Ny Sabatan'Andriamanitra
21. didi10
(
24/01/2013 12:31)
tsitialainga:
RBNIR:
hasiniony:
ary ny hafa firenena manaiky hitandrina ny didy folo sy ny lalàna dia lazainy hoe:
-ZANAKY NY DEVOLY INDROA MIHOATRA
Faly miarahaba namana,
Matahotra ny aminao aho namana,
« Ary, indro, nisy anankiray nanatona Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô*, inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay?(Mat.19:16)
Nisy iray nanontany ny hatao mba hahazoana fiainana mandrakizay.
Dia namaly azy Jesosy Tompo : « Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara*; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.[*Na: (Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany dia Andriamanitra.)] » (Mat.19:17)
dia mbola nanontany ihany ralehilahy ary dia namaly azy ny Tomp: « Hoy ralehilahy taminy: Inona avy moa? Dia hoy Jesosy: Ny hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, » (Mat.19:18)
« Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20:12-16), ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19:18). » (Matio 19:19)
Hofaranako hatreo fa ireo aloha saintsainina fa tsy mbola ho zakanao ny tohiny, raha mahavita ireo ianao dia efa azo antoka ny fiainana mandrakizay,
Ny didy ao amin'ny didy 10 ireo notanisainy ireo ary na dia tsy voatanisany aza ny sasany dia tsy maintsy tandremana avokoa izy 10 noho ity teny voasoratra manaraka ity : « Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin'izy rehetra. » (Jak.2:10)
Izay namana, ny Tompo anie hanazava anao,
Samia ho tahin'ny Tompo daholo
Hafa ihany ny FAHAZAVANA tena izy (original) fa tsy manao toy ny finday sinoa (copie/souslicence) ka mirenty amboalohany fotsiny sy hamonjena fahaporetana ara-nofo.
Misaotra anao rahalahy didi10 fa efa tonga hatrany @ tonona sy ny tsokan-damosin-dry zareo mpandrava lalàna angamba izay iny Matio 19 iny.
Dia ity koa misy Dessert hoan' ireo mpandrava efa ireo : Apok 14/12
Miandrandrà ho @ fahazavana e!!!!!!!!!!!!!!
Angamba
Misaotra namana RBNIR a! aleo ataoko tonga any aminao ny fisaorana fa ianao no namono ny voay e!
22. Tefigasy
(
24/01/2013 12:46)
didi10:

Maty ny voay ? ny fitanisana ireo andinin-teny efa fantatra sy hay tsianjeryy ireo ve no mahafaty ny voay ? Sady ny hamono voay kay ny anareo no tanjona a! Izany ve no nanirahan'i Jesoa hoe: mandehana vonoy ny voay , .... Averikoihany fa mapalahelo ahy ianareo !
25. Tefigasy
(
24/01/2013 13:03)
Izao r'ise a, tsy nisy na dia olona iray aza nahavita nitandrina antsakany sy andavany ny lalàna. Izay no antony nahatongavan'i Jesoa teto an-tany, mba hanantanteraka ny lalàna, ary vitany izany, tanterany izany. Ary satria vitan'i Jesoa sy tanteraka tao aminy ny lalàna dia vita hatreo ny asany. Avadibadiho ireo andinin-tsoratra masina be dia be izay efa nambara teto. Tsy ilaina miverina amin'ny zavatra efa tsy ho vita intsony ianao.
Mapme anie e, miditra ao anaty automobil ianao nefa mbola lolohavinao ihany ilay enta-mavezatra. Toa izany no fahitana ny olona miseho mahalala an'i Kristy, miaraka aminy nefa mbola mitondra enta-mavesatra izay hita fa tsy ho zakany.
Ny zavatra andrasan'ny Tompo aminao dia ny miditra ao aminy, ary rehefa tafiditra ao aminy izay efa nahatanteraka ny lalàna rehetra ianao dia tanteraka eo aminao ihany koa ny lalàna.
Tsotra be izany nefa dia mampalahelo ahy fa tsy hitanao ary izay no tena hitenenako hoe mapalahelo ahy ianareo fa tsy mananihany aho akory !
Tsy mamono voay aho eto fa miezaka ny maneho anao ilay teny iraka nampanaovin'Andriamanitra ahy eto an-tany !
Mazotoa r'ise a! te hanafaka anao ny Tompo !

26. RBNIR
(
25/01/2013 05:22)
didi10:
Hafa ihany ny FAHAZAVANA tena izy (original) fa tsy manao toy ny finday sinoa (copie/souslicence) ka mirenty amboalohany fotsiny sy hamonjena fahaporetana ara-nofo.
Misaotra anao rahalahy didi10 fa efa tonga hatrany @ tonona sy ny tsokan-damosin-dry zareo mpandrava lalàna angamba izay iny Matio 19 iny.
Dia ity koa misy Dessert hoan' ireo mpandrava efa ireo : Apok 14/12
Miandrandrà ho @ fahazavana e!!!!!!!!!!!!!!
Angamba
Misaotra namana RBNIR a! aleo ataoko tonga any aminao ny fisaorana fa ianao no namono ny voay e!
[/quote]
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Aleo ny toraka voninkazo rehetra atokatsika ho AZY IRERY ihany fa isika dia fitaovany fotsiny ry namana isany a,
Samia ho tahin'i Jesosy
27. toriteny
(
25/01/2013 11:38)
Izao ry didi10 sy RBNIR an!!! Matoa nirahina nankety an-tany Jesosy hamonjy antsika dia satria tsy mahavonjy izany ny lalàna fa raha nahavonjy ny lalàna mbola niaina tamin'ny lalàna foana isiaka na hatramin'izao aza
Inona ny atao hoe lalàna:
Ny lalàn'Andriamanitra, mba hahazoantsika azy dia andao ho raisina @ lalàna mifehy ny olombelona. Ohatra hoe raràn'ny lalàna ny manao vola sandoka fa migadra sy manao asa an-terivozona mandra-pahafaty izay manao izany. Rehefa tratra ianao na dia 1 000 fmg iray aza no nanaovanao vola sandoka dia migadra mandra-pahafaty ianao, tsisy ady hevitra, tsisy hoe exemplaire iray fotsiny anie no nataoko é na hoe 1 000 fmg fotsiny no nataoko fa tsy 50 000 fmg é fa izay no lalàna dia mihatra aminao ny lalàna
Ny lalàn'Andriamanitra koa dia ohatran'izany tsisy bitika sy lehibe ny lalàna fa rehefa mandika lalàna ianao, na bitika indrindra aza izany lalàna izany dia maty no setriny. Ary tsy ny didy folo ihany io fa ny lalàna rehetra ao amin'ny TT. Ohatra Adama nasaina tsemboka vao mahazo vali-kasasarana, tsy ao anaty didy 10 izany nefa dia lalàn'Andriamanitra nandidian'Andriamanitra ny olombelona, dia rehefa manao PMU ianao izany dia voameloka.
Ary ny voaheloka ao amin'ny lalànan'Andriamanitra tsy hoe 10 ans ohatran'ny olombelona raha be indrindra fa voasazy mandrakizay, maty mandrakizay.
Tsy misy issu hivoahana izany ao amin'io fahafatesana io. Izay no hoe tsy natao hidirana any an-danitra ny lalàna satria rehefa tsy voatandrinao ny lalàna na dia iray monja aza dia fahafatesana no miandry anao. Ao amin'ny lalàna izany tsy maintsy tadidinao daholo ny otanao ka hifonanao fa rah mbola misy na 1 aza tsy nangatahanao famelan-keloka na ota tsy nahy io, na bitika indrindra @ lalàna aza ka hadinonao ny nitondra azy hifonana eo amin'ny mpisorona dia iny bitika indrindra iny no hahafaty anao na dia efa 2 000 aza no tadidinao sy nanateranao fanatitra alatsa-drà.
Satria tadidio fa nizara 2 ny Tempolin'Andriamanitra taloha ka ny tao amin'ny fitoerana masina izay nisy ny alitaran'A/tra hanaovana fanatitra dia tsy mahazo hidirana afa tsy ny mpisorona ihany no afaka mankao ka izy irery ihany no manatitra eo ambony alitara ny fanatitry ny olona sy mifona ho an'ny olona sy mitanisa ny adisoan'ny olona tsirairay avy. Dia na manatitra fanatitra ihany aza ianao ho an'ny otanao lehibe sy izay mety ho tadidinao nataonao ny semaine dia maty ihany ianao satria misy ireny ota tsy nahy ireny na ota izay nataonao fa adinonao ny niteny azy nefa dia mahafaty ireny raha tsy hanaovana fanatitra. Dia mitondra carnet kely foana izany ianao isan'andro dia noter nao ao ny fahotanao mba ahahazoanao mitondra ireny miaraka amin'ny fanatitrao eo anoloan'ny mpisorona satria na ota 1 aza hoa adinonao dia fahafatesana no tambin'ny ota. Izay no hoe tsy mitondra any an-danitra ny lalàna ary tsy nisy zanak'Israely tonga tany satria tsy nisy na anakiray aza ka nahavita nitanisa ny otany rehetra na fanahiniana na tsy nahy teo amin'Andriamanitra mba
hifonana.
Voageja izany ny zanak'Israely tao anatin'ny lalàna satria FORCER fotsiny hanaraka lalàna fa raha tsy izany dia maty. IZANY akory tsy midika hoe rehefa nisolo toerana antsika Kristy ka Izy no niharan'ny ny verdict ny lalàna fa tsy isiaka intsony dia hoe libre be ny kristianina dia afaka manota be amin'izay ka na inona na inona otantsika eo dia efa voafafan'i Kristy. NON
Foana ve ny lalàna ao amin'i Kristy?
Tsy foana ny lalàna fa tsy miaina eo ambany lalàna intsony ny kristianina, tsy manam-pahefana amintsika intsony ny lalàna. Mbola kontiana foana ny otanao, izay avy amin'ny tsy fanatanterahanao ny didin'Andriamanitra na manana an'i Kristy ianao na tsy manana, na didy lehibe na ota tsy fanahy iniana, fa kosa ny olona manana an'i Kristy rehefa hivaly ny valim-pitsarana izay efa fantatra fa fahafatesana dia hisolo vava anao amin'izay Jesosy hoe marina fa nanota izy fa za efa maty ho an'ireo otany ireo, efa voa-payer ny caution ka afaka madiodio izy. Tsy manan-kery amintsika intsony izany ny valin'ny fitsarana satria efa tanteraka tao amin'i Kristy ny valim-pitsarana ny otantsika.
Ary ny lalàna anie tsy ny fitenenanao ohatra hoe" aza mamono olona é" fa ny valim-pitsarana indrindra indrindra no important amin'ny lalàna sy maha lalàna ny lalàna fa raha ny fitenenanao fotsiny hoe"aza mamono olona rey olona" tsy hisy hanaraka izany. Izao aza efa mipetraka ny lalàna mbola fatin'olona mikararana ihany eraky ny tanana.
Fa izay izany ny condition hanafaka antsika amin'ny valim-pitsaran'ny lalàna: mandray an'i Jesosy Kristy amin'ny fiainana fa raha tsy izany dia tsy hisy Jesosy hisolo vava anao mihitsy rehefa hi-tomber ny didim-pitsarana izay efa fantatra fa fahafatesana.
Fahafatesana satria 1) tsy hahavita hitandrina ny lalàna hatramin'ny bitika indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra ianao mandritra ny fiainanao 2)Raha manota ianao dia aiza no hanateranao fanatitra? Ny lamba manasaraka ny tempoly ho 2 aza efa notriarin'i Jesosy tamin'izy maty (mat 27: 51) ka tsy ny mpisorona irery intsony no afaka miresaka amin'Andriamanitra fa ny rehetra amin'izay no afaka manantona sy mangataka famelan-keloka. Sa hozairinao indray ny lamba? Ary mpisorona iza no ho samborinao isak'herinandro ka hanateranao fanatitra alatsa-drà? Satria raha tsy manana an'i Jesosy izay efa natao fanatitra velona ianao (tsy automatique hoe rehefa maty ka nitsangana Izy dia automatique voavonjy ny olona rehetra) dia tsy maintsy manao fanatitra alatsa-drà ianao hanadio ny fahotanao.
Raha mandray an'i Jesosy Kristy ianao dia mazoa antoka fa efa tsy manan-kery aminao intsony ny lalàna fa tsy hoe mandray an'i Jesosy ihany aho fa mbola hitandrina ny lalàna ihany koa anefa aho sao dia... Sao dia maninona? Sao dia tsy mahavonjy tampoka Jesosy? Fa rehefa misafidy an'i Jesosy ianao dia fahasoavana toriana ny olona fa aza ny lalàna intsony
Na ianao izany mbola mihaina amin'ny lalàna (torak'izany ihany koa ireo tsy mandray ny Tompo)dia ho faty foana sy tsy maintsy manao effort be foana hitandrovana ny lalàna nefa ny didim-pitsarana efa fantatra fa fahafatesana; na ianao mandray an'i Jesosy hisolo vava anao rehefa tonga ny valim-pitsarana dia hiroso amin'izay ianao rehefa tsy hatahotra ny ho faty intsony ka hanao ny asany sy izay nanirahany anao fa tsy ho lany andro hitandrina ny lalàna eo foana.
Ary ny fahasoavana tsy avy amintsika, tsy misy effort ohatran'ny ao amin'ny lalàna hoe tandremana fatratra ny lalàna; fa omen'Andriamanitra izay mino an'i Jesosy ny fahasoavana. Fa fahasoavana no amonjena anareo amin'ny finoana, ary tsy avy aminareo izany fa fanomezana avy amin'Andriamanitra. Efe 2:8
Inona no atao hoe Fahasoavana
Averiko indray, tsy hoe tsy manana emprise eo amintsika intsony ny lalàna, na ny marimarina kokoa afaka amin'ny didim-pitsarana isiaka dia mahazo manao izay tiantsika atao. Fa rehefa mandray ny Tompo isiaka dia omeny ny FAnahiny ho vavolombelony. "Fa hahazo hery ianareo amin'ny filatsahan'ny FAhany MAsina aminareo ary vavolombeloko any Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany: Asa 1:8. Ny atao hoe vavolombelony dia manao ny asany, tsy an-katerena ohatran'ny tao anaty lalàna anefa fa am-pitiavana. Ary tena fifaliam-be ho an'ny kristianina izany hoe mijoro amin'ny maha kristianina izany, ho fitaratr'i Kristy izay ao anatiny eo amin'izao tontolo izao
Raha tena manana ny FAnahy MAsina ianao tsy tafa-toetra eo amin'ny ratsy izany mihitsy, tsy mila didy sy lalàna ka hoe forcer na fa automatique lasa maharikoriko anao izao tontolo izao sy ny fanaony.
Io ohatran'ny fikarakaranao ny vadinao ihany, tsy hoe satria ny vavy mikarakara ny vadiny dia forcé za hanasa ny lambany, hanao ny sakafony, tsy hiaraka amin'ny olon-kafa intsony. Fa tsy miaraka amin'ny lehilahy afa intsony ianao satria tianao ny vadinao ka izay no hikarakaranao azy. Torak'izany ihany koa ao amin'i Jesosy, ary manao mihoatra noho izay nandidiana anao ary ianao rehefa fitiavana an'i Jesosy no mibaiko ny fiainanao fa tsy lalàna. Ka tsy hanao fahafolon-karenana ianao satria izay no didy fa satria mifamaly fitia izaho sy Andriamanitra ary tsy 10% intsony no aterinao ho an'Andriamanitra amin'izay fotoana izay fa mety ny 10% sisa no alainao ho anao fa ny ambiny omenao an'Andriamanitra.
Ary izay rahateo no hahalalàna ny mpianatry ny Tompo, mandeha amin'ny fitiavana fa tsy amin'ny lalàna. Izany no ahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo: raha mifankatia JAo13:35. TSy hoe izany aza mamono olona fa izay no didy fa tsy hamono ny rahalahiko aho satria tiako izy. Tsy hoe intsony aza mijangajanga fa izay no didy na hoe satria maty izay mijangajanga fa tiako ny vadiko ka tsy ho any an-kafa aho, tsy hoe tiavo Andriamanitra fa izany no didy voalohany fa tia ahy taloha Izy, nanolotra ny Zanany ho avotro Izy ka tiako koa.
Fehiny
Ny zanak'Israely dia maty noho ny lalàna, satria tsy nisy nahatandrina na dia ny iray aza, nefa tsy navelan'i Jesosy tamin'izany fahafatesana izany ireo zanak'Israely ireo fa nitoriany filazan-tsara mba hahafahan'izay zanak'Israely mino Azy ho velona sy handova ny lanitra ihany koa. "18 Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin'Andriamanitra, ka novonoina tamin'ny nofo, fa novelomina tamin'ny fanahy,19 izay nandehanany sy nitoriany teny tamin'ireo fanahy tao an-trano-maizna,20 dia izay tsy nanaiky fahiny, fony niandry ny fahari-pon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Noa, raha mbola namboarina ny sambo-fiara, izay nidiran'ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ka dia namonjena azy ny rano"1Pet3:18-20
Koa aza mandeha amin'io lalana io fa tsy io no izy fa manao tsinotsinona ny asam-pamonjena vitan'i Jesosy ianao raha mbola mitory amin'ny olona ny lalàna ka hitondranao azy any amin'ny fahafatesana satria tsy hisy hahatandrina izany isiaka.
Indrindra fa mbola nampian'i Jesosy ireo lalàna ireo tamin'izy nampianatra voalohany teny an-tendrombohitra. Izao ohatra tsy manao firaisana ara-nofo amin'ny vehivavy ianao vao atao hoe mijangajanga fa raha vao mitsiriritra vehivavy fotsiny ianao dia efa meloka ho faty eo anatrehan'ny lalàna.
Ianao anefa mety tsy nahatsapa an'izay raha nahita ilay vehivavy teny an-dalana dia nierika dia efa tao aminao ny fitsiriritana nefa tsy tsapanao akory hoe hay za izay dia efa nanota. KA raha tamin'ny andron'ny lalàna, tsy fantatrao hoe nanota ianao dia tsy noteneninao ny mpisorona izay tamin'ianao nanao fanatitra alatsa-drà nefa ny fahadinoanao iny zavatra bitika kely iny no hahafaty anao.
Izay no angatahina foana amin'i Jesosy ny ràny mba hanadio tanteraka antsika ka hangatahana fifonana aminy ihany hatramin'ireo zavatra rehetra tsy mifanaraka amin'ny sitrapony na dia ny tsy tsaroantsika aza. Fa Izy irery ihany no mahay manao an'izany fa raha eo ambany lalàna zarany aza adinonao iny dia iny no hentiny handavoana sy hahafaty anao

28. Nehemiah
(
25/01/2013 14:31)
Misaotra indrindra, ry Toriteny. Nolazainao izay rehetra tokony lazaina
29. didi10
(
27/01/2013 18:28)
Sabata: Famantarana mandrakizay fa Jehovah no Andriamanitrao (Eks 31;17) (Ez 20;12)
Sabata: Mahavelona ny olona manaraka izany ((Eze 20,13))

30. toriteny
(
28/01/2013 12:48)
didi10:
Sabata: Famantarana mandrakizay fa Jehovah no Andriamanitrao (Eks 31;17) (Ez 20;12)
Sabata: Mahavelona ny olona manaraka izany ((Eze 20,13))
Ka tazomy ary ny sabatanao kou. De toute façon, ianao no manana problème amiko mivavaka alahady fa Jesosy sy ny FAnahy Masina tsy manana problème amiko izany mihitsy tahaka ny tsy nananany probleme tamin'ny mpianany 11 lahy nivavaka alahady.
Tsy dia olana amiko ianao raha hivavaka sabata, na alahady na alatsinainy. Efa tsy hataonao incompétent fotsiny Jesosy ary efa tsy hataonao faible ny Fanahy Masina dia izay amiko ny zava-dehibe
31. toriteny
(
29/01/2013 07:50)
Miala tsiny indrindra raha nasiaka taminao aho omaly ry didi10, tsy tokony ho ireny no famaliako anao. Enga anie ianao ny FAnahy MAsina hanome anao hery indray andro any hamela ahy rehefa tonga soa aman-tsara ao amin'ny Tompo ianao.
Tsy izany mantsy fa nalahelo mafy aho omaly tamin'ny teninao ary lasa Jesosy aza no nomeko tsiny satria Izy mbola maniraka ahy foana hitory ny Filazantsaran'ny famonjena aminao. Dia lasa nalahelo aho hoe efa izao ve Jesosy no ataony anao dia mbola mi-insiste foana ianao fa nisy zavatra nampahafantariny ahy androany ny amin'ny antony tokony hangatahako fifonana aminao sy ny amin'ny tsy hitsaharako hitory Azy na inona avalinao na inona.
Ny azoko tenenina dia enga anie ianao tsy hanamafy fo intsony fa tena hiditra ao Aminy mba hahazoanao fiainana amin'izay fa tena tia, tena tia anao Jesosy ary hihaona Aminy ianao tsy ho ela
Tsy izany mantsy fa nalahelo mafy aho omaly tamin'ny teninao ary lasa Jesosy aza no nomeko tsiny satria Izy mbola maniraka ahy foana hitory ny Filazantsaran'ny famonjena aminao. Dia lasa nalahelo aho hoe efa izao ve Jesosy no ataony anao dia mbola mi-insiste foana ianao fa nisy zavatra nampahafantariny ahy androany ny amin'ny antony tokony hangatahako fifonana aminao sy ny amin'ny tsy hitsaharako hitory Azy na inona avalinao na inona.
Ny azoko tenenina dia enga anie ianao tsy hanamafy fo intsony fa tena hiditra ao Aminy mba hahazoanao fiainana amin'izay fa tena tia, tena tia anao Jesosy ary hihaona Aminy ianao tsy ho ela
didi10:
Sabata: Famantarana mandrakizay fa Jehovah no Andriamanitrao (Eks 31;17) (Ez 20;12)
Sabata: Mahavelona ny olona manaraka izany ((Eze 20,13))
32. didi10
(
29/01/2013 09:59)
toriteny:
Miala tsiny indrindra raha nasiaka taminao aho omaly ry didi10, tsy tokony ho ireny no famaliako anao. Enga anie ianao ny FAnahy MAsina hanome anao hery indray andro any hamela ahy rehefa tonga soa aman-tsara ao amin'ny Tompo ianao.
Tsy izany mantsy fa nalahelo mafy aho omaly tamin'ny teninao ary lasa Jesosy aza no nomeko tsiny satria Izy mbola maniraka ahy foana hitory ny Filazantsaran'ny famonjena aminao. Dia lasa nalahelo aho hoe efa izao ve Jesosy no ataony anao dia mbola mi-insiste foana ianao fa nisy zavatra nampahafantariny ahy androany ny amin'ny antony tokony hangatahako fifonana aminao sy ny amin'ny tsy hitsaharako hitory Azy na inona avalinao na inona.
Ny azoko tenenina dia enga anie ianao tsy hanamafy fo intsony fa tena hiditra ao Aminy mba hahazoanao fiainana amin'izay fa tena tia, tena tia anao Jesosy ary hihaona Aminy ianao tsy ho ela
Tsy misy tsiny namana fa réaction normale ny fahatezerana rehefa misy zavatra ifikiranao mafy kanefa misy manozongozona.
Tsapako ny fanananao finiavana sy herim-po amin'ny fitoriana kanefa tsy maintsy mananatra anao aho satria ho mafy kokoa ny hitsarana antsika mpampianatra (Jak 3,1)raha tsy miorina marina amin'ny fanorenan'ny Apostoly ary i Krsity no fehizoro indrindra (Ef 2;20).
Mahereza namana! Ny fiadana'ny Tompo ho aminao.
33. toriteny
(
29/01/2013 10:14)

Raha Kristy ary no Famonjena ho anao dia Izy irery ihany toriana fa feno sy mahery ny Fanahy MAsina omeny anao fa tsy mila fanampiny lalàna intsony.
Koa asakasakao iza no tena ho tananao fa ny amiko efa mazava ary tsy hiova intsony fa Jesosy no Tompoko sy Mpamonjiko ary ny Fanahy MAsina no mpitari-dalana sy mpanoro lalana ahy ka na tsy mahay ny lalàna rehetra aza aho, tsy mitarika ahy ary tsy maha tafatoetra ahy ao amin'ny fahotana mihitsy Izy. NA tsy mahay ny lalàna rehetra aza aho dia efa nomeny antoka sahady fa hanoratra ny anarako ao amin'ny bokin'ny fiainana Izy.
Ary ampy ahy Izy
34. didi10
(
29/01/2013 11:43)
Lasa tafiditra amin'ny Evangelisation de Charme isika raha tsy mitory afatsy i Kristy, lasa ny soa ara-nofo no mibahana toy ny fitahiana, fanasitranana, fanalana hozona, fanalana sakana ... fa raha te hamonjy fanahy isika dia mila ny mampianatra ny teny tsy misy kilema rehetra toa ny didy10, ny fahariana araka an'Anriamanitra, ny sitrapon'Andriamanitra, ny Batisan'ny rano sy ny fanahy masina, ny tsy fihemorana sy ny fahatanterahana. Indrindra ny fanjakan'ny lanitra sy ny helo.
35. toriteny
(
29/01/2013 12:35)
didi10:
Lasa tafiditra amin'ny Evangelisation de Charme isika raha tsy mitory afatsy i Kristy, lasa ny soa ara-nofo no mibahana toy ny fitahiana, fanasitranana, fanalana hozona, fanalana sakana ...
Fa maninona no hoe soa ara nofo indrindra indrindra no azon'izay manana an'i Kristy? Aiza ho aiza ao amin'ny Baiboly no misy fa tonga hamonjy ny nofo indrindra indrindra Izy?
Ary marina ihany izany ny noteneniko hoe ataonao tsinotsinona ny famonjena vitan'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana é!!! satria tsy ampy aminao ny namantsihana Azy teo fa ianao mbola mitady zavatra hafa ho famonjena anao
didi10:
fa raha te hamonjy fanahy isika dia mila ny mampianatra ny teny tsy misy kilema rehetra toa ny didy10, ny fahariana araka an'Anriamanitra, ny sitrapon'Andriamanitra, ny Batisan'ny rano sy ny fanahy masina, ny tsy fihemorana sy ny fahatanterahana. Indrindra ny fanjakan'ny lanitra sy ny helo.
Dia ahoana izany ilay jiolahy niova fo niara nombohina taminy? Efa nahatandrina ny fampianarana tsisy kilemanao angaha izy? Efa nahay ny faharian'Andriamanitra angaha izy? Sa atao inona ilay faharian'Andriamanitra? Efa nanao ny sitrapon'Andriamanitra angaha izy? Efa natao batisa angaha izy ? Efa tanteraka angaha izy? Nanaovana sermon lava be angaha izy mikasika ny lanitra sy ny helo vao niteny Jesosy hoe "mahazo miditra any amin'ny paradisa miaraka amiko ianao"?
Dia izany fampianarana izany ve no hitaomanao olona sy hitorianao teny?
Jesosy ihany no lalana sy fahamarinana ary fiainana ary tsy misy mankany amin'ny Ray afa tsy amin'ny alalany.Jao14:6
Tsy misy fangarony fa Izy dia ampy fa izao ianao no mandray an'i Jesosy dia izao dia izao ianao dia voasoratra any an-danitra ny anaranao fa tsy misy ankoatr'izay. Ny asaina ataontsika fotsiny mandra-pahatongany dia ny miambina mba tsy hisy haka ny satro-boninahitritsika(apo 3:11) izay efa nomena antsika tamin'ny finoana an'i Jesosy Kristy irery ihany 1tes2:19: Fa inona moa ny fanantenanay, na fifalianay, na satro-boninahitra reharehanay? Moa tsy ianareo eo anatrehan'i Jesosy Tompontsika amin'ny fihaviany va?
36. didi10
(
29/01/2013 12:48)
Tim II 4,2
2 mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. 3 Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany;
Tandremo namana sao dia mba tafiditra ao amin'ilay mpampianatra ny olona araka ny filanao sy izay metimety aminao ianao.

37. toriteny
(
29/01/2013 12:59)

:)izao ary no fanontaniako aminao é. Inona ny fampianarana tsisy kilema asaina torianao? SAtria tsy i Jesosy io matoa tsy hinoanao fa mahavonjy Izy. Inona izany no tena torianao ho famonjena? Sabata? didy 10?
Aleo manko tonga dia hapetraka dieny izao fa raha tsy Jesosy no torianao ho famonjena TOKANA dia tsy Kristianina ianao izany ary rehefa tsy an'i Kristy ianao tsy hitako izay handreseko lahatra anao koa ianao aza efa manana mission hanodinana ny olona tsy ho ao amin'i Kristy kou.
38. didi10
(
30/01/2013 11:09)
Misaotra amin'ny fanontaniana namana ary ataoko fa te hahafantatra tokoa ianao fa tsy miteny an-katezerana indray.
Ireto namana ireo zavatra iankinan'ny famonjena naorin'ny Apostoly ary i Kristy no vato fehizoro.
- Finoana an' Andriamanitra tokana : Jesosy = Jehovah (no mpamonjy)
- Fahalalana ny SitrapoNY (ny didiNY) mba hahalalana ny fahotana.
- Rehefa mahalala fahotana dia mibebaka = Mamantsika ny tenan'ny ota miaraka amin'i Kristy
- Rehefa avy mibebaka dia atao Batisa (Asitrika ranobe amin'ny anaran'i Jesosy)
Vakio Romana 6: Batisa = Fandevenana ny tenan'ny ota miaraka amin'i Kristy, fivoahana ao anaty rano mariky ny fahateraham-baovao (ateraky ny rano)
- Rehefa vita Batisa dia lasa zanak'Andriamanitra tsy mahay manota
- mangataka ny Batisan'ny Fanahy Masina (teny tsy fantatra)
- Maharitra sy mivelona amin'ny finoana, tsy mahazo mihemotra fa tsy misy fibebahana intsony.
- Manana fanantenana ny amin'ny fiainana mandrakizay any an-danitra.
- Ny fanajana ny Sabata, ny tsy fandoalihana amin'ny sarin-java voasikotra (sary vongana, lakroa, sary masina...) dia anisan'ny fanajana ny didiNY mariky ny fitiavana Azy.
- Ny fiderana amin'ny hoby sy ny tehaka sy fanaovana fivoriana masina dia ao anatin'ny fanatanterahana ny sitraNY,
- Ny fialana amin'ny didin'olombelona ( Sabata Alahady, Krismasy, Paska Alahady, taombaovao 31 Dec...) dia ao anatin'ny fanantanterahana ny sitraNy.
Raha mijanona amin'ny finoana fotsiny ianao namana dia mety hahazo ireo fahagagana sy fitahiana efa napetrany ho an'ny Olony fa tsy mi-garantir ny famonjena anao izany.

39. Tefigasy
(
30/01/2013 11:37)
didi10:
Raha mijanona amin'ny finoana fotsiny ianao namana dia mety hahazo ireo fahagagana sy fitahiana efa napetrany ho an'ny Olony fa tsy mi-garantir ny famonjena anao izany.
Aza miteniteny foana e ! Izany ve no mba milaza azy ho mpampianatra ny fampianarana tsy misy kilema! Indrisy !
Tsy fitsarana akory ny fitenenana ny zava-marina ; nefa raha fitsarana noandraisan'ny hafa azy dia tsy maninona fa ny tenin'Andriamanitra no aoka habaribary ary ho hita izay tena milaza sy manambara ny fampianarana tsy misy kilema sy ny manafangaroharo amin'ny fampianaran'olombelona eto !
Jao 3 : 18 "Izay mino Azy dia tsy helohina ; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo , satria tsy nino ny anaran'ny Zanakalahy Tokan'Andriamanitra izy ."
Mar 16 : 16 "Izay mino sy atao batisa no hovonjena ; fa izay tsy mety mino no hohelohina . "
40. didi10
(
30/01/2013 12:32)
Tefigasy:

Araka ny fampianarana nataoko teo ambony dia ny finoana no fiandohan'ny famonjena fa tsy mijanona eo akory, raha tsy izany dia niteny i Jesosy hoe : izay mino na atao batisa no hovonjena, ny finoana hoy aho no fiandohana, tsy misy olona afaka atao batisa raha tsy mino aloha.
Matio 7;21
21 Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. 22 Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko , tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? 23 Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka.
Hono hoy aho namana, aiza ho aiza amin'ny finoan'ireo mahay maminany, nandroaka demonia sy efa nanao asa lehibe tamin'ny AnaraNY ny finoanao namana, moa mahavita izany ve ianao milaza fa manam-pinoana io?
Na nahafindra tendrombohitra aza ny- finoan'ireo dia nolavina izy satria mpanao meloka = mpanota = mpandika lalàna.