Rahoviana vao ho tafavoaka isika ka ho tanteraka ilay Teny malaza hoe "tiavo ny fahavalonareo"?

21. didi10 ( 29/02/2012 12:12)
Amiko dia tafiditra catégorie iray ny:
- Bokin'i Ellen White
- Bokin'ny Moromon
- Bokin'ny Urantia
- Ny 3e Testament
- Ny Coran
...

DIA FILAZANTSARA HAFA

Gal 1,8-9

8 Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, AOKA HO VOAHOZONA IZY. 9 Araka ny voalazanay fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona izy.

VOAHOZONA IANAO RY MIHARENA (hoy ny Soratra Masina)



22. Miharena ( 29/02/2012 12:29)
Iza no milaza ireo teny tanisainao ao amin'ny Galatiana? I Kristy sa i Paoly? Raha i Paoly no manozona dia lazainao fa i Kristy ve izany?

Raha i Kristy Tenany no milaza aminao fa i Paoly no niteny izany ozona izany fa tsy IZAHO dia tsy hiino mihitsy ve ianao na dia mibairbary tsara aza fa i Paoly tokoa no nanoratra io teny io?

Mila mahay manavaka fomba fitoriana isika Didi10 fa tsy manaisotra izay efa natsangan'ny Tompo sy noresahaNY momba ny fiainana mandrakizay ho an'ny olombelona rehetra.

Dia miverina etsy amin'ilay lohahevitra ihany, mitovy fiady amin'ny Silamo mahery fihetsika ny Kristianina rehefa mandray ny tenin'i Paoly na mandray ny tenin'i Jehovah nasaina nampitaina izay mifangaro ozona ary tsy ho tanteraka ilay Tenin'i Krsity hoe tiava ny fahavalonareo.

Aza dia masiaka loatra ianao Didi10 fa tsy ho very akory ianao na diso fomba fitory aza fa ao amin'i Krsity hatrany ianao na dia simgam-bolo aza sisa mitana anao ao AMINY.

Izay moa ny fahalalako AZY fa asa hoe ahoana no fahalalanao AZY?

Raha niteny IZY hoe : "Ray o avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony" dia mbola manana hafatra IZY omena hanarahany hatramin'y farany ny olombelona mba tsy hisy ho very na iray aza.
23. didi10 ( 29/02/2012 12:51)
Dia lazaivo fa Matio koa no manozona eto:

Matio 25,41
41 Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, hianareo izay voaozona ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny;

Misaotra betsaba Miharena an!
Izaho koa ry Miharena tsy te hiteraka fanafintohina anao intsony fa laza fahotana ho ahy indray ny fankahalanao ahy.

Mifona aho raha nahatezitra anao fa ny tena marina dia "je t'ai vraiment poussé à bout pour faire éclater la vérité sur ta croyance "

Anjarantsika namana rehetra no maka conclusion, fa lesona daholo ireny rehetra ireny hahafantsika manavaka ny tsara sy ny ratsy, ny marina sy ny tsy marina.

24. RBNIR ( 29/02/2012 13:01)
Miharena:

Iza no milaza ireo teny tanisainao ao amin'ny Galatiana? I Kristy sa i Paoly? Raha i Paoly no manozona dia lazainao fa i Kristy ve izany?

Raha i Kristy Tenany no milaza aminao fa i Paoly no niteny izany ozona izany fa tsy IZAHO dia tsy hiino mihitsy ve ianao na dia mibairbary tsara aza fa i Paoly tokoa no nanoratra io teny io?

Faly miarahaba namana,
Tandremo ihany namana fa misy anie olona nomen'Andriamanitra fahefana manokana e« Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera*, ary ambonin'ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako**; ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita*** tsy haharesy azy. [*Petera = Vato; izahao Jao.1, 42] [**Gr. eklesia] [***Gr. Hadesy] » (Matio 16:18)
« Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao eto ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao ety ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra. » (Matio 16:19)
TSY NY OLONA REHETRA NO MAHAZO IZANY AN! IZAY NOMENA MIVANTANA IHANY.

Diniho angeh e: matoa voarakitra ao amin'ny epistily ho mandrakizay io tenin'i Paoly io dia azo inoana fa misy dikan'ny lalina dia lalina tokoa (ny namantsika hery afaka milaza amintsika mazava izay théorie iray izay ) Matoa tsy rava dia avy amin'Andriamanitra.
Nisy anjely gabriel koa nanozona an'i Zakaria fa tonga dia tanteraka an! (lohahevitra vao aingana teto koa io).
Tsy voatery hoe ny Tompo ihany fa izay rehetra nomena fahefana (fa tsy isika kosa aloha e!) inona moa izay isika?

Anatra kely fotsiny io fa izaho mantsy mahafantatra zavatra tsy fantar'ise ry namana (io ilay hoe tsy fanomen'izao tontolo izao no homeko anareo) ka mananatra ihany aho satria namako ianao.

Samia ho tahin'ny Tompo namana.
25. Miharena ( 29/02/2012 13:22)
Misaotra anao koa Didi10 fa izaho tsy tezitra aminao mihitsy.

Miezaka mizara izay mahasoa fotsiny ihany aho.

Ny Baiboly dia misy ireo teny tsy an-kanavaka na famonoana, na ozona ary ao koa ny teny milaza ny Fiainana mandrakizay, ka asa hoe rehefa mamaky azy ny Kristianina dia misy ireo izay tsy mahita afa-tsy ozona ary misy ireo izay tsy mahita afa-tsy famonjena.
Rehefa mihaino mpitory iray ianao dia hainao tsara ny mijery iny mpitory iny hoe ; io indray ilay mpanozona, sy hoe, io indray ilay mizara teny mamy hatrany. Nefa Baiboly iray ihany no resahany an!

Izay ilay mila mandray tsara ny Fanahy Masina rehefa mitory fa tsy tonga dia mitsongo teny etsy sy eroa hanamarinana toetra manilika iray.

Ka izy ity moa araka ny teninao hoe lasa fahotana ho anao ny fankahalako anao. Tsy mankahala anao mihitsy aho ary esory ao anatinao izany fa ny MAZAVA anie no ho ao anatinao hatrany hampahitsy ny fomba fijerinao rehetra araka ny RAY iombonantsika olombelona rehetra.

Dia mba ho tanteraka ilay filamatr'i Kristy hoe tiavo ny fahavalonareo (satria olona mitovy ihany isika fa ny kolontsaina no samihafa araka ny tontolo niainana avy).
26. Miharena ( 29/02/2012 13:49)
RBNIR:

...Tsy voatery hoe ny Tompo ihany fa izay rehetra nomena fahefana (fa tsy isika kosa aloha e!) inona moa izay isika?

Anatra kely fotsiny io fa izaho mantsy mahafantatra zavatra tsy fantar'ise ry namana (io ilay hoe tsy fanomen'izao tontolo izao no homeko anareo) ka mananatra ihany aho satria namako ianao.

Samia ho tahin'ny Tompo namana.


Voaray ny hafatrao RBNIR ary misaotra anao.
Tsara ny manetry tena ary tsara ny mandray lesona tsara rehefa omena fahefana.
Ianao moa mlaza fa tsy isika aloha no tena nomena fahefana fa izay voafidin'i Kristy ihany. Ny fizaràna anefa dia mazava tsara ao amin'ny Baiboly fa izay rehetra mino AZY dia omeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra ka handresy ny haizina rehetra.

Ny tsapako hatramin'izay nandalinako finoana izay dia io Hery io izay tsy mamitaka mihitsy ary manome fahitsiam-pijery ao AMINY ary zaraina arak'izay azo atao.

Tsy azontsika afenina velively ny fikorontanana misy ankehitriny noho ny tsy fahalalàna ary izany no izaràna fahalalàna ahafahan'ny tsirairay ho afaka tsy ho andevo araka ny voasoratra.

Ka raha misy ny manozona dia manozontena ihany izy satria olona mitovy aminy ihany no ozoniny.
Mametraka safidy lehibe io Tenin'Andriamanitra momba ny famelana sy famatorana voambaranao io RBNIR ary mila manana fahendrena mazava tsara mampiasa azy sao isika indray no miteraka ilay fikorontanana sy fisamatsamahana.

Ny amin'ny hoe mahafantatra zavatra tsy fantatro ianao namana, asa na azonao zaraina na sao manafintohina ny hafa ny azonao matoa tsy ambaranao.

Izaho koa afaka milaza manko fa tsy izay fanomen"izao tontolo izao no azoko ary zaraiko mazava be eto anatrehanareo rehetra izy izao nefa manafintohina ny kolontsaina efa tafalentika ao anatin'ny olona efa antaonany maro lasa.

Samy ho feno ny Fanahin'Andriamanitra namana amin'izay dinidinika izay.
27. RBNIR ( 29/02/2012 14:14)
Miharena:

Ianao moa mlaza fa tsy isika aloha no tena nomena fahefana fa izay voafidin'i Kristy ihany. Ny fizaràna anefa dia mazava tsara ao amin'ny Baiboly fa izay rehetra mino AZY dia omeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra ka handresy ny haizina rehetra.

Misy dikany ihany matoa i Petera irery no notolorana "NY FAHEFANA".
Fa ny hery kosa dia marina fa nozaraina ho an'ny rehetra (mba ho vavolombelona).
Miharena:

Ny amin'ny hoe mahafantatra zavatra tsy fantatro ianao namana, asa na azonao zaraina na sao manafintohina ny hafa ny azonao matoa tsy ambaranao.

Raha tian'ny namana dia azo zaraina tsara ihany fa aleo tsy eto angamba.

Samia ho tahin'ny Tompo namana
28. Miharena ( 29/02/2012 14:55)

Raha tian'ny namana dia azo zaraina tsara ihany fa aleo tsy eto angamba.

Fa misy inona eto namana? Misy mampatahotra angaha?
29. maresaka.com ( 29/02/2012 21:57)
Miharena> mivavaka ho anao aho.
30. RBNIR ( 01/03/2012 04:31)
Miharena:


Raha tian'ny namana dia azo zaraina tsara ihany fa aleo tsy eto angamba.

Fa misy inona eto namana? Misy mampatahotra angaha?

Faly mirahaba namana Miharena,
Any amin'ny lohahevitra hafa any izao mahita aho ao amin'ilay lohahevitra hoe "mitady pasteur".
Tsy te hifampiresaka ampahibemaso izy. Tsy hitako izay heloka amin'izany?
Tsy aleo mba hatao toy izany koa?

Samy ho tahin'ny Tompo namana
31. RBNIR ( 01/03/2012 04:49)
Namana Miharena,
Ho fanaporofoina fa tena misy tokoa namana olona nomen'Andriamanitra fahefana hitahy na hanozona olona dia vakio ny tantaran'i Balaka sy Balama ao amin'ny nomery 22.
Balama dia olon'Andriamanitra nomena fahefana afaka mitahy sy hanozona olona ary fantatr'i Balaka tsara izany :
« Dia naniraka olona izy ho any amin'i Balama, zanak'i Beora, any Petora, izay eo amoron'ny Ony, dia eo amin'ny tanin'ny fireneny, mba hampaka azy, ka nanao hoe: Indro, misy firenena nivoaka avy tany Egypta; ary indro, mandrakotra ny tany rehetra izy ka mitoby tandrifiko; » (Nomery 22:5)
« koa ankehitriny mba mankanesa aty, ka ozòny ho ahy ity firenena ity, fa mahery noho izaho izy; angamba hahazo mamely azy isika, ka handroaka azy hiala amin'ny tany aho; satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatahy, ary izay ozoninao dia voaozona. » (Nomery 22:6)
Ny Tompo anie hanokatra ny masompanahinao namana Miharena.

Samy ho tahin'ny Tompo namana.
32. RBNIR ( 01/03/2012 07:59)
bor2lais:

Amiko manokana RBNIR dia misy antony matoa noteneniNY ireo. Toa milaza amiko hoe, aza dia be koretaka na mahatsiaro "victime" lava re fa mba diniho ihany ny mety ho antony : mety raha tsy ireny aho tsy tonga saina amin'ny tena tokony ataoko ohatra. ;-)

Faly miarahaba namana,

Izay mihitsy namana, misy ny olona tefena mba ho fanasina ho an'ny hafa.

Samy ho tahin'ny Tompo indray.
33. didi10 ( 01/03/2012 08:00)

RBNIR:

Namana Miharena,
Ho fanaporofoina fa tena misy tokoa namana olona nomen'Andriamanitra fahefana hitahy na hanozona olona dia vakio ny tantaran'i Balaka sy Balama ao amin'ny nomery 22.
Balama dia olon'Andriamanitra nomena fahefana afaka mitahy sy hanozona olona ary fantatr'i Balaka tsara izany :
« Dia naniraka olona izy ho any amin'i Balama, zanak'i Beora, any Petora, izay eo amoron'ny Ony, dia eo amin'ny tanin'ny fireneny, mba hampaka azy, ka nanao hoe: Indro, misy firenena nivoaka avy tany Egypta; ary indro, mandrakotra ny tany rehetra izy ka mitoby tandrifiko; » (Nomery 22:5)
« koa ankehitriny mba mankanesa aty, ka ozòny ho ahy ity firenena ity, fa mahery noho izaho izy; angamba hahazo mamely azy isika, ka handroaka azy hiala amin'ny tany aho; satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatahy, ary izay ozoninao dia voaozona. » (Nomery 22:6)
Ny Tompo anie hanokatra ny masompanahinao namana Miharena.

Samy ho tahin'ny Tompo namana.



Tsara ny Tompo

Lasa lavitra be nareo fa ity Soratra Masina ity ihany no mahafehy io resaka hozona io:
Mat 25 : 41
41 Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, hianareo izay voaozona ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny;
34. RBNIR ( 01/03/2012 08:08)
didi10:

Tsara ny Tompo

Lasa lavitra be nareo fa ity Soratra Masina ity ihany no mahafehy io resaka hozona io:
Mat 25 : 41
41 Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, hianareo izay voaozona ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny;

Marina tokoa izany namana,
Ilay fanozonan'i Paoly tokoa dia mampitahotra satria ozona mandefa ny olona any amin'ny afo maharitra mandrak'izay iny no tena marina.
Samy ho tahin'ny Tompo daholo
35. didi10 ( 01/03/2012 10:34)
Sady Jesosy no niteny an'io fa tsy i Matio na i Paoly a!
36. hery ( 01/03/2012 11:38)
Io nolazain'i didi10 ao amin'ny Matio 25 io dia fitohizana fanoharana vitsivitsy. Ao anatin'io Matio 25 io dia ahitana ny fanoharana momba ny virjiny 10, momba ireo nomena talenta, ary io farany io dia fanoharana momba ny fitsarana farany.

I Matio dia niaina tao anatina communauté convertie. Izany hoe ireo jiosy nanaraka ny fivavahana jios no nanjary nivadika ho kristianina. Ireo jiosy ireo izay nanana ny testamenta taloha dia tsy maintsy nampiasain'i Matio an'ireo fomba firesaka tamin'ny testamenta taloha (imbetsaka ohatra i Matio no manao référence amin'ny boky taloha) ka rariny koa raha mampiasa fiteny maranitra toy ny hoe "voaozona" izay mampiseho an'Andriamanitra "mpanasazy" sy "mpamono"

Koa raha nampiasa sarin-teny i Matio teto nampitàna ny hafatr'i Jesoa momba ny fitsarana farany dia mety nampiasa izay teny noheveriny fa mora ho azon'ny Jiosy izay efa zatra maheno hoe Andriamanitra mpanasazy sy mpamono. Mila jerena noho izany ny teny nampiasainy sy ny tena dikan'izany teny izany... fa tsy ny teny iray akory no hanamafisana ny vetin-kevitra.

novalian'i hery ny 01/03/2012 11:33
37. didi10 ( 01/03/2012 11:57)
Misaotra an'i Hery amin'ny fanazavana na dia heviny manokana ihany aza fa ny tena zava-dehibe dia ny fahazoana ilay teny hoe voahozona izay midika avy hatrany fa ho very any amin'ny afobe izay misy fahoriana sy fikotroha-nify mandrakizay.
38. Miharena ( 01/03/2012 13:56)
Efa mazava be angamba io resak'i Hery io.

Fa isika dia toa mamaritra AZY araka ny hevitra hita ao anaty Baiboly ihany fa tsy mba mandalina lavidavitra kokoa ahafahana mamantatra tanteraka ny fikasaNY ho an'izao voary rehetra izao.

Eo amin'ny fanamarihana ohatra dia misy ny hoe Andriamanitra Mpamelona sy Andriamanitra Mpamono. Dia azo lazain fa eken'i Didi10 tsara ilay faharoa satria noforonina ny afo maharitra mandrakizay. Dia ny fofona'ain"Andriamanitra ihany no mankany rehefa hitsara ny eo ankaviany IZY.

Eto isika no mila misaina tsara satria raha isika izany Andriamanitra izany ka mamorona ampahany mampijaly ny tenantsika ihany dia mazava fa tsy mandroso fa mbatika finaritra, mbetika mijaly ry ny tena olana dia sitrapontsika mihitsy ilay izy. Tsy mahagaga raha toy izao hitantsika izao ny fomba fanehoan-kevitra momba AZY ary hita hoe mijaly mihitsy ilay olona rehetra no sady toy ny akoho mandihy ambony sahafa ihany.

Valalanina ny mpitazana rehefa manao izay ny Kristiana ary tsy izy ihany fa ny Silamo dia kapoka iray aminy rehefa tonga eo amin'io fanavahana roa sy mampandray roa an'Andriamanitra io.

Lasa tena zava-poronin'ny saina fotsiny sisa ny momba an'Andriamanitra raha ireo fanadihadiana ireo no jerena an!

Mila mandinikalalina vao maka tsoa-kevitra.
39. didi10 ( 01/03/2012 15:41)

Miharena:

Efa mazava be angamba io resak'i Hery io.
Fa isika dia toa mamaritra AZY araka ny hevitra hita ao anaty Baiboly ihany fa tsy mba mandalina lavidavitra kokoa ahafahana mamantatra tanteraka ny fikasaNY ho an'izao voary rehetra izao.


Fa inona no hevitra tsy ara-Baiboly tsy zava-poronin'ny saina?
Mamporisika ianao hiala amin'ny hevitra entin'ny Baiboly nefa ianao eo ambany manakiana ny zava-poronin'ny saina, tsy azoko mihitsy.


Miharena:

Lasa tena zava-poronin'ny saina fotsiny sisa ny momba an'Andriamanitra raha ireo fanadihadiana ireo no jerena an!
40. Miharena ( 01/03/2012 15:58)
Ilay resaka famaritana AZY no laviko fa tsy ny maha-IZY AZY azo tsoahina ao anaty Baiboly.

Rehefa famaritana no itondrana AZY dia mazava fa ny saina no mitondra izany fa raha ny maha-IZY AZY dia mazava fa fahatsapana no azo fa tsy faritan'ny saina intsony.

Izay ilay tiana tenenina sao dia lazainao fa mampiala anao amin'ny Baiboly sy ny fahedrena voalaza ao anatiny aho.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0499