Inona no olana raha mankalaza ny 25 Desambra ny kristiana?

1. niryna ( 11/02/2013 17:39)
Asa aloha fa tena manomboka miharatsy ity andro ity an. Asa raha tadidinareo ny hafatra tany aloha tany hoe inona no asan'ny satana hialan'ny kristiana tsy hanompo an'i kristy?
Tsy azo esorina ao anatin'ny fiangonana intsony izy ireo hoy izy fa andao atao variana amin'ny TV sy ny rendrendra sns
Ankehitriny ny firenena manala ny fivavahana tsy azo am-pidirina ao am-pianarana,eo ny manomo ny olona izay mino sy manaraka an'i kristy.Eo ny fandorana ny fiangonana. Eo ny firenena tsy mahazo mamaky baiboly fa tonga dia dorany ny tranony sy ny maro e
Izao indray dia mahalasa saina na efa ela aza ny fiangonana milaza azy ho kristiana no tsy mankalaza ny andro nahaterahany
Inona no olana amin'ny fanarahana sy fankalazana ny 25 Desambra ?
novalian'i pm_86 ny 01/03/2013 13:03
2. cbd ( 11/02/2013 18:13)

niryna:

Inona no olana amin'ny fanarahana sy fankalazana ny 25 Desambra ?

TSY MISY OLANA !
3. Miharena ( 12/02/2013 04:14)
Alaharo tsara ny hevitrao fa sarotra be ilay fanontaniana sy ny vontoatiny.
4. Nehemiah ( 12/02/2013 05:30)
Averiko foana : Tit. 3:10
5. maranatha ( 12/02/2013 05:40)

niryna:

Izao indray dia mahalasa saina na efa ela aza ny fiangonana milaza azy ho kristiana no tsy mankalaza ny andro nahaterahany
Inona no olana amin'ny fanarahana sy fankalazana ny 25 Desambra ?

Inona no olona??? OLANA GOAVAMBE
Tsy voasoratra ao @ baiboly io fa fampianarana nampidirin'ny Roma mba hanehoany ny heriny hoe manaraka azy izao tontolo izao.
Tsarovy fa tsisy ao anaty baiboly olona masina ka nankalaza ny andro nahaterahany. Ny Tompo aza tsy nanao izany.

Ny bible satanique no milaza fa io no tena fety tsara indrindra. Fankalazan'ny tsirairay ny daty nahaterahany.

Raha tsorina dia anisany fampianaran-diso tsy nahazoana fanomezan-dalana avy any an-danitra ihany koa io. Tahaka ny alahady. Ny mahavariana dia ry zareo mpitandrina alahady avokoa no manao io fety io. Manambara sy milaza fa zanaky ny Katolika avoakoa ry zareo.

Apok 18:4 Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.5 Fa ny fahotany efa nitehika tamin'ny lanitra, ary ny Tsitoha efa nahatsiaro ny ratsy nataony.

Mivoaha teo aminy hianreo ry oloko mba tsy hiombonanareo ota aminy. hoy ny Tsitoha
6. bor2lais ( 12/02/2013 11:42)
maranatha:

Inona no olona??? OLANA GOAVAMBE

Olanao irery izay hoy ny fitenenana ! :-)
7. lal84 ( 12/02/2013 13:15)
Mety tss olan mits raha jeren @ akapoben fotsn na raisina malalak fotsn oan'ny oln @ akapobeny!fa mb mikaroa d jerev tsar ny fotottr nipohirany ary ny tanjona t@zn!d ho hitanao oe met v sa tsy!ar ny ftn netombohany!
8. hadji ( 12/02/2013 15:07)
aza mamorona olana eo amin'ny fiainana raha azo atao krisimasy ny 25 desambra dia izay
9. smileyah ( 13/02/2013 06:51)

lal84:

Mety tss olan mits raha jeren @ akapoben fotsn na raisina malalak fotsn oan'ny oln @ akapobeny!fa mb mikaroa d jerev tsar ny fotottr nipohirany ary ny tanjona t@zn!d ho hitanao oe met v sa tsy!ar ny ftn netombohany!

Amin'ny fo tsy miangatra, aiza kokoa no tsara eo imason'Andriamanitra amin'io andro 25 desambra io: ny olona midera, misaotra ary manome voninahitra Azy noho ny fahatongavan'ny zanany ho nofo mba hamonjy ny olombelona ve, sa ny olona izay feno fitsikerana sy manondro molotra ireo olona izay manao izany?
10. hadji ( 13/02/2013 06:55)

smileyah:

AMPIO FANAZAVANA KELY RAHA AZO ATAO FA MANOHANA NY HEVITRAO IZAHO
11. didi10 ( 13/02/2013 07:01)
Efa mazava anie izany namana Niryna e! samy efa manaiky sy miaiky avokoa ny rehetra fa tsy 25 desambra no nahaterahan'ny Mpamonjy kanefa ianareo mbola miziriziry hankalaza io andro io ihany, andro izany no tompoinareo, tahaka ireo Romana taloha manompo masoandro sy volana ary kintana amin'ny andron'ny 25 desambra sy 01 janvier dia mikapa hazo entina ao an-trano asiana jirojiro miampy ilay andriamanitra dadabenoely ivavahan'ny ankizikely hangatahana bonbon atao anaty ba-kiraro.
Fehiny fanompoan-tsampy io fa mialà tao.

12. smileyah ( 13/02/2013 07:04)

hadji:

smileyah:

lal84:

Mety tss olan mits raha jeren @ akapoben fotsn na raisina malalak fotsn oan'ny oln @ akapobeny!fa mb mikaroa d jerev tsar ny fotottr nipohirany ary ny tanjona t@zn!d ho hitanao oe met v sa tsy!ar ny ftn netombohany!

Amin'ny fo tsy miangatra, aiza kokoa no tsara eo imason'Andriamanitra amin'io andro 25 desambra io: ny olona midera, misaotra ary manome voninahitra Azy noho ny fahatongavan'ny zanany ho nofo mba hamonjy ny olombelona ve, sa ny olona izay feno fitsikerana sy manondro molotra ireo olona izay manao izany?
AMPIO FANAZAVANA KELY RAHA AZO ATAO FA MANOHANA NY HEVITRAO IZAHO
Andriamanitra dia tsy mijery afa tsy izay ao anatin'ny halalin'ny fon'ny olona tsirairay. Tadidio ilay voasoratra raha tsy nanaraka ny fombafomban'ny Jody ny mpianatra ka nitsikera ny farizianina. Ary hoy i Jesoa ny mahaloto anareo dia izay mivoaka amin'ny molotra.
13. sitlo ( 13/02/2013 07:09)
Ka sao azon'ny bibidia kosa ange eh! Olana goavambe izany azon'ny bibidia izany.
14. smileyah ( 13/02/2013 07:13)

sitlo:

Ka sao azon'ny bibidia kosa ange eh! Olana goavambe izany azon'ny bibidia izany.
Misy fanontaniana mila valiny io azafady o!
15. bor2lais ( 13/02/2013 10:35)
radidi:

Efa mazava anie izany namana Niryna e! samy efa manaiky sy miaiky avokoa ny rehetra fa tsy 25 desambra no nahaterahan'ny Mpamonjy kanefa ianareo mbola miziriziry hankalaza io andro io ihany, andro izany no tompoinareo, tahaka ireo Romana taloha manompo masoandro sy volana ary kintana amin'ny andron'ny 25 desambra sy 01 janvier dia mikapa hazo entina ao an-trano asiana jirojiro miampy ilay andriamanitra dadabenoely ivavahan'ny ankizikely hangatahana bonbon atao anaty ba-kiraro.
Fehiny fanompoan-tsampy io fa mialà tao.

Aoka lesy baina a ! :-)
16. toriteny ( 13/02/2013 10:37)
-MArina mihitsy fa tsy ao amin'ny baiboly ny hoe 25 décembre no nahaterahan'ny Tompo

-MArina fa tsy asain'i Jesosy hankalazaina ny nahaterahany tsy ohatran'ny famakiana ny mofo sy ny fisotroana ny divay izay asainy hataontsika hahatsiarovantsika Azy. Izany akory tsy midika hoe very any amin'ny afo sy solifara ary tsy voavonjy izay mankalaza ny nahaterahany satria fady ny nanao izany. Fa ny anjely aza nidera Azy vao teraka Izy (Lio2:20) ary ny magy aza mba niankohoka teo aminy rehefa teraka Izy
-Ary misy ny historien no mametraka ny fahaterahan'i Jesosy 8 ans avant l'an 0, misy ny historien sasany mametraka izany entre janvier 750 sy alohan'ny avril 750 ny calendrier varronien, misy ny mampandroso daty hafa fa ny hitambaran'izy rehetra sy ny hiraisan'izy rehetra sy isiaka rehetra hevitra dia hoe tsy 25 décembre an 0 Jesosy no teraka. Ary izay dia marina.

FA maninona ary ny kristianina no mankalaza ny 25 décembre ho andro nahaterahan'i Kristy?
Ny romana dia mpanompo sampy be taloha. Nanana andriamanitra be dia be ry zareo ary na ny amperora aza dia noraisina ho andriamanitra tamin'izany.

Nisy ny andriamanitra Mithra izay andriamanitry ny fahazavana no nankalazaina tamin'io 25 décembre io ka nanaovana fety be. Izay no nataondry zareo hoe sol Invictus satria io no manakaiky ny solstice d'hiver izay nahaterahan'io andriamanitra Mithra io.

Ary io andriamanitra io dia teraka teo ambanin'ny hazo ary ny olona nandritry ny fankalazana (satria naharitra herinandro izany fankalazana izany) dia nanisy guirlande teny amin'ny vatany ary nasiany guirlande daholo ny tanàna (noheveriny tamin'izany fa teo anivony foana ilay andriamanitra na andro na alina satria nazava be ny tanana rehetra nasiana ilay guirlande) sy ny hazo rehetra ( mba amin'izay hoe mety ho teraka amin'ireo hazo rehetra ireo ilay andriamanitra) .

Hitan'ny kristianina ny hadalàn'ireto romana ireto ka mba hisintomany ny olona tsy hankalaza an'io andriamanitra io intsony amin'io daty 25 décembre io dia napêtrany ho fankalazana ny nahaterahan'i Kristy io andro io mba hivavaka ny olona sy hiditra any am-piangonana amin'io fa tsy hifety hanompo andriamanitra hafa dia izay no hoe aleo hatao 25 décembre ny fankalazana ny andro nahaterahan'ny mpamonjy mba hamonoana ny célébration an'io Mithra io.

Amiko personnellement tsy hitako ny problème ny hankalazàna ny nahaterahan'ny mpamonjy ho 25 décembre tahaka ny associer na ny pakan' ny Jiosy amin'ny nitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty.

Saingy izao eo amin'ny fankalazana ilay izy no mampisy olana kely amiko ny an'izao tontolo izao. Izahay izao ao an-trano mankalaza ny krismasy, miara misakafo, mamonjy sasak'alina fa izahay tsy manao sapin ary tsy mametraka guirlande. Ny anay hira fiderana fa tsy mon beau sapin ny hira alefa ary ny ankizy mahazo kilalao fa tsy fantany izany père noel izany raha hanontanianao azy satria ny noteneninay dia avy amin'ny Jésus iny fa tsy avy amin'ny père noel.

Ny anay izany dia tsotra ny mikasika ny 25 décembre, ny anay hoy aho tsindriko tsara.
Tsy asiako olana ny fankalazana ny 25 décembre ho andro nahaterahan'i Jesosy raha araka ny sitrapon'Andriamanitra fa tsy araka ny fanaon'izao tontolo izao no hankalazana azy. Ary izaho tsy ho bedin'i Jesosy sy ny FAnahy mihitsy hoe diso daty ianao fa aza manao sasak'alina izany, aza mandefa hira fiderana izany, aza mifaly izany rehefa 25 décembre.

Ary izay no hisarihako ny saintsika mba hanontany foana ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny zavatra vaovao taorian'ny baiboly ireny. Fa tsy hoe tsy voalaza tao amin'ny baiboly ny internet sy ny web dia hoe ratsy ireny fa aza mi-surf mihitsy fa alaviro.

17. Maranatha ( 13/02/2013 10:47)

smileyah:

sitlo:

Ka sao azon'ny bibidia kosa ange eh! Olana goavambe izany azon'ny bibidia izany.
Misy fanontaniana mila valiny io azafady o!

Apok 14:9 Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tànany,10 dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin'ny afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry iry;11 ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany.

Ho aminareo anie io teny io. Amen.
18. didi10 ( 13/02/2013 11:00)

toriteny:

-MArina mihitsy fa tsy ao amin'ny baiboly ny hoe 25 décembre no nahaterahan'ny Tompo

-MArina fa tsy asain'i Jesosy hankalazaina ny nahaterahany tsy ohatran'ny famakiana ny mofo sy ny fisotroana ny divay izay asainy hataontsika hahatsiarovantsika Azy. Izany akory tsy midika hoe very any amin'ny afo sy solifara ary tsy voavonjy izay mankalaza ny nahaterahany satria fady ny nanao izany. Fa ny anjely aza nidera Azy vao teraka Izy (Lio2:20) ary ny magy aza mba niankohoka teo aminy rehefa teraka Izy
-Ary misy ny historien no mametraka ny fahaterahan'i Jesosy 8 ans avant l'an 0, misy ny historien sasany mametraka izany entre janvier 750 sy alohan'ny avril 750 ny calendrier varronien, misy ny mampandroso daty hafa fa ny hitambaran'izy rehetra sy ny hiraisan'izy rehetra sy isiaka rehetra hevitra dia hoe tsy 25 décembre an 0 Jesosy no teraka. Ary izay dia marina.

FA maninona ary ny kristianina no mankalaza ny 25 décembre ho andro nahaterahan'i Kristy?
Ny romana dia mpanompo sampy be taloha. Nanana andriamanitra be dia be ry zareo ary na ny amperora aza dia noraisina ho andriamanitra tamin'izany.

Nisy ny andriamanitra Mithra izay andriamanitry ny fahazavana no nankalazaina tamin'io 25 décembre io ka nanaovana fety be. Izay no nataondry zareo hoe sol Invictus satria io no manakaiky ny solstice d'hiver izay nahaterahan'io andriamanitra Mithra io.

Ary io andriamanitra io dia teraka teo ambanin'ny hazo ary ny olona nandritry ny fankalazana (satria naharitra herinandro izany fankalazana izany) dia nanisy guirlande teny amin'ny vatany ary nasiany guirlande daholo ny tanàna (noheveriny tamin'izany fa teo anivony foana ilay andriamanitra na andro na alina satria nazava be ny tanana rehetra nasiana ilay guirlande) sy ny hazo rehetra ( mba amin'izay hoe mety ho teraka amin'ireo hazo rehetra ireo ilay andriamanitra) .

Hitan'ny kristianina ny hadalàn'ireto romana ireto ka mba hisintomany ny olona tsy hankalaza an'io andriamanitra io intsony amin'io daty 25 décembre io dia napêtrany ho fankalazana ny nahaterahan'i Kristy io andro io mba hivavaka ny olona sy hiditra any am-piangonana amin'io fa tsy hifety hanompo andriamanitra hafa dia izay no hoe aleo hatao 25 décembre ny fankalazana ny andro nahaterahan'ny mpamonjy mba hamonoana ny célébration an'io Mithra io.

Amiko personnellement tsy hitako ny problème ny hankalazàna ny nahaterahan'ny mpamonjy ho 25 décembre tahaka ny associer na ny pakan' ny Jiosy amin'ny nitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty.

Saingy izao eo amin'ny fankalazana ilay izy no mampisy olana kely amiko ny an'izao tontolo izao. Izahay izao ao an-trano mankalaza ny krismasy, miara misakafo, mamonjy sasak'alina fa izahay tsy manao sapin ary tsy mametraka guirlande. Ny anay hira fiderana fa tsy mon beau sapin ny hira alefa ary ny ankizy mahazo kilalao fa tsy fantany izany père noel izany raha hanontanianao azy satria ny noteneninay dia avy amin'ny Jésus iny fa tsy avy amin'ny père noel.

Ny anay izany dia tsotra ny mikasika ny 25 décembre, ny anay hoy aho tsindriko tsara.
Tsy asiako olana ny fankalazana ny 25 décembre ho andro nahaterahan'i Jesosy raha araka ny sitrapon'Andriamanitra fa tsy araka ny fanaon'izao tontolo izao no hankalazana azy. Ary izaho tsy ho bedin'i Jesosy sy ny FAnahy mihitsy hoe diso daty ianao fa aza manao sasak'alina izany, aza mandefa hira fiderana izany, aza mifaly izany rehefa 25 décembre.

Ary izay no hisarihako ny saintsika mba hanontany foana ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny zavatra vaovao taorian'ny baiboly ireny. Fa tsy hoe tsy voalaza tao amin'ny baiboly ny internet sy ny web dia hoe ratsy ireny fa aza mi-surf mihitsy fa alaviro.

Raha tonga ve izany namana ny fanontaniana any amin'ny fitsarana farany dia hanantena ianao fa ho afaka fanadinana satria mankalaza ihany fa tsy manao ny fomban'ireo mpanompo sampy fotsiny?

Ota avokoa ny tsy fahamarinana rehetra (Jao I 5,17)
19. toriteny ( 13/02/2013 11:14)

didi10:

Raha tonga ve izany namana ny fanontaniana any amin'ny fitsarana farany dia hanantena ianao fa ho afaka fanadinana satria mankalaza ihany fa tsy manao ny fomban'ireo mpanompo sampy fotsiny?

Ota avokoa ny tsy fahamarinana rehetra (Jao I 5,17)

Fa inona aloha ny sujet hanadinana é? Ny fanananao an'i Jesosy sa ny fankalazanao ny nahaterahany?
Za anga niteny hoe nanao guirlande? za angaha niteny hoe manao sapin? za angaha niteny hoe mankalaza petit papa noel?
Fa raha ny fanaovana sasak'alina no ataonao hoe manompo sampy, raha ny fiderana Azy no hataonao hoe manompo sampy dia IE manompo sampy aho izany eo aminao. Aminao fa raha ny Fanahy izay ato anatiko sy Jesosy, ilay efa nanoratra ny anarako any amin'ny bokin'ny fiainana aloha dia tsy manompo sampy izany aho aminy. Ary ny avis ny irery ihany no mi-compte fa tsy ny avis ny olombelona.

20. Maranatha ( 13/02/2013 11:15)

toriteny:

........

Koa inona no tsy hanarahanao ny sasany amin'ireo natao tahaka io koa tahaka ny nanaovana ny sary vongan'ireo olona masina . raha samy hanao sary vongana hatao hivavahana ihany hoy izy ireo tamin'izany isika efa lasa kristiana ihany maninona raha ny sarivongan'ny Maria no andao hatao? na ny an'i Josefa, na ny an'i kristy mihintsy aza?? sns...dia natao ireo dia nampidirina tao ampiangonana. T@ vanim-potoanan'ny marimaritra-iraisana, t@ Costatin lasa nivadika ho Kristiana no nahatongavan'izany.

navadika alahady ihany koa teo ny sabata izay fitsaharana satria ireo mpanompo sampy dia efa zatra nanao fanompoam-pivavahana t@ sampiny ny alahady ka mba haharesy lahatra azy ireo sy izy ireo no maro anisa tao ampiangonana dia natao izany nanomboka teo.

Nanomboka teo dia nampidirina avokoa ny karazana fampianaran-diso rehetra izay tsy nahazoana fanomezan-dalana avy any an-danitra. Ny batisan-jaza, ny fividianana famelan-keloka, ilay hoe papa no solotenan'ny zanakin'i Tsitoha eto an-tany, fankalazana ny fiakaran'Imaria any an-danitra, ny 1 Nov fetin'ny olona masina, Tsy mahazo misotro ranom-boaloboka rehefa mandray fa izy ihany no misotro, natao mpanalalana ihany koa i Marie sns....

Mitovy amin'n'io 25 Dec io ihany koa ireny rehetra ireny.
Matimaty fotsiny ry Lotera sy ry Calvin rehefa tsy manohy ny fanoherana ireo Dogma dison'ny katolika isika aty aoriana.

Ary saika tahaka ireny nataon-dry Lotera sy calvin ireny no saika hataon'i Benoit teo saingy mailo ny Dragona dia namely azy. Minoa ahy fa raha tsy vokatry ny fon'i Benoit izao fialana izao dia hiisy secret maromaron'i vatican hivoaka aorian'ny 28 Fevrier.( raha tsy hiisy hamono indray izy) .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0812