fandatsahan'Andriamanitra ny Fanahiny
1. sunday
(
26/08/2012 13:30)
Amin'ny andro farany hoy Jehovah dia handatsaka ny Fanahiny @ nofo rehetra Izy
(Asan'ny Apostoly 2:17) « Ary amin'ny andro farany, hoy Andriamanitra, No handatsahako ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy.
Ary ankehitriny dia tanteraka izany teny izay fa ny nofo rehetra tsy ankanavaka tokoa no handatsahany ny Fanahiny. Rehefa alatsak'Andriamanitra ny Fanahiny dia misy ny miteny @ fiteny tsy fantatra, ny maminany ary isehoan'i Jesosy sy iresahany mivantana. Ny olona rehetra izay mino dia mahatsapa sy miaina izany zavatra izany satria tsy misy fetra tokoa ny fanomezan'Andriamanitra ny Fanahiny.
Ao @ FJKM Amparafaravola dia mitranga izany zavatra izany, kanefa tsy neken'ny FJKM foibe satria tsy ao anatin'ny foto-kevitra hono izany. Tsy ao anatin'ny foto-kevitra tokoa izany fa tsy hoe tsy ao anatin'ny Baiboly.
Ny fitenenana @ fiteny tsy fantatra, ny faminaniana, ny fahitana, ny fifaneraserana @ anjely sy @ olo-masina dia zavatra avy ao Baiboly, tsy zavatra vaovao anefa izany fa zavatra nafenina.
Tanteraka izany rehetra izany amin'izao fotoana izao, andro farany izao ary maneho ny voninahiny amintsika Andriamanitra.

novalian'i moustaraf ny 05/10/2012 17:35
2. moustaraf
(
26/08/2012 15:37)
salama namana!
Mampalahelo tokoa io tranga iray io, satria ny fiangonana mihitsy no mifandaka an-karona!
Hitako fa tsara kokoa raha hazavaina amin'ny antsipirihany io "Asa 2: manontolo", satria misy dika vilana be dia be atao momba an'io amin'izao fotoana izao.
1.Fantarina ny atao hoe Pantekoty, teny avy aiza, dikany, ny fomba nankalazan'i Hebreo azy, sy ny fahatanterahany rehefa tonga ny mpamonjy
2. Ny andro sy ny fotoana nandatsahana ny Fanahy M. ( na Rouha kodesh)
3. Miteny amin'ny teny tsy fantatra
4. Ny hafatra nampitain'i Petera tamin'io andro io
5. Ny hoe " ho anareo, sy izay rehetra lavitra" (andininy 39)
6. Ny ifandraisan'ny "Teny fikasana" sy ny Fanahy M.
Mino aho fa raha voadinika tsara ireo dia hazava tanteraka ny "ASA 2" manontolo

3. moustaraf
(
26/08/2012 17:01)
I. Ny teny Pantekoty dia teny grika midika hoe 50:
1. Tsy teny herbeo io ary tsy fety jiosy; dikany tsy nankalaza Pantekoty ny Apostoly
2. 50 andro aorian’ny Paska (Na Peshar: andro firavoravoana) no ankalazana ny Chavouot (fetin’ny voaloham-bokatra), vakio EKS 23 sy LEVIT 23
3. Ny Apostoly dia nitandrina ny bokin’ny lalàna (Torah) matoa mankalaza ny Chevouot, dikany «Tsy nampianarin’ I Mpamonjy hanafoana ny lalàna «izy ireo, ary indrindra indrindra «Sabata 7» no isaina vao tonga io fety io
4. Levit 23 : 41b «ho lalàna mandrakizay amin’ny taranakareo hatramin’ny faramandimby izany», dikany: Efa nosoritan’ilay nahary hatramin’ny voalohany ireo andro fivavahana,
fotoana firavoravoana; ary lalàna mandrakizay izany, ka tsy misy olombelona afaka manova.
5. Misy ireo fotoana voatokana (Etritsone) na Ora izay napetrak’ilay nahary ifanatrehana aminy (ny baiboly manontolo dia manaporofo an’io), ary amin’ireo fotoana ireo no mampiseho ny sandriny izy. Io fotoana io no nandatsahany koa ny F.M (rouha kodesh).
6. Feno ve ny fepetra entina ilazana fa ilay Chevouot jiosy no Pentekoty?? Tsipihina fa ny Chevouot dia lalàna stricte ary misy precision tsy maintsy arahina.
Matoa voasoratra ireo rehetra ireo dia mila fantatra sy tandremana, ny olana anefa dia Nafenina sy tsy ampianarina mihitsy ireo, ary soloana zavatra hafa mihitsy.

4. Mamytiana
(
26/08/2012 18:37)
moustaraf > mba te hanontany anao aho hoe inona ilay dika vilana tianao ambara eto amin' ity lohahevitra nentin' i Sunday eto ity ?
Ary te hametraka fanontaniana aminao sy izay afaka mamaly koa aho hoe:
- Ny Fanahy Masina nalatsak' Andriamanitra Ray tamin' ny andron' ny apostoly ve tsy afaka halatsany amin' ny olony intsony aty aoriana ?
- Ilay "andro farany" amin' ny nolazain' ny mpaminany Joela hoe: "Ary amin'ny andro farany, hoy Andriamanitra, no handatsahako ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra" , "andro farany" tamin' ny vanin' andron' ny apostoly ? raha izany no izy dia izao iainantsika izao zany no andro inona ? "andro farany aorian' ny farany... ?
-Jesosy Kristy ve tsy nilaza hoe Andriamanitra Ray hanome ny Fanahy Masina ho an' izay mangataka Aminy marina tokoa ? araka ny nolazainy hoe: "Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?" Lio 11,13
-Ary ny fotoana hanomezany izany Fanahy Masina izany ve noferany hoe amin' izao andro ihany na amin' izao ora ihany ... no hanomezany izany ?

5. didi10
(
27/08/2012 06:42)
Tsara ny Tompo
Misaotra ny namana Mamytiana amin'ny fanamarihana satria tsara kokoa raha fijoroana vavolombelona ny amin'ny filatsahan'ny Fanahy Masina sy ny fiasan'ny Fanahy Masina no entina hanohanana ity hevitra ity.

6. Miharena
(
27/08/2012 13:18)
Marina ny an'i Didi10.
Mba te-hanontany ny namana tokoa aho ny momba ny resak'i Kristy hoe : ho avy toy ny mpangalatra Aho.
Ataoko fa io no nitenenan'Andriamanitra ny hoe ; any am-parany no andatsahako ny fanahiko amin'ny nofo rehetra.

7. Mamytiana
(
27/08/2012 13:42)
Tamin' ny andron' ny apostoly no efa niandry fafatra ny mpianatry ny Tompo ny hiverenany indray raha nilaza Jesosy nanao hoe " indro, avy toy ny mpangalatra Aho" ; dia niandry ny Apostoly. efa ren' ny apostoly hoe "izao ny andro farany". Fa nandeha ihany ny andro, ny volana, ny taona...
Ka manontany anareo ary aho hoe oviana ihany ary ny fahazoanareo izany hoe andro farany? tamin' ny andron' ny apostoly ve? tao amin' ny Testamenta vaovao ve izany andro izany?

8. Miharena
(
27/08/2012 15:14)
Raha izaho no anontaniana momba ny andro farany dia izay fihaonana amin'ny Mandrakizay izany. Nefa raha ny Mandrakizay, amin'ny maha-mandrakizay azy dia tsy azo lazaina ho nofo na zavatra manam-petra, noho izany tsy misy androny ny Mandrakizay. Ka rehefa mahalala isika fa tsy io nofo aman-drà mandalo io fa ilay Mandrakizay mampiray (Fanahy Masina monina tanteraka) dia izay no andro farany ho an'ny tsirairay.
9. moustaraf
(
28/08/2012 05:11)
II. Ny hevitry ny Pantekoty (tohiny)
Ny olana foana hoy aho @ ity fifanakalozan-kevitra araka ny baiboly ity, dia ny fihizingizinana fa ny fampianarana efa azo sy nafafy teto no tena marina. Nefa malahelo ihany aho milaza aminareo fa ny HISTOIRE de l’Eglise dia manoritra mazava fa efa taon-jato telo taty aorian’ny Apostoly vao noforonina ny EGLISE CHRETIENNE, izay najakan’ny Romana sy grika tanteraka.
Dikany: Tsy izany no fiangonan’ny Apostoly, ary tsy nivavaka tamin’izany Kristy izany izy ireo.
NY tiako ihaviana dia ity:
1. Efa fantatry ny Apostoly izao tranga misy ankehitriny izao araka ny nampianarin’I Mesia azy ireo ka nilazana ao @ II KOR 11:4 fampitandremana @ fampianarana tsy izy: Izay mitory YESHO’A hafa, dia mampiditra fanahy hafa, ary mitory filazantsara hafa.
Aminay dia tsotra: Zava-dehibe ny ANARANA izay toriana; raha JESOSY (avy @ anarana grika ZEUS) no toriana dia filazantsara hafa mihitsy izany, ary fanahy hafa mihitsy koa no milatsaka eo; raha Kristy (avy @ anaran’ilay mahery fo grika Kristos) koa no ivavahana dia mazava ihany fa Fanahy hafa izany.
Hoy ny teny fototra hebreo LIOKA 1: 31 «Ve hinah harah ve yaladt ben, ve karat shemou YESHO’A»â€¦nadika hoe «indro hiterka zazalahy ianao, ary ny anarany hatao hoe YESHO’A.
Maro ny manohitra mafy fa hoe manasitrana anie ilay anarana e! mamonjy anie ilay anaran e! izay ela be izay ve dia ho diso??? Ekena tokoa izany, saingy vakio ny APOK 13:13 «Manao fahagagana lehibe izy, ka dia hampidina afo avy any AN-DANITRA…eo imaosn’ny olona, ary mamitaka izay monina ambonin’ny tany…»
2. Ilay fanahy izay nilatsaka teto ry Namana, dia niteny tamin’ny tenin’ny hafa firenena, fa tsy nanao babababa na chalalalalla, sns… teny fantatra sy hay ary azo adika.
3. Fotoanan’ny Fanarenana ny RAVA izao ry Namana isany, ampy izay Arivo taona niasan’ny Maizina izay: Rava ny fanekena, averina isika @ fanekena vaovao / Rava ny fivavahan’ny Apostoly, Antsoina isika hanangana izany/ Rava sy novana ny anaran’ny Mpahary sy ny zanany mpamonjy (ka nosoloina anaran-tsampy grika), averina ireo anarana izay nantsoin’ni Abrahama, Isaka ary Jakoba/ Ezahina koa Ravana ny lalàna ankehitriny (izay manondro ny lalan’ny famonjena) / Noravana ireo andro sy fotoana nofaritan’ny Nahary sy natokany ihaonana aminy ary nosoloina andro sy fotoana hafa fankalazana sampy (sun-day =andron’ny masoandro, sns….),
4. Izany rehetra izany anefa ry namana izany dia efa voasoratra. DANIELA 7: 25 «hiteny hanohitra ny Avo indrindra izy….hanova FOTOANA SY LALANA..» ary ny APOK 13:6 «nanokatra ny vavay hiteny ratsy …., dia hiteny ratsy ny ANARANY sy ny TABERNAKELINY» ; Ny fanovana ilay anarana TSY azo ovana sy adika amin’ny Anarana Sampy dia BLASPHEME , ary Fanovana ireo didy fototra momba ny fiavavahana dia fandotoana ny Tabernakely masina»

10. sunday
(
28/08/2012 07:12)
Mahafinaritra be ry moustaraf ny fanazavanao, fa hita tokoa hoe nandalina ianao. Fa ny zavatra tiako ho marihana aminao dia tsy resaka fahalalana na fahaizana mandika teny hebreo sy grika no resahina eto, eto isika dia miresaka Fanahy, ny Fanahin'Andriamanitra tsy azonao refesina amin'ny saina sy ny fahalalana.
Milaza izao ny Baiboly (izay nadika avy t@ teny grika) ny soratra dia mahafaty fa ny Fanahy kosa no maha-velona. Ny fandraisana ny Fanahy dia raisinao @ finoana fa tsy raisina @ fandikana teny, ka na inona na inona no entina hilazana azy dia izao, ny ondry mahalala ny feon'ny Tompony ary ny Tompo mahafantatra ny ondriny.
Manantena aho fa mbola manana zavatra maro hifampizaraina aminay ianao, fa izao fotsiny no zavatra fantatro Jesosy no tsy miova omaly sy anio ary ho mandrakizay. Jesosy Kristy avy any Nazareta no Tompoko sy Andriamanitro, ary ny Fanahiny izay ato amiko no manamarina izany.

11. leva2
(
28/08/2012 15:23)
sunday:

Velona Jesosy!
Marina ny fanambaranao azy namana. izay ilay atao hoe mijoro amin'ny finoana.
Ny karazan ry Moustaraf mantsy izao toa fahalalana, na fampianarana no ijoroana, nefa tsy izany no mahavonjy.
Mankasitraka e!
12. Mamytiana
(
28/08/2012 19:01)
>> moustaraf !!!
Marina mihitsy ny an' sunday hoe ny Fanahin'Andriamanitra tsy azonao refesina amin'ny saina sy ny fahalalana. mazava tsara ngamba zany!
Hafa kely zany foto- pinoanao izany ry moustaraf! miala tsiny!
- Hoy ianao :
>>>>>Mazava tsara ihany koa fa izay mandà an' Jesosy KRISTY dia ANTI-KRISTY voasoratra ao amin' ny baiboly!
Ny ahy aloha fantatro izay inoako, dia Ilay Jesosy Kristy avy any Nazareta "ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana."Isaia 9,5, Ilay voahombo teo amin'ny hazo fijaliana ary natsangan' ny Ray tamin' ny maty ka velona mandrakizay!
Ka na ahoana na ahoana no fiantsoanao an' io Jesosy Kristy Tompo sy Mpanjaka io dia TSY MANOVA n'inona tamin' izay efa vitany fony Izy tety an-tany ka hatramin' izao izany ry moustaraf a!!! Izy Ilay tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay!
moustaraf o!
Fanahy hafa ahoana koa raha Jesosy dia raha Kristy e!??
Aminay Kristianina manaradia an' i JESOSY KRISTY dia na iza na iza no fandikana amin' ny fitenin' ny firenena samy hafa ( grika e, arabo e, anglisy e, sinoa e,...) ny anaran' Ilay Mesia Mpamonjy Zanak' Andriamanitra dia TSY MANOVA NY FAMONJENY SY NY MAHA ZANAK' ANDRIAMANITRA AZY
Tsy ny anaran' ny Mesia amin' ny teny grika akory no hamonjena ny olombelona na tsy hamonjena azy! Fa Andriamanitra tsy bado na adala sanatria ka tsy hahalala ny ao am-pon' ny olombelona rehetra.
Ny ondry mahalala ny Tompony ry moustaraf a! ary ny Tompony mahalala ny ondriny!

ny Apostoly, ary tsy nivavaka tamin’izany Kristy izany izy ireo.

raha JESOSY (avy @ anarana grika ZEUS) no toriana dia filazantsara hafa mihitsy izany, ary fanahy hafa mihitsy koa no milatsaka eo; raha Kristy (avy @ anaran’ilay mahery fo grika Kristos) koa no ivavahana dia mazava ihany fa Fanahy hafa izany.
Fanahy hafa ahoana koa raha Jesosy dia raha Kristy e!??
Aminay Kristianina manaradia an' i JESOSY KRISTY dia na iza na iza no fandikana amin' ny fitenin' ny firenena samy hafa ( grika e, arabo e, anglisy e, sinoa e,...) ny anaran' Ilay Mesia Mpamonjy Zanak' Andriamanitra dia TSY MANOVA NY FAMONJENY SY NY MAHA ZANAK' ANDRIAMANITRA AZY
Tsy ny anaran' ny Mesia amin' ny teny grika akory no hamonjena ny olombelona na tsy hamonjena azy! Fa Andriamanitra tsy bado na adala sanatria ka tsy hahalala ny ao am-pon' ny olombelona rehetra.
Ny ondry mahalala ny Tompony ry moustaraf a! ary ny Tompony mahalala ny ondriny!
14. zazamaroroka
(
29/08/2012 04:54)
Hotrani marina le kozin'i ra moustaraf hoe tsy nivavaka tamin'ny kristy zan ny apostoly, kozy e, mandainga ze mikozy eto hoe nivavaka tamin'i kristy ireo, raha ny bible mantsy no koboina de tamin'Andriamanitra Rain'i Kristy doly no nivavahanireo, tsy otrani hoe mihatsaravelatra doly ve isika ry akama isany raha milaza ho kristiana nefa fadiranovana be amin'ny fahalalana an'ilay Rain'i Kristy, toa tsy mba miresaka momba an'ilay Avo indrindra mihtsy reto ary tsy mahalala azy mihitsy, adino mihitsy le dadanay. Mba tonga saina e! Tsy bado marina Andriamanitra ka tsy ahalala izay tsy miraharaha azy, siora doly.
16. Miharena
(
29/08/2012 06:38)
Moustaraf:
1. Efa fantatry ny Apostoly izao tranga misy ankehitriny izao araka ny nampianarin’I Mesia azy ireo ka nilazana ao @ II KOR 11:4 fampitandremana @ fampianarana tsy izy: Izay mitory YESHO’A hafa, dia mampiditra fanahy hafa, ary mitory filazantsara hafa.
Aminay dia tsotra: Zava-dehibe ny ANARANA izay toriana; raha JESOSY (avy @ anarana grika ZEUS) no toriana dia filazantsara hafa mihitsy izany, ary fanahy hafa mihitsy koa no milatsaka eo; raha Kristy (avy @ anaran’ilay mahery fo grika Kristos) koa no ivavahana dia mazava ihany fa Fanahy hafa izany.
Hoy ny teny fototra hebreo LIOKA 1: 31 «Ve hinah harah ve yaladt ben, ve karat shemou YESHO’A»â€¦nadika hoe «indro hiterka zazalahy ianao, ary ny anarany hatao hoe YESHO’A.
Maro ny manohitra mafy fa hoe manasitrana anie ilay anarana e! mamonjy anie ilay anaran e! izay ela be izay ve dia ho diso??? Ekena tokoa izany, saingy vakio ny APOK 13:13 «Manao fahagagana lehibe izy, ka dia hampidina afo avy any AN-DANITRA…eo imaosn’ny olona, ary mamitaka izay monina ambonin’ny tany…»
Izaho indray aloha dia tsy manao hoe diso ny fanadihadiana nataon'i Moustaraf ireo nefa misy fanamarihina ihany ny momba ny resaka hoe avy amin'ny ZEUS ny Jesus. Diso io fanamarihana io amiko satria ny Jesus dia noho ny fanononana ny teny hoe Yesho'a ihany fa vakiana amin'ny fomba grika.
Raha tena mandinika isika eo amin'io ady teny io dia mitovy mihitsy amin'ny fananganana ny Babela izany. Mitovy saina ny olombelona hanakatra an'Andriamanitra nefa nampisafotofotoana mihitsy ny teny mba tsy hifankahazo ka naharava ilay tilikambo. Raha ny fiangonana amin'izao fotoana izao no atao fanoharana dia mifandavo mandrava hatrany izay atsanganan'ny hafa ny hafa rehefa mahita fa misy zava-baovao hitany na koa manana zavatra tiana tazonina efa ela izy noho ny fandinihana atao. Nefa raha ny marina dia saina avokoa izany enti-mandinika izany fa tsy azo lazaina fa manangana izay tena marina.
Hazavaiko ny hevitro: rehefa ny saina fotsiny dia mazava fa tsy maharitra ary rava toy ny Babela avokoa ny ezaka atao.
Andriamanitra dia Fanahy ary fanahy no tokony iainana fa raha tena na saina dia rava sy mandalo, indrindra ny fametrahana ambaratongany misy avo sy iva, misy kelikely kokoa sy lehibebe kokoa. Zava-tsy maharitra avokoa izany ka nitenenan'i Mpitoriteny hoe : zava-poana ny zava-drehetra.
Asa hoe rahoviana ny Krsitianina no tsy hanakatra an'Andriamanitra intsony fa raha ny fahazoako ny nanaovan'Andriamanitra ny fampisarahana azy tsy hanao io toetra manakatra io dia tsy takarina IZY fa manerana izao rehetra izao.
17. jojo3t
(
30/08/2012 03:48)
Tsotra ny atao raha te handatsahan'Andriamanitra ny fanahiny isika, mila mangataka azy io amim-bavaka, ary iray ihany ny fanahy miasa amin'ny olona rehetra fa arakaraka ny toe javatra misy ny tsirairay no anomezan'Andrimanitra azy, variana loatra any amin'ny dikan'ny anaran'i Jesosy isika, ka lasa misy hoe fanahy samihafa, so isika indray no hampianatra zavatra tsy araka an'i Kristy ka na ny olona tsy mino aza mikorontana ny saina raha vo mamaky, raha ny teny hebreo no jerena, dia midika hoe "I Jehovah dia famonjena"(zany hoe manambara ny famonjen'i Jehovah Andriamanitra) ny hoe Jesosy, ary mifanitsy amin'ny teny hebreo hoe Mashiah (Mesia) kosa ny hoe Kristy, izay midika hoe "Voahosotra", mifameno tsara ireo anarana ireo, ary mety foana na iantso ianao hoe Jesosy na hoe Jesosy Kristy, ny zava-dehibe dia ny hoe manaraka ny fampianaran'i Jesosy sy ny modely napetrany isika amin'ny maha-kristiana antsika, amin'zany fomba zany ihany no ahafahatsika mahazo ny fanahin'Andriamanitra.
18. RBNIR
(
30/08/2012 09:39)
rohy mety hahasoa sy hamonjy anao mangetaheta ny fahamarinana:
http://forum.serasera.org/forum/message/m503f2fbd49a0d
Samia ho tahin'ny Tompo daholo

19. sunday
(
30/08/2012 14:05)
Aiza oa i moustaraf izay fa malahelo azy aho izany e?
Hono aho rahalahy, avy @ teny inona kay ilay hoe moustaraf, araka ny fahitako azy dia ohatra avy am moustafa!!!
Misaotra jojo3t fa tsy misy hanampiana intsony ny zavatra voalazanao farany, fa sao lany andro eto isika hiady hevitra amin'ny lafiny "technique" fa tsy ilay tena votoantony.
Ny zavatra tiako ambara dia ny olona rehetra dia afaka omen'Andriamanitra ny Fanahiny na i sitl na i moustaraf raha mino fa samy zanany ary tiany daholo isika rehetra. Izy tsy mba manavakavaka, ary tsy mijery Izy hoe iza no mahay manonona ny anarany na tsia, Izy dia Raintsika, Izy no namorona antsika ary fantany isika. Ny zazakely dia tsy mahalala ny anaran'ny rainy hoe Rakoto na Rabe, fa rehefa miantso izy hoe dada dia fantatr'ilay rainy hoe izy no antsoina. Koa tsy mihoatra lavitra noho izany ve ilay Raintsika ao an-danitra ry zareo.
Andriamanitra ilay Rain'i Jesosy Kristy dia te hifanerasera aminao andro aman'alina, manome toky anao aho fa rehefa mitady Azy ianao dia hoy Izy hoe: " inty Aho anaka, inona no azoko atao anao "
Rehefa Andriamanitra no mifanerasera aminao dia zavatra mbola tsy henon'ny sofinao no henonao, fa Izy milaza hoe: "indro haneoako zava-dehibe saro-patarina ianao". Rehefa mifanerasera Aminy ianao dia foana ny eritreritrao rehetra, aza miseho ny tenanao hoe mahay na lalin-tsaina. Fa sakana lehibe tsy hitenen'Andriamanitra aminao ny fieritreretanao ny tenanao ho mahay, miondreha eo anatrehany fa tsinotsinona ny fisainanao eo anatrehan'ny Fahendreny dia ho hitanao Ilay Andriamanitra nanao ny lanitra sy ny tany hiresaka aminao, hanome ny Fanahiny Anao ary ahatonga anao ho olom-baovao tanteraka.
Tsy misy zavatra tsara eto ambonin'ny tany mihoatra izany fifandraisana amin'Andriamanitra sy ny fihaonana Aminy.
Andao ry rahalahy sy ranabavy, andao ho eo Aminy fa raha tena mino sy manaiky @ fonao ianao dia ho hitanao ny voninahiny.

20. Mamytiana
(
31/08/2012 08:39)
jojo3t:
Tsotra ny atao raha te handatsahan'Andriamanitra ny fanahiny isika, mila mangataka azy io amim-bavaka, ary iray ihany ny fanahy miasa amin'ny olona rehetra fa arakaraka ny toe javatra misy ny tsirairay no anomezan'Andrimanitra azy, variana loatra any amin'ny dikan'ny anaran'i Jesosy isika, ka lasa misy hoe fanahy samihafa, so isika indray no hampianatra zavatra tsy araka an'i Kristy ka na ny olona tsy mino aza mikorontana ny saina raha vo mamaky, raha ny teny hebreo no jerena, dia midika hoe "I Jehovah dia famonjena"(zany hoe manambara ny famonjen'i Jehovah Andriamanitra) ny hoe Jesosy, ary mifanitsy amin'ny teny hebreo hoe Mashiah (Mesia) kosa ny hoe Kristy, izay midika hoe "Voahosotra", mifameno tsara ireo anarana ireo, ary mety foana na iantso ianao hoe Jesosy na hoe Jesosy Kristy, ny zava-dehibe dia ny hoe manaraka ny fampianaran'i Jesosy sy ny modely napetrany isika amin'ny maha-kristiana antsika, amin'zany fomba zany ihany no ahafahatsika mahazo ny fanahin'Andriamanitra.
OK jojo3t ! ampy tsara ho an' i moustaraf izay hoe Tsy ny dikan' ny anaran' ny Mesia amin' ny teny Hebreo na foko hafa no zava-dehibe, hahazoana famonjena sy ny fiainana mandrakizay FA ny fahalalana Azy amin' ny maha Zanak' Andriamanitra Azy, ny finoana an' Andriamanitra Ray Zanaka Fanahy Masina , ny fampianarana sy ny didy napetrany, ny Fahamasinana araka ny sitrapony!
Mazava tsara amin' i ralahy moustaraf izay!