INONA NO MARINA?
21. Miharena
(
29/09/2011 16:01)
Rijadolly,
Raha ny fanontaniana apetrakao dia milaza mari-pandrefesana ny lasa. Ny tena azo antoka anefa dia tsy misy fotoana ny maha-ao anatin"ny olombelona an'Andriamanitra satria ao anatin"ny rehetra IZY na omaly na anio ary mandrakizay. Ka fanontaniana tsy mitombina no fahitako ny fanontaniana milaza mari-potoana io.
Inona moa no tanjon'ny fanahy ? tsy ny miaina ankehitriny mandrakizay ve ?
Rehefa tonga amin'ny fahafenoam-piheverana dia tsy misy intsony ny mari-pandrefesana sy ny fitadiavana hoe tamin'ny oviana no nandraisana izany fahalalàna an'Andriamanitra izany satria IZY mihitsy no mampahafantatra isanandro fa ao anaty ary ivelomantsika amin'ny alalan'ny fisiantsika sy izay rehetra manodidina antsika.
Ilay fitodihantsika ivelany mitady AZY dia tsy ahitantsika AZY mandrakizay. Fa rehefa mitosika anaty isika ary mahafantatra tsara fa manerana IZY dia mazava ny lalantsika ary miorina ao ampontsika isika ary mari-pototra tanteraka ao AMINY ary IZY ao amintsika.

22. rijadolly
(
29/09/2011 17:57)
raha manahirana an'se aza ny fanontaniako teo, dia ovaiko indray, Maninona ny olona sasany no tsy mahatsapa izany fisian'Andriamanitra ao anatiny izany mihitsy? Dia mety mbola tsy mahazo valiny ve aho amin'izay? raha mbola tsy mahazo valiny dia ovaiko indray ny fanontaniako.
23. Miharena
(
30/09/2011 07:19)
Raha io fanontaniana io indray dia tsy mitombina ihany koa satria isika dia tsy afaka ny hilaza raha mijery olona iray fa tsy ao anatiny Andriamanitra. Raha vao milaza fotsiny isika ka manaiky fa Andriamanitra no Fototra isian'ny Voary rehetra dia efa ao anatin"ny olona rehetra IZY.
Iraisana io famaritana io eo amin'ny rehetra fa ny hany hita sy tsapa fotsiny dia tsy heverin"ny rehetra io fahalalàna io fa misy manodinkodina amin'ny resaka fombafomban'Andriamanitra izay faritantsika olombelona ihany arakaraka ny vanim-potoana sy izay endrika heverin'ny saina voafetra ananantsika ny momba AZY.

24. RBNIR
(
30/09/2011 08:01)
Miharena:
Ny tena azo antoka anefa dia tsy misy fotoana ny maha-ao anatin"ny olombelona an'Andriamanitra satria ao anatin"ny rehetra IZY na omaly na anio ary mandrakizay. Ka fanontaniana tsy mitombina no fahitako ny fanontaniana milaza mari-potoana io.
Faly miarahaba namana,
Efa ela be no efa niala tao amin'ny olombelona ny Fanahin'Andriamanitra « Ary hoy Jehovah: Tsy mba hanapaka mandrakariva ao amin'ny olona ny Fanahiko, fa amin'ny faniavany dia nofo izy; nefa ho roa-polo amby zato taona ny androny. » (Genesisy 6:3)
Ary taty aoriana B indray Andriamanitra vao nanana fikasana ny handatsaka indray ny Fanahiny amin'ny olona.
« Ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany. » (Joela 3:2)
« Ary amin'ny andro farany, hoy Andriamanitra, No handatsahako ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy; » (Asan'ny Apostoly 2:17)
« Ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, Dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany, Ka dia haminany izy; » (Asan'ny Apostoly 2:18).
Milaza zavatra mbola ho avy ny teny hoe "handatsahako"eto (Futur). Raha toa ka efa ao anatin'ny olona ny Fanahin'Andriamanitra tsy hiteny toy izany Andriamanitra.
Ary noporofoin'i Jesosy fa tsy nanana ny Fanahin'Andriamanitra tokoa ny olona satria hoy Izy tamin'ireo mpianany.« Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra*; fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy. [* Izahao 14.16] » (Jaona 16:7).
Ary mbola nohamafisiny io : « Ary raha niara-niangona* teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala an'i Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan'ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy; » (Asan'ny Apostoly 1:4).
« fa Jaona nanao batisa tamin'ny rano; fa ianareo kosa hatao batisa amin'ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy. » (Asan'ny Apostoly 1:5).
Dia tanteraka tamin'ireo mpianany ireo tokoa io Teny io andro vitsivitsy taty aoriana.« [Ny nilatsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny Andro Pentekosta, sy ny tori-teny nataon'i Petera tamin'izany] Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra. » (Asan'ny Apostoly 2:1)
« Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy. » (Asan'ny Apostoly 2:4).
Ny olona nomena ihany no afaka milaza fa manana ny Fanahin’Andriamanitra.
Ny Fanahin’Andriamanitra anefa tsy maintsy hangatahin’ny olona ary tsy maintsy hataony izay hahazoany Azy raha tena tiany tokoa ny Fiainana mandrak'izay noho ireto antony 2 lehibe ireto :
1- Tsy hahavita mihitsy ny sitrapon’Andriamanitra ny olona raha tsy manana ny Fanahiny (Eze.36:27). Takian’Andriamanitra anefa ny tsy maintsy hanaovana ny Sitrapony mba hahafahan'ny olona hiditra ao amin'ny Fanjakany (Mat.7:21).
2- « Fa ianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitœtra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy. » (Romana 8:9). TSY AN'I KRISTY IZAY TSY MANANA NY FANAHINY. REHEFA TSY AZY DIA AN'IZA???
Samy ho tahin’ny Tompo namana
25. Miharena
(
30/09/2011 14:05)
Misaotra an'i RBNIR namelambelatra izay voalaza ao anaty Baiboly.
Ny hany misy fanamarihana kely fotsiny amin'ny famelabelaranao dia ny filazana ilay resaka mbola ho avy (futur) ao anaty Baiboly. Ny mahagaga eo amin'ny fisainan'ny olombelona rehefa mamaky io Baiboly io dia zary tonga dia mandray izay voalaza ao izy na amin'ny fotoana inona na amin'ny fotoana inona ka raha mamaky fe-potoana ho avy izy na tamin'ny taonjato faha-6 na amin'izao fotoana izao dia milaza hatrany fa ho avy izay voalaza fa tsy izao ankehitriny izao.
Io no hitako mahatonga fisalasalàna etsy sy eroa satria tsy misy manapa-kevitra hoe ankehitriny ny famonjena rehefa avy mamaky ny Tenin'Andriamanitra ary io no anaovan'ny mpaminany sandoka kilalao ireo olona tarihina etsy sy eroa ka ilazany fa mboa ho avy io fisian'ny Fanahy manerana io.
Ny Mandrakizay tsy voafetran'ny vanim-potoana ary izany no maha-diso fihevitra ny olona mbola mamaritra ho avy fa tsy mahay miaina feno ny ankehitrininy ao amin'ny Tompo Tsitoha.
Ny fampianarana no misy mandringa amiko RBNIR ary mila manapa-kevitra mandray ny ankehitrinintsika isika fa tsy tokony ho voafehin'ny tantara intsony raha ny momba ny fiainana mandrakizay no resahana.
Eo amin'ny resaka fanapahan'Andriamanitra ny fanahy dia fantatsika fa ny nofo sy ny fanahy dia mifanipaka, ny voalohany mety ilaozana ao anatin'ny fotoana voafetra fa ny faharoa tsy afaka ilaozanao mandrakizay satria izany indrindra no nanaovan'Andriamanitra azy dia ny hitovy AMINY manana ny mandrakizay.
Eo amin'ny farany moa RBNIR dia mbola miresaka ilay fisarahana nefa eo aloha dia efa voalaza mazava ny tenin'Andriamanitra millaza fa ho ao anatin"ny nofo rehetra ny Fanahiny.
Fanapahan-kevitra eo amin'ny olombelona hanaiky izay voalaza no mahatanteraka io Teny io ary amiko dia tsy voafetran'ny fotoana io satria hoy i Kristy izay hoe : na ny zanaka aza tsy mahalala raha nanontaniana ny hiavian'ny andro Izy. Ny zava-tsimisy eo AMINY dia tsy azony valiana satria tsy voafehin'ny fe-potoana Izy ka hanambara amin'ny olona manontany azy hoe amin'izao fotoana izao, na koa hoe ary na eroa ny Tompo. Tsy misy fetra Izy tsinona ka tsy afaka mamaly mihitsy fanontaniana tsy mitombina Aminy eo amin'ny sehatra misy Azy.
Koa raha misaina sy mikatsaka ny mandrakizay dia tsy amin'ny zava-boafetra no ametrahana ny fomba fiheverana fa amin'ny mandrakizay ary miainga avy amin'io avokoa no entina manamarina ny hevitra ijoroan'ny tena.

26. RBNIR
(
03/10/2011 14:20)
Miharena:
Misaotra an'i RBNIR namelambelatra izay voalaza ao anaty Baiboly.
Ny hany misy fanamarihana kely fotsiny amin'ny famelabelaranao dia ny filazana ilay resaka mbola ho avy (futur) ao anaty Baiboly..
Faly miarahaba namana miharena,
Ny tiako ambara amin'ilay futur dia tamin'ny fotoana nitenenan'Andriamanitra dia mbola futur ilay fotoana, izay no ahafahana manambara tamin'ny fotoana nitenenany hoe handatsaka izy dia tsy tao amin'ny olona akory ny fanahy (io ilay mifanohitra amin'ny heverinao raha azoko tsara ny tianao ampitaina eto).
Nanomboka tamin'ny andron'ny apostoly kosa no fahatanterahan'ilay teny fikasana ary mbola mitohy io mandraka androany, fa saingy miala tsiny fa tsy ny "nofo rehetra" rehetra akory no mandray azy io fa ireo izay nataon'i kristy Batisan'ny Fanahy Masina ihany.
Samy ho tahin'i JEsosy namana
27. RBNIR
(
03/10/2011 15:09)
RBNIR:
Nanomboka tamin'ny andron'ny apostoly kosa no fahatanterahan'ilay teny fikasana ary mbola mitohy io mandraka androany, fa saingy miala tsiny fa tsy ny "nofo rehetra" rehetra akory no mandray Azy io fa ireo izay nataon'i kristy Batisan'ny Fanahy Masina ihany.
Hanamarinako io teny io dia tsy ny jiosy rehetra akory no nahazo ny Fanahy Masina fa ireo mpianatr'i ny Tompo irery ihany. Dia toy izany no mbola misy amin'izao fotoana izao namana.
Tsy hoe tsy natao ho an'ny rehetra akory ny Fanahy Masina, fa saingy "izay mangataka no homena", "izay mandodona no hovahana".
Rehefa mandondona dia tokony handondona "mafy dia mafy tokoa ary tsy mijanona raha tsy mahazo" vakio ity ohatra ity : « Ary nisy mpitondratena tao amin'izany tanàna izany, izay nankao aminy matetika ka nanao hoe: Omeo rariny aho amin'ilay manana ady amiko. » (Lioka 18:3)
« Ary tsy nanaiky izy aloha; fa rehefa afaka izany, dia nanao anakampo hoe izy: Na dia tsy matahotra an'Andriamanitra aza aho sady tsy mena-maso olona, » (Lioka 18:4)
« mba homeko rariny ihany io mpitondratena io, fa manahirana ahy izy, fandrao ho avy mandrakariva izy ka hampahasosotra ahy. » (Lioka 18:5).
Olona loza B toy izany aza mahay manome olona ka mainka fa Andriamanitra izay Tsara sady Marina.
« Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman'alina, ary moa hitaredretra va Izy? » (Lioka 18:7)
Vakio tsara ihany anefa fa hoy ny teny hoe "mitaraina aminy andro aman'alina" Tsy ampy ny mivababavaka fa ny "tena mivavaka no ilainy".
"Izay manantsofina aoka izy hiaino".
Samy ho tahin'i Jesosy namana.
28. Miharena
(
04/10/2011 05:04)
RBNIR:
ireo izay nataon'i kristy Batisan'ny Fanahy Masina ihany.
Tsara angamba RBNIR raha apetraka tsara hoe toy ny ahoana no anaovan'i Kristy ity Batisan'ny Fanahy Masina ity amin"izao fotoana izao. Tamin'ny andron'i Jaona manko dia nanaiky aloha IZY ny hatao batisa amin'ny rano fa i Jaona kosa niresaka tamin'ny manodidina azy fa i Kristy no hanao batisa amin'ny Fanahy. Ka ilay endrika fanaovaNY azy mihitsy no hitako tsy ampahafantarin'ny mpizara na ny mpitory.
Ary raha eo ihany isika, dia misy ireo olona izay nisehoan'i Kristy ary nampianariNY taty aoriana (ohatra ireo Mpifoha eto amintsika eto Madagasikara tamin'ny taonjato faha-19 - 20).
Misy tamin'ireo olona tsy mahalala Azy akory nefa nisehoany. Ny fanontaniana dia hoe : miantefa amin'iza marina moa ity batisa Fanahy Masina ity?
Tsy mino ve RBNIR fa ho tonga ny fifohazan'ny olon-drehetra ka hahatsapa an'i Kristy ao anatiny noho ny fikasan'Andriamanitra efa voasoratra?
Izany hoe, rehefa miteny Andriamanitra hoe ny nofo rehetra na koa hoe izaho ho Andriamaniny ary izy ho oloko, misy fanavahana araka antoko ve izy io? Very ve ny Endrik'Andriamanitra ao anatiny? Ary raha mamaly isika dia aoka tsy ho tsianjery ao anaty Baiboly no hamaliana azy ity fa manjary very ny lojika fototra rehetra.
29. RBNIR
(
04/10/2011 05:41)
Miharena:
RBNIR:
ireo izay nataon'i kristy Batisan'ny Fanahy Masina ihany.
Tsara angamba RBNIR raha apetraka tsara hoe toy ny ahoana no anaovan'i Kristy ity Batisan'ny Fanahy Masina ity amin"izao fotoana izao.
Faly miarahaba namana,
Saro-pady B ity resaka Fanahy Masina ity noho ity teny manaraka ity namana « fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin'ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy, » (Marka 3:29).
Ny azoko atoro anao dia mba araho ilay fandaharana ao amin'ny télé jery isa-maraina fa ampianarina mazava tsara any io ary ora vitsivitsy no nomen'Andriamanitra ho antsika amin'izany. Ireto indray no andro ahitanao azy io ankehitriny : Alarobia-Alakamisy-zoma ary Sabotsy isa-maraina amin'ny 5ora ka hatramin'ny 6ora ihany.
Hafatra : tsy miova ny fomba hanomezan'i Jesosy ny Fanahy Masina fa mitovy tsy misy hafa tamin'ny nanomezany Azy tamin'ireo Apostoly sy ireo olona rehetra nahazo ao anaty Baiboly
Samy ho tahin'ny Tompo namana
30. Miharena
(
04/10/2011 06:02)
Inona no marina moa ny loha-hevitra nosokafanao RBNIR ary eo isika no mila mamakafaka marina ahafahana manana tsoa-levitra matotra.
Ka raha araka ny valinteny eo ambony dia mbola misy fisalasalana noho ny tanisa iray nalainao tao anaty Baiboly ao aminao. Miteraka sakana ny amin'ny fizaranao io tanisa nataonao io.
Tsy azo ambara mazava ve ny zavatra efa azonao fa tsy mandefa ny mpamaky hihaino fandaharana izay mety tsy ho arany akory ?

31. RBNIR
(
04/10/2011 06:13)
Miharena:
Ka raha araka ny valinteny eo ambony dia mbola misy fisalasalana noho ny tanisa iray nalainao tao anaty Baiboly ao aminao.
Baiboly ato amiko . Ny tianao tenenina v tsy misy an'io ny Baibolinao namana??
32. RBNIR
(
04/10/2011 06:18)
Miharena:
Tsy azo ambara mazava ve ny zavatra efa azonao fa tsy mandefa ny mpamaky hihaino fandaharana izay mety tsy ho arany akory ?
Efa nambarako anao teo ny antony namana saropady B hoy aho. Ary fitiavako namana no tsy hidirako lalina amin'io lohahevitra iray io noho ilay tenin'Andriamanitra eo ambony eo io.
Fa raha tena mangetaheta ianao dia manaova dingana namana jereo ilay fandaharana.
Samy ho tahin'i Jesosy Namana
33. Miharena
(
04/10/2011 13:24)
Baiboly ato amiko . Ny tianao tenenina v tsy misy an'io ny Baibolinao namana??
Tsy azonao angamba ny fanamarihako.Ilay fisalasalna ao anatinao nateraky ny teny notsimponinao tao anaty Baiboly no resahako namana fa tsy hoe tsy misy io teny io ny Baiboly vakiako.
Ny tiana ambara dia afaka mizara izay fantatrao fa tena fahamarinana ianao rehefa mahazo fa tsy handefa ny olona hihaino mpitory izay nohenoinao. Anisan'ny ahafantarana manko izany hoe azonao tsara izay nolazain'ilay mpitory ka mahavelom-panantenana sy mahaliana ny fihainoana azy avy eo.
Ao anaty ny finoana ka hita taratra amin'ny firesakao daholo hoe marim-pototra tsara ianao rehefa manana AZY. Izany hoe iray feo amin'Andriamanitra sy Kristy tokoa.
34. RBNIR
(
04/10/2011 13:38)

Misaotra anao namana,
Saingy aoka tsy hoadinonao fa mila "fahendrena" ny fitoriana ny tenin'Andriamanitra.
"Fanamelohana mandrak'izay no anjaran'ny mpiteny ratsy ny Fanahy Masina hoy ny Teny". Tiako ny namako ka tsy ataoko kitoatoa ny fitoriana ny Fanahy Masina eto (sao hisy hiteniteny foana raha tsy mahazo). Mila fahaizana sy fanazavana tsara ny mitory izany fa tsy ataotao foana. Ora vitsy no nianarako an'izany ary nazava tamiko tokoa.
Raha hizara aho, dia izay nozaraina tamiko no hozaraiko, koa manasa ny olona aho mba hijery izay ampitiavana.
Samy ho tahin'ny Tompo isika
35. Miharena
(
04/10/2011 14:01)
Eny RBNIR a! manana valiana hatrany moa ianao namana ary io no isan'ny toetra iray izay hita taratra matetika amin'ny olombelona. Ny ankapoben'ny fahalalàna natobintsika ao anaty ihany moa no mahatonga ny fivoahan'ny famehezan'-dresaka ataontsika.
Ny ahy dia tsy mionona amin'ny fandrenesana fa miaina ary mizara no ataoko rehefa tsapako tsara ilay fahamarinana anaty ifotorako ary inoako fa ifotoran'ny namana marobe eto ambonin'ny tany ary azony tsara ny fandraisana azy araka ny fizaràna atao.

36. RBNIR
(
05/10/2011 14:23)
AVERIKO NY LOHAHEVITRA NAMANA ISANY FA MITADY HO HS B LOATRA :
1- « Hoy Pilato taminy: Inona no marina? ........ » (Jaona 18:38)
Valiny ? efa novalian'i Jesosy Tompo : « ............., ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. ...... » (Jaona 18:37)
Ny marina araka izany dia izay rehetra nambaran'i Jesosy Tompo.
2- Avy tamin'iza ny marina izay nambarany? « Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jaona 7:16)
Mazava B io avy tamin'Andriamanitra.
3- Aiza no ahitana izany marina avy amin'Andriamanitra izany ankehitriny?
« Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Timoty 3:16).
« fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; » (2 Petera 1:20)
« fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. » (2 Petera 1:21)
Araka ireo teny ireo dia mazava B fa dia ny Soratra Masina (na ny Baiboly ankehitriny) dia avy tamin'Andriamanitra.
Raha hitady ireo marina avy amin'Andriamanitra isika arak'izany dia aza maka lavitra fa ny Baiboly irery ihany.
Ary araka ireto teny ireto:
« Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo, ary aza anesoranareo, fa tandremo ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo izay andidiako anareo. » (Deotoronomia 4:2) (TESTAMETA TALOHA)
« Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin'ity boky ity ho azy; » (Apokalypsy 22:18)
« ary raha misy manaisotra amin'ny teny amin'ny bokin'ity faminaniana ity, dia hesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy amin'ny tanàna masina, dia izay zavatra voasoratra eto anatin'ity boky ity. » (Apokalypsy 22:19) (TESTAMETA VAOVAO)
Araka ireo dia tsy azo ampiana na anesorana ny didin'Andriamanitra fa tanterahina araka izay efa notakiany sy voasoratra ihany .
Samy ho tahin'ny Tompo anie isika rehetra

37. Miharena
(
05/10/2011 14:51)
Ny tianao ahatongavana amin'ny fitoriana RBNIR no mba tiako asianao tanjony.
Raha miresaka ohatra ianao momba ny Deotoronomia dia ireo didy marobe nomen'Andriamanitra ny Jiosy no voakasik'io teny io. Raha tonga ao amin'ny Apokalypsy indray ianao dia ireo zavatra hihatra amin'izao tontolo izao no voakasik'io teny io hoe tsy azo anampiana ary tsy azo analàna.
Ka izany no mahatonga ahy hilaza hoe inona no tiana ahatongavana.
Isika indraindray dia maka teny ao anaty Baiboly izay tsy mifandraika intsony amin'ny vanim-potoana iainana ankehitriny. Anisan'izany ireo teny ireo, satria teny voasoratra ireo ka iza no hanan-kevitra ny hanaisotra na hanampy izay voalaza ao anaty Baiboly? Ny azon'ny olona atao ankehitriny dia ny mandika ny hevitry ny teny arak'izay fahazoana azy avy sy ny mampifandray izay voalaza amin'ny zava-misy ankehitriny fa tsy hisy na dia iray aza hanan-kevitra hanala na hanampy.
Ny familiviliana ny teny arak'izay tiana hamatorana ny hafa ho ao anatin"ny finoana tarihin'ny mpitarika samihafa no misy ary maro tsy tambo isaina ny manao izany.
Ny hany mba tiako hananarana antsika dia ny tsy ho tafiditra ao anatin"ny kilasin'ny mpiampanga isika rehefa mampiasa ny teny ao anaty Baiboly fa mba manazava araka fantatsika fa fahamarinana voizin'ny teny ka mamelona sy mampitombo ny fahalalàna ara-panahy.

38. RBNIR
(
05/10/2011 15:17)
Miharena:
Ny familiviliana ny teny arak'izay tiana hamatorana ny hafa ho ao anatin"ny finoana tarihin'ny mpitarika samihafa no misy ary maro tsy tambo isaina ny manao izany.
Tena izay v no mba tsapan'ny namana amin'ireo teny ireo? tena mampalahelo B izany namana, nefa raha mandinika tsara ange namana dia miezaka tsy manao commentaire lava B mihitsy aho fa dia hezahiko hazava aminy fomba tsotra dia tsotra sady fohy dia fohy namana e!
Mitarika ny olona hianatra sy hanao ny Sitrapon'Andriamanitra aho namana a!(Izay manao ny sitrapon'Andriamanitra ihany no hovonjena hoy ny Teny ao amin'ny Mat.7:21)(araka izay voaasoratra ao anaty Baiboly ihany koa an izay ilay hoe tsy azo hanampiana na analana) Izay ihany no tanjona teto hatramin'izay ka hotohizako hatrany.
«Tsy hangina Aho noho ny amin'i Ziona, Ary tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin'i Jerosalema, mandra-piposaky ny fahamarinany tahaka ny famirapiratry ny mazava, ary ny famonjena azy tahaka ny fanilo mirehitra. » (Isaia 62:1)
Samy ho tahin'ny Tompo anie isika rehetra namana.
39. Miharena
(
07/10/2011 16:16)
Raha somary mivoaka kely ianao namana RBNIR mamaky hafatra momba ny Ziona sy Jerosalema any amin'ny site hafa toa ny terre nouvelle na autres dimensions dia ho lalina kokoa ny finoanao ary ho fantatrao ny zava-mitranga ary tsy hilomano anatin"ny tanisa tsy ampy fanazavana ianao namana.
40. RBNIR
(
10/10/2011 06:31)

Izay izany no tena tsy hitovizan-tsika namana satria ny ahy ny tanjoko ny mba ho "epistily velona " sy hitaona ny olona hanao toy izany koa. Izay no antony ireo tanisa izay ifampizarana namana "mba tsy hanaovana sy hizarana zavatra "DISO" eo anatrehan'Andriamanitra.
Andriamanitra no hitsara ahy ka noho izany dia izay nomeny no hotanterahiko. Ary ny nomeny dia izay voarakitra ao anaty Baiboly na koa Soratra Masina ihany aloha hatreto.
Samy ho tahin'ny Tompo namana