Inona no olana raha mankalaza ny 25 Desambra ny kristiana?
41. niryna
(
14/02/2013 06:39)
toriteny:misaotra anao
Fa inona aloha ny sujet hanadinana é? Ny fanananao an'i Jesosy sa ny fankalazanao ny nahaterahany?
Za anga niteny hoe nanao guirlande? za angaha niteny hoe manao sapin? za angaha niteny hoe mankalaza petit papa noel?
Fa raha ny fanaovana sasak'alina no ataonao hoe manompo sampy, raha ny fiderana Azy no hataonao hoe manompo sampy dia IE manompo sampy aho izany eo aminao. Aminao fa raha ny Fanahy izay ato anatiko sy Jesosy, ilay efa nanoratra ny anarako any amin'ny bokin'ny fiainana aloha dia tsy manompo sampy izany aho aminy. Ary ny avis ny irery ihany no mi-compte fa tsy ny avis ny olombelona.
Efa niteny aho fa raha vao tsy mifanaraka ny andry zareo dia tsy izy daholo e no sady mihitatra no tsy any amin'ny valiny ilay izy ,izy no tena tsy afaka fanadinana ka hi,hi
42. smileyah
(
14/02/2013 07:06)
didi10:Valio aloha ny fanontaniako hoe oviana ny Pantekotinareo amin'ity taona ity dia hamaly anao aho.
smileyah:
Izao no manambara fa kristianina sarintsariny ianao sy ny mitovy aminao rehetra. Moa tsy tamin'ny Paka no andro nandresen'i Kristy ny fahafatesana ary nahatanteraka ny famonjena antsika? Noho izany rariny raha ankalazaina izany mba ho tsaroan'ny kristianina rehetra fa nisy io andro io. Tsy misy dikany ny daty, fa ny votoatiny no tena zavatra. Araka ny tenin'i Paoly hoe moa misy dikany inona ny hena naterina tamin'ny sampy? (satria ny fihinanana ny hena natolotra tamin'ny sampy dia fiombonana aminy), Satria ny zavatra rehetra dia efa voadio ho anareo.Ary tadidio fa tsy misy Pantekoty raha tsy misy Paka.Ianao milaza fa ny Pantekoty no manana daty exacte, fa ny kalandrie nareo angaha tsy mitovy amin'ny kalandrie n'olona rehetra? Satria ny Pantekoty dia kaontiana miainga amin'ny Paka. Amin'ity taona ity izany oviana ny Pantekotinareo?
Raha misy toko sy andininy ao anaty Baiboly milaza fa ny andro nitsanganan'ny Tompo no atao hoe Paka dia mba omeo kely azafady!!!
Mba hazavao ara-baiboly eto koe hoe izany : raha tsy misy Paka dia tsy misy Pantekosta izany?
43. didi10
(
14/02/2013 07:26)

Araho tsara ny fanazavana eo ambony fa ny Pantekoty ihany hoy aho no fety Kristiana tena ankalazaina amin'ny daty marina, inona no tsy azonao? amin'ny Pantekoty izany ny Pantekoty.
45. smileyah
(
14/02/2013 07:30)
didi10:Izay anie le mahavoa antsika, mora ny fanontaniako: omeo ny daty, fa aza aodinkodina ny resaka.

46. Maranatha
(
14/02/2013 07:45)
niryna:
inona no idiran'ny bibi-dia amin'ny fankalazana ny nahaterahan'i kristy eto? Tsy azoko mihitsy hianareo ka sa lasa pli-vava fotsiny ny baiboly e?
Dia inona koa no hidiran'ny miankohoka sy ny afo sy ny solifara
Ahoana no ahatongavan'ny olona tsy ho kristiana anaraka ny fampianarana madio tsy misy kilema raha tsy hay sy tsy misy ifandraisany ny fanontaniana? tss
Mbola kely ihany ny hitoeran'ny mazava aminareo mandehana raha mbola manana ny mazava hianareo. Efa impiry hatoro moa fa ny fampianaran-diso rehetra tsy nahazoana fanomezan-dalana avy any an-danitra fa noforim-poronina saim-petsy hataon'ny olona dia tokony hialana sy tsy tokony hatao mihintsy. iRENY NO HATAO HOE MARIKY NY BIBIDIA. Izay mandray ireny marika ireny dia hanana ny anjarany @ fahatezeran' i Tsitoha.
Ny fampianarana tsy misy kilema dia izay nomen'i Tsitoha ao anatin'ny teniny ihany. Voaporofo amin'ny toko sy andininy namafisin'ireo mpaminaniny sy nataon'ireo apostoly. Ny ankoatra izay dia fampianaran-diso.
smileyah:
Ianao no nilaza fa tsy izaho. Aoka izay mahay mandinika sy mamaky no handanjalanja. Misaotra anao fa tsy hampiala ahy amin'ny finoako na hampihemotra ahy na oviana na oviana izany satria ianao ihany no nanamafy azy aza.Satria Andriamanitra Rain'i Jesoa Kristy Tompo no lazainao fa zavatra hafa; Izy irery mandrakizay no hiankohofako.Fa Ianao mazotoa miankohoka amin'ny andriamanitra mifanohitra aminy.
Raha ny Rain'i Jesoa kristy Tompo no A/trareo dia tsy nampan-kalaza ny 25 dec ho andro nahaterahan'ny zanany Izy fa mazava ny A/trareo dia ilay mpandainga hatramin'ny taloha
47. toriteny
(
14/02/2013 07:48)
Moustaraf, didi10,MAranatha
Dia rehefa mihoby sy midera amin'ny 25 décembre ve za izany dia mitovy amin'ny olon'izao tontolo izao sy ireo lazainareo fa naharay "ny mariky ny bibidia" ? Marina ve? Tena matahotra be za izany. :)
Aiza ary izany finoanareo izany.
Mba valio amin'ny saina tena tsy miangatra aho amin'ireto fanontaniana ireto. Andeha atao hoe misy fianakaviana iray manotona des millions isaky ny 3 na 5 taona hanaovana famadihana. Dia misy olona ao amin'io fianakaviana io efa manana ny Tompo, tsy mankany fa miezaka ny mitarika ireo havany ireo dia manao fotoam-pivavahana ho fiderana ny Tompo sy hitondrana am-bavaka ireo mbola very isak'io fotoana hamadian'ny fianakaviana iray manontolo io. Dia iza no diso?
Dia homenao tsiny ve ireo niezaka ny hanao fotoam-pivavahana hamonoana ilay famadihana? Diso be ve izany ry zareo fa tokony tsy nasiana ilay izy dia navela ho very any ireo fianakaviana manontolo ireo? Dia mba heritrereto hoe hatraiza ny firoborobon'ny mpanompo an'i Mithra raha tsy noezahina hatambatra tamin'io 25 décembre io ny fahaterahan'ny Tompo?
Mety hiteny ianao hoe ka ilay Mithra anie efa tsisy manompo intsony amin'izao dia tokony hajanona é! MArina mihitsy fa efa tsy misy manompo Mithra intsony fa ahoana indray i MAmona amin'ny maha commercial sisa ny noely? Sa avela hanjaka eo koa izy sy ny père noel? Sy ny sapin sy ny guirlande dia tsy hisy hivavaka ny 25 décembre isiaka kristianina fa avelao ny feon'ny Jentilisa hidradradradra"petit papa noel" ho re hatrany an-danitra?
Ianareo izany miatakataha satria matahotra sao dia hifindran'ny mariky ny dragona fa izahay mijoro ho fanilo sy fahazavani Kristy eo amin'izao tontolo izao. Sa iza indray no hatao fanilo rehefa isiaka aza mialangalana? Izay no noteneniko tetsy ambony hoe aiza ny finoanareo. Tsy izay miara-miaina sy mitakosona amin'ny jentilisa akory dia mahazo ny mariky ny bibidia avokoa fa jereo ao amin'ny Apok13:15 fa mila miankohoka eo amin'ny bibidia vao mahazo ny marika fa izay tsy miankohoka dia hovonoina avokoa. Sa hanao toy ny FAriseo indray ao amin'ny lio 5:30 hoe:"NAhoana ianareo no miara mihinanana sy misotro amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota?"
FA manana an'i Jesosy ianao dia tano mafy Jesosy fa tsy hisy hametapetaka amin'ny handrinao sy ny tananao ny mariky ny bibidia amin'izao izany raha mbola eo Jesosy ka na hanitsaka maingoka sy menarana aza ianao, efa nomena ny hery handresena ny fahavalo rehetra isiaka ka tsy hampaninona antsika izany(Lio10:19). Ary tsy hisy haharombaka antsika eo an-tanany izany na ny dragona en personne aza(Jao10:27)
Iny ny mikasika ny daty ny 25 décembre. Mikasika ny fankalazana ny nahaterahan'i Kristy.Izaho anie manaiky hoe tsy niteny Izy ao anaty baiboly hoe ankalazao ny fahaterahako é! SAtria tsy important loatra noho ny nahafatesany sy ny fitsanganany ilay izy fa na tsy misy aza Izy tsy niteny koa hoe aza atao. Fa tsy nisy anjely nihoby sy nanome voninahitra Izy ao amin'ny Lio2:13-14 raha fady ny mankalaza ny fahaterahany, tsy nampandrenesina ny mpiandry ondry ao amin'ny and8 raha tsy azo atao izany fankalazana ny nahaterahany izany ary tsy nasiana ny kintana hitari-dalana ireo Magy raha mitondra any amin'ny fahaverezana izany.
Jesosy aza namonjy fety païens
1)Jesosy dia ni-célébrer HAnoucca ao amin'ny JAo10:22-23 izay mitovitovy amin'ny krismasy ihany satria misy bougie arehitra sy fizarana zavatra ho an'ny ankizikely nefa tsy misy mihitsy ao amin'ny TT miteny ny Jiosy hoe ataovy ny HAnoucca. Fa saingy nanararaotin'i Jesosy ilay fety hitoriany teny amin'ny olona. Dia ny valiny moa ao amin'ny and31 dia saika nitoraham-bato Izy ary saika nosamborina fa nitsoaka.
2)Torak'izay ihany koa ny Porima ao amin'ny Estera9:26-32 izay mbola hankalazain'ny zanak'Israely na hatramin'izao aza nefa tsy nasain'Andriamanitra natao. Ary ohatran'ny krismasy ihany koa io fety io satria nizara zavatra ho an'ny ankizy kely sy ho an'ny mahantra Est9:19-22
Fehiny:
Izany no teneniko foana eto fa ny fitiavana no tokony hamaritra ny fiainan'ny kristianina manana an'i Kristy fa tsy didy ary raha misy didy 1 ao amin'ny TT mifanohitra amin'io fitiavana io dia ny fitiavana no mikaonty. Ny fitiavanao an'Andriamanitra ka hideranao Azy no zava-dehibe. Ny fitiavanao ny havanao, ny namanao, izao tontolo izao ka hanoroanao hevitra azy ireo sy hanitsiana azy mba hiverina hitodika amin'Andriamanitra no zava-dehibe ary indrindra indrindra ny fananao an'i Jesosy no zava-dehibe sy ny fahatokisanao Azy
Kol2:16-23: "Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata;17 aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy ."
I Kor8:1-11

48. tsitialainga
(
14/02/2013 09:22)
Namana Toriteny
Tsy misy miteny mihitsy hoe tsy tokony hitory na hitarika olona any @ fahamarinana mba hamonjena ny fanahiny kanefa tsy milaza izany fa hivarotra ny fanahinao ihany koa ianao ka tsy maintsy mihosona mihitsy @ fanompoan-tsampy. Fangah tsy misy daty na andro na fotoana hafa hahafahanao mitory ny fahamarinana @ ireo havanao ankoatra ny fotoana famadihan-drazana sy ny 25 Desambra?
Mahereza foana rahalahy isany Maranatha, didi10 sy Moustaraf fa tanteraka ny 1Kor15/58 sy ny Dan 12/3.

49. toriteny
(
14/02/2013 09:39)
tsitialainga:
Fangah tsy misy daty na andro na fotoana hafa hahafahanao mitory ny fahamarinana @ ireo havanao ankoatra ny fotoana famadihan-drazana sy ny 25 Desambra?
Dia esory daholo ary ireo andro notanisainareo ireo (paka alahady, pentekoty alahady, ascension,... dia inona koa moa izy teo?) dia ny ririnina rehetra koa esory fa andron'ny famadihana, dia ny alahady koa esory fa tsy araky ny sabata dia ireo lundi de paque sy ny lundi rehetra sy ny 1er novembre koa. Dia ny 1er janvier lazainareo fetin'ny masin'ny MAria, dia ireo andro hankalazain'ny katolika lazainareo ho nahazo ny mariky ny bibidia koa esory (presque isan'andro misy fety katolika foana, androany izao hono fetin'ny saint valentin izany dia rahampitso saint claude, saint patron ny confesseur dia aza manao andro fivavahana amin'ireo koa fa tsy mety manjary mandray ny mariky ny bibidia.
tsitialainga:
Mahereza foana rahalahy isany Maranatha, didi10 sy Moustaraf fa tanteraka ny 1Kor15/58 sy ny Dan 12/3.
Dia mahazotoa mialangalana sy mitazana ary é. Jereo tsara aloha izay andro tsy misy mariky ny bibidia fa sao dia voa eo fa ny anay roso foana ny dia ary tsy asianay olana na fankalazana an'izao sy izao an'ny jentilisa androany é!! Izahay midera sy mivavaka foana ô!!!!!!!
50. tsitialainga
(
14/02/2013 11:43)
toriteny:

Mazotoa àry mandray marika dia fenoy ataovy tatouage mihitsy hatrany anatiny ô!!!!!!!!!!!!!
Fangah chomés daholo ny andro rehetra ankoatra ny 25 décembre (sy ny paka sy ny 1 janvier sns...)mba hankalazàna azy miaraka @ sapin de noel sy ny muguet sy ny oeuf de pâque sy ny guirlande sns? Mba alaviro ny fijery hoah fa tsika gasy anie petak'orona fa tsy be orona mitovy @ afrikana izay tsy mahita afa-tsy ny orony e!
Sa tonga @ tenin' i didi10 hoe manara-penitra hatr@ fijery ka tsy mila misahirana lavitra fa izay eo ambany maso sy izay tsy manasatra fa manome fahafinaretana hoan' ny nofo ihany?
51. toriteny
(
14/02/2013 12:25)
tsitialainga:
...(aleo aloha hianarana indray ny fanaon'i Maranatha)
:) ka izay anie hoa no mahagaga é! Lazainareo fa mahazo mariky ny bibidia izay tsy mivavaka amin'ny andro sabata. Nefa Jesosy, tompon'ny sabata aza tsy niteny ireo mpianany mihitsy tamin'izy ireo nivavaka alahady hoe tandremo, mahazo ny mariky ny bibidia fa tsy azo atao nefa Izy no hiady amin'ny bibidia ao amin'ny Apokalypsy iray manontolo.
Izao indray ianareo miseho mahalala alohan'ny tompony hoe fenoy tatouage nefa Jesosy mihitsy aza nanome exemple ny tsy hitsaharana hitoriana teny na amin'ny fetin'izao tontolo izao izay lazainareo fa hahazoana mariky ny bibidia aza.
Tadidio fa rehefa nanao paka voalohany ny zanak'Israely ka nasiany ilay ràn'ny zanak'ondry novonoiny ny trano dia nandalo fotsiny ny fahafatesana tsy handringana ny tao an-trano nisy ny marika. Dia toy izay koa izay mandray an'i Jesosy izay efa novonoina natao paska, (MAt26:2) dia tsy hisy sahy hikitika na dragona io na bibidia na iza na iza fa efa vita tombo-kase tamin'ny Fanahy MAsina isiaka. FA manao tsinotsinona ny herin'ny FAnahy MAsina ianao ary tsy miaiky ny fahefana sy ny tenin'i Jesosy raha milaza fa mbola misy maharombaka ihany izay efa eo an-tanany. Ny fiteninao izany dia milaza fa ny dragona sy ny bibidia mbola mahery noho Izy ka miteny ireo dia matahotra Jesosy dia omeny tokoa ianao
Mba vakio tsara aloha fa za tsy niteny mihitsy hoe manao guirlande na manao sapin fa aza manao ahy ho vavolombelona sandoka fa tsy mbola nanoratra izany mihitsy aho.
Averiko farany eto am-pamaranana fa ny anay tsotra ny didy: hanaovana ho mpianany ny firenena rehetra (MAt28:19); ho vavolombelony hatrany amparan-tany (Asa 1:8); hitory sy ho modelin' ny didiny vaovao (JAo13:34) dia ho fanilo eo amin'ny haizina.
Tsy lany andro amin'ny pitsopitsony satria haveriko indray ny Kol2:16-23: "Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata;17 aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy ." satria tsy ny pitsopitsony intsony no hanadinana fa hoe manana an'i Jesosy ve ianao dia firy ny olona voataominao ho any an-danitra.
52. didi10
(
15/02/2013 06:12)

Miala tsiny aho namana fa tanteraka tokoa ilay hoe :"aolan'ny kely fahalalana ny tenin'Andriamanitra":
Iza no miteny aminao fa ny fetifety ataonareo amin'ny 25 desambra sy fetifety hafa nolovaina avy amin'ny fanompoan-tsampy no atao hoe : "andro firavoravoana", tsy fantatrao akory izany andro firavoravoan'ny Paska izany, tokony hanao fety be ho an'ny Tompo ny Kristiana mandritra ny fito andro aorian'ny Paska (14 Abiba), saingy aleonareo manao fety amin'ny andro faha izay natao ho an'andriamanin-kafa; dia izay no antoinareo ho andro firavoravoana!!!
53. Tefigasy
(
15/02/2013 07:20)
didi10:

Ho an'ireo miseho ho be fahalalana ireo ity :
I.Kor 1 : 20 : "Aiza ny hendry ? Aiza ny mpanora-dalàna ? Aiza ny mpiady hevitra avy amin'izao tontolo izao ? Tsy nampodin'Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren'izao tontolo izao ? "
didi10:
Iza no miteny aminao fa ny fetifety ataonareo amin'ny 25 desambra sy fetifety hafa nolovaina avy amin'ny fanompoan-tsampy no atao hoe : "andro firavoravoana", tsy fantatrao akory izany andro firavoravoan'ny Paska izany, tokony hanao fety be ho an'ny Tompo ny Kristiana mandritra ny fito andro aorian'ny Paska (14 Abiba),
mba omeo ahy hoe ny fototeny amin'ny hoe firavoravoana? ==> ravo = faly. ==> andro firavoravoana = andro fifaliana. Misy andro firavoravoana amin'ny Paska, marina izany ary voalaza amin'ny antsipiriany ny zavatra tokony atao amin'izany fony mbola tamin'ny andron'ny Jiosy (pakan'ny jiosy), saingy tsy amin'ny Paska ihany no tokony hiravo sy hifaly ny kristianina tompoko.
didi10:
saingy aleonareo manao fety amin'ny andro faha izay natao ho an'andriamanin-kafa; dia izay no antoinareo ho andro firavoravoana!!!
Fa misy firy moa ny Andriamanitra ? Tsy tokana ihany va ? Raha tena mitafy an'i Kristy ny olona iray dia tsy mahalala afa-tsy Andriamanitra tokana izy. Tsinontsinona ny zavatra rehetra, zava-boahary daholo ihany ireny ary tsy manankery aminy. Na ny hena, fanatitra atao amin'ireny lazain'ny jentilisa sampy ireny (tsindriko tsara hoe sampy fa tsy Andriamanitra) dia zava-poana ho an'ny kristianina ary tsy mampaninona azy na ny mikitika, mihinana, mandray izany aza.
An'iza moa ny andro, iza no nanao ny andro? Tsy i Jehovah va no nanao ireny rehetra ireny (sa ve tsy misy Genesisy ny baibolin'ise ?), ary satria Izy no nahary dia Azy ny zavatra rehetra, Azy ny andro rehetra fa tsy lasan'izay ataonareo hoe sampy akory. Koa rariny sy hitsiny raha omena azy ny fiderana amin'izay Azy manontolo (andro) !
Efa filma miverimberina eto ito, fa tsy maninona, averina foana na manampimaso aza ny manamaso sasany toa an'ise.
54. toriteny
(
15/02/2013 07:42)
didi10:
Iza no miteny aminao fa ny fetifety ataonareo amin'ny 25 desambra sy fetifety hafa nolovaina avy amin'ny fanompoan-tsampy no atao hoe : "andro firavoravoana", tsy fantatrao akory izany andro firavoravoan'ny Paska izany, tokony hanao fety be ho an'ny Tompo ny Kristiana mandritra ny fito andro aorian'ny Paska (14 Abiba), saingy aleonareo manao fety amin'ny andro faha izay natao ho an'andriamanin-kafa; dia izay no antoinareo ho andro firavoravoana!!!
Fa iza no tena manolana ny tenin'Andriamanitra amitsika é. Ianao mamorona sa izaho miteny ny ao anaty baiboly?
Raha PAque no noteneniny eo dia niteny mihitsy izy hoe PAque ohatran'ny nitenenany mihitsy hoe sabata fa tsy hoe andro fivavahana fotsiny fa amin'ny teny frantsay izy mazava be: "Que personne donc ne vous juge au sujet du manger ou du boire, ou au sujet d'une fête, d'une nouvelle lune, ou des sabbats".
55. lal84
(
15/02/2013 08:24)
Io vôlazany maranatha io ntena marina!tss zvt mandé2 zn fotsn et!tadidio fmis hery roa miady et antany!d ny rats sy ny tsar f mba mailo2 iany!Atra ts mjery @ andro nts fahalalana!
ef fanokafan ny masotsik tsikel2 zao resak zao!

56. Tefigasy
(
15/02/2013 08:42)
lal84:
Io vôlazany maranatha io ntena marina!tss zvt mandé2 zn fotsn et!tadidio fmis hery roa miady et antany!d ny rats sy ny tsar f mba mailo2 iany!Atra ts mjery @ andro nts fahalalana!
ef fanokafan ny masotsik tsikel2 zao resak zao!
Dia tazomy ho an'ise ary izay fahamarinana efa hitan'ise izay ! fikiro mafy ary aza avela hisy hanala azy ao amin'ise intsony mihitsy.
Saingy izao : ny fahamarinan'ny hendry izay noeritreretin'ise satria interpretation ihany no nataony, aloka sy tandindona (lalàna, andro, sakafo, ... ) ihany no hitokiany fa tsy ilay tena Izy no tafiany (Jesoa Kristy), dia efa nampodin'Andriamanitra ho fahadalana izany (I.Kor 1 : 20).
Ireny rehetra ireny dia efa tanteraka tao amin'i Kristy, ka tsy ny fitandremana andro sy daty, lalàna, sakafo, ... no hanjary zioga hanavesatra sy sakana ho amin'ny fiderana sy fiankohofana Aminy indray ka hanambarana fa tsy azo atao ny mivavaka Aminy rehefa amin'izao daty, izao ora. Ny soratra masina dia efa manambara fa na amin'ny fotoana na tsy amin'ny fotoana (II.Tim.4:2) dia tokony hanao ny iraka nampanaoviny, hiderana sy hankalaza ny voninahiny ka asakasak'izay te hanohitra izany amin'izao vanim-potoanan'ny andro farany izao !
58. smileyah
(
15/02/2013 12:30)
Taloha ny 25 desambra dia nivavahan'ny olona mpanomposampy tamin'ny andriamanitra tsy izy.
Ankehitriny kosa io andro io dia lasa andro hivavahan'ny kristianina amin'Andriamanitra Rain'i Jesoa Kristy.Ary nisy tamin'ireo mpanomposampy ireo voatarika hivavaka amin'Andriamanitra. Midika faharesen'ilay ratsy izany kanefa kosa fandresena ho an'Andriamanitra. Dia tezitra ilay ratsy ka alefany ny hevitra rehetra hanafoanana izany, amin'izay 1 sy 1 ny baolina.
Sady koa raha toa moa ka ataontsika hoe hajanona tsy hankalazaina io andro io(sanatria anie izany), dia tsy mandeha mivavaka mankany am-piangonana izany ny olona mba hiombona fa samy manao zay asa aman-draharahany. Dia variana ny adim-piainana ny olona ka tsy mahatsiaro an'Andriamanitra. Moa tsy izany va no tanjonan'ilay ratsy? Dia lasa manompo azy indray ny olona.
Dia torak'izany ny Paka izay fety lehibe ho an'ny kristianina satria hankalazana ny nitsanganan'i Jesoa Kristy Tompo ho velona ary fankalazana koa ny famonjena antsika. Amin'io dia mankalaza ny fandresen'ny Tompontsika isika ary etsy andaniny dia mampahatsiaro an'ilay ratsy ny fahareseny. Ka tsy tiany ny hankalazan'ny kristianina izany androm-pahareseny izany. Dia alefa ny hevitra rehetra handrodanana izay efa niorina elabe mba ho 1 sy 1 ny baolina.
Dia torak'izany ireo andro hafa rehetra izay tonontononina etsy ambony.
Koa miorena mafy amin'i Kristy isika amin'ny alalan'ny fanamafisana ny finoantsika.
Efa akaiky tokoa ny farany.

59. Nehemiah
(
15/02/2013 12:56)
Tsy hitako izay olana rehefa mba te-hankalaza an'i Kristy @ 25/12 ny olona fa hitako kosa ny olana raha tsy mankalaza Krismasy : ho faly be ireo fahavalon'ny finoana kristiana (silamo, mpandà an'Andriamanitra) ka mbola vao mainka asiany koa ny kristiana hoe "Foana ny Paka, foano ny Pentekôsta,..." ka tsy hisy toerana ho an'ny finoantsika intsony ny fiaraha-monina !!!
60. niryna
(
15/02/2013 16:24)
niryna:
inona no idiran'ny bibi-dia amin'ny fankalazana ny nahaterahan'i kristy eto? Tsy azoko mihitsy hianareo ka sa lasa pli-vava fotsiny ny baiboly e?
Dia inona koa no hidiran'ny miankohoka sy ny afo sy ny solifara
Ahoana no ahatongavan'ny olona tsy ho kristiana anaraka ny fampianarana madio tsy misy kilema raha tsy hay sy tsy misy ifandraisany ny fanontaniana? tss
Maranatha:Aza mitsara mba tsy ho tsaraina hoy ny Baibolinay ok
Mbola kely ihany ny hitoeran'ny mazava aminareo mandehana raha mbola manana ny mazava hianareo. Efa impiry hatoro moa fa ny fampianaran-diso rehetra tsy nahazoana fanomezan-dalana avy any an-danitra fa noforim-poronina saim-petsy hataon'ny olona dia tokony hialana sy tsy tokony hatao mihintsy. iRENY NO HATAO HOE MARIKY NY BIBIDIA. Izay mandray ireny marika ireny dia hanana ny anjarany @ fahatezeran' i Tsitoha.
Ny fampianarana tsy misy kilema dia izay nomen'i Tsitoha ao anatin'ny teniny ihany. Voaporofo amin'ny toko sy andininy namafisin'ireo mpaminaniny sy nataon'ireo apostoly. Ny ankoatra izay dia fampianaran-diso.
Matoa aho sahy mizara ny tenin'Andriamanitra eto dia fantatro ny finoako ary fantatro tanteraka tokoa tompoko ny hivavahako sy ny Andriamanitra miaraka amiko ok