fandatsahan'Andriamanitra ny Fanahiny

41. sunday ( 11/09/2012 13:14)
Misaotra anao moustaraf mizara ny fahalalanao aminay.

Mahafinaritra raha tahaka anao daholo ny mpino kristianina rehetra @ hafanam-po hiaro hatramin'ny farany ny hevitra ijoroany.

Dia hiverina @ fanontanian'ny miharena aho manao hoe ilay fanononana an'io anarana io ve izany no hifehezana ny mandrakizay. Ary ito fanontaniana ito izay efa napetrako fa mbola tsy novalianao moustaraf hoe: lasa any @ helo daholo izany izay olona rehetra nanonona sy nitory an'i Jesosy Kristy avy any Nazareta? sa koa tsy mino ny fisian'ny helo ianareo?

Milaza ianao fa feno fiangonana isaky ny elakelan-trano ary izany no mahatonga ny fitahiana manalavitra ny Malagasy. Tena tsy mitovy hevitra aminao satria ireny no porofo fa manantona ny olona Andriamanitra mba ahatonga ny olona rehetra handray ny fitahiany ka eny na dia eny anelakela-trano aza dia misy ny fiangonany.

Jehovah Andriamanitray dia Andriamanitra be fitiavana ary be famindram-po.

Azafady raha mamerimberina fanontaniana aminao:
. inona ny atao hoe Filazantsara aminao?
. inona no antony nahatongavan'i Yesho'a tety an-tany?
42. sunday ( 11/09/2012 13:15)

43. sunday ( 11/09/2012 13:16)

44. moustaraf ( 12/09/2012 05:01)
Salama daholo e!
1.Ny filazantsara dia manomboka @ famerenana ny ANARANA, fa tsy ny fibebahana akory:
Ny olona mahalala izay INOANY sy IVAVAHANY no afaka mibebaka sy milaza hoe "fantatro izay inoako". Tsy hamerina ireo fanazavana moma ny ANARANA intsony aho fa lava be izy iny, fa ny tsipihina dia IMPORTANT ny ANARANA fa tsy vazivazy akory, ary fantatr'ilay maizina izany ka io no NOVAINY VOALOHANY.
SAL 44: 19-20 Ianao nanorotoro anay …raha nanadino ny ANARAN’I Adonay izahay.

-Raha nenjehina sy novonina ny SALARHYM ( Apostoly) dia noho ny ANARANA
ASA 8:14 (Ananiasy nirahina ho any @ Saoly) "Ary manana fahefana aty koa avy t@ mpisorona be izy hamatotra izay rehetramiantso ny ANARANAO".

Ekena sy fantatra fa ANARANA FATINA MPANJAKA no ivavahana eto Madagasikara,araka ny faminaniana efa VOASORATRA( fa tsy izahay no mamorona)
ISA 49:1 Mihainoa ahy ry NOSY, ary atongilano ny sofinareo ry firenena lavitra...
ISA 52: 6" Koa ny oloko dia hahalala ny ANARAKO, eny @ izany andro izany dia hofantany fa izaho no MITENY hoe: INTY AHO."
izany no tena Filazantsara marina, ANARANA (1), Toriteny manaraka.

VAKIO TSARA NY ISAIA 58 manontolo "Ny fivavahana marina, sy ny fivavahana tsy izy" izay efa naseho ny Mpaminany hatrin'ny ela be:
Indrindra fa ny andininy faha -12) "Izay taranakao no hanangana ny efa RAVA ELA, ary ny naorina hatry ny fony FAHAGOLA no hamboarina, ary ianao dia atao hoe MPANAMBOATRA NY RAVA"= fivavahana no resahina eto, ka samia misaintsaina lalina.
Io no fivavahana nentin'Yesho'a, ary narahin'ny Salarhym (Apostoly), fa tsy zavatra vaovao noforonina t@ andron'ny Romana sy ny Grika akory. IZANY NO LALAN'NY FAMONJENA

45. Miharena ( 12/09/2012 05:11)
Ary efa mety misy ve ankehitrny no mitonona mahalala ny Anarana ary mampiditra fampianarana tsy izy ry namana Moustaraf?
46. moustaraf ( 12/09/2012 10:58)
Salama namana!
Eo indrindra ny olana no mitranga!
1.Rehefa hitan'ilay maizina fa tsy ho tana intsony ilay anarana sandoka izay napetrany (izay mbola ezaka goavana), dia manomboka ekeny koa ilay ANARANA tena izy , fa saingy mbola ilay fampianarana Romana ihany no afafiny.
Betsaka ireo mpitantana fiangonana no miaky fa io tokoa ilay anarana, ary dia miantso an'io koa izy, fa ilay MANAGANA ny rava efa ela dia tsy ekeny velively; kanefa ny fiverenan'ilay anarana fotsiny dia tsy ampy;
Ohatra:
-Miaky izy fa ELOHYM sy YESHO'A no tena anarana, fa saingy ampiana hoe Rava ny Lalàna,
-Na koa hoe: fantatray fa ireo no tena anarana fa izahy no misafidy tsotra izao hampiasa ilay anarana dikan-teny, satria io no efa nahasoa
-Any an-dafy dia efa betsaka ireo fivavahana mamerina ny anarana, fa ilay fototra romana sy grika dis tsy avela,
-Eto amintsika (Madagasikara), aza gaga ianareo fa afaka fotoana fohy dia hisy baiboly vaovao hivoaka ao @ Mampiely, misy ireo anarana fototra

Ilay ANARANA dia fiantombohana fotsiny ihany, fa ny tohin'izany dia hafa mihitsy, tsy tahaka ireo foto-pinoana mahazatra noforonin'ny Romana:
Ohatra:
-Paska vao niampita ranomasina mena = Fandraisana vao batisa (araka ny Torah)
sns.....
47. moustaraf ( 12/09/2012 11:26)
valim-panotaniana:"Ary ito fanontaniana ito izay efa napetrako fa mbola tsy novalianao moustaraf hoe: lasa any @ helo daholo izany izay olona rehetra nanonona sy nitory an'i Jesosy Kristy avy any Nazareta? sa koa tsy mino ny fisian'ny helo ianareo?"

Eo no mampiavaka ny fampianaran Romana sy ny fampianarana fototra (Torah):
-Matoa IZY, ilay nahary ,no milaza fa "ho very io ANARANA io" t@ alalan'ny mpaminany, dia tsy tokony ho GAGA isika raha very tokoa io anarana io , ary nosoloina anarana hafa,
-Matoa koa Izy milaza hoe "Haverina ilay ANARANA" araka ny mpaminany ihany, dia tsy tokony ho GAGA isika , raha AVERINA izany anarana izany ankehitriny.

Isika izay milaza ho mpino dia tsy tokony hanao SELECTION amin'ireo teny tokony INOANA sy tsy tokony, ao @ BAIBOLY, satria tenin'i Avoindrindra io, ka tsy maintsy tanteraka!

Very avokoa ve ireo taloha tsy nahalala?
Fanontaniana no avaliko:"Ny satana ve raha miasa, dia miasa maina, tsy misy tanjona?"
Fa saingy, asa ny Romana raha mampianatra anareo ny antsoina hoe "Batisan'ny Maty"? izay misoratra mazava ao anaty baiboly, ary Yesho'a t@ alalan'ny fahafatesany sy ny fitsanganany no nisantatra an'io.
Ianao koa, araka ny teny hoe"Izay rehetra nandray azy dia nomeny HERY ho tonga zanak'i Elohym", dia manana izany fahafana izany......(tohizana raha sitrakao)

Hafa aminao izany zavatra resahiko izany? Satria betsaka ireo zavatra nafenina sy tsy nampahafantarina anao hatramin'izay ?

Fanontaniana: "Milaza ianao fa feno fiangonana isaky ny elakelan-trano ary izany no mahatonga ny fitahiana manalavitra ny Malagasy"
-Hevero kely ange izany hoe: ANARANA FATY no antsoantsoina eraky ny elakela-trano.Izahay anie tsy manome tsiny e! fa malahelo no sady mampahafantatra ireo teny izay voasoratra. Fa ny zavatra mazava aloha dia Elohym SARO-PIARO ilay nahary antsika , ka tsy hiara-monina @ Fatina mpanjaka! Izany anie no nandroahany ireo Israely Raybentsika, ka nahalasa azy ireo ho babo tany Asyria, ary mahatonga antsika aty @ ilay Nosy lavitra (version originale) , rehefa avy nirenireny niteny vohi-pirenena maro e!
-Izahay koa anie tsy mandà fa andraisana FITAHIANA tokoa anie ilay anarana faty e! fa saingy FANAHY HAFA, YESHO'A HAFA, filazantsara hafa.
48. sunday ( 13/09/2012 14:43)
Salama daholo,

Manao azafady ny amin'ilay sujet niverimberina maro be ireny fa noho ny connexion tsy nety dia lasa tsy fantatra intsony hoe lasa ve sa tsy lasa ny zavatra nosoratana.

Hiditra @ resaka aho, manamafy ary milaza ny namana moustaraf fa tsy izy ilay Jehovah Andriamanitra izay ivavahan'ny Kristiana, noho ilay anarana hoe Andriamanitra. Ao anatin'ny teny tokoa dia misy zavatra fonosiny.

Fa mbola averiko indray, Ilay Nahary dia mahafantatra ny zavatra noforoniny. Ny zavatra rehetra izay mivoaka ny vavan'ny olona dia avy ao am-pony, fantatr'Andriamanitra izay olona tena mitady sy mikatsaka azy fatratra na @ fomba ahoana na ahoana. Izy dia tsy be condition fa izay madio fo no ahita Azy. Ny Andriamanitray dia Andriamanitra fitiavana, raha misy olona mikatsaka Azy fatratra any Alaska na any Siberie, Izy tsy hiandry an'i moustaraf sy ny namany hitondra an'ilay anarana mahagaga vao hamonjy Azy. Raha misy olona efa eo ambavahoanan'ny fahafatesana ka toriana an'i Jesosy Kristy avy any Nazareta na izay mety anarana ho fiantsoana Azy any amin'izay tany misy azy dia fitiavana Andriamanitra, hamonjy azy Izy fa tsy hoe tsy maintsy hiandry an'ilay anarana mahagaga.

Ry namako,ny voa no ahafantarana ny hazo. Ny voa no ahafantarana ny fanahy ao @ olona. Koa milaza ianao moustaraf fa fanahy tsy izy no tompoinay, ny tiako lazaina aminao dia tsarao @ asanay izahay fa tsy @ teny izay avoakan'ny vavanay ary ianao koa dia ho tsaraina @ izay zavatra nambaranao. Mahita ny resaka sy ny fanehoanao hevitra aho dia tahaka mahita hazo aviavy iray izay tena mandrombona maintso mavana ary tena manintona ny maso ... fa saingy tsy misy voany, tsy misy vokatra avy ao aminy.

Ny vokatry ny fanahy dia fitiavana, ny fitiavana tsy manaratsy ny namany ary ny fitiavana dia mahay manetri-tena. Koa noho izany, hajainay tanteraka ny foto-kevitra ijoroanao fa aleo ny vokatra no hitsarana antsika any amparany. Ny vary sy ny tsiparifary tsy maintsy hiavaka @ andro farany.

Tahin'i Jesosy daholo isika rehetra
49. sunday ( 13/09/2012 14:43)

50. moustaraf ( 16/09/2012 04:28)
Salama namana!
Samy manana ny fahitany tokoa ato @ ity forum ity, fa ny fahitako ny ankabetsahan'ny olona dia ilay IVAVAHANY MIHITSY no tsy fantany, na dia mazava be aza izay voasoratra, hany ka ny fiangonana sisa no arovana mafy.

-Averiko indray ilay fanontaniana hoe: Ny satana ve miasa maina tsy misy tanjona? na RAHA NANOVA ilay anarana i Satana inona no Tanjony?

-Ny zavatra hiitako eto dia fitazonana foto-pinoana sisa no ataon'ny maro, fa ilay fototra tena ipetrahana tsy voaporofo mihitsy. Raha miaro ny hevitro aho, dia asiako porofo sy fanamarinana ara-baiboly foana, fa ny hafa toa....

-Manampy trotraka koa ny tsy famakiana sy fandinihana intsony ny Bokin'ny Mpaminany, izay manambara ny ho avy, ka very fotoana @ fanaovana ara-keviny ny Boky vaovao (Epistily).

-Izahay dia tsy manome tsiny na iza na iza fa miezaka manambara zavatra tsy mbola fantatra hatramin'izay "Nafenina ny manantsaina, fa naseho t@ zaza madinika"

Io baiboly eo am-pelatanantsika io dia ahitana fahadisoana be dia de @ fandikana, tsy izaho no voalohany milaza an'izany fa efa betsaka ihany koa, ..hany ka maro ireo teny sy hevi-teny mifangaroharo sy tsy mazava intsony ka ilàna ny fampiasana ny Version Originale. Izahay manokana dia misafidy ny hampiasa ny fandikana avy @ teny HEBREO izay niaviany;IRETO MISY POROFO VITSIVITSY:
-Ilay teny hoe TOMPO ao @ baiboly, iza marina no tondroiny? niniana natao ve io?
DEOT 32: 17 demonia= tompo
HOSEA 2: 18 bala= tompo
1 KOR 10:9 Kristy= tompo

-Ilay teny "JENTILISA" miverimberina , tsy hita ao @ baiboly fototra Hebreo ,Goym = firenena no ilazany azy, ary matetika aza dia "ny firenen'ny Israely no voadika hoe Jentilisa @ baiboly gasy.

-Ny bokin'ny mpaminany (version hebreo) raha milaza ny fihavian'ny Mesia dia milaza ANARANA mazava, nahoana ny dikan-teny (rehetra) no tsy ahitana na dia in-1 mandeha monja aza?
SNS......

Anontanio ny mpitarika anareo mba hamaly ireo fanontaniana ireo, satria "Araka ny loha-hevitra hoe: Ny fandatsahan'Atra ny Fanahiny", dia mila fantatra tsara izay IVAVAHANA satria izay ivavahana no mandatsaka ny FANAHINY

-Mamaly ilay fanamarihana etsy ambony hoe "Raha any Siberie ilay olona, ....dia ho faty sy ho very ve izany saria i Moustaraf tsy ho tonga any" .AOKA tsy ho tezitra ianareo fa diniho tsara izay voasoratra ao @ Apokalipsy "Ny firenenena rehetra, na lehibe na kely dia avy ka niankohoka teo antrehan'ny Bibidia" / Tsy anjaranay ny hilaza hoe Very sa tsia,fa ilay Nahary no anontanio hoe; Nahoana no izao vao tanteraka ny faminaniana MAMERINA ILAY ANARANA?"

.
51. sunday ( 18/09/2012 12:52)
Moustaraf namana,

Na ho tonga eny @ rahon'ny lanitra aza Jesosy dia tsy ho tapitra ny ady hevitra satria hitako hoe mifanao atsimo sy avaratra ny zavatra resahintsika.

Milaza ianao fa tsy fantatray izay ivavahanay, hoy ianao! fantatray tsara rahalahy ilay ivavahanay ary izahay mifanerasera aminy isan'andro ary izany antony manokana izany no nanokafana ito lohahevitra "fandatsahan'Andriamanitra ny Fanihiny" ito.

Hoy ianao milaza hoe: Ny satana ve miasa maina tsy misy tanjona? marina mihitsy izany. satana dia mpanakorontana ary tsy vaovao @ tantaran'ny fiangonana kristiana ny fampianaran-diso ary tsy ianareo koa ny ho farany. Efa nampahafantarina anay hatry ny ela fa ho avy ianareo hanohitra an'i Kristy.

Manana porofo maro dia maro ianao hanamarinana ny finoanao ary hanadisoana izay iainanay. Fa averiko indray, fantatray izay ivavahanay. Tsy hoe akory hoe manana verset maro dia maro ianao dia afaka ilazana hoe marina izay ambaranao, fa mbola averiko aminao ihany ilay nambarako teo aloha hoe: ny vokatra no ahafantarana ny hazo, ary mbola ho tsaraina @ zavatra izay voalazantsika daholo isika.

Marina ilay voalazanao hoe naseho tamin'ny zazamadinika, ny zaza dia mahafantatra ny rainy raha tsy hoy indray ianao hilaza hoe ray sandoka io.

Jehovah ilay nahary ny lanitra sy ny tany dia nanao ny olona tahaka ny endriny, Izy no Rain'ny firenena rehetra ary zanany avokoa isika rehetra. Izy mahafantatra ny zanany izay tena mitady Azy, ary ny zanany koa mahafantatra Azy. Ny zanako fantatro foana rehefa miantso ahy fa tsy hiandry azy hanonona ny anarako aho akory vao hoa avy. Koa tsy mihoatra lavitra an'izany va ilay Raintsika ao an-danitra rahalahy?

Hanana zavatra maro dia maro ianao hamaliana ahy, tsy maninona sorato foana, ny vokatra no ahalalana ny hazo.
52. Mamytiana ( 18/09/2012 17:59)
Moustaraf a!

Andriamanitra Mpahary tsy adala, tsy fohy fisainana ka tsy hahalala ireo mino Azy marina tokoa fa Izy no Andriamanitra Ray Zanaka Fanahy Masina. FA AZA FEFENA TOY IZAO NY FAHALALANY . tsy manome tsiny anao aho amin' ny foto-kevitra ijoroanareo satria ianareo no antsoina ao amin' ny Soratra Masina hoe antikristy.

53. moustaraf ( 22/09/2012 15:33)
Salama namana!
Toa misy mila ho tezitra be ngeh ao zany e!
Hevitra avoaka no atao eto fa tsy handresy lahatra akory, ka aoka tsy ho sendaotra ambony ihany e!
1. Izahay aloha dia milaza fa TSY MAINTSY AVERINA NY ANARANA, araka ny teny faminaniana
2. Tokana ny anarana mahavonjy fa tsy maro
3. Ny Satana koa dia namorona anarana izay lazainy fa Mahavonjy
4. Ao @ Baiboly fototra aloha (miala tsiny ) fa tsy ahitana na dia in-1 mandeha aza ny teny hoe "KRISTY" , ka iza ary no Anti-kristy
5. i KRISTOS dia olona niaina tamina vanim-potoaana hafa mihitsy ary nivavahan'ny Grika
6. Samy manoratra ny aranany amin'ny HANDRIN'ireo mpanaraka azy , na i satana na i Elohym
7. "Ringana ny oloko noho ny tsy fahalalana"; na dia mihevitra aza ianao fa olony tokoa, ary miezaka miantso azy (@ anarana hafa) dia ho ringana foana ianao satria diso adiresy. Ary izany no Programan'ny satana.
54. Mamytiana ( 24/09/2012 19:16)
moustaraf >

Zay ny teniko hoe "mametraka an' Andriamanitra Mpahary ho fohy fisainana ianao!"

- "tsy borné" araky ny fiheveranao Azy akory io Andriamanitra io ry moustaraf a!.

-zay no fahatakaranao momba an' Andriamanitra Ray Mpahary dia heverinao ho sahala amin'ny anao zay koa ny fiheviny.
-TIA HAMONJY NY OLOMBELONA REHETRA IZY fa tsy manavaka an' izay hoe miantso Azy hoe YESHO’A na Elohym na Iaveh na Jehovah na Jesoa na Jesosy...,
-fa izay mino Azy kosa ka manatanteraka ny didiny dia hovonjeny ( >>maro maneran-tany, misy gasy koa, no efa vavolombelona nampisehoan' Jesosy Kristy fa misy tokoa ny toerana natokany ho an' ireo olom- boavonjy any an- danitra any, ary ao koa no nasehoany fa TENA MISY koa ny helo)
-SATRIA BE FITIAVANA IZY FA TSY JAMBA AKORY NA FOHY FISAINANA!
-ary tsy limité au borne-n-ny anarana apetraky ny olombelona Izy satria Olombelona fahiny avokoa NO NITATITRA HO ANTSIKA na iza no niantsoany Azy na iza!
55. moustaraf ( 25/09/2012 16:07)

Mamytiana:

Salama namana isany!
Ny mahagaga ahy foana amin'ity takalo hevitra ity dia ny fiziriziriana be fahatany @ foto-pampianarana tsy fantatra fototra akory, tsy omena tsiny isika satria nampitana fahalalana ka dia miezaka hitazona izany fatratra:
1. Izy Mesia mihitsy anie no NAMINANY hoe:" Raha hitanareo fa voahodidina miaramila i jerosalema dia fantaro fa ho rava ity tempoly ity, ary tsy hisy vato mifanongoa ka tsy ho ravana, AORIAN'IZANY DIA I JEROSALEMA HITSAHIN'NY JENTILISA madra-pahatapitry ny ANDRON'NY JENTILISA"

Efa tanteraka io ry namana a!
Ny JENERALY TITOSY (Romana= Jentilisa) no nandrava ny Tempoly ara-bakiteny, ary i HERODA (Amperora Romana= Jentilisa) no nandrava ny ARA-PANAHY (fiangonan'ny Apostoly=NAZAREANA), namona ny Apostoly maro(Stefana,....)

2.Rehefa izany, dia Ny romana (Amperora Constantin) no nanorina ny Fiangonana KRISTIANA VOALOHANY =KATOLIKA ORTHODOXE, rehefa avy nandravarava sy nanovaova izay rehetra voasoratra, mba hifanaraka amin'ny kolotsaina sy ny Tantara ROMANA.

3.Dikany, na hiodina havia na hiodina havanana isika rehetra, ny tantara dia mipetraka, ary fanta-poko fanta-pirenena izany rehetra izany. ARY IZANY NO FAHATANTERAHAN'NY FAMINANIANA. Mahagaga anay ny filazanan'ny maro fa MINO NY MESIA nefa ny faminaniana entina toa LAVINA TANTERAKA.

4. Tonga ny fotoana ry namana isany, TAPITRA IO FOTOANAN'NY JENTILISA IO RY NAMANA, araka ny faminanian'i Mesia.
56. Miharena ( 26/09/2012 05:46)
Mety misy fahamarinany ny resakao Mpustarafa amin'ny resaka Anarana fa eo amin'ny vontoatin-kevitra ara-pinoana, misy fiavahanay ve ilay manonona anarana hafa nefa iray ihany no heveriny ho tononina? Hoy aho manao ohatra : raha miteny hoe Andriamanitra dia Dieu amin'y frantsay ary God amin'ny Anglisy ary Yaouah ho an'ny Jiosy.

Tsy azo heverina ve hoe lasitra iray no iorenan'ireo fiantsoana ireo ho an'ny olona samihafa firenena?

Ankoatr'izay dia mba tiana hisarihana anao ihany ny koa ny teny hoe Yaldebaoth izay misy milasza fa mira YHWH.

Mba azonao omena fanazavana ve raha azo atao ahafahana mahalala hoe aiza ho aiza ny fandalinana vita ankehitriny momba ny Anarana?
57. Mamytiana ( 27/09/2012 18:57)
moustaraf >

Lazainao fa miziriziry be fahatany @ foto-pampianarana tsy fantatra fototra akory izahay eto amin' ity takalo hevitra ity, tsy misy na dia ianao io aza nahita tamin' ny masonao ny nanoratana an' io baiboly @ TENY HEBREO IO ka milaza ny tenanao ho mahafantatra ny fototra...!

Maha - zendana anay mihitsy ny finoanareo ty ry Moustaraf oa aaah! fa dia tena manao an' Ilay Andriamanitra ivavahanareo ho borné sy fohy fisainana mihitsy!!!

58. moustaraf ( 05/10/2012 17:35)
salama,
Raha manaraka ny fanehoan-kevitra ataon'ny maro eto aho dia mahita fa betsaka ny te hilaza (tsy mivantana) hoe: MALALAKA FA TSY TERY AKORY NY LALANA MANKANY @ FAMONJENA, satria samy te hilaza hoe:
-Izay anarana antsoina dia mahavonjy daholo,
-Izay fivavahana arahana dia mahavonjy daholo,
-Izay rehetra fomba sy fanao tiana hanompoana dia mety avokoa,
-Ny didy sasantsasany ihany no tandremana fa ny sasany dia azo tsy jerena intsony,
Toa odiana hadino fa Ny Nahary , IZAY TSY BORNE araka ny lazain'ny sasany dia efa NIFIDY OLOM-BITSY hatramin'ny voalohany, ary efa misy planina nosoritany hatramin'izay:
-Nifidy an'i Noa miankavy , ary nandringana ny zava-boary manontolo (borné vé?)
-Nifidy an'i Abrahama irery izy tanatin'ny firenena maro (Borné ve?)
-Nifidy an'i Jakoba izy fa tsy Esao (Borné ve?)
-Nifidy an'i Josefa izy hialoha lalana ny rahalahiny tany Egypta (Borné ve?)
-Nifidy firenena TOKANA izy fa tsy maro , ary notolorany ny DIDINY (borné?)
-Nifidy fiteny tokana izy t@ fiteny maro , nanomezany ny lalàna (Borné?)
-Nifidy an'i Davida sy ny Taranany izy ; hisy solofo miposaka avy @ fototr'i Jese (borné ve?)

Fohy fisainana ve ny Mesia raha nilaza fa VITSY NO HOVONJENA, TERY NY LALANA...
Betsaka amintsika no mindrana baiboly @ teny hafa (frantsay ,anglisy,...) raha misy teny tsy dia mazava amintsika ao @ baiboly, fa izahay dia mifidy ny Baiboly hebreo satria io no niavian'ny dikanteny rehetra, ary azo inoana fa voaaro andritra ny andrivony taona.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3999