Ampidiro aloha ny tenimiafina
Ny fivavahana katolika sy ny BAiboly
61. andrywui
(
02/03/2013 15:55)
hounn ...!! Resakin'ny mafy ,sy be sandry ny ato marina!!!!
Oay..... Ary itambaran'ny valalabemandry ato i Hery kay kou...!! Mamay be tonton
Oay..... Ary itambaran'ny valalabemandry ato i Hery kay kou...!! Mamay be tonton
62. Nehemiah
(
04/03/2013 06:25)
jesoa:
Nehemiah:
Zoako ny tsy mandany andro @ olona tsy matotra.
hahaha... ay ve ianao ity ohatran'izao e!!! noheveriko fa tena mahay miady hevitra araka ny fiheboheboanao sy n fanambanianao ny hevitro ireny!!tezitra lay manampahaizantsika, le mrs je sais tt!! ;) tsy miteny aho hoe matotra fa raha izao teny vakiako izao dia mbola matotra lavitra noho ianao izaho raha izao an!!mahagaga ahy izany!! fa angaha mo tsy hoe ianao ilay mahay sy manana ny marina isaky ny miteny?!! soa ihany aho fa katolika sady mirehareha amin'ny maha katolika ny tenako!! na dia namandrika ny olona aza ianao handresy lahatra!! ay marina ihany ila teninay izay hoe" tsy ny fahaizana amam-palalahana no maharesy lahatra fa ny finoana ao anaty ka aseho amin'ny asa"!! na dia hoe nambaninanao aza aho dia afaka mirehareha ao amin'ny Jesoa Kristy izay hinoakao!!
koa mandinia izay mamaky izay ato dia araho tsara ilay discussion dia hisokatra ny masonareo!! ny endry ihany hono no anarina é! :) :) :)
Izay no tiako tenenina @ "tsy matotra" : ad hominem ihany no itondranao azy, izany hoe ny mpilalao no lalaovinao fa tsy ny baolina, ka omeko carton.
63. jesoa
(
04/03/2013 10:12)
Nehemiah:
Izay no tiako tenenina @ "tsy matotra" : ad hominem ihany no itondranao azy, izany hoe ny mpilalao no lalaovinao fa tsy ny baolina, ka omeko carton.
hahahaha... ka ny baolina asainao lalaovina ve maloto dia tsy aleo ianao izay milalao azy no teneniko hoe aza milalao an'io? ataoko lay fomba fiadinao hoe: " aza mandà hanatra re ah, fitiavako anao izany " ;) . Efa hoe maloto mbola lalaovinao iany lay baolina! efa nandini-tena tsara amin'izay ve eh? ;) :) soa ihany aho fa katolika mijoro!!hiihi... :) ( raha matotra ianao dia nahay niady hevitra tompoko ô ka antenaiko fa mbola matotra kokoa noho ianao raha izao no fandehany an!! ;))
64. toriteny
(
04/03/2013 11:46)
DayAnd:
Mamaky anle dscussion rehtra eto ah de toa mahatsapa hoe efa sur fa ho voavonjy aby isika miresaka ato, de hiteny aho hoe iaino any am fiainantsika any le zavtr maharesy lahatra anao, fa ny atao no mahatarika hoy ny tenintsika malagasy, ny fihetsika sy ny fitondra-tena no Evanjely vaovao afaka itarafan'ny olona marina fa velona ao aminao Kristy ary tena fahazavany sy vavolombelony ianao, ary ny teny fitaka fa ny atao no hita.
RESABE DAHOLO ZANY NO ETO E, FA NY FIAINANA AN'ILAY TENIN'ANDRIAMANITRA NO MAHATONGA NOFO AO AMINTSIKA AN KRISTY
Zah mino fa tsy ho anay Katolika irery ny famonjena ary tsy ho anareo hafa fiangonana irery ihany koa, fa kosa natao ho an'izay MINO an'i Jesoa Kristy ka NIAINA NY FITIAVNA toa Azy
Misy zavatra tiako tsindrina kely ito, tsy ho an'ny katolika ihany fa ho an'ny mpino kristianina rehetra mihitsy ary tsy hitsahatra sy ho reraka aho ny milaza azy ity satria primordial amin'ny finoana loatra ilay izy
-Tsy ny fankanesanao any am-piangonana isaky ny sabata na alahady no mahavonjy(fa na any mihitsy aza ianao no hipetraka ka hivavaka foana isa'andro, isa-minitra tsy ho voavonjy ianao raha tsy manana Azy)
-tsy ny fanaovanao asa soa (fa na lanianao amin'ny asa soa aza ny harenanao rehefa tsy manana Azy ianao dia zava-poana izany);
-tsy ny fanaovanao tsianjery ny baiboly;
-tsy ny fitandremanao ny lalàna;
-tsy ny fanananao toetra tsara ka hanovanao ny toetranao ho tsara be, tsisy kianina no atao hoe olom-boavonjy nefa ianao mbola tsy nandray an'ny Tompo akory.
fa izay manana an'i Jesosy irery ihany no hovonjena
Averiko indray na amin'ny protestant aza (satria izay moa no misy ahy sy hitako) fa betsaka amintsika no mihevitra fa rehefa mivavaka tsy tapaka, rehefa ao anaty sampana, rehefa mpandray, rehefa mamaky mana isan'andro dia ampy izay ho famonjena. Fa tant que tsy manana an'i Jesosy ianao tsy voasoratra any amin'ny bokin'ny fiainana mihitsy ny anaranao.
Noho izany aza miezaka manao an'ireo raha mbola tsy nandray Azy ianao fa tsy ireo akory no hamonjena anao fa Izy aloha ataovy izay hihaonanao aminy dia ho mora aminao ireo rehetra ireo.
Ilay hoe manana an'i Jesosy koa betsaka ny mandiso an'io. Ny atao hoe manana Azy eo amin'ny fiainanao dia tena miova ianao amin'ny minitra handraisanao Azy iny, lasa tia vavaka, lasa tia mamaky baiboly, lasa mankahala ny ota sy izao tontolo izao, lasa faly ary tena mahatsiaro sambatra be tsisy ohatr'izany amin'ny fanompoana Azy fa indrindra lasa manao ny sitrapon'Andriamanitra.
Ny mamako katolika dia hoy izy rehefa toriako teny hoe za anie hoy izy tena miteny ny zavatra rehetra izay ataoko eo amin'ny fiainako an'i Jesoa é, mivavaka foana za hoy izy hoe mba ho lavorary Jesoa io zavatra ataoko io hoentiko am-bavaka, dia za hoy izy efa mivavaka vao mifoha, isaky ny hisakafo ary alohan'ny hatory, dia mamaky baiboly dia maka ireny andinin'ny soratra Masina ireny izy ataony any anaty poketrany. Nisy zavatra nataony izay dia noentiny am-bavaka ohatran'ny fanaony nefa zavatra tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra ilay izy dia tsy niteny an'i mama ve hoa Jesoa hoe tsy mety io zavatra ataonao io tamin'ny mama nanao ilay vavaka. Dia gaga be izy hoe fa anga Izy miteny?
Fa tena à 2 sens ny firaisanao amin'Andriamanitra rehefa manana an'i Jesosy ianao, tena miteny io Jesosy io ary miaraka aminao eo amin'ny fiainanao, isan-tsegondra, mi-conseille Izy, manoro, milaza ny sitrapony, mampifaly anao, miaraka aminao ao amin'ny fahoriana, namanao amin'ny sarotra, miaro anao amin'ny fahavalo, manasitrana anao amin'ny rofy.
Tena tsara é, tena tsara reto ny Tompo a!!! Tena za mamporisika foana izay mbola tsy ao aminy mba hiditra ao amin'ny fiainana amin'izay fa ampy izay ny adalana, ampy izay ny fanarahana ny fanaon'izao tontolo izao. Androany miverena ao Aminy fa aza mangataka andro
Ho an'i DayAnd, raha mety ianao dia vakio hatramin'ny farany ny voasoratra ato.
http://forum.serasera.org/forum/message/m50ec1cbc03d3a
65. Nehemiah
(
04/03/2013 13:11)
jesoa:
Nehemiah:
Izay no tiako tenenina @ "tsy matotra" : ad hominem ihany no itondranao azy, izany hoe ny mpilalao no lalaovinao fa tsy ny baolina, ka omeko carton.
hahahaha... ka ny baolina asainao lalaovina ve maloto dia tsy aleo ianao izay milalao azy no teneniko hoe aza milalao an'io? ataoko lay fomba fiadinao hoe: " aza mandà hanatra re ah, fitiavako anao izany " ;) . Efa hoe maloto mbola lalaovinao iany lay baolina! efa nandini-tena tsara amin'izay ve eh? ;) :) soa ihany aho fa katolika mijoro!!hiihi... :) ( raha matotra ianao dia nahay niady hevitra tompoko ô ka antenaiko fa mbola matotra kokoa noho ianao raha izao no fandehany an!! ;))
Tsy hitanao ve fa ny katôlika iray manontolo no alainao baraka @'izao lolom-ponao izao ? Sa inona indray no atsipinao @ tavako ? "Ianao ihany no manala baraka ny anao" ? "Ianao ihany no be lolom-po @ katôlika ?"
Mba lazao ahy ny marina : heverinao fa manome voninahitra an'i Jesoa (tsy lalaon-teny momba ny solonanaranao io an !) izao ataonao izao ? Voninahitr'iza no tadiavinao ? Ny an'i Kristy sa ny anao manokana ?
