fandatsahan'Andriamanitra ny Fanahiny

21. moustaraf ( 01/09/2012 17:36)
salama daholo e!
Mbola ato izahay fa aza maika nareo e! dinika no atao eto ,fa tsy misy idiran'ny hoe "Ampy an'i Moustaraf tsara izay ".
Tsy mahagaga hoy aho hatra ery ambony ery ny tsy itovian'ny fomba fandinihantsika satria, ianareo manizingizina fa ny fampianarana Romana (Avy @ katolika orthodoxe, katolika Romana, Protestanta, Anglikana, sns......sekta maro be zanany) no ekenareo fa marina, ka tsy te haheno zavatra hafa intsony ny sofinareo ary ny sainareo hazoninareo tsy handinika intsony.
-Diso be ny filazana fa avy tao babela no naha maro ny anarana iantsoana ny Mpahary:
Raha niserasera t@ Adama, Kaina, Abela, Noah, sns...Izy dia teny iray no nampiasainy, ary io teny tokana io no mbola notazoniny ka nomena an'i Abrahama sy ny taranany.
-Ianareo dia MINIA ny tsy hanaiky mihitsy ny hoe "Ny Romana no namotika ny fiavavahan'ny Apostoly", na dia mamaky baiboly aza ianareo , dia minia mikipy, satria tsy eken'ny sainareo ny hoe "Io fivavahana misy anareo io dia tarazon'ilay fivavahana Romana". IZAY NO TENA MARINA!
-Raha nanapotika ny fivavahana "Nazareana" ny Romana dia ANARANA hafa no napetrany, ary zavatra hafa (ny sampiny) no nasolony hivavahana,
-Ekena fa nanaparitaka ny Baiboly ny Grika sy ny Romana nefa Baiboly HAFA no naparitany, ary fampianarana feno ny dian-tanany no nafafiny.
ka asakasakareo mihizingizim-belona, fa ny fanjakan'ny lanitra dia tsy ho an'ny "Vetaveta, mpanompo sampy, ny alika,...."
-Averiko foana fa ny Anarana dia tsy azo ADIKA, ka ahoana no ilazana foana fa ilay ELOHYM no DIEU, God, Got, Atra,sns......nefa ny lela rehetra afaka manonona tsara ny hoe ELOHYM, sy ny hoe YESHO'A, no jesus, jesosy, sns....nefa dia anarana mora tononina, sa misy firenena tsy mahay manonona ny iray amin'ireo???
-sOKAFY amin'izay ny maso,ary maneke @ izay , aza manamafy ny fonareo ianareo, fa Elohym no nahary Izao tontolo izao ary Yesho'a no zanany lahy tokana nisolo voina antsika,
raha ANARANA HAFA ANKOATRA IREO DIA FANAHY HAFA IZAY, ARY FILAZANTSARA HAFA

-Farany: ZAKARIA 14:9 "Ary amin'izany andro izany , dia iray no Adonay , ary iray no Anarany"
Aza manaiky habadoina amin'izany anarana maro izany, fa TOKANA ny anarany, ary io ihany no mahavonjy.



22. Mamytiana ( 02/09/2012 07:30)
moustaraf>
tarazon' ny fivavahana romana hoy ianao. Efa hatramin' ny voalohany ianao no te hiteny aminay kristianina fa izahay dia manompo sampy satria tsy ilay hoe YESHO'A no iantsoanay ny Mesia mpamonjy Zanaky ny Ray Mpahary.

Dia manao an' Andriamanitra Mpahary izao tontolo izao ho bado tokoa ianareo zany!!
Fantatr' Ilay Andriamanitra Ray tsara fa tsy manompo sampy izahay satria, Izy no nahary ny olombelona , nanome ny Zanany Lahy Tokana Jesosy Kristy ho Famonjena ny olombelona dia fantany tsara fa tsy manompo sampy izahay fa manaiky Azy tanteraka.
Fa aleo ianareo "borné" eo amin' izay fahalalanareo izay!

Aoka ho fantatry ny olombelona rehetra fa mihoatra ny fahalalana rehetra ny fahalalan' Andriamanitra Tsitoha! ka tsy ny fahalalana ny momba ny anarany no hametra ny fivavahana Aminy sy ny fanompoana Azy. Averiko foana amin' i moustaraf fa ny ondry mahalala ny Tompony ary ny Tompony mahalala ny ondriny!

Sahiko ny mijoro ry moustaraf fa fantatro izay inoako!
23. moustaraf ( 02/09/2012 07:36)

Miala tsiny raha voatery eto no amoahana ireto hevitra ireto, izay mety tsy hifanena @ loha-hevitra, nefa ilaina ihany @ fitohizan'ny ady hevitra

ANARANA MAHAVONJY
A - ELOHYM
EKSOD 20: 2- 3
Izaho no Adonay Elohym-nao , izay nitondra anao nivoaka avy tany @ tany Egpta..AZA manana ELOHYM hafa , fa Izaho ihany.

EKSOD 34 : 14
Fa tsy hiankohoka eo antrehan’ny Andriamani-kafa ianao, fa Adonay, dia SARO-PIARO no ANARANY, satria ELOHYM saro-piaro IZY.

ZAKAR 14: 9
Ary Adonay no mpanjakan’ny tany rehetra; @ izany andro izany dia iray no Adonay ary IRAY ( Tokana) no ANARANY

«Isaka ny mivadika amin’ilay anarana ny Israely dia resy eo anoloan’ny fahavalo, ary mila miverina aminy indray vao afaka @ fahababoana.» vakio ireo tantara maro ao @ baiboly

Saro-bidy, sy saro-pady io ANARANA io ka ezahin’ny Satana potehina tsy hisy hahafantatra ary Soloina dikan’Anarana:

APOK 13: 6
Ary nanokatra ny vavany hiteny ratsy an’I El izy , dia ny hiteny ratsy ny ANARANY

MIKA 4: 5
Fa ny firenena rehetra samy mandeha @ anaran’ny Andriamaniny avy; fa isika kosa handeha @ anaran’ni Adonay Elohym-ntsika mandrakizay doria.
Ny mpaminany dia efa nahita fa hisy anarana maro antsoina isaky ny firenena, fa kosa ny anaran’ Elohym dia hohazonina MANDRAKIZAY doria.

Tamin’ny Andron’ny Mesia
JAON 10: 25 b
Ny asa iazy ataoko amin’ny ANARAN’NY RAIKO no manambara ahy.

Ary t@ fotoana farany:
MARK 15: 34
Yesho’a niantso t@ feo mahery ka nanao hoe: ELY! ELY ! Lamà sabakta- ny?
EL –Y: Elohym- ko (nadika hoe Atr- o ô)
-Nahoana no tsy sahin’ireo mpandika baiboly ny manaisotra io teny «original io’ @ baiboly rehetra? Misy Antony lehibe satria: 1) teny mivantana nataon’Yesho’a mankany @ Ray, 2) teny milaza ilay anaran’ilay Ray ambony indrindra: EL , ANARANA Mahavonjy NIVAVAHAN’NY MPAMONJY IZY Tenany.
Dikany: hatreo @ Yesho’a sy ny mpianatra dia tsy nisy ANARANA MARO Hafa nivavahana.

-Mitovy ny fampiasan’I Abrahama sy Yesho’a ny diminutif EL avy @ Elohym satria:
a) I Abrahama no lazaina hoe Sakaizan’I Elohym (familier), ka afaka mampiasa fanafoizana anarana, ohatra: Isma-El, Beyt-El, Sy ireo anarana maro hebreo : Isra-El , Dani-El, Nathana-El, …
b) I Yesho’a indray kosa dia Zanany (tompon-trano)

Any @ Paradisa dia io anarana tokana io no POROFO:
APOK 22: 3-4
Ary ny mpanompony dia hanompo azy, ka hahita ny tavany, ary ny ANARANY dia ho eo @ handriny.
Dikany: anarana TOKANA no hipetaka eo @ handrina fa tsy maro akory, ka anaran’iza no hipetaka eo @ handrinao? Dieu? God?, Got? Atra? sns….

Anarana YESHO’A

MATIO 24:
-5) Maro no ho avy@ ANARAKO hanao hoe Izaho no K….koa mitandrema!
-11) Ary hisy mpaminany sandoka hamitaka ny maro
-25) Hisy K. sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana…..haneho famatarana sy fahagagana lehibe..»

MATIO 19 :
-17b) fa raha te hiditra @ fanjakan’ny lanitra ianao, tandremo ny DIDY
-21c) ary avia HANARAKA AHY, IZA NO ARAHINAO?? J.K an’ny Romana sa Yesho’a ambaran’ny teny faminaniana.

JAON 19: 19-20
Ary Pilato nanoratra anarana, ka napetany teo @ hazo fijaliana, ary izao no voasoratra: YESHO’A AVY ANY NAZARETA, MPANJAKAN’NY JIOSY, ary izany ANARANA izany dia novakin’ny jiosy maro …., ary voasoratra t@ teny Hebreo, Romana, sy Grika.
DIKANY: t@ izany fotoana izany dia tsy nisy anarana maro ankoatra ny Yesho’a (hebreo, Roaman, Grika), taty @ taona 300 taorian’izany vao nipoitra ny Anarana dikan-teny, sns…. Ivavahana ANKEHITRINY

JAON 20: 21
Fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Yesho’a no hamasherha ( fa tsy hoe: Jesosy no Kristy) , zanak’I Elohym, ary mba hananareo fiainana amin’ny ANARANY, raha mino ianareo.

Io anarana io no Potehin’ny Satana voalohany, amin’ny ady izay ataony, satria ANARANA MAHAVONJY
APOK 12: 17
Dia tezitra t@ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady t@ zanany sisa, izay mitandrina ny didin’I Elohym sy mitana ny filazana an’i YESHO’A.
Dikany: olom-bitsy sisa (zanany sisa), no mitandrina ny didy (Afafy mihitsy fa rava ny didy) sy ny filazana an’I Yesho’a (ilay anarana tokana)
Isan’ireo sisa (vitsy an’isa) ve ianao sa miara-mirona @ maro, ka mitelina ilay fampianarana (riaka) avyy @ vavan’ny dragona??


Zava-dehibe ihany koa ny ANARANAO, satria:
JAON 10: 3b
Ary ny ondriny mahalala ny feony; ary izay ondriny tokoa dia antsoiny @ ANARANY ka entiny mivoaka.

Koa raha ny anaranao aza no antsoiny mba hamonjeny anao, koa maika ve fa ny ANARANY. Raha tsapanao fa zava-dehibe @ fiainanao ny anaranao dia Fantaro fa lehibe lavitra noho izany Ny ANARANA MAHAVONJY. Tsy vazivazy izany akory fa sokafy ny MASO mba hahay mijery tsara, fa aza variana miaro mafy foto-pampianarana fotsiny.
SARO-PIARO AMIN’NY DIDINY SY NY ANARANY ILAY NAHARY IZAO REHETRA IZAO.

Adala ve izy (sanatria) hoy ianareo ka tsy hahalala izay miantso azy??? IANAREO IHANY NO AOKA HAMALY
I JAON 4: 3
Ary ny fanahy rehetra izay tsy manaikyan’I YESHO’A dia tsy mba avy amin’I Elohym (version originale)
…izay efa renanreo fa ho avy, sady efa eo amin’izao tontolo izao.

HOSEA 7: 13
Izaho ta-hanavotra azy, fa izy kosa LAINGA no entiny milaza ahy. Ary tsy mitaraina amiko ao am-pony izy ,fa midradradradra foana ao am-pandriany..

«Ringana ny oloko noho ny tsy fahalalany»- Na tsy hanaiky aza ianareo dia makà fotoana ihany handinihana ireo voasoratra ireo, fa Aza tampenana ny maso sy ny sofina, ary hamafisina ny FO!

24. Mamytiana ( 02/09/2012 08:12)
Tena «Ringana ny oloko noho ny tsy fahalalany»!
Satria mihevitra hihevitra alohan' Andriamanitra! mihevitra fa izahay kristianina dia tsy fantatry ny Tompo Andriamanitra Mpahary Ray Zanaka Fanahy Masina Tompoinay.

Dia miala tsiny fa SAHY MIJORO HATRAMIN' NY FARANY NY ATY! toy ireo mpino kristianaina maro be hinoako ho tahaka ahy koa. satria efa voasoratra hoe : « Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà an'i Jesosy tsy ho Kristy? Izy no antikristy, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka.»I Jaona 2:22

moustaraf a! Raha izahay no ataonareo hoe manompo sampy dia ianareo izany no ataonay hoe antikristy
25. sunday ( 02/09/2012 08:31)
Moustaraf,

Ianao mihitsy no tena manampina ny masonao sy ny sofinao ary manamafy ny fonao.
Tianao ambara @ olona rehetra fa ny anao ihany no marina eto ambony ny tany fa izao tontolo izao sy ny mponina ao aminy dia diso avokoa.

Tsy izay mivoaka @ vavan'ny olona no mahavonjy azy fa izay avy ao am-pony. Ka noho izany na iza na iza mitady sy miantso ary mikatsaka Azy @ fony rehetra dia ahita Azy. Ny Ray mahafantatra ny Zanany, Andriamanitra tsy mitady "formule magique" ka tsy maintsy hoe ireto no teneninareo izay vao afaka hamaly Izy.
26. sunday ( 02/09/2012 08:56)
Fanontaniana ho an'i moustaraf.

1 - Inona ny atao hoe filazantsara aminao: fampahafantarana fa Andriamanitra dia tia an'izao tontolo izao sa fampahafantarana ny anaran'Ilay Mpahary?

2 - Amin'izao 2012 izao izany vao manomboka ny fitoriana filazantsara satria izao vao toriana ny anaran'ilay Mpahary?

3 - Ny kristiana rehetra izany dia mankany @ helo fa ireo izay manonona ny anaran'i Elohym sy Yesho'a ihany no mankany an-danitra?
27. moustaraf ( 02/09/2012 09:38)
Valiny:
Izaho dia gaga sy talanjona foana raha mamaky ireo valin-teny isan-karazany!
Mahagaga ahy ny tsy aneken'ny olona ny hoe "ANARANA Dikan-teny noforonina io antsoiny io" nefa dia mamaky baiboly, sy mahafantatra ny HISTOIRE DE L'EGLISE, anontanio ary ny mpitondra fivavahana ao aminareo e!(Pastera, Pretra, Evanjelistra,...) mahalala tsara ireo resahiko ireo izy fa saingy, tsy sahy... MAMPALAHELO

-Ny FILAZANTSARA dia efa notoriana hatramin'ny andron'i Mosesy, fa tsy aty @ andron'ny mpianatra akory;
JAON 5: 46 "raha mba nino an'i Mosesy ianareo dia hino ahy koa satriananoratra NILAZA AHY IZY"
ROM 3: 21 fa ankehitriny dia efa nahariary ny fahamarinana....ambaran'ny lalàna sy ny Mpaminany (Torah sy ny Neviym).
APOK 14: 6-7 ..filazantsara mandrakizay hotoriana....7) Matahora an'i Elohym ka omeo voninahitra Izy (didy 1°)
NY FILAZANTSARA DIA MANOMBOKA AMIN'NY BOKIN'I MOSESY; ary ny hafatra voalohany dia famerenana sy fametrahana ilay ANARANA amin'ny Toeran'ilay Nahary

-Amin'izao 2012 Izao ve izany vao hanomboka?? ianao afaka mamaly na efa nahare izany ianao na tsia! Ambara amintsika fa "TAPITRA ny VANIM-POTOANAN'NY JENTILISA"
Ary ity no tena GOAVANA:
ZEFANIA 3:10
Avy any an-dafin’ny onin’I Etiopia (Madagasikara) no hitondrana ny mpivavaka amiko, dia ny zanakavavin’izay naeliko, ho fanatitra ho ahy.
ZEFANIA 3:
ï‚§ Andafin’ny onin’I Etiopia ny zanakavavin’izay naely
ETIOPIA t@ andron'ny mpaminany dia AFRIQUE DE L'EST manontolo (Ampira)-lESONA HAFA IO

MADAGASIKARA : dian-tongotra havia (tsy kisendrasendra)
Ezek 43 :
7. « Eto no hitoeran’ny seza fiandrianako sy ny hitoeran’ny FALADIAKO, izay honenako mandrakizay eto amin’ny zanak’Israely, ary tsy holotoin’ny taranak’Israely, na izy na ny mpanjakany amin’ny fijangajangany sy amin’ny sampin’ny mpanjakany ( Atra) ao @ fitoerany avo intsony ny ANARAKO masina.

APOK 10: 2b
Ary nabahany ny tongony, ....ary ny ANKAVIA t@ tany...
FAMINANIANA IO, ARY HO FANAVOTANA AN'IZAO TONTOLO IZAO, METY TSY MINO IANAO @ IZAO FOTOANA IZAO, FA DINIHO KENY IHANY


28. Mamytiana ( 02/09/2012 10:17)
Averiko ihany ry moustaraf :
Tena «Ringana ny oloko noho ny tsy fahalalany»!
Satria mihevitra hihevitra alohan' Andriamanitra! mihevitra fa izahay kristianina dia tsy fantatry ny Tompo Andriamanitra Mpahary Ray Zanaka Fanahy Masina Tompoinay.

Dia miala tsiny oa fa SAHY MIJORO HATRAMIN' NY FARANY NY ATY! toy ireo mpino kristianaina maro be hinoako ho tahaka ahy koa. satria efa voasoratra hoe : « Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà an'i Jesosy tsy ho Kristy? Izy no antikristy, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka.»I Jaona 2:22

Raha izahay no ataonareo hoe manompo sampy dia ianareo izany no ataonay hoe antikristy
29. moustaraf ( 02/09/2012 12:05)
Tsara ny takalo hevitra!
Sarotra ny miala @ mahazatra e! fa dia atao bontolo fotsiny izao ny fanehoan-kevitra!
Ny teny hoe "Kristy" aloha dia tsorina fa tsy misy anatin'ny Baiboly fototra (originale) ka asakasakareo te hisalotra izany Marika izany! ary ny hoe" Jesosy " dia tsy hita ao ihany koa! ka mijoroa hatramin'ny farany e! Tohano ny Romana sy ny grika, mba hahazahoanareo famonjena.
Mitovy amin'ny nitranga t@ andron'ny Apostoly no mitranga ankehitrio:
AS 24: 5
Fa io lehilahy io (Paoly) dia hitanay fa tena ratsy fanahy sady mpampikomy ny jiosy rehetra eny tontolo eny, ary izy no tari-dalan’ilay antoko atao hoe "NAZARENA" (fa "Tsy KRISTIANA")
-14) ary izao no ekeko aminao, fa araka ny fampianarana izay ataony hoe FITOKOANA no anompoako an’I Elohym –n’ny razako, sady INOAKO izay rehetra voasoratra eo amin’ny LALANA sy ny MPAMINANY.

Ekeko fa mety manakorontana izay soratako eto, tahaka izay niampangana an'i Paoly ihany koa NEFA soritako fa "Tapitra hatreo ny fandinihan'ny Romana ny Baiboly" sy ny Lainga azony Afafy @ alalan'ireo tsangam-piangonana sy finoana maro. ny LALANA ( Torah) sy ny Mpaminany no Milaza sy manondro ny làlana izay narahin'Yesho'a, ary narahin'ny Apostoly rehetra.

ASA 26: 22b Ary tsy milaza na inona na inona (Paoly) afa tsy izay NOLAZAIN’NY ’ny Mpaminany sy Mosesy fa HO AVY, FA HAMASHERHA tsy maintsy mijaly….
-Ny bokin'ny lalàna (Torah) n'i Mosesy dia sady Lalàna no Faminaniana momba ny Famonjena
-Ny bokin'ny mpaminany manontolo dia manondro an' Yesho'a avokoa= plan'ny famonjena
ka Tsy misy azo RAVANA NA OVAINA na dia kely akory aza.

-24) Hoy Festosy: Ry Paoly very saina IANAO
-25) Fa hoy Paoly: Tsy very saina Aho, fa mandahatra tenin’ny Fahamarinana sy ny Fahononana.
Rehefa tsy hita izay hanoherana ny tenin'ny Fahamarinana dia "VERY saina " no afafy ary sandry no avonkona.
30. Mamytiana ( 03/09/2012 03:32)
Eny oa ry moustaraf a! ianareo no manampin-tsofina!
Ianareo dia tena mieritreritra mihitsy hoe fohy fisainana Ilay Andriamanitra Ray Zanaka Fanahy Masina! satria izay rehetra miantso ny anaran' ny Tompo Mpamonjy amin' ny hoe Christ,Jesus,Jesosy Kristy,sns, na dia MINO SY MAHAFANTATRA TSARA NY MOMBA Azy, SY NY MAHA ANDRIAMANITRA RAY ZANAKA FANAHY MASINA MPAHARY Azy, NY FITSANGANANY TAMIN'NY MATY ,SNS,...dia tsy fantany sady tsy te hahalala Izy??! TENA TSY MITOMBONA ARY TSY HITOMBONA VELIVELY!!!
31. Miharena ( 03/09/2012 04:31)
Misy fifamaliana indray ilay loha-hevitra momba ny fandatsahan'Andriamanitra ny Fanahiny.

Hevitra roa izany no mifandona eto dia ny hoe misy ny teny niantsoana an'Andriamanitra nataon'ny Hebreo sy ny olona hafa firenena.

Misy ihany anefa ny tokony ho fantatra momba ny antony nampitana tamin'ny hafa ny teny fototra (na ny hevitra fototra) izay mifanandrify kokoa amin'ny fahatsapana isam-pirenena na isam-pitenenana. Io dia fahatsapana araka ny maha-olombelona izay adika amin'ny hevitra na teny raha te-hampita teny iray tsy hay amin'ny hafa.

Efa nisy ireo izay nanao fanadihadiana ny amin'ny fiantraikan'ny teny eo amin'ny olona isam-pirenena. Raha miantso hoe Jesus na Jehovah na YHVH ohatra ny Frantsay iray dia tsy manana lanjany mahery noho ny teny hoe Dieu ireo aminy. Toy izany koa ny Silamo, raha tsy Allah no tononiny dia tsy misy lanjany miantraika lalina ao aminy.
Ho an'ny Malagasy dia ny hoe Andriamanitra no manana lanjany mafonja.

Nefa na izany na tsy izany dia rehefa mandika teny amin'ny teny vahiny izay tiana tononina amin'ny teny malagasy dia mtovy lanja ny fandikana roa satria mitovy lanja ny angovo tiana ampiasaina ao.

Ka hoy aho hoe tsy hoe manampi-tsofina no tokony hahatongavantsika miady hevitra eto fa tokony hapetraka tsara hoe inona daholo no nampikorontana ny fahazavan-tsain'ny olombelona ka tsy ahatsapany fa Andriamanitra na Elohim na Allah, na inona na inona hanononana azy dia iray ihany fa raha vao voafetra ao ara-tsaina fotsiny ihany dia tsy manan-kery.

Fa tokony hiverina amin'ny loha-hevitra ihany isika ary aoka aloha avela ireo ady teny sy hevitra momba ny fanononana.

Ny fanontaniana mipetraka marina dia hoe alatsaka ve ny fanahin'Andriamanitra sa efa eo hatrizay hatrizay fa mifoha fotsiny ao am-pon'ny olona rehefa tonga ny fahatsiarovan-tena?
32. moustaraf ( 05/09/2012 15:56)
Salama e!
Ny tena marina angamba dia aleo iangaviana i Hery mba hanova ny Rubrique n'ny dinika hoe" Fivavahana Kristiana" fa tsy 'fivavahana sy finoana", satria toa avy dia heverina fa rehefa fivavahana dia Kristiana izay. Izahay koa mba manana ny hevitray na dia tsy Kristiana e! ka eo no mahatonga an'ilay fifandrirotana satria , izay tsy manohana na tsy mitovitovy fomba fihevitra @ mahazatra dia tadiavina ho melohina.
amiko dia tsotra" Izay mitory YESHO'A hafa dia mitory filazantsara hafa, ary miantso fanahy hafa" (Yesho'a hamashyrha fa tsy JESOSY Kristy)
Izay ihany ô!
33. sunday ( 06/09/2012 16:19)
Marina ny lazainao moustaraf, filazantsara hafa mihitsy no torinao. Ary marina ny lazain'ny Baiboly fa @ andro farany dia hisy filazantsara hafa hiforona.

Ny filazantsara izay torinay dia mitory ny fitiavan'Andriamanitra an'izao tontolo izao fa ny anao kosa dia filazantsaran'ny anarana. Ny famonjena aminao dia izay zavatra lazaina sy avoakan'ny vava fa ny anay ny famonjena dia miainga avy ao am-po.

Izahay eto dia mizara sy manambara @ olona rehetra fa ny Fanahin'Andriamanitra dia afaka omeny ny olona rehetra izay mangataka amin'ny fony, ianao kosa milaza fa tsy izy io Fanahy io. Manameloka anay ianao satria raha tsy manonona ilay anarana mahagaga sy mahavonjy dia tsy izy.

Ny fitenintsika dia misy fetra eo anatrehan'ny fahalebeazan'Andriamanitra ary ny Fanahin'Andriamanitra tsy azonao fefena sy refesina @ teny izay avoakan'ny vavanao.

Averiko indray ny voalaza ao @ Baiboly fa ny soratra mahafaty ary ny Fanahy kosa no mahavelona, ny Fanahy dia mifandray @ Andriamanitra @ fitarainana tsy azo tononona, tsy azo adika, tsy fantatra.

Izahay dia manaiky fa Andriamanitra ivavahanay no El Shaddai, Adonai, Jehovah ... rehefa miantso Azy izahay dia tonga Izy, rehefa miantso Azy ny olona rehetra dia eo Izy manatrika, toy izany koa Jesosy Kristy Zanany, aminay izany no fiantsonay Azy satria tsy ny anarany no tena zava-dehibe aminay satria maro no anarana iantsoan'izao tontolo izao Azy. Ny tena zava-dehibe aminay dia Izy, Izy ilay tokana nitondra ny fahotanay teo @ hazo fijaliana sy namonjy anay.

Tsy misy Fanahy hafa hampanaiky anay an'izany raha tsy avy @ Ilay Mpahary izao rehetra izao ihany dia ny Fanahin'i Jehovah. Ka moa mbola hilaza aminay ihany ve ianao hoe diso izany?
34. sunday ( 06/09/2012 16:20)
Marina ny lazainao moustaraf, filazantsara hafa mihitsy no torinao. Ary marina ny lazain'ny Baiboly fa @ andro farany dia hisy filazantsara hafa hiforona.

Ny filazantsara izay torinay dia mitory ny fitiavan'Andriamanitra an'izao tontolo izao fa ny anao kosa dia filazantsaran'ny anarana. Ny famonjena aminao dia izay zavatra lazaina sy avoakan'ny vava fa ny anay ny famonjena dia miainga avy ao am-po.

Izahay eto dia mizara sy manambara @ olona rehetra fa ny Fanahin'Andriamanitra dia afaka omeny ny olona rehetra izay mangataka amin'ny fony, ianao kosa milaza fa tsy izy io Fanahy io. Manameloka anay ianao satria raha tsy manonona ilay anarana mahagaga sy mahavonjy dia tsy izy.

Ny fitenintsika dia misy fetra eo anatrehan'ny fahalebeazan'Andriamanitra ary ny Fanahin'Andriamanitra tsy azonao fefena sy refesina @ teny izay avoakan'ny vavanao.

Averiko indray ny voalaza ao @ Baiboly fa ny soratra mahafaty ary ny Fanahy kosa no mahavelona, ny Fanahy dia mifandray @ Andriamanitra @ fitarainana tsy azo tononona, tsy azo adika, tsy fantatra.

Izahay dia manaiky fa Andriamanitra ivavahanay no El Shaddai, Adonai, Jehovah ... rehefa miantso Azy izahay dia tonga Izy, rehefa miantso Azy ny olona rehetra dia eo Izy manatrika, toy izany koa Jesosy Kristy Zanany, aminay izany no fiantsonay Azy satria tsy ny anarany no tena zava-dehibe aminay satria maro no anarana iantsoan'izao tontolo izao Azy. Ny tena zava-dehibe aminay dia Izy, Izy ilay tokana nitondra ny fahotanay teo @ hazo fijaliana sy namonjy anay.

Tsy misy Fanahy hafa hampanaiky anay an'izany raha tsy avy @ Ilay Mpahary izao rehetra izao ihany dia ny Fanahin'i Jehovah. Ka moa mbola hilaza aminay ihany ve ianao hoe diso izany?
35. moustaraf ( 06/09/2012 20:06)
1- FAMERENANA NY ANARANA
a. Torina ny filazantsara mamerina ny ANARANA
GEN: t@ voalohany EL (fa tsy Atra°) NAHARY NY LANITRA…
Ny mahagaga @ fihizingizinana dia ny hoe : IZY TENANY ANIE NO NANOME ANTSIKA OLOMBELONA NY ANARANY E, IZA MOA ISIKA NO MILAZA FA AFAKA HANOVA AN’IZANY??
Na ny anaranao aza mahasarotiny anao, na dia mitovy dika (sens) aza , oh: Désiré = nantenaina, Fa personnes samy hafa mihitsy ireo.

b. Raha ovana ny anarana dia lasan’ilay Atra hafa ny Voninahitra
ISA 48: 9-11 Anarana = Voninahitra
«Noho ny ANARAKO dia ononiko ny fahatezerako….., indrisy lotoina ny ANARAKO, ary ny voninahitro tsy omeko ny HAFA.

c. Didiany isika hamerina io ANARANA io :»Ilay NANAO NY LANITRA SY NY TANY»
APOK 14: 7 =Matahora an’I Elohym , ka omeo Voninahitra Izy; fa tonga ny Andro fitsarany; ary miankohofa eo anatrehan’ilay nanao ny lanitra sy ny tany.
Au temps Présent: @ fotoana itoriana ilay filazantsara milaza ny anarana no Tonga ny fitsarana / anavahana ny ondriny izay mahalala azy, = Elohym no nanao ny lanitra sy ny tany.

d.
ROM 10:13-14 ataony ahoana ny fIANTSO izay tsy ninoany?
Raha milaza ny baiboly fototra, nandikana io boky ampelatananao io fa Elohym no nanao ny lanitra sy ny tany, ary Yesho’a no zanany.
Ilay boky nadika anefa milaza fa Atra sy Jesosy>> iza no inoanao, ilay original sa ilay nadika???

e. EZEK 36: 24-27 Alaiko avy @ jentilisa ianareo, hodiaoviko…

f. Mazava ity faminaniana ity:
EZEK 43:7
Ry zanak’olona, eto no hitoeran’ny seza fiandrianako sy hitoeran’ny faladiako, izay honenako mandrakizay eto @ zanak’Israely; ary tsy holotoin’ny taranak’Israely , na izy na ny mpanjakany, amin’ny fijangajangany sy amin’ny fatin’ny mpanjakany…….intsony ny ANARAKO masina.
ï‚§ Faladiako= Madagasikara faladia havia
ï‚§ Mivavaka @ fatin’ny mpanjakany = Andriamanitra (Ny Malagasy irery eto ambonin’ny tany no nanoratra anatin’ny baiboliny ny fiantsoany ny fatin’ny mpanjaka , ho solon’ny anaran’i Elohym. VAKIO Fary mamy Terminal)
ï‚§ Ny Malagasy = Israely izay naely , andafin’ny onin’ny Etiopia (araka ny porofo rehetra)
ï‚§ Mila miverina @ ilay ANARANA MASINA.


Tsy mahagaga antsika ve ny mahita fa arakarak a ny maha maro ny fiangonana isam-pokontany no miha lavitra antsika ny fitahiana? KANEFA dia eo amintsika ny harena rehetra mety ho hita @ izao tany rehetra izao. Ny hafa firenena no manjaka sy mihinana ny maminy.

Ozona ara-baiboly izany
DEOT 28 Manontolo:
Hozonina ianao……hozonina ianao….
-31) ny ombinao hovonoina eo imasonao , fa tsy hihinana ny henany ianao / ny borikina alaina an-keriny aminao…/
-32) Ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy omena ho an’ny firenena hafa, ary hijery ny masonao ka ho pahina…noho ny alahelo, nefa tsyhahefa na inona nainona ianao
-33) ny vokatry ny taninao sy izay rehetra efa nisasaranao, dia hohanin’ny firenena izay tsy fantatrao; ary hanaovan’ny sasany an-keriny
-37) dia ho figagana sy ohabolana ary ambetinteny ianao any amin’ny firenena rehetra (gasy = ratsy, le plus pauvre, tsisy valeur,…tsy avotra intsony,…)
-43) Ny vahiny eo aminao dia hisandratra ho ambony noho ianao, fa ianao kosa hietry ambany dia ambany (karana, sinoa, vazaha,…../ asa mitovy, karama samy hafa) , izy ho lohany fa ianao ho rambony.
-58) raha tsy tandremanao ny hanaraka ny teny rehetra amin’ity LALANA ITY….hatahoranao izao ANARANA efa nankalazaina sady mahatahotra izao hoe: ADONAÏ ELOHYM.
Dia hataony mahagaga ny kapoka ataony aminao sy ny zanakao, dia kapoka MAFY DIA MAFY, sady maharitra ELA ary faharariana MAFY sady maharitra ELA

SAL 44: 19-20 Ianao nanorotoro anay …raha nanadino ny ANARAN’I Adonay izahay

Raha hoy ianao hoe «Filazantsara hafahafa izany» dia hoy aho hoe: izany ilay harena miafina izay nafenina ny manan-tsaina nefa naseho t@ zaza madinika. «Tsy didy vaovao no soratako ho anareo fa didy ELA»
36. Miharena ( 07/09/2012 03:51)
Fiheverana azo raisina avokoa ny voambaran'i Moustaraf sy Sunday fa ny hany mba tiana hivoitra marina dia hoe raha mitsikera hevitra ve isika dia azo lazaina fa tafiditra ao amin'ny tena atao hoe fitondrantena mitozo any amin'ny fahamarinana tanteraka?

Ny hany mba fantatra ho an'ny Krsitianina sy izay mandaloa ny Baiboly dia manakatra sy manaddihady ny momba an'Andriamanitra fa tsy manadihady ny momba ny tenany aloha mba ahafantarany an'Andriamanitra monina ao anatiny na maha-sombin'Andriamanitra azy.

Ka asa hoe aiza ho aiza amin'ireo ianareo milaza resaka anarana hifehezana ILAY Mandrakizay.
37. moustaraf ( 08/09/2012 19:01)
Salama e!
hiditra @ lohahevotra @ izay ary e
Ilay nahary dia fanahy, koa izay mivavaka aminy dia mivavaka amin'ny fanahy!
Elohym= Fanahy
Fa ilay fanahy (rouha kodesh), izay lazaina fa fahatelo ao @ trinité , dia tsy azo ivavahana, satria io fanahy io dia Anjely :
Teo @ Israely: Andry rahona rehefa antoandro / Andry afo rehefa alina
EKS 23: 20-22"indro izaho haniraka anjely eo anoloanao hiaro anao....Mitandrema eo anatrehany, ka mihainoa ny feony,ary aza mampahatezitra azy; fa tsy HAMELA ny fahotanareo izy, fa ny ANARAKO no ao aminy"
Teo @ Mpamonjy:
"Izay miteny ratsy ny fanahy masina dia tsy mba ho voavela heloka"
Teo @ Apostoly:
APOK 19:10 "hOY IZY TAMIKO,TANDREMO FA MPIASA HIANY AHO, Elohym ihany no ivavaho"
Ny baiboly fototra Hebreo dia milaza fa ny ROUHA (fanahy)= Malakh (Anjely), miseho @ endrika 2 (afo sy rivotra)
Fehiny:
1-Ny fanahy mpitarika dia Anjely
2-Ny fanahy dia mitondra ny ANARAN'i Elohym (fa tsy anarana hafa)
3-Tsy izy no ivavahana , fa izay naniraka azy
4-Tsy mamela heloka izy

Voaporofo indray eto, fa raha tsy mino ny ANARANA Elohym (nanao ny Lanitra sy ny Tany) ianao dia Fanahy mitondra anarana hafa no ao aminao.
38. sunday ( 11/09/2012 13:12)
Misaotra anao moustaraf mizara ny fahalalanao aminay.

Mahafinaritra raha tahaka anao daholo ny mpino kristianina rehetra @ hafanam-po hiaro hatramin'ny farany ny hevitra ijoroany.

Dia hiverina @ fanontanian'ny miharena aho manao hoe ilay fanononana an'io anarana io ve izany no hifehezana ny mandrakizay. Ary ito fanontaniana ito izay efa napetrako fa mbola tsy novalianao moustaraf hoe: lasa any @ helo daholo izany izay olona rehetra nanonona sy nitory an'i Jesosy Kristy avy any Nazareta? sa koa tsy mino ny fisian'ny helo ianareo?

Milaza ianao fa feno fiangonana isaky ny elakelan-trano ary izany no mahatonga ny fitahiana manalavitra ny Malagasy. Tena tsy mitovy hevitra aminao satria ireny no porofo fa manantona ny olona Andriamanitra mba ahatonga ny olona rehetra handray ny fitahiany ka eny na dia eny anelakela-trano aza dia misy ny fiangonany.

Jehovah Andriamanitray dia Andriamanitra be fitiavana ary be famindram-po.

Azafady raha mamerimberina fanontaniana aminao:
. inona ny atao hoe Filazantsara aminao?
. inona no antony nahatongavan'i Yesho'a tety an-tany?
39. sunday ( 11/09/2012 13:13)
Misaotra anao moustaraf mizara ny fahalalanao aminay.

Mahafinaritra raha tahaka anao daholo ny mpino kristianina rehetra @ hafanam-po hiaro hatramin'ny farany ny hevitra ijoroany.

Dia hiverina @ fanontanian'ny miharena aho manao hoe ilay fanononana an'io anarana io ve izany no hifehezana ny mandrakizay. Ary ito fanontaniana ito izay efa napetrako fa mbola tsy novalianao moustaraf hoe: lasa any @ helo daholo izany izay olona rehetra nanonona sy nitory an'i Jesosy Kristy avy any Nazareta? sa koa tsy mino ny fisian'ny helo ianareo?

Milaza ianao fa feno fiangonana isaky ny elakelan-trano ary izany no mahatonga ny fitahiana manalavitra ny Malagasy. Tena tsy mitovy hevitra aminao satria ireny no porofo fa manantona ny olona Andriamanitra mba ahatonga ny olona rehetra handray ny fitahiany ka eny na dia eny anelakela-trano aza dia misy ny fiangonany.

Jehovah Andriamanitray dia Andriamanitra be fitiavana ary be famindram-po.

Azafady raha mamerimberina fanontaniana aminao:
. inona ny atao hoe Filazantsara aminao?
. inona no antony nahatongavan'i Yesho'a tety an-tany?
40. sunday ( 11/09/2012 13:14)
Misaotra anao moustaraf mizara ny fahalalanao aminay.

Mahafinaritra raha tahaka anao daholo ny mpino kristianina rehetra @ hafanam-po hiaro hatramin'ny farany ny hevitra ijoroany.

Dia hiverina @ fanontanian'ny miharena aho manao hoe ilay fanononana an'io anarana io ve izany no hifehezana ny mandrakizay. Ary ito fanontaniana ito izay efa napetrako fa mbola tsy novalianao moustaraf hoe: lasa any @ helo daholo izany izay olona rehetra nanonona sy nitory an'i Jesosy Kristy avy any Nazareta? sa koa tsy mino ny fisian'ny helo ianareo?

Milaza ianao fa feno fiangonana isaky ny elakelan-trano ary izany no mahatonga ny fitahiana manalavitra ny Malagasy. Tena tsy mitovy hevitra aminao satria ireny no porofo fa manantona ny olona Andriamanitra mba ahatonga ny olona rehetra handray ny fitahiany ka eny na dia eny anelakela-trano aza dia misy ny fiangonany.

Jehovah Andriamanitray dia Andriamanitra be fitiavana ary be famindram-po.

Azafady raha mamerimberina fanontaniana aminao:
. inona ny atao hoe Filazantsara aminao?
. inona no antony nahatongavan'i Yesho'a tety an-tany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1892