NOFO, FOFONAINA(Aina), FANAHY, FANAHY MASINA
1. rijadolly
(
24/06/2011 19:44)
NOFO, FOFONAINA(Aina), FANAHY, FANAHY MASINA
Mba mangataka ho antsika rehetra hitondra hevitra na fanazavana ireo teny ireo aho raha azotsika atao, fa tena mifamaofao be loatra ato an-tsaina ny fomba fampiasa azy.
Misy fitoviana ve izy ireo sa zavatra samy hafa mihitsy?
Misaotra mialoha amin'ny fandraisana anjara.

novalian'i bichette ny 20/07/2011 20:18
2. rijadolly
(
25/06/2011 03:47)
Amin'izao fotoana anoratako izao dia efa nisy 20 latsaka kely sahady ny nitsidika ty Lohahevitra ity.Somary sarotsarotra ilay Lohahevitsika, nefa noho izay mihitsy ny antony hifanomezam-panazavana eto mba ahazava azy ireo misimisy kokoa.
Mandrosoa ento ny fanazavantsika na dia ny Nofo fotsiny ihany aza na ny iray amin'ireo dia efa mitarika ilay ady hevitra.

3. Miharena
(
25/06/2011 05:38)
Somary tsotsotra nefa mila fanekena matotra no itondrako fanazavana momba io loha-hevitra nosokafan'i Rijadolly io.
Ny TRINITE no avy hatrany dia apetraka, izany hoe fiasan'ny endrika telo izay iray, manana fiasa tokana saingy tsy afaka mandeha irery. Izany no manome INTEGRUTE na fahafenoana amin'ny asa rehetra maha-izy ny tenan'ny tsirairay na aiza na aiza erana misy. Fiasan'Andriamanitra ao AMINY sy ao amin'ny VOARINY tsirairay io fahafenoana io. Endrika fototra misandrahaka amin'ny voary misy ka rehefa mianatra my momba antsika isika dia mianatra azy.
Dia mizara toy izao izany isika olombelona:
1) Vatana = AINA, 2) Saina ao anatin'ny vatan'aina ary 3) Fanahy miahy ao anatin'izy rehetra. Raha tsy feno ireo dia tsy misy izao rehetra izao.
Izay aloha no fanokafana fa raha mila fanazavana dia miandalana eny ihany.

4. bor2lais
(
25/06/2011 12:09)
Ny ahy dia efa voalazako ny hevitro mikasika io lohateny io :
Fanamarihana kely fotsiny no entiko.
Rehefa zohina akaiky ny resaka mandeha dia conception roa samy hafa momba ny finoana ilay izy.
Ary izay no isan'ny mahafinaritra amin'itony sehatra itony : mahalala ny fomba fiainan'ny namana sasany ny finoany.
Raha tsy diso ny fitadidiako (ialako tsiny fa efa ho herintaona moa izao no "nahafantarako" azy teto amin'ity serasera ity) dia toy izao ny firehan'i Miharena :
1. Fofon'aiNY ao amin'ny Genesisy io = Fofon'aina nomen'i Jesoa ao amin'ny Filazantsara
Izany hoe Fanahy masina no nomen'Andriamanitra an'i Adama !
2. "Héréditaire" io Fanahy nomena an'i Adama io (fitohizan'aina hoy izy raha tsy diso aho) ary tsy mety maty.
Dikan'izay dia zanak'Andriamanitra daholo ny olombelona rehetra satria manana an'io Fanahy io ao anaty !
3. Izay no mahatonga azy milaza fa tsy misy ny helo, satria voavonjy daholo ny olombelona rehetra !
4. Amin'i Miharena ny fahotana dia endriky ny fatoriana ka aminy ny fahatsiarovantena na fibebahana dia fifohazana amin'izany torimaso izany !
Fehiny : toa ny "Genesisy" namoronan'Andriamanitra an'i Adama ihany angamba no iraisan'i Miharena amin'ny maro eto fa ny sisa dia tena "baiboly" hafa mihitsy ny azy !
Fandraisako azy io a ! :-)
izaho:
Ilay fofon'aiNY nomeNY an'i Adama ao amin'ny Genesisy ve mitovy amin'ilay fofon'aina nomen'i Jesoa ny mpianaNY ao amin'ny Filazantsara (izay tsy inona fa ny Fanahy Masina hoy Izy) ?
Ny "souffle de vie" sy ny "souffle d'Esprit" ve mitovy ?
Fanamarihana kely fotsiny no entiko.
Rehefa zohina akaiky ny resaka mandeha dia conception roa samy hafa momba ny finoana ilay izy.
Ary izay no isan'ny mahafinaritra amin'itony sehatra itony : mahalala ny fomba fiainan'ny namana sasany ny finoany.
Raha tsy diso ny fitadidiako (ialako tsiny fa efa ho herintaona moa izao no "nahafantarako" azy teto amin'ity serasera ity) dia toy izao ny firehan'i Miharena :
1. Fofon'aiNY ao amin'ny Genesisy io = Fofon'aina nomen'i Jesoa ao amin'ny Filazantsara
Izany hoe Fanahy masina no nomen'Andriamanitra an'i Adama !
2. "Héréditaire" io Fanahy nomena an'i Adama io (fitohizan'aina hoy izy raha tsy diso aho) ary tsy mety maty.
Dikan'izay dia zanak'Andriamanitra daholo ny olombelona rehetra satria manana an'io Fanahy io ao anaty !
3. Izay no mahatonga azy milaza fa tsy misy ny helo, satria voavonjy daholo ny olombelona rehetra !
4. Amin'i Miharena ny fahotana dia endriky ny fatoriana ka aminy ny fahatsiarovantena na fibebahana dia fifohazana amin'izany torimaso izany !
Fehiny : toa ny "Genesisy" namoronan'Andriamanitra an'i Adama ihany angamba no iraisan'i Miharena amin'ny maro eto fa ny sisa dia tena "baiboly" hafa mihitsy ny azy !
Fandraisako azy io a ! :-)
5. rekinbelo
(
25/06/2011 13:15)
jereo ao @ wikipedia na manaova fikarohana hafa ianao miharena de fantatrao tsara ny tantaran' ny Trinité,sy ny fotoana nampidirana azy tao anaty fivavahna kristianina. Maro lotra mantsy no manohana io dogme iray io
6. Miharena
(
25/06/2011 13:25)
Misaotra an'i Bor2lais amin'ny fanintinana fohifohy ny zohin-kevitra.. Mazava tokoa ary manana faharanitana tokoa ianao amin'ny famintinana ary tsy misy diso izay voalazanao.
Ny eo amin'ny hoe Baiboly hafa mihitsy dia tsy hoe manana hafa aho fa ireo ihany no eo fa ny fandinihana rehetra ny momba ny fitaizam-panahin'ny olon-drehetra eran-tany (tsy kristianina ihany) no ahitana tsikelikely izay lazain'ny Baiboly sy ny fahadisoam-piheverana amin'ny fanasarahana izay fitohizan'AINA izay efa lovan'ny velona rehetra.
Ny fahadisoam-piheverna no minia manasaraka hatrany io fitohizan'aina io ka nanjary nahatonga ny olona hiantso an'Andriamanitra lavitra azy fa tsy nifantoka tanteraka amin'ny fanahy efa iraisany amin'ny RAY izy. Izany no nahatongavan'i Kristy hitsapa sy hampahatsiahy hoe hatraiza no nivily fisainana ny olombelona sombin'ain'NY RAY IRAISANA.
Ka ireo fanazavana ireo ve àry Bor2lais dia tsy mifandraika mihitsy amin'ny Baiboly lazainao fa Baiboly hafa mihitsy no ahitana ireo? alohan'ny hahazona ireo tsoa-kevitra ireo manko dia mila mamaky tanteraka ny Baiboly sy ny soratra hafa rehetra misy momba ny fandalinam-pinoana eran-tany.
Dia izay no hany mba hampitaina mba tsy ho voarebireby amin'ny fanazavàna manjavozavo tsy hay raisina hoe aiza no niandohana ary aiza no hiafarana.
Mahereza daholo mitady ny marina e!

7. Miharena
(
25/06/2011 13:36)
Ilay trinité indray aloha Rekinbelo dia misy ny tsy mahafehy azy iainana isanandro ka izany no mahatonga azy ho lasa dogme araka ny filazanao. Rehefa hay tsara ny miaina amin'ny Trinité dia tsy dogme intsony izy fa mazava sy enti-miasa isanandro eo amin'ny fiainana iray manontolo (ny iray manontolo lazaina eto dia hatramin'ny fianantsika tsirairay mandrakizay). Tsy dogme no hanambarako azy fa lakile mamoha ny varavaran'ny fiainana rehetra.
8. rijadolly
(
25/06/2011 16:34)
Misy fahamarinany mihitsy ny tenin' Miharena hoe : "manana fiasa tokana saingy tsy afaka mandeha irery. Izany no manome INTEGRUTE na fahafenoana amin'ny asa rehetra maha-izy ny tenan'ny tsirairay na aiza na aiza erana misy."
Ny tsy azontsika lavina koa anefa dia mifanosika izy ireo, na mifampitaritarika mba hanaraka ny iray. Ary misy mihitsy ny tsy ho voatarika fa natokana hitarika.
Araka ny hevitro:
NY NOFO : dia karazana vongan-javatra fotsiny ihany, mety simba.
AINA : mamelona ny nofo
FANAHY : Mampihavaka anao izay tsy mampifangaro amin' hafa, maha rijadolly an' rijadolly fa tsy hitambarana amin' zavatr' hafa.
FANAHY MASINA : FANAHY avy any ivelan' tena, anisan' Hery Lehibe iray izay azon' ny tsirairay hanampina ny herin'tena(herin'nofo) izay marefo dia marefo.
Mbola hitohy...

9. Miharena
(
26/06/2011 01:52)
Miresaka fanahy ivelan'ny tena i Rijadolly amin'ny hoe Fanahy Masina. Izaho indray manao hoe ny fifohazana dia ny famirapiratan'ny Fanahy Masina ao anatin'ny tena. Jiro ao anatin'ny tenan'ny tsirairay io ary nofohazin'i Kristy tamin'ny fampahalalàna antsika fa rahalahiNY sy anabaviNY isika izany hoe zanak'Andriamanitra. Io no iainan'ny fanahy rehetra araka an'Andriamanitra. Io no itoeran'ny fahendrena sy ny lalàm-pitiavan'Andriamanitra (Mpananatra hoy i Kristy).
Tamin'ny andron'ny Apostoly dia samy nahita ny jiron'ny rahalahiny avy izy vao nifoha ny Fanahy Masina. Teo dia tsy niy intsony izay miafina fa transparent daholo ny fo sy ny sain'ny rehetra sady mazava. Extase hoy ny vazaha izay ary afaka nitory izany fahasoavan-dehibe izany izy ireo.

10. rijadolly
(
26/06/2011 03:39)
Miharena a! aoka aloha ilay zavatra vohizina any, fa ny fazohanao ilay lohahevitra alefa. Satria lasa ady hevitra efa mahazatra antsika sy se indray, nefa, ny fotony aza ty tsy mazava amintsika sy se. Raha io mantsy dia misy teny ao anaty Baiboly tsara mahavaly azy no sady manohitra ilay zava-niseho tamin'Jesoa Kristy mihitsy.
Misy fanotaniana napetrako ao ambony ao ahoana ny hevitry se.

11. bor2lais
(
27/06/2011 07:46)
miharena:
Dia mizara toy izao izany isika olombelona:
1) Vatana = AINA, 2) Saina ao anatin'ny vatan'aina ary 3) Fanahy miahy ao anatin'izy rehetra. Raha tsy feno ireo dia tsy misy izao rehetra izao.
Endrika fisehoan'ny tsy fitoviam-pijery roa nolazaiko ery ambony ireo !
Amiko manokana dia misy ny manana 1) sy 2) saingy tsy manana ny 3) !!! :-)
Tsy nanakana ny fisian'izao rehetra izao anefa izany !
Ny tanjona amiko dia ny hananana io 3) io ... Izany hoe tsy ny rehetra akory no zanak'Andriamanitra (manana ny FanahiNY) !
Fomba fijeriko ihany anefa izay a ! :-)
12. Miharena
(
27/06/2011 10:59)
Raha tsy nisy anefa ny 3) dia tsy nisy daholo ny 1) sy 2). Noho izany tsy mety raha tsy misy daholo izy rehetra fa tsy afaka mandeha irery ny 1) sy 2) fa korontana ambony ambany no mitranga raha tsy eo ny 3). Arty ny 3) koa tsy mahita izay mampiavaka azy raha tsy eo ny 1) sy 2).
13. bor2lais
(
27/06/2011 12:40)
miharena:
Raha tsy nisy anefa ny 3) dia tsy nisy daholo ny 1) sy 2).
Mety ho marina angamba izay tamin'ny voalohany. Saingy amiko (raha ny Baiboly no jerena) dia nisy "coupure" tao ka lasa ny 1) sy 2) sisa no nijanona (tsy tao intsony ny 3)).
miharena:
Noho izany tsy mety raha tsy misy daholo izy rehetra fa tsy afaka mandeha irery ny 1) sy 2) fa korontana ambony ambany no mitranga raha tsy eo ny 3).
Moa tsy izany va ny tantaran-draolombelona !
Ilay inoako aloha dia tsy Andriamanitry ny fikorontanana e ! Dia lazainao mantsy eo fa matory Izy e ! :-)
Amiko kosa dia ilay 3) mihitsy angamba no tsy ao amin'ilay 1) sy 2) (intsony) e ! Inoako mantsy fa miasa mandrakariva Izy (raha ao) fa tsy matory akory !
miharena:
Arty ny 3) koa tsy mahita izay mampiavaka azy raha tsy eo ny 1) sy 2).
Tsy dia azoko loatra ny tianao ambara eto.
Amiko manokana hatramin'ny voalohany (Genesisy) ka hatramin'ny farany (Apokalypsy) ny Baiboly dia maneho ny "adim-Pitiavana" izay ataon'Andriamanitra amin-draolombelona : etsy andaniny Izy mitady indrindra (hamerina) ny olombelona ho ao amiNY, etsy ankilany kosa ny olombelona izay mandositra Azy !
Izany hoe ilay 3) te-hiverina ao amin'ny 1) sy 2) saingy 1) sy 2) no mandà Azy ! :-)
Rehefa tafahaona ny 1) sy 2) ary 3) dia izao no fandraisako azy amin'izay (ampifandraisina amin'ny resaka Trinité voalazanao) :
Fanahy Masina -> Kristiana -> Jesoa -> Ray -> Fanahy Masina -> Kristiana ...
Fantatro fa resaka "anatiny" sy "ivelany" no tsy mampitovy hevitra antsika : sa tsy izay ry Miharena ? :-)
14. rijadolly
(
27/06/2011 15:13)
tsy maninona fa efa tafiditra ny ady hevitra dia aleo any no hamoahana vahaolana mikasika ilay manjavozavo amin'ireo lohahevitra ireo.
Fa ahoana marina ary izany Fanahy Masina matory ao anatin' olona izany e?
Io teboka io no lalana iray hanazava ny tsy fitoviana eto.Miray hevitra amin' Bor2lais aho, izay mitarika ilay hevitro fa avy any ivelan' tena ny Fanahy Masina.
Raha amin' Miharena àry, Matory rendremana, manao be marenina...ve ny Fanahy Masina?
Miharena:
Tamin'ny andron'ny Apostoly dia samy nahita ny jiron'ny rahalahiny avy izy vao nifoha ny Fanahy Masina.
Bor2lais:
Amiko kosa dia ilay 3) mihitsy angamba no tsy ao amin'ilay 1) sy 2) (intsony) e ! Inoako mantsy fa miasa mandrakariva Izy (raha ao) fa tsy matory akory !
Fa ahoana marina ary izany Fanahy Masina matory ao anatin' olona izany e?
Io teboka io no lalana iray hanazava ny tsy fitoviana eto.Miray hevitra amin' Bor2lais aho, izay mitarika ilay hevitro fa avy any ivelan' tena ny Fanahy Masina.
Raha amin' Miharena àry, Matory rendremana, manao be marenina...ve ny Fanahy Masina?
15. rijadolly
(
27/06/2011 15:23)
Bor2lais:
Mety ho marina angamba izay tamin'ny voalohany. Saingy amiko (raha ny Baiboly no jerena) dia nisy "coupure" tao ka lasa ny 1) sy 2) sisa no nijanona (tsy tao intsony ny 3)).
Marina mihitsy io. Izay koa dia manamarina fa afaka miala aminao ny Fanahy Masina, ary noho Ilay FITIAVANA, dia nirahiNY ilay ZanaNY hanao Fampihavanana amin' ny olombelona rehetra. DIa izay te- handray mandray, izay tsy te handray tsy mandray.
16. Miharena
(
27/06/2011 15:49)
Rijadolly:
Fa ahoana marina ary izany Fanahy Masina matory ao anatin' olona izany e?
Io teboka io no lalana iray hanazava ny tsy fitoviana eto.Miray hevitra amin' Bor2lais aho, izay mitarika ilay hevitro fa avy any ivelan' tena ny Fanahy Masina.
Raha amin' Miharena àry, Matory rendremana, manao be marenina...ve ny Fanahy Masina?
Ity no mamintina ny fanontanianareo sy Bor2lais ka hovaliana.
Ny Fanahy Masina dia tsy matory velively fa miasa mandrakariva ao anatin'ny olombelona fa ny fahafenoaNY no tototra noho ny asan'ny saina amam-panahin'ny olona tsirairay avy. Ny fanahy samy fanahy no afaka mifandray. Izay no ifandraisan'ny Mpamorona sy isika voary. Raha tsy misy fanahy dia tsy misy olombelona. Ho an'ny olona matory na tototra ny fanahiny dia manana zavatra maro ivelany ierehana izy. Mitady hery ivelany mandrakariva fa tsy mandini-tena. Samy manana voan-tsinapin'ny Fanahy Masina isika izay fohazina noho io fahatotorana io (ohatra momba ny voa nafafy notantarain'i Kristy).
Ilay resaka manalavitra dia midika famoronan-drindrina manodidina io Lova Soa ao anatinsika io. Ilay eritreritra (Saina) manambara fa lavitra ny RAY sy Zanaka ary ny Fanahy Masina no diso ka manjary miteraka fiheverana fa hery hafa ivelany ny TRINITE. Io no herin'ny eritreritra manototra ny MAZAVA araka ny ENdrik'Andriamanitra ao anatintsika tsirairay avy.
Ao am-po moa no anambaran'ny soratra masina ny FIKASAN'ANdriamanitra matetika. Tsy afaka miasa raha tsy ao am-po Andriamanitra ary tsy ivelany IZY fa ao anatin"ny rehetra ary manerana ny rehetra. Tsy misy olona mahazo ny Teniny raha tsy amin'ny alalan'ny Fanahy Masina. Ary raha tsy manokatra ny fony ny olona, izany hoe manala ny fefy noforonin'ny eritreriny, dia tsy hamiratra ny Fanahiny. Izany hoe tapaka amin'ny FANAHY FOTOTRA LEHIBE MANERANA.
Fa raha tonga kosa ny fanalàna ireo eritreritra rehetra diso, izay fanadiovana izao rehetra izao, dia tsy hisy afa-tsy ny FANAHY MAZAVA sisa no entin'ny olona tsirairay ka mety ho sarotra ihany ny hahazo izay nitady AZY ivelany fa toy ny olona tsy manana isarangotana.
Izay no itenenana hoe ankino amin'Andriamanitra izay rehetra alehanao dia ho lavorary ny dianao. Fantarina IZY sy IANAO voariNY dia hanana fitoniana lehibe ianao amin'izay ary tsy hisarangotra intsony fa hanana fijoroana tsy azo hozongozonin'izao eritreritra diso rehetra izao.
17. rijadolly
(
27/06/2011 16:26)
1) Izany hoe tsy ny Fanahy Masina ao anaty no fohazina fa ilay fanahitsika?
2) Hazavao miadana tsara ny hevitry se fa mifangaro be amiko. indrindra eo amin'ilay lohahevitsika. Fanahy , FANAHY MASINA, FOFONAINA (AINA)dia ohatry tafiditra mifangaro izany ao koa ny Trinité. Mialatsiny Miharena fa tsy tafiditra mihitsy ilay izy.
3) Fantatro izay inoako, ary efa niaina ao anatin' fandraisana AZY aho, dia efa niaina koa tao anatin'ny tsy nisy AZY. Ny tiako lazaina dia hoe: fantatro rehefa miala ato anatiko ny FANAHY MASINA ary fantatro ihany koa rehefa feno ny FANAHY MASINA aho. eo ilay nolazaiko voalohany dia ilay maha izao ahy dia ny fanahiko izany, izay mitaraina mitoloko ao anatiko ao, fa tsy hoe ny FANAHY MASINA no mitoloko akory. Eo amin'izay no mitady ilay Mpanavotra hameno io fanahy mitoloko io mba ho voavonjy. Tsy manana isarangotana ve aho amin'izany? tsia ny valiny. izay tsy mitady AZY no tsy hanana ho sarangotana fa ho voafitaka.
4)Ary raha tsy ankinoko amin'Andriamanitra ny alehako rehetra fa andeha amin' herin' ny nofoko sy izay hetahetam-panahiko aho? Miray hevitra isika sy se amin'izay valiny izay fa tsy ho lavorary ny dia sy ny kasaintsika. Azo heverina ary ve izany fa misy ireo lalana roa samy hafa ireo? ENY. Ny iray miaraka amin' Andriamanitra( Trinité) ny iray amin' herin' tena sy ny hetahetam-panahiko.

18. Miharena
(
27/06/2011 16:39)
Tsy mifangaro ireo lazaiko ireo Rijadolly. Ianao ilay mitoloko dia mandini-tena lalina ka nofohaziNY. Raha tsy anananao kosa ny HeriNY rehefa mahazo ianao dia mila mandini-tena indray aloha. Dia miverina mamaky tsara ireo lazaiko eo ambony ireo.
19. rijadolly
(
27/06/2011 18:27)
Ianao ilay mitoloko dia mandini-tena lalina ka nofohaziNY
Izaho(fanahiko) no fohaziNY ; Ilay "NY" eto no manao action dia Andriamanitra Trinité, fa tsy ny FANAHY MASINA akory no fohazin' tenany ihany.
20. Miharena
(
28/06/2011 07:57)
Marina ny filazanao raha toa ka heverinao tokoa fa ivelany IZY Rijadolly fa tsy manana SOMBINY ianao. Tsarovy anefa fa ILAY SOMBINY ao anatinao no nahatonga anao handini-tena fa tsy IZY ivelany.
Ilay mifoha dia izay naharava ny rindrina nampisaraka (ataontsika hoe ota na fahadisoam-piheverana ny momba ny fandraisana AZY). Toy ny olona iray izay nanao rindrina matevina iska olombelona, indrindra moa rehefa miha-lehibe mitombo manangona ny fahalalan'izao tontolo izao iny. Tsy tsaroana intsony ilay FO itoeran'ny Fofon'Aina'Andriamanitra ka raha tsy efa mahatsapa mitondra entana mavesatra be vao misaina hoe ahoana moa ity izaho ity?
Dia eo no manomboka mitady ilay vavahady ety. hitarafana ny fahazavana. Bitika dia bitika tokoa io vavahady io satria ny fontsika ilay izy. Mila mandrava ireo rindrina be noheverina fa maharo ny tena (io ilay Goliata rodanina atsy amin'ny lohahevitra iray atsy).
Ny Mazavanao avy amin'ny MAZAVA no tadiavinao fa tsy ivelany velively. Avy eo ianao dia afaka hilaza fa mirehitra tsara ny jironao fa nahazo ny rivotra nilainy satria nosokafanao ny rindrimby nataonao.