INONA NO MARINA?
![](https://avatar.serasera.org/d9b86bf2c5af2ec33d00a025ab6a43fa.jpg)
1. RBNIR
(
16/09/2011 13:28)
1- « Hoy Pilato taminy: Inona no marina? ........ » (Jaona 18:38)
Valiny ? efa novalian'i Jesosy Tompo : « ............., ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. ...... » (Jaona 18:37)
Ny marina araka izany dia izay rehetra nambaran'i Jesosy Tompo.
2- Avy tamin'iza ny marina izay nambarany? « Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jaona 7:16)
Mazava B io avy tamin'Andriamanitra.
3- Aiza no ahitana izany marina avy amin'Andriamanitra izany ankehitriny?
« Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Timoty 3:16).
« fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; » (2 Petera 1:20)
« fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. » (2 Petera 1:21)
Araka ireo teny ireo dia mazava B fa dia ny Soratra Masina (na ny Baiboly ankehitriny) dia avy tamin'Andriamanitra.
Raha hitady ireo marina avy amin'Andriamanitra isika arak'izany dia aza maka lavitra fa ny Baiboly irery ihany.
Ary araka ireto teny ireto:
« Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo, ary aza anesoranareo, fa tandremo ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo izay andidiako anareo. » (Deotoronomia 4:2) (TESTAMETA TALOHA)
« Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin'ity boky ity ho azy; » (Apokalypsy 22:18)
« ary raha misy manaisotra amin'ny teny amin'ny bokin'ity faminaniana ity, dia hesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy amin'ny tanàna masina, dia izay zavatra voasoratra eto anatin'ity boky ity. » (Apokalypsy 22:19) (TESTAMETA VAOVAO)
Araka ireo dia tsy azo ampiana na anesorana ny didin'Andriamanitra fa tanterahina araka izay efa notakiany sy voasoratra ihany .
[dailymotion]http://www.dailymotion.com/video/x6652f_ny-baiboly-tenin-andriamanitra_music[/dailymotion]
Samy ho tahin'ny Tompo anie isika rehetra

novalian'i RBNIR ny 13/10/2011 08:03
![](https://avatar.serasera.org/d9b86bf2c5af2ec33d00a025ab6a43fa.jpg)
4. RBNIR
(
26/09/2011 14:15)
eveil:
Tena tsy azoko mihitsy azafady ilay resaka
Faly miarahaba namana,
Mba andramo hoe: mivavaka tsara aloha mangataka ny Fanahy Masina hiasa ao aminao??
Samy ho tahin'ny Tompo
![](https://avatar.serasera.org/11357611cb1b43ff3138d1eba068644b.jpg)
5. hery
(
26/09/2011 21:03)
Ao anaty Baiboly koa:
http://baiboly.katolika.org/boky/Joany/21
Jaona 21. 25
Maro koa ny zavatra hafa nataon'i Jeso, ka raha izany rehetra izany no hosoratana tsirairay, dia ataoko fa na izao tontolo izao aza tsy ho omby ny boky hosoratana.

![](https://avatar.serasera.org/a66413e10be46a65aae1e6cd0f2d4b30.jpg)
6. eveil
(
27/09/2011 04:50)
misaotra anareo, efa nisy voavakiko tokoa ny zavatra notanisainareo fa mba tsy hamerenako ny resaka dia mba tsidio kely anie azafady ny theme iray anatin'iny forum fivavahana, finoana ity : "zanak'i satana ve ny olombelona....".
Misy fandraisana anjara nataoko ao ary nametrahako fanontaniana manao hoe: "ilaina ve ny fikatsahana ny fahamarinana?
Misaotra anareo rehetra.
Misy fandraisana anjara nataoko ao ary nametrahako fanontaniana manao hoe: "ilaina ve ny fikatsahana ny fahamarinana?
Misaotra anareo rehetra.
![](https://avatar.serasera.org/d9b86bf2c5af2ec33d00a025ab6a43fa.jpg)
7. RBNIR
(
27/09/2011 05:40)
hery:
Ao anaty Baiboly koa:
http://baiboly.katolika.org/boky/Joany/21
Jaona 21. 25
Maro koa ny zavatra hafa nataon'i Jeso, ka raha izany rehetra izany no hosoratana tsirairay, dia ataoko fa na izao tontolo izao aza tsy ho omby ny boky hosoratana.
Faly miarahaba namana,
Marina izany nefa tsy izay mihitsy no ahafahan'ny olona mampiditra fampianaran'olombelona ao anaty fiangonana. Tokony ho tadidian-tsika mandrakariva ity Teny ity : « Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy (Isa. 29. 13). » (Matio 15:9).
Ny didin'olombelona ampidirina ao amin'ny fiangonana dia mora fantatra : Andriamanitra tsy mba diso izany satria Izy irery ihany no Marina sady tongalafatra. Araka ny nohamarinina tery ambony dia avy amin'Andriamanitra ny Soratra Masina na ny Baiboly ka ny baiboly no "référence" azo antoka indrindra.
Tsy misy zavatra mifanohitra ao amin'ny Baiboly na iray aza. Raha ohatra ka misy didy na fampianarana iray hita fa manohitra na mifanohitra amin'ny tenin'Andriamanitra iray ao amin'ny Soratra Masina dia izay ilay hoe didin'olombelona na fampianaran'olombelona.
Anjaran-tsika tsirairay no mamantatra satria nomena saina hahalala isika. Ary raha misy fisalasalana na doute na dia kely fotsiny aza dia tokony hangataka famonjena amin'i Jesosy mba hanazava ny fisainantsika.
Tokony omen-danja lehibe ny fiainan-tsika mandrak'izay satria na isika hiadana mandrak'izay na isika hijaly mandrak'izay. Tokony ho ambony lavitra ny fikarakaran-tsika ny fiainana mandrak'izay noho ny fikarakaran-tsika ny fiainana eto an-tany (logique izany satria any mandrak'izay ary ny aty 80 na 100 raha be indrindra) . Izay no nahatonga an'i Jesosy Tompo nilaza hoe : « Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Matio 6:33).
Namana Eveil,
Ny antony hamantarana ny marina dia ny mba hanaovana azy noho ity Tenin'Andriamanitra manaraka ity : « Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy. » (1 Jaona 3:7).
Ny tanjona arak'izany dia mba ho» marina eo anatrehan'Andriamanitra». Hisy tokoa mantsy ny fitsaran'Andriamanitra (teny maro no manambara ny hisian’izany : Mat.10 :15 ; Mat.11 :22 ; Mat.12:36….
Rehefa ho tonga ny Fitsarana : na isika voakilasy hoe "Marina" na isika ho voakilasy hoe "meloka".
Raha te ho marina isika amin’izany fotoana izany dia Manaova izay voalazan'ny Baiboly fa Marina. Izay ihany dia fiainana mandrak'izay no tambiny. Ary ny olona manao izany tsy mba hitaitaina fa mandry fahizay ny fony satria "efa niady ny ady tsara izy".
Samy ho tahin'ny Tompo isika rehetra
![](https://avatar.serasera.org/57d255e539572e27b60ab8098dea07e9.jpg)
8. Miharena
(
27/09/2011 08:22)
Tokony omen-danja lehibe ny fiainan-tsika mandrak'izay satria na isika hiadana mandrak'izay na isika hijaly mandrak'izay. Tokony ho ambony lavitra ny fikarakaran-tsika ny fiainana mandrak'izay noho ny fikarakaran-tsika ny fiainana eto an-tany (logique izany satria any mandrak'izay ary ny aty 80 na 100 raha be indrindra) . Izay no nahatonga an'i Jesosy Tompo nilaza hoe : « Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Matio 6:33).
Raha mamaky io lazain'i RBNIR io aho dia mahita fa mifanohitra kely amin'ny tenin'i Krsity voatanisa ilay hevitra eo ambony.
Ny teniNY manko eto dia manome torolalana ny amin'ny fiantombohana na lakile ahafahana ho afaka amin'ny gejam-piainana misy eto ambonin'ny tany. Ny fahamarinana tian'i Kristy ampitaina eto dia ny fahavelomana ao amin'Andriamanitra na fanjakan'Andriamanitra ao amin'ny rehetra ka mitarika fiainana izany fa tsy ny firesahana loatra ny hoe misy ny fahoriana mandrakizay sy ny fahasambarana mandrakizay.
Raha miresaka momba ny lohahevitra hoe zanak'i Satana ny olona dia io resaka fisainana mitan-droa io no tokony halavirina ahazoana ny fahamarinana izay ao amin'Andriamanitra efa hatrizay.
Inona ary no marina? IRAY ihany no marina dia Andriamanitra hoy Kristy izay, ka raha manaraka AZY dia tsy ho lavo ao anatin"ny fisainana miroaroa izay nampianarin'i Satana ka iainantsika maro an'isa ankehitriny, eny na ny Kristiana aza dia lasan'io mitandroa io avokoa fa tsy mahatsapa ilay resak'i Kristy hoe : raha matimaty ianao dia aloan'ny vavako, fa na ianao mangatsika na ianao mafana.
![](https://avatar.serasera.org/f2b32bb0dab970c5c68337e7bff4e14f.jpg)
9. EVEIL
(
27/09/2011 11:34)
Izaho no nilaza tetsy ambony hoe: tsy azoko mihitsy.
Mandray anjara amin'ny loha-hevitra hafa moa aho ka entiko eto ny fahitako ny marina. heveriko fa tsy hanafitohina anareo.
Ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy no olana teo amin'i adama sy eva. Raha amin'ny maha olombelona, ny zavatra tsara dia marina, ary ny ratsy dia ny tsy marina. Heloka anefa ny fahafantarana ny ratsy sy ny tsara. Izany no fihevitr'Andriamanitra. Raha miteny isika hoe ilaina ihany ny fahamarinana, ilaina izany izy io fa tsara nefa mifanohitra amin'ny zavatra tadiavin'Andriamanitra amintsika.
Voalaza fa ny tena fahamarinana dia ao anaty Baiboly IHANY. Maro anefa ny antoko'pinoana eto ambonin'ny tany. Samy maka hevitra ao anaty baiboly ary samy mandrirotra izay heveriny ho fahamarinana ao. Vokany: Andriamanitra tokana nefa ifandroritana ny marina satria samy mihevitra ny azy ho marina avokoa. Ny loza dia lasa mifandrafy ny olombelona, mifanaratsy an-toerana, mifanenjika mihitsy aza. Aiza ilay fahamarinana? Ary aiza izy io no tadiavina? Ary tena ilaina ve ny manana ny fahamarinana satria vao mahatsiaro ianao hoe manana fahamarinana dia midika sahady izany fa ny hafa tsy manana ny fahamarinana, satria tokana ny marina.

10. RBNIR
(
27/09/2011 14:23)
EVEIL:
Aiza ilay fahamarinana? Ary aiza izy io no tadiavina? Ary tena ilaina ve ny manana ny fahamarinana
Ireo ambony ireo anie ny valiny e! dommage tsy azonao ilay izy,
Samy ho tahin'ny Tompo namana
![](https://avatar.serasera.org/d9b86bf2c5af2ec33d00a025ab6a43fa.jpg)
11. RBNIR
(
27/09/2011 14:40)
Miharena:
tsy ny firesahana loatra ny hoe misy ny fahoriana mandrakizay sy ny fahasambarana mandrakizay.
Namana Miharena, ny fahatsapako azy, tsy mino (na tsy te-hino) ny Afo maharitra mandrak'izay sy ny fiainana mandrak'izay ise.
Hoy Jesosy :« [Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina] » (Marka 16:16)
Mino inona tokoa moa? Mino ny tenin'i Jesosy Tompo (REHETRA)
Ireto izao misy teny NOTENENINY : « Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao; » (Matio 25:34)
« Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny; » (Matio 25:41)
Ilay fanjakana sy afo maharitra mandrakizay resahina eto dia tena réel fa tsy misy heviny hafa tsy akory.
Ka mino marina v isika mba hovonjena??
Inona ny tokony atao?? Valiny : « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 7:21)
Manaova ny Sitrapon'Andriamanitra rehetra dia ho voavonjy ianao sy ny ankohonanao.
Samy ho tahin'i Jesosy Tompo namana
![](https://avatar.serasera.org/57d255e539572e27b60ab8098dea07e9.jpg)
12. Miharena
(
27/09/2011 16:13)
RBNIR:
Manaova ny Sitrapon'Andriamanitra rehetra dia ho voavonjy ianao sy ny ankohonanao
Tsy hoe mandà ireo resaka nataon'i Kristy tamin'ny fotoanandro lasa aho tsy akory RBNIR fa ny ankehitriny no jereko.
Ity fehezanteny voambaranao ity ohatra dia misy zava-maro heverina fa takian'Andriamanitra, nefa amiko tokana ny marina ary tokana ny sitrapon'Andriamanitra dia ny hahatonga ny olon-drehetra hahatsapa fa zanaNY ary zanany rahateo daholo isika hatrizay nanorenana izao rehetra izao.
Ny hevitra mifamahofaho no manarona io fahamarinana tokana io ary ataoko fa ao amin'i Kristy izy io ankehitriny fa ny lasa dia tokony ho efa ialàna lavitra fa ny fahafenoana nozaraina no tokony horaisina sy iainana.
![](https://avatar.serasera.org/a66413e10be46a65aae1e6cd0f2d4b30.jpg)
13. eveil
(
27/09/2011 16:55)
Tena tsy mazava mihitsy ny atao hoe fahamarinana, marina moa. Izany ihany angamba no mahamaro ny fiangonana satria samy mandrirotra ny marina ho azy.
![](https://avatar.serasera.org/57d255e539572e27b60ab8098dea07e9.jpg)
14. Miharena
(
28/09/2011 03:17)
Eveil,
Rehefa azonao antoka fa manana Ilay Mandrakizay ao aminao ianao dia hahay hanavaka hoe inona no karazam-pomba fotsiny izay tsy tokony hasiana adihevitra sy ny hoe inona no vontoatin"ny fahamarinana.
Ny vontoatin"ny fahamarinana dia ny Mandrakizay izay iainan'ny olon-drehetra ary io no maha-IRAY azy ao amin'ny RAY.
Raha diso miherikerika amin'ny fifandroritan-kevitra tsy misy vontoatiny dia tafaroboka ao anatin'ny honahonan-kevitra fotsiny izay poakaty ny Kristiana.
Rehefa azonao antoka fa manana Ilay Mandrakizay ao aminao ianao dia hahay hanavaka hoe inona no karazam-pomba fotsiny izay tsy tokony hasiana adihevitra sy ny hoe inona no vontoatin"ny fahamarinana.
Ny vontoatin"ny fahamarinana dia ny Mandrakizay izay iainan'ny olon-drehetra ary io no maha-IRAY azy ao amin'ny RAY.
Raha diso miherikerika amin'ny fifandroritan-kevitra tsy misy vontoatiny dia tafaroboka ao anatin'ny honahonan-kevitra fotsiny izay poakaty ny Kristiana.
![](https://avatar.serasera.org/d9b86bf2c5af2ec33d00a025ab6a43fa.jpg)
15. RBNIR
(
28/09/2011 05:03)
eveil:
Tena tsy mazava mihitsy ny atao hoe fahamarinana, marina moa..
Faly miarahaba namana,
Araka ilay teny ery ambony ery, dia antony nahatongavan'i Jesosy Tompo tety an-tany dia hanambara ny "MARINA".
Mino an'i Jesosy v ianao? aza mitady fahamarinana hafa afa-tsy izay rehetra nolazainy àry raha izany.
Aiza no ahitana ireo zavatra rehetra nolazainy ireo ankehitriny? Valiny : AO ANATY SORATRA MASINA NA NY BAIBOLY.
Samy ho tahin'ny Tompo namana
![](https://avatar.serasera.org/d9b86bf2c5af2ec33d00a025ab6a43fa.jpg)
16. RBNIR
(
28/09/2011 07:15)
Miharena:
nefa amiko tokana ny marina ary tokana ny sitrapon'Andriamanitra dia ny hahatonga ny olon-drehetra hahatsapa fa zanaNY ary zanany rahateo daholo isika hatrizay nanorenana izao rehetra izao.
Eny àry namana Miharena,
Ho an-tsika izay efa mahatsapa fa "zanany" na koa hoe "mpanompony" ity hafatra ity.
« Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon'ny maro, aminareo, ry mpisorona, izay manamavo ny anarako. nefa manao hoe: Amin'inona no anamavoanay ny anaranao? » (Malakia 1:6).
Tsy hoe zanaka akory isika dia izay tian-tsika atao ny atao ka dia tsy hanaja ny sitrapony rehetra intsony isika. Izay no antony nitenenan'i Jesosy Tompo ity teny ity namana :
« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 7:21).
Raha tianao marina ny fiainana mandrak'izay, dia manoro hevitra anao aho hanao ny sitrapon'Andriamitra rehetra fa tsy mpandainga i JEsosy Tompo namana.
Samy ho tahin'i Jesosy Namana.
![](https://avatar.serasera.org/57d255e539572e27b60ab8098dea07e9.jpg)
17. Miharena
(
28/09/2011 07:47)
Eo amin'ny resaka hoe manao izay tiana hatao RBNIR dia tsy tokony hitombina intsony rehefa manana ny RAY ao anaty. Miaina amin'ny fiheverana mahitsy ny olona na inona na inona no mitranga eo anoloan'ny fiainany rehefa mahazo ary mizara izany ho an'ny hafa mba hirindra ao amin'ny Fitiavana tanteraka ny fiarahamonina arak'izay tena sitrapon'ny Tompo.
![](https://avatar.serasera.org/d9b86bf2c5af2ec33d00a025ab6a43fa.jpg)
18. RBNIR
(
28/09/2011 12:19)
Miharena:
Eo amin'ny resaka hoe manao izay tiana hatao RBNIR dia tsy tokony hitombina intsony rehefa manana ny RAY ao anaty.
Manana ny Ray ao anaty : nahazo Fanahy Masina ianao izany. Dia tokony handeha araka ny lalàn'Andriamanitra sy hitandrina ny fitsipiny sady manaraka izany ianao izany satria izay no antony hanomezana ilay Fanahin'Andriamanitra.
« Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Ezekiela 36:27).
Tokony ho tanteraka eo amin'ny fiainanao ireo lalàn'Andriamanitra sy ny fitsipiny rehetra.« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Matio 5:17).
Samy ho tahin'ny Tompo namana
![](https://avatar.serasera.org/57d255e539572e27b60ab8098dea07e9.jpg)
19. Miharena
(
28/09/2011 15:48)
« Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Ezekiela 36:27).
Misaotra an'i RBNIR nampahatsiahy ity fehezanteny ity. Io indrindra no fahamarinana fototra ary ny fivelomana ny didin'Andriamanitra dia tsotra rehefa iresahaNY mivantana isika isanandro ary tsy hozongozonin'ny firehan-kevitra fa tsotra miaraka AMINY izay RAY iraisan'ny rehetra ka tanteraka ao anatin'ny Fitiavana.
Mijoro sy manana izay banjinina isika rehefa manana io fomba fiheverana ny maha-zanak'Andriamanitra io ary mahay mihaino AZY tsara ary manana fahaiza-manavaka izay fahadisoam-piheverana rehetra.