INONA NO MARINA?

41. Miharena ( 10/10/2011 07:33)
Ilay fizarana zavatra DISO araka ny voalazanao namana dia mifototra amin'ny mari-pandrefesana heverina fa ao anaty Baiboly ihany. Asa namana raha mizara resaka matematika na fizika isika dia azo kilasiana amin'ny zavatra DISO ve izany?

Toy izany koa, raha miresaka ny Silamo na ny Boudhiste, na ireo marobe nisehoan'i Kisty aty aoriana ka manome hafatra vaovao tanteraka arak'izay fandalinana sy faminaniana azony, azontsika avy hatrany kilasiana ao anatin'ny zavatra diso ve izany eo anatrehan'Andriamanitra?

Fandalinana no aroso eto namana ary izany no mahatonga an'i Kristy hilaza hoe fantaro ny marina ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.

42. RBNIR ( 10/10/2011 07:49)
Miharena:

Tena tsy azonao marina ny hafatra tiako ampitaina teto amin'ity lohahevitra ity namana. Ny HAFATRA DIA HOE NY MARINA DIA IZAY VOASORATRA AO ANATY BAIBOLY NA SORATRA MASINA IHANY, TSY AZO AMPIANA TSY AZO ANALANA.
Ny kristiainina namana tsy mitory afats'i Jesosy kristy ary dia mino fa NA IZA NA IZA tsy manana an'i Kristy ho very izy (baiboly no nanambara an'io fa tsy izaho an).
Tsara mianatra ny mikasika ny atao hoe " saindalin'i satana ianao ". Io ny fitaka farany ataon'i satana handrendrehana izao tontolo izao ary ny tanjony dia tokana, hitaona ny olona tsy hanao ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fampianarana "toa marina" nefa tsy marina akory.

Samy ho tahin'ny Tompo namana

43. Miharena ( 10/10/2011 08:46)
RBNIR:

Tsara mianatra ny mikasika ny atao hoe " saindalin'i satana ianao ". Io ny fitaka farany ataon'i satana handrendrehana izao tontolo izao ary ny tanjony dia tokana, hitaona ny olona tsy hanao ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fampianarana "toa marina" nefa tsy marina akory.

Miala tsiny aloha namana RBNIR raha toa ka noheverinao fa tafavoaka ny vala namaritanao azy voalohany ny lohahevitra.

Raha io resaka ataonao momba ny saindalin'i Satana io dia efa manana betsaka aho matoa manazava ny zava-misy toy ny lohahevitra hoe zanak'i Satana daholo ny olombelona.

Ny hany tiako hotsindriana fotsiny dia hoe i Kristy ankehitriny no toriako fa tsy IZY tamin'ny taona voalohany nahatongavaNY teto an-tany ary Izy no manambara izay lazaiko eto.

Tsy hoe mitaona olona koa aho satria tsy izany no fandraisako ny fitoriana fa fizarana fiainana no andraisako azy ary izay mandray dia manana be dia be afaka hizara amin'ny namany indray. Tsy fitaomana izany fa fampahiratana ny masom-panahy hibanjina ny marina ankehitriny dia ny fandravana ny rindrina mampisaraka amin'Andriamanitra Ray dia ireo hevi-diso maro noforonin'ny olombelona na nitaizan'i Satana azy ka zary lasa raiki-tapisaka tao aminy nampitsilopy ny Ain'ny Ray ao aminy efa hatrizay.

44. RBNIR ( 10/10/2011 08:52)

Miharena:

Ny hany tiako hotsindriana fotsiny dia hoe i Kristy ankehitriny no toriako fa tsy IZY tamin'ny taona voalohany nahatongavaNY teto an-tany ary Izy no manambara izay lazaiko eto.

Ka izay mihitsy anie no tsy hitovizan-tsika hoy aho e! Izaho ity manaraka ity no inoako.

« Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. » (Hebreo 13:8)

Samy ho tahin'ny Tompo namana a!
45. RBNIR ( 10/10/2011 09:15)
Miharena:

Tsy hoe mitaona olona koa aho

Izaho aloha mitaona mihitsy e! ary mbola hitaona foana foana. Saingy tsy hanabe isa ny fiangonana misy ahy fa kosa mba hianatra sy hanao ny MARINA.

Izay manao ny marina no Marina hoy ny Soratra Masina.

Tiako mba samy ho lasa MARINA daholo ny olona rehetra amin'izay faly Andriamanitra dia faly koa izaho satria ho voavonjy daholo.

Samy ho tahin'ny Tompo namana
46. rijadolly ( 10/10/2011 10:43)
Fitiavana Miharena no atolotray ho anao. Mba mihezà kely i se mamaky Baiboly dia hitan'se tsara ny marina ao anaty Baiboly. Ny olona manohitra ny Baiboly aza mamaky tsara ny Baiboly mba ahafahany manohitra ny ao. Ny tena tiako ho lazaina dia jereo tsara anie ny tenin'se raha tsy mifanohitra tanteraka izay lazain' Baiboly e! Miteny izao se io ambony io hoe
Miharena:

Ny hany tiako hotsindriana fotsiny dia hoe i Kristy ankehitriny no toriako fa tsy IZY tamin'ny taona voalohany nahatongavaNY teto an-tany ary Izy no manambara izay lazaiko eto.

RBNIR:

Ka izay mihitsy anie no tsy hitovizan-tsika hoy aho e! Izaho ity manaraka ity no inoako.

« Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. » (Hebreo 13:8)
Samy ho tahin'ny Tompo namana a!

Tsy indray mandeha i se no nanao izao.
Mahereza Miharena mamaky izay vao maka party na hanaraka izay voalazany na tsia, nefa mino aho fa rehefa mamaky tsara se dia resilahatra tanteraka. Mahereza e! Testameta vavao anombohana azy.
47. Miharena ( 10/10/2011 14:34)
Kristy tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Marina ny an'i RBNIR. Fa io tsy fiovana io akory tsy milaza fa tsy hanome izay tena fijoroana ho an'ny olombelona IZY araka ny Teniny hoe: fanoharana no nomena tamin'ny fotoan'androny fa ankehitriny kosa dia mazava no omena satria efa triatra ny lamba nampisaraka tamin'ny fotoana nahatanterahaNY ny asaNY teo ambonin'ny Hazo Fijaliana.

Raha ny famakiana Baiboly Rijadolly dia efa feno ary ny famakiana hafatra aty aoriana dia ahafahana manohana izay voalaza ao ka iainana fiainam-baovao miorina tsara amin'Andriamanitra sy ny maha-Kristy na koa zanak'Andriamanitra antsika.

Io tokana io no tantaraiko lalandava eto ary manazava izay tsy azon'ny olona amin'ny fanontaniana sasany koa aho.

Ataoko fa samy hifankahita any an-danitra avokoa isika rehetra namana.

Ny eto ambonin'ny tany fotsiny rehefa betsaka ny fiavonavonana sy ny fiheveran-diso dia manjary tsy misy ny fihainoana ny hafatra maro mampisokatra ny fon'ny olona hamiratan'ny mazava ao aminy izay lovan'ny fanahiny efa hatrizay nampisy azy (io ilay maha-zanak'Andriamanitra).

Koa aoka hifandray tanana namana fa aza dia mhevitra hoe isika ihany no marina rehefa mamaky Baiboly ka manaraka izay voalaza ao, fa aoka hiainana dieny izao ny maha-zanaka antsika olombelona rehetra dia hilamina ny hafatra nolazain'i Kristy hoe ny Fitiavana no lehibe indrindra.

Amim-panetren-tena sy fitiavana namana no ilazana izany fa tsy fitadiavam-boninahitra akory.
48. RBNIR ( 10/10/2011 14:47)
Voaray ny hafatra namana Miharena,

Nefa aza dia diso fandray ianao namana fa ireto no antony hitondrana tenin'Andriamanitra eto : « Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Timoty 3:16).

Samy ho tahin'ny Tompo namana
49. RBNIR ( 10/10/2011 15:51)
Miharena:

Raha somary mivoaka kely ianao namana RBNIR mamaky hafatra momba ny Ziona sy Jerosalema any amin'ny site hafa toa ny terre nouvelle na autres dimensions dia ho lalina kokoa ny finoanao ary ho fantatrao ny zava-mitranga ary tsy hilomano anatin"ny tanisa tsy ampy fanazavana ianao namana.

Andriamanitra moa dia nampianatra hoe « Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara. » (1 Tesaloniana 5:21) ka mba ho fanajana ny namana dia notsidihiko ilay hoe terre nouvelle.
Akory ny hagagako sy ny halaheloko ry namana fa dia sitrapon'Andriamanitra maro be no hitako voahosihosy ao,
Mahita voyance aho : nefa hoy ny Tompon-tsika hoe : « Aza mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra, na mitady saina amin'ny mpanao hatsarana, hahaloto anareo aminy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. » (Levitikosy 19:31)
Masina anie isika zanak'Andriamanitra namana e! inona no andotoanao ny tenanao any? Tempolin'Andriamanitra ianao ka tadidio fa ilay tranon'ny Fanahy Masina mihitsy no lotoinao : mieritrereta namana.
Mahita fivavahana boudhista aho (boudhista izay manana Andriamanitra hafa antsoina hoe Boudha) nefa ny Tompo efa nandrara hoe « Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. » (Eksodosy 20:3).
Miheritrereta namana : SAROPIARO ANIE JEHOVAH ANDRIAMANITRA E!

Miverena dia ny mbola misy ny fotoana namana, « Fadio ny fanao ratsy rehetra. » (1 Tesaloniana 5:22).

Misy ny zavatra tsy maintsy fadina namana (kristianina no notoriana io teny io ary efa niakatra tany an-kavanan'Andriamanitra kristy Jesosy vao nivaoka io teny io).

Samy ho tahin'i Jesosy anie isika rehetra

50. Miharena ( 11/10/2011 03:51)
Misaotra namana RBNIR raha namaky ianao aloha ary avy hatrany dia nanana ireo fomba fijery ireo.

Na eo amin'ny resaka Boudha aza dia manana fomba fijery hafa ianao fa tsy mitovy amin'ny fahalalako azy satria tsy Andriamanitra i Boudha na eo amin'ny Boudhiste aza fa toa an'i Kristy zoky no andraisan'ny boudhiste azy.

Raha ny momba ny hoe fahitana voyance dia tsy izay loatra no resahana ao fa fandraisan-kafatra iraisan'ny erana rehetra.

Ireto no zavatra tsy ampy amin'ny olombelona ankehitriny, ny fahalalana fa misy ary miresaka amintsika ireo anjely sy ireo olomasina maro ary koa i Kristy mazava ho azy, indrindra moa fa Andriamanitra.

Mety hilaza isika hoe manaiky tanteraka ny Baiboly nefa mandà ireo hafatra raha misy milaza fa nisehoan'i Jesoa na i Maria na i Elia, na i Petera sns... dia avy hatrany dia miondrika ao anaty Baiboly aloha maka teny hanakanana izay hafatra voambara. Tsy ilay hafatra intsony no raisina ary tsy hinoana intsony izay mahamarina ilay mpandefa hafatra fa tapaka eo ny fifandraisana namana.

Raha toa anefa ka Pasitera no miresaka amintsika dia avy hatrany dia ekentsika avokoa izay lazainy.

Mila manokatra ny fontsika isika namana ary mila fahalalàna mivelatra kokoa ary manaiky ireo mpitondra hafatra voasoratra ao anaty Baiboly vao azo lazaina fa mpanaraka ny Baiboly tanteraka fa raha Baiboly tsy miaina fa soratra fotsiny tsy misy fivainganan'ny vontoatiny dia poakaty ihany ny tempolin'Andriamanitra mitrandraka fiainana ao. Ary ny trandrahana namana dia fiainana fa tsy tsianjery momba ny fady sy zava-mampatahotra, na dia mionona amin'ny Baiboly aza ny fanovozam-pahalalantsika an'Andriamanitra.

Matoa koa isika mitady ny hahalala ny Mpamorona antsika dia te-hahafantatra antsika marina isika hoe inona no mandrafitra antsika sy ny asa tokony hovoizintsika, ka ireo hafatra ireo dia ampy hahafantarana bebe kokoa ny tena vontoatin"ny maha-zanak'Andriamanitra antsika.

Mila mandrava ny rindrim-by naorintsika noho ireo fady notompoina isika namana raha te handrombaka ny Fanjakan'ny Mazava na ny marina kokoa ny mampamiratra ny fanahy mandrakizay izay sombin'Andriamanitra ao anatintsika.
51. RBNIR ( 11/10/2011 05:30)

Faly miarahaba namana,
Tsy nahita fitoriana an'i Jesosy Kristy izay fototr'i ny finoana kristianina tao amin'ny site nolazainao aho namana fa dia ialako tsiny betsaka.

Atolotra am-pitiavana :

« Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin'ny tsy mino. Fa inona no iraisan'ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonana'ny mazava sy ny maizina? » (2 Korintiana 6:14)
« Ary inona no ifanarahan'i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan'ny anjaran'ny mino sy ny tsy mino? » (2 Korintiana 6:15)
« Ary inona no ikambanan'ny tempolin'Andriamanitra amin'ny sampy ? Fa isika no tempolin'Andriamanitra velona, araka ny nataon'Andriamanitra hoe: Honina eo aminy sy handeha eo aminy Aho, ary izy ho oloko (Lev. 26. 11, 12). » (2 Korintiana 6:16)
« Koa mivoaha eo aminy ianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho handray anareo. » (2 Korintiana 6:17)
« Ary ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha (Isa. 52. 11, 12). » (2 Korintiana 6:18)

Samy ho tahin'ny Tompo anie isika namana
52. Miharena ( 11/10/2011 08:14)
« Ary inona no ikambanan'ny tempolin'Andriamanitra amin'ny sampy ? Fa isika no tempolin'Andriamanitra velona, araka ny nataon'Andriamanitra hoe: Honina eo aminy sy handeha eo aminy Aho, ary izy ho oloko (Lev. 26. 11, 12). » (2 Korintiana 6:16)

Io Teny io no voizina ao amin'io site io dia ny maha-tempolin'Andriamanitra ny olon-drehetra tsy ankanavaka namana RBNIR.

Miala tanteraka amin'ny sampy isika rehefa mamaky hafatra ao ary miray tanteraka amin'Andriamanitra.

Ny fahazavana izay tsy azon'ny maizina honenana no toriana ao ary mifototra amin'io avokoa ny zava-drehetra lazaina ao namana. Raha tsy io fomba fijery tokana io no entina sy atao Fototra dia rava avokoa na ny Baiboly sy ny hafatra azo avy amin'io site io.

Tiako tsindriana ihany, raha tsy mamaky tanteraka ny Baiboly dia tsy hahazo izay ambara ao anatin'io site io.

Misy fahamarinana iainana ary miorim-paka tsara izay raisina ao anaty Baiboly ary hamafisina fa tsy izay ara-tantara ao anaty Baiboly intsony no iainana ankehitriny fa ny fitsidihan'Andriamanitra RAY Tsitoha izay maha-Kristy na zanak'Andriamanitra ny olon-drehetra tsy an-kanavaka. Izay no voizina ao anatin"io site lazaiko anao io namana.

Azonao vakiana ny lohahevitra momba ny Urantia nosokafan'i Didi10 dia hahafantatra ianao hoe inona no hafatr'i Kristy tamin'ny taona 1800 momba ny fampahafantarana an'Andriamanitra. Io no anisan'ny fototry ny site lazaiko anao. Ka asa hoe mizara fahamaizinana ho anao ve aho namana?
53. JAONARILALA ( 11/10/2011 08:17)
Ny fahalalana fototra mihitsy no diso amin'ny resaka finoana Kristianina, ohatra iray ao anatin'ny maro : Ny BAIBOLY dia tsy Tenin'Andriamanitra fa Soratra Masina! Dinihonareo tsara fa misy tenin'ny devoly ao, misy tenin'olombelona ao, misy tenin'Andriamanitra ao! Misy tantara ao, misy toy ny P.V. ao sns....
54. Miharena ( 11/10/2011 08:58)
Miarahaba ny namana Jaonariala.

Marina ny fanamarihanao ary ny fisafoana tantara dia tsy mampiaina ny maha-tempolin'Andriamanitra ny olona velively fa zary mitady an'Andriamanitra ivelan'ny tenany ny olombelona rehefa mamaky tantara izay ilazana fa tafasaraka tamin'Andriamanitra ny olombelona. Ny fanamarihana io fisarahana io anefa dia tsy hazavaina tsara araka ny tokony ho izy toy ny hoe fahadisoam-piheverana anie izany satria mitsipaka ny maha-Mpamorona Azy izay miaina ao anatin"ny olon-drehetra.

Tsy hoe mitsipaka ny voalaza ao tsy akory fa mila mahay manakilasy arak'io voambaran'i Jaonarilala io ny mpamaky ahafahany mandray ny FOTOTRA sy ny tantaran'ny fahadisoam-piheverana ary ny fanarenana mazava tiana ambara ao.

55. RBNIR ( 11/10/2011 09:02)

Miharena:

Miarahaba ny namana Jaonariala.

Marina ny fanamarihanao

Miharena, sao dia mba izaho no diso fandray hatramin'ny voalohany? Kristianina v ianao?

56. Miharena ( 11/10/2011 09:24)
Kristiana aho ary hireharehako ny maha-Kristiana ahy toa an'i Paoly nilaza hoe : tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko.

Tsy misy zava-dalina zaraiko eto tsy akory fa fahatsoram-piheverna ihany amin'ny maha-zanak'Andriamanitra ny olon-drehetra.
57. rijadolly ( 11/10/2011 11:07)
JAONARILALA:

Ny BAIBOLY dia tsy Tenin'Andriamanitra

EKSODOSY 3: 7 Ary hoy Jehovah: Efa hitako tokoa ny fahorian'ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon'ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony;
58. JAONARILALA ( 13/10/2011 07:54)
Ho an'ny namana RIJADOLLY!
Ao anatin'ny Baiboly
Misy Tenin'Andriamanitra ao!
Misy tenin'olombelona ao!
Misy tenin'i Satana ao!
Misy tantara ao!

Fa tsy Tenin'Andriamanitra ny Baiboly fa Boky mirakitra Soratra Masina
59. RBNIR ( 13/10/2011 08:03)

JAONARILALA:

Ho an'ny namana RIJADOLLY!
Ao anatin'ny Baiboly
Misy Tenin'Andriamanitra ao!
Misy tenin'olombelona ao!
Misy tenin'i Satana ao!
Misy tantara ao!

Fa tsy Tenin'Andriamanitra ny Baiboly fa Boky mirakitra Soratra Masina

Faly miarahaba namana,

Marina tokoa izany namana fa saingy Andriamanitra no nandrakitra izany rehetra izany tao anaty Baiboly araka ity teny ity :« fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; » (2 Petera 1:20)
« fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. » (2 Petera 1:21)

Samy ho tahin'ny Tompo namana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1457