Rahoviana vao ho tafavoaka isika ka ho tanteraka ilay Teny malaza hoe "tiavo ny fahavalonareo"?
41. didi10
(
01/03/2012 16:08)
Efa lasa HS be aho ra ato no manohy ny dinika fa aleo tohizana ao amin'ilay vao nosokafanao.
42. Miharena
(
01/03/2012 16:23)
Tsy HS mihitsy ianao satria izay mihitsy ilay lohahevitra ahafahana mamantatra hoe rahoviana vao afaka ilay resaka mitan-droa io ka mbola hisy ny hilaza fa fahavaloko i ranona satria tsy mino an'i Kristy satria ilay RAY ao amin'i Kristy heveriko dia sady mpamono no mpamelona ary ny tena ratsy mihitsy aza dia hoe mpampijaly mandrakizay satria ny fofon'AINY tsy mety maty.
Mamaritra zavatra iray izany aho eo hoe Ary ny Fofon'Ain'Andriamanitra dia tao amin'ny olombelona, avy eo aho rehefa mandeha ny vakiteny aty aoriana dia hoe : afo maharitra mandrakizay, any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitrohanify.
Ao anaty Baiboly anefa dia milaza i Kristy fa Fitiavana mandrakizay nio itiavako anareo, tsy toy ny fanomen'izao tontolo izao (tsy maharitra).
Izay ilay hoe mila fantarina hoe inona no mifanohitra ao anaty Baiboly ao ary tadiavina avy eo hoe inona no marina tiana ambara. Dia izany no mahatonga ny olona hikaroka satria ny filazana azo dia hoe "Katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra sy ny Fahamarinany dia hanampy anao ny zava-drehetra". Dia rehefa tonga ny 3e Testament hanazava dia tsotra ny zava-drehetra.

43. RBNIR
(
02/03/2012 05:49)
hery:
Io nolazain'i didi10 ao amin'ny Matio 25 io dia fitohizana fanoharana vitsivitsy. Ao anatin'io Matio 25 io dia ahitana ny fanoharana momba ny virjiny 10, momba ireo nomena talenta, ary io farany io dia fanoharana momba ny fitsarana farany.
I Matio dia niaina tao anatina communauté convertie. Izany hoe ireo jiosy nanaraka ny fivavahana jios no nanjary nivadika ho kristianina. Ireo jiosy ireo izay nanana ny testamenta taloha dia tsy maintsy nampiasain'i Matio an'ireo fomba firesaka tamin'ny testamenta taloha (imbetsaka ohatra i Matio no manao référence amin'ny boky taloha) ka rariny koa raha mampiasa fiteny maranitra toy ny hoe "voaozona" izay mampiseho an'Andriamanitra "mpanasazy" sy "mpamono"
Koa raha nampiasa sarin-teny i Matio teto nampitàna ny hafatr'i Jesoa momba ny fitsarana farany dia mety nampiasa izay teny noheveriny fa mora ho azon'ny Jiosy izay efa zatra maheno hoe Andriamanitra mpanasazy sy mpamono. Mila jerena noho izany ny teny nampiasainy sy ny tena dikan'izany teny izany... fa tsy ny teny iray akory no hanamafisana ny vetin-kevitra.
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Ny tena Marina ry namana isany dia izao(Gal.6:7): Andriamanitra tsy azo vazivazina fa izay afafin-tsika ihany no hojinjaintsika. (mamafy tsara isika dia hijinja ny vokatr'izay tsara afafitsika izay, raha mamafy ratsy kosa dia hijinja ny vokatra mifanaraka amin'izay koa).
Ity toetran'Andriamanitra iray ity indraindray ampiasain'ilay ratsy ka hamitahany ny olona fa hoe tsy manasazy na mpamono Andriamanitra fa na inona na inona atao dia mety foana io fa mpamindra B fo izy sy tena B Fitiavana tokoa Izy.
Io toetra io dia tsy inona akory fa
44. RBNIR
(
02/03/2012 06:54)
Io toetran'Andriamanitra ampiasain'ny devoly hamitahana an-tsika io dia tsy inona akory fa :
« Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan'ny fon'ny zanak'olombelona amin'ny fanaovan-dratsy. » (Mpitoriteny 8:11).
Tsy mba maika hamaly ratsy ny Tompo Andriamanitsika ry namana isany.
Ny antony tsy mba mahamaika azy moa ry namana isany dia satria: « Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra, » (2 Petera 3:9)
Ny mahatonga azy mahari-po otran'izany dia satria tsy tiany hisy ho very fa mba ho tonga amin'ny fibebahana daholo.
Saingy tadidio ny tantaran'i Jodasy. (afats'ilay zanak'i ny fahaverezana hoy Izy)
Misy ny fanadiovana atao nefa rehefa tsy manaiky hodiovina dia izay izany ko inona (zanak'i ny fahaverezana).« Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-toetra; fa ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin'ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny hendry no hahafantatra. » (Daniela 12:10)
Ny tokony atao araka izany dia mandray ho anatra ireo zavatra rehetra nataon'Andriamanitra tamin'ny olona taloha.
Tokony hinoan-tsika araka izany ny fisian'ny helo sy Afo maharitra mandrak'izay izay voalaza va hamaliana ny asa ratsy rehetra natao tety an-tany.
Izay koa ange ilay tena famaritana ny finoana ry namana e « Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. » (Hebreo 11:1)
Ny tena finoana araka io teny io dia mahatoky zavatra tsy hita ka izany zavatra tsy hita izany no antenaina (matoky fa misy marina tokoa na ny helo na ny paradisa na dia tsy hitan'ny maso aza).
Izay manana izany finoana zavatra tsy hita izany no manana ny finoana nanan'Abraham. Na dia tsy hitany akory aza ilay tany nampanantenaina dia avy izy dia nino ka nanaiky izay rehetra notakiana taminy.
Mahereza ry namana isany fa izay no MARINA.
Samy ho tahin'ny Tompo ary.

45. RBNIR
(
02/03/2012 07:35)
Mety vitsy no tsy mahafantatra ity toetra ratsy tsy nety afaka tao amin'i Jodasy ity ka aleo zaraina eto ihany aloha ka:
« Ary hoy Jodasy Iskariota, anankiray tamin'ny mpianany, ilay efa hamadika Azy: » (Jaona 12:4)
« Nahoana io menaka io no tsy namidy denaria telon-jato ka nomena ny malahelo? » (Jaona 12:5)
« Ary izy no nilaza izany, tsy noho ny fiahiany ny malahelo, fa satria mpangalatra izy sady nitondra ny kitapo ka naka izay tao anatiny. » (Jaona 12:6).
NO COMMENT HOY NY FITENY.
MIBEBAHA DAHOLO RY NAMANA ISANY A! MATAHORA AN ANDRIAMANITRA ARY OMEO VONINAHITRA IZY
Samy ho tahin'ny Tompo daholo.

46. Miharena
(
02/03/2012 11:17)
RBNIR:
Tokony hinoan-tsika araka izany ny fisian'ny helo sy Afo maharitra mandrak'izay izay voalaza va hamaliana ny asa ratsy rehetra natao tety an-tany.
Izay koa ange ilay tena famaritana ny finoana ry namana e « Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. » (Hebreo 11:1)
Ny tena finoana araka io teny io dia mahatoky zavatra tsy hita ka izany zavatra tsy hita izany no antenaina (matoky fa misy marina tokoa na ny helo na ny paradisa na dia tsy hitan'ny maso aza).
Izay manana izany finoana zavatra tsy hita izany no manana ny finoana nanan'Abraham. Na dia tsy hitany akory aza ilay tany nampanantenaina dia avy izy dia nino ka nanaiky izay rehetra notakiana taminy.
Misaotra anao RBNIR amin'ny famelabelarana ary avy hatrany dia raisiko aloha ilay teninao hoe izay hafafy no hojinjaina. Io no marina amin'ny fiainan'ny olombelona satria nomena fahefana hanana famoronana toa an'Andriamanitra izy ary io no voantsinampin'Andriamanitra ao anatin'ny fon'ny olona tsirairay tsy ankanavaka ka ahafahany manatanteraka izay ataony na ratsy io na tsara hakany lesona avy eo raha mandratra na mampitombo.
Fa ny fisian'ny afo maharitra mandraikizay kosa marina fa voasoratra saingy misy ireo fanazavana aty aoriana momba ny fialana amin'izany finoana izany. Fantatsika tsara fa ny herin'ny maizina dia mitarika fanahy betsaka hankany aminy ary tonga dia io fanozongozonana ny olona amin'ny fisian'ny afo maharitra mandrakizay io no fitaovana entiny mba hisian'ny fitsarana. Aoka ho fantatra mazava fa nisy ny fanjerana ilay menarana ela izay namitaka sy miampanga ny maro. Io rehefa itokisana dia miala avy hatrany ny fisiana mitandroa amin'ny zava-misy ao an-Danitra ary matoa isika asaina mvavaka mandrakariva hoe "eto an-tany tahaka ny any an-danitra" dia ny fampidinana ny MAZAVA ao am-po no dikany ka hanjaka eto an-tany izany fahazavana izany.
Dia mila mibanjina izany fikasana izany fa tsy mitodika any amin'ny helo . Ireo izay mitodika any moa mbola manana anjara famirapiratana ihany araka ny fotoanany avy satria tsy havelan'Andriamanitra ho faty ny Voantsinampy ao anatin'ny voary tsirairay. matoa IZY maniraka hatrany ireo anjely sy mpino marobe ary Jesoa hamahalala ny olona ny maha-izy azy.