Rahoviana vao ho tafavoaka isika ka ho tanteraka ilay Teny malaza hoe "tiavo ny fahavalonareo"?

1. Miharena ( 28/02/2012 08:21)
Anisan'ny tonga ity lohahevitra ity rehefa mahita fa toy ny manao Demonologie indray ny Kristianina fa tsy hitany intsony izay maha-zanak'Andriamanitra azy.

Maro ireo kinga ery rehefa manao interprétation ny zavatra iray ka milaza avy hatrany fa avy amin'ny devoly izany. Tonga dia manangam-pahavalo avy hatrany rehefa tonga eo amin'io sehatra io ny Kristianina ary mifandoto ampahibemaso.

Tonga dia marina eto ny resak'i Kristy hoe ianareo mandray ny fampianarana avy amin'ny devoly rainareo.

DIa mipetraka tokoa ilay fanontaniana eo amin'ny lohahevitra hoe rahovina vao hitia ny fahavalontsika isika raha toa ka raisina ho fahavalo izay tsy itovy hevitra amintsika?
novalian'i Miharena ny 02/03/2012 11:17
2. didi10 ( 28/02/2012 10:39)
Raha izaho manokana aloha dia tsy mandray ny hafa ho fahavalo velively aho, ny hafa no mandray ahy ho fahavalo satria mifanohitra amin'ny foto-pinoany ny Tenin'Andriamanitra omeko azy, tena mifanohitra mihitsy fa tsy tiako hisy ho very ny fanahinareo na iray aza.

Jak 5, 19
19 Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin'ny fahamarinana, ary misy anankiray mampibebaka azy, 20 aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin'ny làlan'ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be.

Milaza ny namana fa tsy fampianarana fototra izay rehetra lazain'ny Baiboly momba ny andro, ny fotoana, manao fanahy iniana ny namana hitsipaka satria izaho no nampita izany tenin'Andriamanitra izany. Mbola mamerina manindry aho fa ilaina ny fahafantarana antsipirihany ny Soratra Masina.

Mat 5 20
20 Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy hianareo.

Ary na maro aza no efa leo mahita ity teny ity dia averiko foana.
Tim II 4 : 1 - 22
[-4-] Eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin'ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy: 2 mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. 3 Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; 4 ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano. 5 Fa hianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.
3. RBNIR ( 28/02/2012 13:23)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,

Iray ihany no fahavalo iraisan'ny zanak'olombelona dia ny « Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra*. [* Gr. lanitra] » (Efesiana 6:12)
Ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra ihany no fahavalontsika namana.

Ny mampalahelo dia ny tsy fahatakarantsika indraindray fa misy namana nampahalalana fahamarinana izay mety tsy fantantsika na mifanohitra mihitsy amin'ny zavatra nampianarina antsika ka zary raisintsika fahavalo noho izany.

Fitiavana no hifampizarana, aoka tsy hisy handika vilana, aza raisina ho fifampitsarana na sanatria fankahalana fa diniho tsara ihany ny hevitra atolotry ny namana.

Amiko manokana dia fitiavana namana no hitoriako izay fahamarinana fantatro eto.
Mino isika FALY AHO; Tsy mino isika : malahelo aho

Samy ho tahin'ny Tompo indray ry namana malala isany
4. Miharena ( 28/02/2012 14:06)
Marina avokoa ny fanamarihanareo Didi10 sy RBNR ary misaotra anareo milaza izay fantatrareo momba ny finoana.

Ny mahatonga ilay fanamarihako manko dia zary tsy ilay fanahy eny amin'y rivotra intsony no iadivana fa ilay olona manana foto-kevitra iray.

Ny hany tsapa aloha dia tsy hoe ny fombafomba azo avy aty aoriana ihany fa ireo fombafomba hita tao anaty Baiboly dia voatsikeran'i Kristy avokoa hoe tsy mifono fahamarinana. I Jehovah izay nametraka ireo didy maromaro aza dia efa nametraka tsipalotra ny amin'ny tsy hankatoavaNY ny fanatitra dorana sy alatsa-drà. Noho izany dia tsy ireo no zava-dehibe
Marina tokoa ny hoe mila mihoatra ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo isika satria fantatra tsara fa hain'izy ireo antsipirihany ny tetiandro sy ny fombafomba rehetra toy ny fanasana tanana ohatra izay tsy narahin'ireo Apostoly. Ny fo madio no tian'i Kristy tsindriana mandrakariva eo ami'n'ny olombelona rehefa misy ireo izay hifamaliaNY amin'ny mpitondra fivavahana tamin'izany fotoana izany ary ataoko fa mandrak'ankehitriny io anatra apetraNY io.
Ka tsara ihany ny mampianatra ny fahitsiam-po fa raha ny fombafomba izay efa fantatra fa mampiady no ifotorana dia sahirana ihany isika satria samy hanohana ny heviny avy fa tsy hijery hoe inona no tena mampandroso amin'izany fanohanan-kevitra hatao izany.

Ny fahavalo moa no resahana ary raha toa ka eny amin'ny rivotra izy io dia mazava fa isika ihany no maka azy ao anaty, mampihatra azy ary mahatonga antsika hanangam-pahavalo avy eo satria miteraka fifanoheran-kevitra na dia ny fomba fitarihantsika hevitra aza.

Ny tena raharaha dia tsy hita intsony ilay MAZAVA tokony hozaraina fa abilobiloky ny tsangan-kevitra tsy mahasoa rehetra izao ny fomba itoriana AZY.

Asa na azo atao ny mampianatra ny olona hanavaa tsara hoe ireto dia fombafomba ihany fa ireto no tena vontoatiny ijoroana isaky ny mizara.
5. bor2lais ( 28/02/2012 14:19)
RBNIR:

Amiko manokana dia fitiavana namana no hitoriako izay fahamarinana fantatro eto.
Mino isika FALY AHO; Tsy mino isika : malahelo aho

Izay mantsy no mahatonga ahy miteny foana fa tsy antsika ny fandresen-dahatra fa Azy maniraka !
Malahelo ianao satria nanantena fa aharesy lahatra. Nanantena ny aharesy lahatra ianao satria niantehatra amin'ny herinao sy ny fahalalanao ary ny fisainanao samy irery fa adinonao ny sitrapoNY !
RBNIR:

Ny mampalahelo dia ny tsy fahatakarantsika indraindray fa misy namana nampahalalana fahamarinana izay mety tsy fantantsika na mifanohitra mihitsy amin'ny zavatra nampianarina antsika ka zary raisintsika fahavalo noho izany.

Mandaitra amintsika rehetra io fanamarihanao io RBNIR. Ary izay angamba no azo andraisana ihany koa ilay teny hoe "Tiava ny fahavalonareo, misaora izay manenjika anareo" satria mety fitaovana ampiasaiNY hanitsiana na ampisehoana ny tsy mety ataontsika ihany koa ireny heverintsika fa "fahavalo" na "mpanenjika" ireny ! ;-)
6. didi10 ( 28/02/2012 15:05)

Miharena:

Asa na azo atao ny mampianatra ny olona hanavaa tsara hoe ireto dia fombafomba ihany fa ireto no tena vontoatiny ijoroana isaky ny mizara.

Aleo aloha somary fintiniko kely ireo andalan-tsoratra masina izay nozaraiko teto ka nolazainao fa fombafomba fa tsy fampianarana fototra.

1) Ny Batisa : Marka 16,16 Izay mino sy atao Batisa no hovonjena
2) Ny Sabata : Didy faha 4 Eks 20,8 8 Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy
3) Ny Paska: I Kor 5,7 Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; 8 ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana;

Ny fampianarana fototra izay tena tohananao eto izao dia zavatra 2 mifanohitra samy mifanohitra amin'ny Baiboly.

Milaza ianao fa tsy misy ny demonia sy ny helo fa ao anatintsika ihany no misy faharatsiana.
Milaza koa anefa ianao fa samy manana an'i Jesosy Kristy ao anatiny ny olona rehetra.

Koa sady misy demonia izany ao anatin'ny no misy an'i Kristy?

Rom 6 : 1 - 7
inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin'ny ota ihany va isika hitomboan'ny fahasoavana? 2 Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin'ny ota ahoana no ho velona aminy ihany? 3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany? 4 Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao. 5 Fa raha nampiraisina taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany; 6 fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony. 7 Fa izay efa maty dia afaka amin'ny ota.

7. ratsirano ( 28/02/2012 19:42)
Miharena:

Anisan'ny tonga ity lohahevitra ity rehefa mahita fa toy ny manao Demonologie indray ny Kristianina fa tsy hitany intsony izay maha-zanak'Andriamanitra azy.

Maro ireo kinga ery rehefa manao interprétation ny zavatra iray ka milaza avy hatrany fa avy amin'ny devoly izany. Tonga dia manangam-pahavalo avy hatrany rehefa tonga eo amin'io sehatra io ny Kristianina ary mifandoto ampahibemaso.

Tonga dia marina eto ny resak'i Kristy hoe ianareo mandray ny fampianarana avy amin'ny devoly rainareo.

DIa mipetraka tokoa ilay fanontaniana eo amin'ny lohahevitra hoe rahovina vao hitia ny fahavalontsika isika raha toa ka raisina ho fahavalo izay tsy itovy hevitra amintsika?

Miarahaba anareo rehetra izay miady hevitra eto. Mahaliana tokoa ilay dinidinika ka mba te hizara izay kely mba fantatra momban'izay lazain'ny Soratra Masina.

Ny tianay ho marihina aloha dia ny antony tsy mahatafavoaka ny zanakolombelona dia satria tsy miankina velively amin'ilay Mpamorona azy fa miantehitra amin'ny heriny sy ny fahaizany ary ny fahalalany manokana.

Nefa, voalazan'ny Soratra Masina ao amin'n Jeremia 10 : 23 fa : "tsy an'ny olombelona ny lalan-kalehany. Tsy natao hitondra samirery ny fiainany koa ny olona".

Noho izany dia raha te ho tafavoaka isika dia mila manaraka ANTSIPIRIHANY ireo toromarika lazain'ilay Mpamorona antsika ao amin'ny Teniny, dia ny Baiboly izany. Toy izao tokoa mantsy no voalaza ao amin'ny Josoa 1 : 8 : " Aoka tsy ho afaka am-bavanao ity boky misy ny lalàna ity. Ary VAKIO sy SAINTSAINO andro aman'alina izany. Amin'izay ianao dia hitandrina tsara izay REHETRA voasoratra ato, ka HAHOMBY izay hataonao ary hanao zavatra amim-pahendrena ianao."

Raha maka ohatra isika hoe nividy machine iray ka tsy manaraka ireo toromarika (mode d'emploi) nomen'ny mpamorona azy (fabricant), inoana marina fa ho simba na tsy haharitra ela ilay machine. Toy izany izany dia mila manaraka ireo fepetra REHETRA voasoratra ao amin'ny Tenin'Andriamanitra izay namorona antsika isika raha toa ka te hahazo fahombiazana
sy ho tafavoaka amin'ny fiainantsika.

Tsy afaka mivoana amin'ny Tenin'Andriamanitra isika satria io ihany no fahamarinana araka ny voalaza ao amin'ny Jaona 17 : 17 hoe : " ny Teninao no Fahamarinana".

Noho ireo antony ireo dia ilaintsika ny mahafantatra ny fepetra nomen'Andriamanitra ary tsy misy afatsy ny fianarana ny Teniny no antoka halalantsika an'izany.

Faly mamporisika antsika rehetra izahay hianatra ny Tenin'Andriamanitra.

8. LazaDaddy ( 29/02/2012 00:50)

Miharena:
DIa mipetraka tokoa ilay fanontaniana eo amin'ny lohahevitra hoe rahovina vao hitia ny fahavalontsika isika raha toa ka raisina ho fahavalo izay tsy itovy hevitra amintsika?
Ny fitiavana lehibe indrindra dia ny nanoloran'i Kristy ny ainy. Ny tena fitiavana azontsika aseho ny manodidina (na namana io na fahavalo) dia ny fitoriana an'i Kristy.
Miainga amin'ny fitiavantsika an'i Kristy ny zavatra rehetra. Rehefa lalimp-paka ao ampontsika ny fitiavana sy fankatoavana an'i Kristy dia mandeha ho azy ny manaraka.
9. RBNIR ( 29/02/2012 04:33)
bor2lais:

Malahelo ianao satria nanantena fa aharesy lahatra. Nanantena ny aharesy lahatra ianao satria niantehatra amin'ny herinao sy ny fahalalanao ary ny fisainanao samy irery fa adinonao ny sitrapoNY !

Faly miarahaba namana bor2lais,
Ts'izay loatra ny antony mampalahelo ahy ry namana bor2lais fa toy ny alehelo efa nahazo an'i Jesosy Tompon indray andro izay ka nahalatsaka ny ranomasony.
« Ary raha nanakaiky Izy ka nahita ny tanàna, dia nitomany azy » (Lioka 19:41)
« ka nanao hoe: Raha mba nahafantatra mantsy ianao na dia amin'ity andro ity aza izay momba ny fiadanana! - fa ankehitriny miafina amin'ny masonao izany. » (Lioka 19:42)
Raha fantatrao ny antony nampalahelo an'i Jesosy Tompo tamin'io fotoana io dia fantatrao ny mampalehelo ahy.
Mino ianao namana Faly aho, Tsy mino ianao malahelo aho.

Samy ho tahin'ny Tompo namana bor2lais.

Anao ny safidy, tsy terena hino ny olona nefa hoy ny Tompo indray andro :
10. RBNIR ( 29/02/2012 05:04)
« Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy. » (Lioka 10:16)

Samy ho tahin'ny Tompo namana bor2lais
11. Miharena ( 29/02/2012 05:33)
Didi10:

Milaza ianao fa tsy misy ny demonia sy ny helo fa ao anatintsika ihany no misy faharatsiana.
Milaza koa anefa ianao fa samy manana an'i Jesosy Kristy ao anatiny ny olona rehetra.

Koa sady misy demonia izany ao anatin'ny no misy an'i Kristy?

Rom 6 : 1 - 7
inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin'ny ota ihany va isika hitomboan'ny fahasoavana? 2 Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin'ny ota ahoana no ho velona aminy ihany? 3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany? 4 Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao. 5 Fa raha nampiraisina taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany; 6 fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony. 7 Fa izay efa maty dia afaka amin'ny ota.

Misaotra anao fa mazava aminao mihitsy izay nampitaiko ary voafintinao tsara.
Ilay Tenin'Andriamanitra milaza ny nanombohana ny toetsika taloha mihitsy no mahamarina ireo fahamarinana etsy ambony nofintininao. Ilay tenan'ny demonia ao anaty no nohombohaNY ary misolo HAZAVANA anaty izay maha-Kristy ny tsirairay na koa hoe miverina amin'ny toetra tokony hananana sy efa nananana hatrizay tao amin'ny RAY.
Rehefa tsy mahazo io fahamarinana Fototra io dia mbola mivezivezy etsy sy eroa mitady AZY, nefa IZY ao am-po mandrakariva fa tototry ny firehan-kevitra sy ny fivilivilian'ny saina fotsiny ihany.

Koa raha mamaky ilay Baiboly isika dia misy izay azo lazaina ho hevitra FOTOTRA ao ary misy izay azo lazaina hoe fanamarihana ireo toetran'olombelona isankarazany vokatry ny tsy fahalalàna AZY marina. Mila hay ny manavaka ireo vao milaza fa tsy marina ny fanambarana aty aoriana izay IZY ihany no miteny izany. Raha tsy IZy koa moa no niteny izany dia tsy haiko koa ny manazava etoana izay fanamarinana ny teniNY. Ary tsy afaka hitady teny ao anaty Baiboly aho hitsivalanana izay fahamarinana famenony aty aoriana.

Raha miteny moa ianao hoe sady misy demonia izany ny olona no misy an'i Kristy dia marina io rehefa hitanao fa misabaka ianao eo amin'ny fianan'izao tontolo izao sy ny fiainan-danitra na fianam-piadanana omen'i Kristy. Tsy te-hipetraka eo anefa ianao fa iray ihany no safidy azo atao, di hoy i Kristy ao amin'ny Apokalypsy hoe : na mangatsika ianao, na mafana, fa raha matimaty ianao dia aloaky ny vavako. Izany hoe na ianao manray tsara ny fianan'izao tontolo izao amim-pahadiovam-po, na ianao mandray an'i Kristy amim-pahadiovam-po fa tsy mifangaro. Matoa izany teny izany tonga dia mazava fa manome fe-potoana hisafidiananao IZY tsy hahavery anao ao anatin'ny fiolakolahana sy fisabakana fa hahitsy ianao any amparany ka azoNY tsara atao ny manazava anao.
Aoka koa moa tsy hohadinoina velively ny resaka nataon'i Kristy ny amin'ireo olona tsy mahalala Azy nefa handroso ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra RAY.

Misy fanamarihana iray ity hoe : izay voalohany no ho farany ary izay farany no ho voalohany. Isika Kristianina no mety hitana ny rambony fa atoseho aloha ireo izay tsy mahalala AZY hiditra dia tsy mandrindrina ny varavarana hidiranao i Kristy na farany aza ianao.

Io ilay hoe voavonjy daholo ny olon-drehetra tsy an-kanavaka.

Da hiverina amin'ilay lohahevitra isika hoe rehefa tanteraka ireo fahalalàna ireo dia tsy hisy hanangam-pahavalo intsony fa hisaotra aza noho ny zava-drehetra satria izany natao hahasoa izay tia an'Andriamanitra.
12. didi10 ( 29/02/2012 09:05)
Ny mampalehelo ry Namana Miharena dia efa natakalonao tanteraka io 3e testament indraindrainao io ny voasoratra rehetra ao amin'ny Baiboly Masina.

Tsy mbola nahita anao naka toko sy andininy tao amin'ny Baiboly Masina aho hanohananao ny hevitrao fa ny mifanohitra aza, izay reference ara-baiboly lazaina eto dia tsy maintsy ampitahainao amin'ilay boky ka toherinao avokoa.

Efa novakiako amin'ny ambangovangony io bokinao io ka TENA MIFANOHITRA TANTERAKA AMIN'NY LAZAIN'NY BAIBOLY MASINA ny ankamaroan'ny fampianarana voalaza ao
Oh: Ny amin'ny Batisa
Ny amin'ny Fandehanana miangona ...
13. bor2lais ( 29/02/2012 09:26)
RBNIR >
Ny tsy azontsika lavina aloha RBNIR dia izao : matoa misy tsy mino ny lazaintsika dia satria tsy "convaincant" ny ambarantsika ! ;-)

Zavatra roa no mety antony :

- mety ho marina ihany ny zavatra ambarantsika saingy isika no tsy mahay mampita azy angamba

- na ny "fond"n'ny zavatra ambarantsika mihitsy no tsy izy

Averiko am-pitiavana eto ihany ity sao dia mba mahasoa :

Matoa "heverintsika" fa tsy mihaino antsika ny olona na tsy mino izay lazaintsika sao kosa ary mba METY fitaovana ataoNY ho fampieritreretana antsika ihany koa izany : ny sitrapoNY ihany ange no atao fa tsy ny antsika e (soa ihany aza) ! :-)
14. RBNIR ( 29/02/2012 09:35)
Namana bor2lais,
Raha namafy i Jesosy Tompo: tsy ny olona rehetra no nandray.
Tsy sahiko kosa aloha ny hilaza fa tsy nahay namafy Izy.
Efa voasoratra izany namana, Raha vao lasa ilay namafy dia tonga koa ny fahavalony ny alin'iny mba namafy ny azy.
Ny hivavahako mafy dia enga anie ka hino avokoa ny olona rehetra.
Samy ho tahin'ny namana
15. didi10 ( 29/02/2012 10:04)

bor2lais:

Matoa "heverintsika" fa tsy mihaino antsika ny olona na tsy mino izay lazaintsika sao kosa ary mba METY fitaovana ataoNY ho fampieritreretana antsika ihany koa izany : ny sitrapoNY ihany ange no atao fa tsy ny antsika e (soa ihany aza) ! :-)

Marina tanteraka io voalazan'i bor2lais io namana RBNIR fa aza kivy amin'ny fitoriana ianao fa efa voalazan'i Jesosy fa raha tsy Andriamanitra mihitsy no miantso ny olona iray tsy hahay hanantona Azy io olona io.

Jao 6, 44
44 Tsy misy olona mahay manatona Ahy raha tsy taomin'ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.

Tohizo ny fitoriana fa mbola ho avy ny andro hikasihan'Andriamanitra azy toa ny efa nikasihany anao.
16. bor2lais ( 29/02/2012 10:15)
Toa niteny an'ity koa Izy namana RBNIR e !

"27 Kanefa hoy Izaho aminareo izay mihaino: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin'izay mankahala anareo;28 misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an'izay manisy ratsy anareo."

Amiko manokana RBNIR dia misy antony matoa noteneniNY ireo. Toa milaza amiko hoe, aza dia be koretaka na mahatsiaro "victime" lava re fa mba diniho ihany ny mety ho antony : mety raha tsy ireny aho tsy tonga saina amin'ny tena tokony ataoko ohatra. ;-)

Sady ny zavatra rehetra moa toa miara-miasa daholo hahasoa e ! :-)
17. RBNIR ( 29/02/2012 10:16)
didi10:

Tohizo ny fitoriana fa mbola ho avy ny andro hikasihan'Andriamanitra azy toa ny efa nikasihany anao.

Tena marina izany namana,
Enga anie ka samy ho tonga amin'ny fibebahana avokoa ny rehetra.
Samia ho tahin'ny Tompo namana
18. bichette ( 29/02/2012 11:07)

bor2lais:

RBNIR >
Ny tsy azontsika lavina aloha RBNIR dia izao : matoa misy tsy mino ny lazaintsika dia satria tsy "convaincant" ny ambarantsika ! ;-)

Zavatra roa no mety antony :

- mety ho marina ihany ny zavatra ambarantsika saingy isika no tsy mahay mampita azy angamba

- na ny "fond"n'ny zavatra ambarantsika mihitsy no tsy izy

Averiko am-pitiavana eto ihany ity sao dia mba mahasoa :

Matoa "heverintsika" fa tsy mihaino antsika ny olona na tsy mino izay lazaintsika sao kosa ary mba METY fitaovana ataoNY ho fampieritreretana antsika ihany koa izany : ny sitrapoNY ihany ange no atao fa tsy ny antsika e (soa ihany aza) ! :-)

TSY ISIKA NO MI CONVAINCRE NY OLONA FA NY FANAHY MASINA. aza adino izay. NY ESSENTIEL AMINTSIKA DIA NY MAMAFY AVY EO an'ny Tompo ny fotoana. ny ataontsika dia ny mivavaka ho an'iny olona iny. tsy mangataka amintsika i Jesosy hoe "convainquer-vo" ny olona hanaiky ny filazan-tsara. Hoy izy hoe "mamafy na amin'ny fotoana na tsy amin'ny fotoana".

ny ataontsika dia ny mamafy, tsy isika mihitsy no mandresy lahatra, isika manazava, mitory, milaza ny traikefa, miteny ny nataon'i Tompo tamintsika.
19. RBNIR ( 29/02/2012 11:20)

bichette:

Faly miarahaba anao namana,
Azo atao ihany ny mandresy lahatra namana raha araka inty teny manaraka inty :
« Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Timoty 3:16).

Saingy na izany aza dia tokony hinoana fa tsy isika akory no mandresy lahatra fa fitaovana fotsiny ihany tokoa fa dia ny FANAHY MASINA no miasa.

Samy ho tahin'ny Tompo indray

20. Miharena ( 29/02/2012 11:39)
Didi10:

Ny mampalehelo ry Namana Miharena dia efa natakalonao tanteraka io 3e testament indraindrainao io ny voasoratra rehetra ao amin'ny Baiboly Masina.

Tsy mbola nahita anao naka toko sy andininy tao amin'ny Baiboly Masina aho hanohananao ny hevitrao fa ny mifanohitra aza, izay reference ara-baiboly lazaina eto dia tsy maintsy ampitahainao amin'ilay boky ka toherinao avokoa.

Efa novakiako amin'ny ambangovangony io bokinao io ka TENA MIFANOHITRA TANTERAKA AMIN'NY LAZAIN'NY BAIBOLY MASINA ny ankamaroan'ny fampianarana voalaza ao
Oh: Ny amin'ny Batisa
Ny amin'ny Fandehanana miangona ...

Misaotra anao aloha mba mamaky izany boky izany. Fa ny fandraisanao azy no tsy itovizantsika loatra ary mitovy ihany isika eo anatrehan'ny Baiboly Masina satria tsy mitovy koa ny fomba fijerintsika rehefa mamaky azy io.

Ilay 3e Testament koa anie raha zohina dia fampahatsiarovana antsika fa misy ireo izay fomba izay tsy dia manan-danja loatra izay efa nisy tami'nny andron'ny razambe izay efa tokony hialana. Ka asa aloha na marina na diso ny fanambarana ao fa ny Fanahy Masina no aoka havela hiasa hampahatsiahy ny fahamarinana rehefa mamaky boky iray na iza no mamoaka azy na iza.
Ankoatr'izay ny filazanao fa mifanohitra tanteraka dia mety noho ny fomba fandraisanao ilay teny ao anaty Baiboly no misy mandringa noho ny fanoratana azy ohatra fa tsy voalalina tsara ka manjary mahita zava-mifanohitra ianao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1582