Ny Sabatan'Andriamanitra

41. Tefigasy ( 30/01/2013 12:45)
didi10:


Tefigasy:

didi10:

Raha mijanona amin'ny finoana fotsiny ianao namana dia mety hahazo ireo fahagagana sy fitahiana efa napetrany ho an'ny Olony fa tsy mi-garantir ny famonjena anao izany.

Aza miteniteny foana e ! Izany ve no mba milaza azy ho mpampianatra ny fampianarana tsy misy kilema! Indrisy !
Tsy fitsarana akory ny fitenenana ny zava-marina ; nefa raha fitsarana noandraisan'ny hafa azy dia tsy maninona fa ny tenin'Andriamanitra no aoka habaribary ary ho hita izay tena milaza sy manambara ny fampianarana tsy misy kilema sy ny manafangaroharo amin'ny fampianaran'olombelona eto !

Jao 3 : 18 "Izay mino Azy dia tsy helohina ; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo , satria tsy nino ny anaran'ny Zanakalahy Tokan'Andriamanitra izy ."

Mar 16 : 16 "Izay mino sy atao batisa no hovonjena ; fa izay tsy mety mino no hohelohina . "


Araka ny fampianarana nataoko teo ambony dia ny finoana no fiandohan'ny famonjena fa tsy mijanona eo akory, raha tsy izany dia niteny i Jesosy hoe : izay mino na atao batisa no hovonjena, ny finoana hoy aho no fiandohana, tsy misy olona afaka atao batisa raha tsy mino aloha.

Matio 7;21
21 Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. 22 Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko , tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? 23 Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka.

Hono hoy aho namana, aiza ho aiza amin'ny finoan'ireo mahay maminany, nandroaka demonia sy efa nanao asa lehibe tamin'ny AnaraNY ny finoanao namana, moa mahavita izany ve ianao milaza fa manam-pinoana io?
Na nahafindra tendrombohitra aza ny- finoan'ireo dia nolavina izy satria mpanao meloka = mpanota = mpandika lalàna.


Tadidio fa miaina aty amin'ny vanimpotoan'ny fanekena vaovao isika r'ise a! Hanontanio an'i Jesoa ny sitrapon'Andriamanitra hitondrany ny olony ankehitriny fa tsy ny sitrapon'Andriamanitra nitondrany ny zanak'israely hiditra ny tany kanana akory.

Tokana ny valiny ary tsy mbola novainy ho zavatra hafa, ambara eto foana ity fa ny anareo minia mijanona any amin'izay tsy atonona anareo foana :

Jao 6 : 40 "Fa izao no sitrapon'ny Raiko , dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay ; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany . "
42. Tefigasy ( 30/01/2013 12:51)
Jao.6:40 : sitrapon'ny Ray : mino ny zanaka ==> hatsangana amin'ny andro farany ==> fiainana mandrakizay .
Aiza ho aiza amin'io ny hoe "tsy fantatro ianareo" ? Sa adino ny nanoratra izany teto ? asio ny anao raha asianao fa ny ahy izay no voalaza ao amin'ny baiboliko ary lozan'izay mitady hanampy zavatra hafa !

43. RBNIR ( 30/01/2013 13:49)
Tefigasy:

Jao.6:40 : sitrapon'ny Ray : mino ny zanaka ==> hatsangana amin'ny andro farany ==> fiainana mandrakizay .
Aiza ho aiza amin'io ny hoe "tsy fantatro ianareo" ? Sa adino ny nanoratra izany teto ? asio ny anao raha asianao fa ny ahy izay no voalaza ao amin'ny baiboliko ary lozan'izay mitady hanampy zavatra hafa !

Faly miarahaba namana,
Inona ny tena dikan'ny hoe MINO NY ZANAKA? raha fantatsika io dia ho fantatsika fa tokony ho tandremana ny didy rehetra,

« Koa izany fahasambarana izany moa an'ny voafora ihany va, sa an'ny tsy voafora koa? fa lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan'i Abrahama. » (Rom.4:9)

Inona ilay finoana nananan'i Abrahama?
« Dia nitondra azy nivoaka teo ivelan'ny lay Izy ka nanao hoe: Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahisa azy ianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka izany ny taranakao. » (Gen.15:5)
« Ary nino an'i Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany. » (Gen.15:6)

Raha niteny Andriamanitra dia ninoany (nekeny fa marina ny voalaza) ary natoky izy fa tsy maintsy izay no hitranga.

Io finoana io no nahatonga an'i Abrahama nolazaina fa rain'ny mino rehetra (vakio ny tohiny Rom.4:11).

Ny olona mino araka izany dia rehefa manaiky fa rehefa miteny Andriamanitra dia MARINA avokoa ny teny ary TSY MAINTSY HOTANTERAKA.

Noho izany n'iza n'iza milaza fa MINO an'i Jesosy Kristy Tompo dia tokony manaiky fa izay rehetra nolazain'i Jesosy Kristy dia MARINA AVOKOA ARY TSY MAINTSY HOTANTERAKA.
Ka raha nanontany azy ilay lehilahy hoe inona ny tsara atao mba ahazoana fiainana mandrakizay ary raha namaly IZY hoe raha te hiditra amin'ny fiainana ianao dia tandremo ny didy dia midika izany fa anisan'ny fepetra hidirana ao amin'ny fiainana ny FITANDREMANA NY DIDY (didy folo hoy aho satria notanisainy eo ambany ireo didy), (raha mino AZY ianao).

Ary MARINA izany satria ny olona tafiditra ao amin'ny fiainana dia tsy iza fa ireo olona MASINA IZAY « Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy. » (Apokalypsy 14:12)

Ny olona masina dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy.

« Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina,......... » (Apok.21:27)

Ka inona ary no tiantsika e, TE HO MASINA V ISIKA KA HOTAFIDITRA? sa.....

Tsy afaka misaraka ny finoana sy ny fitandremana ny didin'Andriamanitra ry namana isany.

Izay no nahatonga ireto teny ireto :
« Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika. » (Rom.3:31)
« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat.5:17)

Ny TOMPO anie hanazava ny saintsika rehetra,

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
44. Tefigasy ( 30/01/2013 14:20)
RBNIR >> diso amin'ny zavatra bitika ise, ary mitarika amin'ny fahadisoana goavana izany !

Jao 13 : 34 "Didy vaovao no omeko anareo , dia ny mba hifankatiavanareo ; eny aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa ."
==> Izay no didy raha te hiresaka didy ise. Didy vaovao, matoa misy ny vaovao, dia vita ny asan'ny teo aloha ! (Heb.8:7)

Raha hiresaka ny amin'ny Liok.18 ise, iza moa no niresaka tamin'ny Tompo?
Valiny : mpanapaka anankiray tamin'ny Jiosy.
Oviana sy Iza moa no nomena ny didi10 ?
Valiny : ny zanak'israely, ary anisany ity mpanampaka iray ity.
Rariny sy hitsiny izany raha mampahatsiahy ny zavatra efa nomena ireto zanak'israely ireto aloha Jesoa, saingy izao, tsy ampy intsony izany. Diso amin'ny zavatra iray loha ianao hoy Izy, andeha anie tohizana e : eo amin'ny andininy 21-22 : "Ary hoy kosa izy : Izany rehetra izany dia efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely . Ary rehefa nandre izany Jesosy , dia hoy Izy taminy : Mbola diso zavatra iray loha ianao"

==> Inona izany ny conlusion eto : sady tsy ampy no tsy mahatonga any amin'ny fiainana mandrakizay intsony ny fitandremana izany didy maro be izany na dia ho an'ny jiosy aza. Raha izany no nahavonjy, tsy tonga teo amin'ny jiosy intsony izany Jesoa izany.
Tadidio fa tonga mba hanafaka sy hamonjy Jesoa, hanafaka amin'ny fanandevozan'ny ota sy ny lalàna. Ka raha olona mahatsapa fa efa afaka dia tsy handeha hiditra amin'ny fangejana (ota sy ny lalàna) teo aloha intsony !

Jao.3:18 - Mar.16:16 - Jao.6:40 : ampy hampiditra an'ise any amin'ny fiainana mandrakizay ireo ! Ampy hanafaka an'ise amin'ny fangejan'ny ota sy ny lalàna ary ny didy marobe tsy vita sy tsy hefan'ny olona hatrizay ireo !

45. rbnir ( 30/01/2013 20:02)

Tefigasy:

Jao 13 : 34 "Didy vaovao no omeko anareo , dia ny mba hifankatiavanareo ; eny aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa ."
==> Izay no didy raha te hiresaka didy ise. Didy vaovao, matoa misy ny vaovao, dia vita ny asan'ny teo aloha ! (Heb.8:7)

namana,
ilay didy vaovao tsy hoe nomena vaovao hisolo ny taloha fa vaovao hanampy satria tsy nisy teo aloha ity ny version francaise voasrta hoe "un commandement nouveau fa tsy hoe un nouveau commandement" Joh 13:34 Je vous donne un commandement nouveau: Aimez-vous les uns les autres; comme je vous ai aimés, vous aussi, aimez-vous les uns les autres.

ny didy sy ny lalana tsy natokana ho an'i jiosy fa ho an'ny rehetra ary talohan'ny firenna jiosy dia efa notandremana talohan'ny nisian'ny firenena jioy araho ity azafady
http://forum.serasera.org/forum/message/m4f586746519b2#m5022388d4b644

samia ho tahin'ny Tompo namana
46. bor2lais ( 31/01/2013 11:57)
rbnir:

ilay didy vaovao tsy hoe nomena vaovao hisolo ny taloha fa vaovao hanampy

Amiko indray anefa dia io vaovao io no mahafaoka ny taloha raha ny fahazoako azy ! :-)

P.S Ary naninona no natao "minuscule" tampoka teo ilay pseudo RBNIR ? :-)
47. Nehemiah ( 31/01/2013 12:31)

rbnir:

ilay didy vaovao tsy hoe nomena vaovao hisolo ny taloha fa vaovao hanampy satria tsy nisy teo aloha ity ny version francaise voasrta hoe "un commandement nouveau fa tsy hoe un nouveau commandement" Joh 13:34 Je vous donne un commandement nouveau: Aimez-vous les uns les autres; comme je vous ai aimés, vous aussi, aimez-vous les uns les autres.

C'est bonnet blanc blanc bonnet letsy baina a ;) ! Raha tsy mahatandrina an'io dia aza mieritreritra ny hitandrina ny didy rehetra ! Ary tsy misy mahatandrina an'io @ herin'ny tenantsika antsika.
48. toriteny ( 31/01/2013 14:02)
didi10:

Ireto namana ireo zavatra iankinan'ny famonjena naorin'ny Apostoly ary i Kristy no vato fehizoro.

Ny Apostoly tsy namonjy ka! Jesosy irery ihany no mamonjy. Fampianaran’ny Apostoly angamba no tianao tenenina.
Fa ny tsy azoko hoa dia izao é . Enao milaza manaraka ny fampianaran'ny Apostoly nefa maninona ianao mbola mifikitra amin'ny Sabata ihany? Nefa ny Apostoly vao nitsangana ny Tompo dia tsy nivavaka tamin'ny sabotsy intsony fa alahady amin'izay? Mba valio kely hoe izay ry didi10?

didi10:

- Finoana an' Andriamanitra tokana : Jesosy = Jehovah (no mpamonjy)
- Fahalalana ny SitrapoNY (ny didiNY) mba hahalalana ny fahotana.
- Rehefa mahalala fahotana dia mibebaka = Mamantsika ny tenan'ny ota miaraka amin'i Kristy

Io voalohany io dia ampy.
Rehefa mandray an'i Jesosy ianao ka mibebaka sy miaiky ny fahotanao, dia voafafa ny helokao hatrizay ka omeny fo vaovao ianao. Eo ianao dia efa voavonjy ka mandeha araka ny Fanahy amin’izay fa tsy mandeha araky ny nofo intsony.

Ka na amin’iny aza izany ianao no maty dia efa mandova ny fiainana mandrakizay. Fa ny fanaovana ny sitrapony, ny fangatahana famelan-keloka isan’andro hitairizana antsika ao amin'ny famonjena sy hitaizana ny finoana efa nomena antsika mba tsy ho very ny satro-boninahitritsika mandra-pahatongany.

FA tsy hoe efa nandray ny Tompo aho androany dia tsy nomena andro hanaovana ny sitrapony aho fa nalainy ho any aminy androany dia androany ihany, dia hoe any amin'ny afo-be aho izany satria tsy nanao ny sitrapony.

Ary tsy zavatra katsahina sy tadiavina izany sitrapon’Andriamanitra izany fa mandeha ho azy ohatranao miaina rehefa ny Fanahy Masina no mitondra anao

didi10:

- Rehefa avy mibebaka dia atao Batisa (Asitrika ranobe amin'ny anaran'i Jesosy)

Za izany izao tsy vita batisa tamin'ny rano be dia tsy mahazo ny fiainana mandrakizay ve za?
Tadidio fa ny batisa dia a posteriori (aorian’ny famonjena) fa tsy opératoire (fa tsy famonjena). Tsy hoe iny ianao misitrika ao anaty rano iny vao voasasa ny helokao sy vao voavonjy ianao ka lasa ilay rano indray amin’izay no manana hery hanasana heloka.
FA ny famonjena EFA VITAN’I KRISTY no manasa ny helokao ka famantarana hita maso izany famonjena izany ny batisan’ny rano. Famantarana hita maso ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao tamin’ny nanomezany ny zanany lahy tokana nofantsihina teo amin’ny hazo fijaliana.
Ka amin’ny maha famantarana azy izay na rano 1 kopy no ataonao, na eau vive, na loasaha, na ranomasina mety foana rehefa rano fa tsy hoe tsy maintsy rano be fa ny rano araraka amin’ny loha tsy izy.
Ohatranao manome fanomezana amin’ny olon-tianao ihany io. Ilay fitiavanao ao ambadik’ilay fanomezana no zava-dehibe fa tsy ilay fanomezana ka hoe rehefa kely ilay fanomezana dia kely izany ny fitiavany ahy fa rehefa lehibe ny fanomezana dia lehibe koa izany ny fitiavany ahy.
Ny fitiavan’Andriamanitra anao mitovy na rano kely no ataonao na rano be fa ny important fotsiny dia hoe tsy maintsy atao batisa ny rano ianao

didi10:

- mangataka ny Batisan'ny Fanahy Masina (teny tsy fantatra)

Ny batisan’ny Fanahy Masina dia omena anao rehefa nandray an’i Jesosy ianao fa tsy hoe hafa ny conversion dia hafa ny fitadiavana ny Fanahy MAsina . Ny batisan’ny rano dia ekenao fotsiny fa efa namonjy izao tontolo izao Jesosy ary ny batisan’ny fanahy Masina dia ny fandraisanao izany famonjena izany ho anao manokana

Tsy voatery miteny amin'ny teny tsy fantatra ny manana ny Fanahy Masina ka hoe tsy ny Fanahy Masina no ao aminao raha mbola tsy niteny ny teny tsy fantatra ianao. Ahoana hoy ny 1Kor 12: 7-10: 7 ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana ny Fanahy hahasoa .8 Fa ny anankiray nomen'ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany, 9 ary ny anankiray finoana, amin'izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezampahasoavana ho enti-mahasitrana, amin'izany Fanahy iray izany ihany,10 ary ny anankiray ny manao fahagagana, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin'ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra .

didi10:

- Manana fanantenana ny amin'ny fiainana mandrakizay any an-danitra.

Vao mandray an’i Jesosy ianao dia efa mivoha ho anao ny varavaran’ny lanitra. Fa tsy hoe hantenaina isan’andro ilay fiainana mandrakizay fa raha tsy manana fanantenana an’izany fiainana izany ianao dia tsy hiditra any

didi10:

- Ny fanajana ny Sabata, ny tsy fandoalihana amin'ny sarin-java voasikotra (sary vongana, lakroa, sary masina...) dia anisan'ny fanajana ny didiNY mariky ny fitiavana Azy.
- Ny fialana amin'ny didin'olombelona ( Sabata Alahady, Krismasy, Paska Alahady, taombaovao 31 Dec...) dia ao anatin'ny fanantanterahana ny sitraNy.

Ary tena tsisy avotra sy nahazo famonjena mihitsy izany na ny Apostoly aza é? NA Jesosy koa aza izany tsy voavonjy satria na Izy ary tsy nahatandrina ny didy fa nanasitrana sy niasa ihany tamin’ny andro sabata.

didi10:

Raha mijanona amin'ny finoana fotsiny ianao namana dia mety hahazo ireo fahagagana sy fitahiana efa napetrany ho an'ny Olony fa tsy mi-garantir ny famonjena anao izany.

Fa aiza ao amin’ny baiboly hoa, mila andininy soratra masina aho, milaza fa tsy ampy hamonjena ny finoana an’i Jesosy Kristy. Ary aiza ao amin’ny baiboly koa no miteny fa ny finoana an’i Jesosy Kristy tsy mitondra any amin’ny fanjakan’ny lanitra fa fahagagana eto an-tany ihany no vitany
Ahoana hoy ny Matio 6:32: Fa katsao aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany dia hanampy anareo izany rehetra izany.
Fanjakan’Andriamanitra (raisina amin’ny finoana an’i Kristy) izay vao fiainana mirindra, fahagagana, fanasitranana
Tsy homen’Andriamanitra anao ny fahagagana sy ny fitahiana ara-nofo RAHA TSY efa azo antoka ny fanjakany. Fa nenao ny ara-nofo indray no lazainao fa hazon’izay mino an’i Jesosy vao ny fanjakan’Andriamanitra.

HAfatra manokana ho anao
Ianao dia mampatsiahy ilay olona ao amin’ny Asa 15:10. Milaza fa tsy maintsy foràna, tsy maintsy mitandrina ny didy , tsy maintsy mitandrina sabata vao azo vonjena. Ahoana hoy i Petera ao amin’ny andinin’ny 5 ao amin’io asa 15 io? : ny mino sasany izay antokon’ny Fariseo dia nanao hoe tsy maintsy mitandrina ny didy.
Dia tadidio ny vali-tenin’i Petera ao amin’ny and 10: Koa nahoana ianareo no maka fanahy amin’Andriamanitra amin’ny fametrahanareo zioga amin’ny vozon’ny Mpianatra, izay tsy zakan’ny razantsika na isiaka hoentina?

Ka mieritrereta fa raha miezaka mampianatra ny lalàna ianao dia toy ny Fariseo ary ny Fariseo ao amin’ny Lio3:7 dia lazaina fa taranaky ny menarana (taranaky ny devoly izany) ary ny Fariseo dia ni-contre-dire ny asan’i Jesosy foana koa aza manaiky ataon’ny devoly fitaovana tsy handraisan’ny olona famonjena fa ny fitenenanao ireo zavatra be dia be ireo dia hampiemotra ny Jentilisa tsy hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra fa ho kivy ombieny ihany izy na dia tokony hovonjena aza. FA mora ny hahazoana famonjena: finoana an'i Jesosy Kristy irery ihany

Jao6:47: Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Izay mino no manana ny fiainana mandrakizay
Jao3:16: Fa toy izao ny nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany lahy tokana; mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay (Mino Azy dia efa manana ny fiainana mandrakizay)
Jao3:36: Izay mino ny zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra ao aminy


Momba ny lalàna
Gal2:16: Nefa nony fantatsika fa tsy nohamarinina amin’ny asan’ny lalàna ny olona; fa amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy; dia nino an’i Jesosy Kristy koa isiaka mba hohamarinina amin’ny finoana an’i Kristy fa tsy amin’ny asan’ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna
Gal2:21: Tsy mahafoana ny fahasoavan’Andriamanitra aho; fa raha avy amin’ny lalàna ny fahamarinana dia maty foana Kristy
Gal3:13: Kristy nanavotra anao tamin’ny ozon’ny lalàna
Gal5:18: Fa raha tarihin’ny Fanahy ianareo dia tsy mba ambanin’ny lalàna
Gal5:4 Dia tafasaraka amin’i Kristy ianareo na iza na iza mitady hohamarinin’ny lalàna; efa lavo niala tamin’ny fahasoavana ianareo
Jao1:17: Fa ny lalàna dia nomena tamin’ny alalan’i Mosesy; fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy
Lio11:52: Lozanareo mpahay lalàna:
Rom4:16: Fa raha amin’ny lalàna no mampandova; dia efa foana ny finoana ary efa tsinotsinona ny teny fikasana
Rom4:15: Fa ny lalàna mahatonga fahatezerana fa raha tsy misy lalàna dia tsy misy fandikan-dalàna

49. toriteny ( 31/01/2013 22:12)
rbnir:

namana,
ilay didy vaovao tsy hoe nomena vaovao hisolo ny taloha fa vaovao hanampy satria tsy nisy teo aloha ity ny version francaise voasrta hoe "un commandement nouveau fa tsy hoe un nouveau commandement" Joh 13:34 Je vous donne un commandement nouveau: Aimez-vous les uns les autres; comme je vous ai aimés, vous aussi, aimez-vous les uns les autres.

GAl5:14: "Fa tanteraka amin'ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao"

Mat22:34-40: 34 Fa ny Fariseo, nony nandre fa nampahasìna ny Sadoseo Izy, dia niangona .35 ary ny anankiray tamin'ireo, izay mpahay lalàna, nanontany naka fanahy Azy ka nanao hoe :36 Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin'ny lalàna?37 dia hoy Jesosy taminy : "Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra" ( Deo .6 .5) .38 Izany no didy lehibe sady voalohany .39 ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao : "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" ( Lev .19 .18) .40 Izany didy roa izany no ihantonan'ny lalàna rehetra sy ny mpaminany


RAha ny tena izy ireo didy vaovao nomena antsika amin'ny TV ireo dia mamintina ny didy sy ny lalàna rehetra ao amin'ny TT (na ny didy 10 na ny alohan'izay) ka izay no mahatonga ahy hiteny atsy ambadika fa tsy hamono olona aho satria izay no didy fa tsy hamono olona aho satria tiako ny namako. TSy hangalatra ny zava-trolona aho satria olona efa novonjena tahak'ahy ihany koa iny olona iny, rahalahiko ao amin'ny Tompo ka tiako (Ianao tsy hangalatra ny ao an-tranonao mihitsy),...

FA ny maha hoe didy vaovao azy dia satria tsy nahay nandeha tamin'io fitiavana io ny zanak'Israely rehefa nomena ny didy 10 ary vaovao tanteraka aminy ny teny hoe fitiavana na dia ny hitiavan'ireo vahoakany Azy sy ny mba hifampitondrana tsara ny samy olony aza no "utilité" nanomezana ny didy 10 dia lasa "corvée" ho an'ny Zanak'Israely izany.

Lasa ohatran'ny ireny mpiasa an-trano ireny ny zanak'israely, miteny Andriamanitra dia mimonomonona dia forcé fotsiny manao ilay izy.

Ary ohatran'izany ihany koa ny olona tsy manana ny Tompo sy ny FAnahy MAsina na amin'izao fotoantsika izao aza, sarotra tanterahina be izany tsy mandainga izany, izany tsy mangalatra izany, izany tsy mijangajanga sy tsy mitsiriritra zava-trolona izany satria ianao tsy manana an'ny Fanahy MAsina ao aminao ary rehefa tsy ny Fanahy MAsina no ao aminao dia azonao an-tsaina hoe iza no mampanota sy ny rAin'ny ota mampanao ny olona ireny zavatra ireny.

FA rehefa aty amin'ny TV rehefa novidian' i Jesosy tamin'ny ràny isiaka ka lasa zanak'Andriamanitra dia tena fitiavana no mibaiko antsika ka tsy hatao hoe mpanompo intsony fa zanaka mpandova (GAl 4:7/Rom8:17/Tit3:7).

rbnir:

ny didy sy ny lalana tsy natokana ho an'i jiosy fa ho an'ny rehetra ary talohan'ny firenna jiosy dia efa notandremana talohan'ny nisian'ny firenena jioy araho ity azafady
http://forum.serasera.org/forum/message/m4f586746519b2#m5022388d4b644
samia ho tahin'ny Tompo namana

Manaiky aho fa ny lalàna dia efa nisy talohan'ny zanak'Israely fa misy ny lalan'Andriamanitra maharitra mandrakizay ary misy ny lalàna izay en fonction ny vanim-potoana hiainan'ilay zanak'olombelona.

Andriamanitra ohatra ao amin'ny Gen2:16: "Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe: ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza hihinanana" FA tsy miasa amintsika intsony izany amin'izao. Torak'izany ihany koa ny didy 10, izay nitondràna ny Zanak'Israely tany an-efitra ho any amin'ny tany kanaana fotsiny ihany (Deo6:1: Ary izao ny lalàna; dia ny didy sy ny fitsipika, izay nasain'i Jehovah Andriamanitrareo hampianarina anareo mba harahinareo any amin'ny tany izay alehanareo izay holovàna) dia tapitra hatreo amin'i Jaona mpanao batisa. Lio16:16: "Ny lalàna sy ny mpaminaniny dia hatramin'i JAona (mpanao batisa) ihany ary hatramin'izay (na hatreo) no efa nitoriana ny filazantsara ny fanjakan'Andriamanitra"
50. didi10 ( 01/02/2013 05:22)
Heb 4:9
Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra.

Olon'Andriamanitra ve ianao?
51. Nehemiah ( 01/02/2013 05:35)

rbnir:

ny didy sy ny lalana tsy natokana ho an'i jiosy fa ho an'ny rehetra ary talohan'ny firenna jiosy dia efa notandremana talohan'ny nisian'ny firenena jioy araho ity azafady
http://forum.serasera.org/forum/message/m4f586746519b2#m5022388d4b644

samia ho tahin'ny Tompo namana

Ary ianao izany toa mody fanona ! Efa nametraka fanontaniana anao aho t@'iny lohahevitra iny, tsy novalianao ilay izy nefa mbola manizingizina @'ity resaka ity ihany. Ka averiko eto ilay izy :


Milaza an'izay ianao nefa anabavin'i Abrama ihany i Saray vadiny. Tsy fandikàna ny Lev. 18:6-9 ve izany ? Nefa olo-marina teo anatrehan'Andriamanitra i Abrama. Ka inona no avalinao @'izany ?
52. Nehemiah ( 01/02/2013 05:37)

didi10:

Heb 4:9
Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra.

Izaho izao efa namaly an'izay tany @ voalohany nefa toa mody fanona koa ianao. Tsy hanana crédibilité mihitsy ianareo raha manao an'izay toetra izay !
53. bor2lais ( 01/02/2013 08:45)
Nehemiah->rbnir:

Ary ianao izany toa mody fanona ! Efa nametraka fanontaniana anao aho t@'iny lohahevitra iny, tsy novalianao ilay izy nefa mbola manizingizina @'ity resaka ity ihany.

Nehemiah->Radidi:

Ary ianao izany toa mody fanona ! Efa nametraka fanontaniana anao aho t@'iny lohahevitra iny, tsy novalianao ilay izy nefa mbola manizingizina @'ity resaka ity ihany.

Tongasoa eto amin'ity sehatra ity ianao Nehemiah a ! :-)
54. toriteny ( 01/02/2013 10:17)

didi10:

Heb 4:9
Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra.

Olon'Andriamanitra ve ianao?


Mba avereno vakiana hatramin'ny voalohany io hebreo 4 io dia hazava aminao ny tiany hambara. Fa raha tsy mazava dia miditra eto aho rahariva mitondra fanazavana rehefa malalaka. Diniho tsara fa condition io heb4:9 io fa tsy affirmation
55. bor2lais ( 01/02/2013 10:54)
Nehemiah-> Radidi:

Izaho izao efa namaly an'izay tany @ voalohany nefa toa mody fanona koa ianao. Tsy hanana crédibilité mihitsy ianareo raha manao an'izay toetra izay !

no tiako tenenina etsy ambony fa tsy
Nehemiah->Radidi:

Ary ianao izany toa mody fanona ! Efa nametraka fanontaniana anao aho t@'iny lohahevitra iny, tsy novalianao ilay izy nefa mbola manizingizina @'ity resaka ity ihany.

akory ! ;-)
56. moustaraf ( 01/02/2013 16:24)
salama daholo namana,

-Sabata t@ andron'ny Apostoly:
Vakio kely ireto azafady, fa nivavaka Sabata ny Apostoly, ary ny Mesia koa dia nitandrina izany;
Izao adihevitra atao izao dia efa niisy koa t@ izany andro izany, ka izao novaliny nomen'ila Mpamonjy:
-"Tsy tonga handrava ny lalàna , fa tonga hanatanteraka"

ka t@ andron'ny Apostoly dia izao no niseho:
ASA 1: 12-13-14
ASA 3: 1
ASA 13:14/ 42 / 44
ASA 17: 1-2
ka aoka tsy avadibadika araka ny itiavana azy ny baiboly AZAFADY
57. RBNIR ( 03/02/2013 16:02)
toriteny:

rbnir:

namana,
ilay didy vaovao tsy hoe nomena vaovao hisolo ny taloha fa vaovao hanampy satria tsy nisy teo aloha ity ny version francaise voasrta hoe "un commandement nouveau fa tsy hoe un nouveau commandement" Joh 13:34 Je vous donne un commandement nouveau: Aimez-vous les uns les autres; comme je vous ai aimés, vous aussi, aimez-vous les uns les autres.

GAl5:14: "Fa tanteraka amin'ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao"

Mat22:34-40: 34 Fa ny Fariseo, nony nandre fa nampahasìna ny Sadoseo Izy, dia niangona .35 ary ny anankiray tamin'ireo, izay mpahay lalàna, nanontany naka fanahy Azy ka nanao hoe :36 Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin'ny lalàna?37 dia hoy Jesosy taminy : "Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra" ( Deo .6 .5) .38 Izany no didy lehibe sady voalohany .39 ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao : "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" ( Lev .19 .18) .40 Izany didy roa izany no ihantonan'ny lalàna rehetra sy ny mpaminany




faly miarahaba namana,
voalazanao namana, "Izany didy roa izany no ihantonan'ny lalàna rehetra sy ny mpaminany "ary tokony ho fantatr'i maro fa raha tena tia an'i Jehovah Andriamanitra ny olona iray dia tokony ho hita taratra eo amin'ny fianany farafahakeliny ny fanajana ny didy voalohany ka hatramin'ny didy fahaefatra amin'ny didy10 (anisany ny sabata) dia toy jzany koa raha tena tia namana ny olona iray dia tokony ho hita taratra eo amin'ny fianany farafahakeliny ny fanajana ny didy fahadimy ka hatramin'ny didy fahafolo amin'ny didy10.
ireto ny teny manamarina izany :
« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat.5:17).
raha tena ao amin'i Jesosy ny olona iray dia tokony ho hita taratra eo amin'ny fiainany ny fahatanerahan'ireo lalana fa tsyvoarava tsy akory. Izay no nahatonga ireo kristianina tany amboalohany mbola nitandrina ny sabata na ny andro fahafito. saingy tamin'ny taona 321 nanjakan'ny amperora constantin no nivoaka ny didin'olombelona (fa tsy avy amin'i Jehovah) nandidy momba ny alahady
araho ny rohy
http://fr.wikipedia.org/wiki/Sabbat_%28christianisme%29
samia ho tahin'ny Tompo namana isany

58. toriteny ( 04/02/2013 11:36)
moustaraf:

ASA 1: 12-13-14

Araho tsara ny tantara fa 40 jours après nitsanganan'ny Jesosy tamin'ny maty io tantara io no niseho. And3:"3 sady niseho koa tamin'ny famantarana maro taorian'ny nijaliany fa velona Izy , ka niseho taminy efa-polo andro Izy ary nilaza ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra"

Ekeko mihitsy fa tena niangona ry zareo tamin'io andro io satria na ao amin'ny and 4 aza izy dia efa milaza fa "ary raha niara-niangona teo aminy Jesosy , dia namepetra azy tsy hiala any Jerosalema"

Ary mbola niangona ry zareo eo amin'io passage noteneninao io, rehefa niakatra tany an-danitra Jesosy ka nidina ny tendrombohitr'oliva ny mpianany dia nivavaka tao amin'ny hefitra ambonin'ny tranon'i Petera.

Saingy izao, io andro io tsy sabata fa Jeudi
satria Jeudi ny 40 jours après nitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty ka niakarany tany an-danitra. Ary na amin'izao aza dia mbola mi-tomber Jeudi foana ny ascension.

FA ny tiany tenenina amin'io and12 io raha niteny izy hoe "araka izay mety aleha amin'ny sabata" dia ny hoe araka ny fivavahana atao amin'ny sabata. Ary tsy io Jeudi io ihany izy ireo no nivavaka fa isan'andro araka ny Lio24:53 hoe "ary teo an-kianjan'ny temploly isan'Andro izy nankalaza an'Andriamanitra".
moustaraf:

Asa 3:1

Izao an. Vao nitsangana Jesosy dia efa niteny tamin'ny mpianany hoe " Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany koa, mandehana ianareo ka ataovy mpianatro ny firenena rehetra" MAtio28:18-19

NAsaina nitory an'i Jesosy izany ireto mpianany ireto nefa ao amin'ny Asa1:4 Jesosy dia namepetra fatratra ny mpianany mba tsy hiala ao Jerosalema aloha mandra-pahazon'izy ireo ny Fanahy Masina", ao Jerosalema izany ry zareo aloha no asaina mitory mandra-pahazony FAnahy MAsina. Ary na ao amin'ny Asa 1:8 aza Izy dia miteny mihitsy hoe "ho vavolombelony ao Jerosalema, sy eran'ny Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany". Jereo tsara ny ordre chronologique ilay tany asaina toriana fa Jerosalema (ny Jiosy) aloha vao Jentilisa

Ka raha ny Jiosy no toriana voalohany, ny tao Jerosalema tempoly 1 ihany no tao ary fotoam-pivavahana 1 ihany dia ny sabata no misy tao ka raha hitory teny izy ireo, normal be raha tsy maintsy tao amin'ny synagoga izy ireo aloha no mitory.
moustaraf:

Asa 13:14/42/43

Vakio hatramin'ny voalohany io Asa 13 io fa nirahin'ny FAnahy MAsina ho any amin'ny Antiokia sy Pisidia Paoly sy BArnabasy fa tsy hoe ry zareo no nanomana sy nikarakara ilay fotoam-pivavahana ka nanao izany tamin'ny andro Sabata.

Jiosy ireo nitoriana teny ireo And45 "Nefa ny Jiosy kosa (ireo izay nitoriany teny ny sabata voalohany) raha nahita vahoaka betsaka, dia feno fialonanaka nanohitra ny teny nolazain'i PAoly sady niteny ratsy". Ary tsy nampandrenesina ireo Jiosy ireo hoe hisy olona hitori-teny aty aminareo fa rehefa nirahin'ny Fanahy MAsina PAoly sy Barnabasy tonga dia nandeha (Asa 13:4)fa tsy naniraka olona hialoha lalana na hampitondra teny. Ary rehefa nidina ny sambo izy ireo tonga dia nipetraka tao amin'ny synagoga

Efa nanana ny andro nivavahany izany ireo fiangonana tao Antiokia sy Pisidia ireo izay sabata tahaka ny tany SAlamisy izay synagogan'ny Jiosy ihany koa nivavaka sabata (Asa 13:5) vao tonga nanafika tany PAoly ary hitako hoe normal be mihitsy izy raha nivavaka sabata satria amin'io no mivory ny olona izay nasain'ny Fanahy MAsina nitoriany teny.

Normal be satria ianao rehefa hitory dia tsy maintsy mankany amin'ny misy ny ondry very. Ianao raha hitori-teny ny voafonja dia mandeha any amin'ny fonja mihitsy ianao mitory teny satria any no misy ondry very ho vonjena, raha te hitory teny amin'ireny vehivavin'ny alina ireny ianao dia mandeha eny Tsaralalàna mihitsy satria eny no misy ondry very vonjena, mandeha any ambanivohitra be mbola misy doany sy mbola tsy misy an'Andriamanitra satria any no misy ny ondry vonjena. Fa raha niandry ny andro voalohany izy vao nitori-teny tahaka ny efa niangonan'ireo apostoly sahady dia tsy hahita olona ao mihitsy izy.

Ary enao rehefa mitory teny amin'ny olona iray izay tsy mbola mahalala n'inon'inona izay asam-pamonjena (toy ireto Jiosy ireto) dia Jesosy aloha no toriana fa tsy tonga dia ny sabata hoe tsy mety izao ataonareo izao, na ny fanatitra alatsa-drà ka hoe tsy manao fanatitra ohatran'ny taloha intsony ianareo satria tena mbola vaovao be tamin'ireo olona ireo izany rehetra izany fa Jesosy aloha no toriana fa manjary lasa mandà anao izy raha ny fombafomba ndrazany no tadiavinao tonga dia hovàna. Ary rehefa mahita an'i Jesosy izy dia ny FAnahy MAsina amin'izay no mitari-dalana azy amin'ny pitsopitsony.

moustaraf:

ASA 17: 1-2

PAoly ao amin'ny Asa 17:1-3 dia nitory ny nijalian'i Kristy, ny namonoana Azy ary ny nitsanganany fa tsy nitory ny pitsopitsony. Tsy niteny mihitsy izy ny amin'ny hena atao fanatitra, ny famoràna, ny biby maloto. VAo Jesosy aza no nitoriany dia jereo ny fandehan'ny tantara eo amin'ny And5 fa tezitra ny Jiosy ka notadiaviny hovonoina ry zareo maika fa hoe tena nasiana réforme daholo ny lalàn'ny razandry zareo dia asa fotsiny angamba. Izao aza 2 000 ans plus tard mbola misy olona tsy manaiky ny hamelàna ny lalàn'ny razany ihany :) (razan'ny zanak'Israely moa fa tsy ny razany é).




59. toriteny ( 04/02/2013 12:01)
ny conclusion izany dia tsotra. Ny asan'ny Apostoly (indrindra aty amin'ny toko voalohandohany) dia normal be ianao raha hahita ny Apostoly hihangona sabata satria any no misy ny Jiosy tian'i Jesosy hovonjena.

Ny mikasika an'i Jesosy dia presque tsy nanaja ny andro sabata Izy ary tena nanomezan'ny Jiosy sy ny FAriseo tsiny Azy mihitsy izany

JAo9:14: Ary tamin'ny andro sabata no nanaovan'i Jesosy ny feta sy ny nampahiratin'ny mason-dralehilahy. 16 Ary hoy ny FAriseo: tsy avy amin'Andriamanitra izany lehilahy izany satria tsy mitandrina ny andro sabata Izy

Jao5:10 Dia hoy ny Jiosy tamin'ilay efa sitrana: Sabata ny andro ka tsy mety raha mitondra ny fandrianao ianao. Fa ralehilahy namaly azy hoe; Ilay nanasitrana ahy no nanao tamiko hoe: Ento ny fandrianao ka mandehana 16: Ary noho izany ny Jiosy dia nanenjika an'i Jesosy , satria nanao izany zavatra izany tamin'ny Sabata Izy

Jao7:23
Lio6:1-Lio6:2
Lio6:6
Lio13:14
Lio13-15
Lio13:16
Lio14:1
MArk3:4
MArk2:24
MArk3:2
MAt12:2
60. toriteny ( 04/02/2013 13:09)
RBNIR:

faly miarahaba namana,
voalazanao namana, "Izany didy roa izany no ihantonan'ny lalàna rehetra sy ny mpaminany "ary tokony ho fantatr'i maro fa raha tena tia an'i Jehovah Andriamanitra ny olona iray dia tokony ho hita taratra eo amin'ny fianany farafahakeliny ny fanajana ny didy voalohany ka hatramin'ny didy fahaefatra amin'ny didy10 (anisany ny sabata)


Dia ahoana izany Jesosy tsy nanaja ny andro sabata fa mbola niasa sy nanasitrana olona maro ihany ny andro sabata ? Satria tena tiany ampisehoana ny Jiosy sy ny Fariseo ny pratique ny atao hoe fitiavana izay basen'ireo didy 2 ireo ka ny fitiava-namana (tamin'ny nanasitranany ireo olona maro be tamin'ny sabata) sy ny fitiavana an'Andriamanitra (tamin'ny nanomezan'ireo olona be dia be ireo voninahitra sy saotra an'Andriamanitra nanasitrana azy) no hasainy atao zava-dehibe fa tsy ny andro hanaovana azy, tsy ny fombafomba hanaovana azy, tsy ny didy taloha intsony. Fa raha misy didy 1 amin'ny didy 10 no mifanohitra amin'io didim-pitiavana io dia ilay didim-pitiavana no zava-dehibe sy mikaonty fa tsy ny taloha intsony

RBNIR:

« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat.5:17).

Fa inona no fahazoanao izany hoe hanatanteraka izany? Amin'ny dikan-teny frantsay izy mazava be mihitsy "N'allez pas croire que je sois venu abolir la Loi ou les Prophètes : je ne suis pas venu abolir, mais accomplir"

Ahoana rehefa tonga ny huissier na ny police rehefa hanatanteraka didim-pitsarana anakiray? Alaina ilay olona iharan'ny didim-pitsarana dia atao mandat de dépôt. Na alain'ny huissier ny entany ohatra arakarak'izay tenenin'ny lalàna sy ny didim-pitsarana mivoaka eo.

Ny lalàna dia efa miteny fa izay tsy mitandrina ny lalàna dia voaheloka ka fahafatesana no tambin'ny ota. Ny tian'i Jesosy tenenina izany dia efa natao taminy ny didim-pitsaranantsika.

RAha ilay ohatra tery ambony izany dia na ianao aza no meloka dia Jesosy no nalain'ny police natao MD. Dia efa nisy ni-payer ve ny helokao sy efa nisy olona lasa tany am-pigadrana noho ny helokao dia mbola hiteny ihany ianao hoe "heloko ireo fa za mihitsy alefa any"?
Izany ve tsy fanaovanao tsinotsinona ny sacrifice nataon'izay efa nisolo anao tany amin'ny MD ? Ary ilay izy efa vitany ilay fisoloana toerana anao fa tsy hoe mbola vao hatao ka hoe mampalahelo ianao Jesosy fa aleo izaho ihany no hitanty ny vokatry ny nataoko. Fa efa vitany ilay izy nefa ianao manaraka lalàna mbola miteny ihany hoe izaho ihany tsaraina fa aza Jesosy izany dia izaho ihany alefa any am-pigadrana fa tsy mila ny fisoloan'izany Jesosy izany ny heloko aho. [/quote]

RBNIR:

raha tena ao amin'i Jesosy ny olona iray dia tokony ho hita taratra eo amin'ny fiainany ny fahatanerahan'ireo lalana fa tsyvoarava tsy akory. Izay no nahatonga ireo kristianina tany amboalohany mbola nitandrina ny sabata na ny andro fahafito. saingy tamin'ny taona 321 nanjakan'ny amperora constantin no nivoaka ny didin'olombelona (fa tsy avy amin'i Jehovah) nandidy momba ny alahady
araho ny rohy
http://fr.wikipedia.org/wiki/Sabbat_%28christianisme%29
samia ho tahin'ny Tompo namana isany

MAnana baiboly ianao dia baiboly hitadiavana réponse fa aza ny boky sy ny zavatr'izao tontolo izao. Efa nomeko anao ny toko sy ny andininy mirakitra ny nivavahan'ny fiangonana voalohany alahady fa ianao minia manao be marenina dia any amin'izao tontolo izao ve ianao no mitady réponse satria any no misy réponses metimety aminao?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.4676