
Misaotra amin'ny fanapahan-kevitrao fa ny olona hendry tokoa no anarina, tiako anefa ny mampiomana anao fa raha vao soloinao io dia vao mainka hitondra fanafintohinana ho an'ny hafa mankasitraka ny sarisarin'Andriamanitra izany. Ny tiako ambara dia aleo amin'ny fandresen-dahatra avy ao anatinao no itazomanao azy na tsia fa raha izao manokana dia sarina vazaha be volombava fotsiny ihany ny eo amin'ny sarinao fa tsy Jesosy akory.